LALAM-PANORENAN’ NY FIKAMBANAN’ NY PRETRAN’ NY PRADO

 

 

 

PRO MANUSCRIPTO

 

Voatomboka teto Fianarantsoa (Madagasikara)

fevroary 2012

 

CONGRAGATIO PRO RELIGIOSIS ET INSTITUTIS SAECULARIBUS Prot. N. IS 3185/86

DIDY AMAN-DALÀNA

Namolavola rijan-tenina lalam-panorenana vaovao izay natolotra ho eken’ny “Siège Apostolika” ny Fikambanan’ny Pretran’ny Prado. Nasehony izany taorian’ny fanadihadiana lava sy lalina ny amin’izay maha-izy azy, miainga amin'ny asa soratr’i Antoine Chevrier, olon-tsambatra, Mpanorina, ary miaraka amin'izay nampitahaina tamin'ny ankapobeny amin’ireo fitsipika mifanaraka amin'ny lalànan’ny Eglizy sy ny tantarany manokana.

Ireo lalam-panorenana, izay betsaka amin’ny ankamaroany dia hevitry ny Mpanorina azy dia mifanaraka tanteraka amin'ny lalànan’ny Eglizy momba ny “Institut Séculier” an’ny pretra manana zo avy amin'ny Papa, ka itambaran’ny pretra miorimpaka ao amin'ny Eglizy manokana amin'ny maha pretra “séculiers” azy. Ka mizara amin’izany sy mandrisika ny hetsi-panahy amin’ny asan’ny misionera (Jereo Papa Joany-Paoly II, kabary tamin'ny 7 oktobra 1986). Mitambatra mazava ho lalan’ny fahamasinana azo antoka izy ireo, ho an’ny mpikambana ao amin'Institut, amin'ny maha-fitsipika tsara azy notsoahina tao amin'ny Evanjely sy eken’ny Eglizy, ary nirin’ny olon-tsambatra Chevrier.

Ireo lalàm-panorenana ireo dia ho fanampiana lehibe ho an’ny pradoziana, na dia ny hanatanterahana fotsiny ny torolalana efatra izay nomen’ny Papa Ray Masina Joany Paoly II teo akaikin’ny fasan’ny Mpanorina :

“Mandehana any amin'ny mahantra mba hahatonga azy ireo ho tena mpianatr’i Jesoa Kristy” ; “Enga anie ny toetra mampiavaka anao ho fahatsorana sy fahantrana mandrakariva” ; “Resaho Jesoa Kristy, ataovy tahaka ny hamafin’ny finoan’i Mompera Chevrier” ; “Miankina lalandava amin’i Jesoa Kristy sy amin'ny Eglizy ianao” (Kabary tamin'ny 7 oktobra 1986).

Ho an’izany rehetra izany, ary taorian’ny fandinihana lalina ny fikambanana masina ho an’ny Relijiozy sy ny “Instituts Séculiers” dia manaiky ny Lalàm-panorenanan’ny “Instituts Séculiers” “Fikambanan’ny Pretran’ny Prado”, izay nohavaozina izahay, ka ny dika mitovy marina dia notehirizina ao amin'ny raki-tsoratr’ity Fikambananan’ny Relijiozy ity ihany. Nomena tany Rome ny 7 jona 1987, andro fankalazana manetreketrika ny Pentekosta.

Vincentius Fagiolo J. Jérôme Card. Hamer, OB

Archiep. Secr. Praef.

 

 

 

 

Toko Voalohany : Ny niandohan’ny “Fikambanan’ ny Pretran’ny Prado” sy ny maha izy azy

1

 

Ny “Fikambanan’ny Pretran’ny Prado" dia vokatra azo avy amin’ny fahasoavan’ny Fanahy Masina nomeny ny Eglizy tamin’ny alalan’i Mompera Antoine Chevrier, pretra tao amin’ny diosezin’i Lyon, noho ny faniriany hitory ny Vaovao Mahafaly amin’ireo mahantra.

Rahefa nalefan’ny evekany ho any "La Guillotière", tanàna kely be mponina tao Lyon, tamin’ny taona 1850 ity pretra babon’i Kristy ity dia nikatsaka mandrakariva ny hampahalala sy hampitia an’Ilay nambabo azy. Nampijaly azy fatratra, tamin’izay fotoana izay, ny nahita ny fisarahan’ny Eglizy tamin’ireo vahoaka "mahantra”, “tsy nahay na inona na inona” sy “mpanota"[1]. Nanampy trotraka izany ny fahitany ilay tondra-drano tamin’ny taona 1856, ka nanohina mafy ny fon’ilay pretra mpanampy tao amin’ny paroasin’i Masindahy André.

2

 

Teo am-pandinihana ny zava-miafin’ ny Fahatongavana ho Nofo, ny alin’ny Noely taona 1856, dia nahazo fahazavana i Mompera Antoine Chevrier. Tsirim-pahazavana manamarika ny fiainany sy ny asam-panompoana hatombony ho an’ireo mahantra. "Tao amin’ny paroasin’i Masindahy André no teraka ny Prado”, hoy izy. “Teo am-pandinihana ny zava-miafin’ny Noely momba ny fahantran’ny Tompontsika sy ny fidinany ho ety amin’ny olona no nanapahako hevitra handao ny zavatra rehetra sy hiaina araka izay tratra ny fahantrana… Ny misterin’ny Fahatongavana ho Nofo no nampibebaka ahy… Hoy aho anakampo : Tonga teto an-tany ny Zanak’Andriamanitra mba hamonjy ny olona ary koa hampibebaka ireo mpanota. Inona anefa no hitantsika ? Mpanota maro hitantsika ! Mitohy mamery tena ny olona. Koa tapaka ny hevitro fa hanaraka an’i Jesoa Kristy Tompontsika akaiky kokoa mba hahafahako miasa amim-pahombiazana amin’ny famonjena ny fanahy. Ny faniriako dia ny hahita anareo ihany koa manara-dia akaiky an’i Jesoa Kristy Tompontsika.”[2]

3

 

Noho ny fahazavan’izany “zava-miafina mahatalanjona ny Fahatongavana ho Nofo izany"[3] dia nangataka ny hahazo ny fahasoavan’ny fahantrana i Mompera Antoine Chevrier, ary nanapa-kevitra ny hizotra amin’ny lalan’ny "fitiavana tena izy", "izay mampanakaiky antsika kokoa an’i Jesoa Kristy, rahefa miezaka ny hanahaka azy amin ny fiainany”[4] sy amin’ny asany isika.

Nahatsiaro voaantso hikambana izy ary hanomana mpiara-miasa mitovy antso aminy handray anjara amin’ny fanamasinana amin’ny irak’iJesoa Kristy eo ambany fitarihan’ny fanahin’Andriamanitra, amin’ny fitoriana ny Vaovao mahafaly amin’ireo mahantra ary mba haneho hita maso ny maha-fianakaviambe ny kristianina eo afovoan’izy ireo.[5]

4

 

Ampianarin’i Mompera Antoine Chevrier isika mba hanao ny Evanjely ho fitsipiky ny fiainantsika sy ho loharano ipoiran’ny asa fanirahana ataontsika eo amin’ireo mahantra. Toy izao indrindra no nanehoany ny tarigetry ny Prado :

"Tsy izao tokoa moa ve no antom-pisiantsika ary ho an’izany ihany : hahalala an’i Jesoa Kristy sy ny Rainy, ary ny hampahafantatra Azy amin’ ny hafa ?… Izany no fiainantsika sy fitiavantsika.”[6]

5

 

Eo am-panatonana ireo mahantra ankehitriny, dia i Mompera Antoine Chevrier no raisintsika ho mpitarika ara-panahy ho arahina; ka noho izany dia manolo-tena "tanteraka" isika ho an’i Kristy, Ilay Teny tonga Nofo, ary koa omentsika fahefana tanteraka ny Fanahy Masina hitarika sy hamolavola, mba "ho Azy tokoa isika" ka "hanaraka" Azy amin’ny lafim-piainana naha-Iraky ny Ray Azy.[7]

Tahaka ny nanirahan’ny Raiko Ahy no anirahako anareo koa”[8] : ity tenin’i Jesoa izay nosaintsainin’i Mompera Chevrier tsy an-kijanona ity, no loharanon’ny fahazahoany ny fanirahana ny Pretra sy ny fomba fiainany. Ny Tabilaon’i Saint-Fons, izay ibanjinany ny fomba nanantanterahan’i Jesoa ny asany amin’ny maha-Iraky ny Ray[9] azy, dia manoritra amintsika ny lalana aleha, mba hahatonga antsika ho mpianatra sy apostolin’i Jesoa Kristy eo anivon’ny mahantra.

"Sacerdos alter Christus". Izany no tsy maintsy hanehoantsika indray eo amin’ny fiainantsika ny toe-piainan’i Jesoa Kristy, ilay ohatra velona ho antsika, tonga olona mahantra toa azy tao an-tranon’omby, voafantsika eo ambony hazofijaliana ho fanavotana ny mpanota isika, ho sakafo velona toa azy ao amin’ny Sakramentan’ny Eokaristia; ny pretra dia toa an’i Jesoa Kristy : olona mety endahina, olona voafantsika teo amin’ny hazofijaliana, olona azo aroso ho sakafo hivelomana hatrany"[10].

Ho fanabeazana ny mpikambana ao amin’ny Prado dia nanoratra ny "Mpianatra Marina" na "Ny Akama azo antoka” ’i Mompera Antoine Chevrier; ka ao anatin’io boky io izy no mampahalala antsika ny lafiny mafonja teo amin’ny fandinihany ny fiainan’ny "Pretra araka ny Evanjely" ary omeny ao koa ny tsangan-kevitra lehibe hitondrana ny “Fikambanan’ny Pretran’ny Prado".

Ny safidintsika hanaraka an’i Jesoa Kristy amin’ny lafim-piainana manontolo araka ny lalan’ny Evanjely no azoantsika antoka ny fanomezam-boninahitra an’Ilay naniraka antsika, ny safidintsika io koa dia manampy antsika hahomby amin’ny asa fanavotana ny olona, ary koa hahitantsika hafaliana sy hasambarana eo am-panompoana ireo mahantra araka ny efa nampanantenain’i Kristy an’ireo mpianany.

6

 

Ho fiainana sy fanatanterahana ny antso sy ny maha-iraka azy manokana, ny “Fikambanan’ny Pretran’ny Prado” dia mijoro ho “Institut séculier clérical de droit pontifical”; ka voafehin’ny lalàn’ny Eglizy miadidy ny “Instituts séculiers”.

Ny “Institut”, dia mitambatra ho ivotoeran’ny pretra sy lahika nanokan-tena. Ny pretra izay miaina ity antso apostolika ity amin'ny maha-pretra azy, izany hoe pretra eo amin’izao tontolo izao, dia mpiara-miasa amin'ny eveka sy mpanompon’ny vahoakan’Andriamanitra ao anatin’ny presbyterium. Noho izany dia mandray avy hatrany amin'ny evekan’ny diosezy ny iraka kanonika izy ireo.[11] Ny lahika nanokan-tena dia miaina ity fiantsoana ity eo amin’izao tontolo izao, amin’ny fanamasinana ny fiainany rehetra ao amin’ny lalan’ny Evanjely, ary mandray amin’ny asa fitoriana ataon’ny Eglizy.

Ny fitambaran’ny sata mifehy dia mihatra amin'ny lahika nanokan-tena toy ny pretra, afa-tsy izay mikasika manokana ny asan’ny ministera maha-mpisorona.

 

 

 

 

 

 

Toko faharoa : Ny antso apostolikan’ny pradoziana

“Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo” (LK 4, 18)

7

 

Ao amin’ny Eglizy no itomboan’ny antso maha-mpianatra sy irak’i Jesoa ny pradoziana. Tsapany ny fetra misy aminy, kanefa amim-panetren-tena no isaorany ny Ray izay nanome azy hery manokana izay mahatonga azy hahalala an’i Jesoa Kristy, hanolo-tena ho Azy, hiara-dia aminy, ho toa Azy, handray ny mahantra sy ny ampahoriana ary ny mpanota, hiombom-piainana amin’izy ireo, ka haneho, noho ny herin’ny Fanahy Masina, ny Vaovao Mahafalin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

Amin’ny alalan’ny fametrahan-tànana sy ny fanosorana masina, ireo namany izay nohamasinina ho pretra dia tonga mpanompon’i Kristy eo anivon’izao tontolo izao hiahy ny fanompoana masin’ny Evanjely. Ny fahasoavana maha-mpisorona izay mampitovy endrika azy amin’i Kristy Mpisorona, ka mahatonga azy ho afaka hiasa amin’ny anaran’i Kristy Filoha dia mandrisika azy hiaina ny asa fitoriana ho tena mpianatr’i Kristy tokoa amin’ny fanompoana ny mahantra[12].

Amin’ny alalan’ny fiainana ny batemy kosa no anehoan’ireo lahika havany eo anivon’izao tontolo izao ny faniriany hampiseho ny vokatry ny asa fanirahana mifototra amin’ny aingam-panahin’ny Prado. Ny fanokanan-tena ataony ho an’i Kristy mba hanara-dia Azy akaiky kokoa dia mitarika azy hanolotra ny tenany ho tonga "sorona velona, masina sy ankasitrahan’ Andriamanitra”[13], ka raha tsy mivadika izy dia ho tonga famantarana ny Fanjakana eo anivon’ny mahantra sy ireo sokajin’olona izay mandrafitra ny Vahoakan’ Andriamanitra sy iarahany miasa ho fanatanterahana ny iraka nankinin’ ny Eglizy misy azy sy ny dioseziny dia manampy azy hahita lalana izay nofidiny manokana. Tokony hatoky azy koa izy ireo amin’ny fanatanterahana ny antson’ Andriamanitra ao aminy.

8

 

Mba ho tonga mpianatra sy vavolombelon’ny iraky ny Ray, eo am-panatanterahana ny asan’Andriamanitra dia miasa izy hahatonga azy ho vonona ho an’ny Fanahy izay miantso azy hanaraka an’i Kristy, “any amin’ny tranon’omby, any amin’ny hazo fijaliana, any amin’ny tabernakla”. Ireo no dingana harahina sy famantarana aseho mba ho hitan’ny olona te-hihaona amin’ny vavolombelon’i Jesoa Kristy[14].

« Ny tranon’omby : io no fanombohan’ny asan’ Andriamanitra rehetra[15] »

9

 

Ny Fanahin’ny Ray izay nitarika ny fiainana sy ny asan’i Jesoa no mampifandrindra azy amin’ny “toetra maha-mpanompo[16] azy, ary manosika azy hanara-dia an’i Kristy ilay "tonga nofo, ka niray petsapetsa ara-piaraha-monina sy kolontsaina tamin ‘ireo mpiara-belona aminy[17]. Vokatr’io fiombonana niainan’ ilay Teny izay nietry ho mahantra mba hampanakarena amin’ny fahantrany io[18], dia manana antoka tanteraka ny Pradozianina fa ho afaka hitory ny Vaovao mahafaly amin’ny olon-drehetra, na manan-karena na mahantra, na manam-pahaizana na bado, na tsara fanahy na ratsy fanahy[19].

Ity fahasoavana raisiny an-kafaliana ity dia mahatonga azy, voalohany indrindra, “hiara-dàlana amin’i Kristy ao an-tranon omby ka hahatonga azy ho mahantra koa”[20]."Izany no ohatra voalohany nomen’i Kristy antsika tamin’izy tonga tamin’izao tontolo izao"[21] Amin’ny alalan’ilay Zaza tao Betilehema, izay nanambara tamin’ny olombelona ny hasiny tapitr’ohatra, dia irahina izy eo anivon’ny Eglizy, raha azo atao eo amin’ireo izay ataon’ny fiaraha-monina an-kilabao indrindra, mba handray am-pitiavana ny fomba fiainan’izy ireo; amin’izay dia fantatr’izy ireo, noho ny asa fanirahana ataony, ny fisian’i Kristy velona sy ny halehiben’ny maha-zanak’Andriamanitra azy ireo. "Ho eo anivon’izy ireo aho ary hiaina ny fiainan’izy ireo; ho hitan’ireo zaza ireo akaiky fa izany no Pretra ary homeko azy ireo ny finoana”[22].

« Ny Hazofijaliana : famonjena sy voninahitra[23] »

10

 

Ankehitriny, ny Fanahin’i Kristy Mpiandry Ondry Tsara izay mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny[24], dia miantso azy mba hiaina ny fankatoavan-janaka ny Rainy, ny fitalahoany, ny fangorahany ny mahantra sy ny mpanota, ny fomba nitoriany ny fahatongavan’ny fanjakan’Andriamanitra ka anokafany ny fo amin’izany, ny faharetany manabe ny Apôstôly, ny ady nataony hanafahana amin’ny herin’izao tontolo izao, ny sampy sy ny fivavahan-diso.

Takian’ity fiainana maha-iraka ity ny hitondrany an-kafaliana sy am-pitiavana isan’andro ny hazo fijaliana izay vokatry ny fanirahana ihany, sy ny fiaraha-mientana amin’ny vahoaka ary ny fiainana araka ny Evanjely ombàn’ny tsy fivadihana amin’ny Eglizy.[25]

"Mampianatra, mananatra, manitsy, manome ohatra, mampibebaka : ireo rehetra ireo dia tsy vita raha tsy ao anatin’ny fijaliana"[26]. lo no "famantaram-pitiavana marina", "ny maha-apôstôlin’i Jesoa Kristy tokoa".[27] Toa an’i Paoly Apôstôly, dia ekentsika ny hifantsika miaraka amin’i Kristy, "mba hisehoan’ny fiainan’i Jesoa koa amin’ny nofontsika mety maty".[28]

« Samia mandray, sy mihinana amin’ity ianareo »

11

 

Ny Fanahin’ny fitiavana izay namirapiratra tao amin’i Kristy nitsangan-ko velona, mofon’aina ho an’ny olona rehetra no ahafahantsika hanjary mofo tsara ho an’ny vahoaka, fa indrindra ho an’ireo ao anatin’ny ankohonam-piangonana izay niantsoana antsika mba hiorina miaraka amin’ ireo mahantra.

Mba tena hanenika tanteraka ny fiainantsika sy ny fandraharahana masina ataontsika io fitiavana io, dia antsoina isika hiaina ny fahadiovana amin’ny maha-mpitovo, tokantena.

Ao amin’ny zava-miafin’ny Eokaristia, izay iombonana amin’ny Teny sy ny Vatan’i Kristy, no anasàna antsika hanolo-tena isan’andro ho sorona[29], mba hanjary sakafo ho an’ireo rehetra mitady valim-pitia sy fahamarinana ary fahafahana tanteraka. “Raisinay ho tarigetry ny asam-pitiavana ity tenin’ny Tompontsika ity : Samia mandray sy mihinana amin’ity ianareo, eo ampiheverana antsika ho toy ny mofom-panahy hamelona ny olon-drehetra amin’ny alalan’ny teny, ny oha-piainana ary ny fahafoizan-tena.”[30]

Mpianatr’i Jesoa Kristy

12

 

Io fiantsoana antsika hampitombo amin’ny fiainana ireo toetra nampiavaka an’llay Mpamonjy io, dia mitaky ny fahafoizantsika fotoana amin’ny fibanjinana sy amin’ny fianarana an’ilay Iraky ny Ray. Mba hahatongavana amin’izany, dia ny mianatra an’i Jesoa Kristy araka ny anambaràny tena amintsika ao amin’ny Soratra Masina sy ao amin’ny Lovantsofina velona ao amin’ny Eglizy, no hanokafantsika ny fianarana rehetra ataontsika eo ambany fitarihan’ny Fanahy[31]. "Tsy misy fianarana, tsy misy fahaizana hafa tokony ho katsahina ankoatr’izany. Io no tena ilaina sy tena zava-dehibe, indrindra ho an ‘izay manam-paniriana ho pretra, ho mpianany, satria io fahalalana io ihany no afaka mamolavola ireo pretra"[32].

“Mahalala an’i Jesoa Kristy, tia an’i Jesoa Kristy, maka tahaka an’i Jesoa Kristy, manara-dia an’i Jesoa Kristy; izany no tena faniriantsika, izany no tena Fiainantsika"[33].

13

 

Io fibanjinana ny hatsarana sy fahalehibeazana ary ny halemem-panahin’ilay Teny tonga nofo io no mitaona antsika handray azy "ho hany Mpampianatra tokana"[34]. Voafidy ho Azy isika, ka manaraka Azy toy "ny namana izay manara-dia namana iray hafa”[35]. Eo am-panolorana azy ny fitokisantsika rehetra[36] isika, dia tsy manana fanirian-kafa intsony afa-tsy ny ho feno ny Fanahiny. Mifikitra amin’i Jesoa Kristy toy ny "Fahazavantsika" sy toy ny "Fahendrentsika"[37], no inoantsika fa ho tanteraka ao amintsika ny teniny hoe : "lanareo no fanasin’ny tany, ianareo no fahazavan’izao tontolo izao[38]".

Amin’ny alalan’ny Fianarana ny Evanjely, ny vavaka, ny fibanjinana ny fiainan’ny Eglizy sy ny fiainan’ny olombelona, no anomezantsika sehatra ny Fanahy mba hamolavola an’i Jesoa Kristy ao amintsika, amin’ny asa pastoraly[39] izay ataontsika indrindra. Araka izany dia ho afa-manova an’izao tontolo izao sy hahatarika ireo madinika amin’ny finoana an’i Jesoa isika.

14

 

Satria "ny mahantra eo imason’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra ho mpanankarena amin’ny finoana, sy ho mpandova ny Fanjakana nampanantenainy an’izay tia Azy"[40], dia mianatra azy ireo isika mba ho tonga mpianatry ny Evanjelin’i Jesoa Kristy, izay nanaovana antsika ho "mpandraharahan’ny Fanekem-pihavanana vaovao."[41]

Mba hahafahana mandray avy ao amin’izy ireo ny Evanjely izay tokony hotoriantsika aminy, dia mamporisika antsika ny Fanahy Masina hifampizara fiainana amin’ireo mahantra eto an-tany sy hahita ny endrik’i Kristy eo amin’izy ireo.

Noho izany, tahaka an’i Maria "ilay Endriky ny Eglizy"[42], no anirianay koa ny hitahirizana ao am-pontsika ny zava-miafin’ny Zanany, araka ny isehoany, eo amin’ny fiainan’ireo rehetra voantso ho vahoakany.

15

 

Mba hiainantsika tsaratsara kokoa ny maha-mpianatry ny Tompo antsika, ary hanatanterahantsika tsara ny asan’ Andriamanitra eo anivon’ny mahantra, dia mandray an-kafaliana ireo mpiaradia isika noho izy ireo nandray izany toetra mahasarika izany isika tamin’ny Fanahy Masina ihany koa; ary mahatsiaro tena ho voaantso miaraka amin’izy ireo hitady izay fomba hahatonga antsika ho famantarana velona an’i Kristy, Fahazavana sy Mpamonjy ny olona : “Avia, hiara-handinika ireo zavatra ireo isika ary hampihatra azy… I Jesoa no Mpampianatra antsika. Azo fantarina amin’ny alalany ny zavatra rehetra, afaka miray aminy ny zavatra rehetra ao. Izy no vona tsara fatotra mampiray ny fo tena maniry hanaraka Azy"[43].

Fampanantenan’i Jesoa ho an’ireo mpianany.

16

 

Mampianatra antsika ny Evanjely fa ny fahombiazana apostolika eo anivon’ny mahantra dia vokatry ny fiainana mahantra, atao sorona ary omena. Mba handrosoana amin’izany lalana izany dia miankina amin’ny herin’ny Fanahy Masina sy ny finoan’ny Eglizy isika ; ny Fanahy sy ny Fiangonana izay mampita amintsika ny fampanantenana nataon’i Jesoa Kristy amin’ireo izay manaraka Azy : "lanareo moa, naharitra nanaraka ahy tamin’ireo nanjo ahy, izaho kosa hanamboatra fanjakana ho anareo, tahaka ny nanamboaran’ny Raiko fanjakana ho Ahy, mba hihinananareo sy hisotroanareo eo amin’ny latabatro any amin’ny fanjakako"[44].

 

 

 

Toko fahatelo : Ny iraky ny “Fikambanan’ny Pretran’ny Prado”

17

 

Sakramentan’i Kristy izay tonga "hilaza ny Vaovao Mahafaly amin’ny mahantra, hitory fahafahana ho an’ireo voafatotra ary fahiratana ho an’ny jamba, hanome fahafahana ho an’ireo voagadra, hanambara taom-pandraisan’ny Tompo"[45], ny Eglizy dia voaantso hiditra amin’izany lalana izany : mitory ny Evanjely amin’ny mahantra mba hampitana amin’ny olondrehetra ny vokatry ny Famonjena[46].

Ny "Fikambanan’ny Pretran’ny Prado" dia mandray anjara amin’ izany iraka izany amin’ny alalan’ny fanampiana ireo mpikambana hanaraka izay voasoritra ao amin’ny toko teo aloha. Tsy maintsy mamelona mandrakariva ao amin’izireo ny hetsiky ny Fanahy izay nanosika an’i Kristy hitety "ny tanàn-dehibe sy ny vohitra, mitory ny Vaovao Mahafalin’ny Fanjakana sy manasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra"[47].

18

 

Ny "Fikambanan’ny Pretran’ny Prado", amin’ny maha Fikambanana azy, dia tsy maintsy mikaroka sy mametraka sosokevitra misionera amin’ny alalan’ny filàn’ny mahantra, mba hiainan’ny vahoakan’Andriamanitra bebe kokoa ny fitiavana manokana an’i Kristy ho azy ireo.

19

 

Mompera Chevrier, mpanorina ny Prado, dia niahy manokana ny fanomanana “ho mpisorona ireo tanora vitsivitsy tsy afaka mandeha any amin’ny Seminera” ho “tonga pretra mahantra, voafantsika, araka ny Tompontsika ary hampihatra izany amin'ny asa tsara”. “Izany ny tanjontsika”… hoy izy. “Ny fanoloran-tena tsara indrindra ho an’ny pretra dia ny fanomanana pretra tsara ho an’ny Eglizy… Araka ny hevitro, dia io no filàn’ny Eglizy ankehitriny ary izay no tokony mba hahatratrarana io tanjona io.[48]

Araka ny ohatra sy ny fampianaran’i Mompera Chevrier, hatrany am-boalohany, dia nandalo tamin’ny fanomanana ho pretra ny pretra Prado. Manana ivotoerana ny Seminera izay tamin’ny hevitr’i Mompera Chevrier ihany no nianorenana azy.

Tokony hahatsapa ho tena tompon’andraikitra hahasarika sy hanomana pretra mahantra hanao asa fitoriana ho an’ny mahantra ny “Fikambanan’ny Pretran’ny Prado” araka izay azo atao. Hanaraka an-tsitrapo ny fanomanana ho pretra ny Pretra Prado.

20

 

Tian’i Mompera Chevrier raha miompana amin’ny fanomanana “katekista tsara” ho “an’ny mahantra, ho an’ny bado, ary ho an’ireo atao ankilabao eto amin’izao tontolo izao”[49] ny fiantsoana ny Prado aminy. Manomana katekista no filan’izao tontolo izao sy ny Eglizy”[50]. “Ny faniriako, hoy izy “dia ny hanomana katekista tsara any amin’ny Eglizy ary hanomana fikambanan’ny pretra miasa hanatratra io tanjona io”[51].

Raha miteny ny Katekista Mompera Chevrier dia tsy miantefa amin’ny pretra fotsiny izy. Izay no mahatonga ny “Fikambanan’ny Pretra Prado” hiahy mandrakariva ny famporisihana sy fanomanana apostoly mahantra hanao fitoriana ny Evanjely amin’ny mahantra, afaka hanambara amin’izireo amin’ny fitadiavany an’Andriamanitra.

Amin’izany dia hampihatra ny fomban’Ilay Mpampianatra manomana ny mpianany izy : “Teo am-pamoronana ny Eglizy, asa goavana indrindra nataon’Ilay Mahefa ny zavatra rehetra, asa soa indrindra teto an-tany, ny Tompontsika tsy nampiasa zavatra teny ivelany, fa olona no nalaina, nofenoiny ny Fanahiny sy ny Fiainany, nifidy ny Apôstôly roa ambin’ny folo Izy ary nanofana azy ireo amin'ny fiainana evanjelika”[52].

21

 

Mahatsapa ny “Fikambanan’ny Pretran’ny Prado” fa mandray fahasoavana natao ho an’ny Eglizy mba hahazo ny fitoriana ny Evanjely ny mahantra. Ao anatin’ny Eglizintsika eto an-toerana dia hiasa isika mba ho loharanom-pahendrena nohavaozin’ny asa fanirahana sy ny asa apostolika ny olon’i Kristy amin’ny maha-Iraky ny Ray azy, mba ho fitaratry ny asa apostolika mandrakariva ny fomba fiainan’ny mahantra sy ny kolontsainy, ary omena ny vahoakan’Andriamanitra ny famantarana ny fanjakana.

 

 

 

Toko fahaefatra : Pretra tsy relijiozy sy lahika voamasina ao amin’ny Eglizy diôseziana

22

 

Ao anivon’ny Eglizy ao amin’ny diosezy no iainan’ireo « Institut » ny Pretra sy ny laika voamasina atao hoe Frera, ny fiantsoan’ Andriamanitra momba ny fitoriana ny Evanjely, ho an’ny mahantra araka ny toerana misy ny tsirairay avy.

A. Ny Pretra

23

 

Hamasinina ao amin’ny Eglizy manokana izy ireo, mpikambana maharitra ao amin’ny vondron’ ny Pretra ao amin’ ny diosezy iray izay anaovany ny asa fanompoana sy ny firahalahiana ara-tsakramenta, ny Pretra Pradoziana dia mandray anjara feno tanteraka amin’ny fiombonam-piainan’ny Pretra ao amin’ny diosezy iray na ara-pitaovana, na ara-panahy na ara-pastoraly.

24

 

Ny Pretran’ny Prado dia mandray mivantana ny asa pastoraly avy amin’ny olona afa-manapaka ny diosezy iray. Ny eveka no toy ny mpiandraikitra antsika mivantana, izy no mpandimby an’i Kristy manam-pahefana sady mpiandry ondry[53].

25

 

Ny “Fikambanan’ny Pretran’ny Prado” dia tsy manana fomba manokana hiatrehana ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly, fa manana toetra apostolika izay mampiavaka antsika mitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny mahantra amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy ary miasa mba ho tsara tahaka azy ireo[54]. Izay no fomba fiaraha-miasa amin’ny Eveka.

Izay no mahatonga antsika handray ny Eveka mba hahalalany sy hankaherezany antsika amin’io ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin’ny mahantra[55]. Angatahintsika aminy ny fifampitokisana araka ny fahasoavana noraisintsika mba tsy hametrahany antsika ao amin’ireo mpanankarena, mba ho voatokana ao amin’ireo atao ankilabao isika. Hampahafantarintsika ao ny fahavononantsika hanompo manokana ny mahantra, ary ny faniriantsika handray anjara tanteraka amin’izay atao amin’ny fitoriana ny Evanjely amin’izireo.

26

 

Asehontsika amin’ny fontsika tokoa amin’ireo manam-pahefana ao amin’ny diosezy ny faniriantsika hifanakaiky kokoa mba hahafahantsika mifanampy toy ny ankohonana, amin’ ny fahavononantsika hanao zavatra araka ny fiaraha-miasa pradoziana. I Mompera Chevrier dia nilaza hoe : "Mampanantena isika fa hanaja sy hanaiky ny Eveka, na dia mandefa antsika any amin’ny toerana lavitra indrindra sy manome antsika andraikitra sarotra aza izy. Mangataka aminy isika mba tsy hisian’ny fisaratsarahana amintsika[56].

27

 

I Mompera Chevrier dia maniry ny mpikambana ao amin’ny "fikambanany" mba samy ho "vonona mandrakariva amin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin’ny mahantra na aiza na aiza"[57]. Tsy tokony hisalasala isika hanolotena raha ilaina, mba hanao ny asa fitoriana antsitrapo ny Vaovao Mahafaly amin’ny mahantra ao amin’ny diosezy sy any amin’ny firenena izay tena mitady izany. Manantena fiaraha-miasa amin’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Eglizy manontolo isika[58].

28

 

Angatahintsika ireo Pretra rahalahintsika mba hanohana sy hamaly ny antso izay iantsoana antsika hitodika amin’ireo mahantra sy izay lavitra ny Eglizy.

Ao anatin’ny iraka izay noraisina, ny fiantsoan’Andriamanitra antsika dia mahatonga antsika hiasa mba hiombonan’ny kristianina bebé kokoa amin’ireo izay sahirana, satria ny Eglizy manontolo dia voaantso mba ho famantarana an’i Kristy ilay Mesia, ilay Mpamonjy tokana ho an’ny olona rehetra.

B) Ny lahika voamasina

29

 

Ao anivon’ny fiantsoan’Andriamanitra sy ny iraka izay ataon’ny Eglizy, ireo Frera rehetra, ireo manamasintena tamin’ny alalan’ny batemy noraisiny, dia maniry ny herin’ny Fanahy Masina, ho famantarana eo anivon’ny mahantra, mba hampahalala azy ireo an’i Jesoa Kristy sy ny fitiavan’ny Ray.

30

 

Ry Freran’ny Prado, samy mahatsapa isika fa antsoina hanome izany famantarana izany, hitondra izany araka ny maha lahika antsika, amin’ny fiainana ny fahantrana, mba ho sorona sy ho fîtiava-namana mahatoky tanteraka araka ny fiantsoan’Andriamanitra antsika. Maniry isika ny mba ho iraka sy ho vavolombelon’i Jesoa Kristy eo anivon’ireo izay mahantra tanteraka ankehitriny.

31

 

Amin’ireo fomba izay mety hiovaova na zavatra samihafa araka ny toerana sy ny toe-java misy ao, araka ny toeran’ mahalaika voamasina antsika, tapakevitra isika hanome ny fiainantsika mba ho tanteraka ny fitoriana ny Evanjely. Eo ampaharetana miaraka amin’ireo madinika, miaramiasa amin’ireo mahantra isika ho fanahafana azy ireo sy ho fitoriana ny Evanjely amin’izy ireo.

Ny fiombonantsika amin’ny Eveka sy amin’ny Pretra, ary koa ny fahavononantsika hitady miaraka amin’izireo sy ireo vita batemy ny lalana nisehoan’ Andriamanitra tamin’ny mahantra dia ny famantarana ny tsy fivadihantsika tamin’ny iraka nitokisana antsika.

32

 

Satria nangonin’ny antson’i Kristy hanara-dia azy akaiky isika, dia araka izay azo atao hifidy ny hiara-miaina isika, eo am-pahatsiarovana lalandava fa izany dia famantarana hita maso ny fiainana ara-evanjely eto amin’izao tontolo izao.

Izany fiarahantsika miaina izany dia tokony ho tsotra, feno firahalahiana, ary anakaiky ireo izay manodidina antsika.

Ny fiainana am-pirahalahiana dia sady tanjona no fomban’ny fiantsoana pradoziana, laika voamasina. Eo amin’ny fiainantsika rehetra, “no aniriantsika hanambara fa ny lalan’ny fitiavana dia misokatra ho an’ny olona rehetra, ary izany ezaka hampiorina firahalahiana eto amin’izao tontolo izao izany dia tsy ho zava-poana”[59].

33

 

Mizara ny fiainan’andavanandron’ny mahantra amin’ny sehatra rehetra isika indrindra eo amin’ny asa andraisam-bola, ny trano fonenana, ny fomba fiaina, ny fomba fitafy sns… Miorina indrindra amin’ny Evanjely sy fitiavana ny mahantra izany fizarana ny fiainana aminy izany.

34

 

Misy vondrona iray na maromaro manazava ny fomba niantsoana ireo laika voamasina hiaina ny fiantsoan’ Andriamanitra azy ary hanao ny iraka nampanaovina azy eo amin’ny mahantra.

35

 

Misy fifamenoana mihitsy eo amin’ny fomba fiainana ny asa fanasoavana azo avy amin’i Mompera Chevrier eoamin’ny mompera sy freran’ny Prado; hifanampy isika, amin’ny fomba samihafa, mba ho mahatoky amin’ny zavatra lehibe ao amin’ny fiantsoana antsika sy ny iraka ampanaovina antsika.

 

 

 

 

 

 

Toko fahadimy : Ny votoatin’ny fanoloran-tena

36

 

Ny fahatokisana amin’ny fiantsoana apostolika eo amin’ny tena mpianatry Jesoa Kristy dia tsy vitan’ny fandinihana tsotra ny fitsipika iray, mitaky fanoloran-tena sy ezaka matotra amin’ny tsirairay izany eo amin’ny fanarahan-dia akaiky an’ny Tompontsika, ary izany dia mba hampahomby ny asam-pamonjena ny olona[60].

« Mahafantatra an’i Jesoa Kristy, izay ihany, tsinotsinona ny sisa »[61]

37

 

Mba hitomboana amin’ny fahalalana an’i Jesoa Kristy dia manolotena hianatra ny Evanjely ary mampita izany eo amin’ny fiainantsika isan’andro isan’andro isika.

Na mandeha irery, na miaraka, dia hanokana fotoana betsaka isika amin’ity fianarana ny Soratra Masina ity. “Izay te hanana ny fahafenoan’ny Fanahin’Andriamanitra dia tokony hianatra isan’andro ao amin’ny Tompontsika : ny teniny, ny ohatra omeny, ny fiainanay, izany no loharano anovozantsika ny fiainana, ary ny fanahin’Andriamanitra”[62]. Amin’ity fianarana ity no hanaovantsika ny tena asa izay manambara ny Soratra Masina manontolo. Ao anatin’ny finoana feno fahatsorana no hanatanterahantsika izany, araka ny fomban’ny Eglizy, miaraka amin’ny mahantra izay izarantsika ny fiainana.

“Ao anatin’ny vavaka isan’andro no tokony hanaovana ity fianarana ity ary tokony hampidirana an’i Jesoa Kristy ao amin’ny fiainana ao no ahitantsika isan’andro ny fahazavan’ny Fanahy Masina, amin’izay dia mampanahaka tsikelikely ny fiainantsika amin’i Jesoa Kristy isika. Mila vavaka mavitrika izany[63].

Ao anatin’ny vavaka ataony, ny “mpianatra marina”, dia mangataka amin’i Kristy, ilay Teny Mpamonjy, mba hanokatra ny Fanahiny sy ny fahiratan-tsainy hidiran’ny Tenin’ Andriamanitra ao anatin’ny fony, ary mba ahafahany manandrana sy mahazo izany Teny izany[64]. Haneho ny faniriany izy fa ny Tenin’ny Evanjely rehetra anie no tena fahazavana hitsilo azy, hampanantona azy an’i Jesoa, ary hanara-dia azy any amin’ny lalan’ny fahitsiana sy fahamarinana rehetra. Raha mbola alaim-panahy foana isika hiteny fa sarotra tanteraka ny Evanjely[65], i Mompera Chevrier dia mampianatra antsika ho vonona lalandava amin'ny Fanahy hihaino, hanao fandinihan-tena, ary hampihatra ny Tenin’Andriamanitra, satria ny fiainana, ny fijaliana, ny fitsaharana, ary ny fahasambarana dia ao anatin’io teny io.

38

 

Miezaka koa isika hijery ny fiainan’ny olona hazavain’ny Tenin’andriamanitra mba hahalalantsika ny fanatrehana sy ny antson’i Jesoa Kristy, ary mba hiombona amin’ny asany ka ho afaka hanambara aminy ny Vaovao Mahafalin’ny famonjena.

Eo am-pizarana ny fiainan’ny hafa sy ny vahoaka dia afaka hahita ny “zava-miafin’ny voa ao amin’ny teny”[66]. Ho tsaroantsika fa mampandre na maneho indraindray ny asa apostolika ny Fanahy Masina, “tahaka ny tsy ijanonany miaraka aminy ary ny itarihany azy amin’ny fomba samihafa”[67]. Ho resy lahatra isika fa fijerena ny fiainana, izay tsy mitsahatra velombelomina sy hamasinin’ny vavaka dia loharanon’ny fahalalana an’i Jesoa Kristy sy ny faharisihana ho iraka.

39

 

Eo am-pandraisana ny fiainan’ny Eglizy koa, no ahitantsika ny endrika isaloran’i Kristy ankehitriny, mba ampahafantarany ny tenany amintsika. Eo ambanin’ny tosiky ny Fanahy, tsy mitsahatra handalina ny zava-miafin’ny Eglizy sy ny asany isika ao anatin’ny vavaka. Fa ny iraka ataon’ny Eglizy dia “mitohy ary mampandroso ny fanirahan’i Kristy izay nalefa hanambara ny Vaovao Mahafaly amin’ny mahantra”[68].

« Manana ny fanahin’Andriamanitra, izay ihany »[69].

40

 

“Eo amintsika, dia ny Fanahy Masina no tokony hanokatra antsika amin’ny zavatra ivelany”[70]. Eo am-pianarana ny Evanjely, ary ao anatin’ny vavaka atao isan’andro dia te-hametraka ho “fototra lehibe ao anaty ny tanjam-panahy izay manoro ny fiainana ivelany isika”[71].

Hivavaka mafy isika hangataka amin’Andriamanitra ny Fanahiny[72]. Tokony ho vavaka isan’andro ary hatoky indrindra indrindra amin’ny vavaka fangatahan’i Masina Maria izay milofo mandrakariva miaraka mivavaka amintsika tahaka ny nataony taloha niaraka tamin’ny apostoly[73]. Miaraka aminy, dia hanao ny vavaka ao amin’ny Salamo tsy miato isika, dia ilay vavaka napetraky ny Eglizy ao am-bavantsika mba hitondra eo amin’Andriamanitra ny antsoantson’ny olona eo am-piandrasana ny Fanahy Masina.

41

 

Mba tsy ivadihana amin’ity Fanahy izay tsy mijanona miasa eo anivon’izao tontolo izao dia, hifanampy isika handray sy handanjalanja foana ny antsoantson’ireo tena mahantra ao amin’ny vahoakantsika. Ny andraisana ity antsoantso ity aloha dia tahaka ny mandray azy ho toy ny feon’Andriamanitra aloha.

42

 

Omena antsika ny Fanahin’Andriamanitra ao amin’ny Eglizy, Vahoakan’Andriamanitra miombona amin’i Kristy noho ny Fanahy Masina, mba hanambara sy hankalaza ireo zava-mahatalanjona nataon’Andriamanitra tamin’ny olombelona, ao anatin’ny fiteny sy kolon-tsaina maro samihafa.

Mba hahafahantsika mizotra am-pitokiana sy hampifanaraka ny fiainantsika amin’ny “Lalan’ny Fanahy Masina”[74], dia ezahintsika ny hanaraka an-tsitra-po ny torolalana sy ny fanapahan-kevitr’ireo Ray aman-drenintsika dia ny Papa[75], ny Eveka sy ireo rehetra manam-pahefana sy andraikitra momba ny fiainantsika.

Hodinihintsika ny oha-piainana nasehon’ireo Olomasina ka hanentana antsika handroso tsy am-pisalasalàna amin’ny lalan’ny Evanjely.

Ao amin’ny finoana tsotra ananan’ireo mahantra no hitadiavantsika ny Fanahin’Andriamanitra. “Misy ireo olon-tsotra izay mahatsapa avy hatrany ao am-pony ny fahamarinana ary manaiky izany an-kafaliana sy fahasambarana raha vantany vao hitany… Andriamanitra dia nametraka ao amin’ny olon-tsotra sasany hevitra ara-panahy sy mahomby ka mampiseho fahatsorana sy fahalalàna an’Andriamanitra mihoatra noho izay heverin’ireo manam-pahaizana ambony. Vavolombelon’izany ireo tantsaha tsarafanahy, ireo mpiasa lahy sy vavy izay mahatakatra avy hatrany ny hevitra momba an’Andriamanitra ary mahay manazava an’izany tsara kokoa noho ny hafa”[76].

43

 

Mba hahafahantsika mizotra araka ny Fanahin’Andriamanitra, dia arahintsika an-tsakany sy an-davany ity fitsipi-piainana ity, satria “ny fanahin’Andriamanitra dia ao anatin’ny fitsipi-piainana notovozina tamin’ny Evanjely ary nankatoavin’ny Eglizy”.[77] Kanefa tsy torolalana ivelany fotsiny izy ity; tsy maintsy tsaroantsika mandrakariva fa ny lalana tokana tsy miova dia ny Evanjely ary ny “fitiavana marina, na dia bitika aza, dia tsara lavitra noho ny 5 000 grama fitsipika.”[78].

Hotsaroantsika ihany koa fa “ny Fanahin’ Andriamanitra dia toa hafahafa, satria sarotra ny manda tanteraka ny hevitry ny tena, ny fahalalàna, ny fiainana andavanandro, ny kilema, mba ho fenon’ny fanahin’Andriamanitra sy hiasa araka ny Fanahin’ Andriamanitra”[79]. Hanao ho loharano hatrany ny fitiava-namana izay fitsipi-piainan’ny “Fikambanan’ny Pretran’ny Prado”, ary natao hifanaraka amin’ny vanim-potoana sy ny zava-mitranga amin’ny fiainana andavanandro[80].

« Zavatra tokana no ilaina : mitory an’i Jesoa Kristy amin’ny mahantra »[81].

44

 

Mba hahafantsika miasa tahaka an’i Jesoa ary miaraka aminy amin’ny fitoriana ny Fanjakan’ Andriamanitra eo anivon’ny mahantra dia “hofidintsika ho namana manokana ny mahantra”[82], ary ho namantsika akaiky izy ireo noho ny fitiavana. Hiainantsika araka izay azo atao ny fomba fiainan’ny mahantra, satria « ny fahantrana, ny fanompoana ny mahantra, ny madinika sy ny mpanota no fiantsoana ho antsika » ary « nankinina amintsika manokana ny fitoriana ny Evanjely amin’ny mahantra ».[83]

Ny fiombonantsika amin’ny mahantra dia mahatonga antsika ifampizara ny hetaheta sy ny ezaka ataon’izy ireo amin’ny adim-piainana sy ny fampanjakana ny rariny. Vavolombelona mahita isika fa afaka mandray andraikitra tokoa izy ireo eo anivon’izao tontolo izao sy amin’ny Eglizy. Miara-migoka ny fanantenana ny endriky ny Fanahy amin’ny fiainan’izy ireo isika. Ny Evanjely manko no tiantsika hozaraina amin’izy ireo.

Mba hahafahana mifandray marina amin’ireo tena mahantra, ireo atao ankilabao eo amin’ny fiarahamonina, ireo tsy mpino sy izay lavitra ny Eglizy sy ny finoana an’i Jesoa Kristy, dia tsy hisalasala isika, rehefa nomen’ny Eveka alalana, ny hitady fomba fitoriana vaovao, izay mifototra hatrany amin’ny fiorenana amin’ny Evanjely sy ny fomba amam-panao iainana ao amin’ny Eglizy.

Raha tiana ho azo antoka ny fitoriana ny Evanjely amin’ny antokon’olona sasany, dia aoka ny asa-tanantsika no hivelomantsika; amin’ izay dia sahala amin’ny mahantra isika, ka rehefa neken’ny tompon’andraikitra mahefa, dia mifanojo amin’ny ilàna azy ity fandraharahana ity[84]. Mba ho azo antoka ity fanompoana ny Evanjely ity dia “naniraka pretra ny Eglizy mba ho iraka eo anivon’ny mpiasa izay hiaina tanteraka ny fomban’ ny mpiasa, ary te ho vavolombelona amin’ ny fiahiana azy ireo sy amin’ ny fikarohany”[85].

Noho ny Evanjely sy ny firaisan-kina amin’ny mahantra, dia ekentsika amin’ny alalan’ny firaisan’aina amin’i Kristy, ho famantarana hifanoherana, velona, ao anatin’ny finoana sy ny fanetren-tena, ny tsy fahazoan’ny olona ny hevitsika ary ny tsy fananantsika laza, hatramin’ny fanenjehana aza.

45

 

Tsy maintsy mampianatra isika, tsy amin’ny alalan’ny lahateny miezinezina kanefa tsy mipaka amin’ny ati-fanahin’ny olon-tsotra, fa fampianarana mora sy sahaza ny vahoaka[86].

Raha hanambara an’i Jesoa Kristy amin’ny mahantra dia tsy maintsy kendrena mba ho teny tsotra sy mahitsy, manan-danja sy mifanaraka amin’ny zava-misy eo amin’ny fiainan’izy ireo ary amin’ny alalan’ny fiteny azony no atao.

Raha « hanao katesizy » tsy miova amin’ny Tenin’ Andriamanitra sy ny fampianaran’ny Eglizy dia ny hahatonga ny fo sy ny vavaka ho toy ny sehatra ihaonana sy ifanilovan’ny Evanjely sy ny fiainan’ny olombelona izay efa voadinika maharitra. “Tsy ny boky no mampianatra fa ny pretra”[87].

46

 

Tsy hikely soroka isika amin’ny hananan’ny mahantra ny anjara toerana tsara sahaza azy ireo ao amin’ny Eglizy ka hahafahan’izy ireo maneho ny finoany.

Izany dia mitaky ny hanofanantsika kristianina vontom-pinoana izay manam-pitiavana ka tapa-kevitra hiasa araka ny Evanjely : “Ny finoana sy ny fltiavana ary ny asa, ireo no vokatra telo tsy maintsy hasongadina”[88].

Miaraka amin’ny fianakaviam-ben’Andriamanitra hahatsapa ho tompon’ andraikitra isika amin’ny fanentanana amin’ny fïantsoan’ Andriamanitra ho pretra sy ho apôstôly hanokan-tena hitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny mahantra, indrindra eo anivon’ny mahantra tokoa.

« Ny feon’ny fananarana dia ny fitiavana marina »[89]

47

 

Mba hahafahana hanatanteraka ny asan’Andriamanitra, izay te-hamory ny zanany rehetra ho vahoaka tokana, dia antsoina isika mba hanahaka an’i Kristy amin’ny fitiavana. Io fitiavana io no manentana antsika hanaraka ny lalana nodiaviny :

“Ohatra no nomeko anareo, mba hanaovanareo toy izany koa”[90].

“Manaova tahaka ahy, raha te-hahatontosa ny iraka nankiniko amin’ny anaran’ny Ray taminareo”[91].

“Ny fiombonantsika amin’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy ao anatin’ny fitiavana, am-pahibemaso, lavorary, ka ny olona izay mahita antsika dia ho afaka hiteny hoe : izany tokoa ka Jesoa Kristy hafa koa ! Tsy maintsy asehontsika amin’ny fiainantsika ety ivelany sy ao anaty ny toe-panahin’i Jesoa Kristy, ny fahantrany, ny fijaliany, ny vavaka nataony, nyfitiavany. Isika dia tsy maintsy mampiseho an’i Jesoa Kristy mahantra ao an-tranon’omby, Jesoa Kristy nandre fangirifiriana tamin’ny nijaliany, Jesoa Kristy manaiky hatao sakafo amin’ny Eokaristia Masina”[92].

48

 

Ny “Fikambanan’ny Pretran’ny Prado”, izay mijoro eo anivon’ “institut séculier”, araka ny fandaharan’ny Eglizy, dia manana hery vaovao hiatrehana ireo soatoavina amin’izao tontolo izao amin’ny fanarahan-dia an’i Kristy.

Ny mpikambana, pretra diôseziana sy laika voamasina, dia mavitrika tokoa amin’ny fampiharana ny torohevitry ny Evanjely, ka manana fahatokisana lehibe amin’ny fiainana ny fiantsoan’ Andriamanitra izay vokatry ny famantarana ny vanim-potoana iray.

Fahantrana

49

 

“Tsy maintsy mahantra isika mba ho afaka hiaina miaraka amin’ny mahantra”[93]. “Niseho ho mahantra i Jesoa… ny fahantrana no tena nampiavaka azy”[94]. “Teraka tao an-tranon’omby teo ambony vilona izy”, mba hahatsapantsika fa “ho an’ Andriamanitra, ny volamena koa dia mahantra tahaka ny vilona”[95].

Nisafidy ny hahantra isika noho ny fitiavana ny Tompontsika sy ireo faraidiny eto an-tany izay anirahana antsika.

Izao tontolo izao iainantsika, izay anjakan ny tsy rariny amin’ny fitsinjarana ny harena, amin’ny fandaniam-bola be loatra amin’ny fltaovam-piadiana sy ny ady ary ny fanindrahindrana ny maha-izy azy ny tena dia mila famantarana. Tsy maintsy aseho ao amin’ny Eglizy ny fahantrana an-tsitra-po mba ho famantarany fahafahan’ny mahantra mandray ny Vaovao Mahafaly. Amin’ny alalan’ny fahantran’i Jesoa Kristy izay tadiavina amin-kerim-po, raisina an-kafaliana, orohana am-pitiavana[96], no anambarantsika fa Andriamanitra dia Mpiaro, Rain’ny olona rehetra, i Jesoa Kristy dia harena ho antsika, mihoatra ny harena rehetra, ary ho azy irery ihany no iasantsika fa tsy fitadiavana tombon-tsoa hafa. Ny Prado, izany hoe ny olona ao aminy sy amin’ny maha-fïkambanana mijoro ara-dalàna azy, dia tokony hiseho ho famantarana ho an’ny mahantra sy ny Eglizy.

50

 

Ny fanohizana ny asan’i Kristy Mpamonjy ny olombelona ataon’ny Eglizy dia manosika antsika hiady ho an’ny fahamendrehana sy ny fanafahan’ny vondrona sy ny vahoaka mahantra. Ny safidim-piainana hahantra no ahatsapantsika marina ny hetahetan’ireo mahantra sy ny ampahoriana hanana fiainana mendrika sy mihaja kokoa. Zo am-pandraisana ho zava-dehibe ny fiantsoan’ Andriamanitra ao amintsika, dia manana anjara biriky isika amin’ny ezaka samihafa mikendry ny hitsinjarana am-pahamarinana ny harena eto ambonin’ny tany.

51

 

“Afointsika”, araka izany ny “haren’ny tany amin’ny alalan’ny fiononana amin’fizay tena ilaina momba ny fonenana ny fitafiana ny sakafo”[97], ary ny harena hafa, mba hampifanatona antsika bebe kokoa amin’ny fiainan’i Jesoa Kristy Tompontsika sy ny an’ireo mahantra. Raha te-ho havan’ny mahantra marina isika, dia aoka ho tsaroantsika fa maro ireo mahantra no mijaly, ary hifampizara aminy koa ny fahantrany sy ny fijaliany, eny fa na dia ny fampijalian’izy ireo antsika koa aza. “Ao amin’izay tsy misy zavatra mampijaly, tsy misy fahantrana tena izy”[98].

Mba tsy hivadihantsika amin’ity lalàn’ny fiononana amin’ny tena ilaina ity, dia ataontsika ho vain-dohan-draharana ny manao jery todika tsy tapaka ny fampiasana sy ny fitantanana ny fananantsika, sy ny fomba fiainantsika, miaraka amin’ny mpikambana sy amin’ny mpiandraikitra.

Ny Sori-dalana no hametraka araka ny zava-miseho, ny fomba hanatanterahana io fifehezan-tena io.

52

 

“Miasa mba ho velona ny mahantra… Tsy manana mpanampy ao an-trano izy ireo… Tsy mampiasa olon-kafa izy raha tsy amin’ny fotoana tena ilana azy… Tsy matahotra ny hanao asa faran’izay tsotra izy”[99].

Koa tsy hisalasala isika, amin’ny fananana toetra mahantra, ny hanatanteraka ny asa ao an-tokantrano sy ny asa ara-nofo.

53

 

Ny Lalàn’ny tena ilaina dia tsy natao hampiharina amin’ny mpikambana tsirairay fotsiny, fa natao ho an’ny Institut amin’ny ankapobeny koa sy amin’ny vondrona rehetra izay mamorona azy.

Ny “Institut” dia tsy afaka ny hanana zavatra mivaingana manokana ho azy ankoatry ny tena ilaina amin’ny fampandehanan-draharaha.

Tsy hitady hanangona vola aman-karena ho an’ny tena samirery[100]. Ny tahirin’ny “Institut” dia voafetra amin’izay hiatrehana ny tena ilaina fotsiny. Ny “Institut” dia hanao tatitra hatrany amin’ny mpikambana ao aminy momba an’izany.

54

 

“Afointsika amin-kalalaham-po ny haren’ny tany”, ka hikatsaka, araka izay azo atao, ny “fiombonana amin’izay ananantsika, tahaka ny kristianina tany am-boalohany, izay tsy nihevifra ny fananany ho azy samirery, fa ho tahaka ny fananan’ Andriamanitra sy ny namana, ary hanatanteraka ny tenin’i Jesoa Kristy hoe : “Izay rehetra ahy dia anareo ary izay rehetra anareo dia ahy”[101].

Ny fahantrana araka ny Evanjely dia mitaky fahaizana miombom-pananana marina amin’n samy mpirahalahy. Izany no fïfampizarana amin’ny endriny maro samihafa.

Hiombonantsika ny ezaka amin’ny fitsinjarana araka ny tokony ho izy ny fananana amin’ny samy pretra.[102]

Hojerentsika koa izay fomba hizaràna ny fananantsika manokana sy iraisana mba hoan’ireo fadiranovana sy ho an’ny firenena mahantra.

Haloantsika ara-potoana ny anjara latsakemboka ho an’ny “Fikambanan’ny Pretran’ny Prado” araka izay lamina voasoritry ny tompon’andraikitra mahefa. Ny fandraisantsika anjara amin’ny fanomezana ampahany amin’ny fananantsika ho an’ny Fikambanana, araka ny fahafahantsika dia fandraisana anjara amin’ny fandaniana ataon’ny “Institut” amin’ny sehatra maro samihafa izany, ka hahafahan’ny fianakaviam-ben’ny Prado manatanteraka tsara ny fitoriana ny Evanjely amin’ny mahantra miely patrana eran’izao tontolo izao.

55

 

Antsoina hiaina ny fahantrana ao anatin’ny asa fanirahana koa isika.

“Naniraka ny mpianany izay tao anatin’ny fahantrana Andriamanitra”, ary Izy dia “nampanantena vokatra avy zato heny amin’izao tontolo izao, raha miasa ho azy sy manatanteraka tokoa ny asan’Andriamanitra”[103].

Harahintsika ny torolalana omen’ny Eglizy momba ny fanatanterahana maimaim-poana ny asa fanompom-pivavahana ataon’ny pretra (jereo Lalànan’ny Eglizy 848 sy 1181).

Hialàntsika am-pahamalinana izay rehetra mety hanafintohina ny mahantra ka hampivily lalana azy ireo hiala amin’ny Eglizy.

Fanirian’i Mompera Chevrier ny hitadiavantsika fomba mahomby hahatanteraka ny fanaovana asa tsy mitaky valiny eo amin’ny Eglizy anaovana ny asa fanirahana.[104]

Hotsiahivintsika indrindra fa raha hitory ny Evanjely dia tsy maintsy miaina ny fomba sy ny toetra maha-iraka, izay fomba mahantra. “Tsy mila zavatra maro ny fampibebahana”. “Ny asa ara-panahy no alohan’ny zavatra rehetra”[105].

56

 

“Ao anatin’ny fahantrana no ahitan’ny pretra ny tanjaka sy hery ary fahafahana”[106]. “Mihazona antsika ao ambany fitantanan’Andriamanitra ny fahantrana, amin’ny alalan’ny fanetren-tena, asa, fanekena, fanajana amin-tahotra, fangorahana, vavaka”[107]. Hahitantsika ny tena hafalian’ny mahantra araka ny Evanjely ity firosoana hatrany amin’ity fahantrana tena izy.

Tsy misaraka ny fahantrana tena izy araka ny Evanjely sy ny fanetren-tena. Hitalaho amin’Andriamanitra ary isika mba hataony “mahantra am-panahy sy fo manoloana an’ Andriamanitra sy ny olombelona ary ny tena”. Hotandremantsika ny hambom-po hisongona eo aloha isika, fa hanompo an-tsitra-po ireo karazan’olona izay atao tsinontsinona. Tsy maintsy ho mpanompo isika, haka tahaka ilay Mpampianatra araka izany, ho toa azy izay nijanona amin’ny maha-olona afaka azy manoloana ny fitsarana ataon’ny olona.

Fanekena

57

 

Noho ny fitiavana an’i Jesoa Kristy izay nanaiky hatramin’ ny fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana dia, “hataontsika tanjona ambony indrindra ny fanekena[108]. “Ny fanekena famantarana ambony indrindra ny fitiavantsika an’ Andriamanitra[109] sy fitaovana mahomby indrindra hanatontosana ny asan’Andriamanitra. Ny tena mpianatra dia tsy maintsy manara-dia an’i Jesoa Kristy mitondra ny hazofijaliany : tsy maintsy mahafoy ny aintsika isika, satria “arakaraka ny ahafatesana no anomezana ny aina[110]. “Ampianarina amin’ny teny ny olona, fa vonjena amin’ ny fijaliana kosa[111], ary noho ny fankatoavana, dia fenointsika amin’ny nofontsika “izay tsy ampy amin’ny niaretan’i Kristy ho an’ny Eglizy izay Vatany[112].

58

 

Ny fanaovana ny sitrapon’ Andriamanitra ho toy ny sakafo mihitsy no ahafahana mitarika ny vahoakan’ Andriamanitra handeha araka ny fanahin’i Jesoa Kristy.

“Ny tena mpanao raharaha masin’i Kristy dia olona mahatsapa ny fahalemeny, miasa amim-panetren-tena, mamantatra izay mahafaly ny Tompo; toa teren’ny Fanahy izy, ka manaiky hotarihin’ny sitra-pon’Ilay tia ny hahavonjy ny olombelona rehetra. Ary izany sitra-po izany dia hainy fantarina sy ifikirana mandritra ny androm-piainany, satria manompo amim-panetren-tena ireo nankinin’Andriamanitra aminy izy amin’ny alalan’ny andraikitra noraisiny sy ny zava-miseho isan-karazany amin’ny fiainana”[113].

Ny fahaiza-mamantatra ny vanim-potoana ho toy ny fisehoan’ny sitrapon’Andriamanitra amintsika no tsy hampivadika antsika amin’izany am-paharetana ao anatin’ny fiatrehana sy ny firaisan-kina mahomby miaraka amin’ny mahantra eo anivon’ny vahoakantsika. “Tsy maintsy ilaina ny faharetana… Isan’andro no hanaovana ny fampianaram-pinoana, isan’andro no hahantra, isan’andro no iaretana fijaliana noho ny ataon’ny namana sy izao tontolo izao, anoherana ny fahosan’ny voahary amin’ny alalan’ny fahasoavan’Andriamanitra[114].

59

 

“Tsy izay mahafaly antsika no hotadiavina, fa izay mahafaly an’Andriamanitra”[115]. Izany fanekena izany, izay tiantsika ho lavorary mba ho famonjena ny olona, dia mahatonga antsika hanam-potoana mandrakariva sy ho olona afaka, dia ilay fahafahana niainan’i Kristy ihany koa izay tonga mba haneho ny fitiavan’ny Ray : “Satria entanim-pitiavana sy miahy ny Eglizy ka mandinika, mikaroka lalana vaovao hanatanterahany ny andraikiny, nefa koa tsy maintsy manaraka ny fanekena ka mamosaka amim-pitokiana izay fanandramana nataony izay sy manazava tsara izay ilain’ny andian’ondry ankinina aminy, sady vonona hanaiky lalandava ny hevitr’ireo tompon’andraikitra voalohany ao amin’ ny Eglizin’Andriamanitra »[116].

60

 

Mahatonga antsika hanam-potoana amin’ny fitoriana ny Evanjely amin’ny mahantra sy ny fanompoana ny vahoakan’ Andriamanitra ny fanekena.

Ny fanomezan-toky amin’ny fanekena dia mitaky :

– fanekena amin’ny fo sy saina ny fanapahan-kevitry ny Evekantsika sy ny Papa.

– fiaraha-midinika sy fikarohana miaraka amin’ny mpikambana, ny tompon’andraikitra amin’ny Prado, sy ny rahalahintsika pretra ary ny fiombonam-ben’ny vahoakan’Andriamanitra mba hahafantarana ny sitrapon’Ilay naniraka antsika.

– fandrindrana ny fiainana araka ny fitsipi-piainantsika, satria “ny fitsipi-piainana notovozina tamin’ny Evanjely ary neken’ny Eglizy dia mbola fanehoana ny sitrapon’Andriamanitra amintsika[117]; ary ny fanekena ny torolalana omen’ny tompon’ andraikitry ny Prado no haha-lavorary io fandrindràm-piainana io.

61

 

Amin’ny alalan’ny lalan-terin’ny fanekena ho fanarahan-dia an’i Kristy no aniriantsika hahafoy ny aina ho fanavotana an’izao tontolo izao. “Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy maty ny voam-bary nafafy tamin’ny tany, dia mitoetra irery izy; fa raha maty kosa izy, dia mahavokatra be[118]. Ity fanekena ny iraka ity, izay saro-bidy sy mampangirifiry indraindray, dia mampiombona amin’Ilay “nianatra ny fanekena tamin’ny fahoriana niaretany, na dia Zanaka aza, ka nahatonga azy amin’ny fara-fanaperana”[119]. Amin’ny alalan’ity fiombonana amin’ny zanaka ity koa no iraisantsika aina amin’ireo atao tsindry hazo lena sy ireo ambaniana amin’izao tontolo izao, ka hanaraka ny lalana nodiavin’i Jesoa amin’ny fltondrana ny olona rehetra ho amin’ny fahafahana.

Fahadiovana

62

 

Asehon’i Jesoa amintsika amin’ny alalan’ny misterin’ny Eokaristia ny fitiavany “tsy misy fetra”[120]. Io fitiavana tapitr’ohatra io dia famantarana ny fiombonan’ny Ray sy ny Zanaka ao amin’ny Fanahy Masina, ary koa ny fiombonan’ny Ray amin’ny olombelona mivondrona ao amin’ny Zanaka. Ity fitiavana izay loharano sy mihoatra ny fitiavana maha-olombelona ity no tiantsika hambara amin’izao tontolo izao, ao anatin’ny firaisan’ny mpianatra sy ny apôstoly izay voatokana « manontolo »[121] ho an’i Jesoa, ary hivelatra tsy am-pihambahamba amin’ireo madinika indrindra.

Mba hanehoana ny fototr’io fitiavana io no mahatonga antsika hifehy-tena tanteraka sy ho mpitovo araka ny Evanjely. Ny fahadiovana iainana amin’io toetra io dia mampisokatra antsika, noho ny fitiavan’i Kristy, amin’ny olona rehetra, indrindra ireo atao an-kilabao sy ireo tsy notiavina araka ny tokony ho izy.

« Jesoa dia fitiavana, tena fitiavana… Ny Tenany manontolo no atolony ho an’ny tsirairay amin’ny alalan’ny Eokaristia Masina. »[122] Mahantra sy faraidiny amin’ny maha-izy azy, ny mpikambanana amin’ny Prado dia te-"hanolotra ny tenany, ny fisainany, ny fotoany, ny fananany, ny fahasalamany ary ny fiainany" mba ho afaka "hanolotra ny fiainany noho ny finoany, ny fahaizany, ny teniny, ny vavaka ataony, ary ny fahefana ananany sy ny ohatra omeny"[123]. Nentanin’ny fitiavana an’i Kristy[124] izy ka te-hanara-dia Azy amin’ny fahatsoram-pony, amin’ny fahaiza-mihaino sy mangoraka, mba hanehoana ny hatsaram-pon’ny Ray amin’ireo ataon’izao tontolo izao ho tsinontsinona.

63

 

Nandritra ny fiainany sy ny asa fitoriana nataony dia nanentana ny olona i Jesoa mba hanorina tontolom-pifandraisana vaovao mba ho mpirahalahy sy ho mpianadahy araka ny fahamendrehana sy ny fahafahana maha-zanak’ Andriamanitra. Eo anatrehen’ny fiainana sy fitoriana an’ilay "olona vaovao, dia i Kristy, nandresy ny fahafatesana, nateraky ny Fanahy eo amin’izao tontolo izao"[125], dia entanina isika mba hiaina ny fifandraisam-pifankatiavana amin’ireo lehilahy sy vehivavy izay mifanerasera amintsika, ary tsy misaraka amin’izany, ny fananana fanetren-tena lalina mba tsy hanao am-pihimamba ny fananan’ny Mpampakatra.[126]

"Tsy misy olona nahafoy trano na vady na mpiray tampo na ray aman-dreny na zanaka noho ny Fanjakan’Andriamanitra, ka tsy hahazo be lavitra amin’izao fiainana izao, ary ny fiaina-maharitra mandrakizay amin’ny andro ho avy"[127].

64

 

Mitaky ezaka avy amin’ny tsirairay sy ny fikambanana ny fanarahana an-kitsim-po ity lalana ity. Tena ilaintsika ny fivavahana, ny sakramenta, ny ezaka hisondrotra ambony kokoa amin’ny fahamasinana, ny famolahan-tena, ny fiainana ao anatin’ny ekipa ary ny fanaovana jery todika mirindra ny fiainana ara-pitiavana sy fifandraisana, mba hitiavana tsy misy efitrefitra ny Tompo sy ny Egliziny ary ny mahantra.

65

 

Koa na dia tsapantsika aza ny fahalemena sy ny tsy fahafahan’ny herintsika samirery hanaraka ity sori-dàlana maha-mpitory ity, dia matoky tanteraka an’i Jesoa Kristy isika, miaraka amin’i Masina Maria. Hiezaka isika, noho ny herin’ny Fanahy Masina sy ny fanohanan’ireo rahalahintsika, mba hizotra eo ambany fanilovan’ny mistery lehibe momba ny Tranon’Omby, ny Hazofijaliana sy ny Tabernaloka, ka ho tonga olo-mahantra, voafantsika sy ho sakafo ho an’ny olona.

 

 

 

Toko fahaenina : Ny fiainam-pirahalahiana

66

 

Tamin’ny alalan’ny Paka sy ny fanomezana ny Fanahy Masina, tonga ilay iraky ny Ray hamory ny zanak’ Andriamanitra izay efa niely »[128]. Ny fiantsoana antsika ho apostoly dia miangavy antsika rehetra, pretra sy lahika voamasina mba hiasa miaraka amin’ireo vita batemy, amin’ny asam-panompoana ho amin’ny fanangonana ny vahoakan’ Andriamanitra vaovao. Ampian’ny vavak’i Kristy : « Mba ho iray izy rehetra, tahaka Anao, Ray ato amiko, ary izaho ao aminao, ary mba ho iray ao amintsika koa izy, ka hinoan’ny olona fa lanao no naniraka ahy ».[129] Maniry koa isika mba hampiseho ny fiombonana apostolika teo amin’ireo mpianatra.

Ny fiainam-pirahalahiana, miaraka amin’ny fombam-piombonana sasantsasany ary no tena fototry ny fiantsoana « Pradosiana » sy ny fanirahana antsika.

67

 

Amin’ny fidirantsika ao amin’ny Prado, mikasa mafy isika mba hanampy ireo mpianatra sy apostolin’i Jesoa, miankina amin’ny fanampian’izy ireo isika ary miaraka mikasa handray isan’andro ny fanomezany ny fiainam-pirahalahiana. « Raha fanahy roa tsilovin’ny Fanahy Masina, mihaino ny Tenin’ Andriamanitra no sady mahatakatra izany, dia misy firaisana am-panahy marina miforona eo amin’ireo fanahy ireo, izay Andriamanitra no fototra sy vona. »[130].

lo ihany koa no kofehim-pianakaviana marina. Tsy maintsy "ho hitantsika ao anatin’ity fianakaviana ity izay hita ao anatin’ny fianakaviana marina toy ny fifankatiavana, ny firaisana, fifanampiana ary ny fiantrana"[131], sy ireo fifanampiana rehetra ara-panahy sy ara-batana izay tena ilaina marina.

68

 

Ho an’ny Pretra Pradoziana, ity fanomezana ny fiainam-pirahalahiana ity dia tanteraka aloha ao anatin’ny "presbiteriomy", dia antsoina ireo Pretra Pradoziana mba hamorona "fehim-piantrana apostolika manokana[132]". Noho izany, ao anatin’ny Eglizy diosezianina tsirairay ny pretra dia "antsoina amin’ny asam-panompoana ny vahoakan’ Andriamanitra, miaraka mamorona amin’ny Eveka sy presibiteriomy iray eo amin’ny andraikitra samihafa."[133]

Raisintsika ho ezaka ny fampandrosoana ireo "clergé" na aram-panahy na ara-tsaina ary koa ny toe-tsain’ny mpirahalahy, ny fiaraha-miasa pastoraly; ny fifampizarana eo amin’ny fiainana, ny fifanampiana sy ny firaisan-kina ao amin’ireo samy pretra.

69

 

Ny fiainam-pirahalahiana ao amin’ireo "pradoziana" dia tanteraka araka ny antson’i Kristy : "Manàna izao saina amam-po hita tao amin’i Kristy Jesoa izao : Na dia tao amin’ny fomban’Andriamanitra aza Izy, dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin’Andriamanitra ho zavatra nobaboiny fa niala izany tamin’Izy naka ny fomban’ny mpanompo".[134] Ny fifampizarana miaraka amin’ireo mahantra dia mampianatra antsika haharitra ao amin’ny fitiavana sy fanetren-tena, ny fivavahana, halemem-panahy sy ny faharetan’i Kristy izay fototrin’ny fiainam-pirahalahiana rehetra. Ny tanjon’ireo andraikitra iombonana ireo, dia mba hanentana antsika hiaina ny fiantsoana antsika, ao anatin’ny fahantrana, fahatsorana sy ao anatin’ny hafaliana. Sarotra ny mamaly samirery ny fahasoavan’Andriamanitra[135]. Ny fihaonan’ny Prado, dia tsy maintsy fotoana fandanjalanjana, fibebahana sy fifikirantsika amin’i Jesoa Kristy sy ao amin’ny ezaka fanirahana ho amin’ny fanompoana ny mahantra.

Ny fandraisan’ny mpikambana anjara, amin’ny fiainan’ny Prado diosezianina sy ara-paritra, ary koa ny fiaraha-miasa karakarain’ny Prado toy ny : fihaonana, fivoriana sy laretirety, sns… dia miaraka amin’ny fanekentsika samirery. Tsy tokony hisalasala hahafoy fotoana isika mba hisy vokany ny asa fanompoana ny mahantra sy ireo rahalahintsika toy ny Pretra na lahika ao anatin’ny Eglizintsika.

70

 

Ny safidy ny fiainam-pirahalahiana no mahatonga ny tsirairay amintsika ho tompon’andraikitra tanteraka amin’ny Prado, ka hahatonga azy hamaly ireo zavatra ilain’ny Eglizy sy izao tontolo izao.

Eo anatrehan’ireo andraikitra maro samy hafa ireo amin’ny Prado no itondrantsika am-pitiavana ny fiahiana ireo rahalahy. Noho izany, dia mahatsiaro azy ireo ambavaka isika, satria manana andraikitra amin’ny fitandrovana ny marina sy ny fiainam-pahasoavana izay harena ho an’ny Eglizy manontolo izy ireo. "Ny maha-filoha dia sarotra, hoy i Mompera Antoine Chevrier, tsy maintsy feno ny Fanahin’Andriamanitra ny filoha, ary tsy maintsy mahalala ny sitra-pon’Andriamanitra mandrakariva izy."[136]

71

 

Amin’ny endriky ny fiainan’ny mpikambana miaraka no ho tanteraka ny fiainam pirahalahiana, raha izany no hita fa mety sy tsara. Izany dia ilazana ny “Fikambanan’ny Pretran’ny Prado” izay miara-monina ka mba hahamora ny iraka eo akaikin’ireo mahantra, ao anatin’ny fifanohanana marina.

Fanomezana famantarana miharihary ho an’ny Prado manoloana sy anivon’ny Eglizy ny fampiasana na ny fanatanterahany ity aingam-panahy ity.

72

 

Mba hanatanterahana ity fiainam-pirahalahiana ity, dia tsy maintsy mifandray miaraka amin’ireo tsy fitovizana manokana (fomba, karazana, toetra), miaraka amin’ireo fanomezana na talenta sy ny tsy fahampiana, tsy fahombiazana na kilema eo amin’ny tsirairay, ao anatin’ny fifanajana eo amin’ireo andraikitra samy hafa sahanintsika isika.

Na manao ahoana ny endrika isehoan’ny fiainam-pirahalahiana, na miara-miaina na tsia, dia toy ny sekoly iray izay iezahantsika hihainoana ny sasany izany fiainam-pirahalahiana izany mba hanampy antsika hiaina amin’ny maha-mpianatra, amin’ny fanompoana ny Evanjely miaraka amin’ireo mahantra, tahaka ilay Mpamonjy izay manome ny ainy ho famonjena sy fanafahana ny olona rehetra.

 

 

 

 

Toko fahafito : Ny fanofanana

73

 

Ny fiantsoan’Andriamanitra ato amin’ny Prado sy ny asa fanirahana sahanin’ny “Fikambanan’ny Pretran’ny Prado” dia mitaky fiofanana manokana ho an’ny mpikambana. Zava-dehibe ho an’ny mpiomana ny fanokanana fotoana ampy ho an’izany. Etsy an-daniny, ny “Institut” dia miezaka ny hanome izay rehetra ilaina amin’ny fanatontosana ity fiofanana ity.

74

 

Na ho an’ny mpiofana na ho an’ny tompon andraïkitra izay mitarika, dia ireto ny foto-kevitra mamaritra ny fiofanana :

« Jesoa Kristy no tsy maintsy tadiavina sy atao fototry ny zavatra rehetra… ».[137]

Tsy maintsy miainga amin’ny fahalalana an’i Jesoa Kristy ny zavatra rehetra, indrindra ny vokatra andrasana amin’ny fiofanana. Noho izany, aoka isika hanaiky ny Fanahy Masina izay mampanahaka antsika amin’i Kristy Tompo sy mpizarazara io Fanahy io ihany koa. Araka ny voalazan’i Mompera Chevrier, misy efatra ny fanampin-torohevitra hahafahana mandroso amin’ny tena fanekena : ny antso avy ao anaty, ny Tenin’Andriamanitra, ny zava-miseho, ary farany ny fahefan’ny Eglizy.

Izany no mandrafitra ny toetran’izay te-ho mpianatra ka mihaino ilay Teny, Iraky ny Ray : « Inona àry no hataontsika ? Mandalina ny momba an’i Jesoa Tompontsika, mihaino ny teniny, misaintsaina ny asany, mba hahafahantsika manahaka azy sy ho fenon’ny Fanahy Masina ».[138]

Io fihainoana ny Tenin’Andriamanitra io dia tsy maintsy mifanindran-dalana amin’ny toerana iandrasan’i Jesoa Kristy antsika : eo anivon’ny mahantra sy amin’ny fikambanan’ny mpirahalahy.

Koa satria ny Prado dia voairaka hiahy ny fandraharahana ny Evanjely amin’ny mahantra, noho izany, araka izay azo atao, tsy maintsy mianatra amin’ilay Mpampianatra eo anivontsika isika amin’izay ny fanofanana ny mpikambana vaovao dia miomana amin’ny fiofanana miandalana ireo fianankaviam-ben’ny Prado. lzao ny fanirian’i Mompera Chevrier : « Te-hanana pretra miara-beazina amin’ny zanako aho mba hahafahan ‘izy ireo mahazo tsara izay tian-kambara »[139].

Noho isika voaantso hivondrona ao amin’ny fianakaviana ara-panahin’ny Prado, dia ilaina tokoa ny fiofanana amin’ny fomba maro samihafa, ao anatin’ny ankohonan’ny mpianatra. Ny fanofanana ireo mpikambana vaovao dia fanamafisana ny fiofanana efa azon’ny fianakaviam-ben’ny Prado. « Amin’izay dia hiforona ny tena fianakaviana ara-panahy marina, ankohonana kristianina, manana an’Andriamanitra ho fototra, ny teniny ho kofehy ifamatorana, ary ny fampiharana azy ho tanjona »[140].

75

 

Mila fandrindrana ara-panabeazana sy ezaka manokana avy amin’ny mpanabe ny fiofanana voalohany. Izany dia fanarahana ny nataon’i Jesoa Kristy izay nanofana ny Apôstôly sy nanorina ny Eglizy ka nandray azy ireo « hiaraka aminy »[141]. « Sady manome ny hevi-dehibe amin’ny fiainana ny Evanjely sy ny fiainana lavorary izy no mampanao fampiharan amin’ny alalan’ny atrik’asa… Mampianatra, manantitrantitra sy mampirotsaka an-tsehatra, mampiasa, izany ny fomba mahomby amin’ny fanofana ny olona sy mba hananany fiainana anaty ».[142]

Tsy fahalalana ara-tsaina fotsiny no ampitaina amin’ity fomba fanofanana ity. Mbola eo koa ny famohafohazana sy ny fampitomboana ny fainana maha-mpianatra sy irak’i Jesoa Kristy amin’ny fanompoana ny mahantra. Amin’ny fandraisana anjara mavitrika amin’ny fiainana maha-iraka ny Eglizy, dia Andriamanitra no avelantsika hanabe amin’ny alalan’ny zava-mihatra amintsika manokana sy izay manamarika ny vahoakantsika mbamin’ny Eglizy manontolo.

76

 

Mitana ny anjara toerana voalohany ao amin’ny “Fikambanan’ny Pretran’ny Prado” ny fanofanana ny olona, satria izany koa no nataon’ny Tompontsika. « Hitantsika tokoa fa tsy mikely soroka hatrany izy amin’ny fanovana anaty ireo Apôstôliny. Nampianatra azy ireo tsy tapaka Izy, mamory azy ireo isaky ny misy fotoana, nametraka azy ireo eo anatrehan’ny zavatra rehetra, nanofana azy ireo amin’ny Iafiny rehetra »[143].

Tsy ho tanteraka ny fiofanana mirindra amin’ny fiainana pradozianina raha tsy misy mpanofana efa voatokana ho amin’izany. Ny asa nankinin’ny tompon’andraikitry ny “Institut” amin’izy ireo no famantarana fa i Jesoa Kristy dia manohy ny fitadiavana olona hiaraka aminy mba ho mpianatra sy Apôstôly.

Ny fanaovan’ny mpanabe ho lohalaharana amin’ny asa fanirahana azy sy ny fanokanana fotoana malalaka ho an’izany no tena maha-zava-dehibe ity adidy ity.

Anjaran’ny Tompon’andraikitra ambony ny manendry olona hisahana ny fanofanana voalohany sy ny taona pradozianina. Ny mpiandraikitra ny Prado eo an-toerana no manao izany fanendrena izany rehefa neken’ny Tompon’andraikitra foibe.

Ny fanendrena dia natao hiahy mandrakariva ny fiombonan’ny “Institut” sy hampivelatra azy, ankehitriny, araka ny namoronan’i mompera Chevrier azy manokana momba ny fanofanana.

Zava-dehibe amin’ny fanofanana koa ny tsy hiasàn’ny Tompon’andraikitra irery, fa hifarimbonan’ny mpikambana sasany ao amin’ny Prado.

Aoka tsy hisalasala ny hangataka amin’ny Eveka ny fahazoan-dalana mba hanana mpampiofana afaka hitarika ny fanofanana manokana ho an’ny Prado.

77

 

Toy izao ny fanofanana ato amin’ny Prado : fiofanana voalohany, fiofanana mitohy, taona pradozianina.

78

 

Ny fiofanana voalohany dia tokony hialohavan’ny vanim-potoana fandraisana.

Raha misy olona maniry ny hahafantatra ny fiantsoan’Andriamanitra ho iraka araka ny hevitr’i Mompera Chevrier sy ny “Fikambanan’ny Pretran’ny Prado”, dia tsara raha toroana hevitra mba handray anjara amin’ny sehatra nomanin’ny “Institut” : fihaonana, atrik’asa, sns…

79

 

Ny tanjon’ny fiofanana voalohany ho an’izay maniry hiditra ao amin’ny “Institut” dia ny fahalalana ankapobeny ny harem-panahin’i Mompera Chevrier sy ny fomba fiainan’ny Prado manokana. Ny mpiomana, ampian’ny mpiandraikitra amin’ity dingana ity, dia hianatra ny fiainana pradozianina amin’ny lafiny rehetra araka izay voasoritra sy voafaritra amin’ny sata mifehy ny Fikambanana. Ho lanjalanjainy raha miaintso azy marina amin’ity lalana ity ny Tompo, ka ho tapa-kevitra hanara-dia an’i Kristy araka ny lalana nosoritan’i Mompera Chevrier ao amin’ny boky « Ny Mpianatra Marina ».

Maharitra roa taona ny fiofanana voalohany. Amin’ny famaranana ny fiofanana, ny mpiomana dia asaina hanolotra ny fangatahana amin’ny fanomezan-toky voafetra.

80

 

Tsy azo atao ny mihevitra fa mety ho tapitra ny fiofanana pradozianina. Mitohy isan’andro izany ary maharitra mandritra ny fiainana manontolo. Avy amin’izany no tokony hampiroboroboana ny fahafahana marina amin’ny fitoriana ny Evanjely amin’ny mahantra sy ho tonga tena mpianatr’i Jesoa Kristy noho ny fanatontosana isan’andro ny asa fanirahana.

Ity fiofanana mitohy ity dia mila fotoana voatokana. Ny mpikambana rehetra dia hanao ezaka tokoa amin’ny fanatanterahana azy ity ara-dalàna sy amin-jotom-po.

81

 

Mandritra ny taona pradozianina kosa no aniriantsika handalina ny maha-kristianina sy maha-mpisorona ao amin’ny Eglizy sy eo anivon’izao tontolo izao ankehitriny. Mandritra io fotoana io no anasongadinana, amin’ny alalan’ny tantaram-piainantsika manokana, ny famelàna ny Fanahy Masina hitarika antsika, mba hahafahana manamarina hoe fototra manao ahoana ary fitaovana inona avy no entintsika manatanteraka ny asan’ Andriamanitra.[144]

Ity taona fanamarinana sy fibebahana ity dia tanterahina amin’ny alalan’ny fibanjinana sy fihainoana ilay Tenin’ Andriamanitra tonga Nofo, ny Hazofijaliany sy ny fitsanganany ho velona, araka ny sori-dàlan’i Mompera Chevrier sy « Ny Mpianatra Marina ».

Ity taona ity koa dia fotoanan’ny tany an’efitra, fiovana tanindrazana, fotoam-pahanginana sy fivavahana, ka mahatonga ny apôstôly tsy hanana na inona na inona ary hahafoy ny ainy mba ho afaka hiasa sy hahavokatra amin’ny fitoriana ny Evanjely amin’ny mahantra.

Na ahoana na ahoana ny ho fisehony, ny taona pradozianina dia ho tanterahina ao anatin’ny fiaraha-monina amin’ny mahantra eo am-panatanterahana ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly eo anivon’izy ireo ombàn’ny fiainam-pirahalahiana maka endrika fiaraha-monina araka izay azo atao.

Raha vao miditra amin’ny “Fikambanan’ny Pretran’ny Prado”, ny mpikambana rehetra dia tsy maintsy tapa-kevitra hanatontosa ity taona pradozianina ity. Tsara raha ajanona aloha ny andraikitra mahazatra rehefa hanao an’ izany.

 

Toko fahavalo : Fanomezan-toky, firotsahana an-tsehatra, fialàna an-daharana

82

 

Ny fanomezan-toky dia famaliana ny antson’ny Ray ka anambaràntsika ny fanapahan-kevitra hifikitra mandrakizay amin’i Jesoa Kristy sy hanaiky hovolavolain’ny Fanahiny, mba hanara-dia azy amin’ny fiainana maha-mpianatra sy mpanompon’ny Evanjely eo anivon’ny mahantra. « Tapa-kevitra ny hanara-dia ny Tompontsika akaiky kokoa aho mba hisy vokany ny asa famonjem-panahy »[145].

Ny toky ataontsika amin’ny Prado dia mampifikitra antsika amin’i Kristy tonga Nofo sy ny Tranon’omby, ka miantso antsika hanara-dia azy amin’ny lalan’ny fahantrana sy ny fanetren-tena; amin’i Kristy voafantsika, ka manasa antsika hiombona amin’ny fanaovana sorona ny tenany sy ny misterin’ny fahafatesany ary ny fitsanganany ho velona; amin’i Kristy Mofo mahavelona ny taranak’ olombelona, izay mampita hery ho antsika hahafahana manolo-tena hatramin’ny farany ho an’ny mahantra izay anirahana antsika ka hanan’izy ireo ny fiainana.

Ity fanapahan-kevitra mba ho mpianatra dia mampangetaheta ny hiaina manontolo ny Evanjely noho ny fitiavana an’i Jesoa Kristy sy ireo olona anirahana antsika. Raha vao miditra ao amin’ny Prado isika dia manome toky fa hiaina ny fahantrana sy ny fanetren-tena, ny fanekena sy ny fahadiovam-po ao anatin’ny fîtovoana ary hanolo-tena manontolo hanompo ny mahantra eo anivon’ny Eglizy.

Miteraka rohim-pihavanana ao anatin’ny fianakaviana ara-panahy marina eo amintsika samy isika ny fanomezan-toky ato amin’ny Prado.

83

 

Ny fanomezan-toky dia endriky ny fampanantenana atao ka hampifamatotra ny konsiansy amin’ Andriamanitra sy ny Eglizy ary ny “Institut”.

Atao mandritra ny fotoam-pivavahana ny fanomezan-toky.

Araka ny fomban’ny Prado, izay fanao hatramin’ny andron’i Mompera Chevrier, dia ny “Tabilaon’i Masindahy Fons” no nakana amin’ny antsipiriany ny fanatanterahana ny fanomezan-toky.

84

 

Ny Tompon’andraikitra foibe, na ny solon-tenany, no mandray ny fanomezan-toky amin’ny anaran’ny Eglizy sy ny “Institut”. Ny mpikambana rehetra dia manome toky koa fa hanohana ny mpikambana vaovao amin’ny fiainany manontolo mba ho tena mpianatra sy irak’i Jesoa Kristy eo anivon’ny mahantra tokoa izy.

85

 

Misy dingana maromaro ny Fanomezan-toky.

Ny mpikambana rehetra dia hanao fanomezan-toky voafetra, izay maharitra dimy taona ka hatramin’ny fito taona. Aorian’io fe-potoana io, dia tokony hanao fangatahana hiroso amin’ny fanomezan-toky mandrakizay izy ireo.

Ny fiomanana amin’ny fanomezan-toky mandrakizay dia ny sori-dalana no hanome ny toromarika rehetra.

86

 

Ny ventin-kevitry ny fanomezan-toky dia araka izay voasoratra ao amin’ny Sori-dalana ankapobeny laharana faha – 45 sy 46.

Toy izao ny firafitry ny teny famaranana ho an’izay manao fanomezan-toky :

« Tapa-kevitra ny hanara-dia an’i Jesoa Kristy Tompontsika akaiky kokoa aho mba ho tena afaka hampamokatra ny asa famonjena ny olombelona.

Manoloana ny fianakaviam-ben’ny Prado sy eto anatrehan’ny Eglizy, mianiana (mandrakizay) amin’Andriamanitra aho, hampihatra araka izay voasoritry ny Lalàm-panorenan’ny Fikambanana :

– ny fahantrana sy ny fanetren-tena, ho fltiavana an’i Kristy teraka tao an-tranon ‘omby, sy ny mahantra izay anirahana ahy,

– ny fankatoavana, ho fltiavana an’i Jesoa izay nankato hatramin’ny fahafatesana teo amin’ny Hazofijaliana sy ireo izay mitondra eo amin’ny tenany ny mariky ny fijaliana,

– ny fahadiovam-po ao anatin’ny fltovoana sy ny fanolorana manontolo ny tenako ho fltiavana an ‘Ilay nanaiky hatao sakafontsika ao amin’ny Eokaristia, sy izay rehetra noana fltiavana, fahamarinana sy fahafahana.

Miaraka amin ‘i Masina Maria sy ireo vavolombelon’ny finoana, hamaly ny antson’ny Ray aho, hifikitra amin’ny tenan’i Kristy, hanaiky ny hovolavolain’ ny Fanahiny, mba ho afaka hanome voninahitra an’Andriamanitra na dia ao anatin’ny fahalemeko aza, ary hanatanteraka an-kafaliana ny fitoriana ny Evanjely amin’ny mahantra ».

Azo atao ny mampiasa fomba hafa raha ohatra ka mifanaraka amin’izay voalaza etsy ambony ny votoatin-kevitra.

87

 

Ny mpikambana pretra, alohan’ny hanaovany fanomezan-toky voafetra, dia hangataka alalana amin’ny Evekany.

88

 

Anjaran’ny Tompon’andraikitra ambony, sy araka ny tolo-kevitr’ireo mpanolo-tsaina azy, ny mandray ny fangatahan’izay hanao fanomezan-toky amin’ny tapan’ny fanofanana voalohany. Tsy maintsy manara-penitra ny fanaovana fangatahana.

89

 

Amin’ny alalan’ny fanomezan-toky voafetra no idiran’ny mpikambana ao amin’ny Fikambanana mandritra ny dimy taona. Araka ny lalàna dia azo halavaina roa taona io fe-potoana io.

Amin’ny alalan’ny fanomezan-toky mandrakizay kosa no ijanonana mandrapahafaty ao amin’ny Fikambanana.

90

 

Ho an’izay miala, nesorina na nifindra “Instituts” hafa dia ampiharina ny voalaza ao amin’ny Lalànan’ny (Eglizy laharana faha – 726 hatramin’ny 730).

 

 

 

 

 

 

Toko fahasivy : Fandaminana amin’ny ankapobeny sy fifampitondràna

91

 

Araka ny efa fantantsika, ao amin’ny Eglizy “ny vatana manontolo dia mitambatra sy mirafitra tsara noho ny firafetan’ny vanin-taolana izay mamorona azy araka ny asa tandrify azy ireo tsirairay avy”[146]. Koa hiezahantsika araka io rafim-pitondrana io, ny hananantsika fomba azo tsapain-tanana amin’ny fifanampiana mba hampahomby ny asan’Andriamanitra.

I – Fiankinana amin’ny Papa sy ny Eveka

92

 

“Institut séculier clérical de droit pontifical”, ny “Fikambanan’ny Pretran’ny Prado”, dia miankina tanteraka sy manontolo amin’ny Fiketrahana Masina amin’ny lafiny fitondrana sy fandaminana anatiny.

93

 

Ny Pretra Pradozianina dia eo ambany fifehezan’ny Evekany tanteraka. Toy ny pretra rehetra, dia ny Eveka no manome fahefana sy alalana azy ireo amin’ny asa fanirahana.

II – Fandaminana isaky ny diosezy sy vondrom-paritra

1 – Fandaminana eo amin’ny diosezy

94

 

Raha misy maromaro isika pradozianina ao amin’ny diosezy iray dia aoka hivondrona ka hamorona ankohonana diosezianina.

95

 

Azo atao koa ny mitady rindran-damina hafa raha hita fa tena ilaina sy hahasoa ny fivelaran’ny antso maha-Prado izany.

96

 

Ny lamina amin’ny Prado diosezianina sy ny fanendrena izay ho mpiandraikitra azy ireo dia efa voafaritra mazava ao amin’ny sori-dalana ho an’ny Prado eo an-toerana.

2 – Fandaminana isaky ny vondrom-paritra

97

 

Ny “Fikambanan’ny Pretran’ny Prado” dia mitsinjara ho ankohonana isam-paritra. Ny Prado amin’ny vondrom-paritra dia fivondronan’ireo mpikambana avy amina diosezy maromaro, araka ny voafaritra ao amin’ny Sori-dalana ankapobeny.

98

 

Anjaran’ny Filan-kevitra ambony ny manapa-kevitra amin’ny fanorenana ny vondrom-paritry ny Prado, ny fanafoanana azy, na manao famaritana hafa, araka izay sivana voafaritra ao amin’ny Sori-dalana ankapobeny.

Ny fanovana ny faritry ny Prado najoro dia heverina ho toy ny faneken’ny Mpanolon-tsain’io Prado io.

Ny fanafoanana vondrom-paritra iray ataon’ny Filan-kevitra ambony dia tsy maintsy hankatoavin’ny Fivoriam-ben’ny “Institut”.

99

 

Ny vondrom-paritra dia manana mpiandraikitra iray sy mpanolo-tsaina iray izay fidian’ny mpikambana rehetra amin’io faritra io na ny solon-tena izay miara-mivory.

100

 

Ny Mpiandraikitra ny Prado sy ireo mpikambana ao amin’ny filan-kevitra izay voafidy dia mitantana ny fikambanana tsy mihoatra ny enina taona.

Mitovy ny fomba fifidianana azy sy ny tompon’andraikitra ambony (faha – 127 sy 128).

101

 

Ny mpiandraikitra ny Prado dia tsy maintsy mpikambana mandrapahafaty.

102

 

Ny Prado amin’ny vondrom-paritra tsirairay no tompon’andraikitra feno amin’ny mpikambana ao aminy, araka izay voalaza ao amin’ny Lalàm-panorenana sy ny Sori-dalana ankapobeny.

Izy no manao ny fandaminana manokana araka ny fomba mampiavaka ny Eglizy, kanefa tsy mifanohitra amin’ny aingam-panahin’i Père Chevrier sy mifanaraka tsara amin’ny zo maha-fikambanana azy.

Ny sori-dalan’ny Prado eo an-toerana, neken’ny mpikambana, dia tsy maintsy atolotra ny Filan-kevitra ambony mba hankatoaviny.

103

 

Ny firafitry ny Fikambanan’ny Prado dia tsy maintsy voafaritry ny sori-dalana mifehy azy.

104

 

Ny mpikambana izay monina na manatanteraka ny fandraharahana amin’ny toerana mbola tsy misy vondrom-paritra dia eo ambany fitantanan’ny Mpiandraikitra ambony sy ny mpanolo-tsainy.

Hotadiavina kosa anefa ny fomba hahazoan’ny mpikambana amin’ireo firenena ireo manao fandaminana vonjimaika sy hananan’izy ireo mpiandraikitra eo an-toerana.

105

 

Ny mpikambana rehetra, mba hiaina ny fiainana pradoziana, dia tsy maintsy mitady izay rehetra ilainy sy ananany mba hahafahany maneho ny zo maha-Prado dioseziana sy Prado isaky ny vondrom-paritra izay anatontosàna tsy tapaka ny asa fanirahana araka ny fandraharahana noraisiny.

III – Ireo Lahika voamasina ao amin’ny Fikambanana

106

 

Ao anatin’ny « Prado érigé » tsirairay, ny laika voamasina dia manan-jo hanana rafitra manokana araka ny sori-dalana nankatoavin’ny Filan-kevitra ambony. Ny frera mivory dia mivondrona ho Firahalahiana iray.

107

 

Hatao mazava tsara, amin’izany sori-dalana izany, ny fandraisana sy ny fanofanana azy ireo, izay hifanaraka amin’ny fitsipika voalaza ao amin’ny Lalàm-panorenana. Anjaran’ny mpiandraikitra ambony ny manome alalana amin’ny fiofanana sy ny fanomezan-toky.

108

 

Mandray anjara amin’ny fitantanana ny “Institut” ny laika voamasina araka ny fepetra tondroin’ny sori-dalana samihafa.

109

 

Ny Tompon’andraikitra ambony sy ny mpiandraikitra ny vondrom-paritra dia hiahy ny fivelaran’ny rohim-pihavanana sy ny fifanakalozana eo amin’ny Frera samihafa Fiaviana mba hivelatra tsara ity fomba fiainana ny aingam-panahin’i Père Chevrier ity amin’ireo faritra ireo.

IV – Fonenana ao amin’ny Prado

110

 

Araka ny fitsipika ankapobeny, ny Pretra Pradozianina dia mipetraka sy miasa ao amin’ny diosezy iaviany ihany.

111

 

Singanina manokana fa noho ny asa sy ny iraka ampanaovina azy kosa dia misy mpikambana sasany o atokana hiasa raikitra ao amin’ny “Institut”.

Ny Tompon’andraikitra ambony irery no afaka manapa-kevitra momba ity fanomezana andraikitra manokana ity rehefa nahazo ny fankatoavan’ny Filan-kevitra ambony, araka ny sata ankapobeny voafaritry ny Fivoriam-be. Haka ny hevitry ny mpiandraikitra ny vondrom-paritra izy, raha monina sy miasa amin’io vondrom-paritra io ny olona voatendry, raha tsy izany, dia ny tompon’andraikitry ny Prado misy azy no hilàna hevitra.

Momba ireo seminarista te-hiditra tanteraka ao amin’ny Prado kosa, araka ny Lalànan’ny Eglizy laharana faha-266, dia tsy azo atao raha tsy efa mahavita ny fanomezan-toky mandrakizay.

V – Ny Seminarista sy ny Seminera

112

 

Ny Seminarista manam-paniriana ho Padoziana dia afaka manaraka ny fiofanana voalohany mandritra ny fiofanany amin’ny fandraharana maha-pretra. Ny pretran’ny prado no tompon’andraikitra hanampy amin’ny fahamatoran’ny fiantsoan’Andriamanitra ao amin’izy ireo.

113

 

Ny “Fikambanan’ny Pretran’ny Prado” dia manana Seminera hanofanana pretra voatendry hitory ny Evanjely amin’ny mahantra. Ny fanomanana amin’ny fandraharahana dia tanterahina araka ny fomba mampiavaka ny fiantsoan’Andriamanitra sy iraka ao amin’ny Prado, sy araka ny lalàn’ny Eglizy momba ny fanofanana pretra.

114

 

Ny Semineran’ny Prado dia ny Tompon’andraikitra sy ny Mpanolon-tsaina no mitantana azy.

VI – Ny Mpikambana

115

 

Araka ny fomba efa nifandovana, ny “Fikambanan’ny Pretran’ny Prado” dia ahitana sokajin’olona maro mivondrona (pretra, diakra sy laika) izay maniry hanaraka ny fiainam-panahin’ny Prado ary handray anjara amin’ny asa fanirahana eo anivon’ny mahantra.

116

 

Miombona amin’ny Prado izy ireo, ary maniry ny hamaly ny antson’Andriamanitra amin’ny fiainana feno ny maha-kristianina sy ny fahalavorariam-pitiavana araka ny sokajim-piainana misy azy ireo, eo ambany fitantanan’i Père Chevrier. Hiezaka hitombo amin’ny fahalalana an’i Jesoa Kristy amin’ny famakiana matetika ny Evanjely izy ireo, hanana fiainana tsotra sy hanome anjara toerana ho an’ny mahantra eo amin’ny fiainany, ka hampivoatra ny taranak’olombelona amin’ny fiainana andavanandro sy ho vavolombelon’ny fahasoavan’ny Fahasambarana.

Amin’ny alalan’ny fangatahana an-tsoratra alefa amin’ny tompon’andraikitra ambony no idirana amin’ny vondrona, rehefa neken’ny mpanolo-tsaina tamin’ny fanaovana latsa-bato malalaka.

Tsy manao fanomezan-toky hiaina ao amin’ny “Institut” ireo olona ireo; kanefa ny faneken’ny tompon’andraikitra dia manome alalana azy ireo handray anjara amin’ny asa aman-draharahan’ny Prado sasantsasany sy amin’ny fanapahan-kevitra mahakasika azy ireo, ary ny fifandaminana araka izay voalaza ao amin’ny sori-dalana momba ny vondrom-paritra.

117

 

Ny mpiandraikitra ny “Institut” dia tsy maintsy manohana an’ireo vondrona ireo.

VII – Nv fifampifahezana anaty ao amin’ny “Fikambanan’ny Pretran’ny Prado”.

118

 

Ny mpiandraikitra isan’ambaratongany dia manatontosa ny adidin’izy ireo araka ny torolalana omen’ny Papa sy ny Eveka.

Ny fahefan’ny tompon’andraikitra dia mikasika ny fiainana pradoziana sy ny asa fanirahana ataon’ny Prado : izany dia miompana amin’ny tsy fivadihana amin’ny fiantsoan’ Andriamanitra maha-mpianatra sy irak’i Kristy azy ireo araka izay voasoritra ao amin’ny sata.

119

 

Na manao ahoana na manao ahoana fomba fitondra, dia aoka hotsaroana fa “tokana ihany ny Mpampianatra sy ny Mpifehy dia i Jesoa Kristy” ary ny fahefana dia ankinina amin’Andriamanitra. “Tsy afa-manao na inona na inona ho azy ny manam-pahefana eto an-tany; tsy maintsy ataony amin’ny anaran’i Jesoa Kristy sy miombona amin’i Jesoa Kristy avokoa ny zavatra rehetra”[147].

Ny tompon’andraikitra dia tokony ho heniky ny fanahin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka, fianarana, fandinihana sy filana torohevitra, mba ho mpanompo tsara sy mahatoky ho an’i Jesoa Kristy eo anivon’ny rahalahiny.

1. Ny sata sy ny sori-dalana

120

 

Ny lalàm-panorenana na sata nankatoavin’ny Papa no mifehy ny fiainan’ny “Institut” manontolo.

Ovaina izany raha tsy efa nolanian’ny Fivoriam-be tamin’ny roa am-pahatelon’ny latsa-bato sy ny fankatoavan’ny Papa.

121

 

Ankoatra ny sata, ny sori-dalana ankapobeny dia fanehoana zo voafaritra tsara.

Ny roa am-pahatelon’ny Fivoriam-be no mametraka azy. Ary dia ny Fivoriam-be ihany koa no afaka manova azy araka io fepetra io.

122

 

Ny mpiandraikitra dia manatanteraka ny fahefany araka ny sata sy ny sori-dalana ankapobeny.

2. Ny Fivoriam-be

123

 

Ao amin’ny “Institut”, ny mpikambana ao amin’ny Fivoriam-be no mitana ny fahefana.

Mivory isaky ny enina taona izy ireo rehefa nantsoin’ny Tompon’ andraikitra ambony.

Ny tanjona dia mba hifidy izay hoTompon’andraikitra ambony sy ny mpikambana ao amin’ny Filan-kevitra. Misahana ny fandehan-draharaha amin’ny ankapobeny koa ny Fivoriam-be.

Afaka manolotra volavolan-kevitra ho fanovana ny sata amin’ny Papa ny Fivoriam-be ary manapa-kevitra na manova ny rafi-pitondrana mety ho an’ny “Institut” manontolo.

124

 

Raha misy fanapahan-kevitra tena ilaina dia azon’ny Tompon’andraikitra ambony atao ny miantso Fivoriam-be tsy ara-potoana rehefa nolanian’ny Filan-kevitra ambony tamin’ny alalan’ny latsa-bato.

125

 

Ny Fivoriam-be dia ahitana mpikambana manana zo sy mpikambana voafidy.

1 – Ireto avy ny tompon’andraikitra mahefa : Tompon’ andraikitra ambony, Filan-kevitra ambony, mpiandraikitra ny vondrom-paritra.

2 – Azo tendren’ny Filan-kevitra ambony ho mpandray anjara amin’ny Fivoriam-be koa ny Tompon’andraikitra ambony taloha, ny sekretera jeneraly sy ny mpitantana ara-bola, ny mpiandraikitra ambony momba ny fiofanana, ny lehiben’ny seminera.

3 – Eo amin’ny fomba fifidianana hafa amin’ny fivoriam-be : dia jerena ireto mason-tsivana ireto :

Izay nahavita ny fanomezan-toky voafetra sy fanomezan-toky mandrakizay dia mpifidy izay hotendrena handray anjara amin’ny Fivoriam-be.

– Izay nahavita fanomezan-toky mandrakizay no azo fidiana ho solon-tena amin’ny fivoriam-be.

– Tsy mihoatra ny ampahatelon’ny mpikambana ao amin’ny Fivoriam-be ny Tompon’andraikitra manam-pahefana sy ireo voatendrin’ny filan-kevitra. Samy hanana solon-tena avy ny vondrom-paritra arakaraky ny habetsahan’ny mpikambana ao aminy, ary dia ho voasolo tena ao koa ny laika voamasina sy ireo Prado vitsy an’isa.

– Mba ahafahan’ny Prado vao manomboka amin’ny fivoriam-be dia azon’ny Filan-kevitra ambony atao ny manapa-kevitra fa azo fidiana handray anjara amin’ny Fivoriam-be ny mpikambana iray na dia ny fanomezan-toky voafetra ihany aza no mbola nataony.

4 – Ny Filan-kevitra ambony, araka ny voasoritra etsy ambony, no hanazava ny fombafomba fanendrena izay ho solon-tena amin’ny Fivoriam-be, iray taona alohan’ny daty fisokafan’ny fivoriana raha azo atao.

126

 

Ny filohan’ny Fivoriam-be no Tompon’andraikitra voalohany na ny solon-tenany raha misy sampona. Izy no hitarika ny Fivoriam-be ary hanao toy ny anakandriamaso ny fizotrany araka izay voalaza ao amin’ny Sori-dalana ankapobeny.

127

 

Ao amin’ny Fivoriam-be no ifidianana ny Tompon’andraikitra ambony hitondra ny Fikambanana mandritra ny enina taona.

Farafahakeliny dia 35 taona izy ary efa niaina telo taona farafahakeliny ny fanomezan-toky mandrakizay.

Tokony tsy hanana asa hafa izy rehefa nahazo alalana tamin’ny Evekany. Latsa-bato miafina no ifidianana ny Tompon’ andraikitra ambony.

Ny roa am-pahatelon’ny mpikambana ao amin’ny Fivoriam-be no mandàny azy. Raha tsy vita amin’ny fihodinana voalohany ny fifldianana, dia miroso amin’ny fihodinana faharoa araka ny fepetra teo aloha ihany. Raha ilaina ny fihodinana fahatelo dia izay be mpifidy no lany, ary ho an’ny fihodinana fahaefatra dia izay olona roa be vato no hisafidianana. Izay be mpifidy amin’izy roa ireo no lany.

Azo fidiana hitondra fanindroany mandritra ny enina taona ny Tompon’andraikitra ambony teo aloha. Raha voafidy fanintelony izy, dia ny roa am-pahatelon’ny mpifidy no mandàny azy.

Ankoatry ny fitondrana fanintelony dia tsy maintsy mangataka fankatoavana avy amin’ny Papa.

128

 

Aorian’ny fifldianana ny Tompon’andraikitra ambony, dia miroso amin’ny fifldianana izay ho mpikambana amin’ny Filan-kevitra.

Ny mety ho isan’ny mpikambana ao amin’ny Filan-kevitra dia efatra ka hatramin’ny valo. Ny mpikambana ao amin’ny Fivoriam-be izay hifidy no mametra io isa io.

Enina taona ny faharetan’ny asan’izy ireo.

Tsy maintsy mahavita ny fanomezan-toky mandrakizay koa izy ireo.

Latsa-bato miafina sy misaraka no ifidianana izay ho mpikambana ao amin’ny Filan-kevitra

Izay lanin’ny be sy ny maro no voafidy amin’ny fihodinana voalohany sy faharoa; raha misy fihodinana fahatelo, dia atao ny marimaritra iraisana.

Azo fidiana indray mandeha izy.

Ny iray amin’ireo Mpanolo-tsiana ireo dia tokony tsy hanana asa hafa mba ho afaka hanampy ny Tompon’andraikitra ambony. Raha tena ilaina arakaraka ny zava-misy, dia azo atao ny manana mpanolo-tsaina afaka amin’ny asa hafa. Ity fahafahana ity dia miankina amin’ny Eveka tompon’ilay mpikambana.

Ny mpanolo-tsaina lany voalohany no mpisolo toerana voalohany ny Tompon’andraikitra ambony.

129

 

Raha mitsahatra amin’ny asany alohan’ny fotoana voatondro ny Tompon’andraikitra ambony dia mampandre ny Papa ny mpisolo toerana voalohany ary hiantso Fivoriam-be farafahatarany ao anatin’ny iray taona. Amin’io fivoriana io no hifidianana izay ho tompon’andraikitra ambony vaovao sy ireo mpanolo-tsaina azy.

Raha misy mpikambana ao amin’ny Filan-kevitra mitsahatra amin’ny asany, ny Filan-kevitra ambony dia hifidy mpisolo azy izay hiasa avy hatrany ambara-pahatongan’ny fifidianana manaraka hatao amin’ny Fivoriam-be.

3 – Ny Tompon’andraikitra ambony sy ny Mpanolo-tsaina azy

130

 

Ny Tompon’andraikitra ambony sy ny mpanolo-tsaina azy no mifehy ny “Institut” manontolo.

131

 

Ireto avy ny asan’ny Tompon’andraikitra ambony :

– miantoka ny tsy fïvadihan’ny mpikambana sy ny vondrona amin’ny aingam-panahin’ny Prado, ary ny fahavitrihan’ny tsirairay amin’ny fandraisana ny anjara asa manandrify azy avy,

–     miahy ny firaisana sy ny fiombonan’ny isam-batan’olona sy ny vondrona ary ny famporisihana amin’ny fifandraisana sy ny fifanakalozana,

–     mitsinjo manokana ny fiofanana,

–     miantso Fivoriam-be ara-potoana na tsy ara-potoana,

–     mitarika ny Fivoriam-be sy ny Filan-kevitra ambony,

–     manara-maso mivantana na amin’ny alalan’ny mpikambana amin’ny Filan-kevitra ambony ny Prado rehetra,

–     manatrika mivantana, amin’ny maha-mpiandraikitra ambony azy, na amin’ny alalan’ny solon-tena, ny fivorian’ny Vondrom-paritra,

–     misolo tena ny “Institut” eo anatrehan’ny Fiketrahana Masina sy ny Eveka,

–     mandrindra araka izay azo atao ny Filan-kevitra ambony amin’ny fanentanana sy fitantanana ny Prado.

–     Mampandre ny mpiandraikitra ny vondrom-paritra sy ny “Fikambanan’ny Pretran’ny Prado” manontolo raha misy fanapahan-kevitra noraisin’ny Filan-kevitra ambony momba azy ireo.

132

 

Amin’ireto trangan-javatra ireto dia mangataka ny latsa-baton’ny mpanolo-tsaina ny Tompon’andraikitra ambony :

–     Fanorenana Vondrom-paritra,

–     fankatoavana ny sori-dalan’ny vondrom-paritra na sori-dalana manokana,

–     fandaminana sy famaritana ny fiofanana,

–     fampidirana ao amin’ny Prado sy ny fiantsoana amin’ny filaharana,

–     fanekena ny fangatahana fanomezan-toky voafetra na mandrakizay amin’ireo Prado mbola tsy manana vondrom-paritra,

–     fankatoavana ny fitsipi-pifehezana amin’ny seminera,

–     fandraisana na fivarotam-pananana, kanefa manaja ny zo iombonana,

–     fanendrena amin’ny asa akapobeny : mpitan-tsoratra, mpitàm-bola, lehiben’ny seminera, sns…

–     fiantsoana Fivoriam-be tsy ara-potoana,

–     fanekena ho mpikambana amin’ny vondrona,

–     rehefa misy fanomezana alalana ny mpikambana iray izay niditra tamin’ny nandritra ny fotoana voafetra ka te-hiala (jereo Lalànan’ny Fiang. Faha-726 § 2),

–     rehefa misy fandraisana olona avy amin’ny fikambanana hafa na mpikambana amin’ny Prado mangataka hifindra “Institut” hafa (jereo Lalànan’ny Fiang. Faha-730 sy 684 § 1).

–     Rehefa misy volavolan-kevitra amin’ny fanesorana tsy ho mpikambana ny olona iray dia miara-manapa-kevitra amin’ny mpanolo-tsaina ny Tompon’andraikitra ambony.

133

 

Tsy maintsy mangataka ny hevitry ny mpanolo-tsaina ny Tompon’andraikitra ambony amin ‘ ireto trangan-javatra ireto :

–     Fandraisana amin’ny fiofanana ho an’ny Prado tsy manana Vondrom-paritra. Amin’ity lafiny ity dia tsy voatery hamory ny Filan-kevitra izy, fa ny fangatahana torohevitra amin’ny mpikambana tsirairay dia ampy (jereo Lalànan’ny Fiang. Faha-127 § 1),

–     ny mety ho fanesorana mpikambana amin’ny faran’ny fotoam-pilatsahana voafetra (jereo Lalànan’ny Fiang. Faha-726 § 1),

–     fandaminana sy fiainan’ny Prado vao manomboka.

134

 

Raha ohatra ka, Andriamanitra no mandahatra, rehefa nandinika lalina sy nivavaka ny mpikambana ao amin’ny Filan-kevitra ambony, mahatsapa fa ilaina ny manova ny Tompon’andraikitra ambony, dia apetraka amin’ny Fiketrahana Masina izay hany afaka manapa-kevitra.

4 – Ny Mpiandraikitra ny Prado sy ny Mpanolo-tsaina

135

 

Ny mpiandraikitra ny Prado amin’ny vondrom-paritra dia mpandrindra ambony (jereo Lalànan’ny Fiang. Faha – 717 sy 720).

136

 

Ireto avy ny andraikitra sahaniny :

– manome aina ny harem-panahy amin’ny mpikambana iandraiketany sy manao izay tsy hivadihan’ izy ireo amin’izany,

 –    miantoka ny firaisan-kina, fifanarahan-tsaina sy fiombonana ao anatin’ny Prado,

–     manao izay hampiorim-paka ny harem-panahy amin’ny fiainana andavanandron’ny vahoaka sy ny Eglizy eo an-toerana, ka hiahy ny fivelarana, ny fifanakalozana sy ny fiombonana amin’ny Prado iray manontolo,

–     mifandray amin’ny Evekan’ny mpikambana isaky ny faritra,

–     manara-maso ny mpikambana amin’ny vondrom-paritra manontolo,

–     manentana ireo ekipa fototra sy ny ankohonana dioseziana miaraka amin’ny mpiandraikitra; mitsinjo ireo mitoka-monina,

–     miahy ny fiofanan’ny mpikambana sy ny fiomanana amin’ny fanomezan-toky,

–     mifandray tsy tapaka amin’ny Tompon’andraikitra ambony sy ny Mpanolo-tsaina azy,

–     manara-maso mba ho ara-dalàna ny boky firaketana,

–     miandraikitra ny fitantanam-bola sy fananana.

137

 

Tsy maintsy mangataka ny latsa-baton’ny mpanolo-tsaina azy ny mpiandraikitra ny vondrom-paritra amin’ireto tranga ireto :

–     fanekena ny fangatahan’izay hanao fanomezan-toky vaofetra sy mandrakizay ho an’ny Prado ao aminy,

–     fanendrena ny mpiandraikitra ny fïofanana,

–     fandaminana sy famaritana ny votoatin’ny fiofanana,

–     fanekena ho mpikambana amin’ny vondrona.

138

 

Tsy maintsy angatahin’ny Mpiandraikitra ny Vondrom-paritra ny hevitry ny Mpanolo-tsaina azy amin’ireto trangan-javatra ireto :

–     fandraisana mpikambana hanao fiofanana avy amin’ny diosezy ao amin’ny vondrom-paritra; amin’ity lafiny ity, tsy voatery hamory ny filan-kevitra izy; ny fangatahana soso-kevitra avy amin’ny tsirairay dia ampy (Lalànan’ny Fiang. Faha – 127 § 1),

–      ny mety ho fanesorana mpikambana amin’ny faran’ny fotoam-pilatsahana voafetra (jereo Lalànan’ny Fiang. Faha – 726 § 1).

139

 

Tsy maintsy ampitaina amin’ny Filan-kevitra ambony ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Mpiandraikitra ny vondrom-paritra sy ireo mpanolo-tsaina azy. Ny vinavinam-piofanana dia tokony hatolotra ho dinihin’ny Filan-kevitra ambony.

VIII – Nv Sekretera Jeneraly sy ny mpitam-bola ambony

140

 

Ny Sekretera Jeneraly no mirakitra an-tsoratra ny tatitra sy ny asan’ny Fivoriam-be mbamin’ny Filan-kevitra ambony, ary ny atontan-taratasy rehetra ampanaovin’ny Tompon’andraikitra ambony sy ny Mpanolo-tsaina.

Mitandrina ny boky firaketan’ny “Institut” koa izy

141

 

Ny mpitam-bola ambony no mitantana ny fandeham-bola sy ny fananan’ny “Institut” mba ho araka ny « lalànan’ny tena ilaina » izay efa voalaza ao amin’ny Lalàm-panorenana laharana faha – 53.

Ny Mpitam-bola dia manao ny asany eo ambany fiadidian’ny Tompon’andraikitra ambony sy ny Mpanolo-tsainy.

 

NY FIANAKAVIANA ARA-PANAHIN’NY PRADO

142

 

Tahaka ny “Fikambanan’ny Pretran’ny Prado”, ny Maseran’ny Prado dia naorin’i Père Chevrier koa. Hatramin’izay dia niforona ny “Fikambam-behivavy Prado” (Institut Féminin du Prado), ary nisy koa vondrona hafa teraka sy misandrahaka amina firenena maro sy kôntinanta, izay miaina ny harem-panahin’i Antoine Chevrier. Miaraka amin’izy ireo isika no mamorona ny fianakaviana ara-panahin’ny Prado.

Manana andraikitra mba hampamokatra ny fahasoavana amin’ny fandraharahana ny fitoriana ny Evanjely amin’ny mahantra isika rehetra ary hanana fitokisana bébé kokoa ny Eglizy amin’ny fiantsoan’Andriamanitra. Ny pretran’ny Prado dia manatontosa an-tsitrapo ny fandraharahany ho fanompoana ity fianakaviana ara-panahy ity.

Ny fahatsiarovana an’i Père Chevrier izay voaantso hiaina ny Evanjely no hanosika antsika, araka ny fomba mahamety azy, hampahalala ny Evanjely sy hanampy an’ireo nahazo fahazavana ombàn-kery avy amin’Andriamanitra hanatontosa an’izany, mba ho tonga tena mpianatr’i Jesoa tokoa.

 

VAVAK’I MOMPERA CHEVRIER : O, RY TENY ! O, RY KRISTY !

O ry Teny ! O ry Kristy !

Tsara tokoa Ianao ! Lehibe tokoa ianao !

Iza no hahay hahalala Anao ?

Iza no ho afaka hahafantatra Anao ?

Kristy ô, ataovy mahalala Anao aho ary ataovy tia anao !

Satria Ianao no fahazavana,

avelao ho tonga ny taratry io fahazavan’Andriamanitra io

amin’ity fanahiko mahantra ity,

mba ahazoako mahita sy mahafantatra Anao.

Omeo finoana lehibe anao aho,

Amin’izay ny teninao rehetra

ho fahazavana hanilo ahy

ary manintona ahy Aminao sy hanaraka anao

amin’ny lalana rehetra ny fahitsiana sy ny fahamarinana

O ry Kristy ! O ry Teny !

Ianao no Tompoko sy Ianao no hany Mpampianatro tokana

Mitenena, te-hihaino Anao aho

ary hanatanteraka ny teninao

Te-hihaino ny teninao Andriamanitra aho

satria fantatro fa avy any an-danitra izany

Te-hihaino azy aho, handinika azy, ary hanatanteraka azy

Satria ao anatin’ny teninao

misy ny fiainana, ny fifaliana, ny fiadanana, ary ny fahasambarana

Mitenena Tompo ô !

Ianao no Tompoko sy Mpampianatro

Ary tsy te-hihaino afa-tsy Ianao aho

 

Ny Tabilaon’i Saint-Fons

 

KRISTY HAFA KOA NY PRETRA

Ohatra no nomeko anareo, mba hanaovanareo toy ny nataoko

Tonga nofo ny Teny ary nonina tety amintsika

TRANONOMBY

Fahantrana

Mahantra amin’ny

fonenana

fitafiana

sakafo

fananana

asa

fanompoana

Manetry tena

ao an-tsaina

ao am-po

eo anatrehan’

Andriamanitra

ny olona

ny tena

 

Arakaraka ny mampahantra no hanetre-tena,

ary hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra

ka hahafahana manampy ny hafa.

Ny pretra dia olona nahafoy ny zavatra rehetra

 

 

 

 

Ohatra no nomeko anareo, mba hanaovanareo toy ny nataoko

KALIVERY

Fahafatesana ao amin'ny tena

Maty amin'

ny vatany

ny sainy

ny sitrapony

ny voninahiny

ny fianakaviany

izao tontolo izao

 

Manolo -tena amin'ny alalan'ny

fahanginana

vavaka

asa

fivalozana

fijaliana

fahafatesana

 

Arakaraka ny hahafatesana no hananana ny fiainana,

ka hahafahana manome aina

Ny pretra dia olona voafantsika amin'ny hazofijaliana

Ohatra no nomeko anareo, mba hanaovanareo toy ny nataoko

TABERINAKLA

Fitiava-namana

Manome

ny tenany

ny fanahiny

ny fotoanany

ny fananany

fahasalamany

ny fiainany

Manome ny aina

amin’ny alalan'

Ny finoany

ny fampianarany

ny teniny

ny fivavany

ny fahefany

ny ohatra omeny

Tsy maintsy tonga mofo tsara Ny pretra dia olona lany ho sakafo

 

 

 

 

Association des Prêtres du Prado

13, rue Père Chevrier, 69007 Lyon – France

00 33 4 78 72 41 67

ap.prado@wanadoo.fr

www.leprado.org Aty Madagasikara : http://prado.madagascar.over-blog.com

 

 

 

 

Association des Prêtres du Prado

13, rue Père Chevrier, 69007 Lyon – France

00 33 4 78 72 41 67

ap.prado@wanadoo.fr

www.leprado.org Aty Madagasikara : http://prado.madagascar.over-blog.com

 

 


[1]      Ireo ny teny fampiasan’i Mompera Chevrier matetika.

[2]      Tantaran’ny fibebahan’i Mompera Chevrier tamin’ny Noely 1856 araka ny fijoroana vavolombelona nataon’i Masera Véronique sy Jean Marie Laffay (Procès Tome 2p 7 9798).

[3]      Taratasin’i Mompera Chevrier faha-49

[4]      Ny Mpianatra Marina, p. 121

[5]      Joany 10, 36 ; Lioka 4, 18 ; Presbiterorum Ordinis lah.faha-2

[6]      Taratasy faha-231

[7]      Ny Mpianatra Marina, p. 46 sy 116

[8]      Joany 20, 21

[9]      Jesoa Kristy no iraky ny Ray. Irak’i Jesoa Kristy ny Pretra. Izay rehetra nolazain’i Jesoa Kristy momba tahaka an’i Jesoa Kristy izy, ary tokony hanantanteraka ny fanompoany (Boky fanoratana « Apostoly », P.226 ; Ms X, 22

[10]    Taratasy faha-53

[11]    Cf. L.G, n°28 sy P.O., n°2.

[12]      Cf. P.O., n°2.

[13]      Rom.12, 1

[14]      Cf. Taratasy, faha-117

[15]      Taratasy faha-49

[16]      Fil 2, 7

[17]      Ad Gentes, n°10

[18]      2 Kor 8, 9

[19]      Cf Mt 22, 10

[20]      Ny Mpianatra Marina, p. 341

[21]    Ny Mpianatra Marina, p. 407

[22]    Cahiers de Perrichon

[23]    Ny Mpianatra Marina, p. 330

[24]    Jn 10, 11

[25]    Ny Mpianatra Marina, p. 329 à 333

[26]    Ny Mpianatra Marina, p. 478

[27]    Ny Mpianatra Marina, p. 486

[28]    2 Kor. 4, 11 cf. Gal. 2, 19 et 6, 14

[29]    Cf. P.O. n. 5 et 13.

[30]    Ny Mpianatra Marina, p. 418

[31]    Cf. Fitsipi-piainan’ny Monpera Chevrier tamin’ny taona 1857.

[32]    Ny Mpianatra Marina, p. 113

[33]    Tanjona fototry ny Fikambanan’ny Pretran 'ny Prado.

[34]    Ny Mpianatra Marina, p. 95 et 119.

[35]    Ny Mpianatra Marina, p. 45.

[36]    Ny Mpianatra Marina, p. 45.

[37]    Ny Mpianatra Marina, p. 89.

[38]    Mt. 5, 13-14

[39]    Ms V, p. 401.

[40]    Jak. 2, 5

[41]    2 Kor. 3, 6

[42]    L.G. n°63. cf. Lk. 2, 19 sy 51

[43]    Taratasy faha 53

[44]    Lk. 22, 28-30

[45]      Lk. 4, 18-19.

[46]      cf. L.G. n°8.

[47]      Mt. 9, 35

[48]      Taratasy faha 55.

[49]      Taratasy faha 67, 87 sy 89.

[50]      Taratasy faha 88.

[51]      Taratasy faha 143.

[52]      Ny Mpianatra Marina, p. 222.

[53]      Cf. P.O. n° 7

[54]      Cf. Ny Mpianatra Marina, p. 524

[55]      Cf. Eglizy Laharana faha – 385 hatramin’ny faha – 574 §1

[56]      Fitsipika mifehy ny paroasy

[57]      Taratasy faha – 143

[58]      Cf. C.D. faha – 6 sy Cf. Eglizy Laharana faha – 271 § 1

[59]      G.S., n°38

[60]      Tantaran’ny fibebahan’ny monpera Chevrier, araka ny fijoroana vavolombelona nataon’i Jean-Marie Laffay, Procès, t. 2, p. 98

[61]      Ny Mpianatra Marina, p. 113-114

[62]      Ny Mpianatra Marina, p. 226

[63]      Ny Mpianatra Marina, p. 227

[64]      Cf. Vavaka “O ry Teny, O ry Kristy”, Ny Mpianatra Marina, p. 108

[65]      Cf Ny Mpianatra Marina, p. 229

[66]      A.G., n°11

[67]      A.G., n° 4

[68]      A.G., n° 5

[69]    Ny Mpianatra Marina, p. 231

[70]    Ny Mpianatra Marina, p. 221

[71]    Ny Mpianatra Marina, p. 222

[72]    Cf Ny Mpianatra Marina, p. 227

[73]    Cf. Ac 1, 14

[74]    Ny Mpianatra Marina, p. 218

[75]    Cf Ny Mpianatra Marina, p. 226

[76]    Ny Mpianatra Marina, p. 218

[77]    Ny Mpianatra Marina, p. 226.

[78]    Fitsipiky ny frera sy ny masera ny Prado tamin’ny taona 1864

[79]    Ny Mpianatra Marina, p. 228.

[80]    Cf. P.O. n. 14.

[81]    Fandikana ankehitriny ny tenin’i Monpera Chevrier : « Zavatra tokana no ilaina : manao tsara ny katesiziny » (Ny Mpianatra Marina, p. 299).

[82]    Fitsipiky ny Pretran’ny Prado tamin’ny taona 1878 ; cf Ny Mpianatra Marina, p. 402

[83]    Ny Fanahy sy ny hatsaram-panahin’ny Monpera Chevrier, p. 415-416

[84]    Cf. P.O. n°8

[85]    Octogesima Adveniens, n°48

[86]    Taratasy faha-102

[87]    Ny Mpianatra Marina, p. 450.

[88]    Ny Mpianatra Marina, p. 451

[89]    Ny Mpianatra Marina, p. 121

[90]    Jn 13, 15

[91]    Ny Mpianatra Marina, p. 342.

[92]    Ny Mpianatra Marina, p. 101

[93]    Tanjona fototry ny Fikambanan'ny Pretran’ny Prado tamin'ny taona 1878

[94]    Ny Mpianatra Marina, p. 407.

[95]    Fitsipiky ny Monpera Chevrier tamin’ny taona 1857.

[96]    Cf. Ny Mpianatra Marina, p. 323

[97]    Fitsipiky ny Monpera Chevrier tamin’ny taona 1878.

[98]    Ny Mpianatra Marina, p. 295

[99]    Ny Mpianatra Marina, p. 413 – 414

[100]    Cf.Ny Mpianatra Marina, p. 319

[101]    Fitsipiky ny Monpera Chevrier tamin’ny taona 1878.

[102]    “Tokony hifanohana eo amin’izy samy izy ny pretra”, hoy monpera Chevrier, (Ny Mpianatra Marina, p. 319).

[103]    Ny Mpianatra Marina, p. 322

[104]    Cf. Ny Mpianatra Marina, p. 311-317

[105]    Ny Mpianatra Marina, p. 307, jereo koa Ny Mpianatra Marina, p. 209

[106]    Ny Mpianatra Marina, p. 519

[107]    Ny Mpianatra Marina, p. 319

[108]    Ny Mpianatra Marina, p. 260

[109]    Ny Mpianatra Marina, p. 259

[110]    Tabilaon’i Masindahy Fons

[111]    Tenin’ny Monpera Chevrier nandritra ny aretiny farany

[112]    Kol. 1, 24

[113]    P.O., n° 15

[114]    Ny Mpianatra Marina, p. 333

[115]    Ny Mpianatra Marina, p. 256.

[116]    P.O., n°15

[117]    Ny Mpianatra Marina, p. 257

[118]    Jn 12, 24

[119]    Heb. 5, 8-9

[120]    Jn 13, 1

[121]    1. Kor. 7, 35

[122]    Fitsipika nataon'I Mompera Chevrier tamin'ny taona 1857

[123]    Tabilaon’i Masindahy Fons

[124]    Cf. 2 Kor. 5,14

[125]    P.O. n°16

[126]    Jn. 3, 27-30

[127]    Lk. 18, 29-30

[128]      Jn.11, 52

[129]      Jn. 17, 21

[130]      Ny Mpianatra Marina, p. 151.

[131]      Ny Mpianatra Marina, p. 152.

[132]      P.O., n°8

[133]      L.G. n°28

[134]      Fil 2, 5-7

[135]      Cf. Taratasy faha-277

[136]      Ny Mpianatra Marina, p. 257.

[137]      Ny Mpianatra Marina, p. 103.

[138]      Ny Mpianatra Marina, p.

[139]      Procès de béatification, T. 1, p.61

[140]      Ny Mpianatra Marina, p. 151

[141]      Mk. 3, 14

[142]      Ny Mpianatra Marina, p. 222.

[143]      Ny Mpianatra Marina, p. 222.

[144]      Cf. 1 Kor. 3, 9-13

[145]      Tenin’i Monpera Chevrier teo amin'ny fotoana fibebahany taminy Noely 1856, araka ny fijoroana vavolombelon’i Jean-Marie Laffay (Procès de béatification, T.2, p. 98.

[146]      Efes. 4, 16

[147] Ny Mpianatra Marina, p. 527

juillet 12, 2017

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *