Lahatsoratra momba ny fiainam-panahy Mompera Antoine Chevrier Voafidy ary voasehon’i Mompera Yves Musset pretran’ny Prado

Lahatsoratra momba ny fiainam-panahy Mompera Antoine Chevrier   Voafidy ary voasehon’i Mompera Yves Musset pretran’ny Prado.. 1

Sasin-teny.. 7

I Ny Antson’Andriamanitra.. 11

Noely 1856. 11

Voaantso hanao ny asan’Andriamanitra. 12

Samia mamoha ny varavarany… 13

« Inty aho… ». 14

II Ny fahamboniana sy ny fahatsaran’i Jesoa Kristy.. 17

Tonga nofo ny Tenin’Andriamanitra ary nonina tety anivontsika Izy. 17

Izy no Hazavana sy Fahendrena ho antsika. 19

Izy no Mpampianatra antsika. 21

« Endrey izany hatsaràn’i Jesoa Kristy ! ». 23

« Ny mahalala an’i Jesoa Kristy, dia ampy… ». 24

Ny fifikirana amin’i Jesoa Kristy sy ny vokatra aterak’izany eo amin’nyfiainan’ny mpianatra. 26

Andeha ho any amin’i Jesoa Kristy. 30

III Ny Evanjely.. 31

Inona no antony handalinana ny Evanjely ?. 31

Ny Evanjely, "herin’Andriamanitra" eo amin’ny fanatanterahana ny asa anirahana ny Apôstôly… 33

Ny Evanjely : trano mivoha, azon’ny besinimaro hidirana… 34

IV Ny lalana izoran’ny mpianatra.. 37

Manara-dia an’i Jesoa Kristy. 37

Miezaka ho Jesoa Kristy hafa. 39

Ny Tranonomby, ny Kalvery, ny Tabernakila. 40

Tabilaon’i Saint-Fons. 44

V Ny mahantra.. 45

Ny maso misokatra hahita izao fahoriana ankehitriny izao. 45

Ny fahoriana mianjady amin’ny ankizy mahantra. 46

Mitia ny mahantra. 48

Mifdy ny hiara-dia amin’ny mahantra. 51

Manompo ny mahantra. 52

Ny fïambonian’ny mahantra. 54

VI Ny Iraka.. 57

Mankeo anivon’ny mahantra. 57

Ny hampahafantatra an’i Jesoa Kristy sy ny Rainy, izany no iraka voalohany ankinina amintsika. 58

Manofana kristianina tonga lafatra. 61

Ny manoro an’i Jesoa Kristy ho fantatr’izao tontolo izao no atao antompivelomana. 63

VII Ny fahantrana araka ny Evanjely.. 65

Ny fahantran’i Mompera Chevrier 65

Ny fahantran’ny Mpampianatra : 68

Ny fahantran’ny mahantra. 69

Ny harena sy ny vola. 71

Ny vokatry ny fahantrana : 75

Endrey ! mila pretra mahafatra-po ary mahantra Andriamanitra ! 76

VIII Fahoriana sy fahafoizana ny zavatra rehetra.. 79

Ny hazofijalian’ny Mpamonjy. 79

Ny hazofijalian’ny Mpianatra. 81

« Ny rahalahinao tavela samirery eo amin’ny hazofijaliany »… 83

« Mamela an’Andriamanitra hiasa »… 85

Fahoriana sy fahalavorariana. 87

IX Ny Fanahin’Andriamanitra.. 91

Mahalana no ananana ny Fanahin’Andriamanitra. 91

« Ny Fanahin’Andriamanitra, io no fara fanaperana ! ». 93

« Ny ilaina voalohany indrindra dia ilay tsiron’Aina ao anaty… ». 95

« Ny Fanahy Masina no manome antsika ny Fitiavana… ». 98

«Ny Fanahy Masina no mamolavola an’i Jesoa Kristy ao anatintsika…». 100

X Ny fiainana anaty firahalahiana.. 103

« Irery, irery mandrakariva… ». 103

Ny fianakaviana ara-panahy ka Kristy no fototra. 105

Ny rehetra ho iray ao anaty Fanahy iray. 108

XI Maria.. 111

Masina Maria Virjiny notorontoronina tsy azon-keloka. 111

Ny sapile dia lalana andehanana any amin’i Jesoa miaraka amin’i Maria….. 112

Maria teo amin'ny seatran’ny Filazana nataon’ny anjely tamin’i Maria. 113

Maria teo amin'ny ny sehatry ny Famangiana tao amin’i Elizabeta. 114

Maria teo amin'ny sehatry ny Nahaterahan’i Jesoa. 115

Maria teo amin’ny sehatry ny Fanolorana an’i Jesoa tao an-Tempoly. 116

Maria teo amin’ny sehatry ny Fahitana an’i Jesoa zazakely. 116

Maria tany Kalvary. 117

Maria tany an-danitra. 119

XII Miezaha ho tonga olomasina.. 121

Mitoetra ao amin’ny olomasina ny Fanahin’Andriamanitra. 121

Ny olomasina no hany afa-manavao an’izao tontolo izao. 122

Fizahan-takelaka.. 125

 

 

 

 

 

 

 

 

Sasin-teny

Tsy dia fantatr’olona firy i Mompera Chevrier, fa ny nanandratan’ny Papa Joany Paoly II azy ho olontsambatra, tao Lyon, ny volana oktobra 1986, no nahatarika ny sain’ny vahoakan’Andriamanitra hifantoka aminy.

Tao afovoan-tanànan’i Lyon no nahaterahan’i Antoine Chevrier, teo anilan’ny kianja Bellecour, ny 16 aprily 1826. Nohamasinina ho pretra izy ny 25 mey 1850, ary notendrena avy hatrany ho vikera tao amin’ny Paroasy Saint-André de la Guillotière, tao amin’ny faritry ny zanabohitra nisy ny indostria tamin’izany, terỳ andafin’ny reniranon’i Rhône ; vahoaka mpiasa maro, nitsipozipozy tanaty fahantrana mahonena, no nitoby teny, manila indrindra an’ireo toerana fanaovan-taozavatra sy ireo ozinina. Teo amin’io toerana io no nandaniany ny fiainana manontolo naha-pretra azy.

Ny alin’ny Noely 1856, raha nanao fandinihana masina teo anatrehan’ny Tranon’ombin’i Jesoa Zazakely izy dia nahatsapa fa tsy maintsy mibebaka sy manova ny fiainany hifanaraka amin’ny Evanjely, ka hanahaka ny fiainan’i Jesoa. Dia tapa-kevitra izy fa hanaraka ny Tompontsika akaiky dia akaiky, mba hahafahany « mahomby kokoa eo amin’ny asa famonjena fanahy ».

Ny taona 1857 ka hatramin’ny taona 1860, dia nonina tamina karazana tanàna naorina vonjimaika izay izy : traboina marobe tsy nanan-kialofana no noraisiny tao, taorian’ilay tondra-drano nahatsiravina tamin’ny volana mey 1856, izay nanafotra manontolo ny sisiny ankavia amin’ny reniranon’i Rhône. Tamin’izany dia efa nanomboka nanokana fotoana be dia be hitoriana ny Evanjely tamin’ny zanaky ny mahantra izy ; ankizy tsy afa-nandia fianarana ireo ary tsy afa-nianatra katesizy tany amin’ny paroasy intsony koa.

Ny 10 desambra 1860, no nahazoany ny « Prado » : efitrano lehibe fandihizana izy io, ary nalaza ratsy.

 

Io no nofain’i Mompera Chevrier, ary avy eo dia novidiany, rahefa nandrisika azy ny evekany hanohizany ny asany eo. Tanora lahy sy vavy vitsivitsy, nantsoina hoe « frera » sy « masera », no nanampy azy ; noraisiny tao amin’io trano io, mandritra ny enim-bolana, ireo ankizy sy tanora, zanaky ny fianakaviana sahirana, mba hahafahany manao izay azo atao « haha- olom-banona sy haha-kristianina vanona azy ireny ».

Tamin’ny taona 1866, dia nosokafany, tao amin’ny Prado ihany, ny sekoly nantsoina hoe « sekolin-dry Mompera », nanofanana an’ireo zana-bahoaka naniry ho pretra ; ka tamin’ny alalan’ny fifampikasohana amin’ny mahantra indrindra indrindra no namolavolana azy ireo ho tonga amin’izany tanjona izany.

Ho an’ireo pretra ireo, ary koa ho an’ireo rehetra hanohy izany asa masina izany, anivon’ny madinika sy ireo ataon’izao tontolo izao ho ambin’olona no nanoratany an’ilay boky hoe : « Ny pretra araka izay voasoritry ny Evanjely, na Ilay tena mpianatr’iJesoa Kristy Tompontsika » ; teo anivon’ny asa be nosahaniny no nanoratany an’izany boky izany, saingy tsy mbola vitany hatramin’ny farany izy io no maty izy.

Nohamasinina tany Roma, tamin’ny volana mey 1877 ireo pretra voalohany nofaniny. Volana vitsivitsy tato aoriana dia narary mafy i Mompera Chevrier, ka voatery nitsahatra, namela ny asa fanaony rehetra. Nodimandry tao amin’ny Prado izy ny 2 oktobra 1879, teo amin’ny fahatelo ambi-dimampolo taonany.

Ireo pretra sy maseran’ny Prado, ankohonan’i Mompera Chevrier ara-panahy, no tena mahafantatra ny asa soratra navelany. Amin’ny ankapobeny dia voatonta ho boky ireo, efa hatramin’ny enimpolo taona izao, saingy sarotra tadiavina izy ireny ankehitriny. Noheverina àry fa mety hahasoa ny manangona etoana ny vitsivitsy amin’ireo lahatsoratra manan-danja navelany, mba ho azo atolotra ny besinimaro indray.

Ny « Mpianatra Marina » (« Le Véritable Disciple ») indrindra no nanovozana azy ireny ;

 

misy koa anefa notovozina avy amin’ny loharano hafa : isan’izany ireo taratasy nosoratany, ireo hevitra noraketiny an-tsoratra manokana, ny fitsipika noforoniny, ny toriteny nataony, ary koa ny fanambaràna nataon’ireo vavolombelona niara-niaina sy niara-dia taminy, fony nokarakaraina ny fanandratana azy ho olontsambatra.

Naompana amina fotokevi-dehibe vitsivitsy sarobidy taminy ireo lahatsoratra rehetra ireo, mba hahafahana maneho miandalana sy amin’ny fomba mirindra an’ireo lafin-kevitra lehibe ifotoran’ny fiainam panahy nampianariny.

Io fiainam-panahin’i Mompera Chevrier io dia miorim-paka sy mirafitra eo amin’ny finoana an’i « Jesoa Kristy, sady Tenin’Andriamanitra no Zanak’Andriamanitra » (VD, p. 82) ; tsy azo sarahina amin’ny fiainana ihany koa anefa izany, satria zary tena iray aminy mihitsy. Fiainan’olona iray teo anilan’ny vahoaka mandrakariva, ary avy amin’io vahoaka io no nipoirany, izay tian’io vahoaka io no tiany, ary ny mahantra sy ny mpiasa madinika teo amin’io vahoaka io no namany. Fiainan’ny mpino anankiray, babon’ny hatsaràn’i Jesoa Kristy io, ka milofo amin’ny fony manontolo hahalala azy bebe kokoa, amin’ny alalan’ny fandalinana ny Evanjely, mba hahafahany manahaka azy eo amin’ny lafim-piainany rehetra. Fiainan’ny mpiandry ny ondrin’Andriamanitra, manolo-tena manontolo ho an’ny ondriny, mahalala tsara ny asa sy ny fijaliana takian’ny hoe manokatra ny sain’ny olona sy ny fony handray ny Fanahin’Andriamanitra.

Hanaitra an’izay rehetra mamaky an’ireto pejy ireto ny herim-pinoana tsy azo hozongozonina nananan’ity pretra ity, sy ny fomba mazava sady tsotra entiny manambara izany.

 

Io Evanjely namolavola ny fiainana sy ny fisainan’i Antoine Chevrier io, dia mbola manan-kery mandraka ankehitriny hanova antsika ho tonga mpianatra sy ho apostolin’i Jesoa marina tokoa !

Koa raha mandre ny feony isika, aza manentsin-tadîny… Vohay hidanadana ny varavaran’ny fontsika… Fa « miantso antsika ho tonga tena mpianany i Jesoa Kristy »…

Yves MUSSET, Pretran’ny Prado

 

I Ny Antson’Andriamanitra

Noely 1856

Tamin’ny andron’ny Noely 1856 no nandrenesan’i Mompera Chevrier ny antson’Andriamanitra niantefa taminy. Nandritra ny enin-taona izy no efa vikera tao amin’ny Paroasy Saint-André de la Guillotière, izay fari-tanàna manodidina an’i Lyon, fonenan’ny mpiasa madinika ; tamin’izay izy no nahatsiaro fa voaantso hiroso amin’ny lalana nizoran’ny Zanak’Andriamanitra, fony Izy tonga nofo, mba ho akaiky ny olombelona kokoa :

« Tao Saint-André no nahaterahan’ny Prado. Indray alin’ny Noely, teo am-pandinihana ny fahantran’ny Tompontsika sy ny fietre-tenany teo anivon’ny olona, no nahatapa-kevitra ahy handao ny zavatra rehetra ary hiaina anaty fahantrana, araka izay azo atao. » (P 2, p. 7).

« Ny mistery nahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo no nampibebaka ahy » (P 2, p. 97). « Io mistery io no nahatonga ahy hangataka amin’Andriamanitra hiaina anaty fahantrana sy am-panetren-tena, ary nahatonga ahy hamela ny fandraharahana fanao any amin’ny paroasy, ka hirotsaka hiaina araka ny fahantrana masin’ny Tompontsika » (Taratasy, 1865). « Hatreo dia voasoritra mazava ny fiainako » (P 1, p. 47).

« Hoy aho anakampò : ny Zanak’Andriamanitra mihitsy no efa nidina tety ambonin’ny tany, mba hamonjy ny olombelona sy hampibebaka ny mpanota. Kanefa inona moa ny zava-misy hitantsika ankehitriny ?

 

Mbola maro tsy tambo isaina ny mpanota manerana an’izao tontolo izao ! Ary tsy mitsahatra mankany amin’ny fahaverezana ny olombelona ! Ka noho izany dia nanapa-kevitra aho fa hanara-dia akaikikaiky kokoa an’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahafahako mahomby kokoa amin’ny asa famonjena fanahy ; ny fanirìko dia ny hahita anareo manara-dia akaiky ny Tompontsika ihany koa » (P 2, p. 98).

Voaantso hanao ny asan’Andriamanitra

Teo amin’ny fiainan’i Mompera Chevrier, toy ny eo amin’ny fiainantsika tsirairay avy ihany, ka Andriamanitra ary tsy maintsy Andriamanitra mandrakariva no iandohàn’ny zavatra rehetra :

« Andriamanitra no manao ny asa… Tsy mba ny vinavinan’olombelona no mahatanteraka ny asa, ary tsy ny vola na ny tetika sy ny fandaminana ataontsika. Mifidy olona iray Andriamanitra. Ary izany olona izany no entiny manangana ny asany. Mifidy olona iray izy. Avadibadiny, volavolainy, atsipiny, raisiny indray, apetrany etsy, apetrany eroa. Dia mifidy iray hafa izy, ary mbola mifidy hafa koa. Dia avondrony ireo, ary rahefa feno ny fotoanany, dia atosany ny fahasoavany… » (Tenin’i Mompera Chevrier tamin-dRamaloakely Tamisier, ilay namorona ny Zaikabe Eokaristika).

« Ny fepetra voalohany dia ny hoe antsoin’Andriamanitra ianao hanao ny asany » (VD, p. 320).

« Miasa maina isika miezaka manorin-trano, raha tsy momba antsika Andriamanitra, raha tsy izy no tompo-marika, raha tsy izy no mitarika ny asa, raha tsy izy no manome ny mari-trano, raha tsy izy no mifidy ny mpiasa ary raha tsy izy no mibaiko amin’ ny zavatra rehetra…

« Koa anjarany àry ny manao ny zavatra rehetra : Izy no mifidy, miantso, manorina, manilika ary Izy no miantso izay tiany…

« Tsy maintsy i Jesoa Kristy no mifidy ny vato hanorenana ny tranony.

 

Vato ratsy iray, na vato tsy tsara toerana iray dia ampy hampihozongozona ny trano manontolo, ka hampirodana azy. Iza moa no sahy hisalovana ny tompony amin’ny fanorenana an’izany trano izany ? Iza no sahy hitonon-tena ho tompo-marika amin’izany, ka hihevi-tena ho tompon’ny asa : ny tompo-marika notendreny raha tsy Izy Andriamanitra mivantana ? Avelao Andriamanitra hanao ny asany » (VD, p. 103).

Samia mamoha ny varavarany…

Ny miezaka ho mpianatr’i Jesoa, dia ny mamoha midanadana ny varavaran’ny fontsika mba hidiran’ilay vahiny mandondòna ary te haka ny toerana rehetra, hahafahany manao ny asany ao amintsika :

« Misy tenin’ny Fanahy Masina milaza fa mijoro eo am-baravarana Izy ary mandondòna ; fa mbola mihoatra noho izany koa aza : lazaina fa atosiny mihitsy ny varavarana, dia miditra izy, " ecce sto ad ostium et pulso" (Indro aho mijoro eo an-tokonana ary manosika ny varavarana hidirako) (Ap 3, 20). Ny fontsika no varavarana : mandondòna eo ny Mpampianatra, fa ao no iriany hidirana.

« Misy toetra maromaro anefa mety ahitana ny varavarana iray. Raha misy mandondòna eo, ka misy olona ao an-trano avy hizaha, dia azony atao ny tsy mamoha ary tsy mamela an’ilay vahiny hiditra mihitsy ; azony atanila fotsiny koa anefa ny varavarana, ary dia avelany eo an-tokonana eo ilay vahiny tonga mamangy ; farany, azony vohaina midanadana ny varavarana, hidiran’ilay vahiny nandondòna teo. Azontsika atao amin’i Jesoa Kristy, Mpampianatra antsika, ihany koa izany, raha ny varavaran’ny fontsika no resahina, ka te hiditra eo izy.

« Ny tsy mamoha ny varavarany dia izay tsy mamela ny Mpampianatra hiditra, ary tsy manaiky handray ny Mpampianatra sy hanaraka azy, fa aleony manaraka ny saim-pantany, ny zava-mahaliana azy sy izao tontolo izao.

« Ny mampitanila fotsiny ny varavarany dia izay mihaino ny Mpampianatra, kanefa tsy mamela azy hiditra tanteraka ; izy no tompon’ny varavarany, ka tsy te handray na iza na iza izy ; izy no tompon’ny tranony sy ny fony. Mihaino izy, saingy izay tiany ihany no tazoniny, izay mifanaraka amin’ny sainy no raisiny ; avelany izay tsy maha diavolana ny fony.

 

Raisiny ny Mpampianatra fa asiany fepetra, mitsapatsapa izy, ka izay heverin’ny sainy no henoiny kokoa, ireo zava-madinidinika mambabo ny fony no tompoiny, fa tsy ilay tena Mpampianatra maniry hiditra ao aminy ; aleony midify, fa matahotra izy ; vohainy mitanila ny fony. Hany ka tsy afa-miditra hanjaka tanteraka ao aminy, araka ny tokony ho izy, ny Mpampianatra.

« Ny farany kosa dia mamoha ny varavarany hidanadana, handraisany ny Mpampianatra tonga mandondóna ao aminy. Faly izy mandray azy ary mampandroso azy avara-patana ; mihaino azy an-karavoana izy ary tokana ny faniriany, dia ny hahatakatra izay lazainy ary hampihatra izany eo amin’ny fiainany. Tsy be famaliana izy ; ny katsahiny dia izay hahafahany mampihatra ny zavatra reny. Mitoetra an’eritreritra eo an-tongotry ny Mpampianatra izy, toa an’i Maria, ary tsy manaiky ho voarebirebin’ny hoe saina mandinika sy ireo fiontanam-po isan-karazany izay mitroatra sy mikomy. Miteny ny Mpampianatra : tsy manana hevitra hafa izy, tsy manana faniriana hafa, afa-tsy ny hahatakatra izay ren’ny sofiny ka hampihatra izany eo amin’ny fiainany, hamahana ny fanahiny amin’izany sakafo izany. Ny fitiavana no mitarika azy fa tsy zava-kafa ankoatr’izany. Te-hiditra any amin’ny Fanjakan’ny lanitra izy : izany no hany faniriany. Hitsakitsahiny am-paladia izay rehetra mety holazain’ny sain’olombelona sy ny fanirian’olombelona. I Jesoa Kristy no hany Mpampianatra azy ary tsy te-hanaraka olon-kafa izy.

« Feno fanekena sy fahafoizan-tena izy, ka nofy azy ny hilaza hoe : Sarotra izany, tsy vita izany, tsy azo antoka izany, tsy fanao izany : tsy hita aminy ireo rehetra ireo. Niteny ny Mpampianatra, ny Mpampianatra no nilaza izany, dia ampy azy izay » (VD, p. 124-125).

« Koa aoka isika tsy hatahotra… Fa na hatao hoe handeha ambony ranomasina toa an’i Piera aza, moa tsy tokony hankeny amin’i Jesoa isika, rahefa izy no miteny hoe : "Avia ! ", toy ny nataony tamin’i Piera ? » (VD, p. 127).

« Inty aho… »

Mba hampianatra antsika hamaly hoe « eny », rahefa mandre ny antson’Andriamanitra, dia manasa antsika, toy ny fanaony, i Mompera Chevrier, handray am-pahatsorana ny tenin’ny Soratra Masina,

 

ary handray azy ho antsika mihitsy ; teny manan-kery ireo hamolavola ny valy homentsika, na inona fahantrana sy fahalemena manjo antsika na inona :

« Inty aho ! (1 Sam 3, 4) Anao aho ! » (Sal 118, 94).

« Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao ! » (1 Sam 3, 9).

« Tompo ô, ho any amin’iza moa aho ? Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay ! » (Jo 6, 68).

« Ianao no Fahazavako, ianao no Lalako, Fiainako, Fahendreko ary Fitiavako. Hanaraka anao aho, Tompo, na aiza na aiza halehanao " (Lk 9, 57).

« Vonona hiara-maty aminao aho, hafoiko ho anao ny aiko, na hiditra any am-ponja na hisedra ny fahafatesana » (Jo 11, 16 ary 13, 37).

« Ianao no Mpanjakako, Filohako ary Mpampianatra ahy. Tompo ô, raha mila olo-mahantra ianao, dia inty aho ! Raha mila olona adala ianao, dia inty aho ! Inty aho, ry Jesoa ô, hanao ny sitraponao : anao aho ! » (VD, p. 122).

 

 

 

 

II Ny fahamboniana sy ny fahatsaran’i Jesoa Kristy

Tonga nofo ny Tenin’Andriamanitra ary nonina tety anivontsika Izy

Ny finoana ny mistery nahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo no fanalahidy nentin’i Mompera Chevrier niditra ao amin’ny fahalalana an’i Kristy, ka ampidirany antsika koa. Ny misterin’ny Fahatongavana ho nofo manko dia tsy inona fa Andriamanitra manolotra antsika, amin’ny nahim-pony, izay sarobidy indrindra ananany, dia ny Zanany naterany, mba hahatonga antsika ho zanaka ihany koa, ary ho mpiray tam-po ao amin’i Jesoa Kristy :

« Ary tonga nofo ny Tenin’Andriamanitra ka nonina tety anivontsika. Izany no tenin’ny Evanjely lehibe indrindra, soa indrindra, mahagaga indrindra, tsy takatry ny saina indrindra, mendrika hotsakotsakoin’ny olombelona rehetra mandrakizay ; fa teny mamintina ny Evanjely manontolo sy ny finoantsika manontolo izany » (Ms V, p. 773).

« Andriamanitra tonga zazakely… Andriamanitra noentanin’ny fitiavana ka niseho ho hita maso. Zary fananantsika izy. Efa nomena antsika… Tonga izy hitarika ny olombelona. Tsy ampy ny mitarika avy lavitra, ny mibaiko avy lavitra. Izy tenany mihitsy no tonga… Tahaka ny inona ny fahasamihafan’ny hoe misionera ka mianina amin’ny fandefasana taratasy mba hampibebaka olon-dia, sy ny hoe izy tenany mihitsy no tonga manatona an’ireo olona ireo. Tonga ny Tompo hanofana vahoaka vaovao afa-mitsaoka an’Andriamanitra marina tokoa, vahoaka mpiray tampo » (Toriteny tamin’ny Noely 1857).

 

« Inona no fomba entin’Andriamanitra mamonjy ny olona ? Izy vata-tenany mihitsy no tonga. Movà tsy toy ny Ray na ny Reny very zanaka : Izy no lasa mandeha mitady. Inona anefa no ilaina amin’izany ? Tsy maintsy miseho ho hita maso Izy, ary tonga ety an-tany… » (Ms VII, p. 335).

« Tsy misy olona mbola nahita an’Andriamanitra, fa ny Zanaka no nampahafantatra azy antsika » (Jo 1, 18).

« Endrika anjely no nentiny niteny tamin’i Abrahama. Karazan’endrika mety ho tsapan’ny fandrenesana, misoritra mazavazava na manjavozavo, no nitenenany tamin’i Moizy sy tamin’ny mpaminany. Ary farany, rahefa taon-jato maro no nifanesy, ka ningadona ny fotoana tapaky ny Fitondran’Andriamanitra, dia Izy tenany naka endrik’olombelona no niteny tamin’ny olombelona rehetra…

« Ary ny Teny tonga nofo, ka nonina tety anivontsika » (Jo 1, 14).

« Ry mistery tsy hay lazaina ! Eto anivontsika Andriamanitra, tonga niteny tamintsika Andriamanitra, tonga niara-nonina tamintsika Izy mba hiteny amintsika sy hampianatra antsika.

« Izay zavatra azo lazaina hoe miserana ihany taloha ary nataony am-pahamehana aza, no indro, amin’izao andro farany izao, fa ataony amin’ny fomba azo tsapain-tanana ary maharitra. Izy mihitsy no naka endrik’olombelona mba hiarahany monina amintsika, ka hananany fotoana hiresahana amintsika sy hilazana amintsika izay rehetra sitraky ny Ray hampianarina antsika amin’ny alalany.

« Tsy hoe nilaozan’Andriamanitra isika, sanatria. Manana Andriamanitra isika izay Raintsika tokoa, tia ny zanany ary maniry hampianatra sy hamonjy azy » (VD, p. 61-63).

« Tsy misy fanomezana lehibe kokoa, na rakitra sarobidy kokoa azon’Andriamanitra natolotra antsika noho ny Teniny, dia ilay Zanany malalany, izay mahasolo ny zavatra rehetra ho antsika » (VD, p. 89).

 

Izy no Hazavana sy Fahendrena ho antsika

Tamin’ny Noely 1856, nifanojo tamin’i Kristy i Antoine Chevrier : izany no nanazava sy nanova ny fiainany. I Jesoa, ilay « masoandro vao miposaka » tonga hamangy antsika, no nomen’ny Ray mba ho Hazavana ary ho Fahendrena ho antsika. Ny hazavan’ny Evanjeliny no mampianatra antsika hanombana ny zavatra rehetra araka ny tena lanjany marina ary hijery ny zava-misy rehetra eto amin’ny fiainana amin’ny masom-pinoana :

« Nomena antsika i Jesoa Kristy mba hampianatra antsika hanavaka ny marina sy ny diso, ny tsara sy ny ratsy, ny ara-drariny sy ny tsy ara-drariny ary hanombana ny zavatra tsirairay avy araka ny tena lanjany marina, hahay hametraka ny zavatry ny tany sy ny zavatra ara-panahy amin’ny toerany avy, toy izany koa ny fotoana misy fetra sy ny mandrakizay.

« Mba hahatanteraka an’izany, dia izy no "Fahazavana marina nomena hanazava ny olona rehetra eto amin’izao tontolo izao" (Jo 1, 9).

« Izy no Tenin’Andriamanita ; ao aminy ny aina, ary izany aina izany no hazavana nomena ny olona.

« Nidina avy any ambony Izy, omban’ny hatsaràna, ny voninahitra, ary ny famirapiratan’ny lanitra.

« Izany no iantsoana azy hoe "Masoandro miposaka, miseho avy any ambony" (Lk 1, 78), "Masoandron’ny fahamarinana" (Mt 3, 20), "Taratry ny hazavana mandrakizay" (Fah 7, 26), "Famirapiratan’ny Ra" (Heb 1, 3).

« Tsy tsirim-pahazavana fotsiny, tahaka izay noraisin’ny olomasina sy ny mpaminany, no mitaratra antsika avy any ambony, fa ny famirapiratan’ny fahazavan’Andriamanitra manontolo mihitsy no avy manilo antsika.

« Izany no ilazan’ny Soratra Masina hoe : "nahita hazavana manjopiaka ny vahoaka nizotra tanaty haizina" (Mt 4, 16). "Ary namiratra tao amin’ny haizina ny hazavana" (Jo 1, 5)…

« Ny Tompontsika tsy matahotra ny hanambara amintsika fa hoe Izy no "hazavana ho an’izao tontolo izao" (Jo 8, 12).

 

« Fony nahary an’izao tontolo izao Andriamanitra, dia ny masoandro no nomeny hanazava ny masom-batantsika. Fa nony nahary ny fanahintsika Izy, dia i Jesoa Kristy, ilay Teniny, no nomeny hanazava ny saina amam-panahintsika, fa satria tao aminy ny aina ary ny aina no hazavana nomena hanazava ny olona.

« Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy no ahazoantsika ny aina sy ny hazavana, ilay tena hazavana marina, "Lux vera" (Jo 1, 9) ; amin’izay, dia azontsika avahana io fahazavana avy any ambony io, tsy hifangaro amin’ireo fahazavana madinika, fahazavana avy amin’ny olombelona ety an-tany, izay mazàna mitondra hazavana hosoka hanilo ny fanahintsika efa mitankizina anaty haizina.

« I Jesoa no hazavana ho an’ny fanahintsika : toy ny masoandro, hazavana ho an’ny vatantsika.

« Ny masoandro no mamalifaly ny masontsika, manazava antsika, izy no ahafahantsika mahita ny zavatra manodidina antsika, ahafahantsika mahalala sy mamantatra ny zavatra tsirairay avy, ny fitaovana tsirairay avy, manoro antsika ny lalana tokony hizorana, maneho amintsika ny hasin’ny zavatra iray sy ny lokony, ary izay tokony hampiasantsika azy. Tahaka ny inona no halehiben’ny soa azon’ny vatantsika avy amin’ny masoandro !

« Toraka izany koa, i Jesoa Kristy no masoandro ho an’ny saina amam-panahintsika. Ny hazavana omeny no mampianatra antsika hahalala ny zavatra tsirairay avy, hahalala ny marina, ny lanjan’ny zavatry ny tany ho an’ny fiainana ara-panahy, hahay hanavaka ny marina sy ny diso, ny ara-drariny sy ny tsy ara-drariny, ny tsara sy ny ratsy.

« Mihoatra lavitra noho ny fahalalana ara-batana omen’ny masoandro antsika ho an’ny zava-boaary hita maso io fahalalana ara-panahy nomena antsika io !

« Koa rahefa te hahafantatra zavatra iray isika, te hanombantombana azy, hitsara azy, handanjalanja azy araka ny vidiny, dia i Jesoa Kristy Hazavana no hany tokony hotadiavintsika ; izy no hanazava antsika sy hampianatra antsika hahalala ny tena lanjan’izany zavatra izany, ary hahafantatra ny fomba tokony handraisana azy ; holazainy antsika ny heviny momba izany, izay ampiasany ny zavatra toy io ; izay no tena hazavana ho antsika ka hahafahantsika mandanjalanja marina ny zavatra manodidina antsika.

 

« Ary noho lzy hazavana marina ho antsika, dia Izy koa no Fahendrena ho antsika, satria raha manaraka izany hazavana izany isika amin’izay ataontsika, dia tsy ho diso ; raha manaraka izany hazavana izany isika amin’izay alehantsika, dia tsy ho diso lalana. Raha izany hazavana izany no entintsika mandanjalanja zavatra, dia ho marina ny fomba fitsarantsika, satria io no tena hazavana avy any an-danitra, hazavana avy amin’Andriamanitra, nomeny hanazava antsika. Ary ny hazavana avy any an-danitra no fahendren’Andriamanitra… » (VD, p. 89-91).

« Nameno ny fiainan’i Jesoa manontolo izany fahendrena izany ; na ny zavatra nataony, na ny teny nolazainy dia samy taratry ny fahendreny avokoa ary samy hazavana manilo antsika, manoro antsika ny lalan-kizorana mba ho ao amintsika marina tokoa ny fahendrena…

« Misy olo-malaza mba manana sombim-pahendrena kely ihany indraindray, mba manana tsiriny kely avy amin’io hazavana manilo antsika io ; i Jesoa Kristy kosa dia fahendrena manontolo ; ny fahendrena tsy misy anombinana no ao aminy, satria tsy mba ampahany ny Fanahy Masina noraisiny.

« Tsy ilaina akory ny mandeha lavitra mba hahita ny tena fahendrena ; ao amin’i Jesoa Kristy izy ; ampy ny mahalala an’i Jesoa Kristy sy ny mandalina ny momba azy.

« Misy mitady ny fahendrena ao anaty boky malaza, na amin’ny alalan’ny filôzôfia, na amin’ny alalan’ny fizahan-tany, na amin’ny alalan’ny fianarana. Ao amin’i Jesoa Kristy anefa izy. Tsy mahay afa-tsy i Jesoa Kristy aho, hoy i Masindahy Paoly, dia i Jesoa Kristy voafantsika tamin’ny Hazofijaliana » (VD, p. 91).

Izy no Mpampianatra antsika

« Tokana ny Mpampianatra anareo, dia i Kristy " (Mt 23, 8-10). Azontsika ekena ho Mpampianatra i Jesoa Kristy, satria izy no Tenin’Andriamanitra tonga nofo, ka ny teny rehetra nolazainy sy ny asa rehetra nataony dia maneho ny fahendren’ny Ray avokoa.

 

Izy no hany mendrika hantsoin’ny olombelona amin’izany anarana izany, eto amin’izao tontolo izao :

« I Jesoa Kristy no hany tokana Mpampianatra antsika.

« Izy no Tenin’Andriamanitra, ka ao aminy ny raki-tsarobidy rehetra momba ny fahaizana sy ny fahendrena. Amin’ny maha Teny azy, dia Izy rahateo no eritreritr’Andriamanitra ; ao aminy ny fahaizan’Andriamanitra rehetra sy ny fahalalana rehetra ananan’Andriamanitra Ray.

« Izy no tenin’ny Ray, nitafy nofo mba ho afa-mitafa amintsika ; Izy no nidina avy any an-danitra mba hiresaka amintsika ary mba hampahafantatra antsika ny sitrapon’Andriamanitra Rainy.

« Izy rahateo no taratasy velona nosoratan’ny Ray ary nalefany ho antsika, mba hovakintsika ka hotanterahintsika.

« Andriamanitra mihitsy no mampahafantatra an’izany antsika : "Indro ny mpanom-poko, nofidiko, malalako ary ankasitrahako ; hapetrako eo aminy ny fanahiko ka hitory ny fahamarinana amin’ny firenena izy" (Iz 42, 1).

« Fony izy nova tarehy, dia ny Ray no nanambara azy nanao hoe : "Inty ny Zanako malalako izay ankasitrahako, henoy izy" (Mt 17, 5).

« Endrey ity fitiavan’ Andriamanitra an’izao tontolo izao, fa nomeny ny zanany lahitokana, mba tsy ho very izay mino azy fa hanana ny fiainana mandrakizay » (Jo 3, 16).

« Ny adidiny lehibe indrindra dia ny mampianatra an’izao tontolo izao. Izany no hazavainy amin’ny mponin’i Nazareta, raha nivaofy ny tenin’ny mpaminany Izaia izy : "Ato amiko ny Fanahin’Andriamanitra. Hany ka nohasininy tamin’ny fanosorana masina avy amin’Andriamanitra aho, ary nirahiny hitory ny evanjely amin’ny mahantra" (Lk 4, 18).

« Hoy izy tamin’ny apôstôly : "Andeha isika hitory ny teny, fa izany no antony nahatongavako" (Lk 4, 43).

« Izaho no teraka sy tonga eto amin’izao tontolo izao, dia ny hijoro ho vavolom-belon’ny marina » (Jo 18, 37).

 

« "Izaho no fahazavan’izao tontolo izao" (Jo 9, 5). "Izaho no Lalana, Fahamarinana, Fiainana" (Jo 14, 6).

« Io no anarana iantsoana azy. Hoy Izy tamin’ny apôstôliny : "Antsoinareo hoe Mpampianatra sy Tompo aho ; ary marina ny filazanareo, satria izany tokoa aho" (Jo 13, 13).

« Ny zavatra ampianariny, dia ataony araka izay nolazain’ny Ray naniraka azy : "Tsy avy amiko ny fampianarana omeko, fa avy amin’Ilay naniraka ahy" (Jo 7, 16) ; "Marina Ilay naniraka ahy, ary izay reko taminy no ambarako an’izao tontolo izao" (Jo 8, 28).

« Izy tokoa no Mpampianatra antsika. Nomen’Andriamanitra azy ny andraikitra lehibe hampianatra ny olombelona. Izany no nanirahana azy. Izy irery no hany afa-mampianatra antsika, satria Izy no hany mahalala an’Andriamanitra…

« Rahefa mihaino azy isika, dia mihaino an’Andriamanitra mivantana, ary rahefa mino azy isika dia mahazo ny fiainana mandrakizay. Izy no Mpampianatra antsika… » (VD, p. 95-98).

« Endrey izany hatsaràn’i Jesoa Kristy ! »

Ao amin’ny Mpianatra Marina (Le Véritable Disciple), dia vavaka no iafaran’ny fanadihadiana an’ireo « anarana iantsoana an’i Jesoa Kristy ». Vavaky ny mpianatra, vonton’ny figagana ny halehiben’ny Tenin’Andriamanitra sy ny hatsaràny, miseho eo amin’ny maha olombelona azy. Vavaka fangatahana mba hahafahan’ny Tenin’Andriamanitra manatanteraka ny asa fanilovany sy fampibebahany antsika. Vavaka fanoloran-tena manontolo ho an’i Kristy ary fanomezan-tena hovan’ny Evanjeliny tanteraka :

O ry Teny ! O ry Kristy !

Tsara tokoa Ianao! Lehibe tokoa ianao !

Iza no hahay hahalala Anao ? Iza no ho afaka hahafantatra Anao ?

 

Kristy ô, ataovy mahalala Anao aho ary ataovy tia anao !

Satria Ianao no fahazavana, avelao ho tonga ny taratry io fahazavan’Andriamanitra io amin’ity fanahiko mahantra ity, mba ahazoako mahita sy mahafantatra Anao.

Omeo finoana lehibe anao aho, amin’izay ny teninao rehetra ho fahazavana hanilo ahy ary manintona ahy Aminao sy hanaraka anao amin’ny lalana rehetra ny fahitsiana sy ny fahamarinana.

O ry Kristy ! O ry Teny !

Ianao no Tompoko sy Ianao no hany Mpampianatro tokana. Mitenena, te-hihaino Anao aho ary hanatanteraka ny teninao. Te-hihaino ny teninao Andriamanitra aho satria fantatro fa avy any an-danitra izany. Te-hihaino azy aho, handinika azy, ary hanatanteraka azy satria ao anatin’ny teninao misy ny fiainana, ny fifaliana, ny fiadanana, ary ny fahasambarana. Mitenena Tompo ô ! Ianao no Tompoko sy Mpampianatro ary tsy te-hihaino afa-tsy Ianao aho.

« Ny mahalala an’i Jesoa Kristy, dia ampy… »

Toa an’i Md Paoly, dia mihevitra koa i Mompera Chevrier fa « zava poana izao rehetra izao raha miohatra amin’ilay zava-tsoa fara-tampony dia ny fahalalana an’i Jesoa Kristy » (Fil 3, 8) :

« Apetrak’i Md Paoly ambonin’ny fahalalana rehetra ny fahalalana an’i Jesoa Kristy Tompontsika ; ary ireharehany ny hoe tsy mahalala na inona na inona afa-tsy i Jesoa Kristy, dia i Jesoa Kristy voafantsika. Io tokoa no fahalalana ambonin’ny fahalalana rehetra, ary io no hany afa-manampy antsika ho pretra tonga lafatra ary mendrika azy. Atao ahoana moa no fitory an’i Jesoa Kristy raha tsy mahalala azy ? Atao ahoana no fanahaka an’i Jesoa Kristy raha tsy mahalala azy ? Ary atao ahoana no hahafahantsika mahalala azy, raha tsy mandinika azy aloha ? » (Taratasy faha-86 ho an’i Claude Farissier, seminarista nobeaziny, 1872).

 

« Ny fahalalana an’i Jesoa Kristy no fanalahidin’ny zavatra rehetra. Ny mahalala an’Andriamanitra sy ny Kristiny, izany no votoatiny maha olona ny olona, maha pretra ny pretra, maha olomasina ny olomasina » (Taratasy faha-105 ho an’i Nicolas Delorme, seminarista nobeaziny, 1875).

« Ny asa ilofosantsika voalohany àry dia ny mahalala an’i Jesoa Kristy mba hanolorantsika tena aminy manontolo » (VD, p. 46).

« Ny fahalalana an’i Jesoa Kristy, ny fifotorana mandinika azy, ny vavaka, izany no zavatra voalohany tsy maintsy himasoana raha tiana ny ho vato mirafitra eo amin’ny trano ara-panahy onenan’Andriamanitra… » (VD, p. 103).

Maro ny olona nanatona an’i Mompera Chevrier nitady fanohanana ara-panahy. Hatrany hatrany ny niezahany voalohany dia ny hampitodika ny fo amam panahin’izy ireny hifantoka amin’i Kristy :

« Heveriko fa sondriana loatra amin’ny fikarakarana ny tenanao ianao, ka tsy afa-mieritreritra firy an’i Jesoa Tompo, ilay Andriamanitra Mpampianatra antsika intsony. Tsy misy afa-tsy fahantrana anefa ao anatinao, ary arakaraka ny hieritreretanao an’izany no hitondranao fahoriana. Mba atrakao kely ny masonao : ny Andriamanitra Tompontsika jerena, tsakotsakoy ny teniny masina, ny ohatra nomeny ; fenoy azy ny fonao ; izy atao sakafo, dia ho hitanao fa hanjavona ireny avelo maneloelo ireny. Aoka ho fiainanao i Jesoa Kristy, masera, aoka ho Izy no fitiavanao » (Taratasy faha-459 ho any Masera Marie de Saint Raphaël, 14 zanvie 1878).

« Ny Tompontsika no tokony hifantohan’ny saina bebe kokoa, fa tsy ny tenantsika, na ny fahoriantsika. Raha lany andro mibanjina ny tenany ny mpanao hosodoko fa tsy mijery an’ilay olona ataony môdely,

 

dia tsy ho vita na oviana na oviana ny sariny. Izany no tokony hataonao, anaka : ny Tompontsika banjinina matetika dia matetika, fa aza variana loatra amin’ny tenanao, dia ho velona kokoa ianao. Mifotora manahaka ny Tompontsika, amin’ny fo tony, aza be ferotraina. Am-pitiavana ibanjinana azy, entanin’ny faniriana hanahaka azy, dia izay. Ny otanao, ny fahantranao, avelao ho safotra ao anaty ranomasin’ny famindram-pony. Rahefa tiana i Jesoa Kristy, tsy ahoana ny sisa rehetra » (Taratasy faha-257 ho an’ny masera Gabriel, 1873).

« Aza atao tsirambina ny fandinihana masina fohy tokony hataonao, diniho i Jesoa Kristy Tompontsika ; izay no tena zavatra ; ary isan’andro, aoka hisy teniny na asa nataony hiraikitra ao an-tsainao, mba hahafahanao manatanteraka azy, na fara faharatsiny mankafy ny hamaminy sy ny tsirony » (Taratasy faha-374 ho an-dRamatoakely Grivet, 9 jona 1876).

« Tsy misy fiainam-panahy raha tsy ao anatin’ny fahatalana an’i Jesoa, ao amin’ny fandalinana ny teniny sy ny asa nataony. Teny iray nolazain’i Jesoa dia manandratra ny fanahy ; asa iray nataon’ny Tompontsika dia mahavita mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra » (Taratasy faha-310 ho an-dRamatoa Franchet, 13 maio 1869).

« Mivavaha mafy, anaka. Mampianatra antsika mihoatra noho ny boky ny vavaka, ny hazofijaliana, ny tranonomby ; ary ny fahalalana tovozina eu am-pototry ny hazofijaliana na ny tabernakla dia mafy orina kokoa, marim-pototra kokoa, mahakasika antsika kokoa, noho izay tovozina anaty boky » (Taratasy faha-115 ho an’i François Duret, seminarista nobeaziny, 1876).

Ny fifikirana amin’i Jesoa Kristy sy ny vokatra aterak’izany eo amin’nyfiainan’ny mpianatra

Misy herim panahy, manana ny fizotrany manokana, mitarika ny mpianatr’i Jesoa hanara-dia ny Mpampianatra azy. Ny Teny raisina am-pinoana dia manampy ny olona hifikitra amin’i Kristy,

 

ary ny fitiavana an’i Jesoa dia miteraka ao am po faniriana hanahaka azy sy hitovy aminy. Ho an’i Antoine Chevrier, dia i Md Paoly no tena môdelin’ny mpianatra sy ny Apôstôly, noho izy nanolo-tena manontolo ho an’i Jesoa Kristy :

« Izay nahita an’i Jesoa Kristy, dia nahita ny rakitra sarobidy indrindra. Zava-poana ny ankoatr’izay… Hitany ny fahendrena, ny fahazavana, ny fiainana, ny fiadanana, ny hafaliana, ny hasambarana eto an-tany sy any an-danitra, ny fototra lalim-paka azony anorenana, ny famelan-keloka, ny fahasoavana. Hitany ny zavatra rehetra…

« Tsy misy na inona na inona ataony ho ambony noho i Jesoa Kristy, satria ho azy dia i Jesoa Kristy no fanaperana. Tsara dia tsara ny fomba ilazan’i Md Paoly an’izany : "Izay nety ho tombontsoa ho ahy, talohan’ny nibebahako, dia noheveriko ho fatiantoka, noho i Jesoa Kristy. Mihoatra noho izany aza : raisiko ho fatiantoka ny zavatra rehetra miohatra amin’ny fahambonian’ny fahalalana an’i Jesoa Kristy, Tompoko ; fa noho ny fitiavana azy no namoizako ny zavatra rehetra, nailiko ho toy ny fakofako, mba hahazoako an’i Jesoa Kristy, ary mba hahalalako an’i Jesoa Kristy, omban’ny herin’ny fitsanganany ho velona ary ny fiombonana amin’ny fijaliany, ka hanahafako ny fahafatesany " (Fil 3, 7-8-9-10)…

« Nilaozany ny zavatra rehetra mba hananany an’i Jesoa Kristy, satria i Jesoa Kristy no fanaperana ho azy, ary tsy misy na inona na inona ataony ambony noho i Jesoa Kristy… Dia izany no nataon’ny Apôstôly, rahefa nahita an’i Jesoa Kristy izy ireo : nilaozany ny haratony, ary nanaraka azy izy… (Mk 1, 38).

« I Jesoa no hany tiany hahitana sitraka, satria i Jesoa Kristy no hafaliany, hasambarany, Mpampianatra azy, Andriamanitra tompoiny.

« Koa ankehitriny, hoy i Md Paoly, inona moa no iriko : ny ho sitraky ny olombelona sa ny ho sitrak’Andriamanitra ? Moa ve ny hahita sitraka no tanjona kendreko ? Raha mbola maniry hahita sitraka eo imason’ny olona aho, dia tsy ho mpanompon’i Jesoa Kristy akory » (Gal 1, 10).

 

« Ny fahalalana an’i Jesoa Kristy no miteraka ny fitiavana, ary arakaraka ny ahalalantsika an’i Jesoa Kristy, sy ahalalantsika ny hatsaràny, ny fahamboniany, ny harena ao aminy, no hitomboan’ny fitiavantsika azy, ka hiezahantsika hahita sitraka eo imasony ary hanariantsika lavitra ny zavatra rehetra tsy mitondra any amin’i Jesoa Kristy…

« Tsy matahotra ny hoheverin’ny olona ho adala izy noho ny fitiavany an’i Jesoa Kristy… "Adalan’ny fitiavana an’i Jesoa Kristy isika" (1 Kor 4, 10). Ho an’i Md Paoly dia misy roa karazana ny olona sy ny pretra mitonona ho an’i Jesoa Kristy : ao ireo somary manaraka an’izao tontolo izao, ary ao ireo tena an’i Jesoa Kristy tanteraka… Aoka hihevitra izay tiany hoheverina izao tontolo izao, fa tsy mampaninona ahy ; aoka hataony hoe adala aho, fa tsy mampaninona ahy ; an’i Jesoa Kristy aho, ka manaraka azy, mizotra manaraka ny diany…

« Tsy misy mahasaraka azy amin’i Jesoa Kristy. Hoy ny hiakan’i Md Paoly : « Iza àry no hampisaraka antsika amin’ny fitiavan’i Jesoa Kristy ? […] Fantatro fa na ny fahafatesana, na ny fiainana, na ny anjely, na ny fanjakana, na ny fahefana, na ny zavatra ankehitriny, na ny zavatra ho avy, na ny fahefan’ny olombelona, na izay zavatra ambony indrindra, na izay zavatra lalina indrindra, ary na inona na inona zava-boaary, dia samy tsy misy afa-mahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Jesoa Kristy Tompontsika" (Rom 8, 35, 38-39).

« Ny tena hasambarany dia ny manara-dia an’i Jesoa Kristy. Henony ary takany tsara ny tenin’ny Mpampianatra manao hoe : "Avia, araho aho"… Azony tsara koa ireto teny ireto : "Ohatra no nomeko anareo, mba hanaovanareo toy izay nataoko" (Jo 13, 15). Dia miezaka izy hanahaka an’i Jesoa, Mpampianatra azy ary Môdeliny (Rom 8, 29)…

« Rahefa tiana amin-kitsim-po ny olona anankiray, dia finaritra ny tena manara-dia azy amin’izay alehany. Tiana ery ny mihaona aminy, ny mihaino azy, ary atao izay hanahafana azy.

« Ho an’i Jesoa Kristy no hany ahavelomany. "Fa teren’ny fitiavana aho, mieritreritra ny hoe : raha olona iray no maty ho an’ny besinimaro,

 

dia midika izany fa maty koa ny besinimaro. Fa maty ho an’ny besinimaro i Jesoa Krlsiy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho velona ho an’Ilay maty ary nitsangan-ko velona ho azy ireo" (2 Kor 5, 14)…

« I Jesoa Kristy no aina ivelomany. "Amiko, dia i Kristy no ahavelomako" (Fil 1, 21). "Tsy izaho intsony no velona, fa i Jesoa Kristy no velona ato amiko" (Gal 2, 20).

« I Jesoa Kristy no tokony ho fiainantsika, izany hoe i Jesoa Kristy no tokony hameno lalandava ny eritrerintsika andavanandro ; na andro na alina, aminy no tokony hifantoka ny hetahetam-pontsika rehetra sy ny fitiavantsika.

« Velona ho an’ny zanany ny reny, ny vady ho an’ny vadiny, ny sakaiza ho an’ny sakaizany, ny kahihitra ho an’ny volany, ny tiatena ho an’ny tenany, ny mpivarotra ho an’ny varotra ataony. Izany no fiainan’ireo olona ireo tsirairay avy : aoriny eo amin’izay zavatra katsahiny ny fiainany, aoriny eo amin’izay zavatra tiany ; ka raha sendra tafasaraka an’izany izy dia velon-tomany, zary manjoretra, ary velon-toreo mandra-pahazoany an’ilay zavatra iorenan’ny fitiavany indray.

« Ho antsika, dia i Jesoa Kristy no fiainantsika.

« Ao anaty famantaranandro dia misy vy miaina mampihetsika ny milina rehetra ao, ka ahafahany manondro ny ora. Ho antsika dia tokony ho i Jesoa Kristy io vy miaina tsy hita maso ary miafina io, izay sady ahafahantsika manondro lalandava an’i Jesoa Kristy rahateo.

« Izay misy ny harentsika no misy ny fontsika koa. Raha i Jesoa Kristy no harentsika dia ho ao aminy mandrakariva ny fontsika sy ny saintsika… » (VD, p. 114-118).

« Ny mahalala an’i Jesoa Kristy, ny mitia an’i Jesoa Kristy, ny manahaka an’i Jesoa Kristy, ny manara-dia an’i Jesoa Kristy, izany no hany faniriantsika, izany no fiainantsika manontolo » (Ny vaindohany amin’ny tanjona tratrarin’ny Fikambanan’ny Pretran’ny Prado, 1879).

 

Andeha ho any amin’i Jesoa Kristy

Rahefa tsapa ny fahambonian’i Kristy ny hatsaràny, ny tonga ao an-tsaina dia ny handray azy ho Mpampianatra sy ny hanolo-tena aminy :

« Sitrakareo ve ny hanolo-tena ho an’i Jesoa Kristy ? Tsapanareo misy faniriana te ho azy ve ao am-ponareo ? Ary raha tsy an’i Jesoa Kristy ianareo, dia ho an’iza ? Henoy ny antson’i Jesoa Kristy. Henoy ny fampanantenana ataony » (VD, p. 119).

« Tsapanareo mitsiry ao am-ponareo ve izany fahasoavana izany ? Izany hoe tsapanareo misy hery manosika anareo hankany amin’i Jesoa Kristy ve ao anatinareo ? misy fihetseham-po feno figagana an’i Jesoa Kristy ve ao, noho ny hatsarány, noho ny fahamboniany, noho ny hatsaram-pony tsisy fetra ka nitarika azy ho tonga ety amintsika ? fihetseham-po manohina antsika ary mandrisika antsika hanolo-tena ho azy ? fofon’Aina kely avy amin’Andriamanitra manentana antsika avy any ambony, tara-pahazavana kely avy amin’Andriamanitra manilo antsika ho afa-manarangarana an’i Jesoa Kristy sy ny hatsaràny tsisy fetra ?

« Raha tahiny rentsika izany fofon’Aina avy amin’Andriamanitra izany, raha misy tara-pahazavana kely tsinjontsika, raha mba mahatsiaro kely ho voatarika hanatona an’i Jesoa Kristy isika, endrey ! aoka hokajiana izany hery misarika antsika izany, ka hampitomboina amin’ny alalan’ny vavaka, ny fandinihana masina, ny fandalinana, mba hivelarany sy hamokarany… » (VD, p. 119).

 

III Ny Evanjely

Na tao amin’ilay efitrano keliny tao amin’ny Prado, na tamin’izay toerana rehetra tiany nisintahana mba hanovozany herim-panahy vaovao, dia fanaon’i Mompera Chevrier ny mandany ora maro mandalina ny Evanjely :

« Miantrano aty amin-dry Mompera Carmes aho amin’izao fotoana izao, mba hahafahako mivavaka kely ary mandinika ny fahantran’ny Tompontsika. Mamaky ny Evanjely masina aho. Akory ny hatsaràn’izay rehetra lazain’ny Tompontsika ao, ka tokony hiezahantsika hampiharina eo amin’ny fiainana tokoa ! Halalino mandrakariva io boky soa dia soa io ; aza mitsahatra mamaky azy, mba hahafahanareo mananatanteraka izay hitanareo ao ; fa ireny rahateo no fitsipika mifehy antsika, fantatrareo izany… » (Taratasy faha-64 ho an’i Mompera Jaricot, 1868).

« Mba hahafahana mahalala tsara an’Andriamanitra dia zava-dehibe sady midadasika no tsy maintsy ho halalinina, nefa koa zavatra mamy dia mamy, hany ka satry hatokana amin’izany ny fotoana rehetra » (Taratasy faha-268 ho an-dRamatoakely isany Mercier sy Bonnard, 1860).

Inona no antony handalinana ny Evanjely ?

Ho an’i Mompera Chevrier, ny fitozoany handalina tsy an-kiato ny Evanjely dia nateraky ny finoany an’i Kristy, izay "Mpanelanelana ary hafenoan’ny Fanambaràn’Andriamanitra (Dei Verbum, 2) :

 

« Raha mandre an’i Jesoa Kristy isika, dia ny Ray no rentsika ; "ny fitenin’Andriamanitra no teneniny", hoy i Md Joany (Jo 3, 34).

« Raha mahita an’i Jesoa miasa isika dia Andriamanitra Ray no hitantsika miasa eo aminy, satria tsy misy na inona na inona ataon’ny Zanaka amin’ny anaran’ny tenany, fa ny Ray mihitsy no manao ny asa ataony.

« Tahaka ny inona moa ny hakanton’izany rindran-damina izany ! Tahaka ny inona ny fifanarahan-tsaina amam-panahy eo amin’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina !

« Koa inona indray àry no tokony hataontsika, afa-tsy ny mibanjina an’i Jesoa Tompontsika, mihaino ny teniny, mandinika ny fihetsiny sy izay ataony, mba hahafahantsika manahaka azy ary mandray ny Fanahy Masina hameno ny fontsika…

« Fitsipika marim-pototra ary azo antoka io ho antsika, raha tiantsika ny ho feno ny Fanahy Masina, ka hiasa sy hisaina araka izay sitrany.

« Ny Evanjely no mirakitra ny teny nolazain’i Jesoa Kristy sy ny asa nataony. Nanenika ny fiainany manontolo sy ny asa rehetra nataony ny Fanahin’Andriamanitra. Ny teniny sy izay nataony rehetra dia toy ny hazavana omen’ny Fanahy Masina antsika, nanomboka teo an-Tranonomby ka hatreny an-tampon’ny Kalvery. Ny teny rehetra nolazain’i Jesoa, ny ohatra rehetra nomeny dia toy ny tara-pahazavana avy any an-danitra manilo sy mamelona antsika.

« Izay te ho feno ny Fanahin’Andriamanitra dia tsy maintsy mandinika ny Tompontsika isan’andro vaky : mandinika ny teny nolazainy, ny ohatra nomeny, ny fiainana nasehony. Koa ny loharano anovozantsika ny aina dia tsy hafa fa io : ny Fanahin’Andriamanitra (VD, p. 225-226).

« Mandritra ny vavaka fanao isan’andro no tsy maintsy anaovana an’izany fandalinana izany ka andraisana an’i Jesoa haninteraka ny fiainana » (VD, p. 227).

 

Ny Evanjely, "herin’Andriamanitra" eo amin’ny fanatanterahana ny asa anirahana ny Apôstôly…

Tao amin’ny Evanjely koa no nanovozan’i Mompera Chevrier ny fahefana sy ny hery nilainy, ka nahafahany niteny sy niasa amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, araka ny maha pretra azy :

« Safo-kenatra aho fa mahatsiaro tena ho mahantra faraidiny, tsy mahefa na inona na inona ary bitika dia bitika ; ary raha tsy fantatro fa hoe ao amin’ny Evanjely masina sy ao amin’ny Taratasy nosoratan’i Md Paoly no hanovozako ny zavatra rehetra, dia tsy ho nanomboka an’ity asa ity velively aho, satria raha izaho dia tsy mahay na inona na inona tokoa. Tsy nahavaky boky firy aho, tsy haiko ireo mpanoratra namakafaka fotokevi-dehibe momba ny fiainan-drelijiozy ary momba ny fiainan’ny pretra… Saingy rahefa miaraka amin’ny Evanjely masina aho dia toa mahatsiaro tena ho matanjaka kokoa, ho velom-panantenana, satria tokoa, rahefa fotorina, tsy izaho no inona fa i Jesoa Kristy ; ary rahefa miaraka aminy, tsy misy mivaona izay atao ; rahefa miaraka aminy dia eo an-tanana ny fahefana ; rahefa miaraka aminy dia matanjaka kokoa ny tena ary tsy misy na iza na iza afa-manakiana. Koa aminy aho no hiantehitra, Izy no antenaiko… » (Taratasy faha-309 ho an-dRamatoa Franchet, 1869).

« Misintaka kely aty Limonest aho, hiasa sy hivavaka, mba hahafahako miresaka amin’ireo seminarista, miaraka amin’ny Evanjely. Tsapako fa zava-dehibe io raharaha io, ary fantatro fa mila ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fahazavany tokoa aho, mba hahazoako manangan-javatra mafy orina, marim-pototra, ary mateza. Tsapako fa ny fahefan’ny Tompontsika ihany no afa-manome hery ahy sy azoko iankinana eo anatrehan’izy ireo, ary ny ain’ny Tompontsika sy ny teniny no tsy maintsy ivelomako, mba hahafahako miteny amin’ny anarany ; tsy mora izany… » (Taratasy faha-446 ho an-dRamatoakely de Marguerie, 1877).

 

Ny Evanjely : trano mivoha, azon’ny besinimaro hidirana…

Na dia zava-tsy, fanao firy tamin’izany fotoana izany aza ny mampirisika ny olona hamaky sy hianatra Soratra Masina, dia nasain’i Mompera Chevrier nataon’ireo kristianina nidodododo nanatona azy, toy izany koa ireo nanampy azy nitory ny Evanjely tamin’ny mahantra. Notarihiny izy ireo hiditra ao amin’ny Evanjely, toy ny miditra ao amin’ny trano nomanin’Andriamanitra ho azy ireo, ka hampiasa an’izany araka izay hilany azy :

« Matetika i Mompera no niteny taminay hoe : "Raha tianareo ho fantatra izay tokony hoheverina momba ny zavatra anankiray, dia zahao ny Evanjely. Ny Evanjely no tokony hamolavola ny fomba entintsika mandini-javatra. Ny Evanjely no boky nanofana ny olomasina" (Fanambaràna nataon’i masera Marie, maseran’ny Prado voalohany).

« Ao amin’ny fiainan’ny Tomponsika no ahitana ny fahendrena sy ny fahazavana. Amin’ireo antsipirian-javatra ireo no isintonantsika ny fitsipika mifehy ny fiainantsika, ka ahatongavantsika amin’ny fahalavorariana ; ao no ahitantsika fampianarana azo antoka, araka an’Andriamanitra, satria Andriamanitra rahateo no manolo-tena miseho amintsika eo.

« Hatao inona àry ny Evanjely raha tsy hifotorana ho halalinina tsinona ?

« Mba hahalalana tsara ny Evanjely anefa, dia tsy maintsy tomorina ny antsipirian-javatra madinika isanisany, ny fihetsika tsirairay avy, fa avy amin’izany no ahafahantsika mifanojo amin’ny tena fahendrena.

« Rahefa mandeha eny an-dalana isika, ka mahita trano tsara tarehy, dia sady manopy maso any no miteny hoe : tsara izany trano izany ! Ny ivelany fotsiny anefa no hita ; tsy fantatra izay rehetra ao anatiny, izay fandaminana rehetra ao, izay zavatra tsara sy mahasoa ao, sns… Mandalo ny tena, manopy maso, dia miteny hoe : Tsara izy izany ! dia izay ; tsy afa-mampiasa azy akory…

 

Fa raha miditra ao anatiny ianao, ka mitsidika ny rihana rehetra sy ny efitra tsirairay, dia ho afa-migaga ny filaminana hita ao, ny hatsaràn’ny ao anatiny, ny zavatra rehetra mirindra tsy misy tomika ao.

« Toraka izany koa ny Evanjely ; maro ny manao tazan-davitra, dia miteny hoe : Tsara izy izany ; saingy tsy miditra izy handinika ny zava-tsoa ao anatiny ao, hany ka tsy afa-mampiasa azy, tsy afa-mianoka amin’izay misy ao sy manararaotra an’izany.

« Raha tiana ho fantatra ny trano anankiray, dia tsy maintsy idirana ny ao anatiny ary ampiasaina ny efitrano misy ao.

« Raha tiana ho fantatra ny Evanjely, dia tsy maintsy idirana ao anatiny, jerena ny antsipiriany, ampiharina amin’ny fiainana izay hita ao ; koa inona no misakana antsika tsy hitsidika azy, ka handinika amin’ny antsipiriany ny zavatra hita ao, mba hahatakarantsika avy hatrany ny hakanton’izany trano izany, ny halehibeny ary ny fahalavorariany. Io tokoa manko no tapan’ny Fahendrena » (VD, p. 516).

« Raha tiana ny hahalala an’i Jesoa Kristy, andeha isika ho any an-doharanon’ny finoana izay nomen’Andriamanitra antsika, fa hitantsika ao amin’ny Evanjely masina izany » (MS VIII, p. 156).

 

 

 

 

IV Ny lalana izoran’ny mpianatra

Manara-dia an’i Jesoa Kristy

« Avia manaraka ahy » (Mk 10, 21). Toavina ho Mpampianatra i Jesoa, mirotsaka ho mpianany ny tena ; izany hoe : manatona an’i Jesoa ary mifikitra aminy, ary koa manaiky hanara-dia azy amin’ny lalana efa nizorany :

« I Jesoa Kristy no toaviko ho Mpampianatra ahy. Sitrako ny hihaino sy hanara-dia azy, miova tsy mpianany marina, tsy manao tazan-davitra, fa ny eo akaikiny indrindra » (Ms XI, p. 34).

« Ny hoe manara-dia an’i Jesoa Kristy, dia ny mandeha amin’izay rehetra alehany, ny manao izay rehetra ataony, ny tsy misaraka aminy na oviana na oviana.

« Ny mianatra azy araka izay mety ho vita.

« Ny manaraka ny ohatra nomeny ; ny manahaka azy araka izay lavorary indrindra mba ho zary tenany hafa : fa ny pretra dia Kristy hafa.

« Ny afa-miteny toa an’i Md Paoly manao hoe : "Tahafo aho, tahaka ny anahafako an’i Kristy" (1 Kor 11, 1).

« Izany indrindra no tian’ny Tompo bambara, raha niteny tamin’ny-Apóstóly izy nanao hoe : "Ohatra no omeko anareo, mba hanaovanareo toy ny nataoko" (Jo 13, 15).

« Ny manara-dia an’i Jesoa Kristy, dia ny miaraka aminy ao an-Tranonomby, mifidy ny ho mahantra.

 

« Ny manaraka azy any Ejipta, hiaina an-tsesitany sy hianjadiam-pahantrana toa azy.

« Ny mijanona miaraka aminy ao Nazareta, anaty fanginana, manaiky fiainana miafina tsy hitan’ny olona.

« Ny mandeha miaraka aminy mamakivaky efitra, mba hifady hanina sy hivavaka.

« Ny mitety ny tanàna sy ny vohitra, hampianatra ny tsy mahay, hampionona ny torotoro fo, hanasitrana ny marary ary hitory ny famonjena an’izao tontolo izao.

« Ny miady amin-kerim-po sy finiavana hamongotra ny toetra ratsy ary hanohitra ny ota.

« Ny misedra ny fanenjehana sy ny tsy rariny ataon’izao tontolo izao.

« Ny mananika ny Kalvery, ka manolo-tena ho faty eo.

« Ny manaiky hofantsihana amin’ny hazofijaliana, ary ho faty ho fanoavana an’Andriamanitra sy ho famonjena an’izao tontolo izao.

« Ny mankany an-danitra miaraka aminy, satria efa nilaza Izy fa izay nanaraka azy tety an-tany dia ho eo anilany any an-danitra.

« Ny mpanompo tsy ambony noho ny tompony : ampy ho an’ny mpanompo ny mitovy amin’ny tompony, dia efa izay no fahalavorariany.

« Izaho no Lalana » (VD, p. 341).

« Araho aho, izany hoe : manaova toy izay nataoko, ny lalana nodiaviko izorana ; araho aho amin’ny lalana nanatontosako ny iraka nankinina tamiko ; tahafo izay nataoko, araho ny diako, aza mizotra amin’ny lalan-kafa sao diso lalana ianareo ka tsy ho tody amin’izay tian-kaleha. Tsy maintsy tohizinareo ny asa natomboko. Ianareo no irako sy dimbiko : tsy maintsy manahaka ahy ianareo mba ho tody soa amin’ny tanjona. Nampibebaka an’izao tontolo izao aho : nizotra amin’ny lalan’ny Tranonomby sy ny Hazofijaliana. Izany lalana izany ihany arahina, mba ho tody amin’ny tanjona nahatongavako, raha tsy izany tsy ho tafita ianareo… Irahiko ianareo, tahaka ny nanirahan’ny Ray ahy ;

 

manaova toy ny nataoko, raha tianareo ny hahatontosa ny iraka ankiniko aminareo amin’ny anaran’ny Raiko » (VD, p. 342).

Miezaka ho Jesoa Kristy hafa

Mba hahafahany manatontosa ny iraka maha pretra azy eo anivon’ny mahantra, dia noheverin’i Mompera Chevrier fa tsy maintsy iainany eo anivon’izy ireo mihitsy ny misterin’i Kristy, manomboka eo amin’ny Tranonomby ka hatreny an-tampon’ny Kalvery. Faniriany ny hahafahan’ireo havana tsy nambinina, eto amin’izao tontolo izao, mba mahita sy mahatsapa an’i Jesoa, amin’ny alalan’ny Mpianatra, fa ireo no sakramenta maneho azy :

« Tokony ho lalina dia lalina ny fiombonantsika amin’i Jesoa, tokony ho hita taratra ety ivelany, tokony ho tena lavorary, hany ka izay olona mahita antsika dia ho vaky vava hanao hoe : i Jesoa Kristy hafa iny ! Tokony hotahafintsika, na eto ivelany na ny ao anaty, ny hatsaram-panahin’i Jesoa Kristy, ny fahantrany, ny fijaliany, ny vavaka nataony, ny fitiavany. Tsy maintsy asehontsika ho hita eo amin’ny fiainantsika i Jesoa Kristy mahantra ao an- Tranonomby, i Jesoa Kristy miaritra ny fijaliany, i Jesoa Kristy manaiky ho sakafo ao amin’ny Eokaristia masina » (VD, p. 101).

« Raha tsy mino ny teny lazaiko ianareo, inoy ahay ny asa ataoko, hoy ny Tompontsika tamin’ny Jody. Enga anie ho afa-miteny toy izany koa isika, ka haneho ny asantsika ho hitan’ny olona, ary hitarika azy ireo hino sy hibebaka. Jereo : tahaka ny inona ny fahantrako, ny fahoriako mifantsika amin’ny hazofijaliana, ny fanekeko ho sakafo hamelona anareo ; tsy miloa-bava aho noho ny soa ho anareo » (VD, p. 137).

« Tsy maintsy atao hita taratra amin’ny fihetsika rehetra asehontsika ety ivelany i Jesoa Kristy. Ny tenantsika manontolo no tokony hanambara an’i Jesoa Kristy » (VD, p. 197).

« Tsy maintsy iezahana ny ho Jesoa Kristy hafa hita maso » (Ms X, p. 38).

 

« Ny hanahaka ny Tompontsika, ny hanara-dia an’i Jesoa Kristy, ny ho Jesoa Kristy hafa ety an-tany, izany no tanjona nokendreko hatrany am-piandohana » (Taratasy faha-75 ho an’i Mompera Dutel, 1869).

Ny Tranonomby, ny Kalvery, ny Tabernakila

Ny fiovan’ny tena, hanahaka an’i Jesoa Kristy, tanjona hitodian’ny ezaka ataon’ny Mpianatra, dia tsy vita indray maka : tsy maintsy mandalo amin’ny dingana maromaro vao tonga amin’ny fiombonana tanteraka amin’ny Mpampianatra. Ny fibanjinany ny misterin’i Jesoa no nahatonga an’i Mompera Chevrier hilaza fa ireo dingana ireo dia ny Tranonomby, ny Hazofijaliana ary ny Eokaristia. Izao no nosoratany tamin’ilay namany naniry hiara-miaina aminy ao amin’ny Prado, tamin’ny volana janoary 1866 :

« Misy fotokevitra dinihiko tsy tapaka, dia ity : Kristy hafa ny pretra. Tsy maintsy miezaka isika haneho eo amin’ny fiainantsika manontolo ny fiainan’i Jesoa Kristy, môdelintsika : mahantra sahala aminy tao an-Tranonomby, mifantsika eo amin’ny hazofijaliana sahala aminy ho famonjena ny mpanota, manolo-tena ho sakafo sahala aminy ao amin’ny sakramentan’ny Eokaristia. Sahala amin’i Jesoa Kristy, dia olona mahantra tsy miraiki-po na amin’inona na amin’inona ny pretra, olona mifantsika amin’ny hazo fijaliana, olona manolo-tena ho sakafon’ny mpino kristianina. Mba hahafahan’ny mpino mihinana azy anefa, dia tsy maintsy ho sakafo tsara masaka izy, amin’ny alalan’ny fahafoizan-tenany tanteraka, tsara masaky ny fahantrana sy ny fahoriana ary ny fahafatesana, sahala amin’ny Mpamonjy môdelintsika ; ka amin’izay, izay rehetra ao amintsika dia ho zary sakafo hiveloman’ny mpino tokoa : ny tenintsika, ny oha-piainana omentsika ; ary dia manaiky ho lany mondron-kery isika mova tsy ny reny lany mondron-kery mamelona ny menaky ny ainy » (Taratasy faha-56 ho an’i Mompera Gourdon).

Io tarigetra hoe « pretra araka ny Evanjely » io dia nataony soratra hosodoko mivandravandra tamin’ny rindrin ny tranokely anankiray

 

fandehanany mihataka kely rahefa mivavaka izy, ary fitondràny matetika an’reo seminarista hofaniny hiaina araka ny Evanjely. Io soratra io no antsoina hoe « Tabilaon’i Saint-Fons », fa lzany no anaran’ilay toerana, tsy lavitra an’i Lyon ; mbola hita ao izy io mandraka ankehitriny. Hahita io tabilao io any amin’ny pejy faha-44. Izao no fototra iorenan’ny fiainam-panahy noezahin’i Mompera Chevrier hampidirina tao amin’ny fiainan’ireo tanorany miofana ho pretra :

« Miezaha ho tena mahantra tokoa, mahaiza mamola-tena tsara, manàna fitiava-namana marina. Ny Tranonomby, ny Kalvery, ny Tabernakla : ireo no tokony hanovozanareo faha-lalana, haha pretra sy haha katesista tonga lafatra anareo ». (Taratasy faha-61 ho an’i Mompera Jaricot, 21 marsa 1866).

« Ny Tranonomby, ny Kalvery, ny Tabernakla : ireo no toerana telo tsy maintsy ijanonantsika, mba hahatontosantsika antsakany sy andavany ny antso niantsoan’Andriamanitra antsika… Ireo no toerana telo tiako honenanareo mandrakariva. Aoka ny misterin’ny Tompontsika tsy hanavao anareo velively, mba hahafahanareo miteny momba azy, tahaka ny hoe fanananareo, tahaka ny hoe zavatra efa mahazatra anareo ; mitovy amin’ny olona tsy sahirana miteny momba ny fiainany, momba ny fitafiany sy ny asa fivelomany » (Taratasy faha-64 ho an’i Mompera Jaricot, 20 mey 1868).

« Ho lasa ambony ianareo rahefa tonga pretra, nefa miezaha ho madinika ihany koa, mba ho ianareo no ho Jesoa Kristy vaovao ety ambonin’ny tany. Tsarovy fa manana adidy ianareo hampiseho ny Tranonomby, ny Kalvery, ny Tabernakla ; aoka ireo famantarana telo ireo ho toy ny mariky ny loaky ny fantsika entinareo lalandava eo amin’ny tenanareo : ianareo no madinika indrindra eto an-tany, ianareo no mpanompon’ny olona rehetra, andevon’ny hafa noho ny fitiavana, ianareo no madinika indrindra noho ny fanetren-tena. Zava-tsoa loatra izany, saingy zava-tsarotra aok’izany koa ! Ny Fanahy Masina no hany afa-manampy antsika hahatakatra an’izany.

 

Koa enga anie handray azy safononoka ianareo » (Taratasy faha-121 ho an’i Claude Farissier ary an’ireo seminarista nobeaziny hafa, ny andro mialoha ny hanamasinana azy ireo ho pretra, 22 mey 1877).

Koa satria i Kristy mihitsy no soloin’ny pretra tena eo anivon’ny olona, dia tsy maintsy miezaka izy ho lavorary toy Ilay soloiny tena. Rahefa entanin’ny teny ataony sy ny ohatra omeny ny tsirairay eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra, dia ho afa-mikatsaka ny fahalavorarian’ny fitiavana ihany koa, araka izay tandrify ny toe piainany avy, amin’ny alalan’ny fiombonana amin’i Kristy sy ny misteriny. Hoy i Mompera Chevrier :

« Ny pretra no fanaperana, izy no Jesoa Kristy ety an-tany. Tsy maintsy miezaka aho ho Jesoa Kristy hafa ety an-tany, mba ho tonga Jesoa Kristy velona ihany koa ireo rehetra avy manatona eto. Io no hany fomba hahafahana mampibebaka ny fanahy » (Taratasy faha-295 ho an-dRamatoa Franchet, 1865).

Tsy natokany ho an’ny pretra irery anefa io tarigetra nosoritany teo amin’ny « Tabilaon’i Saint-Fons » io ; izay rehetra tsapany fa antsoin’Andriamanitra hiaina araka ny Evanjely, na lahy na vavy, dia natorony an’izany lalana izany avokoa :

« Tamin’ny voalohany, hoy ity vehivavy anankiray notarihiny hibebaka, raha niezaka nitantana ahy amin’ny lalan’ny fiainana lavorary izy, dia nohazavainy elabe tamiko, indray andro izay, fa hoe ireto vanim-potoana telo teo amin’ny fiainan’ny Tompontsika ireto no mirakitra azy manontolo : ny Tranonomby, ny Kalvery, ny Tabernakla. Ny Tranonomby no fiomanana : mampianatra antsika tsy hiraiki-po na amin’inona na amin’inona ary hanana toe¬pon’ny mahantra ; ny Kalvery no manapaka ny fatopatotra rehetra mandrohirohy ny fo, mampianatra antsika hamoy ny zavatra rehetra eto amin’izao tontolo izao ; ny Tabernakla no anovozana ny fahamasinana amin’ny alalan’ny fitiavana lavorary. Tsy ny olona rehetra akory no tonga eo amin’ny dingana faharoa, hoy izy tamiko ;

 

ary vitsy dia vitsy no tafakatra eo amin’ny dingana fahatelo » (Naoty nosoratan-dRamatokely Grivet).

Nisy olona anankiray hafa nanoratany, asa na relijiozy na lahika :

« Aza tapaka na oviana na oviana manao fandinihana masina antsasakadiny isan’andro ; ary amin’ny fandinihana masina ataonao, dia misaora mandrakariva ny Tompontsika noho ny fahasoavan-dehibe nomeny ny olombelona, tamin’ny nahatongavany tety an-tany ary nahafatesany ho azy ireo sy ho anao.

« Aza mitsahatra mitadidy an’izany mistery lehibe izany ao am-ponao : ny Tranonomby, ny Kalvery, ny Tabernakla. Ao an-Tranonomby no hianaranao mahafoy ny zavatra rehetra ary miaina anatin’ny fahantrana sy ny fandaozana an’izao tontolo izao ary ny zavatry ny tany. Eo amin’ny Kalvery, no hianaranao mijaly, manao asa fivalozana ary maty ho an’ny tenanao : mijaly ary maty miaraka amin’ny Tompontsika. Ao amin’ny Tabernakla, no hianaranao mamantatra ilay fitiavan-dehibe nanoloran’ny Tompontsika ny vatany, ny fanahiny, ny maha Andriamanitra azy, ho antsika, ary koa hianaranao mitia ny rahalahinao sy mahafoy tena ho azy, toy ny nataon’i Jesoa Kristy.

« Miezaha àry manahaka an’i Jesoa Kristy ; raha te ho lavorary ianao, aza ialana izany fibanjinana ny hatsaram-panahin’ilay Andriamanitra Mpampianatra anao izany, ary isan’andro dia mijanòna eo amin’ireo toerana telo ireo, ka manomeza toky ny Mpamonjy anao, fa hanao zavatra ianao ho fanehoam-pitiavana azy.

« Mitomboa ao amin’ny finoana sy ny fitiavana ny Tompontsika, amin’ny alalan’ny fandinihana masina ataonao isan’andro ; ary rahefa avy eo, ataovy izay atoron’ny Tompontsika anao momba ny fahantrana, ny fivalozana ary ny fitiava-namana »

 

 

V Ny mahantra

Teo anivona vahoaka mahantra ary hitondra fanampiana ho an’io vahoaka io no nandrenesan’i Mompera Chevrier ny antso mitaona azy hibebaka, ka hanompo aii’i Jesoa sy ny Evanjeliny.

Ny maso misokatra hahita izao fahoriana ankehitriny izao

Fony izy vikera tao amin’ny paroasy Saint-André no tohina mafy « nahita fa mampihoron-koditra ny fitombon’ny fahantrana mianjady amin’ny olona. Sahala amin’ny hoe : arakaraka ny mampanan-karena ireo ngeza amin’izao tany izao, ary arakaraka ny hiangonan’ny harena eo an-tanan’ireo vitsivitsy manao azy am-pihi-mamba, no vao mainka koa mampitombo ny fahantrana, mampihena ny asa misy, ary mahatonga ny karama tsy ho voaloa. Hita fa misy mpiasa fadiranovana mifofotra miasa hatramin’ny vao mangiran-dratsy ary tsy mijanona raha tsy efa miloaka alina, kanjo dia zara raha mahazo kely hividianana sakafo ho azy sy ny ankohonany. Nefa, tsy ny miasa ve no fomba tokony hahafahana mividy sakafo hohanina ? » (Toriteny, Ms IV, p. 665).

Tao amin’ny toriteny momba ny fanabeazana, nataony tamin’ny taona 1852, dia izao no nolazainy tamin’alahelo :

« Raha tombanana ny ankizintsika ankehitriny, sy ny fisahiranan’ny olona manao izay hahaizan’izy ireo asa fivelomana, toy izao na toy izatsy, ary ny tsy firaharahaina velively an’izay rehetra mikasika ny famonjena azy ireo, na ny mikasika ny fiainam-panahiny,

 

dia mova tsy hoe natao mitovy torosy amin’ireo milina eo anivony ireo ny tanjom-piainany ; na tahaka ny voalazan’ilay olona anankiray izay manao hoe : zary milina enti-miasa izy ireo, ary natao hampanan-karena ny tompony… » (Toriteny, Ms III, p. 12).

Ny fahoriana mianjady amin’ny ankizy mahantra

Nanohina ny fon’i Antoine Chevrier ny fahitana ny fahantrana mianjady amin’ny zana-bahoaka, tsy mba manam-piahy. Nifantoka manokana tamin’ny fahorian’izy ireo ny fo amam-panahiny, nandritra ny fiainany manontolo. Izao no nosoratany ho an’i Camille Rambaud, taratasy faha-23 tamin’ny volana jona 1859 :

« Ireo zaza fadiranovana ireo, rahefa avy manatona anao, mitafy voronkitsay mahatsiravina, dia indrisy maharikoriko tsy maha te-hijery. Hany ka tsy zakan’ingahy A… hanatona azy akory ; nony handeha izy, dia nomeny tavoahangina divay vitsivitsy aho hankahery ahy sy hamerina ny aiko, hono, sady nampiany hoe : "Tandremo sao zarainao amin’ireo forongonao ireo indray !" Mampalahelo ny olona miteny toy izany ; nefa moa izany no toe-tsainy, tsy afa-mihoatra an’izany izy, ka hatao ahoana ! Ary io toe-tsaina io no toe¬-tsain’ny maro an’isa. Hany ka atosi-bohon-tanana ny ankizy, haratsiana ary tsy omena hasina ; hataony ahoana àry no fiaina miaraka amin’ny olona manambany sy manilika azy ? »

Nisy vehivavy mpanao soa ny Prado nitantara an’ity zavatra ity, tamin’ny fanadihadiana natao momba ny hananganana an’i Mompera Chevrier ho Olontsambatra :

« Indray maraina, rahefa avy namonjy ny lamesa nataony aho, dia nandeha niresaka taminy ; namirifiry ny hatsiaka tamin’izay, fa aty ririnina indrindra ; dia nanatona ahy izy, nilaza hoe : "Misy ankizy marobe mijaly amin’izao fotoana izao. Tokony hangonina ireny zaza madinika niangaran’ny vintana ireny :

 

Mbola kely tahaka ireny dia efa ianjadiam-pahoriana sahady. Misy anankiray marani-tsaina izay any, hitako nitomany. Natoniko nanontaniako izay manjò azy. Dia hoy ny navaliny : Mijaly be aho. – Fa ise, aiza no matory ? – Misy barìka izay – fatoriako. – Ao anaty barìka ve ise no matory ? Ary rahefa hisakafo dia ahoana ? Dia nisy trano anankitelo natorony ahy. – Hitanao : amin’ny maraina, misy manome sakafo kely ahy, ao amin’ity trano ity ; ary amin’itsy magazay mikatona itsy, misy ankizy ao ; avy eo amin’ny fitaratra aho no mijery azy ireo mihinana, rahefa misakafo ry zareo ; ka nony hitany aho, dia mba itondrany, ary asainy miditra mamindro, rahefa avelan’ny mamany ; ny hariva, misy ramatoa izay, eo akaikin’ny tranon-dry zareo, manome lasopy ahy ; avy eo aho lasa matory ao anatin’ilay barìka natoroko anao. – Mampalahelo ise : tsy ngolin’ny hatsiaka ve ? – Mangatsiaka tokoa ! Fa mitakoko aho ; mitakoko : rahefa mangatsiaka ny ilany dia mitakoko amin’ny ilany indray. – Izao àry ! Andeha ise hiaraka amiko ; tsy manana fandriana homena an’ise aho fa efa feno olona daholo ny fandriana. Hividy mololo aho, hapetratsika amin’ny tany, hasiana bodofotsy ; hahazo aina kokoa ise noho ny ao anatin’io barìka io. Raha vao mahazo fandriana aho dia homeko ise." Dia notohizany hoe : "Tadiaviko hatraiza hatraiza ireny ankizy ireny, na andro na alina, eny amin’ny sakeli-dàlana, eny amin’ny arabe, eny anelakela-trano, ary eny amin’ny fanariam-pako aza. Endrey ! Ahitako zavatra tsara eny amin’ny fanariam-pako eny ! Matoky aho fa misy vitsivitsy amin’izy ireny mety ho pretra tonga lafatra" » (Fanambaràna notaterin’i Marie Foulquier, P 3, p. 183).

Ao amin’ilay fitsipika voalohany narafiny tamin’ny volana desambra 1857, herintaona taorinan’ny nibebahany, dia izao no nosoratan’i Mompera Chevrier :

« Rahefa mahita ankizy faran’izay maharikoriko aho, dia izao no ataoko : nahafoy ny ainy i Jesoa, maty ho azy io sy ho ahy,

 

 

koa inona indray no tsy tokony hataoko ? i Jesoa aza manolo-tena ho sakafony, ka izaho : inona no tsy tokony homeko azy ? ».

Nanorina ny Prado izy tamin’ny taona 1860 mba « hanomanana amin’ny komonio voalohany an’ireo ankizy mahantra sady efa be taona, tsy mba afa-manao izany any amin’ny paroasy intsony. Ny ankamaroan’izy ireny dia zaza efa niasa fony vao valo na sivy taona, ary tsy mba nalefan’ny ray aman-dreniny nianatra an-tsekoly na nianatra katesizy ; ary avy eo rahefa be taona dia tsy sahy miara-mianatra katesizy amin’ny ankizy intsony » (Ms X, p. 256).

« Tsy misy mahita ho kianina rahefa hoe ankizy zanaky ny manan-katao, na zanaky ny mpiasa, no tsy manao afa-tsy ny mianatra sy mandray fanabeazana mandritra ny telo, efatra, folo taona aza, any an-tsekoly na any amin’ny kilasimandry ; izahay kosa kianina raha mitàna ankizy mahantra mandritra ny dimy volana, tsy mamela azy ireo hiasa, fa manabe azy hiaina araka ny fiainana kristianina, ary mampianatra azy ireo handray andraikitra ! » (VD, p. 305).

« Mba hahafahana miditra eto, hoy izy, dia misy fepetra telo takiana : tsy manana na inona na inona, tsy mahay na inona na inona, tsisy vidiny eo imason’ny olona » (P 2, p. 31).

Mitia ny mahantra

Tsy mora ho an’ireo mpikarakara ny miara-miaina isan’andro tamin’ireo sakan-jaza ireo, izay tsy maintsy "notambatambazina ho tamàna" aloha voalohany indrindra. Manoratra ho azy ireo i Mompera Chevrier :

« Tsy maintsy entina amin-kalemem-panahy sy amim-pitiavana ny ankizy, ary na inona na inona antony dia tsy fanao na oviana na oviana ny mikapoka azy. Raha manao hadalana izy dia tokony hahitsy am-paharetana ombam-pivavahana. Hibebaka no hahatongavany eo ; tsy mety ho hendry ao anatin’ny iray andro izy ;

 

tsy azo atao ny mirotoroto, mahaiza miandry am-paharetana ; ary ny fahasoavan’Andriamanitra no tokony hianteherana kokoa noho ny tenantsika. Ahazoan-javatra be lavitra ny halemem-panahy noho ny fomba hafa. Aoka izy ireo ho tiavina toy ny ankizy asaina entintsika mitodi-doha amin’Andriamanitra. Voafintina amin’izao teny izao ny zavatra rehetra : aoka isika ho toy ny ray aman-dreny ho azy ireo, hanana fon-dray sy fon-dreny afa-mitia azy ireo. Isika no misolo tena an’i Jesoa Kristy eo anilan’izy ireo ; tahaka ny inona anefa ny havitsian’ny olona mahatakatra an’izany ary afa- mampifanaraka ny fiainany amin’izany ! Ny olona fahita mikarakara ny ankizy dia mpikarama, mpampianatra lahy na vavy, olona miseho ho filoha, ho mpibaiko ; fa ny hoe ray, reny, mpitantana, olona manam-paharetana, olona mivavaka, miaritra fijaliana, dia vitsy dia vitsy, na saika tsy misy mihitsy aza… Isika no misolo ny ray sy reniny. Ny zavatra rehetra dia ataon’ny ray aman-dreny am-pitiavana, izany no manamaivana ny andraikitra sarotra iantsorohany. Mitsimbina ny zanany izy, miahy azy ireo ; ny zanany aloha no eritreretiny vao ny tenany ; mirotsaka manompo azy ireo izy, mikarakara izay rehetra ilainy, ny sakafo ho haniny, ny trano honenany, ny akanjo hotafiany. Entanim-pitiavana izy ka mitandrina ary malina fatratra. Aoka isika hangataka amin’Andriamanitra, mba homeny fon-dray sy fon-dreny, hahafahantsika mitarika sy mitia an’ireo ankizintsika ireo, » (Fitsipika voalohany ho an’ireo, frera sy maseran’ny Prado).

Izao no hita ao amin’ny fitsipika voalohany ho an’ireo pretran’ny Prado :

« Ny nanehoan’ny Tompontsika ny fitiavany dia izy nangoraka lalina ny mahantra, ny ory, ny marary ary ny mpanota. Nantsoiny hanatona azy avokoa ireo, nataony hoe "Mankanesa aty amiko ianareo rehetra ianjadiam-pahoriana, fa hanamaivana anareo aho" (Mt 11, 28). Tsy manosi-bohon-tanana olona izy na iza na iza, fa raisiny amin-kalemem-panahy sy amim-pitiavana ny olona rehetra : ny ankizy, ny mahantra, ny marary, ny mpanota.

 

Omeny hanina ireo mitofezaky ny hanoanana. Avelany ny heloky ny olona rehetra, na dia Izy efa teo ambony hazofijaliana aza. Maty nahafoy ny ainy ho an’ny ondriny Izy, ary atolony ho sakafo ny tenany, fa hoy izy : "Raiso ary hano" (Mt 26, 26). Izany no oha-pitiavana nomen’ny Tompo antsika.

« Angatahintsika Andriamanitra hanome antsika fo mahay mangoraka lalina ny mahantra sy ny mpanota, fa izany no fototra iorenan’ny fitiavana. Raha tsy misy io fangorahana ara-panahy io, dia tsy misy na inona na inona ho vitantsika tsy akory.

« Entanintsika hiredareda ao anatintsika ao io fitiavana avy amin’Andriamanitra io, mba hanosika antsika hanatona an’ireo havana ianjadian’ny fahantrana sy hilaza amin’izy ireo toa an’i Jesoa Kristy, manao hoe : "Mankanesa aty amiko, fa hanamaivana anareo aho".

« Halaintsika tahaka ny hatsaram-po nasehon’ny Tompo tamin’ny ankizy, fa nantsoiny hanatona azy izy ireny, nanehoany halemem-panahy sy fitiavana manokana. Hiezaka isika ho solon-dray, ho solon-dreny ho azy ireo, ho karakaraintsika am-pitiavana sy amin-kitsim-po izy, mba hahazoantsika mitantana ny fanahiny ho an’Andriamanitra.

« Misy fotoana hanasantsika hisakafo ny ray aman-drenin’ireny ankizy ireny ary koa hanasantsika ny mahantra ; ka ho hafaliana ho antsika ny mandroso sakafo ho azy ary ny maneho fitiavana azy.

« Ho raiketintsika ao am-po ity tenin’ny Mpampianatra ity manao hoe : "Ny famindram-pò no sitrako fa tsy ny sorona" (Mt 9, 13) ; hataontsika ao an-tsaina koa fa ny fitiavana no mambabo ny fo fa tsy ny firidiridiana sy ny hasiahana.

« Hanome fiantrana an’izay rehetra mangataka amintsika isika, na dia hatao aza hoe sary, na teny soa no hany azontsika omena, araka ny voalazan’i Masindahy Piera hoe : "Tsy mba manana aho na volamena, na volafotsy ; fa izay ananako kosa dia omeko anao" (Asa 3, 6). Na oviana na oviana isika tsy hanosi-bohon-tanana an’izay mila vonjy amintsika, na iza izy na iza ; an-kafaliana sy an-karavoana no anaovantsika izany, fa entanin’ny fitiavana isika ka manolo-tena hanompo ny olona rehetra.

 

« Ho antsika ny tarigetran’ny fitiavana dia ny tenin’ny Tompo manao hoe : "Raiso ary hano" ; ka ny tenantsika no sakafo ara-panahy atolotsika ny olon-drehetra, amin’ny alalan’ny teny ataontsika, ny ohatra omentsika ary ny fahafoizan-tenantsika ».

Mifdy ny hiara-dia amin’ny mahantra

Rahefa nandinika ny Evanjely i Mompera Chevrier dia tsinjony fa « ny miaraka amin’ny mahantra sy ny mpanota no ankasitrahan’i Jesoa indrindra » (VD, p. 395). Ka ho fanehoam-pitiavana an’i Jesoa izay tiany hotahafina ara pitiavana, ary ho fanehoam-pitiavana ny mahantra dia mahatsiaro izy fa voaantso hiandany amin’ny safidy nataon’ilay Mpampianatra azy ; iriny koa ireo ankohonany ara-panahy hizotra amin’izany lalana izany :

« Toy izay nataon’ny Tompontsika, dia misafidy hiandany amin’ireo madinika sy mahantra indrindra eto an-tany isika.

« Angatahintsika ny Tompo hanome antsika an’izany fanetren-tena ao am-po izany, mba tsy ho an-tery no hanaovantsika izany fa an-tsitra-po ary am-pitiavana.

« Aleontsika kokoa misafidy hiara-dia amin’ny mahantra sy ny mpanota » (VD, p. 402).

« Aoka ho ekena ny handany ny androm-piainana miaraka amin’ny mahantra, tsy hikarakara afa-tsy ny mahantra. Tsy ho afa-manasoa an’ireo ankizy ireo raha tsy miaraka aminy, miaina ny zavatra iainany… » (Fitsipiky ny Prado).

Izao no nosoratany ho an’ireo seminarista, tany Roma tamin’izay fotoana izay, hilazany amin’izy ireo ny hoe ny Papa mihitsy no manamafy ny antson’Andriamanitra miantefa amin’izy ireo, izay tokony hifikirany hatramin’ny farany :

« Faly aho mandre fa nahita ny Papa Ray Masina Pie IX ianareo,

 

ary koa hoe nitso-drano anareo izy, sady notsofiny rano tao aminareo ny mahantra, dia ireo mahantra tsy maintsy hitorianareo ny Evanjely sy hampianarinareo ; fa notsofiny rano tao aminareo koa isika rehetra. "Benedictio pauperibus" (tso-drano ho an’ny mahantra). Endrey fa mifanaraka tsara amin’ny tenin’ny Mpampianatra ny tenin’ny Solontenan’i Jesoa Kristy : "Sambatra ny mahantra". Eny, aoka isika ho mahantran’ny Tompo Andriamanitra mandrakariva ; aoka isika ho mahantra mandrakariva ; ary aoka ho eo amin’ny mahantra no hiasantsika. Aoka ny fahantrana sy ny fahatsoram-piainana no ho toetra hampiavaka ny fiainantsika, dia hahazo ny tsodranon’Andriamanitra Raintsika isika. Mahafinaritra aoka izany ny miasa ho an’ny mahantra sy ny madinika ; aza milofo manao izay hahalehibe sy hampisondrotra anareo, fa milofosa manao izay hahamadinika anareo, manao izay hahabitika anareo, ka hitovizanareo torosy amin’ny mahantra, ary hahafahanareo miaraka amin’izy ireo, miara-miaina amin’izy ireo, miara-maty amin’izy ireo. Aoka isika tsy hatahotra ny fanakianana nataon’ny Jody tamin’ny Tompontsika manao hoe : "Hitanay miaraka mandrakariva amin’ny mpanota sy amin’ny poblikana ary amin’ny olona ratsy fitondran-tena ny Mpampianatra anareo".Tsy tokony hanetry antsika izany fanakianana izany, fa vao mainka aza mampirehareha antsika. Ny hitady ny mahantra no nahatongavan’ny Tompontsika. "Nirahiny aho hitory vaovao mahafaly ho an’ny mahantra". Koa mianàra àry mitia ny mahantra, ary enga anie ny tso-drano nomen’ny Papa Pie IX anareo, izay filohantsika hita maso ary tena solontenan’i Jesoa Kristy, mba hanambina anareo, ka hitarika anareo hitia ny mahantra, ary hitoeranareo mandrakariva ao anatin’ny fahantrana masina » (Taratasy faha-114, 1876).

Manompo ny mahantra

Noraisin Mompera Chevrier ho zava-dehibe tokoa ny hoe fanompoana ny mahantra, satria ny Tompontsika mihitsy no tsinjony ao amin’izy ireny :

« Ny mitia sy manompo ny mahantra, dia voninahitra manandratra antsika » (P 2, p. 31).

 

« Na dia efa mitondra ny akanjo rebareba aza ianareo, hoy izy tamin’ireo seminarista nobeaziny, aza matahotra ny hanampy olona, manampy ny mpiasa, manome tànana azy ireo, ary raha ilaina dia sahia manampy ny mpandroaka sarety, na dia eny an-dalam-be aza. Aza heverina fa hoe manetry ny hajanareo ny fanaovana an’izany » (P 4, p. 81).

Ary tamin’ny masera iray :

« Tiavo tsara ny mahantra, mandehàna vangio izy, miaraha-mihinana aminy ary aza matahotra ny hietry tena ; fa izany aza no vao mainka manandratra. Sady isika koa tsy hoe ambony noho ireo olona ireo tsy akory » (P 2, p. 50).

Ary na dia ireo olona tsy nahazo antso manokana hiara-miaina mandavan-taona amin’ny mahantra aza, dia hainy, rahefa nilaina izany, ny nampahatsiaro azy ireo fa mety hahasoa azy ny fifampikasohana amin’ny mahantra. Izany indrindra no hita amin’ity taratasy ity, nosoratany ho ana-vehivavy iray isan’ny avo saranga tao Lyon, ary nifidy azy ho mpitantana ara-panahy :

« Noheveriko fa mba horaisinao ho voninahitra lehibe ny fanasako anao hibango ny volondohan’ireo mahantra kely karakaraiko. Ny Tompontsika no nilaza fa izay manompo ny mahantra dia manompo azy tenany. Koa ny Tompontsika no nolavinao tsy hanaovana an’io asa kely nangatahiny hataonao io, ary dia fahasoavana lehibe no nafoinao ho very tamin’izany. Izaho no nisolo anao nanatanteraka azy, ary nahatsiaro faly tokoa aho nanatontosa izany asa fitiava-namana tsotra dia tsotra izany ; koa manomboka izao dia tsy hisy olon-kafa havelako hisolo ahy, satria fantatro fa hain’ny Tompontsika ny mamaly soa sesehena an’izay manao zavatra kely ho azy. Saingy mba ho fandraisanao anjara amin’izany asa soa izany, dia iangaviako indrindra ianao, rahefa mandalo aty amin’ny manaraka, mba hitondra fihogo tsaratsara kokoa noho ilay iray nampiasaiko.

 

Mangataka amin’Andriamanitra ho anao aho, mba hahafoizanao tena bebe kokoa amin’ny fanompoana azy… » (Taratasy faha-292 ho an-dRamatoa Franchet, 1863).

Ny fïambonian’ny mahantra

Tsikaritr’i Mompera Chevrier fa misy harena miafina ao am-pon’ny mahantra, dia fahafoizan-tena sy fahendrena. Ny mahantra ihany no niantoka ny fivelomana tao amin’ny Prado, nandritra ny fotoana maharitra ; ho an’i Mompera Chevrier, dia ireny asa madinika iverimberenana isan’andro ireny no isehoan’ny Fitahian’Andriamanilra sy ny fitiavan’Andriamanitra ny zanany :

« Indro fa efa herintaona izao no nisy olona tsy latsaky ny dimy amby telopolo na efapolo tsy tapaka teto amin’ny Prado ; ary ireo olona ireo dia niankina tanteraka tamin’ny Fitahian’Andriamanitra. Tsy nandao anay tokoa Izy. Ny mahantra no nentin’Andriamanitra nanome sakafo anay, tamin’ny alalan’ny fitatazan-drakitra tao amin’ny lasapely, sy ny fitia tsy mba hetra ataon’ny olona. Misy malala-tanana any, manome anay hatrany, isaky ny misy zavatra ilainay. Nisy vehivavy izay, mpiasa madinika izy, fa ny fihogo volafotsiny no nomeny anay. Vehivavy mpiasa madinika iray hafa, nanome anay ny lovia sy ny sotro volafotsy nananany. Ny an’ilay vehivavy mpanao isan’andro izay kosa dia izay rehetra nananany no natolony anay, ho an’ireo zaza mahantra ireo, ary imbetsaka izy no nanome hatramin’ny eninjato farantsa : izay no hany fananany ! Nisy koa vehivavy niasa tamin’ny ozinina fanenomana landy (la soie), faly handray anjara amin’io asa fanasoavana io, ka tonga nilaza taminay fa isan’andro dia hanenona lamba antsasa-metatra amboniny izy, ho anay ; tsy hadinony tokoa ny fampanantenana nataony ; ombieny ombieny izy dia tonga nitondra dibera, mofo, akanjo novidiany ho anay. Ny an’ilay vehivavy anankiray hafa indray dia izy no mitety an’ireo olom-pantany ka mangataka ho anay, ary saika isan’andro izy no manatitra fanomezana kely, nangoniny avy amin’olona mba tsara fanahy. Nisy mpiasan’i Thurins nandefa farantsa folo ho anay, ho fankasitrahana ary ho fandraisana anjara amin’ny asa fanasoavana ataonay.

 

Dia ny mahantra sy ny mpiasa madinika tokoa hatramin’izao no mamelona anay » (Ms X, p. 257-258).

« Misy toetr’olona, avy dia mahatsapa ny fahamarinana, ka mandray azy an-kafaliana sy amin’ny fo feno hafinaretana raha vao mahatsinjo azy ; ireny olona ireny no mahatakatra kokoa ny fomba fijerin’Andriamanitra, toy izay ireo teôlôjianina ikoizana, izay tsy ho tonga amin’izany raha tsy manao fandalinana be sy fikarohana lavareny.

« Misy olona nomen’Andriamanitra saina hahatakatra ny zavatra ara-panahy, eo amin’ny fiainany andavanandro, ary manan-kevitra mitombina sy fomba fijery anahafany an’Andriamanitra mihoatra noho izay ao an-dohan’ny manam-pahaizana raindahiny indrindra. Vavolombelon’izany, dia misy tantsaha, misy mpiasa madinika, na lahy na vavy, misy koa vehivavy tsotra mahatakatra avy hatrany ny zavatra momba an’Andriamanitra ary mahay manazava an’izany Iavitra noho ny maro hafa » (VD, p. 218).

 

 

 

 

VI Ny Iraka

Mankeo anivon’ny mahantra

Tamin’ny fetin’ny Noely, taona 1856, no nahatsapan’i Mompera Chevrier fa tsy maintsy mankeo anivon’ny mahantra toy izay nataon’i Jesoa izy, ary amin’izany dia ny lalana nodiavin’i Jesoa no tsy maintsy hizorany koa :

« Ho eo anivon’ny mahantra aho ary hiaina tahaka azy ; hataoko eo ambany mason’ireo ankizy ireo izany hoe pretra izany ary hataoko mitsiry ao am-pony ny finoana » (Tenin’i Mompera Chevrier notaterin’i Mompera Perrichon).

Ny manatona ny mahantra, ny mitory aminy ny Vaovao Mahafalin’ny famonjena : izany no andraikitra nanirahana an’i Kristy. Dia mbola izany koa no andraikitra hotontosain’i Mompera Chevrier sy ireo namany ao amin’ny Prado :

« Tsy maintsy ampianarina ireo izay tsy mahay, ary torîna amin’ny mahantra ny Vaovao Mahafaly. Izany no andraikitra nanirahana ny Tompontsika. Izany no andraikitra anirahana ny pretra rehetra, ary anirahana antsika manokana : io no anjara tandrify antsika. Atonina ny mahantra, ambara amin’ny vahoaka mpiasa ny Fanjakan’Andriamanitra, ambara amin’ny madinika sy ny mavomavo, amin’ireo tsy misy mpiahy, amin’ireo vesaram-pahoriana. Endrey raha mba afa-mandeha mitety "ny kianja sy ny isam-baravarana", toy izay nataon’ny Tompo sy ny Apôstôly manko isika (Asa 20, 20), mandeha eny an-kalamanjana, miditra any amin’ny ozinina, mitsidika ny isam-pianakaviana,

 

mitondra ny finoana, mitory ny Evanjely, mampianatra katesizy ary mampahafantatra ny Tompo » (P 4, p. 161).

« Ny hany faniriako dia ny hanofana mpampianatra katesizy havanana ho an’ny Fiangonana ary hampijoro fikambanana pretra hanatanteraka an’io tanjona io. Izany rahateo no andraikitra lehibe nanirahana ny Tompontsika. "Nirahiny hitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny malahelo aho" (Lk 4, 18). Enga anie hilatsaka ao am-ponareo izany hevitra izany, ka ho tonga pretra feno hafanam-po ianareo, vonona handeha hatraiza hatraiza hitory ny Evanjely amin’ny mahantra" (Taratasy faha-130 ho an’ireo seminarista nobeaziny, 1877).

« Tsy ho avy ny olona raha andrasana, fa ny tena no mandeha manatona azy » (VD, p. 450).

Hoy izy tamin’ireo maseran’ny Prado voalohany :

«Tsy ny hiara-mipetraka no niantsoana anareo. Ho tafasaraka ianareo, satria hirahiko hatraiza hatraiza, any amin’izay toerana hilàna anareo hanatontosa ny asan’Andriamanitra. Tsy ny hivangongoanareo toy ny antontam-bato no iriko. Nirahin’ny Tompo ny Apôstôly. Niparitaka eran’izao tontolo izao izy. Dia ho toraka izany no hataoko aminareo ». (P 3, p. 107).

« Ny ilaina, amin’izao fotoana izao, dia tsy ny hoe mitoby ao amina trano anankiray, ka zavatra tsy misy dikany akory indraindray no andaniana andro ao, na ilaozana manao sain-jaza na midonanà-poana. Olona ary kristianina vonon-kiasa no ilaina ankehitriny, olona afa-mampianatra ny vahoaka ary mitory ny fitiava-namana eo anivon’izao tontolo izao » (Ms X, p. 203).

Ny hampahafantatra an’i Jesoa Kristy sy ny Rainy, izany no iraka voalohany ankinina amintsika

Eo anivon’ny Fiangonana, ary indraindray eo anivon’ny Prado koa aza, rahefa tena akaikezina, dia maro ny fihetsiketsehana sy asa isan-karazany omen-danja mihoatra noho ny fitoriana ny Evanjely, tsy zakan’i Mompera Chevrier ireny :

 

« Rahefa maniraka ny mpiasany ho eo amin’izao tontolo izao ny Tompo, dia tsy maniraka azy mba hangataka an’izao sy izao, na hanangana sy hanorina an’itsy sy iroa, ka hanorim-ponenana eo amin’izao tontolo izao. Ny anirahany azy dia ny hampianatra, ny hanoro ny olona, ny hanao batemy. Io no tanjona lehibe indrindra…

« Koa raha vao tonga an amin’ny toerana iray isika, ny zavatra voalohany tokony hatao dia ny mampianatra katesizy, ny manao batemy, ny manasitrana ary manala fahasahiranana ny olona rehetra. Izany no iraka voalohany ankinina amintsika.

« Fa raha ny manorin-trano no ataontsika voalohany, ny mandamina sy mandrindra an’izao sy izao, ny mividy an’itsy, mangataka an’iroa, mitady an’izatsy, dia tsy ny asan’Andriamanitra velively no ataontsika, fa asa ara-nofo.

« Ny asa ara-panahy no tokony hotrandrahana voalohany… Ny asa ara-panahy no tsy maintsy atao vain-dohan-draharaha : ny fampianarana, ny katesizy, izany no adidy voalohany tokony hotontosaina…

« Ny tokony hanombohantsika ny asa aman-draharaha sy ny fiainan’ny paroasy dia ny fitoriana ny Evanjely, ny fampianarana katesizy, ny vavaka, ny fampiroboroboana ny fiainam-panahy, ka ankinina amin’Andriamanitra ny fanampiana antsika hahazo vola, hahita trano. Hatao inona moa vola sy trano raha tsy ny asan’Andriamanitra tsinona no atao ?… Ny fikarakarana ny fanahin’ny olona no aoka himasoana voalohany.

« Inona no azo lazaina momba ireo izay tsy mieritreritra afa-tsy ny hanorin-trano, hanatsara ny tranon-dry mompera eo amin’ny paroasy sy ny trano fiangonana ? Ka mba hahafahana manatanteraka izany dia tsy manao afa-tsy ny mihazakazaka etsy sy eroa : mandondom-baravarana any amin’ny ben’ny tanàna, any amin’ny filohan’ny fileovana, any amin’Ingahindriana Ranona na any amin’ny Andriambavy Ranona ? Indrisy hadinony ny mikarakara ny fanahy fa sondriana amin’ny fikarakarana vato izy… Tsy ny hanorin-trano no nanirahana antsika fa ny hitaona ny olona hibebaka » (VD, p. 306-307).

« Endrey ! Raha misy olona afa-mampianatra katesizy tsara, tena manana ny toe-pon’ny mahantra, toe-po manetry tena ary feno fitiava-namana, dia homeko an’izany olona izany ny Prado manontolo ! Mahita olona foana aho hanao ny asa ara-nofo, fa ny afa-mampianatra tsara ny katesizy, mampita ny finona sy ny fitiavana ny Tompontsika haninteraka ny aty fanahin’ny olona, dia vitsy dia vitsy, zara aza raha hisy… » (P 2, p. 12).

 

Ny fahasoavana nangatahin’i Mompera Chevrier ambonin’ny zavatra rehetra, na ho an’ny tenany na ho an’ireo mpiara-miasa aminy, dia ny hahay « mampianatra katesizy tsara », izany hoe : mahay miresaka amin’ny mahantra, am-pahatsorana sy am-pitiavana, momba an’i Jesoa Kristy sy ny Evanjeliny :

« Zavatra iray loha no angatahiko amin’Andriamanitra, dia ny hitarihany ahy hahay mampianatra katesizy, hahay mampianatra ny mahantra sy ny ankizy. Anaka, tahaka ny inona moa ny hakanton’izany hoe mahay miteny momba an’Andriamanitra izany! » (Taratasy faha-93, ho an’ireo seminarista nobeaziny, 1873).

« Ny zavatra tokana angatahiko amin’ny Tompo ho anareo ary ho an’ireo rehetra ao anatin’ny fianakaviambentsika dia ny ho voatarika ara-panahy mba ho havanana tsara amin’ny fampianarana katesizy, hanam-pitiavana ny mahantra ary ho tia namana. Raha afa-mitombo ao anatintsika izany faniriana izany, ka mitombo ny fitiavantsika ny Tompo, dia azo lazaina fa ananantsika tokoa marina ny zavatra rehetra.

« Mampalahelo loatra ny mahita an’ireto olona rehetra ireto : variana amin-java-kafa ankoatr’izay tena tokony hifotorana tanteraka. Moa tsy izany asa izany anefa no maha-eto antsika ary ho an’izany irery ihany, dia ny mahalala an’i Jesoa Kristy sy ny Rainy ary ny mampahafantra azy amin’ny hafa ? Moa tsy zavatra mahafinaritra izany sady ampy handaniantsika ny fiainantsika manontolo, ka tsy ilaintsika intsony ny mikaroka zavatra any an-kafà hifantohan’ny saina aman’eritrerintsika ? Dia izany no faniriana mameno ny foko : ny hanana rahalahy sy anabavy mahay mampianatra katesizy. Faly aho ary sambatra milofo amin’izany. Ny mahay manambara izay momba an’Andriamanitra ary ny mampahafantra azy amin’ny mahantra sy amin’ny olona tsy mahay na inona na inona, izany no fiainantsika manontolo ary fitiavana mameno ny fontsika.

« Koa milofosa àry, ranabavy malala, hahatongavanareo amin’izany tanjona izany, fa io no tsy maintsy tratrarintsika ; ny sisa ambin-javatra. Raha tafitako ao aminareo izany faniriana izany, dia nahomby tanteraka aho… » (Taratasy faha-181 ho an’i masera Véronique, 1873).

« Tsy maintsy entina ao am-po ny faniriana te-hampianatra, hampita amin’ny hafa izay fantatry ny tena. Izany no ahatongavantsika eto… Ilofosana ny fampianarana katesizy, dia izay. Ny hanao izay hahalalan’ny olona an’Andriamanitra no tanjon’ny fikambanantsika.

 

Izay tsy manam-paniriana hanoro ny hafa ary hamonjy fanahy dia tsy isan’izay iantefan’izany antso izany » (P 1, p. 107).

« Tohizo ny fampianarana katesizy isaky ny alakamisy sy ny alahady, fa izany no iraka ankinina amintsika ; ary tsy ho afa-po aho raha tsy hitako fa ianareo rahalahiko sy anabaviko dia samy milofo amin’ny fampianarana katesizy ny ankizy rehetra sy ny mahantra rehetra. Tontosa ny adidintsika rahefa afa-nanoro ny hafa hahalala sy ho tia an’Andriamanitra isika. Endrey ! mbola ho ela isika vao hahatanteraka an’izany iraka soa dia soa nankinin’ny Tompo amintsika izany, sady izay tsy lavorary akory izay kely vitantsika ! Milofosa àry mba ho havanana amin’ny fahaiza-mitarika ny hafa hahalala an’Andriamanitra ary ho tia azy ; ka mba hahatongavana amin’izany, dia aoka isika samy hiezaka, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fandalinana, hahalala an’Andriamanitra sy ho tia azy » (Taratasy faha-188 ho an’i masera Véronique, 1877).

Manofana kristianina tonga lafatra

Tamin’izany fotoana izany dia natao tsianjery ny lesona tao amin’ny katesizy kely ary nahavantana ny tompon’Andraikitra teo amin’ny sekoly kristianina ny fampiharana fomba fiasa ary fitsipika henjana ; fa i Mompera Chevrier kosa dia efa nanana fomba fampianarana niavaka notakariny avy amin’ny fomba nentin’i Jesoa nampianatra ny apôstôliny :

« Mampalahelo erý ny mahita ankizy mandany adiny roa isan’andro mianatra voam-bolana ary sorena mamerimberina zavatra anankiray tsy miova : na izy na ny mpampianatra katesizy dia samy tofoka ! Be lavitra anefa ny zavatra azo ampitaina aminy ao anatin’ny am-pahefatr’adiny, momba ny finoana, ny fitiavana, ny fivavahana, noho izay ampianarina azy ao anatin’ny adiny roa.

« Raha mampianatra olon-dehibe, na mampianatra olona tsy mahay na inona na inona, dia tsy mety ny milaza aminy hoe : raiso ny katesizy kelinareo dia vakio ; ianao mihitsy no tsy maintsy mampianatra, midina mitovy torosy amin’ny tsirairay sy amin’ny sarambaben’ny olona, ary dia manome fanazavana mivantana…

 

« Ny tanjona kendrena amin’ny fampianarana katesizy dia ny hanazava ny saina amin’ny alalan’ny fahalalana, ny hanohina ny fo amin’ny alalan’ny fitiavana ary ny hanosika ny finiavana hiasa.

« Ny finoana, ny fitiavana, ny asa : ireo no vokatra telo kendrena ho tratra. Atao izay hampitana ny finoana amin’ny alalan’ny fahalalana omena ny olona, amin’ny alalan’ny fandalinana itarihana ny sainy, ary amin’ny fanokafana ny masony hahita ny zava-misy manodidina azy. Atao izay hitsirian’ny fitiavana ao am-pony ka handalany ny marina nampianarina azy. Atao izay hitarihana azy hiasa ka hanao zavatra mifanaraka amin’ilay marina nampahafantarina azy ary notiaviny.

« Aoka hampiasaina izay fomba mahomby rehetra, mba hahazoana an’ireo vokatra telo loha ireo, ary amin’izany, araka ny voalazan’i Md Paoly, dia tsy maintsy manao toy ny reny miteraka isika, manao toy ny ray aman-dreny mamelona ary mahafoy ny aina aza noho ny fitiavana » (VD, p. 452).

« Nandritra ny telo taona niarahan’i Jesoa tamin’ny apôstôliny, ka nanofanany azy ireo ho mpitory ny Evanjely ary ho apôstôly marina, dia tsy hitantsika velively izy hoe nisahirana nanome endrika ivelany an’izany fiarahana izany, tsy nametraka fenitra na fitsipi-pifehezana. Nanaraka ny onjam-piainana fotsiny izy ireo, araka izay azony natao.

« Ny miharihary kosa dia izy miezaka andro aman’alina manao izay hampiova ny aty fanahin’ireo apôstôliny ireo. Tsy mitsahatra izy manoro azy ireo, manitsy izay ataony isaky ny mandeha, mandrisika azy amin’ny zavatra rehetra, ary manofana azy amin’ny zavatra rehetra.

« Ny manoro, ny manitsy, ny manentana, ny manosika hiasa, izany no fomba mahomby indrindra hamolavolana ny olona ary hitarihana azy hanana fiainana anaty.

« Ny manoro, ny manitsy, ny manentana sy mandrisika hiasa, izany no fiainana, izany no hery mitondra sy mampita aina…

« Ny Fiangonana no zava-dehibe indrindra nataon’ilay Tsitoha, io no voahary kanto indrindra nohariany teto amin’izao tontolo izao : raha nanorina an’io Fiangonana io anefa ny Tompontsika, dia tsy rida nampiasa fitaovana avy ety ivelany velively izy ; olona iray no nantsoiny : nomeny ny ainy sy ny fanahiny ; dia nifidy roa ambinifolo lahy izy, nofaniny hiaina araka ny Evanjely ; saingy tsy ny fifehezana azy ireo anaty toby na ny fampiharana fitsipi-miaramila no nentiny namolavola azy ireo ;

 

tsy nanorina an’izao sy izao izy na nanao antso avo tetsy sy teroa ; tsy nisy mozika na rindran-kira na fisehoana an-dampihazo ; vao mainka aza ny apôstôly noraràny tsy hampiasa fitaovana ety ivelany ; tsy hampiasa vola na rentirenty ; "indro irahiko toy ny ondry eo afovoan’ny ambodia ianareo" (Lk 10, 3) ; "mandehana, mampianàra" (Mt 28, 19) ; mitory teny, mampianatra, manasitrana ; "nisy hery niala avy aminy" (Lk 6, 19) ; ny fitaovana ety ivelany tsy mahavita na inona na inona ; ny mahomby dia ny hazofijaliana, ny fahoriana, ny fahasoavan’Andriamanitra, ny faharetana » (VD, p. 222).

Ny manoro an’i Jesoa Kristy ho fantatr’izao tontolo izao no atao antompivelomana

Ho an’i Mompera Chevrier izay nandany ny fiainany manontolo teo anivon’ny mpiasa madinika, ny fitoriana ny Evanjely dia anton’asa marina tokoa ; ny olona manatontosa an’izany asa izany no antsoiny hoe « mpiasan’Andriamanitra », ka ny antom-piveloman’ireo mpiasa ireo dia ny manoro an’i Jesoa Kristy ho fantatr’izao tontolo izao ».

« Ny pretra, mihoatra noho ny olona hafa rehetra, dia tokony hiasa manontolo andro. Miasa manontolo andro ny mpanao trano, ny mpandrafitra, ny mpanao fanaka, ny mpamboly, ny mpanjaitra, sns. Miasa manontolo andro ireny olona rehetra ireny, ary indraindray aza miasa alina hamelomany tena sy hamelomany ny ankohonany ; ka nahoana moa ny Pretra no tokony hiadana kokoa, kanefa ambony lavitra noho ny an’ireo olona ireo ny anton’asany ?

« Moa ve tsy noho ny pretra tsy niasa, na nanao alasafay, no nahatonga ny tanimbolin’ny raim-pianakaviana tsy ho voakarakara toy izao ? Ary nahatonga an’ireo mpiasa fadiranovana hitantsika ireo ho donton’ny tsy fahaizana ka indro izy ankehitriny fa zary mihoko manohitra antsika ?

« Raha mba tena niasa tsara isika, ka hoe mba tonga lafatra izay nataontsika, dia tsy ho nitondra fahoriana toy izao isika ary tsy ho nohenjehin’ny olona toy izao.

 

« Raha tsy mamokatra ny tanimboly ary tsy ahitana afa-tsy ahi-dratsy eo dia satria tsy namadi-bainga teo isika ary tsy namafy na inona na inona teo.

« Tsy maintsy miasa andro aman’alina isika, mitory teny, mampianatra katesizy. Izany no anton’asantsika ! » (VD, p. 191-192).

« Tsy mihinan-kanina ny mpiasa raha tsy avy nisasatra hahazo izay hohaniny… Isika mpiasan’Andriamanitra ihany koa dia tokony tsy hihinan-kanina raha tsy avy nisasatra nanatontosa ny asan’Andriamanitra » (P 4, p. 202).

« Ny antom-piveloman’ny pretra dia ny manoro an’i Jesoa Kristy ho fantatr’izao tontolo izao » (P 1, p. 174).

« Efa main’ny afo ny tranon’Andriamanitra, nefa dia misy pretra mbola variana amin-java-tsy misy antony ihany. Midodododo mangataka hanin-kohanina amintsika ny olona rehetra. Mahavaky fo mihitsy. Moa và tsy tonga amin’ilay voalazan’ny Mpaminany manao hoe : nangataka hanin-kohanina ny zaza fa tsy nisy nanome azy » (P 3, p. 124).

« Endrey ! Dia an-kavitsiana tokoa ny hoe mpiasa mahafatra-po, koa inona fa simbaintsika ny asan’Andriamanitra ! Toy izay manorina, dia ny mandrava no ataontsika mazàna. Tahaka ny inona ny fahoriana entiko noho ny hakamoako ! Mahantra tokoa aho eo imason’Andriamanitra. Mivavaha ho an’ity mahantra ity, fa aleo izy mijanona eo amin’ny toerana misy azy ankehitriny, toy izay ho any amin’ny asan’Andriamanitra nefa tsy hanao na inona na inona any tsinona » (Taratasy faha-294 ho an-dRamatoa Franchet, 1865).

« Milofosa miasa, anaka, milofosa miasa, any an-koatra any isika hiala sasatra ihany ! » (P 4, p. 175).

« Aleo mihena folo taona ny andro iainana eo am-panaovana ny asan’Andriamanitra, toy izay mahazo folo taona amboniny nefa tsy hanaovana na inona na inona » (Fitsipi-piainana ho an’ny pretran’ny Prado, Ms X, p. 179).

« Namono tena nanao ny asan’Andriamanitra aho. Tsy maintsy mba mamono tena amin’izany koa ianareo » (P 2, p. 159).

« Manatontosa ny asan’Andriamanitra hatramin’ny farany, izay no tena zavatra ; ny ankoatr’izay : tsinontsinona » (Taratasy faha-158, 1878).

 

VII Ny fahantrana araka ny Evanjely

Ny fahantran’i Mompera Chevrier

I Mompera Chevrier ihany no mampahatsiaro ny fahantrana nampitampim-bava niainana tao amin’ny Prado, tany am piandohana :

« Ny Prado no antitra indrindra tamin’ireo trano fandihizana tao La Guillotière. Efa hatramin’ny roapolo taona mahery no nijoroany. Nahazaka mpandihy hatramin’ny arivo izy… Efa imbetsaka ny mponina no nangataka tamin’ny manam-pahefana ny hanakatonana an’io trano fandihizana io, noho ny tabataba sy ny korontana aterany eo amin’ny manodidina, saingy tsy nahazo fahafaham-po ny amin’izany. Sitrak’Andriamanitra ho ny asany no hatao ao…

« Efa ho herintaona mahery izao no nitsiriritako an’io toerana io, hanaovako toeram-pivavahana ary hibebahan’ny mpanota : saingy toa dia sahy zavatra loatra aho ! Toerana midadasika be io, ny hofany amin’izany lafo dia lafo : efatra arivo farantsa ! Fa notontosain’Andriamanitra mora foana anefa ilay fanirianay, rahefa notoroany hevitra i Mompera Rolland handoa ny hofan-tranonay nandritra ny taona voalohany. Ka ny andro fetin’i Masina Maria niseho tany Lorette (10 desambra 1860) no nakatona ilay trano fandihizana ary nandraisanay an’io toerana io ka nanokanana azy hikarakarana an’ireo mpiomana amin’ny komonio voalohany.

« Tsy nanana na inona na inona afa-tsy fahantrana izahay : efitrano lehibe mahatratra 50 metatra ny halavany ; ny gorodona amin’izany : milatsaka iray metatra avy amin’ny tokotany,

 

temitra no novelarina manaraka ny lavan’ny trano natao valintafo ; ny fanaka tsy nisy.

« Dia ny Mpampianatra aloha, izany hoe ny Tompo Andriamanitra, no tsy maintsy nomena toerana tao, ary dia io toeram-pahotana io no natao trano fonenany… Tsy nisy izay tsy faly nahita izany fiovana izany, ka nifaninana ny olona nandray anjara. Nomen-dry zareo avokoa izay nilaina rehetra : ireo fanaka ilaina amin’ny Sorona Masina, ny lamban’otely, ny fanaovan jiro, ny fasian-dranovoahasina, ny lakolosy, ny akanjo fanaovan-damesa. Azo lazaina fa natolotr’Andriamanitra anay ny zavatra rehetra, ka tsy ampy roa volana akory dia tafajoro ny lasapely, ary nanana an’izay ilaina rehetra…

« Ny andaniny roa no namboarinay ho efitrano fonenana. Soa ihany aloha fa efa lasa ny ririnina. Ny gorodona manko nakarakara, ny valin-drihana taratasy, ny efitra rary biriky tsotra. Dia tao amin’io fahitra vaovao io aloha izahay no nilasy, ary nandritra ny enim-bolana dia tsy nanan-toeran-kafa nofàna ankoatr’io izahay sy ny ankizinay.

« Tokony ho tany amin’ny volana jolay tany ho any, dia nanao vavaka hasivian’Andro tamin’ny Virjiny Masina sy tamin’i Md Josefa izahay, nangatahana mba hisy fihatsarany ny toerana misy anay, ka mba tsy hianjadian’ny hatsiaka loatra mandritra ny ririnina. Indray andro izay àry, dia nisy Rangahy tonga namangy anay vao maraina. Nony hitany ny fahavoazan’ny trano nitoeranay, ny tafo efa gorobaka, dia izy mihitsy no nandefa mpiasa hamboatra ny simba. Nakarina ny gorodona, noesorina ilay temitra, ary dia nananganana efitra vaovao mba hahafahana miaina ara-dalàna. Izaho aza mba nahazo efitrano manokana ; fa hatramin’izay aho dia niara-natory tamin’ny ankizy ary avy eo dia tao amin’ny sakristia… (Ms X, p. 256 – 257).

« Raha Andriamanitra no nanao ny Prado, dia tsy ny hoe mba hanomezany ahy toerana mitentina iray hetsy farantsa velively akory : hataoko inona rahateo moa izany ? Efa nafoiko ho an’Andriamanitra ny zavatra rehetra ary ny hany mba nangatahiko taminy ho lovako dia ny fahantrana masina ihany » (Taratasy faha-295 ho an-dRamatoa Franchet, 1865).

 

Ny hery nanintona an’i Mompera Chevrier ho tia ny mahantra sy ny fahantrana dia naningana, raha ny fironan’ny pretra sy ny fahazaran-dry zareo tamin’izany fotoana izany no heverina, araka ny lazainy amin’ity taratasy nosoratany avy any Roma, tamin’ny taona 1859, ity :

« Na dia eo aza ny hakanto sy ny firentirentin’ny zavatra hitako eto Roma, dia aleoko ihany ny lasapely kelintsika sy ny efitrano keliko : ao no ahafahana mihaona bebe kokoa amin’i Jesoa, ary mahazo aina kokoa ny fo ao. Mitombo hatrany ny fiaikeko fa tsy mba natao ho an’ny zavatra feno rentirenty aho ; ny mahantra sy ny madinika no hany tena mety amiko ary eo amin’izy ireo aho no tena afa-manovo hafinaretana be indrindra sy hasambarana marina. Omaly alakamisy, fetin’ny Epifania, dia namonjy ny fotoam-pivavahana tao amin’ny lasapely Sixtine aho. Mba eritrereto ange izany hoe àty fiangonana iray sady lehibe no malalaka : feno sary hosodoko mahasondriana, hatrany ambony ka hatraty ambany ary hatramin’ny valindrihana aza ; momba ny Testamenta Vaovao izany hosodoko izany, ahitana sarin’olona mihoatra ny arivo, miloko isan-karazany, hany ka manana endrika miavaka, tsy fahita na aiza na aiza, io lasapely io. Dabilio telo mirakotra temitra no natokana ipetrahan’ireo kardinaly 30 miakanjo jaky mena ary misalotra kapaoty kely fotsy eo an-dohasorony ; dia indro ny Papa miditra, omban’ireo mpanotrona azy : olom-piangonana ambony, eveka, arseveka. Tsorina aloha fa dia nampitolagaga tokoa izany rehetra izany, ary na aiza na aiza dia tsy hita ho mirenty sy marevaka tahaka izany ny fivavahana. Saingy aleoko ihany mahita ny Tranon’ombin’i Jesoa tsara fo, ary aleoko mijanona ho mpiandry ondry satria ny hasambarako dia ny mitoetra ao an-tranon’ombin’ilay Mpamonjy Soa » (Taratasy faha-15 ho an’i Paul du Bourg).

Izy nivavaka teo anatrehan’ny Tranon’ombin’i Jesoa Zazakely iny indrindra, ny alin’ny Noely 1856, no nandrenesan’i Mompera Chevrier ny antso nanainga azy hanahaka an’i Kristy ao anatin’ny fahantrany :

« Ny Tranon’omby, io no fiantombohan’ny asa ataon’Andriamanitra » (Taratasy faha-52 ho an’i Mompera Gourdon, 1865).

 

« Ny fahantrana no oha-pitondran-tena voalohany omen’i Kristy antsika, fony izy tonga teto amin’izao tontolo izao » (VD, p. 407).

Ny fahantran’ny Mpampianatra :

« Teo ambany mason’i Mompera Chevrier mandrakariva, hoy ny olona, ny fahantran’ny Tompo : nahantra Izy fony vao teraka, nahantra Izy nandritra ny fiainany ary nahantra Izy maty… ». Ny fibanjinany an’io Kristy mahantra io dia voafintina ao amin’ity litanian’ny fahantrana ity, ka i Jesoa mihitsy no asainy miteny amin’izany :

« Ny zavatra angatahiko aminareo, dia zavatra efa niainako sy niainan’ny apôstôliko.

« Ohatra no nomeko anareo, mba hanaovanareo toy izay nataoko koa.

« Araho aho.

« Nisafidy ny hahantra aho.

« Nifidy ray aman-dreny mahantra.

« Toy ny mahantra no nahaterahako.

« Ny fahantrana no famantarana ahalalana ahy.

« Nirotsaka ho isan’ny mahantra aho.

« Niaina toy ny mahantra.

« Niasa toy ny mahantra.

« Nijaly toy ny mahantra.

« Tsy nanana na inona na inona aho, tsy mba nanan-kialofana fa toy ny mahantra.

« Nanao izay fanaon’ny mahantra aho.

« Nanetry tena toy ny mahantra aho. Nianjadian’ny hanoanana toy ny mahantra aho.

« Nangetaheta toy ny mahantra aho.

« Tsy nitafy toy ny mahantra aho.

« Nailikiliky ny olona toy ny mahantra aho.

« Maty toy ny mahantra aho.

 

« Ary tonga izany rehetra izany satria safidiko, ho fanoavako ny Raiko ary ho fanehoako fitiavana anareo » (Ms XII, p. 239).

Io fibanjinana ny Mpampianatra io, izay nisafidy ny ho mahantra noho ny fitiavany, io no nitarika an’i Antoine Chevrier, tahaka an’i François d’Assise, hanana, faniriana mivaivay hitovy tanteraka amin’i Jesoa mahantra ; zary nataony vavaka izany faniriana izany :

« Raha teraka tanaty fahantrana toy izao ianao, ry Jesoa ô, dia ny mba hampianatra ahy fa hoe ny dingana atao voalohany hirosoana amin’ny fiainana lavorary dia ny fahantrana. Koa raisiko an-kafaliana sy am-pitiavana izany toe-panahy kanton’ny fahantrana izany, ary izy hatramin’izao no toe-panahy mamiko sy lalaiko indrindra ; izy no toe-panahy voalohany ifikirako ; satria amin’ny alalany no ahatongavanao ato amiko, ary amin’ny alalany koa no ankanesako any aminao » (P 3, p. 146).

« Soa dia soa ianao, ry fahantrana !

« Nahita ny hasoanao i Jesoa Kristy Mpampianatra ahy, ka nampakariny ho vady ianao fony izy nidina avy any an-danitra ; ianao no nofidiny ho namana teo amin’ny fiainany, ary hiara-maty aminy teo amin’ny hazofijaliana.

« Ry Mpampianatra ô, mba omeo ahy izany fahantrana soa dia soa izany.

« Enga anie horaisiko an-kafaliana izy,

« hofihiniko am-pitiavana,

« ka ho zary namako hamakivaky ny fiainana ary hiara-maty amiko eo amin’ny hazo hifantsihiko, toy ny Mpampianatra ahy ! » (VD, p. 323).

Ny fahantran’ny mahantra

Nisafidy ny ho teraka, hiaina ary ho faty toy ny mahantra i Jesoa. Firaisam-po sy fitiavana no nentin’i Mompera Chevrier nandinika ny fiainan’ny mahantra nanirahana azy,

 

ka tsapany tamin’izany ny endriky ny fahantrana tokony hiainan’ireo voaantso ho apôstôlin’ny mahantra :

« Mazána tsy manan-databatra ny mahantra, fa eo am-pofoany no ametrahany ny sakafo hohaniny, dabilio na vato no ataony seza, tsangam-bava tanimanga na hazo no ataony lovia, ary rindrin-tany no iankinany rahefa sasa-dahasa izy. Inona moa no mba sakafony ? Ron’ovy, fromazy, ananana, ary hena indraindray. Raha mba afa-manao toa azy ireo manko isika, mihinana ny sakafo fihinan’ny mahantra !

« Moa ve ny Tompontsika matetika, ary saika mandrakariva aza, tsy nihinana izay sakafo fihinan’ny mahantra, fa nipetraka teo amoron’ny fantsakan’i Jakoba izy ary teo ny apôstôly no nanasa azy hihinana ? Moa tsy nihinana ny sakafo fihinan’ny mahantra izy raha nitady voany teo amin’ny fototr’aviavy iray, satria nahatsiaro noana ?…

« Aoka isika hahay hianina amin’izay kely ananana, ka izay tena ilaina no hany tazonina, fa hialana ny forongon-javatra sy ny fihetsiketsehana ary ny fomba amam-panao fahita amin’ny mpanefoefo sy ny sarangan’ny mpanana. Aoka isika hanao toy ny mpivahiny sy ny mahantra rahefa misakafo… Tsy tokony hihataka amin’ny mahantra isika, na dia amin’ny sakafo aza, mba tsy hilazany hoe : tsara karakara kokoa ry zareo noho isika. Inona fotsiny no hiezahana ho mahantra raha tsy hiaina toy ny mahantra tsinona ? » (VD, p. 187-188).

« Tsy manana mpiasa ny mahantra fa izy ihany no manao ny raharahany. Isika koa, raha ilaina, dia tokony handrary biriky, handalotra, handrafitra, hanasa lamba, hanosoka ny rovitra, sns. Nampiasa ny tànany i Md Paoly mba hahitany fivelomana ary hanampiana ny hafa aza » (P 1, p. 208).

« Araka izay azo atao, dia ezahintsika hifanahatahaka amin’ny efitranon’ny mahantra ny efitranontsika » (VD, p. 291).

 

« Rahefa isika no tsy manan-trano honenana afa-tsy trano indramina, ka roahin’ny olona etsy sy eroa ary voatery mifindrafindra trano toy ny mahantra, dia izay isika vao tena miaina anatin’ny fahantrana marina» (VD, p. 520).

« Aoka ho tena mahantra marina isika, ary miezaka hanakaiky ny mahantra bebe kokoa hatrany » (VD, p. 522).

« Ny mpianatra tsy ambony noho ny Mpampianatra azy. Nahoana aho no tokony ho voakarakara kokoa, hanana trano fonenana tsara kokoa, hihinana sakafo tsara kokoa noho i Jesoa Kristy, noho ny apôstôly, noho ireo mahantra ireo ? Tsy tokony hitsanga-menatra ve isika eo anatrehan’ny mahantra milofo miasa ? Fa ahoana ! Isika ve hihinana sakafo matsiro nefa ny hafa mihafy amin’ny sakafo tsizarizary ! Nahoana ianareo no hahazo an’izany ? Ny sasany miasa mafy mandritra ny andro, dia ianareo, tsy hanao na inona na inona ? Inona no mahamendrika anareo hahazo an’izany eo anatrehan’Andriamanitra ? » (VD, p. 296).

« Tsy maintsy raketina ao an-tsaina fa ny fahantrana nosafidiana ary notadiavina dia tsy mitovy lanja amin’ilay fahantrana tena izy, dia ilay hita eo amin’ny tontolon’ny mahantra eran-tany, ny fahantran’ny renim-pianakaviana, ny an’ireo tsy mahita asa hivelomana, ny an’ireo mahantra tsy manan-kanin-kohanina ary tsy manan-trano hisitrihana. Na oviana na oviana ny relijiozy iray nisafidy ny ho mahantra dia tsy hijaly tahaka ny mahantra eo amin’izao tontoto izao. Izany no nahatonga an’i Md François, izay nankamamy fahantrana tokoa, hitsiriritra ny anjara fiainan’ny mahantra, ka nilofosany hanahaka azy ireo » (VD, p. 524).

Ny harena sy ny vola

Izao no nosoratan’i Mompera Chevrier, ao amin’ny « Mpianatra Marina » (« Le Véritable Disciple »), ho an’ireo zanany ara-panahy :

« Voalazan’ny Tompontsika amin’ny teny indroam-bava ny tokony ho fitondran-tenantsika eo anatrehan’ny zavatry ny tany,

 

raha nanambara momba ny fananana iombonany amin’ny Rainy sy ny fifandraisany aminy Izy : "Izay rehetra ahy dia anao avokoa, ary izay rehetra anao dia ahy avokoa" (Jo 17, 10).

« Mba hananantsika an’izany toe-tsaina izany, dia tsy maintsy heverintsika fa an’Andriamanitra sy an’ny mahantra ny zavatra rehetra ; tsy misy na inona na inona antsika, tsy misy na inona na inona azo lazaina ho fananantsika eo anatrehan’Andriamanitra. Mpitantana ny fananan’Andriamanitra fotsiny isika ary mpizarazara amin’ny mahantra ny fananany.

« Azontsika ampiasaina izy ireny, araka izay tena ilantsika azy, saingy tsy maintsy vonona isika hanome rahefa misy olon-kafa mila izany.

« Io no toe-panahy voalohany enti-mamongotra an’ilay toe-tsaina mivolon-ko tompony ao amintsika, izay mifanao atsimo sy avaratra amin’ny fitiava-namana, amin’ny fahantrana, amin’ny risi-po hanampy ny hafa ary amin’ny fahafoizan-tena.

« Raha sendra miditra ny trano onenan’ireo havana ao amin’i Jesoa Kristy isika, dia ireo tena ianjadiam-pahantrana marina : inona moa no mety hanafintohina mihoatra noho ny mandre azy ireny, isaky ny mandeha, milaza ny hoe : Ahy ity, efitranoko io, fandriako itsy, famantaranandroko ity, latabatro iroa, ahy io ka aza kitihinao

« Fa izay mirotsaka ao amin’io toe-panahin’i Jesoa Kristy io kosa dia tsy mifikitra na amin’inona na amin’inona, na amin’ny fananany, na amin’ny trano onenany, na amin’ny fanaka ampiasainy, na amin’ny akanjo anaovany, na amin’ny vola sy ny kitapom-bolany, na amin’inona na amin’inona zavatry ny tany ifikiran’izao tontolo izao mafy ery. Ny tarigetrany dia ity : izay rehetra ahy dia anao avokoa. Raha misy olona tonga, mahantra tsy manana na inona na inona, ka mila zavatra, dia hoy izy mantsy azy : Inty, io ny efitranoko, io ny fandrinako, io ny akanjoko, io ny kitapom-bolako ; izay rehetra ahy dia anao avokoa.

« Soa dia soa ny olona tsy mifikitra na amin’inona na amin’inona, ka afa-milaza amin’ireo mahantran’Andriamanitra manao hoe : izay rehetra ahy dia anareo avokoa ! Ary mahafoy ny zavatra rehetra, ka tonga mahantra lavitra noho izay mahantra indrindra.

 

Tahaka izany ireo olomasina tsy mahatanty mahita olona mahantra noho izy, ka nanome izay rehetra teo an-tanany, ary rahefa tsy nisy na inona na inona azony nomena intsony dia ny tenany no natolony » (VD, p. 288).

« Ny tena fahantrana marina ary ny tena toe-pon’olo-mahantra dia voafintina ao anatin’izao teny izao : manana izay ilaina ary mahay mianina amin’izany.

« Ny olona tsy mahay mianina amin’izay ilaina no diso amin’ny fahantrana.

« Eo am-piandohana, dia mba ny fahantrana ihany tokoa no ilofosana, saingy tsikelikely dia misosoka ny hevitra fa hoe tsy dia mety araka ny ilàna azy izay eo an-tanana, na tsy ampy, na tsy mafy, na tsy madio, na tsy mateza firy, dia tanisaina eo avokoa izao fialan-tsiny foronina rehetra izao. Dia ampiana itsy, ovàna iroa, hatsaraina iry, lazaina fa izao no metimety kokoa, ity no mafimafy kokoa, dia tsikelikely indro fa nivoatra ilay efitrano, manjary ahazoana aina kokoa, ary misy izay ilaina rehetra. Ny sakafo lasa ampy tsara, ahitana zavatra mihoatra noho izay ilaina aza ; ny fitafiana lasa akanjo mendrika, mateza kokoa, mafy kokoa ary mifanaraka kokoa amin’ny itiavan’izao tontolo izao azy. Dia miova tsikelikely toy izany, ka farany dia manao toy ny ataon’izao tontolo izao ihany ary very ilay hoe toe-tsain’olo-mahantra…

« Izay olona manana ny toe-tsain’ny mahantra dia mihevitra fa tafahoatra mandrakariva ny zavatra ananany, hany ka voasarika mandrakariva izy hanilika amin’izany. Fa izay manana ny toe-tsain’izao tontolo izao kosa dia tsy afa-po na oviana na oviana amin’izay ananany, mitady zavatra hafa hatrany izy.

« Ny tena mahantran’i Jesoa Kristy dia miezaka mandrakariva mandrombina amin’izay eo an-tanany, mampihena izay ananany. Izay manana ny toe-tsain’izao tontolo izao kosa dia milofo mandrakariva manabe voho sy mampitombo izay efa ananany.

« Izay manana ny toe-tsain’ny mahantra dia manao anakampò hoe : mbola mihoatra noho izay tena ilaina ny zavatra eto an-tanako, maro be anefa ny mahantra no tsy manam-be tahaka ahy, maro be ny mahantra no mijaly ary tsy manana ny ampy hivelomany akory. Ary nahoana moa aho no tokony hanana trano fonenana tsara kokoa, sakafo tsara kokoa, fitafiana tsara kokoa noho ireo mahantran’ny Tompo ireo ?

 

« Rahefa tsy misy zavatra ihafiana intsony dia tsy misy koa ny tena fahantrana marina » (VD, p. 295).

« Fony naniraka ny apôstôliny i Jesoa, dia izao no nolazainy azy ireo : "Aza sahiran-tsaina amin’izay volamena, na volafotsy, na vola hotahirizina anaty kitapom-bola ; ary aza manomana kitapo, na fitafiana, na kiraro, na tehina ho entinareo mivahiny" (Mt 10, 9). "Ary eny an-dàlana, aza mitondra tehina hiarovan-tena, na kitapo, na vatsy, na sakafo, na vola, ary aza mitondra akanjo roa akory" (Mt 10, 10 ; Lk 9, 3 ; 10, 4). Izany teny izany no entin’ny Tompontsika mamongotra ao am-pontsika ny tebiteby eo anatrehan’ny ho avy. Mpiasany isika, mpanompony : mitsimbina antsika izy. Fa mendrika ny karamany ny mpiasa » (VD, p. 318).

« Koa raha mpiasan’Andriamanitra marina tokoa isika, dia ho azontsika ny tambin-kasasarantsika, homen’Andriamanitra antsika izany. Moa io tranontsika io tsy porofon’izany fahamarinana lehibe izany ? Inona moa no antom-pivelomantsika eo ? Ary aiza izay fidiram-bola eo ? Nefa dia olona efa ho roanjato no fahanan’Andriamanitra sakafo eto isan’andro ; tsy porofo miharihary ahatsapana ny Fitsimbinan’Andriamanitra antsika va izany ? Ary tsy milaza va izany fa raha ny fomba fiainantsika hatrany am-boalohany no mitohy dia hanohana sy hamonjy antsika hatrany Andriamanitra ? » (VD, p. 321).

« Fony aho naniraka anareo, ka nanafatra anareo tsy hitondra kitapom-bola, na kitapo hafa, na kiraro, moa nisy zavatra naha-ory anareo ? – Tsy nisy, hoy ny navalin’ny apôstôly" (Lk 22, 35). Ao anatin’ny fahantrana no anirahan’Andriamanitra ny apôstôly, ary omeny azy ireo izay ilainy amin’izany ; fa ny tsy andraikiny dia ny fanorenan-trano, ny fikarakarana zavatry ny tany. Ampanantenain’Andriamanitra zato heny dieny eto an-tany ireo izay miasa ho azy ary milofo marina tokoa manao ny asany » (VD, p. 322).

 

Hoy i Mompera Chevrier :

« Ny antson’Andriamanitra miantefa amintsika dia ny hiaina anaty fahantrana ary ny hanompo ny mahantra… Haharitra ity Prado-ntsika ity raha voatahiriny ny toe-panahy feno fahatsorana sy fahantrana, fa loza ho azy kosa raha mihataka amin’izany izy : tsy haharitra ela velively ny fitiavana-namana amin’izay » (P 1, p. 220).

Ny vokatry ny fahantrana :

« Ny fahantrana no mihazona antsika hanana fanetre-tena, halemem-panahy, fitokisana, fitiavam-bavaka, na eo anatrehan’Andriamanitra, na eo anatrehan’ny olombelona » (VD, p. 521).

« Rahefa mbỳ an-koditry ny fahantrana, omban’ny fahasahiranana sy ny fihafiana entiny, dia mora kokoa ho an’ny olona ny maka tahaka ny Tompontsika, ary manoroka ny rindrina tsizarizary sy ny gorondom-bato efa simba anehoana an’ilay tranonomby tao Betilehema. Eo manko tsy misy zavatra hafa mety ho tiana ankoatra an’i Jesoa, fa Izy no hany eo ambany masontsika, tsy misy zava-kafa mety hanelingelina antsika tsy hibanjina azy. Eny ! Mahateo tia aoka izany tokoa ny fahantrana ! Ary arakaraka ny hitovizan’ny tranontsika amin’io tranonomby io no ahazoantsika hafinaretana monina ao. Ny fitiavana no mandrisika antsika hitia ny zavatra rehetra. Endrey ! Raha mba fantatry ny olona manko izany harena izany, tsy hitotototo fatratra toy izao izy hitady izay fanaka tsara hampiasaina, izay trano tsara honenana, ary izay hampilamina tsara ny fiainany… » (Taratasy faha-310 ho an-dRamatoa Franchet, 1869).

« Arakaraka ny mahapahantra antsika momba ny zavatry ny tany no ananantsika an’i Jesoa Kristy » (P 3, p. 147).

« Ao anatin’ny fahantrana no anovozan’ny pretra hery sy tanjaka ary fahafahana » (VD, p. 519).

 

« Endrey ! Toy inona ny fahafahana, toy inona ny tanjaka ananan’ny pretra avy amin’io fahantran’i Jesoa Kristy izay sady masina no soa dia soa io

« Toy inona ny oha-piainana omeny an’ity izao tontolo izao tsy miasa raha tsy vola ity, tsy mieritreritra afa-tsy vola, tsy velona raha tsy ho an’ny vola ! […] Soa izany olona izany Ambony izany olona izany ! Mampitolagaga izany olona izany ! » (VD, p. 322).

Endrey ! mila pretra mahafatra-po ary mahantra Andriamanitra !

Lalina ny fahatsapan’i Mompera Chevrier ny hoe tena fahantrana ; ny fifikirany tamin’i Jesoa mahantra no nahatakarany an’izany, ka nahafahany nanoratra pejy maro namaky am-batolampy ny tena zava-misy mikasika ireo fomba amam-panao sasany, tamin’izany andro izany. Ireny fomba ireny manko no nisakana ny maro tamin’ny vahoaka tsy mandady harona tsy hahita taratra ny endrik’i Kristy teo amin’ny Fiangonana, izay sakramenta tokony haneho azy :

« Moa va tsy mahamenatra ny mahita pretra miha-manan-karena, mividy tany, trano, amin’ny volam-piangonana ? Ireny pretra ireny, raha teo amin’izao tontolo izao, dia ho mpiasa tsotra ihany, sahirana vao mahavelon-tena ; ny Fiangonana sy ny fiantrana nomen’ny olona no naha-pretra azy ireny, nefa dia izy indray no miha-manan-karena. Angaha ny hampanan-karena no irotsahana ho pretra ? Fahavoazana iray lavaka ho an’ny Fiangonana izany ? (VD, p. 522).

« Tsy mba ataontsika fanao ny mametaka afisy ao am-piangonana, na ao amin’ny sakristia, milaza ny vola tokony haloa amin’ireo zava-masina isan-karazany, amin’ny fandevenana, amin’ny seza ipetrahana. Ny mpino manam-pinoana dia mahatsapa fa manana adidy amin’ny pretra izy momba izany, ka tsy sarotiny izy manome hasin-tanana ny pretra nanome fahasoavana azy. Saingy inona moa no azonao angatahina amin’olona tsy matahotra an’Andriamanitra, amin’olona efa tsy mandraharaha ny maha-pretra anao rahateo,

 

ary mihevitra fa olona mahihitra ny pretra, na olona lian-kanina ? Inona no azonao angatahina amin’olona tsy miditra am-piangonana raha tsy intelo na inefatra mandritra ny fiainany manontolo : rahefa misy mariazy, na batemy, na fandevenana ; saingy isaky ny tonga ao am-piangonana izy dia reny mandrakariva ny pretra na ny mpiandraikitra ny sakristia milaza aminy fa tokony handoa an’izao sy izao izy, sady izay mandidididy sy sarotindrotiny erý.

« Ireny fomba ireny no manosika ny olona hanalavitra ny Fiangonana : sady miteny ratsy izy no mirintona mandeha ; dia kianiny ny fivavahana, ka tondroiny ho fivavahana atao fitadiavam-bola. Marina fa vitsy ankehitriny ny olona manome vola ny pretra antin’ny fony tokoa ary mazàna teny fanevatevana aza no isarahany aminy… Moa tsy miendrika resa-barotra kosa ve ny filazana hoe : izao ny vola aloanao ? Ary ny fanontanian’ny kristianina manao hoe : ohatr’inona ny toy izao, na ohatr’inona ny mampanao lamesa ? » (VD, p. 315).

« Raha miditra ao an-tranon-drelijiozy ianao, ka zavatra feno rentirenty no hitanao ao, dia mahavaky fo izany » (P 2, p. 51).

Mahagaga fa amin’ireny revôlisiôna ireny dia ny lafitsarany no mavesa-danja eo imason’i Mompera Chevrier :

« Moa ve mazàna tsy ny hanasazy antsika amin’ny fahihirantsika sy amin’ny fifikirantsika amin’ny haren’ny tany no andefasan’Andriamanitra an’ireny revôlisiôna ireny, ka amin’izany dia ny kristianina ihany no avy manendaka sy mandroba izay rehetra ananantsika ? Io no zavatra voalohany ataon’ireo mpanao revôlisiôna : ny manendaka antsika, manao izay hampahantra antsika. Moa va tsy hoe Andriamanitra mihitsy no te hanasazy antsika noho ny fifikirantsika amin’ny haren’ny tany, ary dia izany no fomba hanereny antsika hiaina ara-pahantrana, satria efa tsy mazoto hiaina araka izany an-tsitrapo ihany isika ?

« Ary indraindray mahasoa antsika tokoa ny fahatongavan’izany, satria raha tsy izay dia ho renoka ao anatin’ny harena sy ny hafinaretana ao isika,

 

ka tsy hanam-potoana hilofosana amin’ny asan’Andriamanitra intsony. Fa Andriamanitra raha milaza hoe : « Loza ho anareo mpanankarena ! », dia amin’ny mpiasany indrindra indrindra aloha no miantefa izany teny izany, alohan’ny hiantefany amin’ny olon-kafa ; satria raha misy olona tokony hiaina ao anatin’ny fahantrana dia ny pretrany indrindra, ireo no mpanompony » (VD, p. 316).

« Ny tsy fifikirana amin’ny haren’ny tany ary ny fahantrana no hahatafaverina antsika eo amin’ny toerana tokony hisy antsika ao am-pon’ny vahoaka. Arakaraka ny mahampahantra antsika, ka tsy hilantsika tambiny amin’izay asa rehetra atao, no tsy hisehoantsika ho sarotiny mitaky an’izao sy izao amin’ny olona, ary vao mainka aza hahatonga antsika ho mamy hoditra eo amin’ny vahoaka izany, ka ho moramora kokoa ho antsika ny manao soa » (VD, p. 316).

« Endrey ! Mila pretra mahafatra-po ary mahantra tokoa Andriamanitra ! Izany no nofinofiko ary faniriana miredareda ato anatiko hatramin’ny folo taona izao : pretra mahafatra-po hiandraikitra paroasy, izay no tena zavatra… » (Taratasy faha-53 ho an Mompera Gourdon, 1865).

« Nahoana moa ankehitriny no tsy hahitantsika olona toa an-dry Masindahy Paoly, afaka amin’ny fatopatotra rehetra ary mijoro entanin’ny zotom-pò hamonjy fanahy, mahavita mampandefitra ny zòny mba hamonjena an’ireo mpanota fadiranovana, hitarihana azy ireo hiverina eo anivon’ny Fiangonana, hamelomana ny finoan’izy ireo sy ny fanajany ny pretra ary ny fitiavany an’i Jesoa Kristy indray ? » (VD, p. 316).

« Ankehitriny indrindra, mihoatra noho izay lasa izay, no ahatsapana fa tsy maintsy mirotsaka ho mahantra aloha vao afa-manohitra an’izao tontolo izao, manohitra ny rentirenty sy ny hafinaretana izay miha-mahazo vahana izaitsizy na aiza na aiza… Raha manao toy ny ataon’ny olona rehetra ny pretra, ahoana moa no hahafahany mitarika sy mampianatra azy ireo ? » (VD, p. 519).

 

VIII Fahoriana sy fahafoizana ny zavatra rehetra

Ny hazofijalian’ny Mpamonjy

Toa an’i Masindahy Paoly dia tsy viza-nandinika sy nitory an’i Jesoa Kristy voafantsika i Mompera Chevrier. Filazany ny hoe eo an-tampon’ny Kalvery no ianaran’ny kristianina miaritra an’izany mifantsika amin’ny hazofijaliana izany :

« Hararaotiko izao fotoana izao handinihana kely ny fijalian’ny Tompontsika. Tsy ho fotoana very velively izany. Misy zava-tsoa lalina tokoa manko ao amin’io fijalian’ny Mpamonjy io… » (Taratasy faha-327 ho an-dRamatoa Franchet).

« Ny Hazofijaliana, ny Kalvery : izany no endrika faharoa asehon’ny Tompo antsika mba hotahafina… » (VD, p. 480).

« Tao anatin’ny Fijaliany ny Tompo no soa indrindra ary teo Izy no tonga lafatra indrindra » (P 2, p. 145).

« Tontosan’i Jesoa Kristy antsakany sy andavany, na teo anatrehan’ny Rainy na teo anatrehantsika, ny iraka maha Mpamonjy azy ary nasaina nataony.

« Akory moa ity hafanam-pony manolo-tena amin’ny Rainy

Akory ny fankatoavany ny fitsaràny na dia henjana aza izany !

 

Akory ny fahatoniany miresaka momba ny hahafatesany ary manambara izany amin’ny mpianany !

Akory ny firehidrehitry ny fony maniry ny hahatongavan’izany fotoana izany !

Ary rahefa tonga tokoa ny fotoana, akory ny herimpony miatrika ny fahavalony !

Akory ny fahamendrehany miresaka amin’izy ireo !

Akory ny hatsaram-po andraisany azy ireo !

Akory ny halemem-panahy anolorany tena amin’izy ireo ka anarahany azy ireo hatraiza hatraiza amin’izay tiany !

Akory ny fahamboniana nasehony raha niresaka tamin’ireo mpitsara azy izy !

Akory ny herim-pony niaritra ny fijaliana !

Ary ity fanginany teo anatrehan’ny fiampangana rehetra natao azy !

Akory ny fanetre-tenany nizaka ny fanalam-baràka sy ny fanevatevana !

Akory ny hatsaram-pony mamela heloka !

Akory ny fahalavorarian’ny fahaizany manaiky !

Akory ny fitiavana nanekeny hijaly !

Akory ny hery nasehony teo am-pahafatesana !

Izany rehetra izany dia nataony an-tsitrapò, noho ny fitiavany ny Rainy ary noho ny fitiavany antsika.

« Izy tokoa no ilay martioran’ny fitiavana sy ny fanekena » (Ms VI, p. 434).

« Ao anatin’ny fahoriana no tena ahalalana ny toetr’olona, ao anatin’ny Fijaliany indrindra no ahalalantsika ny fahamboniana sy ny hatsaran’io toetra nananan’i Kristy io. Tsy hita eo aminy na hasorenana, na tahotra, na tebiteby, na valifaty, na fanebahana, na horohoro, na hakanosana, na taraina, na fiarovan-tena, na teny manohitra ny fiampangana natao azy, na fifandirana, na hiakiaka… » (Ms VI, p. 414).

« Efa ho andro maromaro izao dia ny Fijalian’ny Tompo no vakiako ao amin’ny Evanjely. Niniako notadiavina ao amin’ny tantaran’ny Evanjely manontolo raha mety hahitana teny kely anankiray ao manome tsiny na mitsikera an’ireo nanenjika azy, na ireo mpitsara azy, na ireo mpampijaly an’i Jesoa :

 

saingy tsy misy izany na iray aza, na dia tandindona fanomezan-tsiny kely akory aza. Azon’ny mpanoratra evanjely natao tsara, ohatra, ny nilaza hoe : lehilahy kanosa i Pilaty, na hoe : tamin-karomotana no nampijaliana azy. Tsia, tsy misy izany, tsy ahitana na dia teny iray miendrika fanomezan-tsiny aza, na maneho hasorenana, na mitory alahelo eo anatrehan’ireo mpampijaly azy. Tsy misy afa-tsy ny Fanahy Masina no mahavita izany ; Izy no mahafehy tena amin’ny fitantarana toe-javatra toy izany. Mampianatra antsika ho faty amin’ny tenantsika io tantara io, ho faty amin’ny vatantsika, ho faty amin’ny saintsika, ho faty amin’ny fontsika, ho faty amin’ny tenantsika manontolo, mba hahatonga antsika ho fitaovana fatra-panaiky ary mora volavolaina eo an-tanan’Andriamanitra » (Taratasy faha-466 ho ana-Vehivavy iray tsy fantatra anarana).

Ny hazofijalian’ny Mpianatra

Nanana anjara toerana lehibe teo amin’ny fiainan’i Mompera Chevrier ny fijaliana. Matetika dia ny apostôlà nataony teo anivon’ny mahantra sy ny fomba fiaina tanaty fahantrana nosafidiany no niavian’izany fahoriana izany, na mivantana na tsia. Toy izao ny fanazavany ny tenin’i Jesoa manao hoe : « Raha misy te- hanaraka ahy, dia aoka izy handà ny tenany, hitondra ny hazofijaliany isan’andro ka hanaraka ahy » (Lk 9, 23) :

« Matoa mirotsaka ho pretra na ho relijiozy ny tena, izany hoe ho mpianatr’i Jesoa Kristy, dia tsy ny hilalao velively no hirosoana amin’izany, tsy ny hampiadan-tena, tsy ny hahazo toerana tsara, tsy ny hanangon-karena, tsy ny hilamindamina, tsy ny hoe mba ho sambatra kokoa noho ny eo amin’izao tontolo izao. Tsy izany, fa ny hitondra ny hazofijaliana, ny hijaly, ny hiasa, ny hanara-dia an’i Jesoa Kristy : dia i Jesoa Kristy kapohina, enjehina, mahantra, voasatroka fehiloha tsilo…

« Ny hoe mitondra ny hazofijaliana, dia ny miaina ny evanjely araka ny anoloran’ny Tompo azy antsika ; ny manaiky hiaritra ireo fijaliana vokatr’io fiainana anaty fahantrana io,

 

fiainana mitaky fahafoizana, fihafiana ary fanoloran-tena. Izay tsy vonona hanaiky an’izany dia tsy ho mpianatra na oviana na oviana… » (VD, p. 330-331}.

« Tsy maintsy entina ny hazofijaliany. Tsy hoe raisina fotsiny. Misy manko zavatra raisina fotsiny fa tsy entina. Saingy ny Tompontsika efa nanizingizina ny hoe : « Izay tsy mitondra ny hazofjaliany dia tsy mety ho mpianatro ». Tsy vitan’ny hoe ekena fotsiny, fa tsy maintsy entina mihitsy. Maro ny olona no manaiky ny hazofijaliany, mandray azy fa tsy mitondra tsinona.

« Ny hoe mitondra ny hazofijaliana, dia ny mizaka marina ny fahoriana ambaran’izany hazofijaliana izany. Misy mba manomboka milanja ny hazofijaliany ihany, saingy akifiny izany raha vao mandre mangirifiry kely izy. Tsy izany mihitsy. Tsy maintsy lanjaina aza.

« Izany hoe tsy maintsy zakaina ny fahasahiranana ateraky ny fiainana maha-apôstôly. Tsy maintsy zakaina ny fahoriana ateraky ny fahantrana, ny famoizana ireo zavatry ny tany, ny fandavan-tena ; ary koa ateraky ny fankahalan’izao tontolo izao sy ny fanebahana ataony. Tsy maintsy zakaina ny fahoriana ateraky ny fifehezan-tena hentitra kokoa, entin’ny fiainana tsy mifikipikitra, mihafy ary mahafoy…

« Ny filanjan’i Jesoa Kristy ny hazofijaliany no nentiny namonjena antsika ary nidirany amin’ny voninahiny…

« Koa tsy maintsy entina àry ny hazofijaliana, ary entina an-kafaliana sy am-pitiavana, eo am-pieritreretana fa izany hazofijaliana izany no hanomezantsika voninahitra an’Andriamanitra sady hamonjentsika ny fanahin’ny olona…

« Ary hoy ny Tompontsika mamarana azy : "Aoka izy hitondra ny hazofijaliany isan’andro vaky !"

« Akory ity fitsinjovany ny zavatra rehetra ! Akory ity fahaizany mamaritra ny adidy apetraka amintsika !

« Tsy maintsy entintsika isan’andro ny anjara hazofijaliantsika ; isan’andro isan’andro no tsy maintsy ilofosana annin’izany. Raha napetraka izy ny hariva, dia tsy maintsy raisina indray ny maraina, dia entina toy ny omaly ary tsaratsara kokoa noho ny omaly. Toy izany isan’andro, tsy ahalalana sasatra, ary tozoina am-paharetana ;

 

raha sendra nazera izy, dia tsy maintsy raisina indray ary lanjaina hatramin’ny farany. Tsy azo atao ny kivy an-dalana raha milanja ny hazofijaliana.

« Hisy foana ny fahoriana, dia fahoriana hatramin’ny fahafatesana ; tsy maintsy ekena ny ho faty eo amin’ny hazofijaliana, ekena ny hifantsika eo amin’ny hazofijaliana toy ny Tompontsika ; mety ho lavo indraindray, fa miarina amin’ny alalan’ny vavaka ary dia tohizina ny dia. Mitaky faharetana izany.

« Lazain’ny Tompo antsika io teny io satria mitroatra ity nofontsika fadiranovana ity mazàna ; ary mazàna izy no trotraka ka tiany hakifika ny hazofijaliana. Tsia. Rahefa natomboka dia tokony hotozoina, ka entina isan’andro ny anjara hazofijalian’ny tena.

« Isan’andro mampianatra katesizy, isan’andro miaritra ny namana, miaritra an’izao tontolo izao, miady amin’ny fahosan’ny nofo amin’ny alalan’ny fahasoavan’Andriamanitra…

« Raha amiko, tsia, tsy misy anaram-boninahitra hafa ankoatra ny hazofijalian’i Jesoa Kristy Tompontsika » (Ga 6, 14)

« Entiko toy ny vita fitombo-kase eo amin’ny nofoko ny ferin’i Jesoa Tompoko » (Ga 6, 17)…

« Ny hazofijaliana no anehoan’ny olomasina ny fitiavany » (VD, p. 331-333).

« Ny rahalahinao tavela samirery eo amin’ny hazofijaliany »…

Tamin’ny lohataona 1878, dia nisedra fitsapana lehibe i Mompera Chevrier. Niala tao amin’ny Prado i Mompera Jaricot, izay niara-dia taminy nandritra ny sivy taona, ary lasa niditra tany amin’ny mônastera « traptista », tao Aiguebelle. Tetsy andaniny, raiki-tahotra ireo pretra tanora efatra mirahalahy vao nohamasinina tany Roma, herintaona talohan’io, ka nihevitra ny handao ny Prado koa. I Mompera Chevrier anefa tamin’izany dia efa tsy salama tsara intsony, fantany fa efa kely sisa andro hiainany. Ny 5 aprily 1878, dia izao ny taratasy nosoratany ho an’i Mompera Jaricot :

« Dia nahomby fatratra tokoa ny ohatra nomenao !

« Vao andro vitsivitsy lasa izay no nilazan’i Mompera Duret tamiko fa hoe tsy vitany, hono, ny mampianatra katesizy ; ny hamonjy ny tenany, hono,

 

aloha no tokony hataony voalohany indrindra ; sady tsy hilàna olona akory, hono, ny asa soa dia soa tahaka io ataoko io ; ary raha izay izy : hain’Andriamanitra foana, hono, ny manolo azy sady Andriamanitra rahateo tsy handao ahy ; mila mihataka kely, hono, izy ary mila miasa, ka tsy maintsy hiditra any amin’ny « Grande Chartreuse » aloha ; tokony ho nijanona frera ihany, hono, izy ary niasa araka izany maha-frera izany, fa tsy nandray andraikitra ho pretra ; matahotra ny handray an’io andraikitra io, hono, izy ary matahotra ny hotsarain’Andriamanitra ny amin’izany ; rahefa avy mitoetra taona vitsivitsy ao amin’ny Grande Chartreuse, hono, izy dia hahazo hery kokoa ka hiverina, satria ho azony antoka kokoa ny fiantsoan’Andriamanitra azy ; tsara dia tsara rahateo, hono, ny antso anirahana ny Prado, ka tsy hifidy lalan-kafa izy, saingy tsy maintsy mandeha izy aloha izao… Eo anatrehan’izany zavatra rehetra tanisainy izany dia tsy haiko intsony raha mbola ho tafajanona izy…

« I Mompera Farissier indray dia milaza foana fa te-ho misionera ary ombieny ombieny dia maneho ny faniriany te-ho any Chine.

« I Mompera Broche moa dia aleony ny « Limonest » toy izay ny Prado, ary heveriko fa hiaraka amin-dRamose Jaillet izy.

« I Mompera Delorme dia tsy salama : tsy vitany samirery ny asa na dia eo aza ny herim-pony ; mila mijanona fotoana vitsivitsy any ambanivohitra izy, saingy tsy mitondra fankaherezana ho azy velively ny fahalasanan’ireo namany.

« Raha izao no mitohy, dia hangatahiko ho any amin’ny seminera ireo efa mianatra teny latinina ary tsy afaka handray ankizy hiomana amin’ny komonio voalohany intsony aloha aho. Samy tsy ananako amin’izao fotoana izao na ny fahasalamana na ny herim-po hanaovana toy izay nataoko taloha. Nomen’Andriamanitra mpanampy sy mpiara-miasa nahafatra-po aho, noesoriny tamiko anefa izy ireny ankehitriny : isaorana anie ny anarany masina ! Ahariharin’Andriamanitra amiko fa tsy mila na iza na iza izy hanatontosa ny asany. Ianareo rehetra samy milaza amiko daholo fa tsy mila na iza na iza Andriamanitra, mahavita izy na tsy eo aza isika : marina loatra izany ! Mino aho fa, rahefa tsy eo intsony isika, dia handefa olon-kafa Andriamanitra, ary hanao tsaratsara kokoa noho izay nataontsika ireo olona ireo.

 

Izany no hany fanalana alahelo ho ahy ary hany fanantenako, satria tsy afeniko fa malahelo ihany aho mahita ny Prado lasa haolo, tsy ahitana ankizy miriaria intsony, kanefa nandritra ny 18 taona dia olo-maro no nitsemboka teto, asa maro no natao teto ary maro no nibebaka teto.

« Mandehana daholo ianareo mitoka-monina, mivavaka sy manao asa fivalozana, any amin’ny mônastera. Malahelo aho fa tsy mba afaka mankany, nefa izaho no mila an’izany kokoa aza noho ianareo, satria izaho be taona noho ianareo ka nahavita fahotana be kokoa noho ianareo. Fa rahefa tsy ho any ihany aho, dia angamba ho any Saint-Fons, ka ny fanalana alahelo ho ahy dia ny hoe : mba namolavola olona ho « trappistes » aho, na ho « chartreux », na ho misionera, rahefa tsy nahay nanofana olona ho mpampianatra katesizy ihany, na dia io aza ankehitriny, araka ny fahitako azy, no ilain’izao androntsika izao sy ilain’ny Fiangonana.

« Veloma ianao, ry sakaiza malalako, mivavaha ho anay ary indrindra ho ahy, fa nihevitra ny hoe mba nahavita zavatra aho, dia asa mivaingana, kanjo hitako ankehitriny fa tsy nahavita na inona na inona aho. Enga anie izao fahafaham-baraka izao ho anatra ho ahy ary ho fanonerana ny fahotana vitako nandritra ny fiainako, noho ny fiavonavonako na noho ny antony hafa.

« Ny rahalahinao ao amin’i Jesoa Kristy, tavela samirery eo amin’ny hazofijaliany. »

« Mamela an’Andriamanitra hiasa »…

Ny « mamela an’Andriamanitra hiasa », dia ny mianatra mitondra fahoriana miaraka amin’i Jesoa, mamela azy handrantsana anao, manaiky hiara-maty aminy mba hanana anjara amin’ny fiainany sy amin’ny fitsanganany ho velona. Amin’ny androm-pitsapana indrindra no anehoan’i Mompera Chevrier fa hainy ny mitarika an’izay manankim-po aminy, ka mampianatra azy ireny hahafoy tanteraka ny zavatra rehetra, mba hahafahany manolo-tena manontolo amin’i Jesoa Kristy :

« Indray andro nitaraina tamin’i Jesoa i Mb Catherine fa hoe mavesatra loatra ny hazofijaliana ampitondrainy azy, dia hoy ny Tompo namaly azy : "Akory ny fitiavako mahita anao vesaran’ny hazofijaliana, fa manome voninahitra ahy kokoa ianao amin’ny fotoana iray hiaretanao fahoriana miaraka amiko, noho ny amin’ny taona maro mahafeno hafaliana ny fonao ary andraisanao fanalana alahelo".

 

« Anaka, mahita fitia lavitra eo imason’i Jesoa ianareo amin’ireny androm-pahoriana sy fitsapana ireny noho ny taloha, tamin’ny andro nahafaly sy nahasambatra anareo. Aza malahelo foana ianareo, fa ny fanirianareo no tanterahin’i Jesoa : naniry ny hanolo-tena manontolo aminy ianareo ; dia Izy mihitsy no manatanteraka ny fanirianareo. Marina fa mitroatra ity nofontsika mahonena ity ; mafy tsinona izany hoe mandà tena tanteraka izany, saingy tsy maintsy izay no atao ! Tsy ho an’i Jesoa na oviana na oviana ianareo raha mbola tsy nafahany tamin’izay rehetra mamatopatotra anareo eto an-tany.

« Fantatrareo ihany ny herin’ny voajanahary miasa ao anatinareo ; koa tsy mora ny mamongotra an’io fa mila fotoana, mila donina maharitra amin’ny marotoa ; avelao i Jesoa no hanao izany, dia Izy no hiandraikitra ny zavatra rehetra. Jereo fa efa tsara ny asa natombony, fa mpiasa mahay ny asany izy ! `Ndeha àry, avelao ataony ; hainy ny mandrantsana anareo ary hoesorina izay rehetra tsy ilaina ao aminareo. Toavy sy ekeo tsara ny zavatra rehetra. Malahelo aho mahita anareo mijaly, saingy tsy mety fa dia misaotra an’Andriamanitra noho ny hatsaran’ny asa ataony ao aminareo ; ny angatahako ho anareo dia ny fahasoavana hahatakaranareo izay ataony, ka tsy ho toherinareo ny asa ataon’Andriamanitra ao aminareo » (Taratasy faha-297 ho an-dRamatoa Franchet, 1866).

« Mahaiza mandrakariva manararaotra ny fahoriana mianjady aminareo, io no rakitra sarobidy atolotry ny Mpampianatra anareo ; ny mba hitovizanareo aminy no ametrahany anareo eo amin’ny hazofijaliana. Ny amelany anareo hitondra fahoriana dia ny hahatonga anareo ho isan’ireo vato, lazain’i Md Piera hoe : arafitra ho trano ara-panahy any an-danitra. Avelao àry ny mpipai-bato hanao tsara ny asany ao aminareo, fa mbola be tokoa no tokony halàna amin’izany vato izany : tsy nampoizinareo izany, anefa izany no marina. Ny fahoriana no mampianatra anareo hanetry tena, hanam-paharetana, hitia ny namana, hanaiky ny sitrak’Andriamanitra ; izany rehetra izany anefa dia mandio, manasa ary mandavorary. Koa mahereza ! Avelao hanao ny asany ilay mpipai-bato mahafatra-po avy any an-danitra.

 

Fantany tsara ny hoe aiza no tokony hopohina, ny aiza no tokony hoendahina. Fantatrareo tsara fa misy vato sasany mila pehina kokoa noho ny hafa ; iray amin’ireny vato ireny ianareo, mahaiza manaiky : avelao izy hiasa » (Taratasy faha-433 ho an-dRamatoakely Marguerie, 1875).

« Ny fomba handiovana ny fanahinareo dia ny fankatoavanareo ny fahoriana sy ny hetaheta ary ny fihafiana rehetra mitranga… Mivavaka ho anareo aho ary mangataka mba ho afaka kokoa hatrany ny fanahinareo, hahatonga azy ho toy ny volamena madio, mendrika hatolotra an’Andriamanitra. Fa Izy no nandrotsaka anareo ao anatin’ny memy mirehitra mba handio anareo ; Izy no mahay an’izany kokoa noho isika, avelao hataony, dia ho voninahiny ny zavatra rehetra ; aza lavina ny fahasoavany sy ny hevitra tsara arosony fa homeny anareo mandrakariva ireo » (Taratasy faha-344 ho an-dRamatoa Franchet).

Fahoriana sy fahalavorariana

Ireto lahatsoratra manaraka ireto no ahitana ny hoe mampitolagaga tokoa ny fahalavorariana mety ho tratran’ny mpianatra mizotra amin’ny lalana ambaran’ilay « Tabilaon’i Saint-Fons », indrindra raha apôstôly toa an-dry Mompera Chevrier no tena manaraka izany lalana izany eo amin’ny fiainany :

« Alarobia… Lehibe dia lehibe ny faniriako hahazo fahasoavana, hahita fahazavana, hanao fanoneran-keloka…

« Mba hahazoany fahasoavana, fahazavana, famelan-keloka dia nanetry tena i Jesoa Kristy, nanolo-tena ho mahantra izy, nijaly. Izany koa no tsy maintsy ataoko.

« Arakaraka ny maha afaka ny olona iray amin’ny fatopatotra mangeja azy, na eto ivelany na ao anatiny, no itosahan’ny fahasoavana, ny fahazavana ary ny Fanahin’Andriamanitra ao aminy. Koa inona no hataoko ?

« Lalana iray hahafahana mitovy amin’ny Tompo ao anaty, ny fiezahana hitovy aminy eto ivelany…

 

« Tamin’ny alalan’ny fahantrana, ny fanetren-tena, ny fahafatesana no niterahan’i Jesoa Kristy ny Fiangonany ; amin’ny alalan’ireo koa no ahafahantsika mamokatra » (MS X, p. 29).

« Ilaina dia ilaina ny manetry tena marina, miala tanteraka amin’ny fatopatotra isan-karazany, manahaka ny mahantra fadiranovana tsy manana na inona na inona. Mba rahoviana ihany aho no ho tena tsinontsinona, na eo imasoko na eo imason’ny olona rehetra, ka hahafahan’ny fahazavan’Andriamanitra manazava sy mitarika ahy ? » (Taratasy faha-333 ho an’dRamatoa Franchet).

« Ny fahoriana sy ny fanalam-baraka no tena mamolavola ny maha-olona. Izay mbola tsy nahatsiaro nijaly, tsy mbola niaritra na inona na inona, dia tsy mahalala na inona na inona ary tsy mahavita na inona na inona » (Taratasy faha-130 ho ana seminarista iray, 1877).

« Ny fahafahana miaritra tsara ny fahoriana no tena fototry ny fahalavorariana » (Taratasy faha-379 ho an-dRamatoakely Grivet, 1877).

« Ny fahoriana dia tandra vadin-koditr’izay tena apôstôlin’i Jesoa Kristy… Io no fambara lehibe ahalalana ny tena fitiavana… Io no tombo-kase iavahan’ireo manam-panahy tonga lafatra » (VD p.486).

« Rahefa mety ho asan’Andriamanitra dia tsy maintsy mitondra tombo-kasen’ny fahantrana sy ny fahoriana…

« Tsy ny tany, tsy ny trano, tsy ny volamena, tsy ny vola no ahavitana ny asan’Andriamanitra, fa ny olona, dia ireo olona mafana fo, mahafoy tena, afa-miaritra fahoriana, entanin’ny Fanahin’Andriamanitra.

« Izany no ilaina hahavitana ny asan’Andriamanitra. Omeo olona iray mafana fo aho, olona mahafoy tena, afa-miaritra fahoriana, fa hahavita mihoatra noho ny olona iray tapitrisa izy ; ary raha misy iray hafa eo anilany eo,

 

mitovy faniriana sy tanjona aminy ary atambatry ny fitiavana an’Andriamanitra aminy, dia indro fa tafaorina eo ny asan’Andriamanitra » (VD, p. 308).

« Ny fahoriana sy ny hazofijaliana no fomba haingana indrindra ary mahomby indrindra, handavorariana ny fitiava-namana » (Taratasy faha-291 ho an-dRamatoa Franchet, 1863).

« Alohan’ny hahatongavan’ny olona ho mofon’Aina mahavelona, dia tsy maintsy mandala amin’ny Tranon’omby sy ny Kalvery aloha izy. Movà tsy ny varimbazaha : velezina izy aloha, fotsiana hiala ny akofa sy ny apombo, izay vao totoina ho koba ; tsy hita intsony ilay endriny taloha ; saingy amin’izay izy vao azo atao mofo hahasoa ny vatantsika… Raha hanina amin’ny salohiny ny vary dia hankarary ; raha hanina miaraka ny apombo izy dia tsy ho telina. Rahefa voatoto kosa anefa izy dia zary sakafo mahavelona. Toraka izany koa isika : tsy mahasoa ny vatana amam-panahin’ny hafa isika raha mbola tsy nandalo tamin’ny fahafatesana » (Naoty nalaina nandritra ny laretirety, 1866, Ms X p.24).

« Aoka ny vatantsika ho hostia velona ; aoka ny vatantsika hitondra ny fahafatesan’i Kristy, mbà hanehoany ny fahaveloman’i Jesoa Kristy koa.

« Tonga hostia velona tokoa isika raha manaiky ho levona ho an’Andriamanitra, toy ny sorona atolotra azy isan’andro vaky, toy ny labozia lanin’ny afo, toy ny emboka mihalany rahefa mirehitra, sady mihalevona no mahamendrika fofo-manitra eo anatrehan’Andriamanitra.

« Tokony hamerovero an’izany hanitr’i Jesoa Kristy izany ny tenantsika manontolo… Tahaka ny tavoaran-dranomanitra, rahefa sokafana izy dia mihanaka ny hanitra avy aminy, dia tahaka izany koa isika : rahefa miteny isika na miasa, dia tokony hihanaka avy amintsika ny hanitr’i Jesoa Kristy, izany hoe : ny finoany, ny fitiavany, ny halemem-panahiny, ny fanetre-tenany, ny fitiava-namana ao am-pony » (VD, p. 197-198).

 

« Ny fanahy tsy miraiki-po na amin’inona na amin’inona fa mahantra tanteraka no hany afa-manao soa ho an’ny hafa. Raha mbola mifikitra amin’ny tenanao ianao dia tsy mety hanana zotom-po marina, hanana fitiava-namana marina, hanana toe-tsaina mahafoy tena marina » (P 3, p. 143).

« Ao anatin’ny fahantrana tanteraka, ka tsy iraiketam-po amin’ny tena sy amin’ny voaary manontolo ary amin’izao zavatry ny tany rehetra izao, no misy ny fahendrena. Rahefa anananao io fahantrana tanteraka io, dia izay ianao vao afa-misondrotra miaraka amin’i Jesoa Kristy mananika ny ambaratonga ambony amin’ny fitiavany. Ka amin’izay tsy misy na inona na inona avy aminao intsony, tsy misy zavatry ny tany intsony ; tsy misy na inona na inona mety hampiferinaina anao, na handemy ny herimponao, na hampitebiteby anao, satria ny zavatry ny tany rehetra efa levona ary i Jesoa Kristy no miara-miaina aminao. Dia Izy no arahinao hatraiza hatraiza, manerana ny faritry ny ambaratonga ambony amin’ny fitiava-namana, amin’ny zotom-po, amin’ny fahoriana sy ny fahafatesana. Endrey ny hatsaràn’izay olona, na izay pretra mihazo amin’izany lalana izany, ary tahaka ny inona moa ny zava-bitany rahefa mizotra amin’iny lalana iny miaraka amin’i Jesoa Kristy izy… » (Taratasy faha-440 ho an-dRamatoakely Marguerie, 1876).

 

IX Ny Fanahin’Andriamanitra

Mahalana no ananana ny Fanahin’Andriamanitra

Nampijaly an’i Mompera Chevrier ny nandinika ny halavitry ny elanelana manasaraka ny tarigetra atolotr’Arrdriamanitra hotratrarin’ireo antsoiny ho amin’ny fahamasinana sy ny firefarefan’ny valin’izany antso izany, na ny azy na ny an’ireo pretra sy kristianina hafa marobe :

« Miharihary amiko fa zavatra tokony hataoko izany, nefa tsy ataoko ; tsapako fa tokony hatanjaka aho mba hahafaly ny Mpamonjy ary mba hahazoako vokatra bebe kokoa eo amin’io fandraharahana masina lehibe io, saingy tsy manao na inona na inona aho ; tsy sahiko ny miseho ho adala hanompoana an’i Jesoa Kristy, ilay Mpamonjy tsara fo. Eo am-pivavahana, eo anatrehan’ny Eokaristia masina, tahaka ny inona ity zavatra irina hatao, kanjo rahefa am- perinasa tokoa : ny hakanosana sy ny halemena no be ! Mivavaha ho an’ity Mompera fadiranovana mpiandraikitra anareo… » (Taratasy faha-20 ho an’Andriamatoa Rambaud, 1859).

« Jesoa Kristy hafa ny pretra : tsara tokoa izany ! Fa mivavaha ho ahy mba ho izany marina aho. Tsapako fa lavitra dia lavitra an’izany môdely soa izany aho, ka indraindray miraviravy tanana : lavitra ny fahantrany, lavitra ny fahafatesany, lavitra ny fitiavany… » (Taratasy faha-52 ho an’i Mompera Gourdon, 1865).

« Aoka ho tsorina fa mbola lavitra anareo ny Fanahin’Andriamanitra, nefa raha tsy manana an’io ianareo tsy ho zanakavavin’i Jesoa marina tokoa ; mbola lavitra anareo ilay famoizana tanteraka ny zavatra rehetra takian’ny Tompo aminareo,

 

mba hahafahanareo manolo-tena manontolo aminy ary manaraka azy amin’ny fitiavany, amin’ny fanetren-tenany, amin’ny halemem-panahiny sy ny fahafoizan-tenany… Mangataha amin’Andriamanitra mba hahafahako miasa ho an’ny fanamasinan-tenako sy ho an’ny fanamasinana anareo, fa mitaraina mafy aho ao anatin’ny foko mangina ao, mahita antsika rehetra fadiranovana sy manjoretra toy izao, dia isika izay tokony ho feno fanetren-tena, feno zotom-po sy fitiava-namana, fahafoizan-tena sy fahantrana, araka ny Fanahin’Andriamanitra » (Taratasy faha-170 ho an’ireo masera voalohany tao amin’ny Prado, 1869).

Hoy ny fitenin’i Mompera Chevrier : « mahalana no ananana ny Fanahin’Andriamanitra » :

« Eny, mahalana no ananan’ny olona ny Fanahin’Andriamanitra, satria sarotra dia sarotra ny misaraka tanteraka amin’ny sain’ny tena, amin’ny fahaizana, amin’ny fiainana ara-nofo, amin’ny toe-tsaina mivaona, ka hahafahan’ny tena manaiky ho feno ny Fanahin’Andriamanitra ary tsy hanao na inona na inona raha tsy araka ny Fanahin’Andriamanitra.

« Sarotra dia sarotra ny miombona amin’Andriamanitra ka zary hoe tena iray aminy tanteraka ; sarotra ny manetry tena marina, miaiky ny tena ho bitika, mahay manaiky ary miaina anaty fahanginana, mba hahafahana mandray sy manaraka lalandava izay atorony. Ny bitsika avy aminy dia tsy ataony amboletra, na bontolo, fa mazàna, mba tsy hilazana hoe mandrakariva, dia ataony milamina tsy re tsaika ; hany ka sarotra ny mandray sy mahazo ary mankatò azy. Etsy andaniny anefa, ny fahaizana amam-pahalalana, ny sain’olombelona mandinika, izao tontolo izao ary ny fanao mahazatra eo amin’ny fiainana, dia samy be tabataba avokoa manodidina antsika, hany ka vao mainka sarotra dia sarotra ny mandre ny bitsik’Andriamanitra ary manaraka azy antsakany sy andavany.

« Raha tiana ny hanana ny Fanahy Masina, dia tsy maintsy nialana aloha ity fiainana ara-nofo manarona antsika sy misintona antsika ity. Tsy maintsy niadivana naharitra sy notoherina ny kileman’ny tena, na kilema ara-panahy na ara-nofo ; tsy maintsy efa naka fotoana naharitra nandalinana ny Evanjely masina ; ary tsy maintsy hatry ny ela no efa nivavaka nangatahana an’izany fahasoavana izany ! Tahaka ny inona anefa ny havitsian’ny olona mahafeno an’ireo fepetra rehetra ireo !

« Ny fiainana ara-nofo rahateo mahery vaika izaitsizy ao amintsika, ary ny fiainana ara-panahy avo dia avo, mifanohitra dia mifanohitra amin’ny toetra maha-nofo aman-drà antsika,

 

hany ka alaim-panahy ny olona hihevitra fa tsy efan’ny olombelona hotanterahina mihitsy ny bitsiky ny Fanahy Masina, izay mazàna tondroiny ho nofinofy ihany. Ireo fampianaran-dehibe sy ireo torohevitra ao amin’ny Evanjely dia heverina koa fa tsy hay tanterahina, ka aleo manaraka ny lala-masaka efa mahazatra andavanandro, toy izay hananika ny lala-mideza soritan’ny Fanahy Masina, izay mazàna henjana ho an’ny ara-nofo. Dia avy ny saina mandrodana ny Evanjely manontoló, hita foana izay fomba handambolamboana ny resaka ka hifikirana amin’ny fiainana ara-nofo.

« Ny hevitra arafitry ny sain’olombelona no mamono ny Evanjely ary mandrodana izay rehetra avo sy lehibe ary manan-kasina, ao amin’ny fampianarana sy ny torohevitra omen’ny Tompo antsika ; isan’ireny ny momba ny fahantrana, ny tsy firaiketam-po amin’ny zavatry ny tany, ny fitiava-namana, ny fandavantena, ny fampijalian-tena, ny asa fivalozana.

« Hany ka raha misy olona iray eto an-tany manana ny Fanahin’Andriamanitra, tahaka ny inona moa ny fitadiavana azy ! Tahaka ny inona ny fihazakazahana mankany aminy ! Samy avy mitady an’izany Fanahy izany, handre azy manome ireo torohevitra avy any ambony. Ary amin’izany dia tahaka ireny hoe efa miombona amin’Andriamanitra ireny ary tahaka ny hoe efa lanitra ny eto an-tany. Zava-mahalana izany, saingy miankina amintsika ihany ny hahazoana azy, raha ekentsika ny ho vonton’ny Evanjely sy hanatanteraka azy.

« Ny Fanahin’Andriamanitra ! Izany no raki-tsarobidy indrindra azon’Andriamanitra atolotra ny olombelona. Izany koa no raki-tsarobidy indrindra azon’Andriamanitra atolotra an’izao tontolo izao : apetrak’ Andriamanitra amin’olona sasantsasany ny Fanahiny, mba hahafahan’ny hafa mahita azy, manontany sy manaraka azy ary mandray tombontsoa avy aminy.

« Aoka hangatahintsika amin’Andriamanitra Izy, ary aza atsahatra ny fangatahana azy na ho antsika na ho an’ny hafa » (VD, p. 228-229).

« Ny Fanahin’Andriamanitra, io no fara fanaperana ! »

« Andriamanitra ô, arotsahy ato amiko ny Fanahinao ! » Izany no vavaka tokony hataontsika tsy tapaka, isan’andro, isaka ny mihetsika. Ny Fanahin’Andriamanitra, io no fanaperana !

 

Raha Izy no manentana antsika, dia ananantsika ny zavatra rehetra, eo an-tanantsika ny harena rehetra any an-danitra sy ety an-tany.

« Fa tsy maintsy angatahina anefa Izy, omban’ny faniriana handray azy marina tokoa, sy ny fahavononana hanao izay fara hery mba hahazoana azy, ary ny finiavana hiaritra ny mafy rehetra mety hitranga ary mety hotakina, mba hahazoana sy handraisana azy. Raha tsy izany dia tsy ho afa-mandray azy isika, ary tsy ho afa-manome azy antsika Andriamanitra.

« Ny Fanahin’Andriamanitra dia tsy ao amin’ny hoe lalàna manan-kery, tsy ao amin’ny fomba enti-manao zavatra, tsy ao amin’ny lafin-javatra ivelany, tsy ao amin’ny fomba fitafy, tsy ao amin’ny fitsipika mifehy. Ao anatintsika Izy rahefa nomena antsika. Heno ny feony, saingy samy tsy fantatra na izay iaviany na izay alehany ; mitsoka amin’izay tiany izy. Amin’iny fotoana tsy ampoizintsika iny indrindra no ahatongavany ao amintsika. Rahefa tadiavina izy, tsy hita ; rahefa tsy tadiavina anefa : indro izy eo. Tsy miankina amin’ny sitrapontsika izy, tsy miankina amin’ny fotoana, na amin’ny andro, na amin’ny ora ; tonga izy rahefa tiany izany : ny anjarantsika dia ny mandray azy rahefa tonga izy. Afa-manao izay tiany izy, tsy miankina amintsika ; saingy mifandray amintsika izy amin’ny fotoana tsy hiheverantsika azy indrindra. Tsy ny fampiasantsika saina no ahitana azy, tsy ny fandalinana, tsy ny fandrafetana tsangan-kevitra, na fitsipika. lzy no afo avy amin’Andriamanitra tsy mitsaha-mihetsika, misandratra amin’ny fotoana tsy ampoizina, miseho dia midify, toy ny afon-kitay. Amin’izy mitranga iny no tsy maintsy hararaotina raisina ary ifaliana, ary tahirizina isaka ny miditra amin’ny fiainantsika » (VD, p. 511).

« Mbola mila mivavaka mafy isika, ary mbola mila zavatra maro mba handraisana ny Fanahin’Andriamanitra. Endrey ! aza sasatra mangataka ny Fanahin’Andriamanitra ho ahy, fa io no fanaperana ! Raha ananantsika ny Fanahin’Andriamanitra dia ananantsika ny zavatra rehetra. Raha izay aho no mba afaka nanana azy kely, mba nahafahako nizara azy taminareo, dia ho sambatra tokoa aho, satria hotontosako ny asa nankinina amiko. Samia mangataka azy ho an’ny tsirairay avy ;

 

aza hadino ny manao ny « Veni Creator » isan’andro mba hahafahantsika mandray azy safononoka ary mba hahafahako mizara azy aminareo » (Taratasy faha-117 ho an’ireo seminarista nolieaziny, 1877).

« Ny ilaina voalohany indrindra dia ilay tsiron’Aina ao anaty… »

Raha ny filaminana sy ny fanajana ny fitsipi-pifehezana no tena noantitranterina, tanatin’izany fotoana izany, i Mompera Chevrier kosa nampahatsiaro fa, amin’ny fanofanana ny kristianina, dia ny Fanahy Masina no tokony hibaiko ny fihetsika aseho ety ivelany :

« Ny fisehoana eto ivelany no ahitana taratra fa ao ny Fanahin’Andriamanitra, fa tsy izy velively no manome ny Fanahin’Andriamanitra. Indro misy fanoharana mety hanampy hahatakarana an’izany.

« Indreto misy hazo anankiroa, ny iray hazo voajanahary ary ny iray voatr’olombelona. Mitovy tsisy valaka anefa izy roa.

« Ilay hazo voatr’olombelona dia asan-tanan’olona : ny vatany, ny rantsany, ny raviny, ny voniny, ny voany dia samy vita tsara daholo, sady tsara loko no tsara endrika ; tena tsisy valaka amin’ilay hazo voajanahary mihitsy : mahavariana ny filaminy, ny firindrany, ny endriny, ny lokony, ny fitoviany ; saingy io hazo io sady tsy misy faka no tsy misy tsiron-kazo ao anatiny ; tsy miaina izy fa maty ; aina voatr’olombelona no isehoany, aina nalain-tahaka.

« Olombelona no namboatra azy manontolo ; Andriamanitra tsy nikasika teo mivantana. Manaitra ny maso ny hatsarany, saingy tsy misy aina ao anatiny ka tsy antenain-kamokatra izy ; tsy fihinana ny voany, ka tsy tonga mankeo aminy ny vorona eny an-danitra mitady sakafo.

« Ilay hazo voajanahary kosa anefa, tsy nokasihin’ny tanan’olombelona firy : ny namboly no nataony, nandrantsana, nanondraka, fa Andriamanitra no nampitombo ny hazo.

 

« Misy tsiron’aina mahagaga ao anatiny ao, tsy hita maso, fa avy amin’Andriamanitra ary io no mitondra aina ; io tsiron’aina mahagaga io no miteraka ny vatan’ilay hazo, ny voniny, ny raviny, ny voany ; ary fihinana ny voany.

« Misy aina ao anatin’io hazo io, aina avy amin’Andriamanitra ary tsy ananan’ilay hazo anankiray : na toy inona na toy inona endrik’ilay hazo voatr’olombelona, dia mijanona ho hazo maty hatrany izy, fa ilay iray no hazo miaina…

« Ny maharevo mazàna dia ny endrika ivelany fa tsy ny ao anaty. Tsy iezahana ny manisy an’ilay tsiron’aina mahavelona, fa dia hazo voatr’olombelona ihany no atao, hazo tsy manana aina no amboarina.

« Mora lavitra manko ny mikarakara hazo voatr’olombelona noho ny mampitsiry hazo manana aina. Ny hazo voatr’olombelona dia tsy mitaky afa-tsy zavatra kely foana : fikarafarana, asa, fihetsika hentitra, maty paika, ary fitozoana. Fa ny hampitsiry hazo velona kosa dia mila tsiron-kazo hamelona azy. Io tsiro mitondra aina io no tsy maintsy ampitaina ao amin’ny aty fanahin’ireo olona beazina ; mba hahafahana mampita izany anefa dia tsy maintsy ananana izy aloha ; fahasoavana, aina, finoana, fitiavana mamelombelona : izany no ampitaina, saingy ny valala tsy an-tanana tsy atolo-jaza, raha tsy ananana izany tsy hay atolotra, tsy azo koa anefa raha tsy isahiranana sy iandrandrana an’Andriamanitra. Asa ara-panahy sarotra lavitra noho ny asa ara-nofo izany.

« Ny Fanahy Masina no tokony hamokatra ny endrika isehoantsika eto ivelany. Koa ny tokony hanombohana azy dia ny fandraisana ny Fanahin’Andriamanitra ao anatintsika ; fa rahefa mbỳ ao Izy dia manao toy ilay tsiron-kazo : Izy no mamboatra ny endrika ivelany rehetra. Koa ny ao anaty no tokony hifotorana bebe kokoa noho ny fisehoana eto ivelany ; ny ao anaty no aoka homen-danja kokoa noho ny ety ivelany. Omeo ny toerana sahaza azy ao amin’ny fanahin’ny olona ny « ao anaty », fa hanaraka ho azy mora foana ny « ety ivelany » ; fa raha ny « ety ivelany » no omenao toerana mialoha dia tsy hisy vokatra velively hitsiry eo.

Koa ny ao anaty no tokony hifotorana bebe kokoa noho ny fisehoana eto ivelany ; ny ao anaty no aoka homen-danja kokoa noho ny ety ivelany. Omeo ny toerana sahaza azy ao amin’ny fanahin’ny olona ny « ao anaty », fa hanaraka ho azy mora foana ny « ety ivelany » ; fa raha ny « ety ivelany » no omenao toerana miatoha dia tsy hisy vokatra velively hitsiry eo.

« Hisy hilaza fa taratry ny ao anaty ny eto ivelany ; tsy marina mandrakariva izany, fa satria misy olona mahay mitondra tena noho ny hafa, raha ny eto ivelany no jerena, kanefa olona tsy ankasitrahan’Andriamanitra firy noho iretsy atao hoe tsy dia manana inona loatra eto ivelany, saingy manam-be kosa ao anaty, manam-piniavana kokoa ary miezaka kokoa.

 

"Aza mitsara ny ety ivelany, hoy ny Tompo, aza mizaha tavan’olona."

« Raha omena toerana ny « ety ivelany », kanefa ny Fanahin’Andriamanitra tsinona tsy ao, dia izay no vatana tsisy fanahy. Manao asa manidintsidina fotsiny, raha ny ety ivelany no aorina mialoha : asa tsy misy fototra iorenany, zary milina tsisy fanahy, movà tsy ny famataran-drivotra. Ny tokony hapetraka voalohany manko dia ny finoana, ny fitiavana an’Andriamanitra, ilay tsiron-kazo mitondra aina ao anáty » (VD, p. 220-221).

« Tsy ny hodi-kazo loatra no tokony hifotorana ; be no tsy mieritreritra afa-tsy ny hodi-kazo, tsy mahita afa-tsy ny hodi-kazo, tsy mitsara afa-tsy amin’ny fahitana ny hodi-kazo. Ilaina ny hodi-kazo handehanan’ny tsiron-kazo, hitondra ny tsiron’Aina : fa hatao inona hodi-kazo tsy mitondra tsiron’Aina. Moa tsy hazo maty ! Tsy maintsy arovana ny hodi-kazo, fa ny tokony hatao indrindra dia ny manondraka, ny manisy zezika mba hahazoana tsiron-kazo tsara, mahery, mitondra aina, dia ho tsara endrika mahafinaritra ny hazo. Karakaraina ny fakany » (VD, p. 224).

lzany no niavian’ny torolalana nomen’i Mompera Chevrier an’ireo clona notantanany handroso ara panahy :

« Mianàra tsara manao vavaka maharitra mangina ; hahalalanareo zavatra be lavitra noho ny mamaky boky izany ; raha mahay mivavaka ianareo dia hampianatra anareo zavatra maro ny Fanahy Masina » (Taratasy faha-61 ho an’i Mompera Jaricot, 1866).

« Tsarovy fa ny mpitantana ara-panahy tsara indrindra dia ny Fanahy Masina ; ho antsika dia ny Tompo no mpitantana ara-panahy lehibe indrindra. Raha izy no anontanianareo dia hampianatra anareo mihoatra noho izay ataoko sy ataon’ny hafa rehetra izy. Mahaiza mianina aminy : be lavitra ny hadisoana hokianiny ao aminareo, mandritra ny vavaka mangina ataonareo, noho izay mety ho voalazako amin’ny toriteny rehetra hataoko aminareo » (Taratasy faha-388 ho an-dRamatoakely Grivet, 1878).

 

« Ny Fanahy Masina no manome antsika ny Fitiavana… »

Ny Fanahy Masina no mampitsiry sy mampitombo ny fitiavana ao am-pon’ny olona ; izany no fomba anatanterahany ny asan’Andriamanitra ho tonga lafatra ao amintsika tsirairay avy ary ao amin’ny taranak’olombelona manontolo :

« Ao amin’izay misy ny fitiavana ny Fanahin’Andriamanitra : io no loharanon’Aina omen’ny Fanahy Masina, izay Fitiavana rahateo araka ny maha Izy azy… Ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana : ireo no loharano ary tsiron’Aina mamelombelona ny zavatra rehetra, ireo no tsy maintsy hamokatra ny zavatra rehetra ao amintsika ; rahefa misy an’ireo ao am-pon’ny olona iray dia misy ny zavatra ilaina rehetra ao aminy.

« Aleo fitiavana tsy misy fihetsiketsehana ivelany, toy izay fihetsiketsehana ivelany tsy misy fitiavana. Aleo korontana ahitana fitiavana, toy izay filaminana tsy ahitana fitiavana » (VD, p. 223).

« Ny Fanahy Masina, fitiavana, no mamokatra ny asan-tanan’Andriamanitra. Ny Fanahy Masina no ilay mpanatanteraka ikoizana, mpanao ny raharahan’Andriamanitra, ilay Mpiasa tonga lafatra mpanatontosa ny asan’ny Ray sy ny Zanaka…

« Ny Fanahy Masina no manaitaitra sy manokatra ny fandrenesana rehetra ao amin’ny aty fanahintsika ao, Izy no manokatra ny masom-panahintsika, ny sofina, ny lela, ny orona, ny tanana, ny fontsika hitia ny zavatra ara-panahy. Hany ka rahefa manana ny Fanahy Masina isika dia afa-mahita, mandre, mahatakatra, manimbolo, mahatsapa ny zavatra momba an’Andriamanitra…

« Ny fitiavana dia ahavitan’ny Fanahy asa ara-panahy igagàna avy amin’Andriamanitra. Ho an’ny olona maro, dia ny sainy ihany no entiny manaka-javatra, fa tsy mba ny fony. Ireo izay tsy mampiasa afa-tsy ny sainy hahatakaran-javatra dia tsy mamokatra na inona na inona, satria ny fitiavana ihany no afa-mamoka-javatra. Noho ny Fanahy Masina tsy ananan’izy ireo dia tsy afaka mamokatra zavatra momba ny lanitra na zavatra ara-panahy izy…

« Ny Fanahy Masina dia afo manetsiketsika ny zavatra rehetra ao anaty fanahintsika, raha tahiny efa ananantsika ao ny tsirin’ireo hery tokony hohetsehina,

 

dia ny aina nomen’ny Ray antsika, ny fahalalana na hoe ny fahazavana nomen’ny Zanaka : io ilay endrika ivelany isehoan’Andriamanitra amintsika, hitantsika maso nefa tsy haintsika takarina na tiavina raha tsy ao amin’ny Fanahy Masina » (MS X, p. 123).

« Tsy avelako handalo fotsiny ny hasoan’izao herinandron’ny Pantekôty izao raha tsy hanipazako teny kely ho anareo. Herinandron’ny Fanahy Masina ity, ary fantatrareo tsara hoe tahaka ny inona no hilantsika an’izany Fanahy izany hahafahana miaina ny ain’Andriamanitra.

« "Izay nateraky ny nofo dia nofo, izay nateraky ny Fanahy dia fanahy", ary hoy koa ny Tompo hoe : "Izay tsy ateraka amin’ny rano sy ny Fanahy Masina dia tsy hiditra amin’ny Fanajakan iry Lanitra". Koa tsy maintsy raisina io aim-baovao io ary tanterahina ao amintsika io fahaterahana amin’ny Fanahy io, fa izany no hany ahafahantsika manatona an’Andriamanitra. "Izay nateraky ny nofo dia nofo" ; nolovantsika avy amin’i Adama io olona voalohany io, omban’ny fitsiriritany rehetra, ny kilemany, ny fahoriany sy ny tarazony rehetra ; napetraky ny fahotana ao amintsika izany rehetra izany. Ny Fanahy Masina no avy mandevona an’io toetra voalohany io, dia ilay olona tranainy, amin’ny alalan’ny fahasoavany sy ny heriny, ary apetrany ao amintsika ilay aina ara-panahy avy amin’Andriamanitra, ka itovizantsika endrika amin’ilay Mpahary antsika. Mitovy endrika aminy ary manahaka azy no nanaovana antsika. Ny Fanahy Masina no hamerina amin’ny laoniny an’izany endrika sy fanahafantsika azy izany, izay nokosehin’ny fahotana indrisy !

« Endrey ! Aoka àry hitalaho mafy amin’ny Fanahy Masina isika, fa he izany hilantsika azy mba hahatakarantsika ny hilàna azy, dia hoy i Jesoa : "Tsy maintsy mandeha aho mba hahafahako maniraka ny Fanahy Masina ho anareo". Ny Olona telo ao amin’Andriamanitra manko dia samy manana asa atao ao amintsika, mba haha-olombelona tonga lafatra antsika : ny Ray mahary antsika, ny Zanaka manoro antsika ny fahamarinana, ny lalana : Izy no fahazavana manilo antsika, ny Fanahy Masina kosa mandrotsaka ny fitiavana ao am-pontsika,

 

ary mitarika antsika ho tia azy, fa izay tia no mahatakatra, izay tia no mahatsapa, izay tia no afa-miasa. Koa ny Fanahy Masina no mamita hatramin’ny farany an’izay natombok’i Jesoa Kristy.

« Ny Ray no nahary antsika, ny Zanaka miseho amintsika ary maneho amintsika an’Andriamanitra sy ny lalana mankany, ny Fanahy Masina mitarika antsika hahatakatra izay lazain’ny Zanaka ary ho tia Azy. Ao amintsika no anaovan’ny Trinite Masina an’ireo asa telo miantoana ireo, ary samy ilaintsika daholo ireo ; azo lazaina anefa fa ny asan’ny Fanahy Masina no ilaina indrindra, satria mampaninona moa ny hoe mahita, raha tsy misy azon’ny saina tsinona izay zavatra hita ? Mampaninona ny hoe mandre, raha tsy misy azon’ny saina tsinona izay ren’ny sofina ? Ary mampaninona ny hoe saina mahatakatra, raha ny fo tsy mitempo fitiavana. Koa enga anie ho takatrareo tsara ny lanjan’ny asan’ny Fanahy Masina ao amintsika, mba hahafahanareo mangataka azy hiasa ao aminareo ka tsy hanelingelenanareo ny asany.

« Enga anie ny Fanahy Masina ho fahazavana hanilo ny sainareo, ho fitiavana ao am-ponareo ; enga anie Izy hitarika anareo hahazo izay lazain’ny Ray sy ny Zanaka ary hitarika anareo ho tia azy, dia ho zanak’Andriamanitra marina tokoa ianareo, zanaka tsy nateraky ny nofo aman-drà fa naterak’Andriamantra tamin’ny Fanahy » (Taratasy faha-93 ho an’ireo seminarista nobeaziny, 1873).

«Ny Fanahy Masina no mamolavola an’i Jesoa Kristy ao anatintsika…»

Ao anatin’ny pejy vitsivitsy mafonja aok’izany no anazavan’i Mompera Chevrier fa hoe ny asan’ny Fanahy Masina dia ny mamolavola an’i Jesoa Kristy ao amin’ny olombelona aritanan’Andriamanitra, mba hahafahana mampiditra ny olombelona ao amin’ny fiombonan’ilay Andriamanitra tokana Olona telo :

…« Ny Fanahy Masina no fiombonan’ireo Olona ao amin’ny misterin’Andriamanitra, Izy no mampiombona ireo Olona telo ao amin’Andriamanitra, ka andraikiny koa ny mampiombona amin’Andriamanitra an’ireo olona hafa avy ety ivelany, dia ny olombelona ari-tanan’Andriamanitra izany.

 

« lzy no hanomana sy hamolavola an’i Jesoa Kristy ety an-tany, i Jesoa ilay Tenin’Andriamanitra sy endriky ny Ray, ilay Teny iray tena amin’ny Ray. Izy koa avy eo no hamolavola ny fiainan’i Jesoa Kristy ao amin’ny zava-boaary rehetra, mba hampiraisana azy ireo amin’ny Ray amin’ny alalan’ny Zanaka, izay iray tena amin’ny Ray. Koa lzy no mampiditra antsika ao amin’ny fiombonan’ny Trinite Masina, amin’ny alalan’ny Zanaka, noho isika efa iray tena aminy tamin’ny namolavolana azy tao anatintsika noho ny asan’ny Fanahy Masina.

« Ny andraikitry ny Fanahy Masina voalohany indrindra àry dia ny mamolavola an’i Jesoa Kristy eto an-tany, mamolavola ny vatany, manomana ny fiaviany, manomana ny tany, ny vahoakam-pirenena, ny zava-mitranga ary ny voaary manontolo handray ny Tenin’Andriamanitra…

« Tsy afaka tonga teto an-tany tamin’ny fiandohan’izao tontolo izao ny Tenin’Andriamanitra, satria tsy maintsy nisy mponina aloha izao tontolo izao, tsy maintsy voaomana handray azy aloha izao tontolo izao, hahatsapa ny tena hilàny azy ary hivoatra tsara ara-tsaina mba hahafahany mandray azy.

« Ho an’Andriamanitra dia mitovitovy amin’ny zaza ihany izao tontolo izao : raha mbola menavava izy dia atao ao anaty lamban-jaza ; avy eo mandalo amin’ny fahazazana sy ny fahatanorana ; dia lasa olon-dehibe tonga taona, anatin’ny heriny ; ary miafara amin’ny faharerahana sy ny fahanterana.

« Tsy mbola takatry ny zaza ny didy avo lenta loatra ary ny fitsipika môraly ambony torosy loatra : tsy maintsy andrasana izy ho vory saina mba hahafahana manome azy fampianarana mifanandrify amin’ny taonany.

« Dia izany no nahatonga ny Fanahy Masina hiasa eo anivon’izao tontolo izao, mba hampianatra azy ary hanomana azy handray ny fiavian’ny Tenin’Andriamanitra.

« Fony mbola zaza izao tontolo izao dia ny lalàna voajanahary no nomena azy ; nony vory saina izy dia nomena ny lalàna voarakitra an-tsoratra : lalànan’ny hery sy tanjaka, sahaza ny hatanorana mila hery sy tanjaka ary fahefana hifehy azy ; fa avy eo, nony tonga taona izy, dia ny lalànan’ny fahasoavana sy ny fitiavana no natolotra azy…

« Koa ny Fanahy Masina àry no nanolokolo ny fahazazan’izao tontolo izao, nitantana azy tamin’ny fisamboaravoaran’ny hatanorany ary nanomana azy handray ny Mesia, ilay Mpamonjy, ilay tena Hazavana marina ary tena Famonjena. Teo anivon’ny vato misakana rehetra isan-karazany dia ny Fanahy Masina no nampandroso an’izao tontolo izao hitody amin’ilay hany tanjona, ilay tendro fanaperana,

 

foibe iompanan’ny zava-mitranga rehetra sy ny voaary rehetra eto an-tany : dia i Jesoa Kristy.

« Andeha hozahantsika hoe ahoana no ataon’ny Fanahy Masina hanomanana izany fotoan-dehibe izany ary ahoana no ataony hamolavolana ny hahaterahan’i Jesoa Kristy, hahalalan’ny olona azy ka hitiavan’ny olona azy sy haniriany azy.

« Tokana ny Fanahin’Andriamanitra : tsy miova izy na aiza na aiza ; ny toetrany ao amin’ny Trinite Masina ihany no toetrany ety an-tany ; tsy miova ny fomba fiasany ary ny asa iandraiketany dia ny mampiombona ny fanahy amin’Andriamanitra, toy izay ataony ao amin’ny Trinite Masina ihany : mampiombona ny olona telo ao amin’Andriamanitra ka maha Andriamanitra tokana azy.

« Eto amin’izao tontolo izao ny Fanahy Masina ; Izy no miasa ao amin’ny fanahin’ny olona ary mitaona azy ho any amin’Andriamanitra : Izy no mamelona azy, manamasina azy, manolokolo azy ary mampitsiry ao am-pon’izy rehetra ny fitiavana an’Andriamanitra, ny finoana ary ny fitiava-namana, araka izay zakany avy, mba hiombonan’izy ireo bebe kokoa amïn’Andriamanitra, amin’ny alalany ary amin’ny alalan’ilay Zanak’Andriamanitra.

« Koa ety an-tany, rahefa misy fanahy hitany fa afa-miray amin’Andriamanitra toy izany, dia alainy izany fanahy izany ary akariny hatrany amin’Andriamanitra.

Rehefa mahita fanahy mety haninteraka ny Teny izy ka haneho azy na amin'ny alalan'ny hevitra na ny asa, dia ho faly tokoa.

« Dia hiasa ao amin’izany fanahy izany izy, ary ho finaritra hanao ny adidiny ao an-kafaliana ; izany no entiny manome voninahitra ny Ray sy ny Zanaka…

« Izany no asan’ny Fanahy Masina ety an-tany : ny hamolavola an’i Jesoa Kristy ho tonga nofo hatraiza hatraiza, ny hampahafantatra azy, ny haneho azy, ny hilazalaza azy amin’ny olona ary hanao izay hitiavan’ny olona azy ka hahateraka azy ao amin’ny fanahin’ny olona…

« Na tao amin’ny Testamenta Taloha na tao amin’ny Testamenta Vaovao, ny Fanahy Masina dia mikaroka mandrakariva izay fanahy azony ialofana handray an’i Jesoa Kristy, azon’i Jesoa Kristy hahaterahana, ary afa-mampiantrano azy ka hahafahany mamolavola an’i Jesoa Kristy ho tonga nofo eo amin’izao tontolo izao ary manao izay hitiavan’ny olona azy » (Ms V, p. 401-405).

 

X Ny fiainana anaty firahalahiana

« Irery, irery mandrakariva… »

Rehefa mahatsapa fa ny fahasoavana noraisina tamin'ny Noely 1856, dia nanome hery ny Eglizy, Mompera Chevrier dia naneho, fotoana fohy taorian’ny fiovam-pony, ny hetaheta hahita namana voakasika koa tamin'ny antson’Andriamanitra ary tapa-kevitra tahaka azy, hiroso ao anatin’ny fiainana evanjelika hanompo ny mahantra. Tao amin'ny fiafaran’ny fisintonana iray, dia nanoratra izy ny volana May 1858 :

« Nanome toky an’i Jesoa aho fa hitady rahalahy tsara sitrapo mba hiaraka amin’izy ireo, hiara-miaina ao anatin’ny fiainana mitovy ao anaty fahantrana sy fahafoizan-tena, ka hiasa betsaka sy mahomby ho famonjena anay sy ireo rahalahinay raha izay no sitrapony. » (Ms X p. 10)

Fa mila filofosana lava izany fitadiavana izany ho hita ao anatin’ity taratasy soratana ho an’ity olona namana ity izany amin'ny 1865, taona vitsivitsy taorian’ny nanorenana ny Prado :

« Tsapako fa maharitra foana amin'ny sitrapo masin’Andriamanitra aho, ary manatara ny asany aza. Tsy maintsy mila olona iray ho eo akaikiko mandrakariva aho, izay hanosika sy hampatsiahy izay tokony ho ataoko.

 

Indrisy olomahantra aho, mampahonena aho raha tsy manao izay tian’Andriamanitra. Andraikitra izany, indrisy fitsarana sy fanamelohana ho ahy! Nandritra ny taona maro dia niteny tamin’Andriamanitra aho hoe : ‘Andriamanitra ô, raha mila olomahantra Ianao, inty aho ! Raha mila olona adala Ianao, inty aho !’Ary tsapako fa manana ny fahasoavana hanao izay angatahin’Andriamanitra amiko aho, ary izao tokony hihetsika aho, fa olona kamo sy kanosa aho. Oh ! Raha tsy misy ny fanahy izay hivavaka ho ahy, hanesika ahy, dia ho very aho ! Raha mandefa rahalahy mpiara-miasa tsara iray ho ahy izay mahazo tsara ny asa tsara ho ahy Andriamanitra, dia hanana risipò betsaka sy hery aho ! Fa raha irery na irery foana, dia ho tsapako fa tsy hanana hery aho. » (Taratasy faha-295 ho an’dRamatoa Franchet).

Ny taona manaraka, dia nino amin’izay Mompera Chevrier fa nahita ny namana izay nandrasany hatry ny ela tamin'ny alalan’ny pretra mihaja iray izay naniry hiaraka aminy ao amin'ny Prado. Tsy tanteraka ny fikasana. Nanoratra ho azy anefa izy tamin'ny 22 janoary 1866 :

« Tongava, fa hiara-mandinika ireo zavatra ireo isika, ary hiaraka hampihatra azy. Tsapako fa mila olona mahazo tsara an’Ilay Mpamonjy tsara sy ho tia Azy aho. Oh ! Tsia, araka ny noteneninao tao amin'ny taratasinao, tsy ho irery intsony isika, ho roa isika ary Jesoa no ho Mpampianatra antsika. Afaka ho azo avokoa ny zavatra rehetra ao aminy, afaka hiaraka ny zavatra rehetra ao aminy. Izy no Ilay kofehy mafy sy tsy mahafoy izay mampitohy ny fo te hanaraka Azy marina. Andao ary horaisintsika ho ao amintsika Izy mba ho mpitarika antsika, ho lehibentsika, ho modelintsika ao anaty fahantrana, ao anaty fahafoizan-tena sy ao anaty fitiava-namana. Andao hiaraka isika amin’ilay eritreritra hoe : Ny pretra dia Kristy hafa iray dia andao hanao izay rehetra azontsika atao isika mba hahazo sy hanaraka Azy (Taratasy faha-56 ao Mompera Gourdon, 22 janoary 1866)

 

Ny fianakaviana ara-panahy ka Kristy no fototra

Ao anatin’ny bokiny hoe « Ny Mpianatra Marina » dia nosoratan’i Mompera Chevrier teo amin’ny faramparan’ny fiainany, nisy zavatra iray tao anaty Evanjely izay nihazona manokana azy mba hanazavana ny atao hoe fianakaviana ara-panahy na raha tiana kokoa dia ny atao hoe fiombonana kristiana. Io dia ny sary ahitantsika an’i Jesoa, voahodidin’ny mpianany izay mihaino azy, manambara ny fotoana ahatongavan’ny reniny sy ny rahalahiny haka azy ka hanatitra any Nazareta : « Iza moa ny reniko sy ny rahalahiko ? Ny reniko sy ny rahalahiko dia izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mampihatra azy. Fa na iza na iza no manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko (jereo Mat 12, 46-50 ; Mk 3, 31-35 ; Lk 8, 19-20). Dia manazava i Mompera Chevrier :

Satria tian’Andriamanitra hahazo tsara isika amin'ny alalan’ny teniny ka ny fianakaviana tany am-boalohany dia mihafoana ary manome toerana ny fianakaviana ara-panahy ary tsy manana fifamatorana intsony na ara-nofo na ara-rá, fa manana fifamatorana kosa amin’Andriamanitra, amin'ny teniny ary ny fampiharana ny teniny. Izay no fihavanana lehibe ho an’ny fanahy, ary ny fifamatorana ao amin’ity fianakaviana ara-panahy ity dia mifanakaiky sy tena mafy noho izay misy ho amin'ny fianakaviana eto an-tany izay fifamatorana ivelany sy ara-nofo fotsiny.

Rehefa mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mahazo azy ny fanahy roa hazavain’ny Fanahy Masina dia misy firaisana ara-panahy tena mifanakaiky ao amin’ireo fanahy roa ireo ka Andriamanitra no tena ivon’ny fiainana sy fampihavanana. Izay no tena fifamatorana ao amin'ny fivavahana, ny fihavanan’ny fanahy sy ny fo marina.

Ity fahalalana ity aloha no miteraka ny fitiavan’Andriamanitra ary koa fitiavana eo amin’izay mieritreritra tahaka antsika araka an’Andriamanitra, ary io fifamatoran’ny fanahy io, izay mifototra ao amin’Andriamanitra dia tsy manam-petra sy mafy noho ny fifamatorana voajanahary.

 

Ary raha miaraka amin’ny fampiharana ny tenin’Andriamanitra io fifamatorana io, ka miforona ny tena fianakaviana mandeha amin'ny ara-panahy, ny firaisana tena kristianina manana an Andriamanitra hifotorana, ny teniny masina, hofifamatorana ny fampiharana mitovy zava-kendrena.

Fa tsy misy fianakaviana na fikambanana kristianina ka tsy misy firaisam-panahy miorina amin'ny fahalalana an’i Jesoa Kristy, amin’ny teniny masina ary amin’ny fanaovana ny asa soa mitovy. Ny fitiavana an’i Jesoa Kristy, ny faniriana hihazona ny teniny no fototra iorenan’ny fianakaviana kristianina rehetra, ary tena hiombom-po amam-panahy tahaka io fiorenana sarobidy io no hitoetra ao afovoantsika amin’izany ary dia ho tanteraka ny tenin’i Jesoa Kristy hoe : « Izy ireo no rahalahiko izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mampihatra izany. »

Fianakaviana sambatra ! fifamatorana tsara izay mampiray ny mpikambana rehetra amin’ity fianakaviana ity ao anatin’ny fitiavana namana sy faniriana iray hampahafantatra an’i Jesoa Kristy sy hampitia Azy !

Ary raha tena misy marina ity fianakaviana ity, ho hitantsika ao anatiny izay rehetra tokony hahita ao anaty fianakaviana marina : fitiavana, firaisana, fifanohanana, fitiava-namana, izany hoe ny fitandremana ara-panahy sy mandalo rehetra izay ilaina ao amin'ny tsirairay, ka tsy mila mandeha mitady any an-toeran-kafa izay ilaina ho an’ny filan’ny fanahy na ho an’ny tena, raha tsy izay dia tsy tena feno na tena izy ny fianakaviana.

Izany rahateo no lazain’ireo izay mitondra ny anarana hoe rahalahy na anabavy, na ray izay anarana ifanomezantsika, ireo anarana entina ireo dia tsy tokony hampiseho afa-tsy izay misy manamarina ny ao anaty, raha tsy izany mandalo sy mandainga ihany izy ireo. » (V.D. p. 151 – 152).

 

Amin’ity fianakaviana ara-panahy ity dia Jesoa Kristy no fototra iorenana sy ivony. Toy izao no anazavan’i Mompera Chevrier izany :

« Tsy misy dikany ny hitadiavantsika hanorina raha tsy miaraka amintsika Andriamanitra ary raha tsy Izy no mpanorina ny trano raha tsy Izy no mitarika ny asa, manome ny drafitra, sy mifidy ny mpiasa, ary Izy no manome ny baiko avy aminy ihany. Aminy alalany ny zavatra rehetra, miaraka aminy ary ao aminy. Noho izany, Jesoa Kristy no tsy maintsy tadiavina, tsy maintsy miaraka aminy raha hanorina, ho azy no tsy maintsy anorenana ; ny Fanahiny no tsy maintsy tadiavina ary Izy mihitsy no tokony ho karohina ary apetraka ho toy ny fototry ny zavatra rehetra… Noho izany dia aminy no anaovana ny zavatra rehetra, ifidianana ny zavatra rehetra, iantsoana, anorenana, andavana, iantsoana izay tiany. Izay rehetra azontsika atao, dia ny manoro ny lalana, mampahafantatra izay nolazain’ny Tompontsika ihany, ny lalana izay narahiny, ary anjaran’ny tsirairay ny mahita rehefa avy eo raha te-hanaraka ny Tompontsika izy amin’izay dia mandray toerana ao an-tranon’Andriamanitra… Tsy maintsy i Jesoa Kristy no mifidy ny vato atao amin'ny tranony ». (Ms X p. 324-326)

Amin'ny fari-bolana iray dia misy ivony ialana sy iverenan’ny taratra rehetra ; io no ivony ifanenana sy iaingan’ny zavatra rehetra. Jesoa koa no ivony tokony itangoronana sy iaingan’ny olona rehetra. Raha ho any an-danitra tsy maintsy mandalo amin’io ivony io. Ny tranon’omby, ny Hazofijaliana sy ny taberinakila, moa va tsy izy ireo no ivony tokony andehanan’ny olona rehetra mba hahazoana ny fiainana, ny fitsaharana, ary iangana indray raha ho any amin’Andriamanitra ?… Firaisana mahavariana loatra no mamory antsika rehetra ao amin’i Jesoa Kristy, ivony tokony handrendrika antsika rehetra, isika rehetra tsy misy ankanavaka. » (V.D. p. 104 – 105).

 

Ny rehetra ho iray ao anaty Fanahy iray

Na fianakaviana iray na fikambanana masina iray, na fiangonana iray, na diosezy iray, tsy ho afaka ho tonga mpirahalahy sy mpirahavavy ao amin’i Kristy raha tsy miala amin’ny fitiavan-tena, ary raha tsy manaiky vankonin’ny hafa sy raha tsy mety ho tarihin’ny Fanahin’ny Evanjely :

« Raha ilaina ho an’ny tena manokana ny Fanahin’Andriamanitra mba hananana fahendrena sy fitiavana dia noho izany indrindra ny ilàna azy ao anatin’ny fiaraha-monina. Zava-drehetra ny manana ny Fanahin’Andriamanitra, zava-drehetra ho an’ny tenanao ihany, zava-drehetra ho an’ny fiaraha-monina.

Ny Fanahin’Andriamanitra no manorina ny firaisam-po ao amin’ny trano iray, ary mametraka ny firaisana ao anatin’ny fo sy ny fanahy izay mahatonga ny rehetra ho iray. ‘Ut unum sint’. Vavaka mafana sy naverin’i Jesoa Kristy Tompontsika izany taorian’ny Fanasàna farany nataony : ‘Mba ho iray ao anatin’ny fanahy irery izy rehetra.’

Ny tena firaisana dia tsy ao anatin’ny vato, na ao amin’ny vola, na ao anatin’ny trano, na amin’ny fitafiana, na ao anatin’ny fiaraha-monina, na amin’ny fitondrana ny anarana maha-mpirahalahy na mpirahavavy na mpianadahy izay anarana ifanomezana ihany ; hoatra firaisana ihany izany fa tsy mahavita azy tsinotsinona izany raha alalinina. Firifiry moa ireny anarana mpianadahy sy mpirahavavy isalorana ireny no mahatsikaiky sy feno lainga matetika ! Ny tena firaisana dia ny firaisan’ny Fanahy iray, eritreritra iraisana, fitiavana iray ka i Jesoa kristy no ivony amin'ny alalan’ny Fanahy Masina.

Mitoera amiko ary Izaho ao aminareo. Mba ho ao amin’iray daholo isika rehetra raha azo lazaina izany, ka rehefa mahita ny iray dia mahita ny iray hafa. Izany no tena fianakaviana, tena fiaraha-monina, tena firaisana : mitovy eritreritra, mitovy fijery, mitovy fitiavana an’i Jesoa Kristy.

 

Manome ny tena ohatra tsara antsika ny amin’ity firaisam-po sy fanahy ny Evanjely tamin'ny alalan’ny kristianina voalohany izay tsy nanana afa tsy fanahy sy fo iray izy rehetra. » (V.D. p. 231)

« ‘Ao amin’izay misy ny Fanahin’ny Tompo no misy ny fahafahana.’ Sambatra ny trano ka ny olona ao aminy dia nahafoy-tena ! Raha tena anjakan’ny tena fahafoizan-tena ny trano iray dia tsy ho hita intsony izany hoe fanahy tsy mihevitra afa-tsy ny tenany sy ny hafa. Hisaina an-Andriamanitra sy ny fanahy rehetra ny olona rehetra ka hitondra azy ireny ao amin’Andriamanitra ary hamonjy azy ireny. Amin’izay dia hanjaka ny fiadanana, ny hafaliana, ny fitiavana namana, ny firaisana, ny hery ary ny fazaran-tena amin'ny tsara sy fitiavana. » (V.D. p. 270)

« Avy aiza moa no isian’ny fahantrana madinika maro maro, ny fahamora sosotra na tezitra, ny fialonana, ny hasiahana sy tsy fitandremana eto anivontsika ? Satria tsy ao ny Fanahin’Andriamanitra. Rehefa hanana ny Fanahin’Andriamanitra isika, dia hisy ny firaisana, ny fitiavana namana, ny fitiavana, ny fahazotoana ary ny fahafoizan-tena. Manontania tena amin’izany ianareo ary enga anie eo aminareo hisy hanontany izany ho an’ny rehetra. » (Taratasy faha-188 ho an’i Masera Véronique, 16 avrily 1877)

« Miraisa mivavaka, amin’ny fo am-panahy, ao mifankahery mafimafy kokoa ao anatin’ny fitiavan’ny Tompontsika ». (Taratasy faha-114 ho an’i Jean Broche, séminarista, Novembra, 1876)

 

 

 

 

XI Maria

Masina Maria Virjiny notorontoronina tsy azon-keloka

Tamin'ny 8 desambra 1850, fetin’i Maria Virjiny notorontoronina tsy azon-keloka no nanambarana ny toriteny voalohany nataon’i Mompera Chevrier momba an’i Maria. Nisokatra tamin'ny olona izy ary namarana izany tamin'ny vahoaka :

« Ry Virjiny masina ô ! Sambany manambara ny fiderana anao aho, ary sambatra aho, miteny ny tombontsoa manokana izay manome voninahitra lehibe ho anao. Nefa raha hiteny am-pahamendrehana ny maha virjiny tsy misy pentina anao aho, dia tsy maintsy ho tonga hanampy ahy ianao, hametraka ao am-bavako ny teny mendrika anao, mba ahazoako mandray anjara fiderana anao ety an-tany amin’ny alalan’ireo izay mihaino anao. Ny angatahina aminao amin'ny alalan’ny vavaka dia ny mba hiteny aminao hoe : « Ave Maria » izahay…

Ry Virjiny masina tsy azon-keloka, iza re no afaka hahazo ny hatsaran’ny fahasoavan’Andriamanitra, soraty tsara aloha ato anatin’ny fonay ny lesona izay omen’Andriamanitra anay androany ao anatin’ny fetin’ny nanorotoronana tsy azon-keloka anao izao. Ampahazoy amin’ny olona marina ny vidin’ny fahasoavana izay ananany, mba hiasany tsara hitahiry izany. Ampahafantaro ny mpanota ny vidin’ny fahasoavana izay tsy ananany, mba hiasa tsara izy hahazo izany.

 

Izany no fahasoavana angatahinay amin’ny nanorotoronana tsy ho azon-keloka. « Toriteny, I, p. 34 et 44).

Ny sapile dia lalana andehanana any amin’i Jesoa miaraka amin’i Maria…

Manana toerana ambony indrindra ao amin’ny fiainana sy ny ministerin’i Mompera Chevrier i Maria. Tiany ny mivavaka aminy ary mampivavaka azy amin’ny alalan’ny sapile sy ny fandinihan’ny misterin’ny Rosaire :

« Ndeha ho tiaviantsika ny manao tsianjery ny sapilentsika. Bokin’ny olona rehetra ny sapile : izay no bokin’ny pretra sy ny vahoaka ; bokin’ny jamba io ; bokin’ny antitra ka ny maso dia mikimpy tsy mijery ny zavatry ny tany io ; bokin’ny manam-pahaizana sy ny bado io ; bokin’izay mijaly io. Indrisy, rehefa nandemy ny tenany ny fanaintaninana, ka namono ny fahalalana, mbola misy fiononana ao anaty sapileny ; rehefa tsy afa-mihetsika ny molony ka tsy afaka miteny hoe : ‘Arahaba ry Maria’, mbola eny an-tanany ihany izy mba ahatsiarovany ny reniny, ary raha akimpin’ny fahafatesana ny masony, entiny miaraka aminy any am-pasana ny hazofijaliany sy ny sapileny mba anehoana fa zanak’i Jesoa sy i Maria izy. » (Toriteny II, p. 37)

« Natao ny Rosaire hampahatsiaro antsika ny fiainan’i Jesoa Kristy Tompontsika sy hampiseho amintsika ny fahamarinana nampiharin’izy tenany teto ambonin’ny tany, mba ahafahantsika koa hampihatra izany satria Izy no modelintsika… Nomena izany anarana izany amin’ity fitiavam-bavaka ity satria ny Pater (Rainay any an-danitra) sy ny Ave (Arahaba ry Maria) tonononinstika dia tahaka ny voninkazom-panahy atolotsika an’Andriamanitra sy ny Virjiny Masina… Mizara telo ny fiainan’ny Tompontsika : ny fahazazany, ny fijaliany ary ny voninahiny tany an-danitra…

 

Araka ny sapile voalohany dia manaja ny zava-miafin’ny fahazazan’i Jesoa Kristy isika. Ny sapile voalohany dia ho sary ho antsika haneho amintsika ny fahamarinana rehetran’ny fiainana kristianina ; satria ny sapile faharoa kosa hanome antsika voninahitra ny fijalian’ny Tompontsika, dia ho tahaka ny sary hampiseho amintsika ny fahamarinana rehetra momba ny fiainana feno fibebahana ny sapile faharoa ; satria manaja ao amin’ny sapile fahatelo ny fiainam-boninahitry Jesoa Kristy any an-danitra isika, ny sapile fahatelo dia ho toy ny sary izay haneho amintsika ny voninahitra izay hifaliantsika andray andro any An-danitra any. » (Petit traité du Rosaire)

Maria teo amin'ny seatran’ny Filazana nataon’ny anjely tamin’i Maria

« Feno hasoavana » ireo teny no maneho ny harena lehibe rehetra, izay nameno an’i Maria Virjiny. Tsy misy tsara tahaka ny hasoavana, tsy misy mamirapiratra tahaka ny hasoavana, tsy misy mampi-fanakaiky antsika an’Andriamanitra tahaka ny fahasoavana. Io no fanafahana amin'ny ota rehetra, amin'ny ny asa ara-panahy rehetra. Io no hatsaran’ny lanitra. Ny zavatra izay hitan’ny anjely tao amin’i Maria, izay nahasondriana sy nahagaga azy dia rehefa hitany zava-boahary nahazo tombony tamin’Andriamanitra izy. Araka izany, tsy afaka niteny zavatra hafa izy, raha tsy ny fahitany azy feno hasoavana, tena feno hasoavana araka ny fitenenana. Feno hasoavana ny fanahiny, ao anatin’ny fo amam-batany. Feno hasoavana ao anatin’ny fiainany rehetra hatramin’ny voalohany ka mandrak’izao andro izao. Ity teny ity dia maneho ny hatsaran’i Maria rehetra ary mitahiry ny fandokafana lehibe indrindra azo hatao ho azy. Tsy misy zavatra hafa afaka hitory aminy eto ambonin’ny tany.

« Aminao anie ny Tompo » : izany no vokatry ity toetra tsara noho ny hasoavana izay mitoetra ao amin’i Maria. Ao amin’izay misy ny hasoavana dia misy ny hatsaran-tarehy, misy ny fahamasinana, ny fahadiovana ary ny fahendrena. Ao amin’izay misy ny hatsarana anaty.

 

Noho isika no tempolin’Andriamanitra, dia Andriamanitra no mitoetra ao aminy. Maria dia tempoly tsara indrindra ary ao anatiny no azon’Andriamanitra itoerana. Monina ao aminy amin'ny maha-zavaboahary niangarana azy ny Ray, monina ao ny zanaka hoatra ao amin'ny reny malala ary ny Fanahy Masina tahaka ny ao amin'ny vadiny tiana.

Faneken’i Maria rehefa azon’i Maria izay nohazavain’ny anjely taminy, ary rehefa nahazo toky fa tsy misy fiantraikany amin'ny fahadiovany ny zava-miseho, dia niondrika teo anoloan’ny sitrapon’Ilay Andriamanitra mahery izy ary niteny hoe : « Izaho dia ankizivavin’ny Tompo, aoka ho tanteraka amiko izany araka ny teninao. » Nino ny tenin’ny anjely i Maria, mino ny fahefana maherin’Andriamanitra izy, mino izay hataon’Andriamanitra aminy izy, ary ity fiekem-pinoana lehibe ao aminy ity no manintona ny zanak’Andriamanitra aminy. Manao fahagagana ny finoana. Azo atao ny zavatra rehetra amin’izay mino. « Sambatra ianareo izay mino » hoy Masimbavy Elizabeta. Mino izy, manaiky am-pahatsorana hitondra ny anarana ho reny izy. Manaiky ny didy amin’izany izy, ny vokatr’izany ary tsy manahy ny amin’ny ho avy, izay hiheveran’ny olona azy. Mametraka fitokiana amin’Andriamanitra izy amin'ny zavatra rehetra. » (Rosaire du Père Chevrier, p. 76-78)

Maria teo amin'ny ny sehatry ny Famangiana tao amin’i Elizabeta

Feno ny hasoavana i Maria, ary hatramin’ny nitondrany ny Teny tao an-kibony, dia tsy nitsaha-nitombo ny hasoavany, ary ny tara-pahasoavana sy ny hatsaran-tarehy dia namirapiratra. Endrey tsara ery isika rehefa mitondra ilay Andriamanitra tsara miaraka amintsika ary dia misy koa ny vokatra tsara ataony sy omeny ireo fanahy izay akaikezintsika rehefa hamangy azy ireny isika, ka tsy asiantsika sakana. Mitondra ny fahasoavana ao aminy i Maria ary aparitany ao amin'ny tenany manontolo izany ao amin’ny fiteniny, ao amin'ny fihetsiny, sy ny asa ataony. Tahaka ny masoandro iray izay mandefa ny tanany ao amin'ny rano madio izy.

 

Endrey ny hatsaran’ny heriny izay aparitany hatrany amin'ny Masimbavy Elizabeta ary ny eritreritra tsara alefany any amin’ny fony !

Izany dia mampiseho amintsika fa tokony hitondra an’Andriamanitra miaraka amintsika isika rehefa mivoaka sy hanaparitaka amin'ny hafa ny hery tsaran’ny fahasoavana, ny finoana, ny fitiavan’Andriamanitra ary ny fanajantsika tena. Izany no fiantraikany tsaran’ny hasoavana ao amintsika eo amin'ny hafa. Mifanohitra amin’izany fa imbetsaka kosa isika mitondra ny fandanilaniam-poana, ny hadalana, ny fandaniam-pitoana sy ny firehetam-po madinidinika, ny fitadiavana, ary ny avonavona ho an’ny hafa ! Aoka hitandrina ny tsy mandeha any amin'ny hafa isika raha tsy ho afaka hitondra any amin’ny finoana, ny fitiavan’Andriamanitra, ny fitiava-namana ary ny Fanahy Masina toy an’i Maria. » Rosaire du Père Chevrier, p. 82)

Maria teo amin'ny sehatry ny Nahaterahan’i Jesoa

« Hafaliana sy fandinidinihan’i Maria : « Ary i Maria dia nitadidy izany zavatra rehetra izany ary nandinika azy tao am-pony. Izay no raharahan’i Maria. Eto i Jesoa zazakely, niandry tao am-pihinanam-bilona izy ; izy, renin’ity zaza masina ity ; tonga ny anjely, ny mpiandry ondry ary ny mpifanolo-bodirindrina nasain’ny mpiandry ondry, izany rehetra izany dia nameno ny fon’i Maria ; nitolagaga ny fihetsik’Andriamanitra izy tamin’ireny zavatra rehetra ireny ary tsy afaka nitsaoka sy nijery ary nidera an’Andriamanitra ny zavatra rehetra.

Izany toe-javatra izany dia mampianatra antsika fa tsy tokony hifaly hijery fotsiny, nahita, hamaky boky, hihira, hiresaka ; tsy maintsy tehirizina, ny zavatra ao am-po, ary eritreretina izy ireny manahaka an’i Maria. Oh ! tsara loatra sy ilaina ny fieritreretana ary mahalehibe antsika ao anatin’ny fahamarinana sy ny fitiavan’Andriamanitra. » (Rosaire du Père Chevrier, p. 95)

 

Maria teo amin’ny sehatry ny Fanolorana an’i Jesoa tao an-Tempoly

« Sabatra roa lela mitondra fanaintainana izay manindrona ny fon’i Maria : reraky ny fanenjehana izay hiaretan-janany eo amin’ny fiainany sy ao amin'ny fahafatesany : tany Ejipta, tamin’ny faharoa ambin’ny folo taonany sy tao anatin’ny fijaliana. Nanampy koa Simeona ka ny eritreritra tao anatin’ny fon’olona betsaka no ho fantatra, izany hoe : ao anatin’ny fanenjehana sy fahoriana no ahalalana ny tena finoana sy ny tena fitiavana.

Tombo-kase ahalalana ny tena fifikirana ny fahoriana no ahalalana ny tena namana, ny tena kristianina… Raha tsy nijaly isika, tsy afaka hahalala raha tena tiantsika marina Andriamanitra. Rehefa misy mampijaly, izay vao misy fahasahiranana hanao zavatra, izay vao tena manome mari-pitiavana sy finoana.

Ireny teny ireny no manaporofo fa ny tena mariky ny finoana sy ny fitiavana dia ny fijaliana. Araka izany izay mijaly miaraka amin’i Jesoa Kristy no tena namany, tena mpianany dia ireo izay mijaly mba hanefa ny adidiny. Hita ny eritreritra ao anatin’ny fon’izy ireo izany hoe izay tena fitiavany namany sy ny tena fitiavany. Rehefa manalavitra olona izay mijaly na rehefa tsy miaro izay mijaly, raha tsy mampionona ireo izay mijaly, dia porofon’ny tsy maha-azy ireo na miaraka amin’izy ireo, na tsy manaiky ny foto-kevitra ijoroany noho ny foto-keviny izany. » (Rosaire du Père Chevrier p. 110 – 111)

Maria teo amin’ny sehatry ny Fahitana an’i Jesoa zazakely

Tebitebin’i Maria sy Josefa : ny tebiteby sy ny alahelon’i Maria sy Josefa dia voasaritra tao amin’io teny io : « Telo andro izao izaho sy ny rainao, tao anaty alahelo, nitady anao izahay ! » Azo eritreretina ny alahelon’i Maria sy Josefa noho ny fitiavany an’i Jesoa zazakely.

 

Izay very olona tiana, mety tsy ho faly, ary vao mainka lehibe ny alahelony rehefa mitia bebe kokoa izy. Telo andro dia tena lava ho an’ny fon’i Maria ! Telo andro nitadiavana ! Toa lava ery ny ora, ny andro, ny alina ! Ranomaso izao narotsaka tamin’ity zaza ity izao ! Fanampin’izay ny ahiahy be. Tadidin’i Maria ny famonoana ny tsy manan-tsiny, ny fandosirana tany Ejipta, ny sabatra roa lelan’ny alahelo voalazan’i Simeona. Nandalo sy niverina taon-tsainy daholo ireny rehetra ireny ary nampitombo ny fahasahiranany, na dia hoe toa mionona amin'ny sitrapon’Andriamanitra satria manana toky, ary satria ny anjely dia nilaza taminy fa zanaky ny Avo Indrindra i Jesoa ka tokony hanjaka mandrakizay. Mitsingevaheva ao anelanelan’ny toky sy ny tahotra izy.

Ity fitaintainan’i Maria ity dia maneho amintsika fa lehibe tokoa ny fahaverezan’i Jesoa ho an’izay mahalala sy tia azy. Miafina indraindray i Jesoa hisedrana ny fitiavantsika azy ka mahatonga antsika hahatsapa ny hamafin’ny fitiavantsika azy. Rehefa miafina i Jesoa eo toa tsy taitra isika, porofo fa mbola marefo ny fitiavantsika, fa kosa raha raha mitady azy avy hatrany ao anatin’ny alahelo isika, dia izany no tena porofo tsara. Raha tsy eo Jesoa, dia tsy misy afa tsy fahasahirana sy alahelo ao anatin’ny fanahy, fa raha miaraka amin’i Jesoa kosa dia misy ny fitsaharana, ny fifaliana, ary ny fiononana. Aleo mijaly miaraka amin’i Jesoa toy izay mifaly tsy misy an’i Jesoa. » (Rosaire du Père Chevrier, p. 115)

Maria tany Kalvary

Nitsaoka an’i Maria amin'ny fo tsotra Mompera Chevrier amin'ny alalan’ny fitenin’ny « Notre Dame des sept douleurs », izay nanamasinany ny fiangonan’ny Prado. Eo am-panazavana ny fijanonana faha-efatra ny lalan’ny Hazofijaliana, toy izao no nosoratany :

« Ny fanatrehan’i Maria. Tonga izy. Tsy amin'ny fitiavana hijerijery, na fangorahana ivelany, na ny hanafaka azy, na fihetsiketsehana.

 

Tonga izy ho vavolombelon’ny fijalian’i Jesoa handray anjara amin’izany, hiombona amin’i Jesoa. Nanana anjara lehibe loatra izy amin’ny misterin’ny fahatongavany ho nofo ; te-handray anjara amin'ny fanavotana izy koa.

Teo amin’ny fahatongavan’ny Tompo ho nofo, dia novaniny tamim-panatren-tena izany tamin’ny filazana fa tsy mendrika izy satria voninahitra lehibe izany, fa kosa amin’izay hijaliana sy maha afa-baraka, dia tonga izy ary mandeha irery. Vavolombelon’ny misterin’Andriamanitra rehetra, dia tonga ho vavolombelon’ny fanavotantsika izy. Tsy teo ambon’ny Thabor izy ; tsy tao amin’ny fidirana mitalokotrokotrok’i Jesoa izy, fa tonga tany kalvary…

Tonga nanolotra ny zanany tahaka an’i Abrahama izy. Efa natolony tamin'ny andro fisehoana izy mba ho fankatoavana ny lalan’i Moizy, nefa navotany tamin'ny vola farantsa-dimy iry naverina taminy izy. Tsy nanao fiangaviana na inona na inona izy, na teo amin’i Pilaty, na teo amin'ny mpitsara, na teo amin’ireo lehilahy manana ny maha-izy azy ao Jerosalema izay nositraniny. Tsy misy tambiny na inona na inona tamin’ireo. Fa natolony an-kitsim-po izy.

Nomen’i Maria an’Andriamanitra izay malalany indrindra dia ny zanany mba ho famonjena antsika. Tian’i Maria i Jesoa zanany ho an’Andriamanitra sy ho antsika fa tsy ho azy ihany. Ny fahaizana mahafoy ho an’Andriamanitra izay malalantsika indrindra, sy ho an’ny namantsika ary an-kalalahana, sy an-tsitrapo, fihetsika tonga ho azy, izany no tena fihetsika marina ! Tiany izany Andriamanitra, ary ilain’ny namana, ekeko izany…

Tonga koa izy handray ny fahasoavana izay mirotsaka avy amin'ny ratran’ny Mpamonjy. Tsy misy afa-tsy Maria irery no afaka handray izany. Nataony ho vatsin’ny mpanota izany. Nomeny ho antsika i Jesoa, ny tompon’ny fahasoavana, ary izao dia mandray ny fahasoavana izy ka mizara izany ho an’ny mpanota. Renin’ny fahasoavana masina… » (Lalan’ny Hazofijaliana, p. 132 – 133)

 

Maria tany an-danitra

« Maria an-danitra i Maria no mivavaka ho an’ny olombelona ; manaparitaka ny harem-pahasoavana rehetra ety ambonin’ny tany izy. Tsy azo lavina izay angatahiny ; lalàna voatery nataon’Andriamanitra hampiasany ny famindrampony amin’ireo rehetra elanelanin’i Maria izany. Amin’ny alalan’i Maria no itaran’ny famindrampo isan-taranaka eto an-tany, satria izy no renin’ny famindrampo ary itarin’Andriamanitra ny famonjeny satria izy no renintsika. Lasa renin’ny olombelona rehetra izy teo am-pitondrana antsika teo ambony hazo fijaliana ; ary nanjary renin’Andriamanitra, nitahiry ny fahefana rehetra mahareny izy teo amin'ny Zanany ka tsy misy na inona na inona izay angatahan’i Maria ka tsy azony. Afaka mandà an’ilay nangatahany fiainana ve izy ? Tsia, tsy isalasalana izany. Manana loharanom-pahasoavana azo antoka any an-danitra isika ; manana antoka fahasoavana azo antoka indrindra any an-danitra isika.

Ah ! Raha mampatahotra antsika ny isan’ny fahotantsika, manana toky ! Maria no renin’ny famindrampo. Any aminy no nanankinan’Andriamanitra ny fizarana ny fahasoavany. Ô ry Maria ! raha mieritreritra aho fa ianao no mizara ny fahasoavana rehetra any an-danitra, rehefa mieritreritra aho fa ianao no manana ny haren’ny famindrampo, rehefa mieritreritra aho fa ianao no manana ny fanjakan’ny hatsarana, ô velona indray ny fahatokisana ; rehefa fantatray fa ho anay ianao, fa ianao no reninay, ary izahay ny zanakao, e ! fitokisana mahafinaritra no mameno ny fanahy ! feno fanantenana, mifaly ao anatin’ny hasambarana ny olona. Eny, Maria ô ! miasa amiko, tovy amiko ny haben’ny famindramponao, meteza hanelanelana anay any an-danitra, lazao ny zanakao fa te-hamonjy anay ianao ary ho voavonjy tsy misy adihevitra izahay. » (Commentaire du Magnificat, Sermons, I, p. 468 -469).

 

 

 

XII Miezaha ho tonga olomasina

Mitoetra ao amin’ny olomasina ny Fanahin’Andriamanitra

Nanana anjara toerana lehibe teo amin’ny fiainan’i Mompera Chevrier ny olomasina : teo i Maria Virjiny izay nofidiny ho mpiaro ny lasapelin’ny Prado, ka nomeny anarana hoe : « Maria be alahelo » ; teo koa i Md Josefa, « rain’ny malahelo» ; i Joany Batista sy i Joany Evangelista ; i Piera sy i Paoly, izay noraisiny ho « Môdelin’ny Pretra » ; i Antoine, ilay mpitoka-monina voalohany, ary olomasina mpiaro azy ; i François d’Assise izay nentanim- pitiavana ka naka tahaka ara-bakiteny ny fiainana maha olombelona an’i Jesoa, nanomboka teo amin’ny tranon’omby ka hatreo amin`ny hazo fijaliana ; i Gaétan de Thiéne, izay niezaka hiaina ny fahantrana eo am panatontosana ny andraikitra maha-pretra ; i François Xavier; i François de Sales ; i Vincent de Paul ; i François Régis ; i Benoît Labre ; i Jean-Marie Vianney, mpiray tanindrazana aminy, curé tao Ars…

Ny zavatra tena nigagany ny olomasina dia ny fahatsoran’ny finoana niainan’izy ireo ary ny fahavononany hamaly haingana dia haingana ny antson’Andriamanitra miantefa aminy :

« Tsy miady hevitra i Md Antoine raha nandre ity tenin’ny Evanjely ity tao am-piangonana : "Raha te ho lavorary lanao, ‘ndeha, amidio izay anananao ka omeo ny mahantra dia hanan-drakitra sarobidy any an-danitra ianao". Dia lasa izy, nivarotra izay nananany ary natolony ny mahantra izany, dia nisintaka nandeha nitoka-monina izy.

 

« I Md François d’Assise koa dia nandre an’ity tenin’i Jesoa ity tao am-piangonana : "Aza mitondra volamena, na volafotsy, na kiraro, na akanjo roa". Noraisiny ho azy izany teny izany, ka dia nilaozany ny zavatra rehetra mba hahatongavany ho tena mahantran’i Jesoa Kristy tokoa, eo anivon’izao tontolo izao.

« Izany no fahatsoran’ny zaza angatahin’ny Tompo hananan’ireo izay te- ho mpianany.

« Tahaka ny inona moa ny adihevitra azon’ny olomasina rehetra natao, tamin’izy nanaraka ny lalana natoron’ny Evanjely, ka nety ho nahasakana azy tsy hiroso amin’izany lalana mideza sy lavorary ary sarotra ho antsika olombelona izany. Raha nirona nanaraka izany adihevitra rehetra izany anefa izy ireo dia tsy ho tonga olomasina na oviana na oviana…

« Ny fiadian-kevitra no mamono ny Evanjely ary mamongotra ilay aingam-panahy izay manentana antsika hanara-dia an’i Jesoa Kristy ary haka tahaka ny hatsaràny asehon’ny Evanjely.

« Tsy manao adihevitra maro ny olomasina. Ny hamaroan’ny mpiady hevitra no mahavitsy ny olomasina ! » (VD, p. 127).

Ny olomasina no hany afa-manavao an’izao tontolo izao

Manan-kery hanozongozonana an’izao tontolo izao ny olomasina, noho ny fiombonany amin’Andriamanitra. Ho an’i Mompera Chevrier, ny « tonga olomasina » amin’ny alalan’ny fiombonana amin’i Kristy sy amin’Andriamanitra Ray ao amin’ny Fanahy dia fahasoavana tokony hangatahina isan’andro ho an’ny tena ary ho an’ny namana, sady lahasa rahateo, io no lahasa lehibe indrindra ary ilaina indrindra tokony hataon’ny mpianatr’i Jesoa eto an-tany :

« Hatramin’izao aloha dia nomen’Andriamanitra sakafo ara-nofo isika, fa mbola tsinontsinona izany. Mangataka olona mahafoy tena aminy aho, olona manana zotom-po, olona mijoro ho vato velona, olomasina.

 

Ry havako malala, aoka ho ianareo izany vato velona izany, ho ianareo izany olomasina izany, izany olona mahafoy tena izany, antsoina hiasa ho an’i Jesoa Kristy, miaraka amin’i Jesoa Kristy, mba hanohy eto an-tany ny fiainana feno fandavan-tena sy fahafoizan-tena ary fitiava-namana niainany » (Taratasy faha-89 ho an’ireo seminarista nobeaziny, 1872).

« Ny pretra masina, mahantra, no tena harena » (VD, p. 520).

« Fahamasinana sy fahantrana vary iraiventy foana dia lafo vidy lavitra noho ny rentirentin’izao tontolo izao » (VD, p. 521)

« Tsy maintsy iezahana hatao ny asa nataon’ny olomasina. Tsy maintsy arahina ara- bakiteny ny Evanjely… » (Tenin’i Mompera Chevrier tamin-dRamatoakely Tamisier).

« Anaka, tsy maintsy miezaka isika ho tonga olomasina.

« Tsy misy afa-tsy ny olomasina, indrindra indrindra ankehitriny, no afa-manome aim-baovao an’izao tontolo izao, sy mahita fahombiazana amin’ny asa fampibebahana ny mpanota ary fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra…

« Endrey ! tahaka ny inona moa ny zava-tsoa vitan’ny olomasina tety an-tany, nahita fitia tamin’Andriamanitra aok’izany izy ireo ary nahavita soa ho an’ny manodidina azy tokoa. Ny olomasina no voninahitr’Andriamanitra ety an-tany, izy ireny no endrika velona maneho an’Andriamanitra ety amintsika ety, izy ireny no hafalian’ny anjely ary hasambaran’ny olombelona.

« Olona miray amin’Andriamanitra ny olomasina, iray tena aminy tanteraka, afa-mitalaho amin’Andriamanitra, afa-miresaka amin’Andriamanitra ary to teny amin’Andriamanitra. Olona nomena ny fahefan’Andriamanitra rehetra ho eo an-tanany, olona afa-manozongozona an’izao tontolo izao, rahefa izy no tena tafaray marina tokoa amin’ilay Tompo mitantana an’izao rehetra izao.

« Ny olomasina no olona matanjaka indrindra eto an-tany, voasintony hankeo aminy ny zavatra rehetra, satria ao aminy ny fitiavana, ny fahazavan’Andriamanitra, ny herim-pamokarana avy amin’ny Fanahy Masina. Ao aminy ny haren’Andriamanitra ka zarainy amin’ny olona rehetra ; izy no mpitantana ny haren’Andriamanitra ety an-tany.

 

« Koa tsy maintsy tonga olomasina ianareo, anaka ; tsy maintsy tonga fahazavana hitarika ny olona amin’ny lalana tsara ; afo manafana ireo mangatsia-po sy ireo manao fo vato ; endrika velona maneho an’Andriamanitra ety an-tany mba ho fitaratra halain’ny kristianina rehetra tahaka…

« Endrey ! anaka, milofosa ho tonga olomasina. Tsy tonga olomasina avy hatrany manko ny olona ; ilâna filofosana maharitra izany, hatramin’ny fahakely ; andraikitra lehibe tokony hotanterahina izany, tanjona avo tokony hotratrarina ; ary tsy maintsy tratra rahá tiana ny ho pretra tonga lafatra. Ny pretra tsy masina dia tsy mahavita soa toy inona amin’ny fanahin’ny olona ; koa aoka ry, ianareo indrindra indrindra, ho tonga amin’izany fahamasinana izany » (Taratasy faha-82 ho an’ireo seminarista nobeaziny, 1872).

« Endrey ! Miezaha ho tonga olomasina ! Izay no hany lahasa miandry anareo isan’andro… » (Taratasy faha-105 ho an’ireo seminarista nobeaziny, 1875).

« Ny ho lavorary, ny ho tena mpianany marina no iantsoan’i Jesoa Kristy antsika » (VD, p.121).

 

juillet 11, 2017

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *