Antoine Chevrier Pretra arakan’ny Evanjely 1826-1879 Pierre Berthelon

 

 

 

 

 

Ce fichier numérique est fait pour aider le travail et son utilisation suppose l’achat du livre. Il est aussi mis à disposition des prêtres à Madagascar et dans d’autres pays que la France qui n’ont pas accès au livre.

Tous droits réservés. La loi du 11 mars 1957 interdit les copies ou reproductions, une utilisation collective. Toute représentation ou reproductions destinées à une utilisation collective. Toute représentation ou reproduction intégrale ou partielle faite par quelque procédé que ce soit, sans le consentement de l'auteur et de l'éditeur, est illicite et constitue une contrefaçon sanctionnée par les articles 425 et suivants du Code pénal.

 

 

Imprimé en France

© Les Éditions du Cerf; 2010

pour la présente édition

www.éditionsducerf.fr

(29, boulevard La Tour-Maubourg

75340 Paris Cedex 07)

ISBN : 978-2-204-09179-4

ISSN : 1633-4426

 

– VD, Ny Mpianatra Marina. Ny tarehy marika izay manondro ny pejy.

– L. Taratasy nadika maromaro miendrika polycopies tamin’ny taona 1974. Hita manaraka ny laharan’ny Taratasy ny laharana maneho ny pejy. Azo atao ny mijery ny taratasy miiendrika polycopies. Hita koa ny voatonta farany. Nambara ao amin’ny edisiona ara-tsolosaina ny fanondroana feno momba ilay taratasy araka ny voasoratra ao amin’ireo taratasin’i Mompera Chevrier tamin’ny 1987.

– P. I, II, III, IV. Fandraisana ny fijoroana vavolombelona mba ho entina eo amin'ny fitsaran’ny fampiakarana ho olo-masina. Boky efatra natao dika mitovy. Ny nomerao izay manaraka amin'ny tarehy marika arabo, manoro ny pejy.

– Six, Tantaram-piaina nataon’i Jean-François Six, Un prêtre, Antoine Chevrier, fondateur du Prado, Paris, Seuil, 1965.

– Ms, Fitanisana asa soratra vitsivitsy ao amin’ny asa soratr’i Mompera Antoine Chevrier napetraka ao Limonest (13 volumes, I à XIII).

– R. Ny boky X, asa soratr’i Mompera Chevrier napetraka tao Limonest, natao dika mitovy tamin'ny lohateny hoe : « Règlements-Sacerdoce ». Ny nomerao no milaza ny pejy.

– Ao anatin’ny lahatsoratra voatanisa anaty […] ny fandikana teny latina vitsivitsy na ny teny nampiana mba hahatonga ny lahatsoratra ho tena mazava. Rehefa misy fomba fiteny latina iray no tsy arahin’ny fandikana manokana, dia izay lahatsoratr’i P. Chevrier izay ihany no nanome ity dikany ity.

 

Fanolorana

Ity fiainan’i Antoine Chevrier olon-tsambatra ity dia fanahy iniana natao fohy. Raha tiana ho lazaina ao anaty pejy vitsivitsy ny toetra tena ilaina ao amin'ny fiainana iray, tokony ho fidina ireo toetra ireo arakaraka ny hevitra, iheverana ilay olona, ny hafatra omeny, ny iraka ataony. Noho izany dia nifidy araka ny hevitro aho.

Ny boky izay atolotray dia natokana ahatsapana fa i Antoine Chevrier, dia olona manana ny maha izy azy, ary tsy nanintona ny maso avy hatrany, fa azo fantarin’ireo izay te-hitady sy te-hahita. Mitady an’i Kristy mba ho hita ao aminy ; miaraka amin’i Kristy mitady ny hafa, indrindra fa ny mahantra mba hahita azy ireo tahaka ny rahalahy ao aminy.

Ho hitantsika fa ny lahatsoratr’i Mompera Chevrier dia matetika voalaza, indrindra ny boky nosoratany dia ilay hoe « Ny Mpianatra Marina ». Ity soratra fanovozan-kevitra tsy niova ity dia ilain’ireo izay te-hiditra bebe kokoa ao amin'ny eritreritry ny mpanoratra. Ny voalohany izay nahazo izay ilain’

 

ity pretra ity dia ny Masera Marie Boisson izay niteny hoe : « Mampiseho ny tenany i Mompera Chevrier ao anatin’ny bokiny : ‘Ny tena Mpianatra marin’i Jesoa Kristy’.

Manambarambara ny mpanoratra azy ity boky ity ary izany fiainany izany no manazava ny boky. Araka izany dia afaka mahazo tsaratsara kokoa ny fahasoavana azon’ity pretra ity isika, ary vokatr’izany ny fahasoavana omena ny olona izay voaantso hanaraka izany lalana izany.

 

1 Antso sy fibebahana

Ny kominin’ny Guillotière dia miorina ao amin'ny morony havian’ny reniranon’ny Rhône ampitan’i Lyon izay any amin'ny morony havanana. Ity kominina ity dia iray amin'ny tanàna be olona any Lyon. Nakambana tamin'ny tanàn-dehiben’i Lyon izy tamin'ny taona 1852.

Ao anatin’ny firoboroboan’ny indostria voalohany tany Frantsa isika ary ny faritanin’ i Lyon – Saint Etienne no faritra voalohany nisy indostria tany Frantsa. Tanàna kely nisy mponina 7 000 tamin'ny 1815, nisy mponina 40 000 ny tanànan’ny Guillotière tamin'ny 1850 teo ho eo. Tamin'ny 1856 dia lasa avo roa heny io isa io. Ireo isa ireo dia ampy hanaporofo amintsika fa ao anatin’ny olana ara-toekarena isika, olana ara-piaraha-monina sy ara plolitika apetraky ny fitatry ny indostria sy ny fiainan’ny sarambabem-bahoaka tamin’io vanimpotoana io.

Tamin’ny 28 mey 1850, dia nisy pretra nohamasinina vao telo andro dia, Antoine Chevrier,

 

dia natao vikeran’ny paroasy Masindahy André ao Guillotière. Ity paroasy ity dia nanorina tsy ela izay noho ny hafaingan’ny fitomboan’ny isan’ny mponina.

Tamin'ny Noely 1856, marimarina kokoa ny alin’ny 24 mifoha 25 desambra, dia niseho tamin’i Antoine Chevrier, fisehoan-javatra hafa kely izay toa nanipy ity lehilahy ity tany ivelan’ny lalan-kely mahazatra. Fantantsika izany fisehoan-javatra izany tamin'ny nolazain’ ilay voakasik’izany satria noresahiny izany tamim-pahatsorana sy tamim-pahamaotinana. Fantantsika koa ity fisehoan-javatra ity tamin'ny ny fiovana hentitra sy mazava teo amin'ny fiainan’i Antoine Chevrier nanomboka tamin'ny datin’io fotoana io. Izy tenany rahateo nanamafy fa io fisehoan-javatra io no anton’ny fiovan-dalana aleha teo amin'ny fiainany.

Nisy zavatra teraka tamin’io 25 desambra 1856 io.

Ny tenany mihitsy no niteny hoe : « Tao Saint-André no nahaterahan’ny Prado… » (P. II, 7). Ny iray tamin’ireo izay nandray mivantana ny tsiambaratelony, Jean-Marie Laffay, dia nitatitra hoe :

« Teo am-pieritreretana lalina ny amin'ny Fahatongavana ho nofo teo anoloan’ny tranon’ombin’ i Jesoa Kristy zazakely no nanapahany hevitra ho an’Andriamanitra. « Hoy aho anankampò : ny Zanak’Andriamanitra mihitsy no efa nidina tety ambonin’ny tany, mba hamonjy ny olombelona sy hampibebaka ny mpanota. Kanefa inona moa ny zava-misy hitantsika ankehitriny ? Mbola maro tsy tambo isaina ny mpanota manerana an’izao tontolo izao ! Ary tsy mitsahatra mankany amin’ny fahaverezana ny olombelona ! Ka noho izany dia nanapa-kevitra aho fa hanara-dia akaikikaiky kokoa an’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba afahako mahomby kokoa amin’ny asa famonjena fanahy ; ny fanirìko dia ny hahita anareo manara-dia akaiky ny Tompontsika ihany koa » (P 2, p. 98).

Raha ny tena marina dia ho lazaintsika fa nisy zavatra tonga tamin’ity Alina Noely ity

 

ary atao kokoa hoe fahaterahana ny fahatongavan’ny andro tamin'ny faran’ny taona 1860 tahaka izay hahitantsika azy atsy ho atsy (jereo toko faha-4).

Noho izany dia nisy zavatra nanomboka tamin'ny Noely 1856. Tamin’io andro io no namorona tetik’asa hiaina amin'ny maha pretra araka ny Evanjely i Antoine Chevrier mba hamaliana ny filàna apôstôlika midadasika izay hitany manodidina azy. Nampiasa ny androm-piainany sisa hanatanterahany izany eritreritra izany.

Namorona tetikasa izay azy manokana i Antoine Chevrier nefa natokany bebe kokoa ho an’ Andriamanitra noho ny an’ny tenany. Ho lazainy fa asan’ Andriamanitra ny Prado.

« Raha nanao an'i Prado Andriamanitra dia tsy ny hanomezana ahy fananana mitentina 100.000 francs mihitsy akory izany ; ataoko izany fa nomeko an'Andriamanitra daholo ny zava-drehetra ary tsy nangataka taminy afa-tsy ny fahantrana masina ho lova aho, koa misy zavatra hafa àry izany. Koa ampio àry aho hanao izay angatahan'Andriamanitra, indrindra ny amin'ity asan'ny pretra mahantra ho an'ny paroasy ity » (Taratasy faha-295 (277) [5] Ho an’i Ramatoa Franchet [1865]).

Izany fanambarana izany dia sady feno fanetre-tena tena no feno fasahiana. Manetry satria teo ampitenenana izany Antoine Chevrier dia niondrika teo alohan’ Andriamanitra teo am-pahalalana fa ny tena fahaizany manokana dia tsy ahafahany manao izay nataony. Fanambarana feno fahasahiana koa satria mihevitra ny handanjalanja, hanamarina ny fametrahan’ Andriamanitra sy ny asa manokan’ Andriamanitra izy. Ity fanetretena sy fahasahiana ity dia sarin’ny fanetre-tena sy ny fahasahian’i Masindahy Paoly.

« Fa ambany indrindra amin'ny apôstôly aho, ary tsy mendrika antsoina hoe apôstôly akory aza, satria nanenjika ny Fiangonan’ Andriamanitra aho ; saingy ny fahasoavan’ Andriamanitra no naha-toy izao ahy. Tsy foana tao amiko anefa ny fahasoavana, fa niasa bebe kokoa noho izy rehetra aho ; na tsy izaho,

 

fa ny fahasoavan’ Andriamanitra niaraka tamiko. » (1 Kôr 15, 9-10)

Andao hiverenantsika ilay fisehoan-javatra anatiny tamin'ny 1856. Raha ny finoana ilay voakasika ity fisehoan-javatra ity dia mifototra amin’ity hoe : Antoine Chevrier ity, dia efa tafiditra taloha lavitra teo amin'ny fahalalana an’i Jesoa Kristy noho ny fahasoavana manokana.

Maro ny vavolombelona izay nitatitra izay hitany tamin’ity zavatra ity. Miresaka an’ilay zavatra araka ny andraisany azy ireo, ary ny fandraisan’ izy ireo manokana dia miteraka fahasamihafan-kevitra sy fifandisoana teo amin'ny fijoroana vavolombelona. Afaka mahalala isika fa misy fijoroana vavolombelona sasantsasany tena marina noho ny hafa.

Andao ho tazonintsika aloha ny fijoroana ho vavolombelon’i Marie Boisson, Masera Marie. Tsotra, voalanjalanja, feno fahendrena, mifanohitra amin’ireny karazana literatiora raisin’ ireny vavolombelona sasany ireny izay mitantara karazana angano mivolom-bolamena ireny.

« Raha ny fahasoavana sy ny fanomezana hafakely an’i Mompera Chevrier dia, 1) mbola tsy reko mihitsy niteny an’ izany ; 2) nafatrafarany aho tsy haniry ny fahasoavana hafa ary tsy hangataka an’ izany amin’ ilay Andriamanitra tsara, nefa nandre zavatra maro nolazain’ ny olona maromaro aho, ohatra, fa tamin'ny alin’ny Noely 1856, dia nisy hazavana tena manokana teo amin'ny Misterin’ny Fahatongana ho nofo ary nohamarinin’ ny tenany mihitsy ny fibebahany tamin’ izay fotoana izay » (P. I, 152).

Manana ny porofona pretra izay tena mpianatr’i Mompera Chevrier mivantana izahay. Toa ireo tiany ampitàna ny fikasany, ny tsindrimandriny amin'ny heriny rehetra izy ireo, azontsika antoka fa te-hanazava malalaka amin’ izy ireo ny momba io teboka izy.

 

Jean-Marie Laffay izay mitatitra ny teniny efa voalaza (p. 10) dia nanohy am-pahamendrehana hoe :

« Tsy ny lahatsoratra marin’ity resaka nifanaovana ity no ialako tsiny fa tsy voadikako tamin’ izay ora izay fa hamariniko ny vontoatiny sy ny hevitra[1] » (P. II, 98).

Fa mbola manana tsaratsara kokoa noho ireo porofo ireo izahay. Manana ny asa soratr’i Antoine Chevrier izahay, indrindra ny « Mpianatra Marina ». Satria ao amin’io boky io dia tsy nila zavatra hafa afa tsy ity izy : hampandray kômonio ireo mpianany tanora arak ny fahasoavana noraisiny tany am-boalohany ary hampiseho karazana fiainana apôstôlika toa inona no vokatr’ity fahasoavana ity.

Raha ny marina dia afaka mijery asa soratra hafa taloha izahay ao amin'ny Mpianatra Marina. Ny voalohany dia fitsipi-piainana nosoratana tamin'ny desambra 1857 (R. 4). Io lahatsoratra io dia maneho ny fanahafana an’i Jesoa Kristy modelintsika alohan’ny zavatra rehetra azo eritreretina fa io fitsipika io dia tena voasintona tao amin'ny toritenin’ny « Capucin » iray niara-belona taminy izay niezaka haneho tao anatin’ny fiainan’i Jesoa ny modelin’ny asa fanompoana maha-pretra (Jereo Six, 154-155). Rehefa hiteny amin'ny fombany manokana, Antoine Chevrier dia tsy hiala amin’ ity hevitra fanahafana an’i Jesoa Kristy ity, hitany tao amin'ny Masindahy Paoly izany (Jereo 1 Kôr 11, 1), fa aleony kokoa mametraka ho lohalaharana ny resaka manaraka an’i Jesoa Kristy. Noho izany dia rariny ny mijery ao amin'ny « Mpianatra Marina » mba hanana fahalalana tena tsara ny amin’ izay niseho tany Saint-André tamin'ny andron’ny Noely 1856

 

 

Misy fomba fijery roa lehibe mahazatra raha hihevitra ny misterin’i Kristy.

Ny sasany hijery indrindra ny atao hoe fahambonian’ Andriamanitra sy ny fanetre-tenan’i Kristy. Hitandrina indrindra amin'ny fanambanian-tena an-tsitrapo ny Tenin' Andriamanitra. Amin’ity tsipika ity, amin'ny fotoanan’ny dia ny tranon’omby indrindra no fototry ny fieritreretany, ny tranon’ omby izany hoe ny fahantran’ olombelona izay to no nahaterahan’ny Zanak' Andriamanitra, ny toetry ny fahazazana izay tiany hietrena, sns.

Ny sasany kosa indray dia hijery bebe kokoa ny hakanton’ Andriamanitra sy ny voninahitr’i Kristy. Miaraka amintsika Andriamanitra ao amin’i Kristy, mahita ny voninahitr’Andriamanitra izy ireo izay mipoitra eto amin’ity izao tontolo izaontsika izao ity ary ny fiombonana amin’ Andriamanitra izay omena ny olombelona.

Mazava fa tsy azo sarahina ireo fomba fijery roa ireo ary araka ny olona, ny fikambanana, ny fotoanan’ny tantara, ny fotoanan’ny fiainan’ny tsirairay dia azo atao ny manamafy ny fomba fijery iray na ny iray hafa. Toy izany, ny lahatsoratry ny Testamenta Vaovao dia manindry indraindray ny fomba fijery iray indraindray ny iray hafa.

Voatarika hieritreritra ho azy ny tamin'ny Noely 1856 isika. Antoine Chevrier dia nandinika lalina talohan’ny fidinan’ny Tenin' Andriamanitra. Teo amin'ny lafiny iray satria voasariky ny fitiavam-bavaky ny vahoaka tandrefana izay mijanona amin’ izany fanambaniana tena ao anatin’ny fihirana izany izy ary koa ny fampisehoana ny Nahaterahan’i Jesoa Kristy. Ao amin’ny lafiny iray hitantsika manaraka ity fetin’ity Noely ity, ny Vikeran’ny Saint André dia nanapa-kevitra hanahaka lafadafatra kokoa ny ohatry ny fahantrana nomen’ny zazakelin’ny Tranon’omby. Nefa angamba tsy izay no niseho.

 

Voatariky ny fahasoavan’ Andriamanitra tamin'ny fahalalana lalina ny misterin’i Kristy, ary ny fo voatohin’ ity mistery tsaran’ny Fahatongavana ho Nofo ity (Jereo taratasy faha-52 (49) [1] ho an’i Mompera Gourdon, [1865]), dia nampifantoka ny eritreriny tamin'ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy izy (VD. 65-82), teo amin'ny hevitra fa Kristy dia ny Tenin' Andriamanitra, Andriamanitra marina avy amin’ Andriamanitra marina.

Ao amin'ny andininy ao amin'ny « Mpianatra Marina » izay natokana amin'ny fahalalana an’i Jesoa Kristy, dia mazava ny zavatra. Andininy iray dia manome toerana malalaka ny amin'ny fandinihana lalina ny amin'ny fanetre-tenan’ ny Zanak' Andriamanitra, ny andininy mitondra ny lohateny hoe : Mpanjakantsika Izy (VD. 93-95). Nefa, ny andininy vitsivitsy dia misarika hihevitra fa io andininy io dia nosoratana manokana, ary nampidirina arak’ izany ho isan’ny fanadihadiana ny amin'ny anarana entin’i Jesoa Kristy. Andao ho ekentsika rahateo fa i Mompera Chevrier izy mihitsy no nametraka izany tamin’io toerana io, fa na inona na inona io toe-javatra manokana io, azo antoka fa tao anatin’ny dimampolo pejy, na toy inona na toy inona endriny, ny saintsika dia voasarika teo amin'ny fahamasinan’i Jesoa Kristy, teo amin'ny fisehoan’ny Fahatongavana ho Nofo ary ny fisehoan’ Andriamanitra ho antsika.

Toy izao no nampidirana ny toko mikasika ny Maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy :

« Izay rehetra ao aminy dia manaporofo amintsika fa izy no ilay Teny mandrakizay tonga ety an-tany ho antsika haneho ny eritreritra sy ny sitrapon’ Andriamanitra » (VD. 69).

Ary toy izao ny fiafaran’ny fanadihadihana ny anarana entin’i Jesoa Kristy :

« O ry Teny ! O ry Kristy ! »

« Tsara tokoa Ianao ! Lehibe tokoa ianao ! » (VD. 108)

Tsy namorona teny iray mihitsy i Antoine Chevrier, tsy misy fiteny na iray aza hilazana an’i Jesoa Kristy. Saika

 

ny tenin’ny Soratra Masina fotsiny no nampiasainy izay nahafinaritra azy ny manovo ao tahaka ny mpanangona hosodoko iray izay tia ny fikarohana ataony. Ho azy, ireny teny ireny dia ireo izay miteraka traik’efa anaty ka mampiova ny fiainany ary ireny koa dia izay mamohafoha ho tsaratsara ny traik’efa izy tsy hay lazaina ny ampahany lehibe.

« Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina tatý amintsika.

« O ry mistery lehibe ! Andriamanitra eo amintsika !… (VD. 62).

Hiresaka momba ny zava-miseho ao anaty isika, ny traik’efa ao anaty, ny fandinihan-tena, tsy maintsy ho resahina koa ny fibanjinana. Aza mino isika anefa fa izany dia miseho ho azy tahaka ny tsy misy mpanatrika ao amin’ Andriamanitra. Tsy manana faniriana hanivaiva ity traik’efa ara-panahin’ny tsy misy mpanatrika ity aho. Manana ny asany sy ny dikany ao anatin’ny fikasan’ Andriamanitra izany, afaka manentana ny tena olon’ Andriamanitra izy. Aoka hieritreritra an’i Newman. Eto anefa hafa ny fisehoan-javatra. Ny traik’efa tamin'ny Noely 1856 dia an’ny olona iray miraiki-po amin'ny vahoaka, mpitandrina iray izay mahatsapa ny filàna mihatra aman’aina hiditra hiresaka amin'ny vahoaka. Ary heveriny fa tahaka azy Andriamanitra, fa Andriamanitra dia mila hifanerasera amin'ny vahoakany, hohenoina ary mitady ny fomba rehetra hanaovana an’izany.

« Tsara ho marihana fa ny fanehoana ny hevitsika dia zavatra tena ilaina, ary tsy afa-miaina isika raha tsy maneho ny hevitsika. Filàna ao amintsika io, ka na ny moana aza dia mitady fomba hanehoany ny hevitra ao anatiny ao.

« Tsy azo gadraina na fatorana ny hevitra, sady

 

tsy mahasoa antsika na ny hafa izy raha izany.

« Io filantsika maneho ny hevintsika, ny fikasantsika, ny sitrapontsika, ny fientanam-pontsika amin’ny hafa io anefa, iza no manome azy ho antsika, tsy Andriamanitra ve ?

« Raha Andriamanitra àry no manome antsika io filàna hita fa tsara io, dia manana io filàna hifandray amintsika voaary koa Izy, isika izay zava-boaary manan-tsaina, nataony mitovy tarehy sy endrika aminy. Maninona no nataony mitovy tarehy sy endrika aminy ka nomeny fiafarana soperinatoraly isika raha tsy manan-kolazaina sy hampianarina antsika izy ? Tsy nataon’Andriamanitra mitovy tarehy sy endrika aminy ka nomeny fahazavan-tsaina isika raha tsy manan-javatra ho lazaina amin’ny zava-boaary Izy mba hanomezana famantarana ny sitrapony eo aminy.

« Mba inona ary no holazain’ny raim-pianakaviana iray izay niteraka maro kanefa namela ny zanany hipetra-potsiny fa tsy hanambara amin’izy ireo ny sitrapony sy ny adidin’izy ireo ? Tsy mendrika ny ho ray izany olona izany, aleo aza izy tsy nisy toy izay manao toy izany.

« Tsy maintsy niteny tamin’ny olombelona Andriamanitra, ary dia tena niteny taminy marina tokoa.

« Ny Teniny no nentiny niresahana tamin’ny olombelona satria ny Teniny dia heviny, fahendreny. » (VD. 61-62).

Araka izany, dia naka fotoana iresahana tamintsika Andriamanitra, nefa va nohenoina izy ? Mifangaro ao amin'ny pretran’ny Guillotière ny asam-pahasoavana sy ny tebiteby.

Eo aloha misy ireo vahoaka izay tsy tongan’ny tenin’ny Evanjely. Ireo izay any ambadiky ny ranomasina, tsy isalasalana izany, nefa koa indroa mandingana ny eglizy Saint André

 

dia misy vondron’olona izay miaina tanteraka ao anatin’ny tsy fahalalana an’i Jesoa Kristy.

« Raha avela hitety trano isika, izany hoe, manokana efitrano fampianarana any amin'ny kristianina any, ka mamory ny olona ao mba hampianarana azy ireo, na hanomezana famelabelaran-kevitra, fandalinam-pinoana : tsy tonga aty amintsika manko ny olona ka tsy maintsy tadiavina any aminy » (VD. 450).

Misy koa ireo izay tsy te-handre na tsy te hahalala (Jereo Mt 13, 14). Ary amin’ iiey ireny, firy moa ny zatra mandeha am-piangonana na pretra na laika ?

Avo dia avo, madio dia madio, avy any an-danitra tokoa manko ny tenin’ Andriamanitra ary tsy takatry ny saintsika, hany ka raha maheno azy isika, dia mikorontana mikomy hanohitra azy ireo fitongilanan-dratsy tsy hita isa ao anatintsika ao satria mifanandrina aminy mivantana ilay teny manameloka sy mandrava azy.

« Manandram-peo ny fo amam-panahintsika.

« Ny hakamoantsika, ny fahihirantsika, ny fanaovantsika ankambo, ny fitiavam-batana sy ny fanaranam-po, ny fiavonavonana, ny fitiavan-tena sy ny fahafinaretan’ny nofo, ireo rehetra ireo dia miara-mientana daholo manohitra ilay Teny avy amin’Andriamanitra ka milaza fa tafahoatra loatra hono, tsy azo tanterahina, hadalàna ny Evanjely, ary tsy misy afa-mampihatra azy eo amin’ny fiainany.

« Dia lazaina amin’izay fa tsy te-hiavaka loatra amin’ny sasany, hono, mba mila fahamalinana, hono, amin’izay atao ; ny Evanjely, hono, tsy natao ho an’ny sarambaben’olona fa ho an’ny vitsy an’isa ihany, ho an’ny olomasina ihany, ary sarotra loatra ny miaina azy.

« Dia io àry fa resy lahatra ho azy eo, dia apetrapetraka any an-jorombala ny Evanjely fa ny fitongilanan-dratsy no henoina sy omen-toerana moramora » (VD, 124).

 

Nolazaintsika fa ny vanim-potoanan’ny Noely 1856 dia traik’efa tao anaty. Moa va tsy maintsy raisina ho toy ny traik’efa mijanona fotsiny ao amin'ny eritreritra, ao amin'ny fihetseham-po sy ara-kevitra izy ? Tsia, ao anatin’ny traik’efa ity dia misy fanekena sitrapo sy fanapahan-kevitra iray.

« Manokatra fitiavana mandrakariva ny fahalalana an’i Jesoa Kristy, koa arakaraka ny fitomboan’ny fahalalantsika an’i Jesoa Kristy, ny hatsarany, ny fiamboniany, ny hareny no hitomboan’ny fitiavantsika Azy ka hitadiavantsika izay mahafa-po azy ary hanilihantsika lavitra antsika izay tsy mitondra antsika mankany amin’i Jesoa Kristy » (VD. 115).

Ireny no vokatry ny fampiharana ny alin’ny Noely 1856. Mahatonga antsika hihevitra ny fidinan’ny Tenin' Andriamanitra izany izay « na dia mpanankarena aza Izy, dia tonga mahantra noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo amin'ny fahantrany (2 Kôr 8, 9). Mahatsapa voatarik’ity lalana hanaraka akaiky an’i Jesoa Kristy ity i Antoine Chevrier, ho tonga pretra araka ny Evanjely, hanao ny tenany ho Mpianatra Marina. Izany no teny mifanandrify aminy. Nantsoiny ho fibebahana koa izany.

« Nitantara taminay izy fa ny fiovam-pony, tahaka izay tiany ho lazaina, dia fanomezana alin’ny Noely iray izay nolaniana teo akaikin’ny tranom’omby mahantra, tao amin'ny fiangonan’ny Masindahy André. Tao no nanovozany ny fahantrana » (P IV, 52).

Manao ny fampitahana miaraka amin'ny Masindahy Paoly izy :

« Izay nahita an’i Jesoa dia nahita ny tahirin-drakitra lehibe indrindra.

 

« Tsy misy ankasitrahany ho ambonimbonin’i Jesoa Kristy.

« Satria i Jesoa Kristy dia mahafeno izay tadiaviny rehetra.

« Henoy ange ny filazan’i Md. Paoly azy : Ireny toa tombony ho ahy ireny anefa, talohan’ny nibebahako, dia nataoko ho faty antoka noho ny amin’i Kristy » (VD. 114).

Miteny fiovam-po ! Tsy tafahoatra ve ? Tsia. Marina fa ny fiovampon’i Antoine Chevrier tsy hoe fihodinana lozaben’ny fiovan’i Saoly, mpanenjika ny kristianina. Fa ny fanakaikezana ny finoana dia mahatonga fivadihana tanteraka teo amin’i Paoly, ary koa ny fahalalana an’i Jesoa Kristy teo amin’i Antoine Chevrier dia miteraka fiovana lalina eo amin'ny fiainana.

Hatreto aloha dia pretra tsara fanahy ity olona ity, eny tena pretra tsara fanahy aza. Toa tsy hitahita ny nahatonga azy ho « pretra masina » araka ny resaka mandeha.

Tokony ho raisina am-pahamalinana ny tantaran’ireo izay niresaka taminay ny momba an’i Paroasy Masindahy André. Matetika dia fijoroana vavolombelona tsy mivantana, fantatra fa ireny fahatsiarovana ireny dia niniana natsaraina. Na izany ireo izay miteny ny fanolorantenany tsy misy fetra dia tsy foronina. Ny anaran’ireo mpivavaka dia : ohatra tamin'ny 1854, nanao fandevenana iray ny « curé », ny « vicaire » iray hafa nanao 33 ary ny Abbé Chevrier 125. Mahita tarehy marika mitovitovy amin’izany ho an’ny batemy sy ny mariazy. Tena pretra mahafoy tena mihitsy i Antoine Chevrier araka izany tao amin'ny fiangonana. Nampiseho ny toetra tsara hahafantarana azy taty aoriana ko izy : olona tsara izy, malemy paika, mandray alona, mavitrika, tsara fanahy sy tia vavaka izy, malala-tanana sy tsy tia kely.

Nefa tsy ampy izany rehetra izany, zavatra hafa no andrasan’ Andriamanitra aminy, ka taorian’ny Noely 1856, dia fantatr’ity pretra tsara ity fa

 

tokony hiova fiainana izy. Noho ny fitiavan’ny vahoaka izay nandefasana azy, dia izany no fiantombohan’ny fiovana tao amin'ny fomba maha-mpiandry azy, tao amin'ny fomba fanehoana ny fahafoizan-tena apôstôlika. Tena fibebahana izany.

Inona ary ny zavatra mivaingana ataony ? Tsy mbola fantany. Na izany aza anefa noraisina ny fanapahan-kevitra iray. Ny fizotran’ny hevitra dia mbola mijanona ao anaty fa tsapany tsara fa voadingana ny tokonam-baravarana tsy azo iverenana iray :

« Mitenena Tompo ô fa mihaino ny mpanomponao.

« Handeha any amin’iza indray moa aho ? Ianao no manana ny Tenin’ny fiainana mandrakizay.

« Ianao no fahazavako, Ianao no làlako, fiainako, fahendreko, fitiavako.

« Hanaraka Anao aho Tompoko na aiza na aiza halehanao

« Vonona aho hiara-maty Aminao, homeko Anao ny fiainako manontolo, ho any an-tranomaizina aho, ho faty noho Ianao irery ihany.

« Ianao no Mpanjakako, Filohako sy Mpampianatro.

« Tompo ô, raha mila olo-mahantra Ianao, inty aho !

« Raha mila olona adala Ianao, inty aho !

« Jesoa ô, inty aho hanao ny sitraponao : Anao aho ! » (VD. 122).

 

 

 

2 Fiomanana

Ny fahendren’ Andriamanitra dia manana fitandremana hanomanana ny vanim-pahotana eny fa na dia izay tsy fantatsika indrindra aza.

Misy fiomanana anaty iray ho an’ny fahasoavana tahaka ny tamin'ny Noely 1856. Fantatr’i Antoine Chevrier izany (jereo p. 119, vD. 119).

Fa misy fanomanana iray hafa avy amin'ny hery mitarika, avy amin-javatra miseho ivelany izany. Ny toe-tsaina ankehitriny dia mitarika antsika hanome lanja betsaka amin’ ireny zavatra ivelany ireny, ny fiaraha-monina, sy ny fiainam-pianakaviana, ny hevitra miseho, sy zava-miseho ara-politika, ny toe-javatra ara-pinoana, sns.

Antoine Chevrier tsy dia nandinika lalina ny fanomanana ity zava-miseho ity. Tsy nolaviny izany kanefa tsy nihazona azy loatra izany. Nieritreritra indrindra ny fisarahana amin’ireny izy mba hirosoana lavidavitra, fisarahana amin’izay nitarika, nanofana azy sy nanintona azy hatramin’izay.

 

 

« Hitantsika mazava tsara fa mba hanjary tena mpianatra dia tsy maintsy ho izao aloha

« mandà ny fianakaviana sy izao tontolo izao

« mandà ny tena,

« mandà ny zavatra rehetra eto an-tany

« Ary rahefa vita ireo, dia mandray ny hazofijaliany ary manaraka azy amin’ny fampiharana ny hatsaram-panahy atoron’ny Evanjely » (VD. 134).

Nefa ireo lalana ireo dia tsy tokony hamitaka antsika. Tsy te-hanohitra ny zavatra noraisiny rehetra araka ny hevitra ijoroany izy. Tsy te-hiala amin’ izay no eritreretiny sy nataony izy. Te-halalaka izy hamaliany ny antson’ Andriamanitra ao anatin’ ny fahatsarana tanteraka. Nefa fanoherana foto-kevitra ijoroana teo amin'ny lasa dia sakana iray ambonin’ny fanapahana. Fotsiny aloha ny fatotra rehetra manakana ny hamaliana ny antso izay re. Tsy te-hanampina ity antso ity eo am-panaovana mpamalivaly izy.

« Fandresen-dahatra manao ahoana re no azon’ireo olomasina rehetra nanaraka ny torolàlan’ny Evanjely ireo natao mba hisakanana ny fidirana amin’io làlana avo dia avo, lavorary indrindra, tena sarotra dia sarotra ho an’ny natiora io ; ary raha sanatria ka voan’ny velam-pandrika tao izy ireo dia tsy nanana olomasina mihitsy isika na dia iray monja aza !

« Marina tokoa ny Tenin’ny Tompontsika hoe : Raha tsy tonga tahaka ireny zazakely ireny ianareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra akory. Ny tiany holazaina dia izao : raha ny toe-tsain’ny olombelona fotsiny no hitondranareo tena, raha ny fifandresen-dahatrareo sy izao tontolo izao fotsiny no mameno anareo, na hevitrareo manokana, ny fitongilanan-dratsinareo, dia tsy haheno ny Teniko na oviana na oviana ianareo ;

 

tsy ho afa-mampihatra sy manatanteraka ary mitandrina Azy, satria ny Teniko dia avy any Ambony fa ny fandresen-dahatrareo kosa avy aty ambany. Izaho avy any Ambony fa ianareo kosa avy aty ambany, hoy Izy.

« Raha avy any Ambony tokoa àry Izy, dia avelao hitantana ny anareo am-pahatsorana fa aza miady hitovy soroka Aminy satria ambony lavitra noho isika Izy, ary fadio dia fadio ny manambany ny foto-pampianarany noho isika be tohika amin’ny hamafisam-pontsika.

« Mamono ny Evanjely ny toe-tsaina be tohika, manaketraka ny fanahy amin’ny vahana efa nalainy hanarahana an’i Jesoa Kristy sy hanahafana Azy amin’ny hakanton’ny Evanjely.

« Tsy nieritreritra be loatra ny olomasina.

« Fa noho ny hamaroan’ny be tohika no mahavitsy kely ny olomasina.

« Aoka tsy hatahotra isika, nolite timere [aza matahotra], Izaho ihany ity.

« Ary raha te-hitety ranomasina tahaka an’i Piera ihany ve tsy aleo mankeny amin’i Jesoa Kristy raha mba antsoiny isika tahaka an’i Piera hoe : AVIA àry ê ! » (VD. 126-127).

Ilaina ny manopy maso ny amin'ny lasan’i Mompera Chevrier mba hahitana na ny fiomanana ho irak’ Andriamanitra na ny fisarahana izay nilaina.

Teraka tany Lyon tamin'ny 16 avrily 1826 i Antoine Chevrier. Natao batemy ny ampitson’iny tao amin'ny Paroasy Masindahy François de Sales.

Azo atao mora foana ny mametraka ny fianakaviana Chevrier ao anatin’ny fiaraha-monina tamin’izay fotoana izay. Ny rainy Claude Chevrier, tahaka ny reniny Marguerite Fréchet dia tao amin'ny fiaraha-monin’ny mpiasa tenona fanaovana lasoa. Olona izay fanta-bahoaka ihany amin'ny alalan’ny kolotsainy, mpiasa tananá izy ireo, fa tsy mpiasa intsony ary te-hanatona

 

ny tambonivohitra. Ary tokony ho fantatra koa fa ny mpiasa tao amin'ny fanaovana lasoa dia voahajahaja kokoa noho ireo ao amin'ny orinasa vaovao izay manofana ny mpiasam-bahoaka avy ao amin'ny La Guillotière.

Mora ny mahalala ny fiainana ara-panahin’ity fianakaviana ity. Zavatra iray no misintona maika ny saintsika : teraka ny 16 avrily, andron’ny Paka i Antoine Chevrier ary ny fanambadian’ny ray aman-dreniny dia voarakitra an-tsoratra ny 13 janvie talohan’io. Izany ny mety hidika ny tsy maha-zavadehibe ny taratasy ara-pivavahana sy ny taratasim-panambadiana fa tsy misy na inona na inona manohana ity fiheverana ity. Tsy afaka milaza na inona na inona isika.

Ny pitsopitson-javatra rehetra dia mampieritreritra fa navelan’i Claude Chevrier tamin'ny vadiny ny fitondrana ny tokan-trano, ao anatin’izany ny fanabeazana ny zanany tokana. Marina fa maty tamin'ny 1866 ity lehilahy mora be sy tsara fanahy ity fa ny reniny dia miara-belona tamin-janany hatramin’ny 1866. Noho izany dia tsy mahagaga raha noresahina bebe kokoa izy.

Marguerite, « ny reny Chevrier » [la mère Chevrier], fa izany no fiantsoan’ireo vavolombelona maro, dia tena kristianina. Fa ambonin’ny finoany na ny fitiavany vavaka dia naseho ny herimpony amin'ny asa, ny fahaizany manao tahiry. Vehivavy jadona, reny mpanjakazaka, notezainy tamin'ny fomba hentitra ny zanany. Avy aiza moa ity fomba hentitra ity ? Ary amin'ny fomba nolovam-pianakaviana ? Avy amin'ny nenin’ny lasa ? Avy amin'ny toetra fotsiny izao ? Andao avelantsika ho any izany. Fa andao ho marinintsika fotsiny fa ny fanabeazana an’i Antoine Chevrier dia nahitana fifikirana ara-moraly.

Tao amindry Frères de la Doctrine Chrétienne tao amin'ny fokontaniny no nianatra voalohany i Antoine Chevrier hatramin’ny fahefatra ambin’ny folo taona. Tamin’ izany no nanaovan’ny vikera

 

I Masindahy François no nanoso-kevitra azy ho tonga pretra ary neken’ity tovolahy ity an-tsitrapo izany, nandeha tany amin'ny sekolim-piangonana izy ny 1840 ka hatramin’ny 1843.

Angamba diso fanantenana tamin'ny fihodinam-piainana vaovaon-janany i Marguerite. Nekeny ihany anefa, ary taorian’ny telo taona nolaniana ho kilasy mody tao amin'ny sekolim-piangonana, dia nanjary kilasy mandry tao amin'ny seminera diosezianan’i « l’Argentière » tany ambanivohitra « les Monts du Lyonnais » izy.

Tsy misy na inona na inona nisongadina noraisina tamin’io fotoana fianarana tao amin'ny ambaratonga faharoa io. Hita hoe manana fahaizana ampy i Chevrier kanefa tsy tena mpianatra namiratra izy. Tena mahay izy tamin'ny kajy sy ny fizika noho ny taranja literera.

Tao aorian’ny seminera « l’Argentière », dia nifindra tany amin'ny Seminera Zokiny manofana Teolojia izy tany Lyon ny 1846 ka hatramin’ny 1850. Nandritra io fotoana io dia naniry hiditra tao amin'ny « Société des Missions Etrangères de Paris » izy. Nahaliana be ny Misiona tamin’izay fotoana izay. Nandà mafy ny fikasan-janany ny reniny. Hamela ity hevitra ity ve izy noho ny fanoheran-dreniny sa hanaraka fotsiny ny torohevitry ireo mpanabe ? Tsy hay izay ho lazaina. Fa ity fifampihantsiana voalohany teo amin'ny reny sy ny zanaka ity dia narahin-javatra betsaka. Tsy nanaiky mihitsy ity fihodinam-piainana ara-panahy ity izay norasin-janany nanomboka tamin'ny 1856 ity Marguerite Chevrier ary niezaka ny hanohitra azy izy, fara faharatsiny tamin'ny faharatsian-toetra. Mitantara traik’efa izy rehefa manazava ny Evanjely : « Izay manatona Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny… dia tsy afaka ho mpianatro » (Lk 14, 26).

 

« Misy ray aman-dreny mino fa mbola ananany ny zo rehetra amin’ny zanany rehefa lasa pretra izy.

« Ary satria tsy mihiboka izy ireo, fa Pretra miaina eo anivon’izao tontolo izao, dia heveriny fa tsy maintsy manolo-tsaina azy izy, mitantana azy, manana azy eo anivony, manoso-kevitra azy, fa saingy noho ny sosokevitra omeny, mazana mirefarefa amin’ny tany, ka matetika hoe : aza mandrera-tena loatra, karakarainay ianao mba tsy hijaly loatra, aza mampijaly tena loatra, sy ny sisa toa izany, dia azo fa manimba ny fanahy maha-pretra ny pretra zanany ireny, satria mandrisika azy hanao tsirambina ny adidiny » (VD.152).

« Tsy maintsy afointsika ny rainintsika sy renintsika, izany hoe : tsy tokony hatahorantsika mihitsy ny hampisy alahelo azy ireo, raha ohatra ka ny zava-kendrena ara-panahy no voatohitohina, noho ny hevitra na ny fisainana ary ny hetaheta tsy mitovy tantana no jerena, ka hanoherantsika azy mivantana sy anambarantsika ny tena hevitr’Andriamanitra amin’izany, mba hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy ho famonjena ny fanahy maro.Ny mampisalasala antsika matetika dia ny fieritreretana fa hampijaly sy hampahory azy ireo isika, raha misaraka aminy tokoa : inona no fiheverany ahy raha tsy manaraka ny lazainy aho ? Tsy hihevitra ve izy ireo fa tsy tia azy intsony aho ? Tsy rarahiny intsony ? Tsy karakarainy ? Niambohoany tanteraka ? Tsy mahay mankasitraka ?

« Eo indrindra anefa no anararaotana ny fiainana ny Tenin’ny Mpampianatra, ka hitondrana ny tena toy ny olona tsy mahalala azy ireo, na nandao azy tsy mahatsiaro mihitsy, na dia fantatra mazava dia mazava aza, any am-po tsy miloaka any fa tsy maty na oviana na oviana ny fitiavana azy ireo marina.

« Izay tia ny rainy na ny reniny mihoatra noho izaho, dia tsy mendrika ahy. Amin’ireny zava-mitranga ireny indrindra no tsy maintsy isehoana ho mpampijaly olona sy iadiana amin’ny fientanam-po natoraly ka hiainana ny tenin’ny Mpampianatra hoe : Ialao ny rainao, ialao ny reninao. Tsy maintsy manana fahafahana miasa malalaka

 

dia malalaka mihitsy isika eo am-pamitana ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny famonjena ny fanahin’ny olona. » (VD. 153-154)

Mba hitiavana ny zavatra amin'ny tokony hitiavana azy, dia aoka tsy ho adinointsika fa ny tompon’ireny eritreritra ireny dia nandray ny reniny niaraka taminy tao amin'ny Prado rehefa nananon-tena izy.

Foiben’ny tolon’ny mpiasa tamin’izay fotoana izay ny tanànan’i Lyon sy ny faritaniny, ady miaramila sy nandatsa-drà tahaka ny tamin'ny 1831 sy 1834. Tena mbola tanora be i Antoine Chevrier. Fa tamin'ny 1848, rehefa nipoaka ny revolisiona vaovao, dia tovolahy roa ambiropolo taona no nanatrika ny zava-niseho.

Voatery nametra-pialana i Louis-Philippe mpanjaka ary nandositra tamin'ny 25 fevrie. Nambara ny Repoblika ary araka ny fomba amin'ny Revolisiona Lehibe, dia misy klioba miforona. Ny iray amin’ izy ireo tany Lyon, dia napetraka tao amin’ny tranon’ny Grand Séminaire. Arak’ izany dia afaka nahita akaikikaiky ny mpiasan’ny mpifanolo izay mivory matetika ao amin'ny efitrano iray ao an-trano ny mpianatra. Tsaroan’ny mpianatra teolojia mbola tanora izany taty aoriana.

« Niresaka tsindraindray momba ny olona tamin'ny andronay i Mompera Chevrier, ny mpiasa tao an-tanàna, noresahiny tamim-pitiavana sy tamim-panajana izany. Nolazainy fa tsy ratsy ny vahoaka, voafitaka fotsiny izy ireo ary natao tamin’izay nilana azy raha hay ny mitia azy ireo. Notanisainy taminay ny ohatra ny olona tamin'ny 1848 izay, na dia tao anatin’ny revolisiona, lavitry ny fankahalana fiangonana, ary nanana fanajana tamin’ireo zavatra momba ny fivavahana, ary nangataka tamin'ny pretra hanome tsodrano ny hazon’ny Fahafahana. Izany vanim-potoana

 

naha-vavolombelona azy nandritra ny naha tao amin'ny Grand Séminaire azy dia namela fahatsarovana tsara ho azy aza. » (P. II, 138)

Araka izany hatramin’izao dia hampiseho amin'ny alalan’ny fiihetsiny tahaka ny amin'ny teniny fa tsy matahotra ny vahoaka izy, eny fa na dia vahoaka tezitra aza, ary koa roapolo taona taty aoriana hatramin’ny fihetsem-bahoaka tao amin'ny kômonio (jereo taratasy faha-42 (39) [17] Ho an’i Mompera Bernerd, [Ôkôtôbra 1870])

Teo dia tsy nitovy hevitra loatra tamin'ny pretra tamin'ny fotoany izy izay hoatrany voageja loatra matetika amin'ny tahotra izay mafy hatramin’ny Revolisiona Lehibe tamin'ny 1789. Tsy vitan’ny hoe tsy natahotra izy fa sahy nitady ny tombontsoan’ny fitsentsefana nataon’ny revolisionera aza izy :

« Ny voalohan-draharahan’ny mpikomy dia ny manendaka antsika mba hampahantra antsika. Tsy azo heverina ve fa faizin’Andriamanitra ny firaiketam-pontsika amin’ny zavatry ny tany, ka tereny hiaina ny fahantrana isika satria minia tsy manatanteraka izany an-tsitrapo ?

« Soa ihany aza fa misy an’ireny hamoha antsika amin’ny torimaso ao anatin’ny harem-be, ny figalabonana, sy ny tsy firaharahantsika ny zavatr’Andriamanitra intsony. » (VD. 316-317)

Mampianatra antsika ny fanofanana omena ny pretra ny mpanao tantara amin’ity tapany voalohany ny taon-jato faha-sivy ambin’ny folo ity. Lazaina ny tsy fahombiazana, ny tsy fahampian’ny fianarana filozofia sy teolojia aza. Ambara koa ny fiovana ao amin'ny pretra « concordataire » iray izay amin'ny ankapobeny jamba manoloana ity joe-javatra mibahana be ity tamin’io fotoana io ny fiforonan’ny fitomboan’ny mpiasa mitrongy vao homana eo anivon’ny fiaraha-monina sy ny Eglizy.

 

Mbola mijaly noho ny vokatr’ izany fahajambana izany isika satria mitondra izany vesatra indrindra izany, dia alaim-panahy hanao fijery faobe sy tsy marina ny pretra tamin’io fotoana io. Adinontsika fa na dia tao amin'ny diosezy iray tena moderna aza tahaka ny diosezin’i Lyon, dia nisy pretra avy any ambanivohitra maro izay afaka miaina akaikikaiky kokoa ny mpivavaka ao aminy.

Adinontsika koa fa teo anoloan’ny fahantran’ny mpiasa dia nisy feo niakatra mba hanoherana ity fitsentsefana olona ity, izay mivangongo amin'ny olona mitovy amin'ny tahaka ny amin'ny biby iray no tahaka ny amin'ny mpanompo iray na tahaka ny amin'ny fitaovam-pamokarana iray izay mikajy tsy misy indrafo hatraiza ny fetra ahazoana manampy ny asany mba tsy hahapotika azy izay manombana tsikelikely izay azon’ny hatsembohan’ny olona atao hanome volamena ho azy… » Ny arsevekan’i Cambrai Mgr Giraud no miteny toy izany tamin'ny 1845. [2] Hitan’ny arseveka ny fomba nitomboan’ny indostria tao amin'ny faritany avaratra.

Nanambara ny fanjakan’ny fahamarinana ny arsevekan’i Lyon ny kardinaly De Bonald tamin'ny fevrie 1848 mba ho tombontsoan’ny mpiasa ary tsy hilefitra eo anoloan’ny tombontsoa marikoriko. Ity eveka izay nivoaka tamin'ny fianakaviana mpankasitraka fanjakan’olon-tokana malaza ity dia sahy nanantena ny fanatsarana ny fiainan’ny mpiasa raha apetraka ny Repoblika faharoa : « Tsy maintsy manantena fa haseho amin'ny farany ny tombontsoa marina sy mahomby ho an’ny mpiasa. »[3]

 

Fa izany rehetra izany dia vao mainka nampanjary zava-doza ny fahanginana izay nipoitra taorian’ny fihetsem-bahoaka nandritra ny volana jiona 1848.

Tsy fantatray izay no eritreretin’i Antoine Chevrier ny tamin'ny fanapotehan’ny tafika ny fihetsehan’ny mpiasa fa ny fantatray dia nijanona niseho ho naman’ny vahoaka izy (VD. 316) ka tsy hatahotra ny vahoaka.

Tamin’ny taon-jato faha-XIX dia niatrika fanavaozana ny fandalinam-pinoana ny Eglizin’i Frantsa. Voalaza fa ny talen’ny Grand Semineran’i Lyon dia mieritreritra fatratra ny hanome ny pretra ho avy ny fitiavana hampianatra ny katesizy ary amin’izany tanjona izany dia hanosika azy ireo hifankazatra betsaka amin'ny Baiboly. Hatramin’io fotoana io dia nandray sori-dalana pastoraly vitsivitsy izay hohazonina hatramin’ny farany tamin'ny manaraka, dia tsy ho re izy hitsikera ny fanomanana ara-poto-kevitra sy ara-pastoraly nomena azy.

Fa notsikerainy tsy am-pihambahambana, fa kanefa tsy mitroatroatra ny lanjan’ny seminera izay zatra fiainan’ny mpanana. Taty aoriana dia nanoratra izy niresaka momba ny seminarista niadidiany :

« Mora manaraka ny fiainan'ny mpanana isika, tena sarotra tokoa ny miala amin'izany, raha vantany vao nahazo ny tsirony sy raha vantany vao tafiditra ao anatin'izany fiainana izany isika. Tsapako ankehitriny fa tena sarotra ny mandrava izay efa nampidirina sy nafantoka ao an-tsain'ireo pretra tanora sy ankizintsika ireo. » (Taratasy faha-148 (83) [7] Ho an’i Jean Claude Jaricot [Roma, faran’ny volana avrily 1877]).

Ny miaina tahaka ny mpanana dia tsy midika fotsiny hoe hanana

« hanim-py, efitrano mirenty, fanaka mahasondriana, tsy mandeha raha tsy ambony fiara, fitafiana mangasohaso tsy kasihin-dalitra, » (VD. 321, n° 1).

 

Izany koa dia fihetsika iray, fiahiana fahamendrehana tsy mazava izay manalavitra ny vahoaka :

« alaviro ireny fitaovana tsy ilaina ireny, ireny sakafo be filatrony ireny, ny mpanankarena manefoefo no mila ireny fa isika ndeha hihinana tsotra toy ny mahantra sy mpivahiny » (VD. 188).

Ao anatin’ny dinidinika mahazatra miaraka amin'ny seminaristan’ny Prado izay manao fialan-tsasatra dia izao no nambarany :

« Ao amin'ny seminera, dia nafatrafarana anareo ny fahamendrehana masina ary amin'ny rariny izany. Tokony ho mendrika ny pretra. Fa misy karazana fahamendrehana roa. Mifanohitra amin’ilay fahamendrehana rehefa milalao eny an-kianja tahaka ny zaza fa tsy mifanohitra amin’ilay fahamendrehana hanompo ny olona mahantra kosa izany, eny an-dalana ohatra hanosika sarety » (P. II, 166).

Nahatsikaritra ve i Antoine Chevrier seminarista fa ny fandalovany tao amin’ny seminera dia saika nampiala azy amin'ny karazam-piainana, amin’ny fombam-piainam-bahoaka izay nisy ny fianakaviany ? Tsy hitany va izany raha tsy taty aoriana rehefa te-hiroboka indray amin’izao tontolo izao izy ? Tsy haintsika. Ny azo antoka dia nijaly izy teo am-pahatsapana fa raha hanomana pretra tsara dia tsy maintsy hanome fomba sy toe-tsaina mpanana ny tanora miainga avy amin'ny vahoaka.

Ny 25 mey 1850 dia nohamasinin’ny kardinaly De Bonald, arsevekan’i Lyon ho pretra i Antoine Chevrier. Tsy nolazainy antsika izay tsapany tamin’izay. Manana taratasy iray isika eo am-pelantananantsika, taratasy nosoratana nandritra ny fisintahana fiomanana ho amin'ny fanamasinana, hisaorana ny zanak’vavy olomirahalahiny iray izay te-hanome fanomezana azy. Tena ara-pomba ny firesaka tao amin’ity taratasy ity. Manana naoty noraisina nandritra ny fisintahana koa isika. Angamba eritreritra

 

manokana ireny, nefa koa angamba mamerina ny teny nambaran’ny mpanao toriteny iray.

Raha mitady ao anatin’ny Mpianatra Marina isika, tsy mahita mihitsy izay litorjian’ny fanamasinana ho azy akory. Ary dia gaga isika : inty misy boky misy dimanjato pejy momba ny maha-pretra ary tsy miteny na dia teny iray momba ny fanamasinana na ny fahasoavana entiny. Mbola tsy nipoitra ny fanavaozana ara-litorjia. Zara raha mitsimoka tao amin’ny monastera izany tamin’izay fotoana izay.

Nefa nino fotsiny i Antoine Chevrier niaraka tamin’ireo rahalahiny seminarista fa rehefa mahazo ny fanamasinana dia hisy fahasoavana manokana hipetraka ao aminy ho amin'ny fanompoana ny olona, ary toy ny finoany hatramin’ny farany. Fa rehefa tena pretra marina tokoa izy manomboka tamin'ny fahamasinana azy, dia kely sisa ny lalana izorany mba hanjary pretra araka ny Evanjely.

Raha vao nohamasinina kely i Antoine Chevrier dia voatendry ho vikera tao amin'ny paroasin’ny « Saint André de la Guillotière ». Hita ho tena ambony ny ao amin'ny Guillotière. Tsy hivalampatra amin'ny filazalazana ny mponina ao aminy isika. Fa ho sintonintsika fotsiny ireo filazalazana manokana izay mahakasika antsika.

Ny vikera tanora iray dia miasa avy hatrany amin'ny fanoloran-tena tsy mikajikajy ary tena mifanaraka tsara amin'ny namany izany dia ny curé ao aminy sy ilay vikera iray hafa. Tena manana antso apôstôlika izy. Manamarina izany ny toriteny izay nosoratany tamin’izany fotoana izany. Nanandrana nanangana fikambanana ho an’ny tanora izy. Tsara fanahy tamin'ny mahantra sy nanana fandavan-tena tamin'ny olona marary.

Hitany tokoa ny ankamaroan’ny mponina

 

miaina lavitra ny Eglizy, ary tsy mifandray amin’ireo izay mandeha am-piangonana. Nefa maro tamin’ireny olona ireny no mitana ny fomban’ny Eglizy vitsivitsy, ary hitan’ny pretra izy ireny rehefa misy batemy, fanambadiana, fahafatesana. Ireny fifanenana tampoka ireny dia sarotra. Fantatr’i Antoine Chevrier ny tsy fahalalana fivavahana amin’ireny izay mandeha tsindraindray am-piangonana ireny fa toa tsy mametra-panontaniana be loatra ny amin'ny lanjany ara-panahy an’ireny fangatahana hanao batemy na fanambadiana ireny izy. Manam-pinoana marina ve ny mpangataka ? Inona moa ny anton’ny fihetsika tiany hatao ? Tsy izany aloha ny fanontaniana manahirana ny vikeran’ny paroasy Saint André. Mijery ny resa-bola indrindra izay mifamahofaho amin’ireny fihaonana ireny izy satria ireny no tsikeran’ny vahoaka ary mampijaly azy izany.

« Ny kristianina manam-pinoana tsy hisalasala mihitsy hanome zavatra ny pretra nahavita tsara ny adidy masiny.

« Hangataka inona amin’ny tsy mpivavaka moa ianareo ; hahazo inona amin’ny olona sady mankahala no manaratsy anareo ho toy ny kahihitra sy lian-kanina ; hanantena inona amin’olona tsy miditra am-piangonana afa-tsy in-telo na inefatra mandritra ny fiainany : fanambadiana, batemy, fandevenana, ary amin’izay indray mbola handre ny pretra na ny kristianina hilaza amim-peo hentitra sy feno fahefana manao bodongerona hoe : izao no tsy maintsy halohanareo ?

« Mampandositra ny olona ny fiangonana ireny fomba mamohehitra ireny, manompa mihitsy izy ary mitsikera

 

lalina ny finoana sy ny fivavahana. Lazainy fa fivavaham-bola ny fivavahantsika. Azo itokisana marimarina anie fa tena vitsy ny olona manolotra vola ho an’ny pretra amin’ny fo madio e, matetika aza dia ompa mihitsy no isarahany aminy eo » (VD. 315).

Mampitaha ny fiainana iainana ao amin'ny presbitera sy ny fiainan’ireo izay anerena azy angatahana vola i Mompera Chevrier.

Misakafo tsara noho ny any amin'ny mpiasan’ny Guillotière ny any amin'ny presbitera.

« Tsy mahamenatra antsika ve ny heverin’ny olona fa manan-katao kokoa noho izy ireo ? na mihinan-ko voky bebe kokoa raha miolotra amin’ny sarambaben’ny olona ? ka mitolona ny didin-kanim-be eo ambony latabatra ? mitsentsitra sy mankafy ny menafify, ny voahendy, ny voaravaka sy tsara taharo ? kanefa ny madinika etsy zara raha manan-katelina ? » (VD. 189)

Afaka mitonatonana tsy manan-katao ao amin'ny presbitera.

« Indrisy anefa, raha mbola misy koa olona eto an-tany heverin’olona fa mitoe-poana tsy manan-katao, dia ny pretra izay !

« Ekena, tsy azo lavina satria marina loatra, fa asa ara-panahy no ataony, ary tsy hita maso ny vokany ; fa marina tsy azo lavina ary hita mibaribary koa fa mipetra-potsiny manary andro ny pretra !

« Tena marina mihitsy anie izay, hany ka raha mba misy dianao tena ilaina mihitsy any ivelany any, dia adroadroin’ny olona ery ianao ataony hoe : Manahoana Mompera, handeha hitsangatsangana izany ? na avy nitsangatsangana angaha ? Tahaka ny tsy manan-katao afa-tsy ny fitsangatsanganana tontolo andro ny tena. Dia izany no lazantsika

 

eny amin’izao tontolo izao : mpitsangatsangana, mpandany andro. Mampalahelo kanefa mba laza, hono ! Indrisy ! raha mba mahalankalana kokoa mantsy ny fahitana antsika eny anaty arabe, na eny an-kalamanjana, na misakafo be any aman’olona ivelany any, na mamangy olona tsy misy antony akory, ka afaka mikarakara misimisy kokoa ny mahantra, ny marary, ny asa soa, na mitoriteny matetitetika, ka hahasintona olona maromaro noho ny finoana sy ny fitiavantsika namana, dia tsy hisy hanontany antsika intsony na handeha hitsangatsangana isika, na avy nitsangatsangana.

« Mihoatra noho ny olon-drehetra, dia tokony ho hita eo am-perin’asa ny pretra tontolo andro. Na ny mpanao trano na ny mpandrafitra, na ny mpamboly na ny mpanjaitra, na ny mpanao fanaka anie ka miasa tontolo andro ê ! Miasa tontolo andro izy ireo, ary matetika aza andro aman’alina, mba hamelomany ny tenany sy ny vady aman-janany ka ny pretra izany dia manana anjara moramora kokoa satria izy manana asa ambony lavitra noho ny hafa.

« Angaha moa tsy noho ny pretra tsy manao tsara ny asany no maha-ratsy asa ny sahan’ny raim-pianakaviana ? no mahatonga ny mpiasa ho bado, ka mikomy amintsika ankehitriny ? » (VD. 191)

Tsara trano ny any amin'ny presbitera. Manao izany fanamarihana izany ny olona tonga any. Te-hanala izay rehetra mamofompofona mpanankarena i Antoine Chevrier, ny fetezan’ny fiainana, ny fiadanana, tsy tokony afaka hiteny hoe : « mijaly izy » (VD. 291)

Raha fintinina, ny vikeran’ny paroasy Saint André dia mahatsapa fa rangahy iray izy noho izany dia vahiny ho an’ny ankamaroan’ny olona ao amin'ny fokontany. Fa vanim-potoana

 

iray naningana dia hametraka azy moramora sy maimaimpoana akaikikaiky hatrany ny vahoaka rehetra mba hanompo: ny tondra-drano tamin'ny volana mey 1856 izany.

Amin’izao androntsika izao, mbola misy takela-bý eny amoron’ny renirano Rhône. Ahitana marika betsaky ny tondra-drano nafitsoky ny renirano. Ny tena mafy mitoetra dia ny tamin'ny 1856. Loza be ho an’ny La Guillotière izany. I Antoine Chevrier, dia anisan’ny mpamonjy voina mafana fo tokoa. Misy nahita azy nisedra ny loza. Nanomboka teo ny lazany teo amin'ny vahoaka. Izany ny zavatra ivelany.

Tsy hita maso, ny fisian-javatra iray tena manan-danja. Ny fangorahana nasesiky ny firahalahiana dia nanosika an’i Antoine Chevrier hiasa, nanampy azy koa handray ny fitobahana ara-pitiavana apôstôlika. Hanoratra ny amin'ny fangorahana izy,

« io no fototry ny fitiavana.

« Io no fientanam-po voalohany tsy maintsy mameno antsika raha vao mahita olona mijaly isika, na iza izy na iza. Izay tsy mihontsona amin'ny fahorian'ny sasany dia olona tsy afa-mitia mihitsy.

Volana vitsivitsy taty aoriana dia nisy fibebahana tamin'ny Noely 1856, niditra tao amin'ny lalam-baovao iray izy.

 

3 Fandinihan-tena

Nanomboka tamin'ny Noely 1856, araka izany dia resy lahatra i Antoine Chevrier fa ny antson’i Kristy hoe : « Avia hanaraka ahy », dia miantefa aminy amin'ny endriny vaovao. Tsy ampy azy ny hanohy izay efa nataony hatreto.

Hatramin’izao anefa dia nitady fotsiny ny hanao tsara izay ataon’ny rahalahiny rehetra ao amin'ny diosezy izy, ao am-piainana mitovy amin'ny fomba fiainan’izy ireo. Raha tsy maintsy hanao zavatra hafa, hiaina amin'ny fomba hafa, dia tokony tsy maintsy mivavaka. Mifanohitra amin’izany ny toetran’i Antoine Chevrier dia tsy manosika azy amin’izany.

Aleo « mitoetra any any amin’ny toerana miafina, tsy fantatr’olona »(Taratasy faha-268 (253) [3] Ho an-dRamatoakely isany Mercier sy Bonnard), tsy tiany ny fihetsiketsehana mitabataba, ary hahita lalana iray azo antoka izy satria lehilahy malina sy miaina amin'ny zava-misy ity lehilahy ity.

Misy vahaolana tena tsotra ary mety hanome fahafaham-po io toetra tsy tia sehoseho sy malina io : miditra ao amin'ny fikambanan-drelijiozy dia ampy. Nopotehin’ny tolom-piavotana frantsay

 

ny fikambanan-drelijiozy ary ny fifandraisan’ny Papa sy ny fitondram-panjakana dia tsy napetraka raha tsy noho ny fiverenan’ny clergé séculier (ny pretra diosezanina). Fa nisy fikambanana vaovao niseho tsikelikely ary niforona indray ny fikambanan-drelijiozy taloha eo ambany tosiky ny manam-pahefana matanjaka, ka anisan’izany i Lacordaire izay niavaka tokoa, izy dia mpanorina indray ny Dominikana tany Frantsa.

Tafajoro indrindra tao amin'ny fokontanin’ny Brotteaux ny Dominikana sy ny Capucins teo akaikin’ny paroasin’i Saint André ary Antoine Chevrier dia efa nifidy Capucin iray mitovy taona taminy ho mpampikonfesy dia i Mompera Bruno.

Fa nibahan-toerana loatra teo amin'ny fiainany sy ny fiovam-pon’ny mponin’ny La Guillotière. Tokony hanana toerana aminy koa ireo fikasany vaovao ireo. Efa tsapany lalina izay holazainy momba ny Kristy :

« Ory ny fanahiny nahita ny reniondry tsy manam-piandry. » (VD. 479)

Ho azy tsy mipetraka ny fanontaniana handao ity vahoaka mahantra ity, ny mifanohitra amin’ izany aza ny fitiavany hanatona azy ireny. Heveriny fa ny pretra, ny pretra tsotra araka ny fitenenana indraindray, ny pretra diosezanina araka ny fiteny fanahy iniana ankehitriny, « ny pretra dia natao hiaina eo anivon’ny olona » (VD. 121, n° 1) fa ny fiainan’ny relijiozy, araka ny fahitany azy na ny fisehony tamin'ny androny dia tsy mifanaraka amin'ny zavatra tadiaviny. Nitady fomba fiainam-pretra izy izay nomeny ity famaritana ity taty aoriana, ka hoy izy : « Pretra mahantra ho an’ny paroasy. »

Tsy nanakana azy tsy hanaiky ny fandresen-dahatry ny relijiozy indrindra ny an’ny fianakavianam-ben’ny fransiskana izany. Hiditra ao amin'ny Tiers-Ordre izy amin'ny 1859, tamin'ny fijanonana voalohany nataony tany Roma. Nefa notsindriamandry izy

 

zavatra hafa mihitsy no katsahiny, zavatra maningana, tsy mitovy amin'ny hafa, mbola tsy nosoratana. Misy olona iray anefa manome ohatra azy, olona iray izay manana herim-po hisintaka amin'ny fiaviany mpanan-karena mba hiara-miaina amin'ny vahoaka. Lahika iray 34 taona i Camille Rambaud.

Fanontaniana iray mbola iadivan-kevitra ny hoe: nifanena tamin’i Camille Rambaud tamin'ny volana jona 1854 ve sa jona 1857 i Antoine Chevrier ? Azo hazavaina ny amin'ny heviny itsy na iroa ny porofo fa izay mijanona ho azo antoka fa ny fihaonana dia nifanandrify tamin'ny alin’ny Noely 1856, enim-bolana taty aoriana na aloha, ary no ohatry ny laïka dia nampihetsika lalina ny vikeran’i Saint André.

Mpanan-karena teraka tany Lyon i Camille Rambaud. Niasa tao amin’ny mpanao lasoa anankiray izy ary tonga mpiara-miasa taminy. Ny faharesendahatra relijiozy tao aminy dia tsy tena lalim-paka tamin’izay fotoana izay fa tena malala tanana sy sahirana tamin'ny fahantran’ny mpiasa izy ; voasariky ny herin’ny « sosialisma utopique » izy. Rehefa avy eo dia nanjary hentitra sy mazava ny finoana kristianina tao aminy ary tapa-kevitra hiova fiainana izy. Nilaozany ny asa fanaony, ary nifantoka hampianatra katesizy ny ankizy mahantra sy nilaozam-pianakaviana izy ary nanorina ilay antsoiny hoe : « Cité de l’enfant Jésus » [tanànan’i Jesoa zazakely] tao aorian’ny tondradranon’ny volana Mey 1856. Mpanan-karena iray hafa izay nanao fiovana mitovy taminy no namany.

Variana i Antoine Chevrier mahita olona mihevi-tena ho mahantra miaraka amin'ny mahantra. Tsy niala tamin'ny fitafiana maha mpanan-karena izy ireo mba hanaovana ny fanamiana fransikana, nanao kasikety izy ireo, ny aron’ akanjon’ ny mpiasa ary tonga nonina teo anivon’ny mpiasan’ny morondrano havian’ny Rhône. François Haour, ilay vikera hafan’ny paroasy Saint André

 

dia nitatitra fa taorian’ny fihaonana voalohany tamin’i Camille Rambaud dia niteny i Antoine Chevrier hoe : « Hitako i Joany tany an’efitra ». Izany fihaonana izany no manaporofo faharesen-dahatra izay hipetraka tsy azo hozongozonina.

« Aza mino mihitsy fa noho ny fananana akanjo tsara tarehy, akanjo mafana, trano tsara endrika, fanaka kanto, firavaka marevaka sy haingo madera no hahasintonana an’izao tontolo izao sy hahazoana ny fitokisana. Tsia. Ny hatsaram-panahy irery ihany.

« Raha nilaina ireny zavatra ety ivelany ireny, dia ho nampiasain’i Jesoa Kristy Tompontsika tokoa. Tsy izany velively anefa. Nariany lavitra azy mihitsy. Tranon’omby no mba hany fonenany, fihinanambilona no hany fandriany, olo-mahantra saika fadiranovana no mba hany ray aman-dreniny, ary rahefa ho faty izy dia hazo mitanambokovoko. Ary hoy Izy hoe : rahefa hasandratra eo ambony hazofijaliana aho, dia hitarika ny olon-drehetra ho any amiko.

« Koa tsy tamin’ny haren-tsarobidy na ny fiamboniana no nanintonany an’izao tontolo izao, fa tamin’ny fahantrana sy ny fijaliana.

« Nampiasa fitaovana hafa noho izany ve ny olomasina ?

« I Md. Joany Batista tany an’efitra, tsy nanana afa-tsy hodi-drameva teny an-tsorony sy fehikibo hoditra, i Jodea manontolo anefa nidodododo nanatona azy.

« Ary i Md. François d’Assise, olona nandehandeha tsy mba nikiraro na nanao kapa, nibaby kitapo iray, heverinareo ve fa niraiki-po tamin’ireny zava-poana ireny ? Ny zava-nisy marina anefa, olona firy, fanahy firy no voasintony hankeo aminy ! Tamin’ny fahavelony fotsiny anie dia efa nanisa iray alina ny relijiozy nanara-dia azy.

« Ny hatsaram-panahy no manintona ny olona ka mitondra ny fo ho an’Andriamanitra.

« Ny laharam-boninahitra, ny fahefana, hoy ny sasany tsy mahay mandinika, satria matahotra sao dia hadrohadroin’ny sasany na hohambaniana

 

raha manao mahantra, miakanjo toy ny mahantra, miaina toy ny mahantra, mifanerasera amin’ny mahantra, manaraka ny fanaon’ny mahantra.

« Heverina ho fahafaham-baraka ny fiainan’ny mahantra kanefa dia io mihitsy no nalain’ny Tompontsika.

« Nietry tena ho mahantra izy ka nolatsain’ny farisiana nilaza tamin’ny Apôstôly hoe : Ny Mpampianatrareo miara-mihinana amin’ny poblikana sy ny mpanota. » (VD. 296-297)

Nisy hery hafa mitarika miantraika tamin’ity fotoanan’ny fandinihan-tena ity. Ny fisarihan’i Jean-Marie Vianney, curé d’Ars. Vao nanomboka ny volana janoary 1857 dia nandeha nidinika tamin’ilay lehilahy izay dokafana amin'ny fahakingan-tsainy mampiaiky volana i Mompera Chevrier ary dia niverina feno risi-po avy tany. Andao tsy ho tsindriantsika izay resaka tamin’ireo olona roa ireo. Tsy manana vavolombelona mivantana mihitsy isika ny amin’izany. Tsy nisy fifaneraserana nanarakaraka teo amin’izy ireo satria dia maty tamin'ny 4 aogositra 1859 ny Masindahy Curé. Niresaka indrindra momba ny fanoloran-tena ho an’Andriamanitra izy. Tsy misy na inona na inona hoatr’izany ary hampiharina tsara amin'ny manaraka izany hevitra izany :

« …tsy tianay ny hamela petra-bola na harena na fananana na fanorenana é. Raha olo-masina marina ianareo, tsy mila an’ireny, hanana be lavitra noho ireny aza ianareo ; fa raha tsy olo-masina kosa ianareo, tsy hananana na dia tamingany iray aza fa hangasihasy eo, tsy mendri-komena manko satria tsy hahay hitantana, ary aleo mampitsahatra ilay asa toy izay manohy azy raha tsy ho afa-maneho ny voninahitr’Andriamanitra sy miaraka amin’ny Fanahiny izany. » (VD. 321, n° 1)

Kanefa tsy nahazo torohevitra fotsiny i Antoine Chevrier

 

tamin’ny Curé d’Ars. Tsy nihevitra io pretra malaza io tahaka ny sampy izy: handeha hijery hafa tsy malaza noho ny hafa izy ary angamba hanome lanjany ny hevitr’izy ireto. Tahaka ny tao amin’i Camille Rambaud dia nahita an’i Jean-Marie Vianney ho ohatra izy ary tamin’ity indray mitoraka ity dia ao amin'ny pretra ny ohatra tsara.

Ilay vikera tanora tany amin'ny Guillotière dia nahita pretra iray mipetraka any ambanivohitra izay mampiseho mivantana ny zavatra ao an-tsainy. Miseho ho pretra mahantra ny Curé d’Ars ao amin’ny paroasiny amin'ny hahalalana tanteraka fa tsy andefitra ny zavatra tiany.

« Hevero ange ny hatsaran’i Curé d’Ars mitondra an-tànana ny bakolin-dasopiny mamakivaky ny kianja be, ka sady mihinana izany eny an-dalam-pamangiana marary ! Mahateotia ô ?

« Tsy mba nanam-potoana ihinanana akory izy, tahaka ireo Apôstôly ao amin’ny Evanjely : sady miasa no mihinana ; eny am-pandehanana no mihinana ; tahaka ny ataon’ny mahantra rehetra ! Ary nampibebaka mpanota maromaro kokoa izy amin’izany noho ireo mipetraka mitelina sy mankafy eo ambony latabatra, satria manaitra sy mahatarika kokoa io oha-pitondran-tena io noho ny hafa, ary any amin’ny iray iry no itongilanan’izao tontolo izao.

« Mahandro ovy iray vilany i Curé d’Ars, ary io ovy korany io no haniny miaraka amin’ny mofo kely mandra-pahalaniny, izay izy vao mahandro indray. Indray mandeha aza izy nanandrana nirao-bilona teny an-tsaha.

« Mofo ho an’ny mahantra no vidiny hohanina, ary mitety trano izy mangata-panomezana satria zarainy ho an’ny mahantra daholo ny anjara rakiny, mba hananany ilay fahafinaretana mihinana toy ny mahantra. » (VD. 189)

 

« Aleo lavitra misaringotra ao anaty fitiavana, toa izay milanto ao anaty fankahalàna.

« Aleoko ihany ny sarita-tantelinay fahiny, hoy i Curé d’Ars, teo am-pahitana ny fomba fitondrana ny ankizy kely tao amin’ny Providence. Noterena hanaraka fitsipi-pifehezana sady tsy mifanaraka aminy no tsy azony akory manko ireo zazavavy kely tao, hany ka tena fadiranovana mihitsy i Cathérine kely izay tsy zatra izany fomba fitondrana izany. Rahefa nisy nilaza taminy àry fa tsy mahomby izy ka aleo hosoloina mba hahazoam-bokatra tsaratsara kokoa, sady mifanaraka amin’ny fanao ankehitriny, dia izao no navaliny azy :

« Niaina malalaka araka ny fitiavana tao am-pony manko ny ankizy tamin’ny androny, tahaka ny fanaon’ny renin-tantely, fa tsy mba noterena hanao fiaina-miaramila ; hany ka tonga nanatona azy tamim-pitiavana, hiaina anaty fianakaviana. » (VD. 223)

Nohazonin’i Antoine Chevrier indrindra ity oha-piainana ity. Tsy tokony hatao mpianatra mafana fo na zanaka ara-panahin’ny Masindahy Curé tahaka izay nandraman’ireo mpitsiriritra izay hataony azy. Jean-Marie Vianney dia tantsaha iray nanjary pretran’ambanivohitra. I Antoine Chevrier dia teraka taty an-tanàn-dehibe ary niaina teo amin'ny boriboritany be olona mahantra. Amin'ny mana-lehilahy mitandrina ny zava-misy azy dia mandray toerana mifanohitra amin'ny Curé d’Ars izy. Fantatra manko fa ho an’ity farany ity, tsy misy na inona na inona tsara loatra eo amin'ny fandravahana momba ny fanompoam-pivavahana. Ny pretran’ny Guillotière izay mahalala ny kristianina ao aminy dia nanoratra hoe :

 

« Hianina amin’izay tena ilaina isika na dia eo amin’ny fitaovana enti-mivavaka aza ; mahantra, tsotra nefa madio dia ampy izay, na dia tsy hita, tsy mamirapiratra, tsy kanto mahasarika ny fitiavan’ny maso aza. Ny ilaina dia izay hentitra, maotina, mateza. Mety ho tsotra koa anie ny kanto sy ny goavana e, mety ho tena tsotra mihitsy ny kalisy volamena, kanefa tsy manakana ny maha-kanto sy goavana azy izany. Alaviro mihitsy izay mety hisintona ny fitiavan’ny maso sy ny fitsiriritan’ny sasany na ny fanirian-dratsiny.

« Hoy manko ny sasany matetika : ilàna hatsaram-bika ny zavatra enti-manompo an’Andriamanitra, taniravo natentina izany hoy aho, tsy marina, ataon’Andriamanitra inona izay hatsaram-bikan’akanjonareo ? Eram-panahy sy fahamarinana no anompoana an’Andriamanitra dia izay ihany, ka arakaraka ny ifikirantsika amin’ny ety ivelany no anafoanantsika ny ao anaty ; aza variana amin’ny akanga tsara soratra ka manary ny akoho taman-trano. Ampianaro ny olona fa izany no zava-dehibe indrindra.

« Tandindon’ny tranon’omby sy ny kalvery isika ; aleo ny sasany mba ho tandindon’ny mistery be voninahitra.

« Ho antsika, mahaiza miaiky fa bitika sy tsinontsinona ary mahantra isika, aza ialana io anjara soa io ; mahantra, dia mahantra izay fa aza mitsoaka an-daharana, na dia ho an’Andriamanitra aza. Aza mitono tena amin’ny fizahozahoana sy ny fiavonavonana, tsy ho an’Andriamanitra velively izany fa fanomezana vahana ny fahajejoana. » (VD. 298)

Efa niteny izahay fa te-hifampidinika tamin’olon-kafa i Antoine Chevrier indrindra tamin'ny pretra izay mpampikonfesy tao amin'ny seminera teolojia. Nianatra tao anatin’ny boky ara-panahy vitsivitsy izy izay mbola

 

ananantsika ny andalana nosoratany tanana. Nefa fantany fa tsy ampy ny fiankinana ivelany mba hanao fandinihan-tena ilaina. Ny Fanahy Masina irery ihany no afaka hanome azy ny fahasoavana sy ny hery ilaina ary ny fahasoavana tamin'ny Noely 1856 dia nampahafantatra azy maimaimpoana tsy nampoizina, ary toa alaim-panahy hiteny hoe be haitraitra ny fisian’ny Fanahin’ Andriamanitra :

« Tsy ao anatin'ny fitsipika napetraka ny Fanahin'Andriamanitra, tsy ao amin'ny bikan-javatra na fombafomba, tsy ety ivelany, tsy amin'ny fitafiana, tsy amin'ny fitsipi-pifehezana ; ao anatintsika ao izy raha toa ka nomena azy isika.

“Mandre feo ianao fa tsy fantatra na avy aiza na avy aiza io feo io, na ho aiza io feo io, mitsoka amin'izay tiany izy. Amin'ny fotoana tsy iandrasantsika azy akory no ahatongavany. Raha mitady azy isika, tsy hahita azy, fa rahefa tsy tadiavintsika izy, dia hitantsika. Tsy miankina mihitsy amin'ny sitrapontsika izy, na amin'ny fotoana na amin'ny ora ; tonga izy rahefa tiany ; koa anjarantsika ny mandray azy eo am-pahatongavany. Afaka tanteraka manao izay tiany izy, tsy voafehintsika, saingy manentana antsika kosa amin'ny fotoana tsy ampoizintsika akory. Tsy ao anatin'ny fanjohian-kevitra izy, tsy ao amin'ny fianarana mandalina, tsy ao amin'ny fitsipi-dalao, na ao amin'ny fampiharana ; afon' Andriamanitra mifindrafindra mandrakariva, miakatra sy midina, miseho dia milentika, tahaka ny lela afo avy amin'ny kitay hazo ; koa raha vao miseho dia sambory haingana sao lasa indray, ary tahirizo mafy isaky ny miseho amintsika. » (VD. 511)

Nefa i Antoine Chevrier tsy miandry ny Fanahy miseho ho azy amin'ny fomba mampihetsi-po raha ilaina e !

 

Fantany fa tsy hoatr’izany ny fombany andavanandro ary ny fomba mahazatra, tena azo antoka dia namela hanamarina ny firotsahana an-tsehatra mampitolagaga ary dia tsy mifanohitra amin’izany. Raha manana toetra feno fitiavana izy, kanefa tsy manana fisainana betsaka dia tsy hatoky loatra ny figagana anaty izy. Tena tiany indrindra ny vokatry ny fiezahana manam-paharetana sy feno ezaka nentin’ny fahasoavan’ Andriamanitra.

« Mba tsapanao teraka ao aminao ve izany fahasoavana izany ? Izany hoe : mba misy faniriana manosika anao ho ao amin’i Jesoa Kristy ve ao anatinao ao ?

« Fientanam-po anaty sy talanjona amin’i Jesoa Kristy sy ny hatsaran-tarehiny ny fiamboniany, ny hamoram-pony tsy misy fetra, izay manosika Azy ho avy ao amintsika. Fientanam-po mahatohina antsika sy manosika antsika hanolo-tena ho Azy.

« Fofon’aina kely avy amin’Andriamanitra manosika antsika, avy any ambony any, ‘ex alto’, fahazavana kely avy any ambony manilo antsika ka mampahita an’i Jesoa Kristy sy ny hatsarany tsy manam-paharoa sady tsy manam-petra.

« Raha rentsika ao anatintsika ao io tsiokan’Andriamanitra io, raha mba mahatsikaritra fahazavana kely ao koa isika, raha mba mahatsapa isika fa mba voataona hanatona an’i Jesoa Kristy indraindray, dia kolokoloy io fitaomana io, ampitomboy amin’ny fivavahana, fibanjinana, fianarana mba hitombo sy hitondra vokatra ho antsika. » (VD. 119)

Nanomboka tamin'ny taona 1857, dia nanao fianarana izay maharitra teo amin'ny fiainany manontolo i Antoine Chevrier. Notohizany tao amin'ny Baiboly, indrindra teo amin'ny Evanjely, ny fianarana an’i Jesoa

 

Kristy. Rehefa nanao laretirety izy tamin'ny desambra 1857, dia nanoratra hoe :

« Mianatra an’i Jesoa ao amin’ny fiainany ara eokaristia ho fianarako manontolo. » (R. 4)

Izany dia fanapahan-kevitra izay voatana. Ary izany ankehitriny ny fanapahan-kevitra naseho taorian’ny taona maro nahazoana traikefa :

« Ao anatin'ny fiainan'ny Tompontsika no misy ny Fahendrena sy ny Fahazavana. Amin'ireny an-tsipirihany ireny no ahltantslka ny fitsipi-' piainantsika sy ny fahalavorariantsika ary fampianarana azo antoka sy araka an'Andriamanitra, satria Andriamanitra mihitsy no miseho vatana amintsika.

« Atao inona moa ny Evanjely raha tsy dinihina ?

« Mba hahalalana tsara ny Evanjely dia tsy maintsy idirana ny an-tsipirihany, amin'ny zava-niseho, amin’ny asa natao, amin'izany no ahitantsika ny fahendrena.

« Raha mandalo eny amin'ny arabe ianao, ka mahita trano tsara tarehy, dia mitazana azy eny am-pandehanana sady manao anakam-po hoe tena tsara izany trano izany ; fa saingy ny eny ivelany ihany no tazanao, fa tsy misy hitanao mihitsy izay ao anatiny ao, na ny fanamboarana na ny ravaka, ny hatsaram-bika, ny filatro maneho fahafinaretana, sns… Mandalo, mitazana, dia miteny hoe : tsara be, dia izay ; tsy mampiasa azy akory. Fa raha tahiny ka miditra ao anatiny ao, ka mijery ny rihana sy ny efitra rehetra dia ho afa-mibanjina ny filaminana, ny hatsarana ao anatiny, ny firindrana lavorary.

« Dia toy izany koa ny Evanjely : be ny mijery azy fotsiny dia milaza fa tsara kanefa tsy miditra ao anatiny mba handinika ny tena vontoatiny ka tsy afa-mampiasa azy, mankafy azy, mandray azy ho fitaovana enti-miaina ao anatiny.

 

« Mba hahalalana ny trano iray, dia tsy maintsy miditra ao anatiny mba ho afa-mampiasa ny efitra rehetra ao.

« Mba hahalalana ny Evanjely dia tsy maintsy idirana koa ny antsipiriany ka ampiharina ny zavatra hita ao anatiny ao ; vao miditra kely fotsiny anie isika dia efa mahatsikaritra sahady fa ao amin'ireo antsipiriany ireo ny tena hakanton'ilay trano, ny habeny, ny fahalavorariany. Tena tranon'ny Fahendrena marina mihitsy.

« Hitantsika ao amin'ny fandinihana ny fiainan'ny Tompontsika ny Fahazavana tena marina ; hitantsika ao ny fitsipi-piainana efa voalahatra tsara, voaomana, voatsako ; saingy tsy maintsy karohina, tsy maintsy tadiavina ; raha mankany an-tsaha malalaka ianao, dia hahita karazan-javamaniry maro be ao ; raha mila violety ianao, dia tsy maintsy mitady izay misy ny violety, raha mitady nifinakanga ianao dia karohy izy.

« Karohy ao amin'ny Evanjely àry fa hohitanao ao ny zava-maniry sy ny voninkazo ilainao mba hanome anao ny fiainana sy hitahirizanao azy. » (VD. 516- 517)

Mitady an’i Jesoa vatatenany ao anatin’ny Evanjely aloha izy satria nomena antsika tahaka ny fahazavantsika sy fahendrentsika izy mba hampianatra antsika hanavaka ny marina amin'ny diso, ny tsara amin'ny ratsy, ny marina amin'ny tsy marina ary hitia ny zavatra tsirairay amin’izay tena fahazavany, tena lanjany, hahay hametraka amin'ny toerany ny zavatry ny tany, ny ara panahy, ny fotoana sy ny mandrakizay.

« Ny fahazavany no mampianatra antsika hahalala ny voaary tsirairay, hahalala

 

ny sanda ara-panahy ao amin’ny zavatry ny tany, hahalala ny marina sy ny diso, ny rariny sy ny tsy rariny, ny tsara sy ny ratsy. » (VD. 89-90)

Mitady hahalala ny tenan’i Jesoa ao amin'ny andraikitra hoe Jesoa Kristy (VD. 83-107), eo ampiasana araka izany ny fomba iray tena fanao ao amin'ny Eglizy. Mijanona manokana ao amin'ny andraikitra hoe Mpampianatra, satria tena tsapany ny ilàna Mpampianatra iray satria mbola tsy manana traik’efa andehanana irery rehefa hanao zavatra iray (VD. 95-96, n° 1).

Ity fitadiavana ny tenan’i Jesoa Kristy ity dia mitondra any amin'ny firaisana aminy.

« Ny firaisantsika aina amin’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy ao anaty, hita maso, lavorary tokoa ka mampiloa-bava ny olona mahita antsika manao hoe : i Jesoa Kristy hafa iny. » (VD. 101, n° 1)

Ilaina ity fiombonana amin’i Kristy ity mba hanazava ny dia.

Arak’izany, ny fandanjalanjana ny lalana izay iantsoan’ Andriamanitra antsika dia tsy hoe hitady fotsiny ny fahazavana haneho amintsika lalana iray vita soritra ho antsika izy izay nijanona ho miafina ao anaty haizina hatramin’izao. Tsy maintsy mahalala koa ny fotoana sy ny toerana izay natao andraisana fanapahan-kevitra, hanaovana zavatra izay tsy fantatra tsara hoe hitondra aiza.

« Tsy ampy ny manomboka miaraka amin’Andriamanitra ; tsy maintsy miezaka mba hiara-miasa sy mamita izany miaraka Aminy koa. » (VD. 103, n° 1)

Nanandrana nanova ny fomba fiainany ho tena mahantra aloha ny Vikeran’i Saint André teo am-pijanona teo an-toerana,. Te-hanao sorona ny fanaka tao aminy izy. Niditra an-tsehatra tamin'ny fomba hentitra ny rahalahy mpiara-miasa taminy mba hiseho ho olona misaina izy ary tsapany

 

ny fanoheran’ izy ireo, fa nisy toe-javatra kosa niseho : tsy misy mompera « aomonie » mpiahy ara-panahy ao amin'ny Cité de l’Enfant Jésus (Tanànan’i Jesoa Zaza Kely), satria vao avy nosintonin’ny « Capucins » ny relijiozy anankiray nanao io asa io. Nohararaotin’i Mompera Chevrier io toe-zavatra io ary nangataka ho mpisolo toerana izy.

Vita tsy misy fahasarotana tamin'ny aogositra 1857 ny fanendrena azy. Azo heverina fa faly daholo ny rehetra tamin'ny ny vahaolana. Afaka miaina tahaka ny mahantra ny aomonie vaovao eo amin'ny mahantra, nahita pretra indray ao amin'ny asany ; nionona ny mpiara-miasa ao amin'ny presbitera tamin’io fahasalamana io ary afa-po aok’izany ao amin'ny arsevese tamin’ilay vahaolana izay mety ho an’ny rehetra. Tena nahomby ity andrana faharoa ity.

Ny olona ao amin'ny Cité moa dia zatra niantso hoe « Mompera » ny Capucin izay avy nanao ny asan-drelijiozy, koa dia nanao tahaka izany koa izy ireo. Ho an’ny rehetra izany Mompera Chevrier ny Abbé Chevrier.

 

 

4 Fanorenana

Somary akaikin’ny paroasin’i St André ny Cité de l’Enfant Jésus, lalana dimy ambin’ny folo ka hatramin’ny roapolo minitra dia an-tongotra. Nipetraka tao amin’io fokontany io i Camille Rambaud hatramin’ny 1854. Nanamboatra trano natao hoe « Maison de l’enfant Jésus » (Tranon’i Jesoa zazakely) izy izay nandraisana ny ankizy manana aretina tsy azo sitranina. Ao koa no fianarana katesizy. Taorian’ny tondradrano nampivarahontsana tamin'ny 1856 dia betsaka ny olona tsy nanana trano fonenana intsony ary namorona ny hevitra momba ny « Cité de l’Enfant Jésus » i Camille Rambaud noho izany. Nanjary « aomonie »n’ny asa soa roa i Mompera Chevrier arak’ izany : asa soa fampianarana katesisy ho an’ny ankizy ny iray, asa sosialy ho an’ny trano fonenana ho an’ny mpiasa ny iray. Raha ny heviny dia hijanona fotsiny ao amin'ny ministeran’ny pretra ihany izy ary tian’i Camille Raimbaud koa izay.

Toa nahatsapa malaky ihany i Mompera Chevrier fa toa hay iainana ny orin’asa. Ny zanak’i Marguerite Chevrier aloha natahotra tamin'ny habetsaky ny toe-bola.

 

naroson’ny lehilahy mpandraharaha teo aloha. Tsy mahagaga izany. Nefa raha marani-tsaina, sahisahy, kinga saina, Camille Rambaud, dia mpanonofy sy mpanao revin-gadra izy.

Tsy mitovy tantana amin'ny hatsaram-panahiny ny fahamalinany. Tena fahantrana mihoampampana ny fiainana ao amin'ny Cité, mangatsiaka any, nihinan-kely sy ratsy ary ny fifadiana niaretana dia mampihena betsaka ny fahasalaman’ny pretra izay efa nihoaran’ny heriny fony izy tany Saint André. Raha tompon’ny zava-misy izy dia tsy hanao ity zavatra mihoampampana ity.

« Amin’ireo andro ifadian-kanina ireo, dia hasiana mofo sy divay ary voankazo mandrakariva eo ambony latabatra, amin’ny maraina, ka anjaran’ny tsirairay ny maka izay ilainy mba hahatanterahany tsara ny fanaovana katesizy.

« Ny manam-bavony marisarisa kosa dia afaka mihinana sôkôla kely, na kafe mitapo-drano ampy hanatontosana ny adidy, satria ny fanatanterahana ny adidy na ara-nofo na ara-panahy dia ambony lavitra noho ny fifadian-kanina. Raha tsy afa-mifady hanina ara-nofo dia mahaiza mifady am-panahy. » (VD. 354)

Izany ny fomba fahazoany ny zavatra.

Fa ny tena sarotra dia tsy ao anatin’ity fifehezan-tena tafahoatra ity, any an-kafa izy. Nanindry mandry an’i Mompera Chevrier fa ny asa soa roa akambana ao amin'ny Cité ho fanorenana iray dia tsy ho afaka hijanona miaraka. Ho azy, raha misy faneken’i Camille Rambaud dia tiany atokana indrindra amin'ny fampianarana katesizy mahantra izay azo akambana, nefa moa izy matetika ingaviana

 

amim-javatra hafa izay mikasika ny fanamboarana trano fonenana ary tsy tian’ny olon-dehiben’ny Cité ny ankizy. Marina fa tsy tena mora entina ireo ankizy ireo. Ny ankizy dia mitombo tahaka ny voly dia.

Nomena torohevitra i Camille Rambaud mba ho tonga pretra ary mitovy hevitra amin’izany i Mompera Chevrier. Nahoana ? Tahaka ny olona betsaka tamin’izany fotoana izany dia hitany hoe tsy ara-dalàna angamba fa ho lehiben’asa soa tahaka ny Cité ny lahika iray. Heveriny fa i Camille Rambaud, lahika, dia mety ho sarotra ho lehibeny, nomarihiny tao anaty eritreriny nosoratany izany. Nefa indrindra azony malaky ihany fa afaka hahazo ny fahafahany izy rehefa lasa ho pretra i Camille Rambaud. Satria hanao ny fianarany teolojia any Roma ity olona ity dia handeha hiaraka any izy ireo amin'ny volana desambra 1858. Izany ny voalohany tamin'ny fipetrahana nataon’i Antoine Chevrier tany Roma.

Tao amin’ny Cité Rambaud dia misy mpiara-miasa lehilahy isan-karazany sy mpiara-miasa vehivavy tamin'ny mpanorina izay nantsoina hoe : « frera » sy « masera » fa tsy niorina ho fianakavian-drelijiozy. Araka ny resaka azontsika dia toa somary mitamba-be izy ireo. Tamin’ity fitambaram-be ity dia nisy olona telo niendaka ho anay satria izy ireo dia nikasika akaiky ny tantaran’ny Prado. Izany dia Pierre Louat sy Amélie Visignat ary Marie Boisson.

Mpanampy vaditany i Pierre Louat. Tamin'ny 1856, fony 27 taona izy dia niditra tao amin'ny asa soan’i Camille Rambaud. Tena nahay izy raha hikarakara ny ankizy sy hampianatra katesizy.

Tamin'ny 22 taona tamin'ny 1858 no niditra tao amin'ny Cité de l’Enfant Jésus i Amélie Visignat. Tonga hampianatra katesizy ny ankizivavy izy. Marie Boisson, mpiasa tao amin'ny lasoa mitovy taona tamin'i

 

Amélie dia niditra tao andro iray mitovy amin’i Amélie izy hikarakara ny ankizivavy koa. Nitantara ny fisehoan-javatra izy.

« Nandritra ny naha tao amin'ny Cité an’i Mompera no nahalalako azy ; tamin'ny 31 janvie 1858 izany. Reko tamin’ny tanora iray izay nanaja azy fatratra izany ary nandeha hanao konfesy taminy aho ary tsy nanana pretra mpitarika hafa aho mandra-pahafatiny. Araka izany dia te-hiditra tao amin'ny Petites Sœurs des Pauvres aho ary nanome toky ahy Mompera fa hitondra ahy any ; ka indro fa Ramatoakely Visignat izay nifanena tamiko, tao amin'ny Cité no nilaza tamiko fa hiditra ao amin'ny Cité izy hikarakara ny kômonio voalohany. Nanambara tamiko izy fa tsy hiditra ao raha tsy miaraka amiko. Nampanantena azy an’izany avy hatrany aho ary tamin'ny 15 aogositra, dia nandeha niseho tamin’i Mompera Chevrier aho. Namaly ahy izy hoe : « Ho hitantsika afaka telo volana. » Niditra tsirairay izahay noho ny fiangavian’i Ramatoakely Visignat tao amin'ny Cité tamin'ny zomá voalohan’ny septambra 1858 » (P I, 147).

Eo mpiara-niasa akaiky tamin’ny aomônie ilay zatovolahy sy ireo tovovavy roa, dia nanjary nitovy eritreritra taminy : tsy afaka hanohy hampianatra katesizy amin’izao zava-misy ao amin'ny Cité izao.

Rehefa nanoratra tany Roma, dia miseho mazavazava hatrany sy hentitra tamin’i Camille Rambaud i Mompera Chevrier hatramin’ny taratasy tamin’ny Jona 1859 izay tena nampihenjana azy :

« Izao no zava-misy marina : hatramin’izay nisian’ny Cité dia tsy mandeha mihitsy ny asa atao amin’ireo ankizy manomana ny kômoniô voalohany. » (23 (22) [8] An’Andriamatoa Camille Rambaud, Cité, faran’ny volana Jona 1859)

Mamelabelatra ela be ny zava-tsarotra miseho taminy izy ary hoy izy manamafy izany :

 

« Mbola averiko indray fa ho mora kokoa ny manorina asa atao amin’ireo ankizy any amin’ny toerana iray hafa noho ny ao amin’ny toerana izay naharava izany, sarotra tokoa ny mampijoro indray izay efa rava teo amin’ny toerana iray. » (23 (22) [8] An’Andriamatoa Camille Rambaud, Cité, faran’ny volana Jona 1859)

Ratsy be ny toe-bola tao amin'ny Cité. Natao ny fanamboarana ny fiangonana iray dia lany malaky ny vola sisa teo an-tanana. Tamin'ny Jolay 1859, dia niverina tany Lyon i Camille Rambaud mba handamina ary lasa indray enim-bolana tatý aoriana.

Sarotra ny mahalala raha nandritra io fotoana fijanonany tao io dia niombon-kevitra tamin'ny fisarahana nokasain’i Mompera Chevrier ry zareo, toa tsy izay anefa. Na izany na tsy izany dia niala tao amin'ny Cité i Pierre Donat tamin'ny Janoary 1860 ary nipetraka tany amin'ny trano iray, tany « Montée de Fourvière » (fiakaran’ny Fourvière), ary rehefa afaka herinandro vitsivitsy dia tany La Guillotière. Hanangona zazalahy vitsivitsy izy hampianarina ny katesizy. Nanao tahaka azy i Amélie ary nandeha nipetraka teny amin'ny vohitry Fourvière eny no handraisany ny zazavavy. Te-hanaraka azy koa i Marie fa te-hitazona azy i Mompera Chevrier izay toa milaza izany fa ireo fialan-dry zareo dia tsy nahazo ny fankatoavan’i Camille Rambaud.

« Tsy te-handray andraikitra hampamoaka ny asa soan’ny kômonio voalohany ao amin'ny Cité i Mompera Chevrier nandritra ny tsy maha eo an’Atoa Rambaud izay niomana ho ao amin'ny laharan-drelijiozy tany Roma (farafaharatsiny hevitro izany). Nolaviny ny fanomezan-dalana ahy hivoaka ny Cité handeha any Fourvière ka nampiana hoe : « Raha tsy hoe angaha ny kardinaly no mamela anao. » Heveriny angamba fa tsy sahy hangataka io fahazoan-dalana io aho. Nefa ny ampitson’io ihany dia nangataka izany aho. Noraisin’ny kardinaly tsara aho ary nomeny fahafahana hiala

 

ny Cité. Rehefa nampahafantatra an’i Mompera Chevrier aho, dia tena gaga tamin'ny vokatr’izany izy ary niteny fotsiny hoe : « Tsy manana na inona na inona ho lazaina aho, satria « son Eminence » no nanome anao ny fahazoan-dalana » (P. I, 147-148).

Nanana ny heviny koa ny kardinaly de Bonald ny amin'ny toe-javatra sy ny olona. Nankasitrahany ilay fiangaviana tsotra sy hentitra izay nataon’ity mpiasa vavy 24 taona izay niresaka voalohany tsy nisy ahiahy ny arsevese sambany teo amin'ny fiainany (ny fandraisana azony dia mampahery azy hamerina indray). Ahoana ny fiheverany an’i Mompera Chevrier tamin’izay fotoana izay ? Tsy fantantsika fa hatramin’io fotoana io ka mandra-pahafatiny tamin'ny 1870 dia hampahery io pretra io hanolo tena tanteraka ho an’ny mpiasan’ny Guillotière io izany.

Na tiana na tsy tiana dia efa vita ny fisarahana.

Nisintona lesona i Antoine Chevrier tamin'ny fandalovany tao amin'ny Cité Rambaud, dia ny tsy hitsabatsabaka amin'ny raharaha mandalo sy amin'ny fiovana tanteraka, ny ministeran’ny pretra dia ministera tena ara-panahy.

« Rahefa maniraka ny Apôstôliny ny Tompontsika, tsy maniraka azy ireo hikarakara izao tontolo izao, hiasa, hanorin-trano, hivarotra, fa maniraka azy hitory teny, hanasitrana. Ireo no iraka roa lehibe nankinin’i Jesoa Kristy taminy : hitory sy hanasitrana. Tahaka ny nanirahan’ny Ray ahy no indro anirahako anareo koa.

« Ireo Apôstôly izay nandray izany fampianaran’ny Mpamonjy izany no manome ohatra antsika amin’ny fanatanterahana io adidy io, araka ny ahitantsika azy ao amin’ny Asan’ny Apôstôly ; hitany fa naka fotoam-be loatra tamin’izy ireo ny fikarakarana ny mahantra, fotoana tena sarobidy hikarakarana ny ara-panahy. Koa nanangana diakra izy ireo

 

mba hisahana ny mahantra ary notanany ny fivavahana sy ny fitorian-teny izay hany raharaha tokana sy marina nanirahana azy. Nos vero oratione et praedicationi instantes erimus [Ary izahay kosa hikely aina amin’ny fivavahana sy ny fitorian-teny]. » (VD. 504).

Nampanantena hijanona any amin'ny Cité i Mompera Chevrier mandrapaha pretra an’i Camille Rambaud.[4] Noho izany dia manao ny asany any amin'ny toerana telo mandritra ny volana vitsivitsy izy. Tonga tamin’ity vanim-potoana ity ny fanendrena iray tsy nampoizina hanao aomônien’ny fonja. Nivadika daholo ny tetik’asa rehetra fa i Amélie, Marie sy ireo fikambanan’ny ankizivavy dia nandeha nitondra ny fangatahany any amin'ny kardinaly izay nisintona ny fanendrena.

Etsy andaniny dia miseho tsy tapa-kevitra loatra noho ireo tanora telo namany i Mompera Chevrier. Nampijalijalian’i Pierre sy Amélie ny hanapa-kevitra hanorina marina asa fampianarana katesizy iray izy. Tsy dia miraika loatra i Marie. Tapa-kevitra tokoa izy hanao izay tian’Andriamanitra fa tsy maintsy mbola fantarina izay tiany. Nanomboka tamin’io taona io dia tena niombon-kevitra tamin'ny tetik’asa roa an’i Mompera Chevrier izy. Efa eo amin’izay heveriny ho izy mandritra ny fiainany izy ho mpiara-miasa mahomby, marani-tsaina ary malina. Fantany fa mpihazona ny fanomezan’Andriamanitra izay tsy maintsy ampiasaina io pretra io ary ataony am-pahamafisam-bava tanteraka izany. Rehefa eritreretina fa mifankahita izy ireo raha 32 taona izy ary 22 ilay zazavavy; ary niara-naina tena akaiky izy ireo fa mazava tsara taminy ny faniriany ary tsy mitsahatra miara-miasa izy ireo, tena nigagana

 

tamin'ny fahadiovan’ny fifandraisana tsy misy fihetseham-po. Samy nitodika tamin'ny asan’ Andriamanitra ny tsirairay, ary dia mambabo azy ireo manontolo izany.

Izay no tena anton’ny fihetsik’izy ireo fa ny fahafantarany ny toerana misy ny vahoaka dia nanosika azy ireo koa ho amin’izany. Tsy maintsy maneho vavolombelona azo tsapain-tanàna sy tsy nampiahiahy ny amin’ny tena maha-mpitovy mahatoky ao anatin’ny tontolo iray izay tsy mino izany velively.

« Ny vehivavy tia vavaka indrindra no manasa ny pretra matetika ; mba hamangy azy any an-trano, indrindra ireo tsy manan-katao. Manafintohina ny sasany izay tia mitsingoloka mijery ny ratsy fa tsy ny tsara mandrakariva ireny famangiana ireny, hany ka isakin’ny manao izy dia ataon’ny olona anton-dresaka na any amin’ny kartie na any amin’ny paroasy. » (VD. 178)

« Tsy mba afa-bela amin’ny tsikera ny relijiozy vavy, vao mainka koa aza mirongatra ireny tsikera ireny amin’ny maha olom-boatokana azy ; ka raha mifanosihosy be loatra na vangian’ny pretra matetika loatra izy ireo, dia ho voahenjika mafy. » (VD. 181)

Noho io ahiahin’ny fizaram-pinoana ao anatin’ny fahazavana sy fahamarinana io foana no nanirian’i Mompera Chevrier hanala tao amin'ny presbitera ny mpiasa an-trano vehivavy na mpanompovavy.

« Manaraka ny ohatra nomen’i Md Paoly aoka isika tsy haka vehivavy hiasa manokana ho antsika. » (VD. 180)

Tamin’ny 10 desambra 1860, dia nanapa-kevitra i Antoine Chevrier nony farany. Nanofa trano teo akaikin’ny paroasin’i Saint André, teny amin’ny toeran’ny Saint Louis de la Guillotière izy. Nampiasaina ho trano fandihizana ity trano ity hatramin’izao. Toa antsoina hoe « Balin’ny Prado » izany dia ampitahana amin'ny dihy pariziana izay mitovy

 

anarana aminy. Hatramin’izao ny hevitra fizaram-pinoana an’i Antoine Chevrier dia hitondra io anarana io fa tsy vizaka mitady anarana hafa iray metimety kokoa sy tena masina izy. Novidiny ilay trano folo volana taty aoriana rehefa namidin’ny Tompony amin'ny vidiny tena mihoampampana. Ny fahalalahan-tanan’ny pretra iray izay maty fotoana fohy taoriana no nahazoana ity hofan-trano sy ity fahazoana ny trano ity satria tsy manana na inona na inona i Mompera Chevrier.

Namboarina ny tranon’ny Prado, misy sapela eo afovoany, mipetraka ao amin'ny ilany ny zazalahy, ny zazavavy ao amin'ny ilany iray hafa. Nanaovana tokotany fakan-drivotra roa eo amin'ny toerana mifanila aminy. Ny rehetra dia mijanona tena mahantra. Niaina tsy misy fidiram-bola azo antoka tsy miovaova izy ireo. Nomena anarana tsara hoe : « Providence du Prado » (fitondran’ Andriamanitra ny Prado). Ny kilasimandry ao amin'ny trano dia ankizy na zatovo tena mahantra. Nahena ho olona efatra izay fantatray ny mpiasa. Nanaiky io fizarana ny fiainan’ny mahantra io tamin-kamoram-po daholo ny rehetra. Noraisin’i Pierre Louat tamin-kitsim-po ny olona voalohany ilay voafidin’i Mompera Chevrier. Pierre Pacalet no anarany izay tokony ho lazaina fa anisan’ny mpanorina ny Prado. Teo am-pahitana ity zaza narani-tsaina kondrankondrana izay mitady ny sakafony ao anaty fakon-tsakafo ity dia azon’i Antoine Chevrier fa tokony ho eo akaikiny i Pierre Pacalet hanao ny asan’ Andriamanitra.

Ny fanamboarana tao amin’ny Prado dia tsy fiandohan’ny fotoam-pilaminana. Nisy aloha ny fahasarotana teo amin'ny fiaraha-miasa. Tsy ho ela dia handeha i Pierre Louat sy Amélie Visignat. Niditra tao amin'ny seminera diosezanina i Pierre tamin'ny 1862 ary nohamasinina ho pretra tao amin'ny Société de Marie. Niteraka olana tao an-trano sy

 

tany ivelany i Amélie. Nampahafantatra an’i Mompera Chevrier ny arsevese fa tokony ho roahina izy. Nitovy hevitra tamin’ izany izy fa naleony nandeha tamin'ny nahim-pony izy. Farany tapa-kevitra nandroaka azy izy.

Nefa nisy resaka iray hafa tena lehibe no nitohy nampiferin’aina an’i Antoine Chevrier. Izany no manazava amin’ny ankapobeny nahoana no sarotra manapa-kevitra noho i Pierre Louat sy Amélie Visignat izy. Tsy afaka manana tanjona hampianatra katesizy amin'ny ankizy vitsivitsy fotsiny izy. Nahita filana fizaram-pinoana mbola lehibe lavitra izy. Tsy inona izany fa fanontaniana iray napetraky ny vahoaka marobe tamin'ny Eglizy ary ny fikasany tena lehibe dia ny hanangona fianakaviamben’ny apôstôly tapa-kevitra hanao ny rehetra, handoa izay rehetra sandany amin'ny fitoriana ny Evanjely ilaina ka mba ho ambara amin'ny mahantra ny Evanjely. Tamin'ny Mey 1858, nandritra ny laretirety nataony tamin'ny anaran’ny tenany dia efa nomarihiny :

« Mampanantena an’i Jesoa hitady rahalahy mpiara-miasa tsara sitrapo aho mba hiaraka amiko, hiaina miaraka ny fiainan’ny mahantra sy fanoloran-tena,hiasa ao anatin’ny tena fahombiazana amin'ny famonjena anay sy ny rahalahinay raha izany no sitrapony » (R. 10).

 

5 Eo amin'ny asa soa

Raha vantany vao nivoha ny tranon’ny Prado, dia nitombo faingana ny isan’ny olona nipetraka tao. Fa akaikin’ny Paka 1861 dia nisy ankizivavy folo sy ankizilahy dimy ambinifolo, ary iray taona tatý aoriana dia nisy tokony ho efa-polo izireo ; ary nanoratra i Mompera Chevrier indray andro fa mampiantrano olona eo amin'ny roanjato eo ny Prado.

Voalamina hanome fampianarana kristianina ho an’ny tanora izay tsy afaka manaraka izany ao amin'ny fiainan’ny paroasy andavanandro. Ny ankizy rehetra kilasimandrin’ny Prado dia tsy araka ny tokony inoana azy. Ao anatin’ny antontan-taratasy navelan’i Mompera Chevrier, dia nampiasaina matetika ny teny hoe « ankizy ». Raha ny marina anefa araka ny fitenintsika ankehitriny dia matetika izy ireny dia zatovo sy tanora dimy ambinifolotaona sy mihoatra na nisy koa aza ny tena ankizy.

Nalaky tsy ampy ny zava-bita ary hatramin’izao dia fanamboarana tsy misy

 

farany ny tranon’ny Prado tsy hijanona mivoatra. Ampiana fanampiny eto, ovana ny fizarana efitra anatiny, tapenana biriky ny varavarana amin'ny ilany ka vohaina ny hafa. Nividy tany iray izay tao amin'ny ilan’ny lalana, hametrahana ny zazavavy.

Rehefa mieritreritra ity tantarana fanamboarana ity, fanamboarana indray sy fanovana, dia angamba halaim-panahy haneso : nisaraka tamin’i Camille Rambaud i Antoine Chevrier satria ny orinasan’ny trano dia nibahana toerana loatra mamono antoka ny ara-panahy fa amin’izao tsy afa-manoatra, dia tena voatery hanamboatra koa izy.

Eny ê ! Fa ny foto-kevitra izay mibaiko ireny asa ireny dia hafa satria tsy manamboatra izy mba hamahana ny olan’ny trano fonenana ho an’ny vahoaka.

Toy izao ny fisehoan-javatra ara-bakiteny :

« Tokony tamin'ny volana jolay, nanao vavaka hasiviana tamin'ny Masina Maria Virjiny sy tamin'ny Masindahy Jôsefa mba hangataka fanatsarana vitsivitsy amin'ny toerana misy anay ary hamela anay handany ny ririnina tsy hangatsiaka loatra, ka indray andro, maraina tamin’izay, nisy lehilahy iray tonga namangy anay teo ampahitana ny fikorontananay, ny tafon-tranonay tena simba, dia nandefa mpiasa nanamboatra ny trano avy aminy ihany. Nakarina ny gorodona, nendahina ireo taratasy dia nanao fanasarahana vaovao mba hipetrahana ara-pahasalamana ; manana efitrano iray aho ho ahy ; hatramin’ izay dia niara-natory tamin'ny ankizy aho, ary tao amin'ny sakristia » (R. 257).

I Antoine Chevrier no miteny. Lavitra ny kajikajy ara-bolan’i Camille Rambaud izahay.

 

Ary araka ny foto-kevitra mitarika azy dia nanoratra i Antoine Chevrier :

« Inona ny hevitrareo momba ireo pretra izay tsy mihevitra afa-tsy ny hanorina sy hanatsara ny tranony sy ny fiangonany ? Ka izany no mahatonga azy ireo hanatona ireo mpitondra eo an-toerana : ben’ny tanàna, lehibem-paritra, lehilahy sy vehivavy ? Indrisy ! Naleony mikarakara ny harena toy izay ny fanahy. Tsy ilaina izany rehetra izany mba hampibebaka ny olona. Tsy hanorina no nanirahina antsika fa hampibebaka. Ankehitriny, tsy arakaraka ny anorenana trano fonenana sy fiangonana no mampitombo ny finoana sy ny fivavahana. Tsy tokony hiasa loha amin'ny asa fanorenana toy izany raha tsy efa voatery na hanao izany na efa manana ny ampy tanteraka amin'ny fanatanterahana azy ankalalahana. » (VD. 307, n° 2)

« Ireto fepetra roa ho an’ny trano dia ny fahantrana, ny fifankatiavana. Ampiaraho aminy ny fahamalinana izay mitàna antsika tsy hihoa-pefy, ka haka fanahy an’Andriamanitra, izany hoe manao mihoatra izay tokony hataontsika sy nagatahina tamintsika : lazaina matetika fa Andriamanitra no hamaly soa antsika. Fitsapana fanahy an’Andriamanitra izany. Ka izay manao afa-tsy izay tokony ho vitany sy izay nangatahana hataony tsy an-kasarotana ihany no hahavita soa ny asany. » (VD. 321, n° 2)

Amin’ireny fandaminana mitohy ireny, fanaka sy trano, dia nahazo fanampiana avy tamin'ny olona marobe ivelan’ny ao an-trano i Antoine Chevrier. Ity fanampiana ity tahaka izay vao nahitana azy dia indraindray avy amin'ny olona mpanan-karena. Anisan’ ireny olona ireny dia maro no

 

marina sy tsy mivadika ; naneho ny fankasitrahany azy ireny i Mompera Chevrier fa misy ahiahy mafy hijanona malalaka eo anatrahan’ izy ireny. Raha misy te-haneritery azy amin'ny fomba izay heveriny tsy mifanakaraka loatra amin'ny ny sitrapon’ Andriamanitra momba ny Prado, dia aleony mandà tsy am-pisalasalana na toy inona na toy inona ny maha zava-dehibe ny fanampiana atolotra. Ity fihetsika ity dia tsy baikon’ny ahiahy hiasa amin-kalalahana tanteraka fotsiny ao amin'ny Prado, fa dia mba hijanonana malalaka ihany koa hitory ny Evanjely amin’ ireo mpanao asa soa ary manao izany lalandava, ary indraindray amin-kafanam-po. Toa ohatra manao ahoana no nanoratany tamin’ny vehivavy mpanan-karena mipetraka any Lyon iray izay mandray azy ho mpampikofesy azy :

« Misaotra anao koa aho ny tamin’ny nahastiarovanao anay sy ny ankizinay. Mila akanjo ny ankizivavinay madinika, izay ananany dia efa tonta, tena ho fifaliana ho anay raha mba afaka manome lamba ho an’izany ianao. Ny amin’ny haingo mirentirenty sy fahazavana, inoako fa tsy afaka mifanaraka amin’ny « Chapelle »nay. Ho solon’io zavatra io, ho faly izahay raha afaka manaiky ny fikojakojana ny jiron’ny Sakramenta Masina ianao mandritra ny fiainanao, mino aho fa ho tratranao ny tanjona. » (Taratasy faha-296 (278) [6] Ho an’i Ramatoa Franchet, 20 marsa [1866])

Ary tamin’izany ihany, dimy taona tatý aoriana dia ireto andininy ireto :

« Voarainay ny lamba izay nalefanao tamim-pahatsoram-po ho an’ny ankizivavikelinay, tena mahafinaritra ny rehetra ny safidy sy ny hatsarany ary tena isaoranay feno anao, indrindra moa izaho manokana.

« Tsy hisy ny kômonio voalohany aty aminay raha tsy afaka iray volana, amin’ny andro Fiakarana, iangaviako ianao hanao vavaka kely ho an’ny ankizintsika, mba ho andro tsara ho an’ny rehetra io andro io, ho azy ireo sy ho antsika.

 

« Tsy hanadino anareo koa izahay ao anaty vavakay, ary koa ho an’ny zanakao lahy malalanao sy ny vadinao.

« Marina fa miova ny zavatra rehetra tao anatin’ny fotoana vitsivitsy izay. Mihevitra aho fa tanaty iray taona na roa dia niova ny andraikitra roa sahanintsika, tsy mpikônfesy intsony ianao ary izaho tsy mpampikônfesinao intsony. Manana fanomezan-tsiny sy fiampangana ahy lalandava ianao, na dia ny trano ikônfesena, tsy dia mifanentana loatra, inoako izany ; voasivana daholo ny asako, ary adika vilana ny fikasako, noho izany dia azo antoka fa ity fomba ity dia sady tsy maharitra no tsy mahafaly an’Andriamanitra ; raha ny amiko dia efa very ny fahefako ary tsy hitako intsony izay holazaina anao satria manampo fiverenan-dalana foana aho, hoatra ny mahatsapa hoe mikatona ny vavako, dia izay rehetra fitantanana nanjary tsy azo atao.

« Mino aho fa ny mpikônfesy iray dia tokony mpikônfesy sy mpampikônfesy, ary ny mpikônfesy dia tokony hampiseho fankatoavana sy fanetren-tena, tokony holanjalanjainao ny fiondraondranan’ny fanahinao ary hanindry ny fisainanao ao amin’ny fetry ny fahaiza-mandanjalanja mba hahazoana mizotra amin’ny lalana tsara ; mivavaha àry, ary antsoy ny Fanahy Masina mba hanazavany anao amin’ny fahavazany ary hanomezany anao ny fitiavan’ny fanahy tahak’izay ananao ny fitiavana ao am-po. » (Taratasy faha-322 (304) [32] Ho an’i Ramatoa Franchet, 19 avrily 1871)

Mbola lalina noho ny faniriana hihazona ny fahafahana hanao asana apôstôly dia misy ny faniriana hanao soa marim-pototra miankina amin’ Andriamanitra irery.

« Hadisoana bevava mihitsy ny hoe : ianteherako iry olona iry satria sady manan-karena izy ka hanome no mahafoy tena izy ka hanome ahy, no tia ahy izy ka homeny aho izao.

 

« Ankafizin’izao tontolo izao kokoa ny volany noho ianao sy ny asa soa ataonao.

« Aza miantehitra amin’izay fampanantenana nomena antsika velively, na izay petra-bola homena antsika, na dia voalaza ho tompony isika aorian’ny fahafatesan’ny mpanome.

« Marina anie ity ohabolana ity é : Aleo ity ny anao toy izay ireto no ho anao rahampitso.

« Aza manaiky fanomezana tapany fa mahabe sorisory sy asaloha, ary fahasahiranana na ho anao na ho azy manolotra izany.

« Aza miankina amin’ny fototra mihozongozona mihitsy.

« Andriamanitra irery ihany ianteherana.

« Raha mbola manao marina ny asan’ Andriamanitra isika, ary tena manana marina ny antson’ Andriamanitra hanao ny asany, dia ho antsika Andriamanitra, izany no fampanantenany. » (VD. 320)

Raha nanampy tamin'ny fanorenana ny Prado ny mpanan-karena, dia nanana ny anjara toerany ny mahantra ary dia ny toerana voalohany izany.

« Ampisakafoin’ny mahantra sy karakarainy aloha ny Pretra miasa ho an’Andriamanitra, izay vao manaraka ny mpanan-karena, fitsipika io. » (VD. 309)

Ity eritreritr’i Antoine Chevrier ity dia avy amin'ny traik’efa iray voamarin’ ny fandinihana ny Evanjely. Tontolom-bahoaka iray manontolo mihitsy no nihetsika nanodidina ny Prado mba hanampy tamin'ny heriny rehetra ity toerana ity. Izany no famantarana fa fantatr’ireny olona ireny izy ary raharahany ity.

« Mpiasa tsotra iray tsy manana afa tsy ny asa fanaony

 

no hany fidiram-bolany dia nividy mofo 3 francs sy nitondra isan-kerinandro tany amin'ny Prado. Vidina tany Saint Clair (tanàna anankiray) tao amin'ny namana mpanao mofo tsy be entana loatra io mofo io, namana izay tiany ahazoana zavatra, ary entina tsy mahavizana hatranyy amin’io fokontany lavitra ny Prado io » (P. I, 93).

« Raha ny fahalalan-tenan’ Atoa Frassard, Atoa Revol sy ireo mpnanao asa soa hafa malaza no niasa hanorenana ny Prado, nanome betsaka ny mahantra. Vehivavy mpiandry trano mahantra iray tao amin'ny Grand’Rue dia nanome izay rehetra nananany, 400 Francs. Zazavavy mahery fo nantsoina hoe Benoîte dia nitondra ny tahiriny isan-kerinandro sy isan’alahady nitondra ny fanasana lamba natolony izay naveriny ny alahady manaraka. Nahavita valo na folo kilaometatra isan’alahady izy mba hanaovana ity asa soa ity. Maty tao amin'ny Prado izy.

« Ny anabavinay Elisabeth, Rtoa kely Florine Arnaud, mpiasa ao amin'ny fanaovana lasoà, rehefa avy nanome ny zavatra rehetra, dia nieritreritra ny hijanona tontolo andro tsy hihinana na inona na inona, tsy manao afa-tsy sakafo iray izay haniny ao amin'ny Prado ny hariva alohan’ny vavaka. Amin’izay fomba izay tsy misy afa-tsy ny hofan-tranony no aloany. Hatramin’ny hafirina no haharetan’izany ? Tsy tadidiko. Fa naharitra am-bolana vistivitsy izany. Dia asainay mitondra tapa-mofo sy fromazy izy ho an’ny ampitso maraina. Nefa rehefa hitany fa nitohy izany, dia nieritreritra ny handray azy ao an-trano i Mompera. Nanome tanana anay izy » (P. I, 165).

« Iray taona izao dia nisy olona 35 hatramin’ny 40 niantehitra tanteraka tamin’ Andriamanitra, tsy mbola banga tao aminay izy.

 

« Nampiasain’ Andriamanitra hamelomana anay ny mahantra, ny vatan’ny sapely, ny fanomezana an-tsitrapo,

« Tao amin'ny filanay dia nahita olona tsy mpanararaotra tsara fanahy izahay : vehivavy mpiasa mahafinaritra iray no nandefa ny fihogony volafotsy ho anay, mpiasa vavy isan’andro tsara fanahy iray no nandany ny fananany rehetra ho an’ny ankizy mahantra ary nanome hatramin’ny 600 Francs imbetsaka ho anay, fanany rehetra izany.

« Mpiasa vavy tao amin'ny lasoa tsara fanahy iray, sambatra erý mandray anjara amin'ny asa soa, tonga niteny taminay indray andro fa antsasa-metatra amboniny amin'ny asa fanaony isan’andro ho anay izy ary tsy nadinony izany fampanantenany izany, indraindray dia dibera no ataony fanomezana, mofo, fitafiana, izay novidiny ho anay.

« Mba handraisana anjara amin'ny asa soa, dia nisy madama tsara fanahy iray mananty rakitra eny amin'ny olom-pantany ary saika mitondra fiantrana kely isan’andro izay azony avy amin'ny olona tsara fanahy.

« indray andro nila 400 Francs aho handoavana ny mpiasa ; nandeha niseho tany amin'ny lehilahy iray tsara fanahy izay nalahelo anay ary nanome izany avy hatrany.

« Ny mahantra sy ny mpiasa hatreto no namelona anay » (R. 257-258).

Rehefa izany dia norefesina hatrany ny lanjan’ireto teny ireto :

« Aleo sosoa arahin-tsetsetra, toa izay matavy arahin-dromoromo : aleo vola omena am-pahatsorana, toy izay arivo arahin'alahelo.

« Raha tena mahantra marina isika, dia ho be mpankasitraka kokoa, ary ho be mpanome kokoa. Aza mandreraka ny Kristianina amin'ny fangatahan-java-dehibe tsy misy farany.

 

« Ny tena mahantra marina anie mijaly e, nefa tsy mangataka afa-tsy izay tena ilainy, dia omen'Andriamanitra azy izany. » (VD. 521)

Eritreretina ny fijerin’i Kristy ilay mananotena izay nanome ny ilainy », « izay rehetra namany mba hivelomana ». mampianatra ny mpianatra i Jesoa hamatra ny lanjan’ny fihetsik’ity vehivavy ity ka toa notsinontsinoavina ny fanomezana nataony raha oharina amin'ny fanomezana mavesa-danja nataon’ny mpanan-karena (cf. Mc 12, 41-44).

Nataon’i Antoine Chevrier ho azy io fijery io. Raha nandá ny « satroboninahitry ny hazavana » izay nomen’ny vehivavy manan-kaja iray tany Lyon ho an’ny sapely izy, dia nanafatra kosa ny « lustre », jiro mihantona kely vita amin'ny vera tamin'ny mpiandry fiangonana izay manaingo ity sapely ity :

« Tandremo tsara io jiro io, tena sarobidy izy noho ny fiaviany, fahatsiarovana izay azoko tamin'ny fitiavana avy amin'ny mpiasa mahantra ao tamin'ny fanaovana kristaly, izay nandany ny aliny hanaovana azy » (P. IV, 155).

Tsy hoe misoroka fotsiny ny fahasahiranan’ny mahantra no tsy tokony hisehoano fa tsy tiana ny fanomezana nomeny. Tokony ankasitrahana ny zavatra rehetra arakaraka ny zava-misy tena izy. Eo amin'ny asan’ Andriamanitra ny havesatry ny ara-panahy no misy dikany eo amin’ izay ataontsika ary ity lanjany ity dia miseho tsaratsara kokoa eo anivon’ny fahantrana toy izay ao amin'ny fananan-karena. Izany no mampisy fanentanana iray, tsikombakomba iray eo amin'ny fahantrana sy ny ministeran’ny pretra.

« Fahafahana anie izany é ! ary fahefana manao ahoana no azon’ny pretra avy amin’ny fahantrana, soa sy masin’i Jesoa Kristy !

« Hery tsy hita navanavana no entiny hanoherana ny toe-dratsin’izao tontolo izao.

« Ohatra velona tsy hita noanoa no omeny an’izao tontolo izao,

 

dia izao tontolo izao tsy miasa raha tsy ho an’ny vola, tsy mihevitra afa-tsy vola, tsy miaina raha tsy ho an’ny vola.

« Ary eo akaikin’io tontolon’ny nofo sy ny tany io, olona iray entanim-panahy, tsy miaina ho an’ny tany, manamavo ny vola sy ny haren’izao tontolo izao, tsy mila na tamingany iray aza amin’ny fananan’ny tany, afa-milaza amin’izao tontolo izao hoe : Tano ho anao ny volamenanao sy ny volafotsinao, fa ny ahy dia any an-danitra no misy ny rakitro, ny fiainako, dia i Jesoa Kristy.

« Izay afa-mihanina amin’izay tena ilainy indrindra, tsy mangata-poana amin’olona, fa miasa ho an’Andriamanitra irery, tsy miady ho an’ny akanjony, na ny lambany ; fa mahafoy ny lambany ary tsy mitaky izany amin’izay nandrobaka azy taminy, ka manankin-tena amin’ny fitondran’Andriamanitra.

« Mahasondriana ny mijery azy, sady ranjanana no matanjaka no tsara bika ! Olona anie izany é ! Maha-te ho tia mihitsy !

« Mampiverin-dàlana an’izao tontolo izao mihitsy ny fijerena azy mba hankamamiana ny herim-pinoana ao aminy, ny fitiavana ombam-pitokisana an’Andriamanitra.

« Aiza re no misy ireny olona ireny fa hanao zava-mahagaga izy ireny hoy ny Fahendrena. » (VD. 322)

Noho izany dia miasa tsara i Antoine Chevrier, pretra mahantra eo amin’ny mahantra izay mijery azy toa ny iray aminy. Andao ho ekentsika an-tsitrapo fa hita an’isan’ny mpialoha lalana izay niaina tamin’ izany fotoana izany izy. Nefa mba hilazana ny fiainany ho toy ny mpanohariana dia tsy maintsy ambara ny banga iray.

Ny mahantra fantatr’i Antoine Chevrier ny ankamaroan’ny mpiasa ary azo lazaina aza fa tafalatsaka tao anatin’ny vahoaka mpiasa tao ny Guillotière izy. Fantany io

 

vahoaka io, ny lanjany, ny hatsaram-pony ary ny fahantrany, ny tsy finoany. Tiany sy hajainy io vahoaka io izay izarany ny hetaheta ny fahamarinana :

« Malalaha tànana amin’ny mpiasa manao ny asany ; manao ny ainy tsy ho zavatra izy ary mba mijaly koa. Tsy ho voavidim-bola na oviana na oviana ny hatsembohan’ny mpiasa sy ny mahantra. » (VD. 302, n° 2)

Izany rehetra izany anefa no tena ilaina.

Fantatr’i Mompera Chevrier koa fa vahoaka repoblikanina ny vahoaka mpiasa ary sorohiny ny hiseho « Bonapartiste » na mpankasitraka ny fanjakan’olona tokana. Na izany aza tsy manana fifandraisana mivantana amin'ny fihetsiketsehan’ny mpiasa izy. Tsy mahagaga izany. Ny mifanohitra amin’ izany no saika hahagaga. Araka ny tantarany manokana sy ny tantaran’ny fihetsiketsehan’ny mpiasa.

Ny tanora izay mipetraka ao amin'ny tranon’ny Prado, ny mponin’ny Guillotière ary ireo izay mandeha matetika any amin'ny sapely rahateo, ireo izay tsy maintsy jerena any an-trano sy ireo izay tonga mangataka fanampiana na torohevitra ireo olona rehetra ireo dia efa ampy handray ny asan’i Mompera Chevrier. Fa kosa ny olona izay ao anatin’ny fiaraha-monina somary tsy mivelatra, tsy mandray ny asa sahaniny rehetra. Lasa any an-koatra, any an-koatra lavitr’io fiaraha-monina io ny eritreriny. Ny mitory ny Evanjely ho an’ izao tontolo izao ary tsy maintsy hanofana ekipa apôstôlika maro. Ny vaindohan’ny eritreritr’i Mompera Chevrier dia ny hanorina fikambanana pretra mahantra mba hitory ny Evanjely amin'ny mahantra.

Tonga lasa ny mpiara-miasa lahy sy vavy, misy hafa nisolo azy ireo. Tonga hiasa miaraka amin'ny tanora ao amin'ny Prado izy ireo. Manao asa ara-materialy na mandray anjara mivantana amin'ny fanabeazana na ny fampianarana fandalinam-pinoana. Tsy misy na iray amin’ izy ireo no tena miombona tanteraka amin'ny tena vaindohan’ny fanirian’i Antoine

 

Chevrier, fa eken’ity farany izy ireo noho ny fandavan-tenany tsara sy ny tsy fahampian-tsainany ary miezaka izy hampanao azy ireo ka manaja ny fahaizan’ny tsirairay sy ny fetran’ny fahaizany. Tafavoaka tsaratsara amin’ izany ihany anefa izy fa toy inona hay ianao ny fanehoana an-kerim-po ny faharetana. Nampanantena azy bebe kokoa ny fihaonana iray. Tafiditra tamin'ny fifandraisana tamin'ny pretran’ny diosezin’i Lyon iray izy dia André Gourdon, nahatsapa ho azon’ny olona izy. Niteny tamin'ny fo mazava izy :

« Io mistery mahafinaritra mirakitra ny Teny tonga nofo io, izay nahatohina ny fonao io no tena orimbato iorenan’ny zotom-po manentana antsika, mbamin’ireo ezaka samihafa ivelomantsika, ka azo lazaina ho antony lalina mahatonga antsika hanetry tena eo anoloan’Andriamanitra. Io mistery io indrindra no nanainga ahy hangataka amin’Andriamanitra ny fahantràna sy fanetrentena, ary nahatonga ahy hiala teo amin’ny andraikitra maha-mpisorona efa nahazatra, mba hirotsaka hiaina ny fahantràna masina hita ao amin’i Jesoa Tompontsika. Maniry dia maniry aho sady mangataka isan’andro amin’Andriamanitra mba hamenoany ao amin’ireo pretra ny Fanahin’i Jesoa Kristy ary mba hitovizantsika endrika bebe kokoa amin’ilay Andriamanitra nanjary ohatra velona ho antsika, sady fakan-tahaka lehibe ho an’ny pretra. » (Taratasy faha-52 (49) [1] Ho an'i L'Abbé Gourdon, [1865]) « Eny tena mila pretra tsara fanahy sady mahantra tokoa Andriamanitra. Io no tena nofinofiko sy faniriana miredareda tato amiko efa mahery ny 10 taona izao. Ny mba hisian’ny pretra maro tsara fanahy ao amin’ny paroasy ary dia ho tanteraka ny zava-drehetra. Mitondra miaraka aminy ireo fanovana fibebahana rehetra ilaina ho an’ny fanahy ny pretra tsara fanahy. Mifahara ary ianao ao amin’ny tanjona lehibe mba hananana mpiara-miasa tsara fanahy, pretra mahantra araka an’Andriamanitra io, ary dia ho azonao daholo izay rehetra ilaina, fa tsinontsinona ihany ny sisa rehetra. » (Taratasy faha-53 (50) [2] Ho an'i L'Abbé Gourdon, 28 Aogositra 1865)

Manao tetik’asa ny olona, manao fiangaviana any amin'ny arseveka fa tsy misy na inona na inona tody. Etsy andaniny any amin'ny diosezy tsy azon’ny olona ny faniriana lalina

 

tao amin’i Mompera Chevrier ary tsy misy te-hanome azy olona manan-danja, lefitra ho an’ity asa izay toa tery ity. Etsy andaniny ny Abbé Gourdon angamba tsy manana faniriana hentitrentitra hiala ny lalana azo antoka iray ka hiantoraka any amin'ny fiririavana. Mba hamaliana ny antson’i Jesoa Kristy, dia « mbola tsy maintsy mila herin’ny finiavana » (VD. 127).

Teo amin'ny 1865 no niseho ity. Tamin’ity fotoana ity ihany dia nisy tetik’asa iray hafan’i Antoine Chevrier izay tonga teo amin'ny famatorana ary efa ho tanteraka. Hitany fa tsy afaka hionona fotsiny handray pretra izay hanaiky hiaraka aminy izy. Nilaina ny hanome fiofanana mifanentana amin'ny ankizy na ho an’ny tanora avy amin'ny fiarahamonim-bahoaka ary voatendry ho amin'ny asan’ny pretra. Hanjary ho afaka ho amin'ny fiangonana sy ilain’ny Eglizy izy ireo. Ny maromaro angamba haneho ny famantarana antso mitovy amin'ny azy ary ho pretra mahantra arak’izay amin'ny isainany azy. Amin'ny ankapobeny dia fanorenana seminera iray manokana izany.

Nampatahotra an’i Antoine Chevrier izay mahatsapa tena tsy voa omana tsara ny hanao ity zavatra toy izao ity. Mafy loatra ny tahotra tao aminy hany ka mahatsapa filàna hiresaka amin’olona izy :

« Tena tsapako tokoa ny tsy fananako hery sy ny tsy fahaizako ka ilazako matetika amin'Andriamanitra hoe : Andriamanitra ô ! tsy mamita- tena ve ianao amin'ny hametrahanao eo an-tampon'ny asa iray lehibe, olona mahia sy saozanina toa ahy, tena mahantra, mpanota tsy mahalala na inona na inona aho ka raha tsy mandefa olona iray hanao ny asany Andriamanitra, dia ho lo izany asa izany. Hatsaran-toetra toy inona, hatsaram-panahy manao ahoana no ilaina mba ahafahana

 

mametraka zavatra iray, manantanteraka an-tsakany sy an-davany arak'izay takiana amin'ny asan'Andriamanitra, fantatro tsara fa mifidy izay olona tiany Andriamanitra ary ny madinika sy ny mahantra indrindra matetika no anehoany ny voninahiny sy ny heviny ka mba ho afaka ny hanambara ny rehetra hoe : Tena Andriamanitra mihitsy no nanao an'izany, kanefa dia tsy maintsy mifanaraka tsara amin'ny fahasoavana, izany olona izany, tsy maintsy olona tia fivavahana sy feno fanoloran-tena izy, tsapako fa manohitra mandrakariva ny sitrapo-masin'Andriamanitra aho ary mampitarazoka ny asany. Mila olona iray mitoetra mandrakariva eo anilako aho, manosika sy mampahatsiahy ahy izay tokony hataoko, tena malahelo sy tena mitaraina aho, raha tsy manao izay andraikitra tian'Andriamanitra ataoko. Ho fitsarana manao ahoana, ho fanamelohana toy inona izany ho ahy. Nandritra ny taona maro aho no efa nilaza tamin'Andriamanitra hoe Ry Andriamanitra ô ! Raha mila olona mahantra ianao, inty aho, raha mila adala ianao, inty aho ary tsapako fa manana ny fahasoavana hanao izay rehetra angatahin'Andriamanitra amiko aho, koa ankehitriny tonga ity ny fotoana izay tokony hiasana, tena kamo sy kanosa aho. Indrisy raha tsy misy fanahy maro izay mivavaka ho ahy, manosika ahy dia very aho, raha mandefa rahalahy mpiara-miasa anankiray izay mahalala tsara ny asan'Andriamanitra dia hahazo hery tokoa aho amin'izay, hanan-kery kokoa, fa dia irery, irery eny foana, tsapako fa tsy manana hery aho ka mila fahasoavana lehibe sy mahagaga izay mbola tsy mendrika akory ny fahasoavan'Andriamanitra, satria tsy maintsy vidina izy ireny ary mba hividianana ny fahasoavan'Andriamanitra dia tsy fantatsika loatra izay hatao, indrindra raha tsy maintsy miaraka amin'ny famonjena ny fanahy sy ny voninahitry ny Eglizy izy.

« Miala tsiny aho ry zanako malala raha miteny aminao amin-kitsimpo toy izany ary mamosaka tsikelikely koa ny alahelon'ny fanahiko, izany dia mba hahafahako mahita ao aminao fanahy iray

 

izay mivavaka sy manampy ahy mba hanatontosa ny sitrapo-masin'Andriamanitra, satria raha nanao an'i Prado Andriamanitra dia tsy ny hanomezana ahy fananana mitentina 100.000 francs mihitsy akory izany, ataoko izany fa nomeko an'Andriamanitra daholo ny zava-drehetra ary tsy nangataka taminy afa-tsy ny fahantrana masina ho lova aho, koa misy zavatra hafa àry izany. Koa ampio àry aho hanao izay angatahan'Andriamanitra, indrindra ny amin'ity asan'ny pretra mahantra ho an'ny paroasy ity. (Taratasy faha-295 (277) [5] Ho an’i Ramatoa Franchet, [1865])

Tsy vaovao manontolo ny hevitra milaza izany; mazava izany hoy i Masera Marie :

« Ny fanorenana sekoly iray ho an’ny fanofanana pretra dia hevitra voalohany teo amin’i Mompera Chevrier, nefa tsy afaka nanatanteraka izany izy raha tsy nanomboka tamin’ny 1865» (P. I, 148).

Andao ho lazaina fa nanomboka tamin'ny 1865, dia tsy afaka nampihemotra intsony ny fanatanterahana hevitra iray izy izay manery be azy ary izay toa heveriny fa mihoatra ny fahaizany.

Inona ary no torohevitra farany afaka nanampy azy handray fanapahan-kevitra ? Tsy fantatsika. Zavatra roa no azo antoka.

Andaniny iray : tsy hozongozoniny mihitsy ny fanapahan-kevitra hanorina seminera izany. Raha resy lahatra ny amin'ny tsy fitoviana eo amin'ny fahalebiazan’ny fanorenana sy ny hakelin’ny entiny manana izy, dia mijanona mangina. Hanoratra taratasy feno alahelo izy fa tsy hita intsony ilay feo mitoloko teo amin'ny taratasy etsy ambony. Ny toloko toy izany manko tsy inona fa mety ho fisainana ihany.

Etsy ankilany, nilaza izay namantarany ny sitrapon’ Andriamanitra izy. Manazava izany izy ao anaty taratasy ho an’i André

 

Gourdon, nosoratany rehefa nantenaina fa mety ho tonga any amin'ny Prado ity olona ity :

« Aoka ho tanteraka amin’ny zavatra rehetra sy eo amintsika, toy ny eo amin’ny olona maro eto ambonin’ny tany anie ny sitrapon’Andriamanitra. Raha mamela izany Andriamanitra, dia tongava ianao fa ho faly tokoa aho ho afaka ny handray anjara amin’ny fanatontosana asa iray izay tena tiako sy efa niriako nandritra ny taona maro.

« Toa nanamora izao fivoriana izao ary toa nangataka fanamorana mihitsy aza ny fitondran’Andriamanitra. Manana toerana aho ato amin’ny Prado ahafahako mandray ireo izay rehetra maniry hiasa ao amin’ny Asan’Andriamanitra, ary amin’izany indrindra, dia fifaliana ho ahy tokoa ny fananako mpianatra efatra izay tsy maintsy nalefako any amin’ny sekolim-pinoana any Lyon, satria tsy manana mpampianatra aho eto, ary dia ho fahasambarana ho ahy tokoa ny fananako azy ireo eto an-trano mandava-taona ahazoako manome azy ireo soridalam-piainana feno fahatsoram-piainana sy fahantrana izay tena fototry ny tanjontsika.

« Raha toa moa ianao ka manana mpianatra, dia azonao entina miaraka aminao izy ireo, fa afaka manome anareo efitrano iray mahazaka mpianatra 8 na 10 aho.

« Ny tena antony mahatonga ahy hanam-paniriana dia satria vao nanoratra tamiko, adim-pamataranandro vitsivitsy talohan’ny nandraisako ny taratasinao, i Mgr Magaud, milaza fa tsy ho afaka, ny hanohy ny asa fanohanana ny mpianatra mahantra intsony izy, satria efa tsy maharaka ny eo am-pelatanany, tsy nanana afa-tsy mpianatra efatra izy, ary izy ireo ihany no mandoa ny saram-pianarany taminy. Nefa ataoko fa tsy sitraky ny Tompo ny hamelàna ho levona io asa tsara sady lehibe efa natombony io. Tian’Andramanitra mihitsy angamba raha Pretra mahantra no hanao ny asa ; raha ny amiko aloha, dia mahatsiaro tena ho tena vonona tanteraka amin’ny fanohizana ny asan’Andriamanitra aho miaraka amin’ny fanampian’ny namana sy rahalahy iray eo amin’ny fanatontosana azy io, efa manana izay enti-manomboka isika : Ireo mpianatra sy ny toerana hanabeazana azy,

 

ny loharanon-karenan’i Prado izay toa efa hita soritra mazava sahady fa tsy misy tokony hampanahy antsika ; koa amin’izany ary, matokia, fa ny tso-dranon’i Papa Ray Masina dia efa nomena anay, ary ho anao koa, satria namany ireo pretra izay manaiky ny fahantrana masin’i Jesoa Kristy izany tso-drano izany. Tongava àry, ho faly tokoa aho ny handray anao, raiso avy amin’ny kardinaly ny fahazoan-dàlana ary dia hanomboka ny asa isika ; raha ny amin’ireo olona izay nofaninao amin’ny fahantrana indray dia tohizo ny fitarihana azy ireo ho amin’ny lalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, ka any aoriana any dia hanampy antsika tokoa izy ireo rehefa tonga ny andro ahazoantsika paroasy mahantra iandreketantsika raha sitrapon’Andriamanitra izany.

« Tena faly tokoa tamin’ny famakiana ny taratasinao ary hitako fa tsy irery koa aho. Manana tokoa aho namana mpiara-miasa 2 na 3 izay mitovy fijery amiko, kanefa fantatrao ihany, misy ny sasany amin’izy ireny izay toa isarihan’ny Fanahy Masina antsika bebe kokoa. Aoka ary isika hivavaka mafy tokoa amin’Andrimanitra mandritra ireny fotoana ireny, angataho mafy aminy ny mba hahatanterahan’ny sitrapony masina ary mba hanjavona anie ireo fanakanana ataon’ny olombelona. » (Taratasy faha-54 (51) [3] Ho an'i L'Abbé Gourdon, 7 Novembra 1865)

Tena zava-dehibe ity taratasy ity mba ahazoana an’i Antoine Chevrier sy ny asa soany. Andao andramantsika ho fakafakaina ny eritreriny.

Tokony hanao ny sitrapon’ Andriamanitra aloha, ary noho izany dia hahalala raha tian’ Andriamanitra ny asa soa kasaina ary koa tokony hahalala izao no nantsoin’ Andriamanitra hanao ity asa soa ity.

Naniry ity asa soa ity hatramin’ny ela i Antoine Chevrier. Mifototra amin’inona moa izy ity ? Hampivondrona pretra ho avy ao amin'ny Prado mba hofanina ao anatin’ity trano ity. Amin’ireo fepetra ireo, afaka manantena ny olona fa hofanina amin'ny fahantrana sy fahatsorana izy ireo, ary

 

ho afaka miaina amin'ny maha-pretra mahantra azy ireo ao amin'ny fanompoana vahoaka mahantra ity fanofanana ho amin'ny fahantrana sy faha tsorana ity no « tena tanjona ».

Namerina niteny zavatra mitovy amin’izany koa i Françoise Chapuis mba ho fijoroana vavolombelona. Ity vehivavy mpiasa izay saika tsy nahita fianarana ity, badobado kely amin-javatra maro dia nananan’i Mompera Chevrier fitokisana :

« Nomen’ Andriamanitra saina manam-panahy sy fampiharana ahalalana ny marina sy ny fanomezan’Andriamanitra bebe kokoa ireny olon-tsotra ireny, noho ireo loha feno fahaizana sasantsasany. Vavolombelon’izany ireo tantsaha tsara sasany, mpiasa amin’ny orin’asa tsotra lahy sy vavy, izay mahazo avy hatrany ny zavatra avy amin’Andriamanitra ary afaka manazava azy alohalohan’ny hafa. » (VD. 218)

Noho izany, niteny tamin’i Françoise momba ny fikasany i Antoine Chevrier. Mitatitra izany izy :

« matetika niteny tamiko ny amin’ny sekolim-piangonana (Ecole cléricale) taloha lavitra ny nanorenany azy i Mompera Chevrier. Efa noeritreretiny aza izany talohan’ny andraisany ny mpanampy azy voalohany ary nivavaka mafy ho an’ity faniriany ity izy. Araka izany dia niteny tamiko izy indray andro :

–    Françoise te hanao taninketsana pretra aho. Te hanana pretra izay voataiza miaraka amin'ny ankiziko aho mba hahazo tsara azy ireo.

–    Ka ahoana mompera no hataonao hamelomana azy ireo ? Hianao efa manana zavatra betsaka atao miaraka amin'ny vola aloanao.

–    Marina izany ireny vola arotsaka ireny tsy misy vokany, fa manana hevitra iray aho, hevitra iray tena hanambany ahy satria miavona aho. Inoako fa tian’ Andriamanitra aho hanetry tena.

 

     Ny hevitro dia ny handeha hananty rakitra eny amin'ny varavaran’ny Eglizin’ny Charité. Hatsotrako amin'ny mpandalo ny satroko na ny satroboriko ary hanao sapile aho ho an’ireo izay mandrotsaka ao anatiny.

–    Mompera ô ! Tsy hanome anao afa tsy vola madinika ny olona… tsy misy zavatra atao.

–    Tsia, hoy izy tamiko, handatsaka vola madinika sy taratasy koa ny olona.

Tao anatin’ny dinidinikay momba izay resaka izay, dia nisisika be ny ilana pretra mpivavaka, tsotra ary satria notanisaiko taminy ny anaran’ny mpiara-miasa aminy dia namaly ahy izy hoe : « Tsy mbola izany akory, tsy tena tsotra izy ireo. » (P. I, 61).

Hanomana pretra tsotra. Hevitra hafahafa izany ! Hanomana pretra mahantra, tsy maninona, mety ho tanjona azo ekena izany. Fa ny fanana tanjona fotsiny hanomanana pretra tsotra dia toa programa tery ny fijerena azy ety ivelany. Ny tena marina izay no tena ilaina tena voalohany indrindra, ny fanahin’ny sisa rehetra raha ny miaina am-pahatsorana miaraka amin'ny Mpianatra Marina no resahina ny miaina fotsiny eo akaikin’ny olon-tsotra sy mahantra mba hanambara ny Evanjelin’ny Fanjakan' Andriamanitra amim-pahatsorana.

Izany àry ny asa soa atao, fa iza ary no alefa ho amin’ izany ? Angamba « tia pretra mahantra Andriamanitra hanao izany ». Na inona na inona olana ho sedraina, dia nahazo tsirony ho amin’ izany i Antoine Chevrier ary amin’io famantarana anaty io no arahan’ny famantarana ivelany.

Voalohany dia misy olona miseho. Izy ireo dia ny ankizy ka ny fianakaviana dia manana fidiram-bola ampy loatra mba handoavana ny saram-pianarana ao amin'ny ambaratonga faharoa

 

amin'ny andavanandro. Ny zazalahy toy izany mety ho tsara kokoa noho ny hafa hifanaraka amin'ny fanirian’i Antoine Chevrier ?

« Zo avy aiza moa no ananantsika ka ho tsara fonenana kokoa, tsara tafy kokoa, tsara sakafo kokoa noho ny mahantra hafa any amin'izao tontolo izao ?

« Moa tsy mahamenatra ny mahita pretra mangoron-karena, mividy tany be, trano be, ary ny volan'ny Fiangonana no laniny amin'izany : ary raha nijanona tany amin'izao tontolo izao ireny pretra ireny, zara raha nahavelon-tena, mpiasa mitrongy vao homana ; pretra manan-trosa amin'ny Fiangonana sy ny fiantrana maha-pretra azy ve ka hanan-karena mihoam-pampana ?

« Sa miditra ho pretra ny sasany mba hanan-karena ? Raha izany dia mampalahelo ny Fiangonana !

« Izay tsy manan-dova tsy mahazo mamorona lova ho azy. » (VD. 522)

Ary koa :

« Tsy manam-pahaizana amam-pahalalana no nofidiny fa ny mahantra sy ny madinika mba hanatanteraka ny Asabeny. » (VD. 218)

Ary koa :

« Ampianaro miaina ny fanetren-tena ny seminarista mandalina ny teny latinina, ampianaro izy hahay hamelon-tena, hahatsapany ny fijalian’ny hafa mba hahazo vokatra ; ampanasao azy ny lambany mba hadio ; ampanaovy azy am-panetren-tena sy am-pahantrana daholo ireny asa an-trano ireny : fanadiovana, fanasana, fandaloran-drindrina, mbà ny tena ihany no manao ny asan’ny tena fa tsy hanakaramana ny hafa. » (VD. 306, n° 1)

Faharoa mahita famantarana amin'ny fomba fahitany ny Prado Antoine Chevrier hatramin’ny dimy taona izay. Tsy

 

tapaka ny enti-manana na dia tsy azo antoka mihitsy aza aloha. Fomba fiainana tena mandalo fitsapana, indrindra ho an’ny lohany ao an-trano tahaka ny Prado, nefa raha marimarina kokoa fisedrana izay mamela handinika lalina ny sitrapon’ Andriamanitra ny mampiofana ny mpiasa mendrika hanao ny asan’ Andriamanitra.

« Matoa tsy andefasan’Andriamanitra fanampiana isika, dia satria tiany ho porofoina ny ilantsika fihafiana, ary ao anatin’izany no hahamendrika antsika hahazo izay ilaintsika rehetra.

« Tsy ampy fahamalinana sy fahendrena isika raha mirotoroto loatra, matoky tena loatra manko.

« Mety ho porofo koa izany fa tsy ankasitrahin’Andriamanitra loatra ilay asa, satria tsy mendrika ny hanatanteraka azy isika, tsy mendrika hametraka, tsy mendrika hitantana ; koa aleo izy hajanona toy izay hanaovana an-keriny.

« Tsy maintsy mitondra ny fitomboky ny fahantrana sy ny fihafiana daholo aloha ny asan’Andriamanitra rehetra. » (VD. 308)

« Ny fepetra voalohany izany dia izao : voaantson’Andriamanitra hanao ny asany ianao. Avy eo, katsaho ao anatin’io asa iantsoany anao io ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny Fahamarinany dia homeny anao ho fanampiny ny sisa rehetra.

« Mazava ho azy àry fa raha mikatsaka ny fahafinaretantsika isika, na mihetaheta te-higalabona amin’ny fanorenan-trano miezinezina no manentana antsika, dia aza minomino foana fa mikatsaka an’Andriamanitra fa ny tenantsika ihany no katsahintsika, matetika aza ny fanjakantsika no alefantsika alohan’ny Fanjakan’Andriamanitra.

 

« Tsy maintsy miasa sy miasa ho an’Andriamanitra ; tsy maintsy miasa ny tany ny mpiasa mba hioty ny vokatra. Izay miasa ho azy ihany no valian’Andriamanitra soa sy omeny karama. Mendrika ny karaman’ny asa nataony ny mpiasa. (Lk 10, 7) Izay miasa ihany no omem-bola. Dia mba tahaka an’izany koa Andriamanitra izay miasa ho azy ihany no omeny ny karamany.

« Koa miasà àry ho an’Andriamanitra sy miaraka aminy izany hoe miaraka amin’ny Fanahiny. » (VD. 320-321)

Koa raha tena mpiasan’Andriamanitra tokoa isika, dia hahazo ny karamantsika. Halefany ho antsika izany. Tsy manamafy izany fahamarinana izany ve ny fahitanareo ny tranontsika ? Avy aiza ny loharanom-bolantsika ? Mba manam-pidiram-bola vokatry ny petra-bola ve isika ? Kanefa fahanan’Andriamanitra hanina isan’andro isika roanjato mianaka mahery ; tsy izany ve no porofon’ny fahaizan’Andriamanitra mitondra sy mandahatra ary mitsimbina ny zava-drehetra ? Ary raha tohizintsika ny fomba fiainantsika tany am-piandohana, matokia fa hotsimbinin’Andriamanitra isika. » (VD. 321, n. 1)

Ny famantarana fahatelo, dia ny tsodranon’ny Papa. Koa satria avy nanao dia fanindroany tany Roma i Antoine Chevrier tamin'ny fararanon’ny 1864. Ny zavatra lehibe indrindra tamin’io dia eo dia ny fitalahoana famindram-po tamin'ny Papa Pie IX sy ny valinteniny tamin’ity farany :

« Ry Ray Masina hajaina indrindra,

« Izaho manao sonia eto ambany, Pretra Antoine François Marie Chevrier, ao amin’ny fikambanana Tersieran’i Md. François d’Assise, mandohalika amim-panajana sy amim-panetren-tena eo anoloanao Ray Masina, sady manolotra aminao ny fanirianay Pretra maro niara-nivory ato amin’ny Diosezy, ka neken’ny Mpitondra azy, mba hahafahanay miaina ny fiainan-drelijiozy,

 

ny hanomezanao alalana anay hanao maimaim-poana ny asa aman-draharaha fanompoana niantsoana sy nanirahana ny Pretra, tsy misy tambiny afa-tsy izay atolotry ny kristianina an-tsitrapo tanteraka, sy tsy misy fanerena.

« Mangataka ny tsodranonao aho sy ny Pretra miara-dia amiko.

Natao teto Roma 1 oktôbra 1864.

Dia ity manaraka ity ny valin-teny avy amin’ny Ray Masina, nampandaloviny tamin’ny Mompera Piscivillo sady mpitantsoratry ny Papa no Talen’ny Civiltà Cattolica izay nanolotra ny fangatahantsika tamin’ny Papa :

« Ry Sakaizako hajaina,

« Nihaona tamin’ny Papa Ray Masina aho tamin’ny 12 Oktobra teo, ka nanolotra azy ny fangatahanareo. Novakiany tsara tokoa izany. Fangatahana maro no nataony tamiko, ary fanontaniana sesehena no napetrany mikasika ny fomba fiainanareo. Novaliako araka izay azoko natao sy mba fantatro izany rehetra izany.

« Rahefa nandre ireo valin-teniko ireo ny Papa Ray Masina, dia hoy izy tamiko : Mbola tsy afa-manao sonia ninoninona aho izao, satria mahakasika zava-dehibe tsy azon’ny Fiketrahana Masina ataotao foana izy ity ka ilàna fotoana sy fahamalinana. Amin’ny foko manontolo no itsofako rano an’i Mompera Chevrier sy ny namany, ary ankiniko aminao ny fampitàna izany aminy.

« Tsara ilay sahan’asa, fa alohan’ny hankatoavana azy, dia aoka aloha hiasa taona maromaro ry zareo, hanome ny heviny momba izany sy ny ilàna azy ary ny fahombiazany ny Eveka : ny zava-kendreny no azoko ankatoavina amin’izao fotoana izao ka itsofako rano ireo olona ao anatiny amin’ny foko manontolo.

Natao teto Roma 01 Novambra 1864

Charles Piscivillo. »

 

« Tsara ilay sahan’asa, hoy ny Papa Ray Masina, kanefa alohan’ny hankatoavany azy, dia tsy maintsy mahita Eveka maromaro handray antsika hiasa any aminy isika, izy ireo indray no hankatò sy hanambara io fomba fiainantsika io sy ny fahombiazana vokariny, ary efa tsofiny rano sahady ny hetahetantsika sy ny olona mikatsaka azy.

« Valin-teny sady mahafa-po no feno fahendrena tsy nampoizintsika ho azo mihitsy izany. » (VD. 314-315)

Tsy azoazonay ny olona ambony, malina loatra izay manome tsodrano nefa miala amin'ny fanohanana. Tsy tsiriritinay ny olona hendry loatra izay mihevitra moramora ao amin’ireny fomba fanao ireny.

Ny fifandraisan’i Mompera Chevrier amin'ny lehibeny dia tena voamarika tamin'ny fisehoan-javatra tamin’izay fotoana izay. Nefa raha tsy voatarika afa-tsy tamin’ny fanahy izy tamin’izay fotoana izay dia tsy haka fanapahan-kevitra handeha any Roma ary hanao sosokevitra samirery tany amin’ny Papa mba handroso amin'ny hevitra hafa kely tsy fandre loatra. Ity lehilahy tsy be teny, tsy misehoseho ity dia nahalala tsara fa hiteraka fanontaniana be izany. Raha tsy dia misy lanjany be ilay zavatra ary tsy nanakoako, azony novahana niaraka tamin'ny Arsevekan’i Lyon ihany izany. Nampiseho fahasahiana izy ny tamin'ny zavatra niseho noho izany. Ity fahasahiana ity dia avy amin'ny finoana.

« Ao amin'ny Papa Ray Masina ny fanahin'Andriamanitra. » (VD. 226)

Raha toa ka tsy nanana henamaso an’ny Papa i Antoine Chevrier afa-tsy fankatoavana kely, tsy ho nanaovana inona na inona izy tamin'ny manaraka. Nefa mifanohitra amin’ izany, satria mifikitra amin'ny halalin’ny zavatra ataony izy dia nanao araka ny fahazavany azony. Niteny i Pie IX fa

 

tsara ny asa, nanaiky ny fikasana izy ary nitsodrano izany hoe namporisika ny olona izy. Averiny any amin'ny eveka koa, nisintona ity hevitra ity tamim-pitoniana i Antoine Chevrier :

« Mangataka alalana hanao sy hanatanteraka maimaim-poana ny asa maha-pretra isika, ary tsy handray na hitaky ninoninona afa-tsy izay homen’ny kristianina an-tsitrapo feno fahafahana tokoa amin’izany asa masina indrindra izany, mba hiainantsika tanteraka ny tenin’ny Tompontsika manao hoe : Nahazo maimaim-poana ianareo, ka mba manomeza koa maimaim-poana ; ary mba hakantsika tahaka ny fiainan’i Md. Paoly izay niasa tamin’ny tenany mba tsy hahavaky tratra ny hafa, ka afa-nirehareha sy feno hasambarana mitory maimaim-poana ny Evanjely.

« Hasiantsika vatan-drakitra àry ao amin’ny Sakristia sy ao am-piangonana mba handrotsahan’ny kristianina izay tena foiny amin’ny fanomezana Sakramenta sy ny Sorona Masina. » (VD. 315)

« Nisintona fanamarinana hafa tamin’izany koa i Antoine Chevrier ny fandraisana an’i Pie IX dia famantarana iray namporisika azy hanohy ny fanatanterahana ny tetikasany mba ho fanofanana ireo pretra ny amin'ny ho avy.

Farany mety hanana fambara faha-efatra sy fambara farany izy. Ary ny arisevekan’ny Lyon hanome alàlana an’i André Gourdon hamonjy ny Prado. Tsy ho tonga ny fanomezan-dalàna, fa tsy manakana ny Prado izany. Hanova fotsiny ny fomba hanatanterahana izany : ny ankizy izay miomana ho an’ny asan’ny mpisorona ho any amin'ny lakilasy any an-tanan-dehibe. Nilazalaza ireo fanombohany ireo i Masera Marie.

 

« Ny anjarako tamin’ity fanorenana ity dia ny mikarakara ny tahirin’ireo ankizy ireo izay nalefa tany amin'ny sekoly fianaran-kiran’i Masindahy Bonaventure ary izay misakafo hariva amin'ny sakafo izay nentiny. Telo na efatra fotsiny izy ireo tamin’izay. »

Raisinay eto ny fomba fihetsika tsy niovan’i Mompera Chevrier rehefa mahita mazava ny lalan-kizorana izy, manao izay rehetra azo atao amin’ity lalana ity, ary na ho kely aza izany, dia tsy niala ny fankatoavana ny evekany izy, fa tsy mitady ho tiavina na tsia. Mba hanarahana tsy an-kijanona amin'ny lalana toy izany, dia mandray fanapahan-kevitra tsy mety lefy izy ary tsy maintsy manda tanteraka ny tena mba hanarahana an’i Jesoa Kristy.

« Izay nandà ny tenany dia tsy mihontsina na amin'ny inona na inona, tsy mitandrina amin’ireny fahantrana madinika eto amin’izao ireny izy, amin’ny ompa, amin'ny fankahalana, amin'ny ompa, amin'ny vono aza. Manohy ny diany izy. » (VD. 270, n° 1)

Indro ary fa naorina ilay antsoina hoe sekolin’ny mpianatra ho pretra izany tena seminera kely. Tsy ho ela dia ho afaka manaraka ny fianarana ao amin'ny Prado aza ny mpianatra. Hifandimby manao mpampianatra ao ny pretra isan-karazany. Ny pretra hafa tonga manampy amin'ny fampianarana katesizy ny ankizy izay manomana ny kominio voalohany izy ireo. Mizy lahika mpanampy koa tonga. Miosina ao amin'ny fiangonan-dry Maseran’ny Prado i Masera Marie.

Dimy ambin’ny folo taona sisa ny an’i Antoine Chevrier no ahavelomany mba hahamatorany izay vao avy natomboka.

 

6. Maharitra

Raha mbola tany amin'ny Cité de l’Enfant-Jésus tamin’ny taona 1859 i Antoine Chevrier, dia nanoratra ho an’i Camille Rambaud momba ny mpiara miasa izay nantsoina hoe Frera Paul izy:

« tsy dia matoky loatra ny fitondran’Andriamanitra izay efa nitari-dalana anao hatrany izy, sady tsy sahy no tsy dia mino loatra ary tsy manana ilay finoana eo amin’ny fanatontosana asa, izay mankahery ny olona vao miana-mandeha, manao ny asa ary manohy izay efa natomboka. » (Taratasy faha-20 (19) [5] An’Andriamatoa Camille Rambaud, [Cité,] 15 Avrily 1859)

Mifanohitra amin'ny Frera Paul, nentin’ny finoany ho an’ny asa natao i Antoine Chevrier, miankina amin’ Andriamanitra irery, dia hanohy tamim-pahazotoana izay natombony. Mpandinika ivelany afaka manao tsinontsinona mora foana ity endrik’olona ity izy. Tena mora fo ny endrika ivelany, tena mangina ity fahazotoana ity ! Tsy tokony handiso antsika izany ary Antoine Chevrier tsy diso amin’ izany, fantany fa tokony hampiseho hery izy ary tsy hanadino hamela hafatra

 

Ity hery ao amin'ny torohevitra ity no havelany ho an’ny mpandimby azy voalohany:

« Hentitra : Rahefa hita fa mahasoa ny besinimaro, ny isam-batan'olona ny Asa soa sahanina ka nanapahan-kevitra ny zavatra iray, dia tano hatramin'ny farany ary ataovy izay hanatanterahana azy. Aza atao vitan'ny teny sy ny baiko fotsiny, fa ampanatanteraho izay nobaikoina fa raha tsy izany tsy hisy zava-bita mihitsy.

« Manam-paharetana : Tsy miantoka na manomboka na inona na inona raha tsy efa avy nandanjalanja sy nandinika ela, fa raha nanombo-javatra kosa, dia tanterahina hatramin'ny farany ; izany no ahazoana antoka hanorenan-javatra sady mafy fototra no maharitra. Maneho fahosana ny fanombohan-tsy mahatanteraka, hafanam-po tsy miditra amin'ny laoniny io, kilema mampidi-doza sady fahita matetika manimba fahefana. Aleo manomboka kely fa vita tsara, toa izay be fandraoka tsy mahasahana. Dia ataovy mifampitohy amin'ny laoniny tsara izay atao rehetra. » (VD. 528)

Fa fantatr’i Antoine Chevrier koa ny vidin’ izany aminy. Tsy maintsy mitafy faharetana izany, izany hoe : mihafy hatramin’ny farany. Tsy midika na inona na inona ity filofosana manetry tena ity noho ny fitondrana hazofijaliana.

« Entina isan’andro.

Hoy ny Tompontsika mamarana ny teniny : Dia ento isan’andro isan’andro ny hazofijaliana !

« Voadininy tsara daholo izay anafarany, ary voafetrany mazava ny adidintsika !

« Tsy maintsy entina, lanjaina, isan’andro, isan’andro vaky ny hazofijaliana, ka atombohy dieny izao.

 

« Raha apetrakao izy ny hariva, raiso indray raha vao maraina, dia lanjao tontolo ny andro tahaka ny omaly, tsaratsara kokoa noho ny omaly aza.

« Isan’andro, tsy ketraka, amim-paharetana, ary raha sendra ka navela ho latsaka izy, dia raiso haingana dia ento hatrany amin’ny farany.

« Aza mety ho kivy an-dàlana mihitsy rahefa mitondra azy.

« Mahita zavatra mampijaly foana anie isika isan’andro mandra-pahatapitry ny fofon’aintsika é. Ary eo amboniny eo no tsy maintsy hialan’ny aina, tahaka ny nifantsihan’ny Tompontsika ; lavo ihany indraindray fa avy hatrany dia mitsangana amin’ny alalan’ny fivavahana, dia tohizo indray ny dia.

« Mila faharetana hoy aho. Nambaran’ny Tompontsika izany teny izany mba hankaherezana ity nofontsika osa sy malemy ka mikomy lava mora resy ity. Vizana hono izy dia tadiaviny hilaozana eo ny hazofijaliana !

« Tsia ; raha vao nanomboka ianao dia tohizo ary ento ny hazofijaliany hatramin’ny farany isan’andro isan’andro vaky.

« Isan’andro vaky, mampianara katesizy, isan’andro vaky, miveloma toy ny mahantra, isan’andro vaky, mandefera amin’ny namana, sy izao tontolo izao reseo miaraka amin’ny fahasoavan’Andriamanitra ny harerahan’ny vatana. » (VD. 332-333)

Isan’andro dia manao fampianarana katesizy, isan’andro dia mahantra. Izany no anehoana an-tsary ao anaty endrika roa ny fiainana ao amin'ny tranon’ny Prado.

Mahantra ao satria te-hianina amin’izay ilaina izay toa atao ambonin-javatra amintsika ankehitriny, ary indrisy toa tandra vadin-koditry ny mahantra tamin’io fotoana io.

Ny olona manana ny toe-panahin’ny fahantrana dia efa miteny amin’ny tenany hoe : Mbola mihoatra noho ny ilaiko ny ananako ; sesehena anefa ny mahantra tsy manana mihoatra ny ahy ka mijaly

 

tsy manana ny ilainy akory ; zo avy aiza àry no ananako trano fialofana tsara, sakafo mahavoky, lamba fitafiana mihoatra noho ny mahantran’Andriamanitra ?

« Raha tsy mba mandre mamirifiry noho ny tsy fahampiana ianao dia mihevera fa tsy mahantra am-panahy ianao izay.

« Eo am-pandraisana ho latsa-paka lalina ao am-po izany toetra izany no hirosoana miandalana amin’ny fiendahana hiala amin’ny tsy ilaina loatra ka mahatonga ny tena handositra ny fitaovana saro-bidy, ny rendrarendra, ny mangirangirana, ny madera ka ifidianana izay mahantra sy tsotra indrindra. Rahefa mahatafy sy mahatohana dia ampy izay. Mbola mety haharitra ity ka tanako. » (VD. 295-296)

Mahantra ny olona ao amin’ny Prado satria tsy te-hangataka na inona na inona na amin’iza na amin’iza (VD. 317)

« Rarana mafy mihitsy ny mampandoa vola ny asa fanompoana ataon’ny Pretra, ny miangavy amin’ny ray aman-drenin’ny ankizy karakaraintsika, ka mangataka na inona na inona aminy fa mananary ny fahafahantsika izany, mitono-tena amin’ny fahambanian-tsaina, manala ny fahamendrehana, manohitra ny toetran’i Jesoa Kristy. Sambatra kokoa ny manome noho ny mandray ; manao soa tsy misy tambiny ny olona rehetra.

………………………………………………………………………

« Rahefa tsy manana na inona na inona isika, dia tsy maintsy miasa, hoy i Md. Paoly, mba tsy hanavesatra ny sasany, ary raha tsy mahavita tena intsony isika, dia ahenao ny fandaniana ary amidio izay mihoatra ny ilaina.

« Matetika manko be loatra ny zava-tsy ilaina ananantsika, migalabona loatra isika,

 

tsy tena mahantra marina akory, ka tsy misy mpiantra, tsy mahazo na inona na inona ; amidio àry izay mihoatra ny ilainareo ary miasà mba ho velona dia halefan’Andriamanitra ho anareo izay tsy ampy.

« Raha tsy efa lany namidy ny tafahoatra amin’ny fananana, ka efa avy niasa mafy sahala amin’ny tena mahantra, izay vao afa-mangataka raha tena hita marina fa tsy manana ny tena ilaina intsony.

« Ary raha mangataka, dia mangataha amim-panetren-tena mandrakariva, manàna fifehezan-tena sy fahamalinana, ary mahatsiarova fa tsy manan-trosa aloa aminao ny olona. » (VD. 310)

Fa izay teren’ny zavatra ilaina, dia tapa-kevitra hitady rakitra eo ambavaravaran’ny fiangonana i Mompera Chevrier. Tamin'ny voalohany dia tena narary izy noho izany.

Mahantra koa ny olona ao amin’ity tranon’ny Prado ity ihany satria mifampizara amin'ny mahantra, amin'ny samy mpifanolo-bodirindrina.

Ao amin'ny Mpianatra Marina, ny andininy mitondra ny lohateny hoe « Manome amin’izay mangataka » (VD. 300-304) dia maneho ireo olana mivaingana mipetraka amin’io fifampizarana aman’olona izay tsy voatery ho masina. Misy mpindrana mandava-taona, mpila sotasota mafy loha ary mpangalatra. Ho voavaha ny olan’ny zava-tsarotra ao anatin’ny fahamalinana, fahafahan’ny fo sy halehiben’ny fanahy.

« Raha misambotra 2000 ariary aminao izy, omeo ariary 1000 na ariary 400, raha manana ianao, dia aza takiana aminy mihitsy ; amin’izay ianao nahavita asa soa ; tsy azonao atao ny mitaky amin’ny mahantra ny famerenana izay nomenao azy : mitahiry ny firaisan-kina sy ny fifankatiavana koa anie izany.

 

« Raha tsy vola fa fanaka na fitaovana toy ny lovia aman-tsotro na fitafiana na hafa toy izany indray no resahiny, dia zavatra hafa indray iny, kanefa, aza mampindrana izay tsy foinao homena tanteraka sao diso fanantenana satria tsy ho voaverina aminao toy ny teo mihitsy iny.

« Na izany na tsy izany anefa dia manampy antsika hiaina ny fahantrana lavorary ity fitsipika ity satria tena mamporisika hizotra amin’izany fahantrana marina izany, ny fampisamborana izay te-hisambotra sy ny fanomezana izay rehetra mangataka ; amin’ny farany ianao minoa marimarina fa tsy hanam-baraiventy ho anao intsony. » (VD. 301)

Ny fahantrana tao amin'ny Prado dia tsy neken’izao tontolo izao. Raha toa antony iray ho an’ny sasany handraisana anjara amin'ny famelomana ny kilasimandry dia voatsikeran’ny hafa izany. Anisan’ireny misy ireo vonona haneho ny fomba ho an’ny fampidirambola maharitra. Misy ny mpanolotsaina indrindra izay ananany porofo dia ny hampiasana ny ankizy ao amin'ny Prado, tahaka izay atao any amin'ny trano marobe izay mandray an-tsitrapo ny anaran’ Andriamanitra. Tsy nahafaly ny mpanorina ny Prado ity karazana torohevitra ity.

Fantatr’i Antoine Chevrier tsara ny hatezeran’ny vahoaka amin’ireny trano ireny izay mialoka amin'ny fanaovana asa soa, nefa mampiasa tapa-kibo ny mpiasa tsy afaka miaro ny zony. « Mampikaikaika eto amin’ izao tontolo izao » ireny (Ms XII, 184) hoy izy. Avy tamin'ny taona 1848 dia nisy notafihin’ny mpikomy ny Tranon’ Andriamanitra maromaro (Six 74-78).

Voalaza tamim-pomba ofisialy ny tranon’ny Prado

 

ho tranon’ Andriamanitra teo amin'ny Prado fa tsy iray tamin’ireny trano na Providence izay ikarakarana asa-tanana izy (VD. 304). Tena mazava ny hevitr’ i Mompera Chevrier sy tena hentitra ary tsy nialany izany.

« Ny ara-panahy no kendrentsika, ka tsy tokony handray ankizy na olon-dehibe hampiasaina isika, fa hampianatra azy ireo ny fivavahana.

« Dimy volana no andraisantsika ny ankizy mahantra hampianarina sy hanabeazana azy amin’ny fiainana kristianina dia fosafosaina any rehetra any isika ; any ho any anefa misy ankizy ampidirina ho kilasimandry tsy manao na inona na inona mandritra ny telo, efatra, folo taona, zanak’olo-mihaja, zanaky ny mpiasa tsotra, tsy mba misy mpiteny akory. Mampianatra adidy manko isika fa tsy mampianatra asan-tànana.

« Tsy azon’ny olona tsara fa zava-dehibe ny fampianarana sy ny fanabeazana ka andatsàny antsika ny fotoana kely hitantsika fa tsy ampy, andraisantsika ny zanany ka tsy iasany.

« Tsy mandà ny asa madinidinika manabe olona isika, asa kely ao anatin’ny fotoana fohy sy voafetra nefa mahasoa ny ao an-trano, môraly, fampiasan-tena hialana amin’ny fahasahiranana, toy ny fanjairana ny akanjo rovitra, fanomanan-tsakafo, fandiovana, fanasana, fanamboarana sapile, fanaovana zaridaina kely sns, tsy manana mpiasa an-trano manko isika ary tsy maintsy manao ny tena asantsika, izay no asantsika : mpandrafitra, mpanao trano, mpandalotra, mpamafa, mpanasa, mpanjaitra ; lavintsika ankitsirano kosa ny fanaovana anton-draharaha : orinasa,

 

famoronan-javatra, asa ho an’ny any ivelany fampidiram-bola manambolombolo varotra. » (VD. 305)

Miaina tao anaty fahantrana ao amin'ny Prado, satria tsy miasa ahazoana vola ao. Fa koa tsy hoe tsy manao na inona na inona. Mianatra katesizy ao, ary asa izay mandany andro izay, na ho an’ny mpianatra izay manana fotoana maro amin'ny fianarana katesizy isan’andro na ho an’ny katekista izay tokony hikarakara ireo kilasimandry izay tsy azo avela tsy hanana asa atao anelanelan’ny fotoana fianarana katesizy. Tokony hamerina ny fampianarana koa ireo katekista ireo ary hiasa sy handalina ary hanatsara tsy ankijanona ny fampianarana izy ireo katesizy.

« Aza manenjika zava-tsy izy. Tokana ihany no ilaina ; mampianatra tsara ny katesizy. Raha vita tsara ny matoan’adidy, mandeha ho azy ny sisa. » (VD. 299

Ho an’ny sisa, andao tsy omentsika amin'ny fiteny hoe mampianatra katesizy ny dia teny izay omena azy tampotampoka eny, fampianarana soratra masina atokana ho an’ny ankizy izany dia hanaraka an’i Jesoa Kristy amin'ny toriteny (VD 437-452) ary koa eo anatrehan’ny olon-dehibe noho ny anatrehan’ny ankizy.

« Fampianarana tsotra indrindra io, satria sady misy fanontaniana no misy valiny. Tsy ny boky akory no mampianatra fa ny pretra.

« Ny Tompontsika, anie tsy nilaza hoe : vakio, mampianara tena, fa hoy izy amin'ny pretra hoe : docete [mampianara].

« Mampalahelo anie ny mahita ny ankizy mandany adiny roa

 

isan'andro hianatra teny ary sorena mafy mamerimberina izay efa voalaza, izy sy ny mpampianatra katesizy, mahasosotra mihitsy. Kanefa azo atao tsara tokoa ny manolotra ny finoana sy ny fitiavana ary fitiavam-bavaka ho azy ao anatin'ny am-pahefa-kadiny fotsiny, noho ny adiny roa be lany fotsiny.

« Raha olon-dehibe na tsy mahay na inona na inona indray no ampianarina, tsy azo atao mihitsy ny maniraka azy hoe : raiso ny bokinareo, dia vakio ; isika no tsy maintsy mampianatra azy ireo, ka atao izay handraisan'ny tsirairay anjara, atao izay hahazoan'ny maro an'isa mandray izay omena azy, ary amin'ny alalan'ny teny no ampianarana azy. Fides ex auditu [Teraka avy amin’ny teny ny finoana]. (Rôm 10, 17) » (VD. 450-451)

Mampianatra katesizy, manofana katekista araka ny heviny izay hiheveran’i Antoine Chevrier azy dia toa tena ilaina izay tsy hisalasala ny nanoratra azy iray taona talohan’ny nahafatesany : « Tokony ho androany ny filan’ny fotoana sy ny Fiangonana. »

Tokony hanao fampianarana katesizy ho an’ny tena ihany, araka ny hafatr’i Mompera Chevrier. Antony iray voalohany dia satria tamin’izay fotoana izay dia tsy nanana tahirin-kevitra pasitoraly izay hita amin'ny andronstika izao. Na izany aza, mino aho fa amin’izao fotoana izao dia mbola manao hafatrafatra mitovitovy satria fomba iray hahatonga mpampianatra katesizy tsara izany.

« Manàna kahie iray lehibe, na metimety kokoa, kahie maromaro anora­tanao ny katesizy ampianarinao.

………………………………………………………………………

« Raha vao manomboka ny fampianarana katesizy ianao, dia ataovy io asa io vetivety fa aza andrasana ela loatra, dia ampio miandalana eny izay efa vitanao isaky ny manao katesizy ianao. Isaky ny mamaky na mianatra ianao,

 

dia mariho eo amin'ny toko natokanao ampianarina izay tsapanao fa tsy maintsy ampitainao, na tamin'ny vakiteny izany, na tamin'ny fiofanana na tamin'ny fivavahana, na tamin'ny fianarana sy ny resaka ; amin'izay fotoana izay dia ianao ihany no hahatsapa fa miha-matevina hatrany hatrany ny asanao, ka manamaivana ny ezaka, ny hasasarana, ary hohitanao koa fa raha ny fanabezam-pinoana no resahina dia ho feno mihitsy ny hevitrao, ka na hitory teny ianao na hampianatra katesizy na hampanao fandalinam-pinoana, dia efa vonona mialoha ny asanao, hany ka tsy firy intsony ny hampianao aminy, fa fanampi-pitadidiana ihany no ataonao satria asanao manokana io. » (VD. 452)

Tamin’ireny hafatrafatra fampiharana na pratika ireny dia nahitana tsindrimandry iray : raha hanambara ny Evanjely dia tsy maintsy nandalina tsara ny resaka ifamaliana maneho am-pahatsorana ny fomba maha-fahazavana ny fiainan’ olombelona rehetra an’i Jesoa Kristy. Tsy vita anefa izany raha tsy misy asa iray atao am-pahazotoana sy am-pikirizana.

« Mba ho tena mahazatra anareo anie ny firesahana momban'ny Misterin'i Jesoa Kristy Tompontsika, hitondra fahazarana ho anao ka hahafahanao miresaka an'izany toy ny zavatra efa iainanao manokana, efa mahazatra, tahaka ny fahaizan'ny olona miresaka ny amin'ny toetran'izy ireo, ny akanjony, ny raharaha ataony. » (Taratasy faha-64 (67) [4] Ho an’i Jean-Claude Jaricot (Seminarista), Lyon, 20 Mey 1868)

Ity ezaka fampianarana katesizy ity dia nijanona tsy nilaina raha tsy nitohy amin'ny fomba fiainan’ny ankizy ao amin'ny Prado. Tsy novoriana tao amin’ity trano ity izy ireo aloha satria afaka nahazo lesona mora foana ny fampianarana soratra masina izy ireo. Tao izy mba hanana traikefa kristianina feno iray, ary mba hanandrana izany miaina izay nianarany.

 

« Ny finoana, ny fitiavana, ny asa, ireo no vokatra telo tsy maintsy ateraky ny fampianarana ataontsika.

« Mampita ny finoana amin'ny alalan'ny fahalalana, ny fanamarinana ny fijerena ny zava-misy.

« Ny marina ampianarina indray no miteraka ny fitiavana ao am-po.

« Ka rahefa fantatra sy tiana ilay fahamarinana, dia raisina ka ampiharina amin'ny asa.

« Mba hahatongavana amin'ireo vokatra telo ireo anefa, dia ilaina ampiasaina daholo izay tetika mety ampiasaina ary manaova toy ny voalazan'i Md. Paoly hoe : miteraha hoatry ny reny, ka sady ray ianao no mpampinono ary manome ny fiainana noho ny fitiavana. » (VD. 451-452)

Ny fomba voalohany dia ao amin'ny Prado no ahatsapan’ ireto ankizy ireto marina fa any aminy izy, eo anivon’ny fianakaviana.

« Haka tahaka ny Tompontsika amin'ny hatsaram-pony amin'ny ankizy, hiantso azy ireo ho any aminy ary hanome azy ireo vavolombelona tena vavolombelon’ny tambitamby sy fitiavana. Hitondra tena ho toy ny ray sy reny amin’ izy ireo isika amin'ny fikarakarana azy ireo amim-pitiavana marina mba hahazoany ny fanahiny amin’ Andriamanitra. Rehefa tonga ny fotoana dia handray ny ray aman-drenin’ireo ankizintsika hiray latabatra amintsika, ary ho toy izany koa ny mahantra, ary hataontsika hasambarana ny handroso sakafo azy ireo sy hanehoana amin’izy ireo ny fitiavantsika azy ireo. » (R. 184)

Mompera Chevrier no voalohany nanao izany, ary nitarika ny tontolo manodidina azy izany.

Fa aza maka sary an-tsaina fa ny fiainana ao amin'ny Prado dia feno fitiavana. Tsy hoe fampianarana katesizy fotsiny amin'ny fomba kristianina mahazatra. Tsy maintsy miady matetika amin'ny tsy finoany, amin'ny horohoro, amin'ny lainga sy fahotana izay manjaka amin’ izao tontolo izao (VD 457) ary izay miseho ihany koa ao anatin’ny Prado.

 

Ity asa tafika masina ity araka ny tokony ho izy dia nisy fiainana ara-litorjia sy sakramenta.

Ny fipetrahan’ny tanora ao amin'ny Prado amin'ny ankapobeny dia misy fandraisana ny sakramenta fankaherezana. Izany no mahatonga eveka iray handresy teo amin'ny ankizy izay te-haneho taminy fitiavany azy. Marina fa amin'ny maha eveka misionera azy any Océanie dia afaka manao izany tena mora foana noho ny hafa izy hizaka izany karazana voninahitra izany.

Natao ho an’ny komonio voalohany rehetra araka ny fanazavana tahaka ny ho an’ny fahafenoan’ny fanombohana ho kristianina. Tsy nanao hevitra hafa i Mompera Chevrier : fantany tsara fa tsy ho tafita izy amin'ny fanomanana olo-mazoto. Te hanomana mpino izy ary mieritreritra fa tsy ho afaka hanao izany tanteraka tsy mitondra izany hatrany amin'ny Eokaristia. Ao anaty sehatra tena voafetran’ny fitsipika litorjikan’ny fotoana, nanao izany rehetra izany mba handraisan’ny sapely ao amin'ny Prado ka ny fivoriambe dia handray anjara amin'ny zavamiafina litorijika. Ary amin’io tanjona io no mahafeno sary vongana, tabilao, sy fisoratana anarana ny sapely.

Amin'ny fotoanan’ny fampianarana katesizy ho an’ny ankizy dia ampiana toriteny any amin'ny sapely :

« Rahoviana no tsy maintsy itoriana teny ?

« Isan'andro vaky, fa amin'ny alahady kosa im-betsaka be. Amin'ny alahady indrindra isika no tsy maintsy mitory teny sy mampianatra katesizy. Na amin'ny fotoana inona na amin'ny fotoana inona dia tsy maintsy vonona hiteny, sahala amin'i Jesoa Kristy Tompontsika mandrakariva ny Pretra. Niteny izy, nampianatra izy, nananatra lalandava izy raha vao nisy hirika kely nanaovany izany.

 

« Alohan'ny Lamesa, manazava ny Soratra Masina ary mitanisa ny vavaka atao amin'ny sorona amin'ny feo avo.

« Aorian'ny Evanjely, mivaofy ny Epistola sy ny Evanjely, amim-pahatsorana.

« Aorian'ny vavaka hariva, manazava ny rozery.

« Ny hariva, manazava ny lalan'ny hazofijaliana aloha, izay vao manao azy ho toy ny fampianarana.

« Eo am-pivavahana, manazava ny iray amin'ny didin'Andriamanitra.

« Mandritra ny fandinihan-tena :

« praedica verbum insta argue obscera. [mitoria ny teny, mahareta amin’izany, manitsia, mananàra, mamporisiha]

« isan'andro vaky, ny fampianaran'i Jesoa Kristy Tompontsika amin'ny mpino.

« Nambaran'ny Tompontsika avokoa izay rehetra tsy maintsy lazaina : sokafy ny bokiny dia vakio amin'ny mpino ary asio famoaboasany kely fotsiny. » (VD. 449)

Misy olona marobe tonga amin'ny Prado mba hikofesy sy hangataka famotsoran-keloka. Noho ireo mpibebaka ireo indrindra raha toa ka marobe no nahatongavan’i Mompera Chevrier matetika tara be amin'ny sakafo. Manazava ity fihetsika ity ny tenany :

« Fifadian-kanina noho ny fitiavana hanompo ny namana dia toy izao : aza matahotra ny hanemotra ny oran’ny sakafonao raha ohatra ka ny fanompoanao ny namana no mitaky izany ; na mitsangan-komana noho ny fanompoana ny namana ihany koa. Mbà mahay manadino ny tena hanompoana ny sasany ; ka amin’izay fotoana izay, mba tsy hanelingelina na hampatezitra ny sasany, dia avelao eo ambony latabatra ny anjara haninao

 

fa aza enti-manaraka, ka rehefa tafaverina ianao mihinana azy na dia mangatsiaka aza izy ; rehefa avy mihinana dia sasao ny lovia sy ny vera mba tsy hanomezam-pahasahiranana ny namana. Mahaiza mijaly fa aza mampijaly olona. » (VD. 353)

Araka ny filazan’ny mpitsabo ity fomba fanao ity dia antony mitera-doza, raha tsy izay dia antony aretim-bavony izayy namono azy tamin'ny faha-telo ambidimampolo taonany eo am-panatanterahana izay nampianariny : « Aleo miaina latsaky ny folo taona miasa ho an’ Andriamanitra toy izay miaina folo taona mihoatra tsy manao na inona na inona. » (R. 179)

Nefa mba ahazoana tsara izany lohahevitra izany dia tsy maintsy mandre teny hafa.

« Nampahafantatra ahy ianareo fa efa mihatsara i Delorme namantsika, hoderaina anie Andriamanitra amin'izany. Karakarao tsara izy ary aza matahotra ny hanao fandaniana izay rehetra ilaina amin'ny fahasalamany ; ary raha misy iray marary eo aminareo, aoka ianareo ho feno hatsaram-pò sy fitiavana mba hahasoa azy, ataovy daholo izay fandaniana rehetra ilaina mba hikajiana ny fahasalamany, mba hiasàna amin-jotom-pò ho amin'ny voninahitr'Andriamanitra ; tsy maintsy hanana fahasalamana tsara ny mpiasa iray. Nefa na izany aza misy ny fijaliana midera an’ Andriamanitra tahaka ny hafa amin’ny fanoloran-tena izay ataony isan’ andro ao anatin’ny alahelony. » (Taratasy 86 (113) Ho an'i Claude Farissier, [St Fons, jona 1872]

Ny taratasin’i Mompera Chevrier nanome hevitra mitovitovy matetika ary niteny izany izy teo amin'ny fiainany :

« Malahelo ny sombi-mofo izay tsy nohaniko aho »

 

« ho afaka miasa fotoana be kokoa ho an’ny voninahitr’ Andriamanitra aho » (P. IV, 151).

Ny lazan’i Antoine Chevrier dia nahatonga azy itondrana olona izay noheverina fa itoeran’ny demony imbetsaka. Marina fa nanao fandroahana demony izy tao amin'ny sapelin’ny Prado. Hita anisan’ity mpandalo hafahafa ity olona iray antsoina hoe Gay izay efa nalefa tany amin'ny Curé d’Ars. Tsy mahalala na inona na inona tamin'ny Mompera Chevrier izahay mahakasika ny endriky ny ministerany. Ny Abbé Boulachon namany, mpiandraikitra tany amin'ny fonja nandray anjara tamin'ny asa. Niteny zavatra vitsy tamin’ izany i Masera Marie izay nanatrika fandroahana demony. Vavolombelona hafa iray, Françoise Chapuis, dia nanome antsipirihany amin’ireo « voafatotra » sy ny fomba fisehon’ny demony, nifanohitra amin'ny an’i Masera Marie. Azo atao fa tsy filazana tafahoatra ny miombon-kevitra amin'ny eritreritr’i Françoise amin’ny zavatra tsara kely izay lazainy.

Ny kardinaly Caverot izay lasa arisevekan’i Lyon tamin'ny 1876 dia nangataka tamin’i Mompera Chevrier tsy hisahana zavatra toy izany intsony. Ataony fa nanana asa tsaratsara kokoa mba iadiana amin'ny Ratsy.

Araka izany dia manana asa atao iadiana amin'ny fomba fivavahana sandoka sy ny asan’ny fanahy ratsy eo amin'ny mpiara-miasa lahy sy vavy i Antoine Chevrier.

Momba ny adin’i Jesoa amin'ny fivavahana sandoky ny Farisianina dia izao no marihiny :

« hafatr'i Jesoa Kristy Tompontsika ho antsika pretra indrindra indrindra ny fampianarana nomen'ny Tompontsika momba ny toe-tsain'ny farisiana. Tandremo tsara. Malimalina ianareo amin'ny lalivain'ny farisiana (Mt 26, 6) fa tena mifanohitra mafy amin'ny toe-tsaina sy ny fivavahan'ny Tompontsika izany. » (VD. 460, n° 3)

 

Niady tokoa izy hitarika ny namany any amin'ny Evanjely, ho amin'ny fahalalana an’i Jesoa Kristy. Ny hamafin’ny teny sasany dia ahatsapana ny hamafin’ny ady :

« Mpandrava laka sady tena tsy mahasoa mihitsy anie ny olona tsy manana io fanahy tsara io e, ary tena atahorana mihitsy ao an-trano, ao amin'ny Kominote. Manafintohina sy manorisory ny sasany amin'ny teniny sy ny ohatra omeny ; manaratsy na mifosa namana foana no ataony ; tena ilay lazain'ny Tompontsika hoe : toy ny menarana mitsikilo mandrakariva ny fotoana hanaikerany anareo ka handefasany ny poizina avy ao anatiny.

« Tevateva, tsikera, teny tsy voahevitra, tsy ilaina, fanariam-potoana, hadalana, sns…

« Tokony ho fehezin-damba mihitsy aza ny vavany mandram-pibebahany.

« Taranaky ny menarana, hoy ny Tompontsika, miteny ny Farisiana satria ratsy fo izy ireo, ka tsy mikaroka afa-tsy izay hamelezana azy sy ny Apôstôly mba hiampangana azy.

« Ary matetika izy ireny no te-hanapaka ary mikaroka fanapahana mandrakariva noho ny haratsian-tsaina sy ny fitsikerana, miavonavona anie izany e ! ary te-hanjakazaka amin'ny hafa foana.

« Tsy maintsy arahi-maso ireny fanahy ratsy ireny, ary roahina fa pesta mampiditra angano, poizina mampidi-doza mahafaty satria tsy vitan'izy manakana ny tsara fa mbola mandrava efa sy mamotika ny trano.

 

« Ao an-trano ireny karazan'olona ireny dia mitovy amin'ny mpandrava ny vita : bebe kokoa ny zavatra ravany ao anatin'ny fotoana fohy noho ny naorin'ny olona telopolo mandritra ny maraina tontolo.

« Raha misy te-hanorina nefa ravan'ny sasany foana, dia tsy misy zava-tsara ho vita fa fotoam-bery fotsiny. Mavitribitrika kokoa noho ny mpanorina ny mpandrava. » (VD. 231-232)

Mpanorina ny asan’ Andriamanitra, izany no nitadiavin’i Mompera Chevrier tsy nahatalany vizana. Nihevitra izy fa tsy ampy ny mandray olona tsara sitrapo ka manana famantarana fiantsoana. Tokony hofanina izy ireny. Feno asa loatra noho ny asa isan-karazany izay mihazona azy, dia ny tsy adinony ny asany lehibe manokana, dia ny fanofanana apôstôly mahantra ho an’ny mahantra.

Ho azy ireo dia hanohy izy raha mbola tratry ny heriny ny fanoratana boky iray : Ny pretra araka ny Evanjely na ny Mpianatry ny Tompontsika Jesoa Kristy.

Nahatsapa ny filàna hametraka an-tsoratra ny fikasany ho an’ny fiainana raha vao manomboka ny fotoan’ny fiovam-pony i Antoine Chevrier. Azony tsikelikely miandalana teny fa tokony ho avoakany ny eritreriny rehetra amin’ireo izay tonga hiasa miaraka aminy. Tamin'ny alalan’ny tahirin-kevitra marobe izay navelany dia afaka manaraka ny dian’ny asa mangidy iray ny olona. Ny dingana lehiben’io asa io dia ao amin'ny fiantombohan’ny fitsipi-piainana, vokatra azo tamin'ny fisintahana natao tamin'ny 1857 sy tao amin'ny andrana iray nantsoina hoe Sacerdoce ary amin'ny teny hoe ny Mpianatra Marina ary amin'ny farany araka izay ananantsika azy. Fantatsika mazava ny fanirian’ny mpanoratra :

Izao no heveriko fa hataoko : mamita ireo asako

 

momba ny "Mpianatra Marina", mampandinika izany eo amin'ireo Pretra matotra, ary mandeha miaraka amin'ny faneken'izy ireo. Ary rehefa tonga eto Rome i Monsenera, dia hasehoko azy izany ary dia ho arahintsika ny fitsipika. » (Taratasy faha-148 (83) [7] Ho an’i Jean Claude Jaricot, [Rome, faran’ny volana Avrily 1877]

Vavolombelona tena mazava indrindra amin’ny filofosan’i Antoine Chevrier io boky io. Vokatry ny eritreriny manokana. Manazava hatrany ity tsindrimandry ity izy arakaraka ny itomboan’ny traikefany ary ikolokolo any tsy an-kijanona ny fahalalana an’i Jesoa Kristy amin'ny fianarana lalina ny Evanjely sy Masindahy Paoly.

Mahalala an’i Jesoa Kristy, izay ihany.

« Mitambatra ao amin’ny fahalalana an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy Tompontsika daholo ny zavatra rehetra.

« Haec est vita aeterna ut cognoscant te solum deum verum et quem misisti Jesum Christum [Izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahalala Anao hany Andriamanitra marina sy i Jesoa Kristy Izay nirahinao].

« I Jesoa Kristy dia ny Teny mandrakizay. Teny velon’ny Ray eto ambonin’ny tany. Fahalalany sy Fahendrena rehetra. Ao Aminy avokoa ny tahirin-drakitry ny fahalalana sy ny fahendrena.

« Izany no mahatonga an’i Md. Paoly tsy haniry zavatra hafa ho an’ny mpino afa-tsy ny fahalalana an’i Jesoa Kristy.

« Izaho mandohalika eo anoloan’ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay loharano nipoiran’ny zavatra rehetra any an-danitra sy ety an-tany. Mba hanomezany anareo ny harena ao amin’ny voninahiny, ianareo izay nankahereziny ara-panahy noho ny Fanahy Masina, mba honenan’i Jesoa Kristy ao am-ponareo noho ny finoana, ary noho ianareo niorim-paka sy miray fototra ao anatin’ny fitiavana, dia mba hahazoanareo mandray, miaraka amin’ny

 

olomasina an-tsakany sy an-davany, ny haavo sy ny halalinan’ny zava-miafina ao amin’ny fahalalana an’i Jesoa Kristy sy ny fitiavany anareo, izay mihoatra ny fahalalana rehetra, mba ho fenon’ny fanomezan’Andriamanitra amin’ny hafenoany rehetra ianareo. Ary ho an’Andriamanitra izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay angatahintsika na heverintsika aza, araka ny heriny miasa ato amintsika amin’ny taona rehetra mifandimby. (Ef 3, 14)

« Tsy nisy fianarana na fahalalana tokony homena toerana ambonimbonin’io. Io no tena ilaina, tena ahitan-tsoa, tena manan-danja, indrindra ho an’izay te-ho Pretra, mpianany, satria io fahalalana io irery no hahatongavana ho Pretra. Fanampiny tsy ilaina loatra ny fahalalana hafa rehetra. » (VD. 113)

Filofosana hianatra ny Evanjely ary hanoratra ny Mpianatra Marina, fa aza adinoantsika ny filofosana hafa iray raha tsy izany tsy nisy nilàna azy ny boky : filofosana hanofana apôstôly tahaka an’i Jesoa nanofana ny Roa ambin’ny folo.

« Nandritra ny telo taona niarahany tamin’izy ireo, ka nanofanany azy tamin’ny Evanjely sy ny asa anirahana azy, dia tsy hitantsika mihitsy i Jesoa Kristy nanafatra ny mpianany mba hanana fomba na fihetsika ety ivelany fotsiny na fitsipika ety ivelany, fa ny nanafarany azy fatratra dia ny iainany ao anaty ny zava-misy sy ny zava-mitranga araka ny isehoany.

« Ny tena nimasoany dia ny fanovana ny ati-panahin’ireo Apôstôly. Nampianatra azy tsy tapaka Izy, nananatra azy ireo isak’izay ilàna izany koa ; nampanao azy ny asa rehetra ary nanofana azy ireo amin’ny zavatra rehetra. » (VD. 222)

Tamin’ny fotoana izay nahatongavan’ny mpianatra voalohany tany an-tsekolim-

 

mpinoana dia tonga tanora roa izay te-hanao pretra, ary nanaiky hiasa ao amin'ny Prado. Ilay nantsoina hoe Martinet sy Jean-Claude Jaricot izay. Ny voalohany maintimolaly tao amin'ny Freran’ny Sekoly Kristianina (Frères des Écoles Chrétiennes) dia niditra tao amin'ny Prado ho katekista ary nohamasinina tamin'ny 1866. Ny faharoa izay tao amin'ny « Grand Séminaire » de Lyon dia nohamasinana tamin'ny 1869.

Ny fanamasinana ho pretra ny Abbé Martinet dia nifanindry tamin'ny fampandehanana ny traikefa tena lehibe teo ambany mason’i Mompera Chevrier. Teo amin'ny sisitanin’ny diosezin’i Lyon fa tao amin'ny diosezy mifanolobodorindrina amin’i Grenoble, fa tsy eo amin'ny toerana antsoina hoe Moulin à Vent no tiana hanorenana Fiangonana vaovao iray. Mpivaro-boakazo ny mponina teo amin'ny fokontany amin'ny ankapobeny. Nanolotra tamin'i Mompera Chevrier mba ho pretra amin’ity fiangonana ity ary nanaiky izy. Nahazo alalana hipetraka ao amin'ny Prado sy hiasa mandrakariva ao amin'ny fiangonana tamin'ny Abbé Martinet izy. Noraisiny am-po lalina ity asa ity satria nahita ny Moulin à Vent tahaka ny tany tsara hanatanterahana ny heviny momba ny ministeran’ny fiangonana izy, ilay antsoina hoe asan’ny pretra mahantra ho an’ny fiangonana.

Niasa tamin’izay izy. Ekipa kelin-dry masera no nanao ny asa. Ny fisian’i masera Marie tao amin’ity ekipa ity dia mampiseho ny maha zava-dehibe an’ity orinasa ity teo ambany mason’ny Curé vaovao.

Fa na izany na tsy izany dia tsy mandeha mora foana ny toe-javatra. Araka izay no taterina taminay, tena faly ny mponina teo amin'ny fokontany, fa toa ny fomba mifanaraka amin’ny evanjely, teo amin’i Antoine Chevrier no niteraka olana. Azo heverina fa niteraka disadisa teo amin'ny mpiara-miasa manodidina izany indrindra momba ny tsy fandoavam-bola ao amin'ny ministera, resaka voalohany ho an’ny mpanorina ny Prado izany.

 

Nisy fitakiana tonga hatrany amin'ny evekan’i Grenoble ka teo amin'ny taona 1871 dia ny Curé-n’ny Moulin à Vent dia nandre tsy mivantana fa nanana mpandimby izy dia ny vikerany, ny Abbé Martinet voatendry Curé tamin'ny fomba ofisialy. Nanomboka tamin’io fotoana io dia nihevitra ny hisintaka teo amin'ny Prado izy, tsy nisalasala fa tsara ny tsy hanelingelina intsony ny rahalahy manodidina teo am-panekana hanao tahaka ny olona rehetra.

Tsy nanao na inona na inona mba itadiavana fiheverana ny tenany i Mompera Chevrier. Nampijaly azy tokoa ity tsy fahombiazana ity fa namela an-tsitrapo ny Abbé Martinet izy. Niverina tao amin'ny Prado ry Masera. Eo am-pamakiana izay notaterin’ny vavolombelona, dia tsapa fa namela mora foana ny manodidina an’ny Mompera izay hita tahaka ny karazana famadihana.

Jean-Claude Jaricot koa no anton’ny fahadisom-panantenana. Vetivety teo dia fantatr’i Mompera Chevrier fa tsy afaka miantehitra be amin’io namana io izy. Marina fa tena tapa-kevitra ho an’ny fiainana evanjelika ity farany ity fa tsy afaka ho namana azo iankinana, marina ary fara-fahakeliny azo atao ve ny maminavina fa hitarika ao amin'ny Prado izy indray andro. Tsy hoe tsy tena manam-pahaizana i Mompera Jaricot fa mbola tsy afaka tsara izy raha amin'ny fitsarana. Tsy mbola fantatr’i Mompera Chevrier ny fitsapana izay ao an-tsain’i Jean-Claude Jaricot ho an’ny fiafaran’ny fiainany.

« Tsy misy olona azo ianteherana ao amin’izao tontolo izao, eny fa na dia ireo milaza fa tsy misaraka aminao aza, raha tsy hoe

 

angaha ka efa nanome porofo fa niara-kory taminao ka naharitra tao anatin’ny fijaliana noho ny fitokisana nomeny.

« Nitoetra tamiko tao amin’ny fijaliako ianareo, hoy ny Tompontsika tamin’ny Apôstôliny.

« Porofo tokana anambarana ny fifampitokisana ny fiaraha-miory marina.

« Rahefa avy nijaly ianao, dia miantehitra aminao aho. Izany no antony tsy hanankinana ninoninona amin’ny olona tsy mbola nanome porofo fa tena azo itokisana marina izy ka mety ianteherana satria efa avy nijaly. » (VD. 320)

Nanembatsembana tsy azo ihodivirana ny fiainan’ny Prado ny ady teo amin'ny France sy ny Prusse tamin'ny taona 1870. Tany Lyon marimarina kokoa tany amin'ny Guillotière ny programan’ny Empire sy ny fanambarana ny Repoblika dia narahin’ny onjan’ny tsy fanekana ny fivavahana, tamin'ny taona 1871, nisy ny « Kaominina » iray izay nanandrana hipetraka tahaka ny any Paris. Tsy naharitra iray volana mihitsy izy.

Tsy nanary toky i Antoine Chevrier. Nanoratra fotsiny ho an’ny reniny izay nalefany tany ambanivohitra izy : « Mamporisika anao hijanona any Chatanay, ho tsara antoka ianao any. Ataoko izay azoko atao. » (Taratasy faha-7). Nalefany ho an’ny pretra iray hafa ity taratasy ity :

« Tsy manery anao mba hiverina indray any Lyon aho, raha tsy hoe angaha tianao ny ho tonga "garde nationale". Nahazo baiko mba ho anisan'ny ao amin'ny "garde nationale"izahay androany maraina, fa raha tsy izany dia voasazy mandoa lamandy na hampiditra am-ponja, tsy hoe izahay ihany fa ao koa ry Andriamatoa isany Curés sy Vicaires.

« Avy any amin'ny "archevêché" aho izao. Nilaza taminay Andriamatoa Pagnon, fa tsy hiharan'ny lalàna ny pretra, sady ankehitriny koa moa tsy misy intsony izany lalàna izany. Manantena aho fa ho oram-baratra ihany izany ary sorisory ateraky

 

ny fanaovana akanjo fanamian'ny pretra. Ianareo ihany anie dia mahita fa tsy tsara ê !

« Somary notoherina ihany izahay hatramin'izao fotoana hitenanay izao. » (Taratasy faha-42 (39) [17] Ho an’i L’Abbé Bernerd, [Oktôbra 1870])

Rehefa vita ny ady dia niverina tao amin'ny fiainana mahazatra tao amin'ny Prado, izany hoe tao anatin’ny fifaliana, ny ahiahy, ny asa nahavizana, ny fifanoherana. Tao anatin’izany rehetra izany dia nijanona tao amin'ny sekoly evanjelika izay nitomboan’ny mpianatra voalohany.

Nampitain’i Mompera Chevrier tamin’izy ireo tsikelikely ny heviny, nampiarahany tamin'ny asany sy ny fiainany araka izay azony atao. Tonga ny lohataona 1871 izay namarana ny fianarana ambaratonga faharoa. Tsy maintsy eritreretina ny fianarana filozofia sy teolojia. Tsy azo atao ny manaraka fianarana ankapobeny ao amin'ny Prado. Rahateo ny arseveka vaovaon’i Lyon dia misalasala fa afaka manofana pretra Mompera Chevrier. Araka izany dia ho any amin'ny seminera ny mpianatra hanao filozofia ary ho any amin'ny semineran’ny diosezin’i Lyon hanao teolojia.

Ary ny amin'ny taranja fanomanana apôstôlika dia hahay miaina araka ny fotoana (jereo p. 107, VD. 222), dia manao fandaminana. Ny ankizilahy dia manana fiainana ekipa manokana iray ao anatin’ny seminera. Arak’izany dia mifanampy amim-pirahalahiana mba hitazonana ny fiantohana izay efa azony izany. Mijanona mifandray tsy tapaka amin'ny rain’izy ireo amin'ny alalan’ny taratasy ary ny famangiana izay ataon’izy ireo azy. Raisina an-tanana manontolo ara-bola miaraka amin'ny Prado izy ireo. Amin'ny fotoanan’ny fialan-tsasatra dia aterina ao amin'ny Prado izay ahitany ny fiainana miaraka amin'ny mahantra sy miaraka amin'ny Mompera Chevrier.

Misy taratasy mihoatra ny dimampolo momba io fotoan’ny fiofanana io.

 

izay voatahiry. Araka izany dia mahazo vaovao tsara izahay. Amin’ity tahirin-kevitra ity dia voamarika ao ny fiainam-pianakaviana izay misy eo amin'ny samy mpifandray. Tena liana amin'ny endri-piainana rehetran’ireo tanora mpianany ireo i Antoine Chevrier ary miresaka amin’izy ireo amin'ny fo tsotra izay ataony, dia ny tetikasany, ny zavatra sahaniny, koa kajiany ho amin'ny fiainan’ny Prado izy ireo ary ampiarahany amin'ny asany. Misy fifandraisana fianakaviana ara-panahy marina na dia eo aza ny fisarahana :

« Ary raha tafajoro marina araka izany io fianakaviana io, dia tsy maintsy hita hiainany ireo hatsaram-panahy maha fianakaviana marina ny fianakaviana ireto : ny fitiavana, ny firaisan-kina, ny fifandeferana, ny fifankatiavana, ny fifampitsimbinana ara-panahy sy ara-batana ilain’ny isambatan’olona, ka tsy ilaina akory ny hitady any ivelany na ny ilain’ny fanahy na ny ilain’ny vatana ; raha tsy izany dia sady tsy tomombana no tsy marina io fianakaviana io. » (VD. 152)

Fa tsy adinony hoe inona ny fifandraisana izay mampisy ny fianakaviana ara-panahy :

« Raha fanahy roa samy entanin’ny Fanahy Masina no miara-mihaino ny tenin’ Andriamanitra, sy mahazo azy tsara, dia miorina ao amin’izy ireo ilay fatoram-pihavanana ao anaty ka Andriamanitra no sady fiandohany no vona mamehy azy.

« Io no fatoram-pinoana marina, fifamatoran’ny fanahy tena azo antoka, fifandraisan’ny fo tsy mizarazara.

« Voalohany indrindra dia miteraka fitiavana an’Andriamanitra sy fitiavana izay miray hevitra amintsika araka an’Andriamanitra io fahalalana an’Andriamanitra io, ary io fifamatorana ara-panahy miorina amin’Andriamanitra io,

 

dia sady ao am-po tsy miloaka no mafy fototra bebe kokoa noho ny fifamatorana natoraly.

« Ary rahefa miaraka ny fifamatorana ara-panahy sy ny fitandremana ny tenin’ Andriamanitra, dia tena mari-pototra ny fiainam-pianakaviana ara-panahy, fiaraha-miaina kristianina ka Andriamanitra no fototra, ny Teniny masina no fatorana ary ny fampiharana azy no tanjona.

« Tsy misy fianakaviana ara-panahy, na firaisan-kina kristianina afa-mijoro, raha tsy eo io toe-tsaina miorina amin’ny fahalalana an’i Jesoa Kristy, fahalalana ny Teniny avy amin’Andriamanitra, ary ny fampiharana izany amin’ny asa nomeny io.

« Ny fitiavana an’i Jesoa Kristy, ny faniriana ny hitandrina ny Teniny no fototra iorenan’ny fianakaviana kristianina, ary tsy ho afaka hinamana ara-panahy isika raha tsy tafiorina eo am-povoantsika io fototra sarobidy io. » (VD. 151)

Na koa saika miteny momba ny fahalalana an’i Jesoa Kristy, ny Fanahy Masina na ny iraka amin'ny endrika iray na hafa ny taratasy rehetra. Hita ao aseho amin'ny fibangoana, ary matetika mafy, izay novelabelarina tanaty pejin’ny Mpianatra Marina :

« Aoka ho renareo matetika ao anatin’ny vavakareo, ao amin’ny fandinihan-tenanareo, ary ao amin’ny fieritreretanareo ireto tenin’Andriamanitra ireto : Sequere me, Sequere me, teny izay nitaona an’i Piera, Jakoba Filipo sy ireo sisa nanaraka azy taty aoriana, ary nanao azy ireo ho tonga apôstôly izay mandeha amin-jotom-po sy amim-pandresena ao amin’ny lalan’ny fahantrana, fahoriana, ary fitiavana.

« Mivavaka ho anareo aho, ry zanaka malala isany,

 

ianareo no fiononako amin’ny alaheloko, fanantenako ao aminy.

« Rehefa mieritreritra aho fa indray andro any ianareo dia hampianatra katesizy amin’ny mahantra, hikely aina ho amin’ny fanaovana ny asan’Andriamanitra, hanao izay rehetra tsy azon’ny tenako natao, ho tonga olona masina, hiasa mba ho tonga olona manahaka tanteraka an’i Jesoa Kristy, hiredareda ao am-ponareo ny fitiavana ary hampamokatra anareo voa tsara izay hitoetra mandrakizay, dia faly.

« Tonga olona masina ! Io no tena vontoatin’ny asanareo isan’andro. Mitomboa ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, aoka ianareo hitombo mba hatongavanareo ao amin’ny fahalalana an’i Jesoa Kristy satria io no fanalahidin’ny zavatra rehetra. Hahafantatra an’Andriamanitra sy Kristy voahosotra ho azy. Io no tena maha-olona, maha-pretra, maha-masina ; enga anie ianareo mba ho tonga amin’izany. » (Taratasy faha-105 (132) Ho an’i Nicolas Delorme, [Prado] 2 janoary 1875)

Noho ny fialan-tsasatry ny sekoly dia miasa an-tsitrapo manao fisintahana miaraka amin'ny ankizilahy ary amin'ny Saint-Fons i Mompera Chevrier. Akaikin’ny Lyon ity toerana ity. Amin’io fotoana io, na dia teo aza ny fandrosoan’ny indostria simika eo amin’ity faritra ity, dia mbola any ambanivohitra eo amin'ny tendrombohitra izay hatsinjovana tsara ny lohasahan’ny Rhône. Natao fanomezana ho an’i Mompera Chevrier trano kely iray izay eo amin’ity tendrombohitra ao afovoan’ny saha ity. Nampiasaina ho fialofan’ny mpamboly ity trano kely ity ary novana ho trano fonenana tsizarizary novan’ny tompon-trano vaovao ary namboarina ho toy ny trano fanaovana fisintahana miaraka amin'ny sapely kely iray. Ao amin'ny efitra ambany indrindra izay nisy fihinanan’ny biby iray, dia nananan’ny Mompera Chevrier hevitra hanaovana tabilao iray eo aminy

 

efa nosoratany hatramin’ny ela tamin'ny taratasy. Ary dia izany ny fahazarana ao amin'ny Prado niantsoana ity tabilao ity hoe : « Tabilaon’ny Saint Fons » (hita ao amin'ny p. 141 ny fanehoana an-tsary). Misy fizarana telo izany : ny tranon’omby, ny hazofijaliana, ny tabernakla, ary te-hamitina ny fotokevitry ny pretra araka ny Evanjely.

« Ny pretra dia olona nahafoy ny zavatra rehetra,

Ny pretra dia olona voafantsika amin’ny hazofijaliana,

Ny pretra dia olona lany ho sakafo » (VD. 535)

Ny volana oktobra 1873, ireo seminarista efatra pradozianina voalohany, François Duret, Jean Broche, Nicolas Delorme ary Claude Farissier dia hiditra ao amin'ny semineran’ny teolojia. Hararaotina ity fotoana kely fijanonana ity hanaovana fisintahana ao amin'ny Saint Fons. Manokana ny tanjon’ity fisintahana ity : miomana hanao asa iray ireo seminarista ireo. Tena ataon’i Antoine Chevrier ho vaindohan-draharaha mihitsy ity asa fanoloran-tena ity ho anareo, hoy izy, ho an’ny trano, ho azy, ho an’ny asa, ho an’ny Eglizy (R. 252).

Tena marina, fa hitan’ny mpanorina ny Prado tsara fa ny ho avin’ny asany dia tsara antoka raha tapa-kevitra am-pahamatorana hanolo tena ao amin'ny lalana iray miaraka aminy ny olon-kafa. Hatreto dia natokana i Jean-Claude Jaricot, manana fanampiana maharitra izay tsy azon’ny betsaka mihitsy ny faniriany marina. Mijanona ary mbola hijanona fotoana fohy ao amin'ny Prado ny sasany, ary na aorian’ny fahafatesan’i Mompera Chevrier, aza fa tsy nahazo tsara ny amin’izany izy ireo. Tsy maintsy nekena ireny fiaraha-miasa ireny mba hiatrehana ireo asa isan-karasany ao amin'ny trano. Fa tsy azo antoka ny ho avy na izany aza. Tsy miankina amin'ny isan’ny mpiara-miasa aloha ny ho avin’ny asa fa izay fanapahan-kevitra atokany iaraka aminy.

 

Ireo izay afaka hanao ny asan’ Andriamanitra dia ireto avy :

« Ny olona, olona tsara sitrapò, mahafoy tena, mahay mihafy, entanin’ny Fanahin’Andriamanitra no manao azy.

« Izany no ilaina amin’ny asan’Andriamanitra.

« Omeo fanahy mazoto, mahafoy tena, mahay mihafy aho, fa hahavita be lavitra izy noho ny tapitrisa ; ary raha tonga hanampy azy, hiray hina aminy, hiara-dia aminy ao anatin’ny fitiavana an’Andriamanitra ny fanahy iray mitovy aminy, dia tafiorina ilay sahan’asa tian’Andriamanitra atao. » (VD. 308)

Resy lahatra tamin’ity resaka ity dia noho izany nanao soso-kevitra tamin'ny tanora efatra i Antoine Chevrier mba hiara-manao ny karazana fiainana evanjelika izay fantatr’izy ireo tao amin'ny Prado ary mba hanolo-tena, araka izay iankinany amin’izy ireo dia ny hampianatra soratra masina ny mahantra.

Mba hanomezana fanampiana ara-dalàna ny fikambanana kely izay miforona hiaraka amin'ny asa izay hatao any amin'ny Tiers-Ordre fransisikana ity fanolorana tena ity, fa ny faritra lehibe indrindra amin’ity fanoloran-tena ity dia nosoratan’i Mompera Chevrier manokana amin’ity fotoana ity. Miverina indray izany ao amin'ny Tabilaon’ny Saint-Fons, ny fikasana amin'ny fiainan’ny pretra araka ny Evanjely.

Tao aorian’ity fisintahana ity, dia niverina tany amin'ny Grand Séminaire ny seminarista.

Nandritra ny taona 1872-1874, ny Prado izay teraka teo anivon’ny La Guillotière ary nitatra hatrany avaratra tao amin'ny Moulin à Vent sy Saint-Fons, dia nanasika tany avaratra, tany ambanivohitry Mont d’Or any Limonest. Tao amin'ny faritr’ity kaomina ity, teo amin'ny toerana antsoina hoe Saint-André, dia nahazo trano iray i Mompera Chevrier.

 

Nanjary nilaina izany satria tsy azo nitoerana intsony tao amin'ny Pradon’i Lyon, ireo izay tonga tao na hianatra katesizy na ho any amin'ny sekoly fianarana ho pretra. Ny vola ilaina amin'ny fividianana ity dia nomen’ny mpanao asa soa, indrindra avy amin'ny olona roa, Ramatoakely Mercier izany sy Bonnard. Mpivavaka tany amin'ny fiangonana Saint André de la Guillotière. Hatramin’io fotoana io dia tsy nitsahatra nanampy an’i Mompera Chevrier tamim-pahazotoana sy fiafenana izay mendrika ho lazaina eto ny anarany. Nieritreritra azy ireo manokana izy rehefa mamolavola tetikasa izay fikambanana ara-toerana miaraka amin'ny ray na reny (VD. 305 sy 319).

Hapetraka any Limonest ny ankizy mpianatra katesizy. Akambana ao ireo izay malemy saina.

Fa Limonest mitovy amin'ny Saint-Fons dia hanjary toerana fisintahana koa ho an’ny fandinihan-tena sy ny fivavahana, indrindra moa rehefa voaterin’ny tsy fahatombanan’ny fahasalamana i Mompera Chevrier ka voatery hiala sasatra any amin'ny toerana iray manara-penitra noho ny tranon’ny Saint-Fons.

Hatramin’izay no nananan’ny Prado ny endrika izay hananany hatramin’ny fahafatesan’ny mpanorina azy.

 

 

 

7 Manatanteraka

Narary be i Mompera Chevrier ny taona 1874. Efa voatery hiala sasatra mba hitsabo tena matetika. Fa tamin’ity indray ity dia natahorana ny ainy. Nentina tany Limonest, ary nijanona tsy tao amin'ny Prado nandritra ny herinandro maromaro saika telo volana.

Hatramin’izay dia niezaka nametraka ny dian-tanany tamin'ny asany izy teo am-panararaotana ny fotoana izay kely sisa ho azy satria nanana tsindrimandry izy fa ho fohy io fotoana io. Toa mandeha any amin'ny fotoana farany akaiky izao izy, fa ho azy dia toa mbola lavitra izany raha ny hery kely sisa ananany no jerena. Ity fetra ity dia fanamasinana ho pretra ireo mpianany efatra voalohany.

Nahatsapa ny filana handamina bebe kokoa ny Prado izy ar izay no anton-diany fahatelo tani Rome tamin'ny taona 1875. Izay zavatra niseho dia sarotra hohazavaina manontolo. Toa hoe fa noho ny fitarihan’ny Capucins sy olona vitsivitsy hafa no nanambohan’ny Mompera Chevrier

 

fombafomba mba ahazoana ny fankatoavan’ny Saint- Siège ny Prado ho kongregasiona ara-pivavahana. Ny Arsevekan’i Lyon dia gagan’ity andrana ity ary tsy vonona ny hanohana azy. Tsy nisisika i Mompera Chevrier ary nosintoniny ny fangatahiny hijanona ho pretra tsotra izy.

Ny volana desambran’io taona io ihany dia nahazo ny sous-diaconat ny seminarista efatra. Nohararaotin’i ach izn mba hametrahana azy ireo indray eo anoloan’ny safidy izay nataon’izy ireo mba hanaaozana izany indray an-kalalahana.

« Andefasako vola 6000 francs ianao ho an'ny anaram-bononahitra maha-pretra anao.

« Raha toa ka hanokan-tena manontolo ho an'ny asan'ny Prado ny fanirianao, dia ekeo izany ny vola alefako aminao izany fa atolotro anao amin'ny foko manontolo.

« Hapetrakao ao amin'ny tranon'ny Prado io vola io, ary dia manaiky marina aho fa hanome anao vola 300 francs isan-taona izany hoe mba hitsinjovana izay zavatra mety ilainao tahaka izay tokony hataon'ny Ray ho amin'ireo zanany.

« Fa raha toa ka tsy izany kosa ny fanirianao dia avereno amiko tsotra izao ilay vola amin'ny filazanao amiko fa tianao kokoa ny manao sonia fanomezana toky handray andraikitra handrotsaka vola ao amin'ny tahirim-bola eklesiatika. (Taratasy faha-107 (133) Ho an'Andriamatoa Abbé Delorme, [Lyon], 11 Desambra 1875)

Ity taratasy fangatahana ity angamba fanazavana vitsivitsy natao ho azo. Rehefa manamasina olona iray ao amin'ny ministera ny Eveka iray, ny hamafisin’ity farany ity tokony hho azo antoka amin'ny ho avy. Matetika ny eveka izay manamasina pretra iray ho an’ny dioseziny dia vonona hanome toerana iray izay handraisan’io pretra io izay ivelomany. Izany no niseho, rehefa anatin’ny fanamasinana tanteraka, dia nanao fanekena tamin'ny tahiry « ecclésiastique » ny seminarista ary nanome izany sosokevitra izany tamin'ny tanora i Antoine Chevrier,

 

nanome vola izay mazava loatra haverina ao amin'ny tahirin’ny toekarenan’ny Prado, izay enti-manana eo anoloan’ny fahefana ao amin'ny diosesy hitsinjovana ny filan’ny pretra ao amin'ny Prado.

Izao fihetsika izao dia tena misy dikany.

Etsy andaniny, dia mampahatsiahy ny fanontanian’i Jesoa tamin'ny mpianany izy : « Ary ianareo ve tsy te-handeha ? » (Jo 6,67)

« Inona tokoa moa no adihevitra azontsika atao amin’i Jesoa Kristy Mpampianatra antsika avy amin’Andriamanitra ? Izay iray tianareo, na te ho lavorary na tsia. Raha tsy tia ianao, milazà tsotra izao : tsy tiako ny hanaraka io làlana io, fa avelao aho hizotra amin’ilay ambanimbany dia vita eo. » (VD. 123)

Ankilany indray toa mampiseho tsara fa raha te-hijanona ho pretra « séculier » i Antoine Chevrier sy ireo tanorany, tsy hoe hanaotao foana. Amin'ny fiankinandoha ary hatrany amin'ny evekan’ izy ireo, dia nohamasinina pretra ho an’ny mahantra izy ireo.

Ao anatin’izay dia nanamatotra tetikasa iray i Mompera Chevrier : tiany halaina indray hiaraka aminy ireo seminarista efatra mba omeny faramparany fiofanana alohan’ny hanaovana pretra. Miomana amin'ny fomba telo amin’ izany izy tenany manokana fotoana bebe kokoa izy mba androsoana ny fanoratana ny « Mpianatra Marina », nahazo aretina vaovao izay nanery azy hitsabo ny tenany tany Vichy. Nangataka fahazoan-dalana tamin'ny Arseveka vaovao tany Lyon izy ny handefasana any Roma ny seminarista efatra lasa diakra.

Nandà aloha ny arseveka, fa tamin’ity indray mandeha ity dia nisisika mafy i Antoine Chevrier ary dia nekena ihany fy fahazoan-dalana.

Nahoana moa no naniry fiofanana manokana amin’ ity taona ity ?

 

Voalohany amin'ny iraka manokana dia tokony hisy fanofanana mifanaraka amin’ ity hevitra ity no naseho ny arseveka fa ny tao an’eritreritr’i Mompera Chevrier dia tsy fotoana fanamafisana fotsiny izay hiseho rehea tafapetraka tsara ny fototra tena ilaina. Tsy hoe hiverina amin'ny fototra akory, fa amin'ny fanorenana mba hampahazo antoka azy, fa tokony ho lazaina ity, tsy matoky tanteraka amin'ny fanofanana omena ao amin'ny grand séminaire ny diosezy izy. Narahiny maso ny diakrany efatra ary manome famantarana fiavonavonan-toetra izy ireo.

« Ny tsy fahaizana mihanina amin’izay ilaina indrindra manko no tsy hahafaha-miaina ny toe-panahin’ny fahantrana.

« Atomboka ilay fahantrana dia ialana tsikelikely satria tsy ahazoam-pahafinaretana, tsy ampy, tsy mafy, tsy madio… fa lasa lavitra dia omena daholo izao antony rehetra mamohehitra an’arivony izao ; dia ampiana, hatsaraina, dia hita fa mendrimendrika kokoa, maharitraritra kokoa, dia tsikelikely miravaka ny efitrano, tsy misy zava-tsy hita ao satria ahazoam-pahafinaretana, dia ampitomboina toa izany koa ny hanin-kohanina, tsy misy avela tsy ho eo, na dia tsy ilaina aza ; dia zairina ny akanjo metimety, mafimafy, maharitraritra, mifanaraka kokoa amin’ny ilain’ny toetr’andron’izao tontolo izao ; miova, dia farany lasa manahaka an’izao tontolo izao fa tsy eo intsony ilay toe-panahin’ny fahantrana. » (VD. 295)

Ahoana ny hitsaboana ny fiovana izay tafiditra ao an-doha sy ao am-pon’ireto olona efatra ireto ? Andeha hiverenana ny tena ilaina :

 

« Izay naorina eo ambonin’i Jesoa Kristy ihany no maharitra, fa an-koatr’izay dia zava-mandalo daholo ka tsy azo ianteherana ho mafy orina. Koa noho izany, izay hatao rehetra ety ivelany ka azo itarafana ny fanekena, ny fanetren-tena, ny fifankatiavana, ny fampijalian-tena dia tsy misy fotony avokoa raha tsy miainga avy ao amin’ny fahalalana an’i Jesoa Kristy, ny fitiavan’i Jesoa Kristy, ary raha tsy i Jesoa Kristy no niandohany. Tonga ho azy ireny famantarana ivelany ireny raha i Jesoa no ao aminy ; raha tsy izany kosa, dia zava-manodoka, atao an-keriny, na fiatsarambelatsihy fotsiny izy ireny raha tsy i Kristy no iandohany.

« Izy noho izany, no manao ny zavatra rehetra, mifidy, miantso, manorina, manala na mamerina izay ankasitrahany

« Ny mety ho anjarantsika amin’izany dia ny manoro ny làlana, ny mampahalala ny efa nambaran’ny Tompontsika tamintsika, ny làlana efa nombany, ka ny isam-batan’olona indray avy eo no misafidy raha te-hanaraka an’i Jesoa Kristy ao an-tranon’ny Ray izy…

« Tsy ampy ny manomboka miaraka amin’Andriamanitra ; tsy maintsy miezaka mba hiara-miasa sy mamita izany miaraka Aminy koa. » (VD. 103, n" 1)

Izany no anton’ny fandaharam-pianarana amin’ity taona ity ho nandalina izay ahitana ny rehetra hisy fianarana mitambatra ny Mpianatra Marina.

Fa tokony hamarana ny taona fianarana teolojika ilay mpianatra efatra. Nahoana no mifidy handeha any Rome ho an’izany ? Tsy nohazavain’i Mompera Chevrier ity teboka, tsy afaka manao afa tsy tombatombana isika.

Sarotra ny mandamina fampianarana teolojika iray ao amin'ny Prado ary tsy afaka nanao soso-kevitra afa tsy ny diakra efatra hanaraka fianarana tahaka ny mpianatra kilasimody

 

ao amin'ny Grand Séminaire ity, sarotra ekena ity fangatahana manokana ity. Noho izany dia tsy maintsy mitady toerana iray fampianarana teolojia ivelan’ny faritry Lyon izay tsy ho kilasimandry koa anefa. Raha jerena dia vahaolana iray no hita tamin’ity taona ity : Rome.

Noho izany Rome no tetikasa azo atolotra ny mpanam-pahefana ao amin'ny diosezy. Tsy maintsy ampiana tombatomba na iray hafa na izany aza.

Rehefa hampiana any ny diakra efatra, hanao ny diany faha efatra any Rome i Antoine Chevrier. Nefa tsy mbola nandia an’i Paris ny tongony ary ireo fivezivezeny izay dia zava-dehibe; Lourdes, Paray-le-Monial, dia antonyy fivahinianana masina. Raha mandeha in-efatra any Rome izy dia noho ny antony ambanin-javatra raha oharina amin'ny maha zava-dehibe ny fivezivezena.

Tsy azo isalasalana fa voatariky ny rivotry ny fanoloran-tena izay mivelatra be izy tamin’ity fotoana ity. Fa manaraka am-bokony ity rivotra ity, noho ny antso izay tsy azo ialana. Vao tamin'ny diany voalohany tamin'ny 1859, dia nanome ny fanamarihany ny amin'ny famela-belarana ny tantaran’ asan-kerimpo izay tsy misy akory teo aminy ny fitsiriritana izay araka izay nanirian’ny lehiben’ny fankalazana azy :

« Nanatrika ny Sorona Masina tao amin’ny Chapelle Sixtine aho omaly alakamisy andron’ny Epifania. Ataovy an-tsaina ny lalan-tsara malalaka sy lehibe, voaloko amin’ny karazan-doko mahafinaritra, hatrany ambony ka hatrany ambany ary ny valin-drihana misy sarin’ny olona ao amin’ny vaovao mahafaly, dia hita eo olona an’arivony amin’izay voaloko isan-karazany, manome endrika hafa kely tsy fahita na hatraiza na hatraiza ity sapela ity, misy dabilio telo no temerina, eo no ipetrahan’ny kardinaly telopolo manao akanjo mena sy mosette fotsy, rehefa avy eo tonga ny Papa Ray masina miaraka

 

amin’ireo mpanara-dia azy : ny eveka, ny arseveka, ny kardinaly. Tsorina aloha fa tena misongadina izany rehetra izany, ary na taiza na taiza tsy mbola nitafy fahalehibeazana sy famirapiratana toy izany ny fotoam-pivavahana, kanefa naleoko ihany mahita ny tranon’ombin’i Jesoa tsara fanahy ary ho mpiandry ondriny mba hanana fahasambarana ao anatin’ny tranon’ombin’ilay Mpamonjy tsara fanahy. » (Taratasy faha-15 (535) Ho an’Andriamatoa Paul du Bourg, Rôma, faha 7 janoary 1859)

Na dia eo aza ireo zavatra izay tsy tena mety aminy, dia nisy zavatra foana nandrasany tamin’i Rome, tamin'ny Papa, ny fankatoavana, ny fanamafisana iray izay noheveriny ho tena ilaina. Ary izany no antony nahasambatra azy fa afaka manao izany teo amin'ny mpandimby an’i Piera tamin'ny fotoana namaranana ny fanomanana ny diakrany.

Ho an’ny fidiran’ny sekoly ny 1876 efa any Rome ny tanora. Namonjy azy tany i Mompera Chevrier ny 19 marsa 1877. Tsy tena fanekena tanteraka izany. Na dia tao amin’ity ekipa izay tokony ho tena iray, dia tsy maintsy ho tahaka ny any Lyon hanaraka an’i Jesoa Kristy ao amin'ny adiny (Mpianatra Marina 153-464).

« Manaraha ahy amin'ny ady ataoko. Ireo hevi-dison'ny Jody sy ireo apôstôliny. Niadiany mafy ny sain-dratsy, saindratsin'ny apôstôly sy ny Jody. » (VD. 464, n° 1)

Nanoratra tany amin’i Jean-Claude Jaricot izy :

« Raha ny amin'ireo pretra tanora indray dia hinoako fa malemy ny fahefako. Miara-miombon-kevitra aminay i Duret sy Delorme ary mahafantatra tsara ny fahantrana sy ny fiainana eto amin'ny Prado. Manana hevitra maro i Broche sy Farissier ; Broche izany moa indrindra indrindra, tsy miteny ary tahaka ny efa misy hevitra raikitra ao an-dohany, misaina izy no sady manam-pahaizana rahateo ihany koa. Manan-danja eo amin'izy ireo ny fahefan-dry Jaillet, Dutel ary ny ao amin'ny seminera. » (Taratasy faha-147 (82) [6] Ho an’i Jean-Claude Jaricot, [Rome, Avrily 1877])

 

Tsy isalasalana fa nivavaka mafy i Jean-Claude Jaricot satria nanjary lehiben’ny Prado i Mompera Broche rehefa avy eo ary tena voafatotry ny hevitry ny fahantrana izay nolovaina tamin'i Mompera Chevrier.

Ny fanamasinana ho pretra dia natao ny 26 mey tany Saint Jean de Latran. Fara-tampon’ny fiainan’i Antoine Chevrier izany. Nandinika ny fotoana nanoratany ho an’ireo nohamasininy izay manao fisintahana fiomanana eny amin'ny Lazarista :

« Ho tonga olon-dehibe tokoa ianao rahatrizay, ka ho tonga pretra, kanefa dia tsy maintsy tonga madinika koa etsy an-danin'izany mba ho tena Jesoa Kristy vaovao eto an-tany ; aoka ho tsaroanareo mandrakariva fa ianareo dia tokony haneho ny tranon'omby, ny kalvery ary tabernakila, ka ireo famantarana telo ireo dia tokony ho tahaka ny holatra izay tsy maintsy entinareo mandrakariva eny aminareo ; farany eto an-tany, mpanompon'ny rehetra, andevon'ny hafa amin'ny alalan'ny fitiavana, farany amin'ny rehetra amin'ny alalan'ny fanetren-tena. Tena tsara indrindra izany kanefa koa dia tena sarotra. Tsy misy afa-tsy ny Fanahy Masina no afaka mampahafantatra antsika an'izany. Enga anie ianareo ka handray an'izany Fanahy Masina izany be dia be tokoa, ho azonareo ny zavatra rehetra raha toa ka raisinareo izy ao amin'ny fanamasinana anareo ho pretra. Tena asa lehibe sady ankasitrahan'Andriamanitra tokoa no ho vitako amin'ny fanokanana anareo ho pretra, na farafahakeliny mba hanana ankizy izay hivavaka ho ahy sy hangataka fahasoavana sy famindram-po rehefa antsoin'Andriamanitra ho any aminy aho, amin'izay manko dia hanana ankizy aho, hanohy ny asan'Andriamanitra eto an-tany, asam-pitoriana ny Evanjely tsara amin'ireo mahantra izay asa lehibe notanterahin'i Jesoa Kristy teto an-tany : Misit me Evangelizare pauperibus. Enga anie ianareo hahafantatra tsara izany ary tsy hivaona amin'io iraka tsara io. (Taratasy faha-121 (117) Ho an'i Claude Farissier, Rome, 22 Mey 1877)

 

Tonga teo amin'ny fotoana hametrahana fanontaniana iray : nahoana moa no dia manova ho tena zava-dehibe ny pretra i Antoine Chevrier ? Tamin'ny fotoany, tsy mahagaga ny olona izany zavatra izany na ireo tsy mankasitraka ny pretra izay mandray ny pretra ho tena fahavalo aza. Ankehitriny mifanohitra izany dia matahotra ny fanehoana mora loatra ny pretra sy ny tena asany izahay.

Nieritreritra i Mompera Chevrier fa nisy toerana ho an’ny apôstôly hafa noho ny pretra : nasehoan’ny fiainany azy tsara izany. Fa tsy fantany velively ny dikan’ny lahika amin'ny dikany moderin’ny teny izy, tsy nananany na mihoatra na latsaka noho ny Eglizy tamin'ny androny izy. Tsy maintsy miandry an’i Cardjin sy Pie XI mba hiforonan’ny lahika kristianina teo amin'ny tontolon’ny mpiasa.

Nandrasan’ny olona indrindra ny lahika kristianina no hanome oha-piainana mety amin'ny finoana sy ny fitondratena tamin’ireo laîka ireo, dia nisy voaantso hanampy ny pretra amin'ny asany, ohatra ho katesista. Matetika dia manjary mpitondra fivavahana na mpitovitovy amin’izany izy ireo. Izany no zavatra miseho ao amin'ny Prado.

Amin’ireny pretra ireny, dia fantatra fa i Mompera Chevrier no nanome an-dry Masera na koa ho an’ny Pretra ny tabilaon’ny Saint-Fons ary mionona amin'ny fanafoanana eo amin’izy ireo ny hevitra « fahefana » ny pretra. Raha vita izany dia hitany mahitsy satria ny eritreriny dia apôstôlika raiki-tapisaka. Izany hoe mijery mandrakariva ny Apôstôly izy, an’ireo fikambanan’ny Roa ambin’ny fololahy izay vahoaka voalohany manodidina an’i Jesoa ao amin'ny fiekem-pihavanana vaovao. Tahaka ny hoe raiki-tapisaka amin'ny fiainany ny fiantsoana kristianina rehetra. Tsy hoe manome soso-kevitra ny rehetra ny amin'ny fiainana ara-panahin’ny pretra fa manoro amin'ny rehetra, lahika,

 

relijiozy, pretra, ny fijerena ny mpianatra Roa ambin’ny folon’i Jesoa ny Apôstôly. Izany no ataon’i Mompera Chevrier indrindra ho an’ny pretra rehefa manao fampiharana ny tenin’i Jesoa tamin'ny mpianatra izy hoe : « Tahaka ny nanirahan’ny Ray ahy, no anirahako anareo koa » (Jo 20,21). Manao fandinihana anakampo izy hoe :

« I Jesoa Kristy dia Iraky ny Ray.

« Ny pretra dia irak’i Jesoa Kristy.

« Izay lazain’i Jesoa Kristy momba ny tenany, dia tsy maintsy hain’ny Pretra koa ny mampihatra azy amin’ny tenany.

« Mitafy ireo toetra maha-irak’i Jesoa Kristy ireo izy ka tsy maintsy miaina izay takiana aminy. » (Ms, X, 715)

Na izany aza, mazava fa ho an’i Mompera Chevrier, ny pretra dia mitana araka ny fanirian’ Andriamanitra toerana tena manokana tsara :

« Raha misy olona azo lazaina fa tsy maintsy miasa eto ambonin’ny tany, dia ny pretra no loha laharana amin’izany satria sady ambony no avo lenta ka tsy voasolon’iza na iza ny asany, ho azy sy ho an’ny hafa.

« Avy amin’Andriamanitra manko ny iraka azony, avy amin’ny asany no iankinan’ny Voninahitr’Andriamanitra, ny famonjena ny fanahy, ny fahasambarana na ny fijalian’ny olombelona, amin’izao andro izao sy amin’ny mandrakizay ; koa manoloana io iraka azony io, tsy azon’ny pretra atao ny mipetra-potsiny tsy miasa, satria raha vao mipetra-potsiny izy, dia fanahy maro dia maro no mety ho very, ka adidy sy andraikitra iantsorohany izany, ary hitsarana azy amin’ny andro farany.

« Ry pretra ô, lehibe anie ny andraikitrao ê ! Diniho ny tsy maintsy handanianao mondron-kery hiasa ho an’ny voninahitr’Andriamanitra sy ny famonjena fanahy ! » (VD. 191)

 

Marina fa amin’izao ora izao dia tiana fa ireny zavatra ireny dia tokony ho lazaina amin'ny fomba hafa. Nefa na tiana na tsy tiana anio toy ny omaly sy rahampitso, dia tena zava-dehibe raha misy pretra mahantra mba hanambara ny Evanjely amin'ny mahantra. Ny fahazarana katôlika dia tsy diso raha manindry manao ho zava-dehibe amin'ny iraka manokana ny eveka sy ny pretra ary tsy amin'ny fanambaniana ity zava-dehibe ity no hialana amin'ny fianarana ho pretra. Ny tena ala olana marina dia ny isian’ny pretra ary koa ny eveka araka ny Evanjely. Tsy nafenin’i Jesoa tamin’izy Roa ambin’ny folo mihitsy ny halehibe tsy azo soloina ny fiantsoana azy fa nantsoiny hanaraka Azy izy ireo, ka amin'ny fanarahana Azy, ireo izay tsy tonga mba ho tompoina fa hanompo (jereo Mt 20,20-28). Nieritreritra toy ny Curé d’Ars i Antoine Chevrier fa ny iraka ataon’ny pretra dia lehibe ivelan’ny izay azo atao fa izay mihitsy no nahitany antony iray tsy maintsy anaovana mpanompo tahaka ny Mpampianatra azy. Ny lohatenin’ny tabilao Saint Fons, « Sacerdos alter Christus », « Kristy hafa koa ny pretra », dia tsy midika zavatra hafa noho ny firaisana ilain’ny haben’ny iraka sy ny fanetren-tenan’ny misionera.

« Izay nolazain’i Jesoa Kristy momba ny Tenany, dia tsy maintsy ataon’ny Pretra izay ahazoana milaza azy momba ny tenany koa.

« Ny firaisantsika aina amin’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy akaiky, hita, lavorary tokoa, ka hampiloa-bava ny olona mahita antsika hoe : i Jesoa Kristy hafa iny.

« Tsy maintsy asehontsika ao anaty sy ety ivelany ireo hatsaram-panahin’i Jesoa Kristy, ny fahantrany, ny fijaliany, ny fivavahany, ny fitiavany. Tsy maintsy hita taratra

 

eo amintsika i Jesoa Kristy, mahantra ao an-tranon’omby, i Jesoa Kristy mijaly mba hanavotra antsika, i Jesoa Kristy mety hohanina ao amin’ny Eokaristia Masina. » (VD. 101, n. 1)

Ary koa :

« Mba hanarahantsika ny Tompontsika sy hakantsika tahaka ny fanetreny tena dia hofidintsika izay tsotra sy mahantra indrindra eto an-tany.

« Hangatahintsika amin'ny Tompo izany fanetren-tena marina izany ka hotanterahintsika tsy an-keriny fotsiny fa amin'ny fo feno fitiavana : manetry tena ao am-po.

« Hofidintsika hatrany ny fiarahan-dia amin'ny mahantra sy ny mpanota.

« Hafenintsika izay mety hanandratan'ny olona antsika ety ivelany.

« Hahay miasa mangingina isika mba tsy hisintonana ny mason'ny olona sy ny fiderany.

« Tsy hanao na inona na inona mba hiderana sy hitiavana ary hahalalana antsika isika.

« Ho tanterintsika amin’ Andriamanitra ny rehetra.

« Ho lazaintsika malalaka tsara izay mety hanombany na hanala baraka antsika.

« Ny toerana ambany indrindra mandrakariva no halaintsika eo amin'izao tontolo izao sy any rehetra any.

« Zakaintsika amim-pitiavana ny fanambaniana, ka sady tsy hitarainana no atao amim-pahanginana.

« Tsy hidoka tena na oviana na oviana ary na amin'inona na amin'inona mihitsy isika, tsy hanao izay hahalalana ny asantsika amin'ny olombelona.

« Ny haja sy ny voninahitra no tsy maintsy hatahorantsika indrindra.

 

Volana vitsivitsy talohan’ny fanamasinana pretra dia nanoratra ho an’ireo efatra izy :

« Faly tokoa aho naheno fa nahasambatra anareo ny nihaona tamin’ny Papa Raintsika Masina Pie IX, ary nitso-drano anareo izy no sady nitso-drano koa ireo mahantra tao aminareo, ireo mahantra izay tokony hitoriana teny sy ampianarina ; ary voatso-drano tamin’ny alalany tao aminareo koa izahay : Benedictio pauperibus [fitsodrano ho an’ny mahantra]. Tena mifanaraka tsara amin’izay nambaran’ny Tompo ny tenin’i « Vicaire de Jesus Christ » : Sambatra ny mahantra. Eny, ho mahantra mandrakariva ao amin’Andriamanitra anie isika, hipetraka ho mahantra mandrakariva ary hiasa ho an’ny mahantra isika, ny fahantrana sy ny fahatsorana anie no ho toetra miavaka eo amin’ny fiainantsika, ary dia hahazo ny tso-dranon’Andriamanitra sy ny Raintsika isika. Ho tsara tokoa raha miasa amin’ireny mahantra ireny isika satria tsapa fa naman’Andriamanitra izy ireny, ary tsy miasa maina foana amin’ny fanahin’izy ireny isika, koa miezaha àry ianareo hitia ny mahantra sy ny madinika. Aza miasa ho amin’ny fahalehibiazana sy izay hisandratanareo ianareo, fa miasà kosa mba ho toy ireny madinika ireny ary manetre-tena ho tena mitovy amin’ny mahantra, hiara-miaina aminy, ho eo aminy ary hiara-maty aminy ianareo, ary aoka tsy hanahy ny amin’ireo fanomezan-tsiny izay nataon’ny Jody tamin’i Jesoa Kristy Tompontsika isika. Niaraka mandrakariva tamin’ireo mahantra, ny poblikana ary ireo olona ratsy fitondrantena ny Tomponareo. Fanomezan-tsiny izay tokony hanomezana voninahitra antsika izany fa tsy hanambaniana velively akory ! Tonga mba haka ireo mahantra i Jesoa Kristy Tompontsika. Misit me evangelizare pauperibus [Naniraka ahy hitory ny Vaovao Mahafaly ho an’ny mahantra]. Koa mianara àry ianareo mba hitia ny mahantra, ka ny tso-dranon’i Pie IX, ilay lehibe hitantsika maso sady solontenan’i Jesoa Kristy anie no mpaminany tsara ho anareo

 

ka hahatonga anareo hitia ny mahantra sy hitoetra lalandava ao anatin’ny fahantrana masina. » (Taratasy faha-114 (97) Ho an’i Jean Broche, [Novembra, 1876])

Ity hevitra momba ny fisoronana ity sy ny fiainana mahampisorona dia tena nentim-paharazana mba tsy ho lany andro.

Aorian’ny fanamasinana dia tsy navelan’i Mompera Chevrier hilentika any Rome ny ekipany. Miandry ny mpiasa amin’ny asan’ Andriamanitra, tsy maintsy miverina any Lyon. Nanolotena hamela ny pretra vaovao hampiasain’ny Prado ny Arseveka. Nozaraina ny asa dia samy miasa izay tsy tapitra : ny sekolin’ny pretra dia tena marobe. Mbola mitotongona ny herin’i Mompera Chevrier, matetika no voaozona miala sasatra izy. Soa ihany fa ao ireo pretra tanora.

Tamin'ny 25 janoary 1878, dia tonga namangy ny Prado tamin'ny fomba ofisialy ny kardinaly Caverot. Sambany mba nanao io fitsidihana io ny arsevekan’i Lyon. Nanome fankatoavana ny amin'ny fitsipi-piainana ho an’ny pretran’ny Prado izy. Voafintina ao amin'ny Mpianatra Marina na Véritable Disciple ity fitsipika ity. (R. 176 et 189)

Dia hatreo tonga ny fitsapana lehibe izay tsy novinavinaina ; tokony hanaiky hahita ny asany ho rava amin'ny fiainany i Antoine Chevrier. Mba hanekena ity fitsapana ity dia ampy ny famakiana ny taratasy nalefa tany amin’i Jean-Claude Jaricot izay vao nahazo ny fiantsoana ho « Trappiste » ary nandeha eny amin'ny monasiteran’ny Aiguebelle any amin'ny diosezin’ny Valence :

« Nahazoam-bokatra mampitolagaga ny ohatra nataonao !

« Nandritra ny andro vitsivitsy izay dia nanambara tamiko i Mompera Duret fa

 

tsy ho afaka ny hampianatra katesizy intsony izy, tsy maintsy mamonjy ny fanahiny izy alohan'ny zava-drehetra, tsy dia ilaina amin'ny asa tsara toy izao raha olona toa azy, ho hain'Andriamanitra ny hanolo azy olon-kafa, tsy handao ahy Andriamanitra ary mahatsapa ny filàna hanao fiatahana masina sy hiasa izy ka tsy maintsy mandeha mankany Grande Chartreuse, tsaratsara ho azy ny mitoetra ho frera sy mikely aina amin'ny asa iray, kanefa tsy mandray ny adidy aman'andraikitry ny Pretra mampatahotra azy io adidy aman'andraikitra io, ary matahotra ny fitsaran'Andriamanitra izy, ary koa rehefa avy mandany taona maromaro any Grande Chartreuse izy dia hiverina indray hatanjaka sy hahazo antoka amin'ny antso izay napetrak'Andriamanitra tao aminy, tsara anefa ny fiantsoana tao amin'ny Prado ka tsy hifidy hafa intsony izy ; kanefa dia tsy maintsy andeha. Ary tsy fantatra raha aorian'izao fitanisana izao raha tsy handeha indray izy.

« Manam-paniriana lalandava ny ho lasa misionera i Mompera Farissier ary mampiseho hatrany ny faniriany andeha ho any Chine.

« Aleon'i Mompera Broche kokoa i Limonest toy izay ao amin'ny Prado ary hitoetra miaraka amin'Andriamatoa Jaillet izy araky ny hevitro.

« Tsy dia matanjaka ara-pahasalamana i Mompera Delorme ka tsy ho afaka ny hiasa irery na dia eo aza ny herim-pony, mila mandany volana vitsivitsy mihitsy izy hitoerana any ambanivohitra ny fandehanan'ireo namany koa dia tena tsy hanome hery azy mihitsy.

« Raha toy izao ny fahombiazana dia hiangavy ireo Andriamatoa latinista aho mba handeha any amin'ny Seminaire ; tsy afaka koa aho ny handray indray ireo zaza ireo ho amin'ny komonio voalohany. Tsy manana tanjaka na fahasalamana hanao toy ny teo aloha aho. Nanome ahy mpanampy maro, pretra mpanampy tsara fanahy Andriamanitra, nalainy tamiko indray izy ireny, ho deraina noho ny amin'izany anie ny anaran'Andriamanitra. Hanaporofo amiko Andriamanitra, amin'ny fomba tsy azo lavina, fa tsy mila olona mba hanao ny asany ;

 

lazainareo rehetra fa tsy mila olona Andriamanitra, ka ataony tsara izany tsy miaraka amintsika, tsy azo lavina izany. Inoako fa aorinantsika dia handefa olon-kafa mahay lavitra noho isika ilay Andriamanitra tsara. Izay ihany ny mba fiononako sy hany fanantenako, satria na dia eo aza izany rehetra izany, dia mahatsiaro ory sy tena, onena ihany aho hahita an'i Prado hangadihady ary tsy misy ankizy raha nandritra ny 18 taona izy no toerana nirotsahan'ny hatsembohana, nisian'ny asa sy ny fanahy maro mibebaka.

« Mandehana daholo ianareo rehetra mivavaka ary manaova asa fivalozana eny amin'ny toeram-pihibohana. Malahelo mihitsy aho amin'ny tsy ahafahan'ny tenako mandeha any satria mila izany koa aho, ary mihoatra lavitra noho ny anareo amin'ny maha-antitra ahy ka vokatr’izany be lavitra noho ny anareo ny fahotako, kanefa na tsy mankany aza aho dia mba ho afaka kosa angamba ny ho any St Fons. Ary hanana fiononana aho tamin'ny nampiofanako trappistes sy chartreux ary misionera raha toa ka tsy nahavita nanofana olona hampianatra katesizy, izay heveriko anefa fa ilain'ny vaninandro sy ny fiangonana kokoa ankehitriny.

« Mivavàha amin'Andriamanitra, ry namako, ho antsika ary ho ahy indrindra indrindra izay mihevitra fa mba nahavita zavatra kelikely, asa iray, nefa dia hitako ankehitriny fa tsy nanao na inona na inona aho. Enga anie izao fanetren-tena izao mba hananatra ahy ka hanadio ahy amin'ny fahotana vokatry ny fiavonavonana sy ny zavatra hafa tao amin'ny fiainako.

« Ilay rahalahinao ao amin'i Jesoa Kristy navela eo amin'ny hazo fijaliany. » (Taratasy faha-153 (88) [12] [Ho an’i Jean Claude Jaricot] [Prado,] 9 Avrily 1878).

Andao ho jerentsika ny tena eritreritr’i Mompera Chevrier. Niteny izy fa sahiran-tsaina raha tapaka ny asa ho an’ny ankizy ao amin'ny Prado ary niteny mazava tsara izy fa ny tsy fahombiazana dia teo amin'ny asa fiofanana apostolikan’ny pretra : ataoko fa efa nampianatra katekista aho ary hitako fa tsy nanao na inona na inona aho.

 

Tsy hanatrika amin'ny faharavan’ny asany fa tokony hametraka amin’ Andriamanitra ny tokony hanamafy izay efa natombony. Tsy manana afa-tsy fito ambin’ny folo volana intsony izy hahavelona azy, fito ambin’ny folo ao anatin’ny aretina.

Niverina i Mompera Jaricot. Tsy mahalala hoe endrika toa inona no hasehony dia mandeha ho an’ny fiangonana Notre-Dame de Fourvières izay toerana hitadiavan’i Mompera Chevrier azy ary hitenenany tsotra amin’ity mpandositra miova fo ity : « Niandry anao aho. »

Tsy nitondra fanatsarana ho azy ny fitsaboana vaovao tany Vichy. Fitsaboana iray tao amin'ny hopitaly homéopathique Md Lioka tsy mbola mahatsara koa. Fantatr’i Antoine Chevrier fa tonga ny fotoana hitadiavana mpandimby. Taorian’ny fieritreretana dia nanome soso-kevitra ny arsevekan’i Lyon izy mba hanendry an’i François Duret izay mbola fito amby roapolo taona monja. Nanoratra karazana torolalana izy ho an’ny lehibe ary toy izao ny andininy voalohany :

« Ho an'i Fançois Duret, rahalahiko,

« Lehiben'ny Providence dy Prado

« Fampitandremana.

« Tadidio mandrakariva fa iray ihany ny Mpampianatra sy lehibe any an-danitra sy ety an-tany dia i Jesoa Kristy izay nomen' Andriamanitra ny fahefana sy ny fizakana an'izao tontolo izao. Koa noho izay, izay nomena ny fitondrana na iza izy na iza dia misolo tena an'i Jesoa Kristy ka tsy mahazo manao na inona na inona na miteny na inona na inona raha tsy miombona amin'i Jesoa Kristy. Ary raha izy Tompontsika aza nilaza

 

fa tsy miteny na manao na inona na inona noho ny tenany manokana, mainka ve fa ny lehibe eto an-tany ka ho afa-milaza na manao na inona na inona amin'ny anaran'ny tenany fa tsy maintsy lazainy sy ataony ny zava-drehetra, avy amin'i Jesoa Kristy, miaraka amin'i Jesoa Kristy, miombona amin'i Jesoa Kristy, ary tsy maintsy miombona marina tokoa amin'i Jesoa Kristy ilay tena Mpampianatra marina sy tokana izy mba ho afa-milaza amim-pahamarinana ; tsy izaho intsony no miteny na mandidy fa i Jesoa Kristy no miteny sy mandidy ato amiko.

Io no fahamarinana voalohany indrindra tsy maintsy latsa-paka ao am-ponao raha te-ho mpitondra marina ianao » (VD. 527).

Natao tamin'ny 6 janoary 1879 ny fanendrena an’i François Duret.

Nandalo ny volana farany teo amin'ny fiainany tany Limonest i Mompera Chevrier fa rehefa tsapany ny farany tsy azo ivalozana dia nangataka ny hiverina any Prado tany Lyon izy. Te-ho faty eo anivon’ny mponin’ny Guillotière, ho faty ao amin'ny trano bongo ny mahantra araka izay nolazainy any izy dia te-hitovy amin'ny mahantra mba ho amin’ izy ireo, miaina miaraka amin’izy ireo, maty miaraka amin’izy ireo. Tao aminy io vahoaka io nandritra ny sivy amby roapolo taona.

Rehefa tonga tao amin'ny Prado izy dia maty telo andro aoriana, tamin'ny 2 oktobra 1879. Nandritra ny fandevenana azy ny fokontany manontolon’ny Guillotière dia teny an-dalana mba hahita fandalovan’ny kortezy ary hita ho mandeha ho azy ny nanome voninahitra manokana ity pretra mahantra izay namela tamin'ny tombontsoa rehetra nalevina tao amin'ny sapelin’ny Prado izy. Mbola ao izany fasany izany izao.

Ny fandevenana malaza dia fambara ho an’ny velona indrindra ho an’ny mpandova azy ary koa ho an’ny rahalahy izay nino nahazo fianarana tsara ka hitany indray andro hoe :

 

« Io Andriamatoa Chevrier dia namalifaly ny tontolony tamin'ny lalan’ny hazofijaliana, fa tsy nihazona izy » (P. II, 38). Marina fa hatramin’izay, ny tantaran’ny Prado dia tsy nisy voninahitra toy izany ka tokony ho lazaina foana izay nosoratan’ny mpanorina hoe :

« Tsy nahitana intsony hoe iza no hianteherana ato amin'ity trano bongokely mahantra ity. Tena marina raha tsy misy afa-tsy Andriamanitra irery ihany sisa no mitana ity trano ity » (Taratasy faha-57 (54) [6] Ho an'i L'Abbé Gourdon, 3 Jona 1866).

 

 

 

Ny Tabilaon’i Saint-Fons

Voir autre document

 

 

 

 

 

 

 

 

 


[1]          Niditra tany sekoly cléricale i Jean-Marie Laffay taminy 1871, raha folo taona izy, dia niara-nonina miaraka amin’i Mompera Chevrier nandritra taona enina.

 

[2]          Cité par P. Droitiers. « L'Épiscopat devant la question ouvrière en France sous la Monarchie de Juillet », Revue Historique, avril juin 1963, p. 346.

 

[3]          P. Droitiers, article cité, p. 350,

 

[4]          Nanamasina pretra i Camille Rambaud tamin’ny 25 mey 1861.

 

juillet 11, 2017

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *