Ny Mpianatra Marina

1. Ny Trinite. 57

II. Iza moa i Jesoa Kristy ?. 60

III. Ny Maha Andriamanitra an’i Jesoa Kristy. 66

IV. Anaram-Panajana An’i Jesoa – Kristy. 82

V- Firaiketana amin’i Jesoa Kristy. 108

Fepetra voalohany.  Tsy maintsy mandao ny fianakaviany  sy izao tontolo izao. 135

Fepetra faharoa :  Tsy maintsy mandà tena. 154

 

 

Antoine Chevrier
Ny pretra araky ny Evanjely
na ny Mpianatra Marin’
i Jesoa Kristy Tompontsika

 

Pejy faha-003

 

Roma, anio 3 Septambra 1968 « 

 

Mompera ô !

 

Adidy ho an’ny Prado ny fanontana ity boky ity.

 

Satria voalohany indrindra rariny loatra ny hananan’ny Fikambananareo tahirin-kevitra mafonja napetraky ny Mpanorina azy ho lova tsy tontan’ny ela, noho ny fitomboany sy ny fitadiavany fitaovam-piofanana sarobidy nomanina ho azy. Faharoa manaraka izany, fantatra ny laza tsaran’ireo fanontana teo aloha tamin’ny famohazany toe-tsaina sy toe-panahy Kristianina, ka nahatonga azy ho isan’ny loharano ara-panahy azon’ny olona idodododoana matetika.

 

Andraikitry ny Prado araka izany ny mitana ny tena foto-kevitra marina sady manan-danja amin’ny fanontana indray ity boky ity, mba hampitàna azy tsy misy tomika eo amin’ny taranaka fara mandimby izay miandry fatratra ny soa sy ny fahazavana ateraky ny lahatsoratra ao anatiny.

 

Notontosainao hatramin’ny farany io asa io, Mompera, ary tena araka ny fomba pradoziana, ka saika ilazako hoe : fomban’i Mompera Chevrier no nanaovanao azy, raha teo izy dia tena nankasitrahany tokoa ny teny mialoha sy ny fampidiran-kevitra nataonao. Mahitsy, tsy misy miolakolaka na fitadiavan-dera ; tianao ny mahita ny mazava, ny tena izy tsy nasiana haingokaingony, tsy misy zavatra noforomporonina mba hahazoana sitraka ; azo antoka eo amin’ny fahamarinana sy fahitsian’ny fandanjalanjana ka azon’ny olona raisina sy ekena amin-kitsim-po tanteraka izay voarakitra ao anatiny. Ilay fahantrana ara-panahy nentinao nanaovana azy ka nahatonga anao tsy ho fantatr’olona dia vao mainka koa nanome toerana feno haja an’i Mompera Chevrier nanoratra azy ka nanintona ireo olona te ho mpianany sy mpanara-dia azy.

 

Sady tsy mora atelina no sarotra arapaka manko ny bokin’i Mompera Chevrier.

 

Ka tsy azo anaovana rapa-dango fotsiny i Mompera, tao amin’ny finoany an’i Jesoa Kristy manko no nanovozany hery hino fa ny Tompontsika dia tsy mila atolotra fa manolotra ny tenany. Mitovitovy amin’i Mompera Charles de Foucauld izy amin’ny fibanjinana, ny fanondroana fa tsy be teny. « Ny mpianatra marina »dia i Jesoa Kristy araka ny anambaran’ny Evanjely azy, amin’ny teniny, amin’ny asany, amin’ny fampianarany, tsy manana fombafomba maivan-danja manakana ny maso tsy hahita ny tena izy, handre ny tena feony sy handray ny hafany. Akon’izay fotsiny ny sisa rehetra ho ahy, ako malefaka, miafina, mandravaka ny fahitan’ny fanahy ny toetra tsy maintsy hita sy re teo amin’ny mpampianatra azy. Ohatry ny zara raha re ny ora-pifaliana ombam-pankasitrahana i Mompera Chevrier

 

Pejy faha-004

 

manoloana ilay banjininy sy hampibanjininy ny olona. Toa hita fa amin’ny toeran-drehetra ny Ray ary misy fambara izany na dia noheverina ho toy ny tsy an-tsitra-po aza ka tsy manodinkodina ny fifantohan-tsaina.

 

I Kristy miseho ampahatsorana amintsika no tanjak’ity boky ity. Tsapa fa tena izy tokoa no ambara ary tena izany no takiany. Fantatsika io ; fa tsy sahintsika ny milaza azy. Ary ny olona sahy maneho izany dia manaporofo ampahibe-maso ny finoany tsy misy olakolaka. Ho an’i Mompera Chevrier manko, dia ilay fahazavan’ny Noely nanombohan’ny zavatra rehetra ho azy no tena vontoatiny : fahasohavana iray manokana mihitsy no nanambara taminy fa ny « Andriamaniny » dia ilay mahantra kely mifono lamban-jaza teo ampihinanam-bilona ; iray ihany ho azy ny « tenin’ Andriamanitra sy io mahantra kely io ». Mazava loatra àry, raha manentana ny fiainany manontolo izany fahazavana izany ka nahatonga azy ho olo-masina nanentana olona hafa ho masina ihany koa, amin’ny alalan’ny boky nosoratany. Ivelan’izay dia ravaka, fanazavana, tantsoroka, fanomanana ary fanentanana ihany. Tsy isalasalana anefa fa tsy ho tonga Mompera Chevrier toy izao izy raha tsy teraka, tombo, notaizaina teo anivon’ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina matetika nifanohi-kevitra taminy, kanefa nifono tarehin-javatra hafa hazavana tsy misy toa azy, taratra soperinatoraly nanosika azy hanambara ny tranonomby mba ho vavolombelon’ny finoany ny Fahatongavana ho Nofo.

 

Mino marimarina aho Mompera, fa noho ny Prado sy ianao, dia hiely hatraiza hatraiza ny voka-tsoa saro-bidy ateraky ny fahalalana an’i Jesoa Kristy. Ho an’ny Prado, izay nanokanan’i Mompera Chevrier ity boky ity ; ho an’ireo Pretra rehetra mikaroka ny fiverenana any ampiandohana, ary izany indrindra no nimatimatesan’i Mompera Chevrier dia ny Pretra araka an’i Jesoa Kristy no nanoratana azy. Tsy havahana anefa ireo rehetra mangetaheta ny hino sy hahita an’i Jesoa Kristy, loharano tokana sy fiafaran’ny finoany.

 

« Mahafinaritra tokoa anie i Jesoa Kristy e ! »

 

Ny valisoanao, Mompera, dia ny iarahan’ny olona miaiky amin’ny Mompera Chevrier hoe : « mahafinaritra tokoa anie i Jesoa Kristy e ! » rahefa avy namaky ity boky ity izy. Misaotra.

 

Gabriel-Marie Cardinal Garrone

 

Pejy faha-005

 

Savaranonando

 

Ny Mpianatra Marina sy ny fiainan’i Mompera Chevrier

 

Fa maninona àry no atonta indray ny bokin’i Mompera Chevrier Ny Mpianatra Marina ?

 

Mba hananan’ireo izay maniry azy, ny tena vontoaty marin’io boky io.

 

Misy lesoka tsapa mantsy tamin’ireo fanontana teo aloha, na teo amin’ny fandrafetana ny tena hevitra sy ny fomba hentitra enti-manambara azy. Izany no nitsirian’ny fikasana hanao fanontana vaovao ka ny tena sora-tanan’i Mompera Chevrier mihitsy no hadika.

 

Ahiahy tsy azo ialana tokoa mantsy ny hoe : ny olona manova ny teny dia mety manova tanteraka ny hevitra tiana hambara na dia tsy nahy aza izany, dia aleo manolotra manontolo araka ny tena izy, izay nosoratany amin’izao fotoana izao. Takian’ny zava-misy ara-drariny ara-tsiansa ny fanehoana ny tena marina.

 

Tsy sanatria anefa manamaivana ny asa mavesa-danjan’ireo teo alohanay izahay. Tsy rariny raha izany.

 

Tsy ara-drariny satria ny asa rehetra atao mikasika ny asa-soratr’i Mompera Chevrier dia miainga avy amin’ny fanangonana sy ny fandaminana nataon’ireo zoky teo aloha avokoa. Vavolombelon’izany ireo boky natonta tamin’ny 1923 sy 1942 ary 1948. Hilaza angamba ny sasany hoe : zavatra fanambatambarana mba tsy hisy very ny voasoatr’i Mompera Chevrier izay, mbola nety nanana an’io ve isika ? Mitory izany fa tena natao vain-dohan-draharaha ny hitahiry ireo asa-soratra ireo.

 

Mbola tsy ara-drariny koa raha hampangaina ho tsy mari-pototra ireo asa nataon’ny zokintsika ireo.

 

Pejy faha-006

 

Marina fa nisy ravadravaka ihany ny takila sasantsany tamin’ny boky natonta tamin’ny 1923, kanefa, tamin’ny ankapobeny, ireny sombintsombiny ireny dia tena zava-marina ary naseho noho ny antony manokana dia manokana.

 

Ary farany dia izao, mendrim-pankasitrahana ireo zoky nanonta ny Ny Mpianatra Marina voalohany, satria fantatr’izy ireo fa i Mompera Chevrier dia nanana hetaheta hanao boky. Maty talohan’izany anefa izy ary tsy nahangona ho boky tokana izay rehetra nosoratany na kahie izany na poti-taratasy na fanamarihana. Koa ny hevitra nitsiry sy notanterahin’izy ireo hanangona sy hanambatra ireny ho boky iray dia namaly ny hetahetan’i Mompera Chevrier ary maneho firaiketam-pitokisana aminy.

 

Te hanao boky izy mba hamelany ny hafatra nanirahana azy amin’ireo mpandova azy. Nanoa izany ny mpandova ka namita ny asa natombony. Ao anatin’izany sori-dalana izany koa no tianay hizorana ankehitriny na dia misy fomba fandaharana hafa kokoa aza no hitondranay azy. Heverinay manko fa mety ho tafavoaka moramora kokoa ny hetahetan’i Mompera Chevrier raha hialanay ny fanambatambarana ny tahirin-kevitra fotsiny.

 

Mihevitra koa izahay fa hanatsara kokoa aloha raha avela hiseho ny andry rehetra mampitsangana ny trano, izay vao harafitra ny rindrina tsy voatsangan’ny mpanorina azy[1].

 

Koa mba hifantohan’ny mpamaky manohy ity savaranonando ity dia indro aloha atolotRay ny mombamomba ny fiainan’i Antoine Chevrier.

 

1826, 6 aprily, teraka tao Lyon izy. Mpamory hetram-barotra no asan-drainy ; ny reniny kosa tompon’orinasa madinika iray fanenomana lamba landy. Azo lazaina fa mbola tambanivohitra ny fianakaviany, indrindra reniny izay avy amin’ny faritry Dauphiné.

 

18 aprily, natao Batemy tao amin’ny fiangonana Md.François de Sales izy.

 

1840, Nianatra tao amin’ny sekoly notantanan-dry Frères des Ecoles Chrétiennes izy hatramin’io taona io. Ary tamin’ny fidirana ny volana Oktobra dia nanohy ny fianarany tao amin’ny sekoly notantanan-dry Mompera tao amin’ny paroasy izy.

 

1843, oktobra, nidirany ho kilasy mandry tao amin’ny Semineran’ny Argentière, diosezin’ny Lyon.

 

Pejy faha-007

 

1846, oktobra, nanombohany ny fiofanana Teolojia tao amin’ny Seminera ao Lyon.

 

1850, 25 mey, Nohamasinina ho pretra i Antoine Chevrier.

 

28 mey : voatendry ho vikera tao amin’ny Paroasy Md. André ao Guillotière, faribohitra be mponina ao Lyon izy. Tsy nitandro hasasarana izy teo am-panaovana izany asa izany, hany ka noho ny harerahany dia voatery nampialàna sasatra efa-bolana izy nanomboka tamin’ny volana Desambra 1855. Notandroviny manokana ny mahantra hatreto, ary fijaliana ho azy mihitsy ny nieritreritra fa toa tsy ampy ny vokatry ny ezaka ataony.

 

1856, 31 Mey, safotry ny tondra-drano ny faritra havian’i Rhône izay misy ny Paroasin’i Guillotière. Ny Pretra niasa tao amin’ny Paroasin’i Md. André no lohalaharana tamin’ny famonjena ny ain’olona sy ny tra-boina. Nitatra ka fantatr’olona hatreto ny laza sy ny fahafohizan-tena nananan’i Mompera Chevrier.

 

Jiona, sendra nifanena tampoka tamin’i Camille Rambaud i Mompera Antoine Chevrier. I Camille Rambaud moa dia tovolahy mpanan-karena tao Lyon. Nibebaka izy ka nilatsaka ho mpanompon’ny mahantra, ary niaina tahaka azy ireo. Teo am-panorenana ny tanàna nomeny anarana hoe : Tanànan’i Jesoa-Zazakely i Camille Rambaud tamin’izany. Hampandroso ny finoana sy ny toe-piainana ara-nofo no nokendreny tamin’io asa io. Nanorenany trano fonenana ireo mpiasa madinika ary nampianarina katesizy tao ireo ankizy mahantra teo an-toerana. Nanohina an’i Mompera Chevrier tokoa io ohatra velon’ny finoan’i Rambaud io.

 

Noely, « fibebahan » i Antoine Chevrier, rahefa avy nandinika ny Evanjely : « Ary ny Teny tonga Nofo, ary niara-nonina tamintsika Izy », fa ho an’ny mahantra no iantsoan’Andriamanitra azy. Azony antoka tamin’izany, fa ny fiainana lavorary tian’i Kristy ivelomany manokana araka ny Evanjely sy ny maha-Apôstôly azy, dia ny fitiavana tsy misy fetra ny olon-drehetra tsy an-kanavaka, ao anatin’ny fahatsiarovan-tena ho ambany sy ny fanetren-tena ary ny fitiavana ny mahantra.

 

1857, nihaona tamin’i Curé d’Ars izy, ka nahazo hery na dia tsy nankatoavin’ireo Pretra niara-niasa taminy aza ny fikasany.

 

Aogositra, niala tao amin’ny Paroasy izy, nanjary « aumônier »-ny tananan’i Jesoa Zazakely, ary tao amin’izany vao zatra niantso azy hoe : « Mompera Chevrier » ny olona. Tsy nahafaly ny reniny izay somary sarontsarotiny ihany, ny fanapahan-kevitra noraisiny, ary tsy nankasitrahany mihitsy mandra-pahafatin’ny zanany. Ireo olona nantsoina hoe : « Masera » dia tena nahafoy tena tokoa tamin’ny fanompoana io tanàna io. Ary tamin’io taona io no nidiran’i Marie Boisson, tovovavy 22 taona, mpiasa tamin’ny fanenomana landy, tamin’ny fiainan-drelijiozy ka lasa lehiben’ny fikambanan’ny Maseran’ny Prado voalohany ary nitondra ny anarana hoe : Masera Marie. Tao amin’io tanàna io ihany koa no nihaonan’ny Mompera Chevrier voalohany tamin’i Pierre Louat izay nantsoina hoe : Frère Pierre, izay mpiara-manorina ny Prado, fa saingy tsy naharitra izy.

 

1859, Janoary, fandehanana voalohany tany Roma.

 

Ny volana nanaraka an’izany dia tsapan’i Mompera Chevrier tokoa fa tsy mitovy zavatra kendrena izy sy i Rambaud, ka tsy maintsy misaraka. Kanefa voatery nijanona teo amin’ny tanànan’i Jesoa Zazakely i Mompera Chevrier mandra-pahazon’i Camille Rambaud ny Sakramenta maha-Pretra ka nahafahany mizaka ny asa aman-draharahan’ny Pretra amin’io toerana io.

 

Pejy faha-008

 

1860, 10 Desambra, nahazo trano tao Guillotière i Mompera Chevrier. Hatramin’izao fotoana nahazoany azy izao, dia trano fandihizana ratsy laza tokoa io trano mitondra anarana hoe : « Toeram-pandihizana Prado » io. Notanan’i Mompera Chevrier ho trano sy ny Fianakaviana ara-panahy noforoniny io anarana Prado io. Ary novany ho toeram-pampianarana Katesizy ho an’ny ankizy mahantra ilay trano. Tao anatin’ny taona vitsivitsy nanaraka izany, dia tonga nanatona azy mba hiara-dia aminy, ny olona maromaro. Singanina manokana amin’ireny i Mompera Jaricot izay nohamasinina ho Pretra tamin’ny 1869. Tena resy lahatra tokoa io rangahy io saingy toa maivan-doha loatra ka tsy azon’i Mompera Chevrier nanankinana andraikitra.

 

1864, Septambra, nankany Roma indray izy. Hitondra fangatahana tany amin’ny Papa Ray Masina no antonin’io diany faharoa tany Roma io. Hohitantsika any amin’ny bokin’ny Mpianatra Marina[2] manaraka ato ny vontoatin’izany fangatahana izany.

 

1865, nahaterahan’ny sekoly fanomanan’ny solofo ho pretra Prado. Ny tena marina anefa, dia nalefa nianatra tany amin’ny Sekoly Md. Bonaventure tantanan-dry Mompera tarỳ amin’ny faritra havanan’i Rhône ny ankizy.

 

1866, Oktobra, nisokafan’ilay Sekoly tantanan’ny Pretran’ny Prado satria izay vao nahita mpampianatra hitantana azy i Mompera Chevrier.

 

1867, Voatendry ho « curén’ny Moulin-à-Vent i Mompera Chevrier. An’ny Diosezin’i Grenoble io Paroasy io kanefa manamorona ny faritanin’i Lyon. Nifanarahana àry fa ao amin’ny Prado ihany no toeram-ponenan’i Mompera Chevrier ka ny Pretra mpiara-miasa aminy no misolo toerana azy ao amin’ny Paroasy. I Mompera Martinet indrindra no tena niandraikitra io Paroasy io. I Mompera Chevrier kosa dia nandray izany ho toerana hangalana traikefa hanatanterahana ny zava-kendreny, dia asa fanomanana Pretra mahantra ho an’ny Paroasy (mahantra)[3], araka izay hohitantsika ao amin’ny takila 12-13 manaraka, saingy tampoka, tamin’ny 1871, dia nandre izy fa notendrena hisolo toerana azy i Mompera Martinet ; izy tena tompon-toerana anefa tsy nahazo izany filazana izany avy any amin’ny mpitondra.

 

1874, Voatery niala sasatra izy nanomboka tamin’ny faran’ny volana Marsa ka hatramin’ny faran’ny volana Mey noho ny aretina mafy nahazo azy.

 

Nosokafana tamin’ny volana Novambra nanaraka an’io ny trano tao Limonest, ambanivohitr’i Lyon ka i Mompera Jaricot, masera efatra ary ankizy mpianatra katesizy roapolo eo ho eo no nonina tao.

 

1875, Mey, niainga fanintelony ho any Roma izy. Notolorana hevitra izy tamin’io fotoana io mba hanova ireo toerana nosokafany ho tranon-drelijiozy. Tsy nanaiky izany anefa ny Arseveka tao Lyon ka nilefitra i Mompera Chevrier.

 

1876, Niharatsy anefa ny fahasalamany ka nodidian’ny mpitsabo izy hiala sasatra any Vichy ny 25 Jolay ka hatramin’ny 15 Aogositra.

 

Oktobra, neken’ny Arsevekan’i Lyon ny handefasana Seminarista Prado efa-dahy. Diakra izy ireo ary miara-monina anatin’ny communauté araka ny soridalana nomen’i Mompera Chevrier azy ireo.

 

Pejy faha-009

 

1877, 14 martsa, Nihazo faninefany an’i Roma indray izy. Tamin’izany no niarahany niaina tamin’ireo Seminarista efa-dahy ka nivoasany « Ny Mpianatra Marina » tamin-dry zareo nandritra ny roa volana.

 

26 Mey, fanamasinana ho Pretra tao « Saint-Jean-de-Latran ».

 

20 Jiona, niverina tany Lyon izy. Nampanantena azy ny Arseveka fa havelany hiara-miasa amin’i Mompera Chevrier ireo Pretra Prado efa-dahy vao nohamasinina.

 

1878, lohataona, raha iny niombo iny ny aretin’ny Mompera Chevrier,[4] dia lasa nifindra tany amin’ny Monastera i Mompera Jaricot, nikasa hiala koa ny roalahy vao nohamasinina. Tafaverina soa aman-tsara tao amin’ny Prado anefa i Mompera Jaricot tamin’ny volana Jiona.

 

31 Oktobra, Nanolotra farany ny Sorona Masina i Mompera Chevrier, ary tsy afa-niala teo am-pandriana intsony hatramin’ny fara fofon’ainy.

 

1879, 6 Janoary, Nametra-pialana i Mompera Chevrier, ary lasa lehiben’ny Prado kosa i Mompera Duret, iray tamin’ireo nohamasinina tamin’ny 1877[5].

 

2 Oktobra, Nodimandry izy ary nalevina tao amin’ny lasapelin’ny Prado ny 6 Oktobra.

 

Fa ndeha amin’izay àry, hiverenantsika ny boky Ny Mpianatra Marina.

 

Naniry ny hanao boky i Mompera Chevrier. Manamafy izany avokoa ireo porofo hita rehetra, anisan’izany ny teny nolazainy[6].

 

Tsy maintsy hazavaina anefa ny toetoetr’izany fikasana izany.

 

Raha resahina momba ny boky mantsy isika dia mihevitra avy hatrany zavatra vita printy amidy amin’ny mpamaky eny an-toeram-pivarotana. Nanana eritreritra ireo izay hamaky ny nosoratany ny mpanoratra na dia tsy nifanerasera mivantana taminy aza matetika.

 

Tsy fantatray anefa na mba nihevitra i Mompera Chevrier fa indray andro any anie ka ho vita printy ny bokiny. Mety nanana izany eritreritra izany izy, kanefa amin’ny fotoana mbola lavitra. Ho an’ny Pretra mantsy voalohany indrindra no nanoratany, tao koa ireo seminarista niara-niaina taminy. Mitovy amin’izany daholo ny asa soratra nataony toy ny Katesizy, fivoasana Evanjely sns…

 

Ho an’ny fianakaviany ara-panahy ihany no nanoratany ary sora-tànana avokoa nohon’ny fahantrana, ny havitsin’izy ireo tamin’io fotoana io[7].

 

Pejy faha-010

 

Na dia nitsinjo ny hoavin’ny Fikambanana naoriny aza anefa i Mompera Chevrier dia sady nahatsapa izy fa tsy maintsy hitombo isa ireo mpanara-dia azy hiadana dia hiadana izany fitomboana an’isa izany.

 

Sady nahatsinjo lavitra izy no tena be fitetika ihany koa. Tsy maintsy manorin-javatra mateza hivantanan’ireo ho avy, aorian’ny fahalasanany. Ilaina dia ilaina ny fandraisana tanora maro ho ao anatin’ny Fikambanana, ary fantatr’i Mompera Chevrier rahateo fa tsy hiaraka amin’izy ireo ela intsony izy.

 

Na teo aza ireo toetra roa ireo, dia tsy takona nafenina koa fa olona maotina sy miaina amin’ny zava-misy, fatra-pandanjalanja ny fiainana i Mompera Chevrier. Tsy novinavinainy mihitsy fa hanintona olona hafa ivelan’ny Prado ny bokiny, marina ny azy. Hany ka tsy noheverina ho nilaina maika ny fanontana io boky io. Ankoatra izany dia fantany koa fa tsy talentany manokana ny hanoratra boky[8]. Izany antony izany no nahatonga ny famerana azy ho an’ireo vitsivitsy tao amin’ny Prado.

 

Mifamatotra be amin’ilay tetik’asa nomeny anarana hoe : « Asa fanomanana Pretra mahantra ho an’ny Paroasy »[9] koa moa io boky io.

 

I Antoine Chevrier izay nohamasinina ho Pretra tamin’ny 1850, dia niasa enina taona tao amin’ny Paroasy Md. André ao Guillotière. Toeram-pitobian’ny mpiasa madinika i Guillotière tamin’izany fotoana izany.

 

Fahamatorana miafina no nitombo tao amin’ilay vikera tanora nadritra io fe-potoana io. Namakivaky ny faritry ny Paroasy fotsiny izy dia nahatsapa ny fijaliana ara-pitaovana sy moraly teo amin’ireo olona tsy afa-nifandray mivantana tamin’ny Paroasy. Tosika manokana vaovao nampiredareda io fahamatorana io ilay tondra-drano tamin’ny Mey 1856 sy ny fihaonana tamin’i Camille Rambaud tamin’ny Jiona ary niafara tamin’ny alin’ny Noely 1856. Izany fiovana anaty tao aminy izany no nantsoina hoe : « fibebahana »[10]

 

Nohazavain’ny ohatra velon’ilay tonga mahantra ho antsika…

 

Pejy faha-011

 

…mba hampanan-karena antsika noho ny « fahantrany »[11] i Mompera Chevrier ka nahatsapa ny halehiben’izany fahasoavana nomena azy izany : tonga Pretra mahantra mba hitory ny Evanjely amin’ny mahantra : « Hoy aho hoe : Nidina teto an-tany ny Zanak’Andriamanitra mba hanavotra ny olona sy hampibebaka ny mpanota. Inona anefa no hitantsika ? Feno mpanota ny tany. Vao mainka miha-manary tena ny olona. Nanapa-kevitra àry aho fa hanaraka an’i Jesoa Kristy Tompontsika akaikikaiky kokoa mba hahazoako fahombiazana bebe kokoa amin’ny asa famonjena ny fanahy[12].

 

Ny fihetsehana voalohan’i Antoine Chevrier dia ny mianatra ny nataon’ireo nahatsapa ny fahantran’i Jesoa Kristy sy ny mahantra. Nifanena tamin’i Camille Rambaud izy. Tovolahy mpanefoefo, tonga niaraka tamin’ny mahantra ary nanorina ny tanànan’i Jesoa Zazakely. Nantenainy hatao lohalaharana teo amin’ny Fikambanany izy io, ary noresena lahatra mba hiditra amin’ny laharana maha-Pretra. Na izany na tsy izany aza anefa, dia nandimby ny Capucins teo amin’ny fiahiana ara-panahy ny Tanànan’i Jesoa Zazakely i Mompera Chevrier, ary niompana indrindra tamin’ny fanomanana ny ankizy hanao Komonio voalohany ny asany tamin’izany.

 

Tsinjony miandalana anefa fa tsy nifanojo ny sori-dalany sy ny an’i Camille Rambaud. Hany ka na dia somary nisalasala ihany aza izy, dia nanapa-kevitra, tamin’ny volana Desambra 1860, fa ho raisina ho azy manokana ny fanomanana ny ankizy amin’ny Komonio voalohany ary nifindra tao amin’ny Prado izy no nipetraka. Afaka nanokana ny fotoany manontolo amin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ho an’ny mahantra izy manomboka eto, eo am-panantenana fa hisy Pretra mitovy hetaheta aminy ho tonga hanatevin-daharana azy. Fantany hatrany am-boalohany manko fa tsy ho lasa lavitra izy raha irery. Izao no nosoratany tamin’ny volana Mey 1858, teo am-panaovana laretirety : « Nampanantena an’i Jesoa aho fa hitady namana tsara sitra-po hiara-miasa amiko. »[13]

 

Nanomboka tamin’ny 1860 ka hatrami’ny 1866, fotoam-pivoarana vaovao teo amin’ny fahamatoran’i Antoine Chevrier. Nihamazava miandala hatrany ny zavatra iray : Tsy hanana mpiara-miasa azo antoka izy, raha tsy izy mihitsy no manofana azy.

 

Pretra maromaro no nitodi-doha tany amin’ny Prado nandritra ireo enin-taona ireo, fa tsy nisy na iray aza tamin’izy ireo nahatakatra ny tena zava-kendreny. Mety nisy ihany angamba fa nosakanan’ny manam-pahefana tao amin’ny diosezy mba tsy hihaonana. Teo an-kilan’izany anefa dia tonga ny tanora mba hiofana sy hiara-dia[14].

 

Izany no nanosika an’i Mompera Chevrier hanorina sekoly fanomanana Pretra. Nila folo taona izy vao niaiky fa izy no mpitarika, folo taona vao nilefitra fa izy no mpampiofana ireo Pretra mahantra ho an’ny mahantra.

 

Fa raha ny amin’ny hoe : ho tonga mahantra miaraka amin’ny mahantra tokoa ny tena, dia lasa nila hevitra tamin’i Curé d’Ars izy, nandinika niaraka tamin’ny mpampikonfesy azy, ary tamin’ny mpitantana azy ara-panahy taloha, ny mpitantana ara-panahy ny Seminera zokiny.

 

Pejy faha-012

 

Ireny fiaraha-midinika ireny no nahazoany làlana avy amin’ny Archevêché, honina ao amin’ny Tanànan’i Jesoa Zazakely.

 

Mifanohitra amin’izay kosa ny momba ny fanorenana ny Prado, nisalasala ela be mihitsy izy araka izao nosoratany tamin’ny 17 Oktobra 1860 izao : « Inona marina àry no ataon’ity Frera Piera sady tovolahy mahonena no mampiahiahy ahy ity ! Te hanampy azy fatratra aho noho izy mahafatra-po ho an’Andriamanitra ; kanefa miandry ahy foana izy vao manao zavatra noho ny fahatokisany ahy tafahoatra, manantena izy fa hahavita zava-dehibe aho, izaho anefa tsy matoky tena hahavita zavatra mety tsy ho araka ny sitrapon’ Andriamanitra. Tsy mety anefa raha izaho mihitsy no manala azy amin’io toetra io. Sao dia mampisy olana sy fanoherana avy any amin’ny mpitondra ka tsy tiako loatra. Reko fa tsy ho zakan’ny soroko ny hilanja izany enta-mavesatra izany. Ny zava-mitranga etsy an-daniny miharatrsy hatrany ; ny fahasalamako miha-ratsy, ary ambonin’izany rehetra izany, izaho olona donto, tsy mahay mamoron-javatra ka ho afa-mizaka asaloha be toy io. Ny antso niantefa tamiko dia ny hiaina mangina tsy fantatr’olona any amin’ny toerana miafina, ary miasa mangina ao »[15].

 

Niaina tao anatin’ny tebiteby i Mompera Chevrier taorian’ny fifindrany tao amin’ny Prado, niseho tsikelikely teny, hono, ny antony lalina nahatonga io tebiteby io. Nanjary zavatra ilainy maika ny fanatanterahana ilay tetik’asa momba ny sekoly fanabeazana solofo. Ireto manaraka ireto ny fisehon’izany toe-tsainy izany.

 

« Mahatsapa ny fahosako sy ny tsy fahaizako aho, ka miteny matetika amin’ Andriamanitra hoe : Tsy diso fifidy ve Ianao Andriamanitro tamin’ny nametrahanao ahy, olona saozanina, hiloloha andraikitra be toy izao ? Mahantra aho, mpanota, badolahy, koa raha tsy handefasanao olona hanatanteraka an’io asa io, dia ho faty momoka any izy. Mila talenta sy hatsaram-panahy lalina sady betsaka vao afa-mametra-javatra na manatanteraka ny Asan’Andriamanitra. Fantatro tsara fa afa-manendry izay olon-tiany Andriamanitra, ary matetika dia ireo madinika indrindra, ireny mahantra indrindra ireny no fidiny mba hampisongadina ny Voninahiny sy ny Fahefany ka hahafahan’ny olona midera Azy hoe : tena Asan’Andriamanitra tokoa io ; kanefa tsy maintsy mitondra ny anjara birikiny koa ilay badolahy iry mba hiasan’ny fahasoavana ao aminy ; tsy maintsy olona tia vavaka izy, olona mahafoy tena, tsapako anefa fa manohitra mandrakariva izany sitrapon’Andriamanitra izany aho, ka mampitarazoka ny Asany. Ilaiko hisy olona foana eo anilako eo hampahatsiaro sy handrisika amin’izay tsy maintsy ataoko. Mampalahelo sy mahonena aho ô ! Raha tsy ataoko àry ny tian’Andriamanitra ho tanterahiko, andraikitra, fitsarana, fanamelohana toa inona re no mendrika ahy e ! Taona maro no nilazako tamin’Andriamanitra hoe : raha olo-mahantra no tadiavinao, dia inty aho, ry Andriamanitro, raha mitady olona adala ianao, dia eto aho, dia tsapako tamin’izay fa nomen’Andriamanitra ahy avokoa ny fahasoavan-drehetra hanaovana izay mety hangatahiny ; amin’izao fotoana tsy maintsy iasana izao anefa aho kamolahy, kanosalahy : Eny e ! Raha tsy misy olona mivavaka ho ahy, mitan-tsoroka ahy dia ho very aho. Raha izao manko aho no mba handefasan’Andriamanitra rahalahy mahazo tsara ny vontoatin’ ny Asany dia hanana herim-po sy herim-batana bebe kokoa aho, fa raha…

 

Pejy faha-013

 

… izaho irery ihany, dia mahatsiaro tena ho osa dia osa, ka raha tsy misy fahasoavana manokana, dia tsy hanan-kery aho ; kanefa tsy mendrika akory izany fahasoavana tsy maintsy efaina izany, vidina tokoa anie ny fahasoavan’Andriamanitra, tsy hita anefa izay hatao hividianana azy, indrindra amin’ny maha fandraisana anjara amin’ny famonjena fanahy sy ho voninahitry ny Fiangonana azy !

 

« Azafady ry zanako malala raha mivantana be ny firesahako aminao ary ambarako aminao ny alahelo ato anatiko noho ny faniriako ny hahatonga anao ho olona tia vavaka afa-manampy ahy hanatontosa ny sitrak’Andriamanitra, satria matoa nataon’Andriamanitra ny Prado, dia tsy noho izy te-hanome ahy tany be mitentina iray hetsy farantsa akory, ataoko inona moa ? Efa nomeko azy avokoa izay ahy rehetra ary ny Fahantrana Masina no takalony nangatahiko taminy ho lova, fa tena misy antony hafa ao. Ampio àry aho hanao izay hangatahiny amiko, indrindra fa ity Asan’ny Pretra Mahantra ho an’ny Paroasy ity. Oh ! Ny Pretra, ny Pretra ihany no mahavita zavatra. Ny Pretra irery ihany… I Jesoa Kristy eto an-tany. Tsy maintsy tonga Jesoa Kristy hafa koa aho eto an-tany mba hahatonga an’ireo izay manatona eto ho Jesoa Kristy velona, izany irery ihany no hampibebaka ny fanahy[16].

 

Samy nitatitra izay fahazoany izany raharaha izany avokoa ny vavolombelona rehetra. I Camille de Marguerye, taitaitra, naka ny nofinofiny ho tena zavatra, dia nilaza an-kitsirano hoe :

 

« Nambarany tamiko, indray andro, fa ny fanomanana ny Komonio Voalohany dia fanarontsaronana ny tena vontoatin-draharaha fotsiny ihany, fa ny tena izy dia ny Fanofanana Pretra. Ho voasakantsakana loatra anefa izy io raha hambara tsotra be izao »[17].

 

I Mompera Bruno, capucin, mpampikonfesy an’i Mompera Chevrier dia nanambara tamim-pahamalinana ny mifanohitra amin’izany :

 

« Tsy mino aho fa nanana hevitra hanorina seminera na fikambanana Pretra aloha i Mompera Chevrier. Ny ventim-pinoany dia ny miandry izay sitrak’Andriamanitra ho tanterahiny, ary manome azy ny ilaina rehetra eo am-panatanterahana azy ; nitsiry tsikelikely tao aminy noho ny fanilovana avy any Ambony io hevitra io. Ny fanomezana nomen’ Andriamanitra azy tamin’ny alalan’ny zavatra ilaina ety ivelany dia fitaovana nanamafy ny fitokisany fa tsy hilaozan’Andriamanitra izy amin’ny ara-panahy. Tsy nahazo ny fankatoavana ara-dalàna avy any Roma ilay Asa nataony, kanefa tsy nety nanao ninoninona izy raha tsy nahazo alalana avy amin’ny Evekany aloha[18].

 

Tsaratsara kokoa noho izay angamba ity fanambaran’i Masera Marie izay niaina tanteraka ny tantara, hatramin’ny nahatongavany tao amin’ny Tanànan’i Jesoa Zazakely tamin’ny 1857.

 

Pejy faha-014

 

« Ny fanofanana Pretra no tena voalohan’eritreritr’i Mompera Chevrier fa ny fanatanterahana azy no avy taty aoriana. Araka ny efa nambarako ny fanorenana sekoly hanofanana Pretra no voalohan-kevitr’i Mompera Chevrier fa tsy afa-nanatanteraka izany izy raha tsy tao aorian’ny 1865. Ny anjara asako tamin’izany dia ny fikarakarana ny sakafon’ireo ankizy nalefa nianatra tany amin’ny sekoly Md. Bonaventure ka ny sakafo antoandron’izy ireo dia izay nomaniko ka nentiny tany. Telo na efatra teo izy ireo. Ny fifandraisana tamin’ireo ankizy ireo tao amin’ny Sekoly Md. Bonaventure no nahatonga an’i Mompera Jacquier hifindra tao amin’ny Prado taty aoriana »[19]

 

Manamafy amim-pahatsorana mahavariana an’io voalazan’i Masera Marie io i Françoise Chapuis :

 

« Matetika no niresahan’i Mompera Chevrier tamiko an’io Sekoly fanofanana Pretra io, taloha ela be tamin’ny nanorenana azy. Efa ninofinofisiny talohan’ny nandraisany ny mpanampy azy voalohany sady nivavaka mafy ho an’izany izy. Hoy manko izy tamiko indray andro izay :

 

Te-hanamboatra taniketsa-na Pretra aho ry Françoise. Te hanana Pretra nobeazina tamin-janako aho, mba hisian’ny fifandraisana tsara amin’izy ireo.

 

Koa ataonao ahoana àry ny hamelona azy ireo Mompera ? Ianao ity efa sahiram-belona amin’ny fanaovana Boky volamena[20].

 

Marina izany, tsy mahomby ny fanaovana boky volamena, fa manana tetika hafa izay hanambany ahy aho, kanefa tian’Andriamanitra ny hanetreko tena satria miavonavona aho. Izao no hevitro : handeha hananty rakitra any am-baravaran’ny fiangonana « Charité » aho. Hatsotrako eo amin’ny mpandalo ny satroko dia hanaovako toko sapile izay rehetra mandatsa-drakitra ao anatiny.

 

Ilavomena fotsiny no hoazonao any Mompera, tsy misy ilàna azy !

 

Hoy izy namely ahy, hisy hanome vola vy sy taratasy koa !

 

Tamin’izany resakay izany, dia nantitranterina mihitsy ny ilàna Pretra tia vavaka, tso-piainana, ka rehefa notononiko taminy ny anaran’ireo mpiara-miasa aminy, dia hoy izy : « Tsy mbola izy ireo, satria mbola tsy manana ny tena fahatsorana »[21].

 

Asa na mbola izany raharaha izany koa no taterin’i Masera Marie Antoinette Laffaye, mpahandron’ny Prado, na tsia fa hoy izy :

 

« Rahefa nanan-kevitra ny hanorina io Asan’ny Prado io i Mompera, dia tena namporisika azy be mihitsy i Frera Piera. Notantarainy taminay izany taty aoriana ka hoy izy hoe : « Nanao izay vitako mba hialan’io hevitra io tao an-dohako, kanefa enjehin’Andriamanitra amin’io hatrany rehetra any dia mitamberina foana ilay izy na dia miezaka mafy aza aho ». Indray andro, nenjehin’io hevitra io izy ka lasa nisitrika tany ela dia nijanona tao mandra-paharivan’ny andro sady nivavaka : « Tamin’io fotoana io, hoy izy taminay, rehefa resin’io feo ao am-po tsy miloaka io aho, dia nivavaka nanao hoe :

 

Pejy faha-015

 

« Raha mila mahantra ianao, inty aho, raha mila adala Ianao, inty aho ». Hatramin’io fotoana io izy dia tsy niady saina intsony fa notohiziny daholo izay nangatahin’ Andriamanitra taminy, ny Asa izay vao nanomboka, nefa voasembatsembana aok’izany. Izy mihitsy no nitantara taminay izany im-betsaka. « Amin’izao aho, hoy izy, hitako ny fijaliana rehetra tsy maintsy iaretako »[22].

 

Toa olona tia resaka sy mpitatibolana ary tia jerijery ity Masera Antoinette ity ka mampisalasala ihany ny fahamarinan’ny voalazany. Na dia izany aza anefa, dia toa marina ihany ny fangalana fanapahan-kevitra tampoka taorian’ny fe-potoana lava feno tebiteby sy fisalasalana. Mifanaraka tsara amin’ny toetran’i Mompera Chevrier holazaintsika aoriana ao izany.

 

Na manao ahoana na manao ahoana anefa, nanomboka tamin’ny 1866, raha nahatsapa mandrakariva ny elanelana lalina nisy teo amin’ny tenany sy ny Asa ho tanterahina i Mompera Chevrier, dia tsy niverenany mihitsy ny fanapahan-kevitra noraisiny. Tamin’ity indray mitoraka ity, dia somary sarotiny kely izy, mba hahafantarany tsara izay tena sitrapon’Andriamanitra. Nitady famantarana manokana izy. Manazava izany izy ao amin’ny taratasiny ho an’i Mompera Gourdon, tamin’ny 7 Novambra 1865. Naneho ny faniriana hiara-dia amin’i Mompera Chevrier manko io rangahy io, ka toy izao ny nosoratn’i mompera taminy :

 

« Amin’ny zavatra rehetra, dia aoka ny Sitrapon’Andriamanitra no ho tanteraka, eo amintsika sy eo amin’ny olona rehetra eto an-tany. Raha eken’Andriamanitra dia avia, ho sambatra aho raha afa-miombona anjara amin’ny Asa nolalaiko sy niriko tanatin’ny taona maro. »

 

Toa nohamoraina sy nangatahin’Andriamanitra izao fihaonana izao. Manana toerana hampiantranoana ireo te-hiasa amin’io Saha io aho ao amin’ny Prado, sady fahafinaretana koa satria misy ankizy efatra voatery halefa any Lyon noho ny tsy fananana mpianatra ato ; akory koa ny hafaliako, hanana azy ireo mandrakariva eto an-trano mba hanabeazana azy ireo amin’ny fahatsorana sy ny fahantrana izay zava-kendrentsika voalohany indrindra.

 

Azonao entina manaraka anao ny mpianatrao raha misy, fa azoko omena efitrano ho an’ny mpianatra valo na folo ianao.

 

Ny antony aniriako ny fahatongavanao dia satria ora vitsivitsy talohan’ny nandraisako ny taratasinao, nahazo taratasy avy any amin’i Monsenera Magand aho. Nilaza izy fa tsy ho afa-manohy io asa fanasoavana ny mpianatra mahantra io noho ny tsy fahampianan’ny vola eo am-pelatanany, ary efatra monja izy ireo ka tsy maintsy mandoa saram-pianarana. « Tsy noheveriko mihitsy ny hamelan’Andriamanitra ho faty izao asa mahafinaritra natombony izao. Tiany angamba ny hanaovan’ny Pretra mahantra izany asa izany. Ho ahy manokana dia tena vonona dia vonona ny hanohy azy miaraka amin-drahalahy mahafatrapo. Anananay ato daholo ny fitaovana fanombohana : ny mpianatra sy ny trano, ary vola enti-manana dia eo ny Fitiavan’Andriamanitra mitsimbina ary hita maso sy azo tsapain-tànana izany mba hanalana ny fisalasalana. Koa matokia àry e, ny tsodranon’ny Ray Masina nomeny ny Pretra rehetra manaiky hanaraka ny fahantran’i Jesoa Kristy dia nomeny anao koa. Tongava fa ho sambatra aho mandray anao, ataovy izay hahazoana alalana avy amin’ny Kardinaly dia

 

Pejy faha-016

 

hanomboka isika. Fa ho an’ireo olona nofaninao amin’ny Fahantrana kosa tohizo ny fitarihana azy ireo amin’izay lalan’ny Tompontsika izay, ilaintsika mantsy izany any aoriana any raha sitrak’Andriamanitra ny hanome Paroasy mahantra hotantanantsika.

 

Finaritra be mihitsy aho namaky ny taratasinao, tsy nahatsiaro tena ho irery intsony. Marina fa misy rahalahy mpiara-miasa amiko ato, kanefa fantatrao fa misy olona anankinan’ny Fanahy Masina bebe kokoa ny fitokiantsika. Mivavaha àry isika mafy mandritra ireto andro vitsivitsy ireto, mangataha mafy amin’Andriamanitra mba ho tanteraka izay sitrapony, mba ho foana ny sampona rehetra. Mampanantena anao ny fanolorana ity raharaha ity amin’ny Sorona Masina aho mandritra ireo andro ireo[23]. »

 

Azo fintinina ho efatra ireo famantarana nandresy lahatra an’i Mompera Chevrier : ny tsodranon’ny Papa, ny alalana avy amin’ny Arseveka, ny Fiarovan’Andriamanitra ny tranon’ny Prado, ny fihaonan’ireo Pretra miray amin’io Asa io.

 

Nitalaho ny fankatoavan’ny Papa izy hatramin’ny 1864. Tsodrano ihany no azony aloha. Tena tsodrano marina tokoa, ary manana ny heviny manokana. Nanambarany hasoavan’ilay tetik’asa ny Papa ary miandry voka-tsoa be avy aminy koa. « Soa io Asanareo io » hoy izy[24].

 

Naverin’ny Papa any amin’ny Eveka aloha ny fangatahana. Izy ireo manko no tena mahalala ny ilàna sy ny fahombiazan’izany eo aminy ka mampita azy amin’ny Papa. Narahin’i Mompera Chevrier izany ary nadikany araka ny fahazoany azy ny heviny[25].

 

Nangataka ny alalana rehetra tamin’ny Arseveka tokoa izy, ary rehefa hitany fa nafampana ny raharaha dia nanaovany lemozy ho azo izay nolavina taminy.

 

Izany no nahazoany nandamina manokana ny taona famaranana ny fiofanana ho Pretra an-dry Broche, Delorme, Duret ary Farissier. Diakra izy ireo no niditra tao amin’ny Seminera Zokiny ao Lyon tamin’ny volana Jiona 1876. Natokan’i Mompera Chevrier ho azy ireo tany Roma ny lohataona manontolo sy ny fara heriny tamin’ny 1877, nanazavany « Ny Mpianatra Marina » tamin’izy ireo.

 

Fa tamin’ny toe-javatra iray manan-danja be tokoa ny vokany ka tsy nahitan’i Mompera Chevrier ny Sitrapon’Andriamanitra intsony, dia ampy ho azy tanteraka ny fandavan’ny Arseveka. Ny fandaminana ny Prado ho fikambanan-drelijiozy no voakasik’izany. Tamin’ny 1875, noho ny soso-kevitra avy amin’i Monsenera Dubois, Eveka misionera, sy ireo Mompera Capucins dia nanontany olona maromaro momba izany i Mompera Chevrier, saingy toa tsy rotitra loatra ny tao amin’ny Arsevesen’i Lyon. Mety ho azony natao, na dia tsy nanosihosy ny fanekena aza izy, ny nanao lemozy na nitady lalan-kafa, nefa dia nilaozany io fikasana io, ka nijanona ho Pretra dioseziana izy, na dia nanosika azy mafy hanorina fikambanan-drelijiozy aza ny sasany. Ary farany, dia teo am-pialana aina no nametrahany ity hafatra farany ity ho an’ny fianakaviany ara-panahy : « Horaisintsika ho lehibentsika mivantana i Monsenera Arseveka ».[26]

 

Pejy faha-017

 

Nambaran’i Mompera Chevrier tamintsika tao amin’ny taratasiny vao novakina teo ny momba ny famantarana fahatelo : « momba ny ara-bola indray dia ny fitiavan’ Andriamanitra no manome azy hita maso azo tsapain-tànana mba tsy hampisalasala. »

 

Tsy fanamarihana fe fanamarihana fotsiny io, satria fantatsika ny maha-zava-dehibe azy teo aminy[27].

 

Azo lazaina fa tsy dia sarotiny loatra i Mompera Chevrier momba ny famantarana fahefatra. Nionona tamin’izay tena ilaina izy tamin’io. Izao no nosoratany ho an’i Mompera Gourdon : « Tsapako fa tsy irery intsony aho », kanefa nandritra ny fiainany manontolo, dia tena avy eny lavitra tokoa no niarahabany ny « Tany Nampanantenaina », satria mbola ho an’io Mompera io ihany no nanoratany taoriana kely :

 

« Raha voatery hifanalavi-toerana ny vatantsika, ny fo amam-panahintsika kosa mifanakaiky, koa samia miaina ny fahantrana masin’ny Tompontsika. Na dia tsy tokony hahagaga antsika aza io fanapahan-kevitry ny mpanolotsaina ny Arseveka io, dia tsy maintsy hajaintsika ka horaisintsika am-panetren-tena. Tsy voavinavinan’ireo olona ireo ny antony manentana antsika, hany ka lazainy fa tsy hita izay ilàna Pretra Prado iray hafa koa. »[28]

 

Raha tiana hosoritana ny làlana ara-panahin’i Antoine Chevrier, dia ho hita fa tena olona nahatsapa ny fiantsoan’Andriamanitra azy manokana izy tamin’ny 1856, rahefa avy niasa enin-taona tany amin’ny Paroasy. Tapa-kevitra marina izy fa hanara-dia akaikikaiky kokoa an’i Jesoa Kristy.

 

Tamin’ny 1860, rehefa nanorina ny Prado izy, dia nitombina tsara tamin’io làlana efa nombany tao anatin’ny efa-taona io, kanefa tsapany ombieny ombieny fa toa tandindomin’adidy mivelatra bebe kokoa io fiantsoana azy io. Avy aminy no sitrak’Andriamanitra hanentanana olona hafa ; hany ka tamin’ny 1866, dia tsy nanana fisalasalana intsony izy fa tena azo antoka io fiantsoana lehibe niantefa taminy io. Nizotra tamim-panetren-tena sy fahamatorana izy. Fantany manokana, fa tsy azony havela ho an’ny hafa ny fampianarana ny Evanjely natokana hataony.

 

Tsy maintsy manao dingana iray vaovao anefa i Antoine Chevrier hanatanterahana izany. Tsy maintsy ekeny ny fandravana ny asa efa nimatimatesany. Natahorana tokoa manko izy io, ary noraisiny ho sitrak’Andriamanitra ny fanombohana azy.

 

Manoloana an’izany zava-mitranga izany, dia toa mahagaga ihany ny fandraisany ny tsy fahombiazana tamim-panetren-tena, kanefa tsy nanary ny fitokisana tamin’ny 1856 sy 1866. Avy amin’Andriamanitra io asa io. Ny fifindran’i Mompera Jaricot tany amin’ny « Trappe any Aiguebelle » tamin’ny 1878 dia fitsapana ho azy.

 

« Mitera-bokatra mahavariana ny ohatrao. Milaza amiko manko i Mompera Duret, tao anatin’ny andro maromaro, fa tsy mahay mampianatra katesizy hono izy, ny fanahin’ny tena hono aloha no vonjena, tsy ilaina amin’ny fanatanterahana asa tsara be toy io hono izy, fa hain’Andriamanitra ny mahita olona hasolo azy, ary tsy handao ahy fotsiny amin’izao hono Andriamanitra ; te-hanao laretirety hono izy, te-hiasa, ary te-hifindra any

 

Pejy faha-018

 

amin’ny « Grande Chartreuse ; Tsaratsara kokoa ho azy hono no nijanona Frera ka nanokan-tena amin’ny Asa fa tsy nanana ny andraikitry ny Pretra ; mampatahotra azy hono izany andraikitra be izany sy ny fitsaran’Andriamanitra ; rahefa miverina avy any amin’ny « Grande Chartreuse » hono izy dia hahazo hery sy hatoky kokoa ny fiantsoan’Andriamanitra azy ; kanefa hono eo an-kilan’izany tena soa tokoa ny fiantsoana ho Prado, ka tsy hifidy noho io izy, kanefa tsy maintsy mandeha aloha… Asa na handeha ihany izy na tsia aorian’izao fifandimbiasana[29] izao.

 

I Mompera Farissier indray te ho misionera foana ka tsy voasitriny intsony indraindray ny faniriany ho any Chine.

 

I Mompera Broche indray tia kokoa an’i Limonest toa izay Prado ka ataoko fa hijanona any miaraka amin’Ingahy Jaillet.

 

I Mompera Delorme kosa tsy salama ka tsy mahavita tena na dia be herim-po aza. Ilainy ny fipetrahana volana vitsivitsy any ambanivohitra sady tena handreraka azy be koa ny fisarahana amin’ireo namany.

 

Raha tahaka izao ny fahombiazana, dia iangaviako ireo « Latinista » ireo ho any amin’ny Seminera ary tsy ho afaka handray ankizy amin’ny Komonio Voalohany intsony aho. Tsy afa-manao tahaka ny taloha intsony manko aho satria sady tsy salama no mihareraka. Nanome mpanampy ahy Andriamanitra dia nalainy tamiko indray izy ireo : isaorana anie ny Anarany masina. Porofoina amiko mazava tsara fa tsy manavakavaka izy ka mila an’izay rehetra afaka hanao ny Asany. Lazainareo rehetra fa tsy mila n’iza na iza Andriamanitra hanao ny asany ary rahefa tsy eo isika dia haniraka olon-kafa hasolony antsika Izy, ary hahavita tsaratsara kokoa noho isika izy ireo ; marina tsy azo lavina izany, ary manamafy ny fanantenako sy manamaivana ny alaheloko, satria tena halahelo marina tokoa aho raha hilaozana fotsiny amin’izao tsy hisy olona ny Prado ; izay nitsembohana tsy nitandroana hasasarana ary nampibebahana olona nandritra ny valo ambin’ny folo taona.

 

Mandehana mivavaka sy manao asa fivalozana any am-pitokana-monina daholo ianareo. Anenenako ny tsy mba hahafahako ho any satria mila izany bebe kokoa noho ianareo aho ; noho izaho antitrantitra kokoa ; izany hoe be fahotana kokoa. Fa tsy ho any aho ; mety ho any Saint Fons aho angamba ; ary amin’izay aho mba hahazo fiononana satria afa-nanabe trapista ; chartreux, misionera fa tsy katesista fotsiny ; izany angamba hoy aho no tena ilain’ny Fiangonana sy ny toetr’andro ankehitriny.

 

Veloma, ry sakaiza malala,mivavaha ho anay, indrindra ho ahy izay mba nihevitra ny nanao zavatra, hay tsy nahavita ninoninona akory. Anatra ho ahy anio izao fanambaniana ahy izao ka ho entiko hanonerana ny fahotam-piavonavonako sy ny ota hafa teo amin’ny fiainako.

 

Ny rahalahinao ao amin’i Jesoa Kristy nilaozana teo amin’ny hazofijaliana[30]. » Marihintsika ny tena hevitra lalin’i Mompera Chevrier. Lazaina fa malahelo mafy izy raha hofoanana fotsiny.

 

Niala tao amin’ny Prado ry Monpera Farissier sy Delorme taorian’ny nahafatesan’i Mompera Chevrier. I Mompera Broche kosa nandimby toerana an’i Mopera Duret. Izy izany no lehiben’ny Prado fahatelo amin’izao

 

Pejy faha-019

 

asa natomboka ao amin’ny Prado izao, hitany mibaribary anefa fa ny tsy fahombiazana dia teo amin’ny fanofanana natomboka tao amin’ny sekoly fanomanana pretra : « Noheveriko ho nanofana mpampianatra katesizy aho, nefa hay tsy nahavita ninoninona akory. » Teo amin’ny fotoana tsy nahafahany niverin-dàlana intsony no nitrangan’izany toe-javatra izany. Ary ny taratasy ho an’i Mompera Jaricot dia tamin’ny 9 Avrily 1878. Efa narary ela i Mompera Chevrier tamin’io. Tsy nanatrika ny famotehana ny asany izy kanefa kosa nametraka ny fanamafisana izay natombony teo am- pelatanan’Andriamanitra rahefa niala aina tamin’ny 2 oktobra 1879.

 

Sarotra ho antsika ny hanao tombana amin’ny havesaran’ny fitsapana farany nozakan’i Mompera Chevrier. Andriamanitra irery no mahalala ny vokany. Fa noho ny fahazavana avy amin’ny fahendren’Andriamanitra, moa ve tsy Famantarana ho antsika izy ireny, moa ve tsy fitombok’Andriamanitra eo amin’ny fiainan’i Antoine Chevrier izay nentaniny hitory ny Evanjely amin’ny mahantra, ary indrindra indrindra hanofana olon-kafa ho amin’izany Iraka lehibe izany ?

 

Fitomboka napetraka amin’» Ny Mpianatra Marina » koa io fitsapana io. Niainga tamin’ny fibanjinan’i mompera Chevrier an’i Kristy tamin’ny Noely 1856 io boky io.

 

Niainga avy amin’ny atrik’asa nataon’ny pretra mahantra ho an’ny mahantra tao amin’ny tanànan’i Jesoa Zazakely, tao amin’ny Prado, tao amin’ny Moulin-à-Vent.

 

Niainga avy amin’ny fanekeny ny asa nangatahin’Andriamanitra taminy dia ny « hanofana katesista »[31].

 

Dia nijanon-tsy vita teo. Ireo izay te-hahita boky na laha-tsoratra ara-panahy, na famoasan-kevitra ara-teôlôjika pastoraly dia miala maina. Izay mahatsiaro tena fa voaantso hizotra amin’ny làlana nomban’i Antoine Chevrier kosa dia ampy azy ny hilazana hoe : « Raiso dia vakio ». Raha hitanao hatreo am-piandohana fa mbola tsy nifarana ny boky, dia noho ny fitondran’Andriamanitra daholo izany. Ary eo am- pamakiana azy, dia tsarovy mandrakariva ny fomba nentin’Andriamanitra nanentana ilay mpanoratra tamin’ny farany, tsy mba hoe hamita boky fa hoe : fiombonana amin’i Jesoa Kristy nilaozana teo amin’ny hazofijaliana.

 

Endrik’i Mompera Chevrier

 

Hilazalaza kely ny momba ny endrik’i Mompera Chevrier isika. Ilaina tokoa izany mba hahazoana izay nosoratany.

 

Ilaina kanefa tena sarotra atao.

 

Tsy ho vita na oviana na oviana ny milaza ny tena endrik’olona anankiray ; tsy hohitantsika na oviana na oviana ny zava-miafina ao anatiny ao. Fa rehefa niara-niaina ela sy nifanerasera taminy maharitra, dia mba misy ihany zavatra tsapa ka azo lazaina na angatahina amin’ny hafa ny ilazany azy.

 

Pejy faha-020

 

Ilaina izany fahalalana izany, mba hahazoana tsara izay heverin’ny mpanoratra hampitaina ao amin’ny asa soratra napetrany. Tsy milaza akory aho fa ampy hahazoanao ny hevitry ny boky manontolo nataon’i Mompera Chevrier izao savaranonando izao, fa mba ho làlana iray hahatongavana amin’izany.

 

Lava dia lava tokoa ny fotoana hifaneraserana amin’i Antoine Chevrier vao mety hahalala azy tsara. Toa izany daholo tokoa moa ny olon-drehetra. Fa tena manana ny fahamarinany manokana ho azy. Toetr’olona mirijarija, araka izay ho hitantsika, saingy miafina ambadiky fahamaontinana tsy misy toa azy ka lazain’ny sasany hoe : tsy misy fotony[32], ela dia ela tokoa vao miseho ny maha-izy azy. Tsy mba mangirana izy, ary tena matahotra lozan-tany ny mangirangirana fotsiny. Ny tena izy no tiany, ny mafy, ny vaventy na dia tsy miseho ety ivelany aza izany toetra izany, ary nomarihany mihitsy fa ny fizahozahoana dia fomba anankiray hanafenana amin’ny hafa sy amin’ny tena ny kilema tsy hahaiza-manavaka ny tena izy. « Mahantra, tsotra, madio, tsy misy haingony, na rendrarendra na hatsaram-bika mety hampitsiry ny fitsiriritana, tsy maintsy hentitra, maontina, mafy sady mateza ny zavatra tena ilaina. Mety ho lehibe sady mahafinaritra ny zava-tsotra. Ny kalisy volamena dia mety ho tsotra kanefa sady ngeza no mahafinaritra. »[33]

 

Nosoratany io momba ny fitaovana ampiasaina amin’ny Sorona Masina. Fa tsy noheveriny mihitsy fa ny endriny no nambarany ao. Mila fantarina amin’izany koa ve ny toetra maha-Lyonnais an’i Antoine Chevrier sy ny marika napetraky ny maha-taranaka avy any Dauphiné azy ? Mety ho nafindrany any amin’ny ara-panahy ny famantarana ivelany nandaozany ny harem-beny mba hitahirizany azy maharitra. Mety ho marina izany.

 

Tena Lyonnais ary dia Lyonnais tanteraka i Antoine Chevrier fa amin’inona marina àry no maha-Lyonnais azy. Sarotra dia sarotra ny mamaritra ny zavatra toy izany na dia tsapa tokoa aza ny fisiany.

 

Ny olona tsy Lyonnais dia mahafantatra an-kitsirano ny maha zanak’i Lyon an’i Antoine Chevrier. Fa ireo Lyonnais namany kosa somary miolakolaka ihany.

 

Fahantrana maha-Lyonnais an’i Mompera Chevrier, ohatra. Tena mifanohitra lavitra amin’ny fandraisan’ny mpiara-monina taminy ny fampivoarana ny fiheverana azy. Tsy mila karama izy ary tsy manompo asa. Ny ao an-taniefitranony dia nampanehoany ny fahantran’i Betilehema, ny mpiara-monina taminy anefa dia nankafy kokoa ny trano tsotra ety ivelany fa mirantiranty ao anatiny. Tsy tiany ny manorina trano fiangonana ngeza sy marevaka, fa ireo rahalahiny kosa tsy nisalasala mihitsy nanorina trano goavana sady tsy manafin-karena miaraka amin’ny vahoakan’ny Paroasiny, mba hampisehoany ny fitiavam-bavaka.

 

Marina anefa fa nisoritra teo amin’ny fiainan’i Mompera Chevrier ny takaitra navelan’ny fotoan’andro nahaterahany sy nahabe azy.

 

Zanaka lahitokan’olo-madinika, tia asa, niandrandra fiakarana teo amin’ny fiaraha-monina. Fiaraha-monina niray petsapetsa tamin’ny fitondrana mba hampanjaka ny filaminana ka tsy niray loha tamin’ny mpirotaka, kanefa fiaraha-monin’ny vahoaka madinika, fisainan’ ny vahoaka madinika io.

 

Pejy faha-021

 

Izao anefa, niditra tao amin’ny fiaraha-monin’ny Pretra izy raha mbola efatra ambin’ny folo taona fotsiny.

 

Tamin’izany fotoana izany, ireo miomana ho pretra, dia tsy olona beazina amin’ny ara-panahy ihany, fa vao mainka manoatra ny amin’izao androntsika izao aza : tao ny fanabeazana ny maha-olona « Greco-Latine » ; tao ny fahalalana teôlôjika, tao ny fampiharana ny fitondram-piangonana, fa tao ihany koa ny fifandraisan’ny olona samy olona nomena anarana hoe : « fomba amam-panaon’ny olom-piangonana ».

 

Natolotra an’i Antoine Chevrier ny tanjona kendren’ny fiainana maha-pretra, nekeny ary tsy nivadihany mihitsy. Aza adino io. Nandray zava-tsoa maro be tamin’ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanabeazana azy izy, azo singanina amin’izany ny lanjan’ny fahefan’ny lehiben’ny seminera zokiny momba ny ho aviny[34].

 

Nandritra izany fotoana izany dia nianarany koa ireo fomba amam-panaon’ny olom-piangonana hany ka rehefa nivoaka ny seminera izy dia mba afaka nilaza hoe : « Sorona Masina » rehefa niresaka Lamesa[35].

 

Ny fankafizany ny Evanjely sy ny fitiavany ny mahantra no nampihintsana ny taniravo nantentina rehetra ka namerina tamin’i Mompera Chevrier indray ny tena fototra nitrangany. Eo amin’ny fomba fiteniny no ahitana izany.

 

Rahefa nifanerasera mivantana tamin’ny vahoaka indray izy taorian’ny 1856, dia nivoatra haingana ny fombany ary niha tsotra be ny taratasiny raha nampitahaina tamin’ireo teo aloha.

 

« Alefako miaraka amin’Ingahy Broche izay nanaiky hitondra azy, ron’avokavon-janak’omby sy kobam-» gimôvy » ity ho an’i sakaiza tiana Delorme. Tsaboy tsara izy, ary aza misy atao ambanin-javatra izay mety hahasitrana azy. Vidio ao amin-dry Masera izay rehetra ilaina. Mety hanamaivana ny aretin-tratrany ny mitelina atody vao, roa isa-maraina ka arahina divay kely, raha toa ka azo atao.

 

Efa niresaka tamin’i Mompera Lehibenareo aho, ka ampahatsiahivo azy.

 

Vita soa aman-tsara tokoa ny fetinay.

 

Mivavaka mandrakariva ho anareo izahay. Hendre tsara mandrakariva.

 

Aoriana indray manoratra lavalava. Efa alim-be ny andro. Veloma »[36].

 

Tena manavanana an’i Antoine Chevrier tokoa ny fitsaboana nentin-drazana ampiharin’ny olona ao Guillotière ao.

 

Mbola tavela anefa ny tentin’ny fomba amam-panaon’ny olom-piangonana, ka na dia tao anatin’ny fitsapana mahery vaika aza, tsy afaka tanteraka. Tsy nampisalasala an’i Mompera Chevrier mihitsy no niantso hoe : « ry rahalahy malala hajaina » ireo Pretra nifanoratany, ary raha lazainy fa fanambarana ny maha mpanefoefo ny kiraro pantofla, dia soratany tsy misy somonga fa « mampiseho ny fahalemena » io kiraro io[37].

 

Aza gaga koa anefa raha mahita ao aminy ny taratry ny tantara nampisy toe-tsaina hafa be tamin’ny fotoan’androny. Nanana ny lanjany manokana teo amin’ny fitenin’ny Pretra io toe-tsaina io. Aza mety hampitahorina

 

Pejy faha-022

 

amin’ny fomba fiteny izay naverina amin’ny tena heviny ka nosoloina fiteny miangolangola kokoa fampiasa tamin’izany.

 

Oharin’i Mompera Chevrier amin’ny fota-mandrevo na honahona maloto ny vatan’ny olombelona, ny sakafo ilain’ny vatana mampilahatra antsika amin’ny biby. Aza raisina ho vokatry ny fampianarana « Jansénisme[38] ireny fomba fiteny ireny fa ny tena tiany hambara amin’ny fanoharana dia hoe tsy misy olona mahafolaka tanteraka ny vatany, eo anilan’izay ny sakafo hanintsika koa anie dia mitovitovy amin’ny an’ny biby koa saingy izy voavoatra sy voakolokolo fotsiny ihany e !

 

Tsy manala ny tena ventiny amin’ny boky anefa ireny antsimpirian-javatra madinika ireny satria tena matotra dia matotra tokoa ny voalaza ao.

 

Raha naverin’ny Evanjely any amin’ny vahoaka madinika fototra nitsiriany i Mompera Chevrier dia tena zava-tsoa tokoa izany. Mbola tsy ao ny tena ifantohan’ny saina aman’eritreritra. Fa ny tena mahatalanjona dia ny nanomezan’ny Evanjely azy ny hery mba hahafahany mitory azy araka ny tena izy. Nitsiry tao amin’i Antoine Chevrier ny masombolin’ny fahamboniana napetraka tao amin’ny zana-bahoaka rehetra ary niroborobo aoka izany ny fivelarany noho ny Evanjely. Tsy mba nandady teo anatrehan’ny lehibe izy, tsy mba tezitezi-poana na be fandrahonana na tamin’ny mahantra na tamin’ny mpanankarena, fa dia mitovy ihany ny fitondrany ny tenany, hany ka nanana hery nampilefitra izay olona noheverina ho faran’ny manan-daza.

 

Hoy manko i Camille de Marguerye : « Tsy nanavahany an’iza na iza ny fanajana olona, na mpanankarena izany na malahelo, tsy nanaitra azy manokana mihitsy ny mpanankarena »[39].

 

Ny fananany ny fanajan-tena dia endrika iray manokana tiako ho soritana eto. Olon-tsotra nahay nanaja tena izy ka tsy nanan-kenamaso nanoloana ireo noheverina fa ambony toerana ara-tsosialy, tsy sodokan’ny harena na ny fahefana na ny fari-pahaizana nananan’ny sasany. Tsy nisy nampihontsina azy ireny. « Raha samy vazo ihany, izaho tsy mita rano »[40] hoy izy. Misongadina mihitsy izany teo amin’ny fandanjalanjany ny zava-miseho. Tsy nandevozin’ny toe-tsain-tokana izy fa tena olona nanana ny naha izy azy.

 

Ny fahambonian’ny iraka maha-pretra izay niredareda tao aminy no fompitra nampirehitra io fahamendrehana olon-tsotra voajanahary tao aminy io. Ny Evanjely nitokisany no nanentana ny fandanjalanjany manokana ny zava-misy, ary niteny fa mba ho tena pretra marina tokoa, dia i Kristy irery ihany sy amin’ireo nirahiny no anankinana ny Antso noraisina sy nekena fa tsy amin’olon-kafa.

 

Mbola misongadina ao amin’ny fomba fanoratany koa izany fivelaran’ny fahamendrehana maha-olon-tsotra izany. Matetika, tsy in-droa na in-telo izy no mitanisa ny Evanjely, sy Md. Paoly tsy ampihambahambana fa mahatonga anao mamaky azy ho resy lahatra fa tena iainany ary ao anaty rany mihitsy ny Evanjely. Antenaina fa rahefa mamaky tsara ny an-dalana voasoratra momba ny Ny Mpianatra Marina isika dia hahatsikaritra izany voalaza rehetra izany ao amin’ny asasoratr’i Mompera Chevrier.

 

Pejy faha-023

 

Inty misy ohatra iray nalaina tamin’ireo taratasiny tena manintona ny saina aman’eritreritra.

 

« Mahereza àry, ry zanaka malala, aza mety ho sorena noho ny sembatsembana madinika mety hitranga fa mbola ho zatra ianareo. Ny fiaretana ny mafy sy ny fandresena ny sarotra no manefy ny tena lehilahy. Ny lehilahy tsy mba manana ninoninona niaretana na nijaliana dia tsy misy ilàna azy satria tsy mahay ninoninona. Ireny voasafosafo, voatambitamby, ary voadokadoka lava ireny dia olon-kanosa mataho-potaka »[41] Teny malefadefaka « ry zanaka malala » « ny sembatsembana madinika ». Avy eo amin’izay miakatra ilay feo « tena lehilahy ». Ny toy io no atao hoe teny tsy azo ivalozana fa marina tsy misy tomika. « Ny lehilahy tsy mba nanan-java-niaretana na nijaliana dia tsy misy ilàna azy satria tsy mahay n’inoninona ».

 

Tahaka ny an-kamaroany amintsika, dia tsy isaky ny manoratra i Mompera Chevrier no mampiasa io maha-Lyonnais azy io. Nilaina anefa ny nanazava an’io satria ny vava hono, mamoaka ny anatin’ny fo[42].

 

Zavatra roa loha maneho bebe kokoa ny toetra maha Chevrier an’i Mompera Chevrier koa no tsara ho fantarina mba hahazoana izay voasorany, indrindra amin’ny taratasiny, dia ireto : olona toa mahery setra ary olo-matsilo saina mifantoka amin’ny zava-misy. Raha namaky an’io, iza àry no mbola sahy hitaraina na hidridridridry na hanohitra ny fahamarinan’izany. Miampanga tena ho « tsy misy ilàna azy » izy amin’izay. Ary mba hamalifaly ny mpamaky, dia indro miverina amin’ny fomba fiteny maha-Lyonnais azy i Mompera Chevrier raha milaza hoe : kanosa mataho-potaka. Ampifandrafesiny eto ny « tena lehilahy » sy ny olona « malemy tsy marary » fa matahotra ny hiatrika adidy sy andraikitra.

 

Olona be fikirizana izy. Tsy milaza aho fa tia hetraketraka, manjakazaka mafy loha tsy azo ahodina i Mompera Chevrier mba hahatongavany amin’izay kendreny. Tsy olona nentim-po mora sendaotra izy. Olona malemilemy fanahy izay izy, ary tsy mieboebo na tia sehoseho ; olon’ny tena izy fa tsy olon’ny sentosento. Ary io no tena mahaliana azy. Ary io toetra io no mahatonga ilay fomba tsy azo ivalozana ilazany ny tena masaka ao amin’ny ati-panahiny rahefa mizara ny traikefa ara-panahiny izy. Tahaka ireo rehetra ampiasain’io toe-panahy liana ny tena marina io, dia tsy mihambahamba izy mampiasa ny teny hoe rehetra na tsy misy, toa an’i Md. Jean de la Croix[43].

 

Na izany na tsy izany anefa, dia ny fandinihana lalina ny Evanjely sy i Md. Paoly no nahazoan’i Mompera Chevrier fomba fiteny tsy misy holakolaka mifandraika amin’ny toetra nomen-Janahary azy.

 

Olona matsilo saina mifantoka amin’ny zava-misy i Mompera Chevrier. Tsy anambarana velively io fa olona mirefarefa amin’ny tany izy, fa entina

 

Pejy faha-024

 

hilazana fa ity lehilahy ity dia tena olona mahay mandinika ny zava-misy eo amin’ny fiainana, olona manana traikefa[44] hoy i J.F.Six.

 

Toa hoe olona tsy be nanana nofinofy loatra izy ka zary tsy mba manaitra firy ny zavatra ambarany. Mazava ho azy amin’izany koa ny tsy mba nahitany lohateny manintona amin’ny bokiny. Mifanao atsimo sy avaratra amin’ny fomban’ny mpanao gazety ny fombany. Ny mpanao gazety manko, mba hahazoana olona hamaky betsaka, dia manisy lohateny indraindray mifanipaka amin’ny tena marina sy ny fanajana ny mpamaky. Mamitaka matetika ny lohatenin-gazety. I Mompera Chevrier indray kosa, mba mahita lohateny manodoka ihany, saingy mifamadika amin’ny an’ny mpanao gazety. Ao ambadiky ny manjavozavo no anitrihany ny harem-be. Lazainy amin’ny lohateny, ohatra : « Fandavana ny sain’ny tena », hohazavainy io aloha fa rahefa avy eo, dia hampafantariny antsika amin’izay ny hoe : « Ny Fanahy Masina mitsoka amin’izay tiany aleha », ary mampanao ny olomasina « zava-mahatalanjona » ary mampaneho amin’izy ireo » ny aingampanahy sy ny fiheverana ny fitiavan’Andriamanitra tsy misy fetra »[45].

 

Mahalana dia mahalana izy amin’izany vao mba mampiasa fanoharana noforoniny. Hita ao amin’ny Ilay Mpianatra Marina ohatra, ny fanoharana momba ilay sarisarin-kazo. Sarotra dia sarotra ny mahazo ny tiany hambara amin’io raha ny fomba fametrahany azy no jerena[46].

 

Mifanohitra amin’izany anefa, raha zavatra hitany no hadihadiany, noho ny traikefa ananany sy ny fahaizany mandini-javatra, dia tafitany tsara tokoa, amin’ny teny fohy sady hentitra ny fanambarana azy. Ohatra, raha mba tsikarintsika ny fitantaran’ny mpiasa iray ny asa tiany, dia ho azontsika mora foana ity manaraka ity : « Mba ho tahaka ny fitantaran’ny olona ny momba ny asa tiany, ny fitafiany, ny fananany anie no mba fahalalanareo koa ny Misterin’ny Tompontsika ka ataonareo toa zavatra anananareo, iainanareo, resahinareo, an-davan’andro »[47].

 

Niaraka niasa tamin’ny fahasoavan’Andriamanitra io fanomezana voajanahary io, ary niorim-paka lalina tao aminy koa ny fahendren’Andriamanitra hita teo amin’ny asany ka nihamatotra hatrany hatrany arakaraky ny fotoana nahazoany nampivelatra sy nampitombo azy teo am-perinasa ara-panahy[48] sy apôstôlika.

 

Pejy faha-025

 

Manampy antsika hahatakatra zavatra maromaro io toetra manokana nananan’i Mompera Chevrier io.

 

Ny fahavotsany mandray fanapahan-kevitra aloha, avy eo ny fitanany hentitra dia hentitra ny fanapahan-kevitra noraisiny, ary farany ny faharetany nanatanteraka azy. Ity fahavotsana maka fanapahan-kevitra ity angamba no azo lazaina fa tsy fahampiana teo amin’ny toetrany. Lanjalanjainy maharitra dia maharitra ny mety sy ny tsy mety vokatry ny fanatanterahana ny fikasana iray, hany ka heverina ho toa ny tsy sahy miroboka izy.

 

Mety ho fahamalinana nateraky ny fiaraha-monina nipoiran’ny ankohonany io, dia ny fiaraha-monina tambanivohitra any « Dauphiné ». Tsy isalasalana anefa fa maneho ny faniriana tsy hanatanteraka afa-tsy ny sitrak’Andriamanitra izany. Fa raha ampitahaina amin’ireo olon’Andriamanitra toa azy i Mompera Chevrier, dia tsy mba nirotoroto naminavina ny ho avy sy nanatontosa izany. Nilainy tokoa ny fiankinana tamin’izay rehetra efa vita sy ny tena misy marina. Izany no nilany famantarana raha tojo zavatra atao tsy hita maso mivantana izy.

 

Tsy niverin-dàlana tamin’ny fanapahan-kevitra noraisiny izy noho izany, na inon-kidona na inon-kihatra teo amin’ny fiainana an-davan’andro ; satria tsy manohitra ny fizotry ny zavatra tanterahina sy efa ela niotrehana intsony ireny.

 

Toa sahiran-kirana tokoa izy, noho izany, indrindra raha zavatra tsapatsapaina no tian-ko tanterahina. Kanefa tsy olon’ny fisalasalana izy ary tsy kizintina koa, fa tiany ny manatanteraka am-pitoniana sy amim-paharetana izay heveriny ho sitrapon’Andriamanitra. Mampiseho izany toetrany izany indrindra ity sombiny amin’ny taratasy nosoratany momba an’i Paul du Bourg naman’Ingahy Camille Rambaud ity : « Tsy mba miantehitra loatra amin’ny fitondran’Andriamanitra niankinanao mandrakariva izy, tsy sahy, tsy ampy finoana, tsy manana ilay finoana manentana ny olona hanatanteraka ny asa natomboka, tohizina ary zohina an-kavitrihana »[49].

 

Ao aoriana ao isika dia hahita ny vinavina kasain’i Mompera Chevrier handaminana ny bokiny. Azo lazaina fa tena sahirana tokoa izy amin’ny tsy fananany faminavinana sy nohon’ny fikasany hanaraka izay traikefa efa vitany. Tena tsy mpamoron-tantara mihitsy izy.

 

Pejy faha-026

 

Manambara ny fitiavany ny fahamarinana ihany koa izany fahiratan-tsaina mifantoka amin’ny zava-misy izany. Tsy mba olon’ny fitaka izy, ary raha tia fahamarinana aza, dia olona mpanatanteraka koa. Izay toa tsy ampy kely voatanisa mikasika ny toetrany izay anefa dia voatototry ny fitiavany ny tena marina. Ho azy, ny marina no tsy maintsy atao satria efa nandramana ny heriny sy ny vokany. Ary toy ny mpiasa feno fitiavana ny asany no nanatontosany azy tamim-paharetana.

 

Ny fahatsapan’i Mompera Chevrier io marina tsy maintsy atao io no nahatonga azy nifidy io teny marina fa tsy hafa mitovy hevitra aminy, amin’ny bokiny ka ampiasainy matetika dia matetika : fantatra amin’ny vokatra aterany noho ny fitiavana ny tena marina. Manara-dia ny Tompony ny Mpianatra tena marina ; ny tena lehilahy marina dia tsy mba olon-ko azy fotsiny[50]. Ny fianakaviana ara-panahy tena marina dia manompo ireo rantsambatany mila izany[51] ; miaina ny tena fahantrana ny tena mahantra marina, sns…

 

Mifanaraka tsy misy tomika amin’ny Evanjelin’i Md. Joany ny tanisa momba io marina io, na dia heverina fa zava-boajanahary aza.

 

Nialoha lalana amin’ny fitandroana ny zon’olombelona araka ny Evanjely izany i Mompera Chevrier amin’io fitandrovany ny zava-misy iainana io. Ny fandraisany ny fahantrana, ohatra, dia mampahatsapa azy fa zavatra iray ihany no tsy maintsy tandrovina eto an-tany : dia ny maha olona ny olona. Ary tena manaraka tokoa ny Evanjely izy eto : ny aina, ny vatana, izany hoe : ny olona, dia ambonimbony kokoa noho ny sakafo sy ny fitafiana[52]. Milaza izany koa i Md. Paoly[53].

 

Ho azy, ny tena zavatra tsy maintsy imasoana, dia ny hahitana ny Endrik’Andriamanitra ao amin’ny olona ka hahatonga ny olona ho Olona – Andriamanitra, ny zavatra rehetra nomen’Andriamanitra dia ampiasaina hahatonga ny olona ho Endrik’Andriamanitra sy ho Olona – Andriamanitra, ka alohan’izany dia tsy maintsy tadiavina ny olona tian’Andriamanitra hanatontosa izany asa-panavaozana ny olona izany.

 

Tena manan-kasina tokoa ny Ain’olombelona teo aminy satria Ain’Andriamanitra. Notandroviny fatratra io maha-olona io. Izany no nahazoany manokana ny hevitry ny fahamboniana tsy misy itovizana ananan’ny tsirairay, indrindra ireo madinika ahilikiliky ny mpiara-belona. Tsinotsinona eo anatrehan’ny soatoavina maha-olona ny maha-olo-malaza ny olona iray. Dia mbola mifandray tanteraka amin’ny Evanjely koa io lafiny voatanisa io[54].

 

Tena olona mpanandrakandrana tokoa ve i Mompera Chevrier ? Tsy tafahoatra loatra ny filazana fa ao ambadiky ny fanamarihana, sori-dàlana, famakafakana nomen’i Mompera Chevrier, dia misy fanandramana daholo. Atolony antsika eo amin’ny fiainany izany. Ireo fiainany sy ny traikefa azony tamin’ireo andrana notanterahiny sy nodinihiny ireo no tsara horaisina ao amin’ny asa soratra napetrany ho antsika.

 

« Tsy maintsy mitondra antsika amin’ny fitiavana ny fahalalana an’i Jesoa Kristy »[55] !

 

« Ireo vehivavy tia vavaka no manasa ny Pretra, matetika, ary ny an-kamaroany amin’izy ireny, tsy manan-katao[56] ».

 

Pejy faha-027

 

« Indrisy, misy mihevitra fa noho izy manao asa soa, na mitana andraikitra toa izao na toa itsy, dia tsy maintsy manampy azy daholo ny olon-drehetra, tsy maintsy raisina amim-panajana izy, tsy maintsy homen-javatra izy »[57]

 

Indraindray i Mompera Chevrier dia manolotra am-pahatsorana ny zavatra nodinihiny, kanefa ao ambadik’ireny koa toa misy esoeso, notsoahina teo amin’ny zava-misy ara-piaraha-monina hita ombieny ombieny ao amin’ Ny Mpianatra Marina. Indraindray koa anefa dia vokatry ny fandinihana toe-tsaina lalina sy mazava izy ireny. Ary farany dia tena vokatry ny, traikefa ara-panahy manokany sy ny traikefa apostolika nananany indrindra fa ireo izay niarahany nanatanteraka tamin’ireo Pretra namany.

 

Nanamora izany fisokafan’i Mompera Chevrier izany ny fifandraisany mivelatra tamin’ny olon-kafa. Olona mora tohina na dia tsy olona nentim-po fotsiny aza. Io no niombonany mandrakariva tamin’ny hafaliana sy ny fahorian’ny olona. Mbola hohitantsika ao aoriana ao ny fanomezany lanja mavesatra tokoa io fiontanam-po sy halemem-panahy tsy maintsy ananan’ny olona apôstôlika io[58], ny lanjan’ny fananana ny toe-tsaina maha mpianakavy ny mpianakavy, ny fifankatiavana eo amin’ny Fianakaviana ara-panahy[59].

 

Mba hamaranantsika ity filazana ny Endrik’i Mompera Chevrier ity, dia tsy maintsy hambara ny maha-olon’ny firaisan-kina sy fiadanan’i Kristy azy noho ny finoany. Ho azy io finoana io no porofon’ny fisian’ny zava-tsy hita maso[60], ary ireny fisian’ny tsy hita ireny dia fototra manintona indrindra. Hany ka rahefa miresaka an’ireny izy dia tiany ery ny mampiasa ny teny hoe : « mahafinaritra ».

 

Mahafinaritra i Jesoa Kristy ! Mahafinaritra ny finoana !. Ny tenin’i Jesoa ataony hoe : Tena mahafinaritra izy ireo. Ny Pretra mahantra : Mahafinaritra io olona io. Fampiasany matetika izany na teo amin’ny resany na tao amin’ny sora-tànany. Manamarika manokana izany i Mompera Duret nandimby toerana azy voalohany teo amin’ny fitondrana ny fikambanana, ka hoy izy : »

 

O ry zanako malala, i Jesoa Kristy, teny tonga nofo, no taratasy velona nalefan’Andriamanitra ho an’izao tontolo izao fa tsy nandray azy izao tontolo izao. Am-pandohalihana anefa no tsy maintsy hamakiana Azy, amim-panajana fatratra. Tsy maintsy ianaranareo i Jesoa Kristy ary tiavinareo, ifikiranareo sy arahinareo ». Dia tohizin’i Mompera Duret izany ka hoy izy :

 

Notakiany mihitsy ny hanatitranterana ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy, any amin’ny Katesizy. Nankahereziny matetika amin’izany izahay : « Fototry ny fiainan’ny Kristianina io : tsy ampy ny fahalalana ny Tompontsika, tsy mino na mino fa ety ivelany fotsiny ary tsy latsa-paka io maha-Andriamanitra Azy io ny olona. Tsy maintsy taomina mihitsy ny olona hino an’i Jesoa Kristy Andriamanitra : fototry ny fahamarinana tsy maintsy apetraka ao anatin’ny fanahin’ny zanatsika io. I Jesoa Kristy no Lalantsika sy Fiainantsika ». Tsy afaka tao am-bavany ireo teny ireo. Ny fianarana an’i Jesoa Kristy dia zavatra tena mampiravo azy, ary rehefa miresaka momba ny Tompontsika taminay izy, dia nandre azy matetika tokoa aho nilaza tamim-

 

Pejy faha-028

 

piotanana sy feo feno hery amam-pikasana hoe : « Mahafinaritra anie Jesoa Kristy, rankizy e, tena mahafinaritra be mihitsy » ?[61]

 

Mety ho tsikaritra eto am-pamakiana azy fa tsy voafetra amin’ireo voasoratra ireo ny endrika maha olona voa-janahary sy ara-pahasoavana an’i Mompera Chevrier. Raha izany manko no tanana ho izy dia tsy marina mihitsy ary azo toherina an-kitsirano.

 

Mety halaim-panahy koa ny sasany hilaza fa toa feno fidokafana azy fotsiny ilay endrika. Tsy nanan-kilema mihitsy ve izy ? Nanana ny fahalemeny tahaka ny olombeona rehetra izy. Voalazako izany raha nanamarika ny tsy fananany toe-tsaina maminavina loatra aho, ny fahavotsany mandray fanapahan-kevitra. Teo ihany koa ny voatsiahiko amin’ny toetrany voafetra eo amin’ny manodidina azy sy ny fotoan’andro niainany. Tahaka antsika rehetra dia niady tamin’ny fiavonavonana sy ny fitiavan-tena izy, tsy azo lavina io.

 

Vao mainka sarotra kokoa anefa ny maminavina ny fetran’ny olona manana ny maha-izy azy. Etsy an-daniny, ireo rehetra nanambara ny momba azy, indrindra fa raha ny laza maha-olomasina azy no banjinina, dia voatarika hilaza, tsy hoe handravaka akory, ny zavatra mendrika sy manan-kaja vitany. Na aiza na aiza andrenesanao kabarim-pandevenana, eo amin’ny fiaraha-monina rehetra, ara-pinoana, ara-pahalalana, ara-toetsaina, dia izay tsara, soa, mitondra vokatra tsara ho an’ny akanga sisa nanamborana no lazaina. Sarotra noho izany ny fanadihadiana.

 

Etsy an-kilany indray, raha hita tena tanteraka ilay olona, dia tsy mety ny manome tsiny azy amin’ny fetra nisy teo aminy. Ny tena irina aza, dia mba ho maro ny olona no ho vitsy kilema toa azy.

 

Koa ho ahy manokana, dia tena resy lahatra aho fa i Mompera Chevrier dia tena olona tanteraka ary mahomby. Nisy manko ny fotoana namparikoriko ahy na dia ny mijery azy fotsiny aza, fa rahefa nahalala azy tsara, niara-niaina taminy, dia tena niraikitra am-po taminy aho, ary nahatsikaritra ny tena soa toavina maha-olona vokatry ny fahasoavan’ny Evanjely tao aminy. Lazaiko eto amim-pahatsorana izany. Voalaza fa olon-tsotra tsy dia manahoana loatra izy. Izaho indray milaza fa nananany avokoa ny toetra maha-olon-tsotra, fa ny firaiketany tamin’i Jesoa Kristy sy ny finiavany hanaraka azy no mampakatra ireo hery manentana ny natiora ho lavorary.

 

Nisy dia nisy anie olona niaina tamin’ny androny, azo lazaina fa nahay, tia olona, kanefa tsy vitan’ny hoe tsy afa-nanoatra noho ny zava-nisy, fa tena tsy nahatsangan-javatra maharitra ho an’ny ho avy akory e !

 

Anatra lehibe io : ny maha-izy azy ny olona iray dia tsy voasoritra raha tsy eo ambany mason’Andriamanitra[62].

 

Famolavolana ny Mpianatra Marina

 

Raha toy izany àry ny fitantarana ny sehatra nahaterahan’ny boky Ny Mpianatra Marina, dia andeha indray handramana hosoritana ny tantaran’ilay boky, miainga avy any amin’ny fikarohan’i Mompera Chevrier[63].

 

Pejy faha-029

 

Fantatra mazava, fa ny fitsipi-piainana tamin’ny Desambra 1857 no tsy maintsy hanombohana.

 

Ny fifanohizan’ny sori-dalana tao amin’ny fitsipika natao tamin’ny 1857 sy ilay lahatsoratra nentin’i Mompera Chevrier niasa tany Roma roapolo taona taty aoriana, dia tena mahatalanjona tokoa. Tsy latsaka izany koa ny fahagagana rahefa tsikaritra fa ny voasoratra teo aloha dia miainga mivantana avy amin’ny « Fangalan-tahaka an’i Jesoa Kristy modelintsika ».

 

« Mianatra an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainany mety maty, eo amin’ny fiainany ao amin’ny Eokaristia, no ho fianarako tokana. »

 

Maka tahaka an’i Jesoa no ho faniriako manontolo, tanjona tokan’ny fandinihako, fiafaran’ny asako rehetra.

 

Te hitovy Aminao aho, Ry Andriamanitra Mpanavotra ahy, satria tsy misy modely mahatoky hafa azoko alain-tahaka. Ataovy tena mitovy tanteraka Aminao aho ka ho tonga iray ihany isika, ary ho tena solontenanao marina sy mendrika tokoa aho, eto an-tany na eo amin’ny fahefana na eo amin’ny hatsaram-panahy.

 

Raisiko ho Mpampianatra ahy sy ho modeliko Ianao, ho mpianatrao sy ho endrikao aho ka hazavao sy hamafiso.

 

Ny Pretra no endrik’i Jesoa lavorary indrindra eto an-tany, izy no mpisoron’Ilay Andriamanitra tao an-tranon’omby, Ilay Andriamanitra nietry tena ka naka ny endriky ny farofy indrindra, ny maharikoriko indrindra, ary nifangaro amin’ny zava-boaary navarin’ny fahotana. Izy no Pretran’Ilay Andriamanitra tao an-tranon’omby, Ilay Andriamanitra teo ambony Lakroa, Ilay Andriamanitra nahafoy ny Ràny ho an’ny mpamono Azy, naharitra tamin’ny fijaliana sy ny fanaratsiana.

 

Napetraka hanome aina indray ny hatsaram-panahy rehetra, sy ny ohatra velona nomen’i Jesoa Kristy ny Pretra, ka noho izany dia izy no tsy maintsy ho endrika lavorary indrindra maneho an’i Jesoa Kristy eto an-tany. »[64]

 

« Maka tahaka an’i Jesoa àry no tanjona tokana kendreko, fiafaran’ny fieritreretako sy ny asako rehetra, zava-kendren’ny fikasako sy ny faniriko. Raha tsy misy izany, dia tsy ho tena Pretra marina na oviana na oviana aho, ary tsy hitera-bokatsoa na oviana na oviana ho an’ny famonjena fanahy izay asa ataoko.

 

Mianatra an’i Jesoa, Io no fianarako.

 

Maka tahaka an’i Jesoa, O ry Andriamanitra ô, mafonja anie ny hevitr’izany é ! »[65]

 

Manaraka an’izany, dia ny « fanarahana an’i Jesoa Kristy » indray no antitranteriny : vokatry ny fahalalana sy ny firaisana ny fakan-tahaka. Lasa mpibanjina an’Andriamanitra fanahy iniana teo amin’ny apôstôlà i Mompera Chevrier, ary io làlana io no tiany hampianarina.

 

Atao ahoana àry no handaminana ireo fanandramana efa natao ? Tsy any mihitsy ny zava-kendrenay. Mikaroka izahay mba haneho ny lahatsoratra voavolavola indrindra. Saingy hita misoritra amin’ny ankapobeny ny fomba nentin’ny Mompera Chevrier namelabelatra ny heviny.

 

Miainga avy amin’ny tsirin-kevitra fototra izy, dia manitatra sy manamafy azy eo am-pamerenana ombieny ombieny ny asa.

 

Mitovy amin’ny ataon’ny mampianatra ihany ny fomba nampiasainy tamin’izany. Na teo amin’ny toriteny ho an’ny mpiangona izany, na teo amin’ny fampianarana.

 

Pajy faha-030

 

Katesizy tamin’ny ankizy, na teo amin’ny fanofanana ireo ho Pretra, dia nampiasainy hatrany ilay antsoina hoe : « paika malalaka ».

 

Mba hanamarihana io fomba fiasa io, dia azo atao ny mametraka an’i Mompera Chevrier amin’ny ambaratongany maro.

 

Momba ny katesizy, noho ny fahitany an’ireo zaza tsy mahay ninoninona matetika, ka nahatonga azy hamorona ny Prado ho azy ireo, dia izao no voasorany : « Raiso amin’ny an-kapobeny aloha vao mandray ny an-tsipiriany. Ny an-tsipirihany mandrakariva no tian-ko azo. Ny bolongany aloha aroso izay vao manome ny vovony rahefa hita fa afa-mandray izany ny olona[66].

 

Tsy noho ny mpihaino votsa saina ao amin’ny Katesizy ihany anefa no ampiasana io fomba io. Tena ny fototry ny fampitam-pahalalana ara-pinoana mihitsy no voakasika eto. Azo lazaina aza hoe fampitam-pahalalana rehetra. Ny vontoatin’ny finoana manko dia sady voafintina no malalaka satria firaiketana amin’Olona tokana. Alohan’ny hamaliana ny fanontaniana inona no toriantsika ? Dia hoy i Mompera Chevrier hoe : Iza no torintsika ?

 

Io fomba io koa no nampiasaina amin’ny Seminarista. Nanamboatra kahie maromaro ho an’ny mpianatra tao amin’ny Sekoly fanofanana Solofo izy, ary nialoha lalana ny zavatra rehetra nomaniny ho an’ireo zoky nampanaoviny fiekem-pinoana alohan’ny nanirahany azy ireo hianatra filôzôfia tany amin’ny seminera Zokiny an’ny Diosezy.

 

Teo am-pamakiana ny asa-soratra maro dia maro nataon’i Mompera Chevrier, dia izao no mety ho tsikaritRay momba ny fivelaran’ny heviny :

 

Fintininy amin’ny andian-teny fohy ny Ventin-kevitra : « Mahalala an’i Jesoa Kristy, izay ihany ».

 

Avy eo, velabelariny ny hevitry ny teny hoe : mahalala : mahalala, mitia, maka tahaka na manara-dia. Araka ny Soratra Masina, ao amin’i Md. Joany, ny mahalala sy manara-dia, dia hevitra tsy azo sarahina.

 

« Ary izao no fiainana mandrakizay dia ny mahalala Anao hany Andriamanitra tokana sy Jesoa Kristy izay nirahinao[67]

 

« Izay manaraka Ahy, tsy mba mandeha amin’ny haizina fa hanana ny fahazavan’ny fiainana. »[68]

 

Manaraka avy eo ny anaran’i Jesoa Kristy manambara, ankoatra ny maha-olona azy, ny fiainany manontolo, voasoritra ao amin’ny « Tableau de Saint-Fons », dia ny Tranon’omby, ny Kalvery, ny Tabernakla[69]. Ny manara-dia an’i Jesoa Kristy izany, dia miova ho toa Azy mihitsy : mahantra, fantsihana, hohanina. Dia porofoina mazava tsara tsirairay avy ireo teny telo ireo.

 

Ary farany, ny teny hoe : « Izay ihany dia tena voavelabelatra mihitsy ombieny ombieny ao anatin’ny boky manontolo. Fantatra ohatra ireto : rehefa manana ny fanahin’Andriamanitra, dia izay ihany, ho an’ny tena irery ihany ; ho an’ny kôminôte irery ihany. Manana izay ilaina ihany ny mifaly…

 

Pejy faha-031

 

amin’izany. Tia an’Andriamanitra sy mampianatra ny mahantra, izay ihany. Rahefa mahafaoka ny fiainana miaraka amin’i Kristy dia ampiasainy amin’ny fomba maro samihafa io teny io, mba hanambarany fa tena lafo vidy tokoa anie izany fiainana izany amin’ny lafiny rehetra.

 

Mindrana fomba famelabelarana amin’olon-kafa an-tsitrapo mihitsy izy indraindray mba hampitana ny heviny. Hita mazava izany amin’ny fampiasana ireo andian-kevitra telo fonosin’ny « Tableau de Saint Fons ». Manamora kokoa ny fanazavana mikasika ny misterin’ny finoana mantsy io fomba io na dia heverina fa efa ela ka toa lany andro aza.

 

Amin’ilay kahie iray mitondra ny lohahevitra hoe : « ny maha-pretra » dia tena boky iray goavana mihitsy no natombok’i Mompera Chevrier. Nandramany narahina ny filamatra iray mikasika ny famelabelarana teôlojia satria ny toko voalohandohany ao dia mitsinjara ho fizarana manjavozavo toa ny hoe : zava-kendrena, hatsarana… fomba nahatongavan’izany firaisana (amin’i Jesoa Kristy) izany, ny liana azy, ny vokany.

 

Tamin’ny farany anefa dia filamatra notsoahiny avy ao amin’ny Evanjely no nampiasain’i Mompera Chevrier. « Raha misy te-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, sy hitondra ny hazo fijaliany, ka hanaraka Ahy ».[70]

 

Ny fitiavana hanaraka Azy dia vokatry ny fahalalana an’i Jesoa Kristy, fahalalana miteraka fitiavana hamaly ny antso hoe : « Avia ».

 

Tanteraka io famaliana ny antso io, rehefa mandà ny tenany ny olona nantsoina ka vonona hitondra ny hazofijaliana eo am-panarahan-dia ny Mpampianatra.

 

Voatery nofenoiny io filamatra tao amin’ny Evanjely io, rehefa avy namaky sy nandinika fatratra ny Evanjely sy i Md Paoly i Mompera Chevrier. Misy tenin’i Jesoa hafa koa manko nanasa azy hanao izany. Ny teny hoe : « fandavan-tena » dia tsy maintsy nampiana hoe : « fandavana ny fianakaviana, fandavana an’izao tontolo izao[71], fandavana ny haren’ny tany »[72].

 

Fomba maro samihafa no narahiny mba hamelabelarany ny fizarazarana tsirairay. Nalainy ohatra ny fanadihadiana toe-tsaina rahefa niresaka mikasika ny fandavan-tena izy, ka nozarainy efatra : vatana, fo, saina, finiavana.

 

Mikaroka mandrakariva fifanjohin-kevitra izay tsy dia mora hita loatra izy, na ho azy manokana na ho an’ny mpamaky. Tsapa fa misy fizorana ara-panahy miandalana ao amin’ny filamatra. Eo an-daniny kosa anefa dia toa misy fisalasalana kely teo am-pandaminana ny asa soratra.

 

Indraindray koa io fandaminan-kevitra io, dia nampanarahany an-kitsirano ny fipetrany ao amin’ny Evanjely ao. Rahefa miresaka momba ny fanarahana an’i Jesoa Kristy amin’ny fifadian-kanina izy, ohatra, ao amin’ny fizarana farany, amin’ny Ny Mpianatra Marina. Voalazan’ny Evanjely tokoa manko fa nifady hanina efapolo andro tany an-taniefitra i Jesoa vao nanomboka nitory ny Vaovao Mahafaly. Avy eo tohiziny amin’ny vavaka mifandray amin’ny fifadian-kanina, ao amin’ny Soratra Masina.

 

Ary farany, dia ny traikefa apôstôlika

 

Pejy faha-032

 

nananany no tena mana-marika ny famelabelaran-kevitr’i Mompera Chevrier. Manaporofo izany ireo toko faramparany ao amin’ny boky holazaina atsy aoriana kely[73].

 

Na izany aza ny an-tsipiriany ara-tantara marin’ny lalana nomban’i Mompera Chevrier izay hitantsika hatram’izao, dia azontsika tànana mafy tokoa fa tsy misy na dia an-dalany iray aza, ao amin’ny boky Ny Mpianatra Marina, manana ny heviny raha tsy hazavain’ny aingam-panahy fototra : « Mifantoka amin’ny fahalalana an’i Jesoa Kristy daholo ny rehetra »[74]. Ivelan’io fahazavana io, lainga sy fitaka no sisa.

 

Tsy isalasalana koa fa ny fizotry ny dinika ao amin’ny boky Ny Mpianatra Marina dia notarafina tamin’ny Tableau de Saint-Fons.

 

Ny fizarana voalohany ao amin’ny boky Ilay Mpianatra Marina dia mitodika amin’ny Misterin’ny Fahatongavana ho nofo sy ny vokatra ateraky ny fahalalana izany mistery izany, dia ny firaisana amin’i Kristy, loharanom-pitiavana ny fahantrana sy ny fanetren-tena. Io no tranon’omby. Miaraka amin’izay, ny olona nahay nitia ny fahantrana dia vonona hitondra ny hazofijaliana izay efa raiki-tapisaka eo amin’ny fiainana maha mahantra azy. Ary noho izany, noho izy nanjary mofo, dia afa-miara-miasa tanteraka amin’Ilay Mofo velona nidina avy any an-danitra izy, ka manaraka azy amin’ny zavatra rehetra na aiza na aiza, mba hanomezana aina an’izao tontolo izao.

 

Boky inona tokoa re no tian’i Mompera Chevrier havoaka ?

 

Efa nomarihintsika fa teo am-pifandraisana mivantana mandrakariva tamin’ny olona izy no nanoratra. Nosedraina ombieny ombieny mihitsy izany ny lahatsoratra satria vokatry ny fifanakalozan-kevitra no namoronana azy.

 

Tany Roma, tamin’ny lohataona 1877, niara-niaina tamin’ireo mpianany voalohany i Mompera Chevrier. Tamin’io fotoana io izy no nanoratra tamin’i Josefa Jaricot : « Manao ny Mpianatra Marina aho ato. Manazava azy isan’andro. Hanomboka hampihatra azy izao ; ka eo angamba no hahitana fahasahiranana kely »[75].

 

Mitovy tsy misy valaka amin’ny toe-javatra ankehitriny ny zava-nisy tamin’ny famolavolana io boky io. Tsy an-kisalasalana no ampiharana ny tenin’i Mompera Chevrier momba ny fampianarana Katesizy, raha ny mikasika ity boky ity no tenenina. Hoy manko izy : « Tsy ny boky no mampianatra fa ny Pretra »[76].

 

Raha Pretra manofana tanora ho Pretra no mampiasa ny bokin’i Mompera Chevrier, ka fifanakalozan-kevitra amin’ny seminarista no anombohany izany dia tena mahomby mihitsy.

 

Boky novolavolaina ho an’ny mpianatra kanefa kosa ampiasain’ny Pretra hampidirany resaka amin’ny mpianany[77].

 

Mbola ny fahazoan’i Mompera Chevrier ny fanofanana tiany homena ny

 

Pejy faha-033

 

mpiofana ho Pretra ihany no manamafy izany. Izy ihany no manazava izany ao amin’ny Ny Mpianatra Marina. Ny tena paika mahomby dia izao, raisina miaraka amin’ny tena mba hampianarina, dia raisina indray, dia asaina mampihatra, tahaka ny nataon’i Jesoa tamin’izy roa ambin’ny folo lahy[78].

 

Natao ho an’ny mpanabe, manofana Pretra àry io boky io, mba hitanana azy ireo amin’ny ambaratongan’ny mistery miafina amin’izany andraikitra izany. Alain’i Kristy miaraka aminy mba hofanina ireo nantsoiny hanaraka Azy. Mistery tanteraka eo amin’ny olona irahina hiantsoroka fanofanana amin’ny fiainana araka ny Evanjely io.

 

Boky fanofanana ho Pretra Ny Mpianatra Marina satria tsy ny toetra ivelany tsy maintsy hananan’ny Pretra fotsiny ihany no lazaina ao anatiny, fa ao indrindra indrindra ny toe-panahy manentana io toetra io sy ny loharano iavian’io toe-panahy io. Koa ny manovo amin’io loharano io, sy ny miaina an’io toe-panahy io no tena ventiny amin’ny fanofanana Pretra. Mazava loatra araka izany fa azon’ny Pretra ampiasaina mandra-maty io boky io ; tsy maintsy tovozina tsy an-kijanona ao amin’ny loharano niandohany ny toe-panahy, mba haharitra ny vokany. Io ilay antsoina ankehitriny hoe : fiofanana maharitra.

 

Sady boky ho an’ny fanofanana ho Pretra no fitanisana ny toetra tsy maintsy ananan’ny Pretra ho an’ny mahantra : ireo lafiny roa ireo dia misongadina mihitsy ao amin’ny boky, eny fa na dia ny anaran’ilay boky aza dia nataon’i Mompera Chevrier hoe : « Ny Pretra araka ny evanjely na Ny Mpianatra Marin’i Jesoa Kristy Tompontsika ».

 

Mety omena lanjany bebe kokoa ve ny voalohany noho ny faharoa ? Arakaraky ny olona sy ny tantara io, ka ny sasany milaza fa metimety kokoa ilay voalohany[79].

 

Ao amin’ny Prado, dia mahazatra kokoa ny hoe : Ny Mpianatra Marina. Tamin’ny fanadihadiana hananganana ho olo-masina dia efa raikitra koa io, ary raha nety ho re ny feon’i Mompera Chevrier ankehitriny dia tsy niadivan-kevitra mihitsy ny fampiasany an’io tapany faharoa io[80].

 

Moramora tononina kokoa ilay faharoa noho ilay voalohany ka mety ho izay no nifidianan’i Mompera Chevrier azy.

 

Tsaratsara kokoa anefa, hoy aho ny manome soso-kevitra hoe : mety ho nisy antony manokana nifidianan’i Mompera Chevrier io tapany faharoa io.

 

Etsy an-daniny, dia notanany mafy mihitsy ny hanana Pretra voaofana ka maneho eo amin’ny fihetsiny manontolo io fahalalana an’i Jesoa Kristy io, mba ho mendrika hantsoina hoe : mpianany. Manamafy an’izany ny fanokafana ny boky[81].

 

Etsy an-kilany indray ny hoe : Mpianatra Marina dia Teny nampiasain’i Jesoa ao amin’i Md. Joany ary miantefa amin’ny Apôstôly[82].

 

Pejy faha-034

 

Ary farany dia izao : tsy Pretra daholo ny olona ao amin’ny Fianakavian’i Mompera Chevrier. Ry Frera sy ry Masera no nanotrona azy talohan’ny Pretra. Koa rariny sy hitsiny raha mba mitaky izy ireo fa ho azy koa no nanoratana ny boky Ny Mpianatra Marina. Tsy mijanona amin’izy ireo ihany anefa, fa maro dia maro koa ny lahika nanovo fahasoavana tamin’ny alalan’io boky io, ary manohy izay efa nataon’i Mompera Chevrier tamin’ny fotoan’androny.

 

Marina koa anie fa raha manaiky ny hiaina araka ny Evanjely ny Pretra dia tena Mpianatra Marina izy amin’izany e ! Safidy malalaka be izany ny fampiasana ny anaran’ny boky.

 

Boky inona indray ary no mba nataon’i Mompera Chevrier tantsoroka raha namolavola Ny Mpianatra Marina izy ?

 

Ankoatra ny Baiboly amin’ny teny latinina iray, dia nanana Baiboly voadika amin’ny teny hafa izy. Tsara ho fantatra anefa fa tsy mitovy amin’ny dikan-teny ankehitriny mihitsy ny dikan-teny tamin’ny androny.

 

Momba ny Evanjely indray dia nampiasainy fatratra tokoa ny bokin’i Mastaï–Ferretti. « Ny Evanjely mitambatra ». Hatramin’ny fahagola no efa nisy ny fampifandraisana ny Evanjely efatra toa io, ary hita ombieny ombieny tao amin’ny tantaran’ny fiangonana ny fanamorana ny dikan-teny momba ny Evanjey mba hahazoan’ny vahoaka azy tsara.

 

Nampiasain’i Mompera Chevrier tokoa io boky io satria mijery ihany izy dia mahita ny Evanjely efatra tsy nanalana. Ary nentaniny ny manodidina azy hampiasa io boky io.

 

Tsy mety intsony izany amin’izao androntsika izao. Ny fampifandraisana « sinoptika » no ampiasaintsika.

 

Tsara ho tanana amin’io paikan’i Mompera Chevrier io dia ny finiavany tsy hamela hisy hipika na dia kely aza ny voasoratra ao anatin’ny Evanjely.

 

Raha tenenina indray ny Testamenta Taloha, dia tamin’ny teny latinina no nilazan’i Mompera Chevrier azy, tahaka izany koa no nataony momba ny Testamenta Vaovao raha mampahatsiaro izy. Matetika dia ireo teny fampiasa matetika ao amin’ny misely romanina na breviera ka manavanana tsara azy ireny andian-teny ireny.

 

Naniry mafy mihitsy i Mompera Chevrier ny ho afaka mitodika amin’ny Soratra Masina[83] manontolo, fa ny Evanjely no tena nomeny ny toerana voalohany ka nidodododoany tsy tapaka. Tsy nataony ambanin-javatra kosa anefa ny Testamenta Vaovao, indrindra ny Taratasin’i Md. Paoly.

 

Aza atao mahagaga koa raha indraindray toa misy dika vilana kely tsy nahy, tafiditra amin’ny fivoasan’i Mompera Chevrier ny Testamenta Vaovao,

 

Pejy faha-035

 

indrindra ny Taratasy. Ohatra, ao amin’ny takila 195, raha miteny mikasika ny Rômanina 6, 13 izy : « Ny rantsam-batanareo hataony fiasàna fanaovam-pahamarinana ». Dia hoy i Mompera Chevrier : « fanaovam-pahamarinana mba hanasaziana anareo ». Mampihen-danja ny tian’i Md. Paoly hambara momba ny fitsaran’Andriamanitra ny fampiharana toy izany amin’ny fampijalian-tena.

 

Ohatra hafa, takila 149, raha miresaka momba ny tenin’i Jesoa amin’i Maria, tao amin’ny fampakaram-bady tao Kana izy. Ao amin’ny dikan-teny sy ny fivoasany azy, dia tena nozanahin’i Mastaï-Ferretti tokoa i Mompera Chevrier, noho ny fitokisany azy.

 

Mbola tsy nisy fampianarana manokana fandalinana Soratra Masina manko tamin’izany fotoana izany tao amin’ny Seminera, ka tsy mahagaga loatra.

 

Rahefa noheverina sy nodinihina anefa dia vitsy dia vitsy tokoa ny fitavozavozana toy ireny tao amin’ny Mompera Chevrier, satria tsy ny fikarohana fivoasana Evanjely vaovao no vaindohan’asa notanterahiny, fa ny vokatra azo tsapain-tanana entin’ny Evanjely eo amin’ny fiainany, avy amin’ny famakiana azy tsy tapaka, ny fandinihana azy, ny vavaka. Koa avy amin’izany no nahatonga ny Evanjely haninteraka ny fiainany manontolo ka nampahitsy azy fatratra.

 

Ankoatr’izay, dia ahitana an-dalana maromaro nalaina tamin’ny boky hafa koa ao anatin’Ny Mpianatra Marina kanefa tsy dia mazava loatra ny vokany teo amin’ny fomba nentin’i Mompera Chevrier namaky azy. Ny an-kamaroany amin’izy ireny dia ohabolana na teny filamatra latinina nankafizina fatratra teo amin’ny fiaraha-monin’ny Pretra tamin’ny fotoan’androny. Fehezan-teny notsoahina tao amin’i Md. Augustin saingy niova endrika ny iray tamin’ireny[84].

 

Misy koa filazalazana olona sasany, toy ny amin’i Curé d’Ars. Tsy mahagaga io satria olona mifankahalala tsara izy mianaka. Fampahatsiahivana an’i Md. Antoine mpitokamonina, Md. Benoît, Md. François d’Assise, sy ny hafa koa, izay fantany tamin’ny famakiana ny fiainan’ny olomasina, fanao tamin’izany andro izany sy ny fanaovana breviera. Nohafaran’i Mompera Chevrier tokoa ny famakiana ny fiainan’ny olomasina. Fantatra koa fa nomen’i Curé d’Ars toerana manokana io karazan’asa iray io.

 

Tsy manome lanjany firy eo amin’ny vesatry ny boky nampiasainy anefa ireny. Ary fantatr’i Mompera Chevrier mazava tsara izany. Tsapany ny tsy fahampiany fa tsy afa-manoatra izy. Izay ahavitany soa aman-tsara ny Iraka nekeny atao no nimasoany[85].

 

Teo amin’ny famolavolana ny fizarana sasany ao amin’Ny Mpianatra Marina, anisan’izany ilay nitondra ny lohahevitra hoe : « Manaraha ahy », dia toa izao manaraka izao indray ny paika nampiasain’i Mompera Chevrier.

 

1° – Nokarohiny manokana tao amin’ny Evanjely sy i Md. Paoly izay mifandraika amin’izany lohahevitra izany. Ravin-taratasy lavalava mandrakariva no nampiasainy noho ny fitiavany ny taratasy ampitsanganana. Nosoratany arakaraka izay nahitany azy ny Soratra Masina, tamin’ny alalan’ny fehezan-teny kely namintina azy, dia nasiany mari-pilaharana mankany amin’ny boky nangalany azy, na ny Evanjely mitambatra nataon’i Mastaï-Ferretti, na ny taratasin’i Md. Paoly. Ireto misy ohatra vitsivitsy momba izany :

 

Pejy faha-036

 

Manaraha ahy mijaly.

 

Teraka tao an-tranonomby Izy (27) (izany hoe : Lioka 2, 7).

 

Nomen’ny Anjely ny mpiandry ondry ho famantarana azy ny fahantrany (28) (izany hoe : Lioka, 2, 12).

 

Sns…[86]

 

2° – Alainy indray io lisitra io, dia alahany arakaraky ny fotoana nanaovan’i Jesoa Kristy ilay asa na nilazany ilay Teny. Tamin’ireo sora-tanany koa no nahitana fanomanana filamatra hafa, nandaharany ireo fehezan-teny voafantina, saingy tsy mitovy intsony ny filaharany. Narahiny arak’izany ilay filamatra efa voasoritra.

 

3° – Nindrana tanana hafa noho ny azy koa i Mompera Chevrier, seminarista, masera, mpanampy azy, mba hanoritra ny taratasy namolavolany ny asany. Matetika dia kahien’ny mpianatra mirefy 17 x 23 no nampiasainy, ka notsipihina mitsangana eo amin’ny 40 na 50mm eo amin’ny lafiny roa, an-kavia sy an-kavanana.

 

Nadika tsy misy diso teo amin’ny faritra afovoany ny Soratra Masina voatondro.

 

Teo an-kavia ny fehezan-teny namaritan’i Mompera Chevrier azy ho lohahevitra.

 

Navelany hadio kosa ny teo an-kavanana mba hahazoany mametraka ny fivoasana.

 

4° – Mbola hisy hafa mety hanaraka ireo amin’ny an-kapobeny.

 

Rahefa nangoniny ary ny fivoasana teo an-kavanana, dia nahazoany ny fanombohana Ny Mpianatra Marina.

 

Marihina anefa fa tsy vita toa izany ny toko maromaro faramparany.

 

Ka noho izany azonay lazaina fa mbola famolavolana ihany ny hita amin’ireo faramparany ireo, indrindra manomboka amin’ny hoe : « Manaraha ahy amin’ny fitiavako »[87].

 

Rahefa nodinihina akaiky ny soratanana, dia mifanaraka amin’ny tena izy io voalaza eo ambony io. Aoka tsy hohadinoina fa i Mompera Chevrier anie ka tsy mba olona voafototry ny fomba fiasa tokana e ; na teo amin’ny famolavolana boky na teo amin’ny fitondrana ny tranony, dia zavatra roa loha ihany no nandidy azy : ny fandaminana mitondra vokatra sy ny fampianarana vokatry ny traikefa izay manova matetika fandaminana efa napetraka.

 

Pejy faha-037

 

Ny fanontana ny bokintsika

 

Ary satria nisafotofoto be ihany ireo taratasy soratanana maro dia maro navelan’i Mompera Chevrier, noho ny asany naverimberiny im-betsaka teo am-pamolavolana ny bokiny, dia tsy maintsy nisafidy izay mety indrindra izahay. I Mompera Emile Desroche sy i Masera Renée de Limairac no nanana ny tombondahiny lehibe indrindra tamin’ny fandaminana izany.

 

Hatreo amin’ny fiandohan’ny boky ka hatreo amin’ny « Fandavan-tena », izay tapany lehibe indrindra, dia mba maivamaivana ihany ny asa satria efa mba voaoman’i Mompera Chevrier tao ilay kahie ngeza be efa voazaitrany tsara. Azo noheverina ho vita tanteraka io asa io. Tsy mbola nisy soratra ny am-pahany be tamin’io kehie io. Mbola saika hadikan’i Mompera Chevrier tao angamba ny sisa tavela tamin’ireo karine kely marobe sisa[88].

 

Soa ihany fa nanananay ny fandaharany ny asa nokasainy hovitaina. Matetika novany loatra io fandaminana io, ary mbola mety novany kely indray aza angamba alohan’ny nandikany azy madio tsara, kanefa araka ny fahitanay azy dia toa tsy nisy nilana izany loatra. Hambaranay ombieny ombieny izay mety mampisalasala na tsy mazava loatra mikasika izany.

 

Ho an’ireo fizarana hafa tsy voadika tao amin’ny kahie be, dia voatery nisafidy izahay. Tsy nanahirana anay loatra anefa izany satria mora be ny fifantenana ireo lahatsoratra voavolavola tsara indrindra.

 

Ho hita koa anefa fa ireo fizarana faramparany dia tsy ampy loatra ny famolavolana ny hevitra tiana ho voasoratra. Tsy nanana fotoana namitana azy intsony i Mompera Chevrier.

 

Koa aoka ary samy hitandrina tsara amin’ny firafitry ny boky an-kapobeny, mba hisorohana ny dika vilana. Izany no mahatonga ny fizarana hoe : « Fandavan-tena » ho lava dia lava, kanefa ilay farany mikasika ny « Fanarahan-dia an’i Jesoa Kristy » fohy dia fohy, raha heverina ny fonjan-kevitra tian’i Chevrier omena amin’ny fizarana io[89].

 

Eo anilan’ny lahatsoratra fototra, dia misy koa lahatsoratra mitovitovy hevitra aminy. Tsy nosoratanay daholo izy rehetra. Noheverina mantsy fa sao dia handreraka fotsiny ny mpamaky izy ireny, ary raha ohatra ka misy te hanao fikarohana manokana mikasika izany, dia afa-manatona ny tahirin’ny Prado izy.

 

Ireo lahatsoratra mifandraikitra hevitra nosafidianina ireo dia noheverina fa ilaina satria manambara hevi-baventy kokoa aza izy ireo noho ilay ao amin’ny lahatsoratra fototra.

 

Ireo lahatsoratra hafa tsy nataon’i Mompera Chevrier ho an’Ny Mpianatra Marina, dia nataonay any amin’ny lahatsoratra Fanampiny. Ilaina izy ireny mba hahazoana tsara ny hevitr’i Mompera Chevrier.

 

Nataonay izay azonay natao mba ho araky ny zohin-kevitr’i Mompera Chevrier ny firafetan’ny boky. Raha eo ambany maso tokoa manko ny

 

Pejy faha-038

 

soratanan’i Mompera Chevrier, dia ho tsapa fa tena zava-dehibe ny fandrafetana ny lahatsoratra.

 

Noheverina koa manko fa mety tsy mifanaraka amin’ny tian’i Mompera Chevrier hisehoany ny zavatra napetrapetra-potsiny mba hifampitohy ka manakana ny fifantohan’ny fandinihana. Nisy fomba matotra tsara nametrahany azy ireny mba hahasoa. Tsy teny natohitohy mba hovakina haingana no ao, fa hevitra matotra tian-kodinihina. Nanaja izany fandaharana izany izahay ary maromaro tokoa izy ireo.

 

Ny teny nalaina tamin’ny voasoratr’i Mompera Chevrier dia sora-pirinty mitsangana fa izay nanampianay azy kosa dia ao anatin’ny fonon-teny toy ity […]. Misy amin’izy ireny teny mpampitohy, tena ilaina mba ho feno ny hevitra ; misy teny latsaka na hadino, misy koa tsy hay novakiana. Ireo mari-piatoana dia matetika avy aminay satria tsy dia nametraka loatra azy ireny i Mompera Chevrier.

 

Madinidinika kokoa indray ny soratra ho an’ireo lahatsoratra lazaina hoe : maneho hevitra mitovy.

 

Ny momba ny lohateny na ny lohahevitra indray, dia izay efa nosoritan’i Mompera Chevrier ihany no nataonay eo amin’ny toerana mendrika azy, eny fa na dia misy hadinony tsy nahy aza tamin’izy ireny.

 

Ny teny latinina dia tsy nasiam-panovana fa natao any amin’ny fanamarihana ny dikany. Raha tsy misy fanamarihana mandika azy, dia efa manambara izay dikany ny fehezan-teny manaraka.

 

Niezaka izahay mba tsy hanova ninoninona amin’izay voasoratr’i Mompera Chevrier, ary notandrovina koa ny hahazoana mampiasa azy mivantana. Izany no antony nanajanay tanteraka ny paika nampihariny.

 

Torohevitra enti-mianatra an’i Mompera Chevrier sy ny Mpianatra Marina

 

Hahatsapa mora foana tokoa ianareo mpamaky fa natokana ho an’ny Fianakaviana ara-panahin’i Mompera Chevrier ity fizarana farany amin’ny Savaranonando ity, mba hahavaly araka izay azo atao ny hetahetany ity boky ity.

 

Efa voalaza àry fa fitaovana eo am-pelatanan’ny Apôstôly manofana Apôstôly hafa ity boky ity. « Tsy ny boky no mampianatra fa ny Pretra ». Tsy ho tanteraka mandrakariva ho toy izany anefa io fepetra io, fa ilaina koa ny asa samy irery ataon’ny tsirairay hasolo azy. An-koatra izany, dia misy soso-kevitra fampiharana mety ilaina ireto ho an’izay miantsoroka fanofanana.

 

Ny fianarana lazaina eto, dia tsy fikarohana ara-tantara, na teolojia ara-pahalalana akory. Marina fa ilaina ny asa toy izany. Fa ny eto dia asa

 

Pejy faha-039

 

fanompoana tsy azo avela ho an’ny Pradoziana tsirairay : Fandinihana manokana na samy irery, mba hizarana miaraka amin’i Mompera Chevrier sy ny heviny, ary hiainana ny fahasoavana niainany ka miampita amin’ireo mandova azy.

 

Ireto torolalana manaraka ireto àry, dia natokana mivantana mihitsy ho an’ny asa fanahafana ara-panahy.

 

Matetika no ahitana olona tonga ao amin’ny Prado kanefa tsy miraharaha izay Mompera Chevrier akory. Misy koa mitady ny tantaram-piainany hovakiana na sombiny amin’ny asasorany, dia miverimaina. « Tsisy mahasarika ».

 

Ho azy ireny àry dia tsy misy ilàna azy raha izay Chevrier fotsiny, ary zary sakana ho azy ireo aza satria tsy itovizana mihitsy na ny hevitra na ny fomba fiainana na ny fomba fisainana.

 

Tsy zava-baovao ny fitrangan’ny zava-manahirana, hoy i Mompera Chevrier. Nanoratra mantsy izy tamin’ny 1866 : « Nanoratra ho an’i Mompera Merle aho, fa tsy fantatro izay niafarany, tsy nahita an’Andriamatoa Lainé intsony aho, mbola manta angamba ny voankazony. Ataoko fa matahotra ny Prado ry zalahy. Ny marina dia tsy hita intsony izay olona azo ianteherana amin’ity trano maharitra ity. Tena tsy misy afa-tsy Andriamanitra sisa manohana azy, kanefa koa Izy tsy hita, fa olo-mahantra fadiranovana izay no mba mitana ny toeran’Andriamanitra ao, ary ratsy koa ny fitanany ilay toerana ka alaim-panahy ny olona hanalavitra fa tsy ho tonga hanakaiky »[90].

 

Fomba ahoana ary no hisehoan’ireny zava-manahirana ireny ? Antony telo fototra no hitako :

 

1° : Resaho Evanjely izahay fa tsy izany Mompera Chevrier izany, hoy ny sasany.

 

2° : Apetraho amin’ny toerana sahaza azy ao amin’ny Fiangonana tahaka ny hafa toa azy na lehibe kokoa noho izy i Mompera Chevrier.

 

3° : Raha tena tia an’i Mompera Chevrier marina ianao, aza mikaroka izay nolazainy sy nataony tamin’izany andro izany, fa izay tsy maintsy holazainao sy hataonao amin’izao fotoana izao no karohy.

 

Ndao horaisintsika tsirairay avy ireo antony telo ireo.

 

1° : « Resaho Evanjely izahay fa tsy izany Mompera Chevrier izany ».

 

Misy hevi-diso misovoka ao ambadik’io fahasahiranana io : mety hisy olona hanome antsika ny Evanjely tsotra sy madio tsy misy fangarony. I Jesoa irery ihany no afa-manao izany, ary efa nataony ny azy. Nomeny sy nankininy amin’ny Eglizy ny Evanjely ; saingy ao amin’ny Eglizy, tsy misy olona, noho ny herin’ny tenany samy irery, afa-miaina manontolo ny Evanjely am-pahadiovana lavorary na ho azy manokana na mba hanolorany azy amin’ny hafa.

 

Nomena antsika ny levenam-bola, azontsika tovozina ary tsy maintsy manovo ao isika, kanefa mifanalavitra loatra amin’ny tsenantsika ilay izy, ary raha…

 

Pejy faha-040

 

…tsy ao anatin’ny hazavan’ny lanitra isika dia tsy hahita na oviana na oviana ny tena Evanjely raha tsy izy efa nankelezin’ny toe-tsaina lomorintsika sy ireo nampianatra azy antsika. Ho any amin’ny Evanjely madio mangarahara no kasaiko haleha, kanjo tafanaraka olona fotsiny aho ka vao mainka koa nilentika tao anatin’ny toe-tsaiko ihany.

 

Soa ihany fa eo ny Fanahy Masina maniraka mpitari-dalana ho antsika, « mpanora-dalàna mahay tsara ny amin’ny Fanjakan’ny lanitra afa-mamoaka zava-baovao sy tranainy ary amin’ny fitoeran-drakiny »[91]. Iray tamin’izy ireny i Mompera Chevrier matoa nankatoavin’ny Eglizy ho Mpanorina ny Prado.

 

Vokatra roa no azo tsoahina amin’izany :

 

Voalohany, raha manahirana ahy ny handray ny fomba fanambaran’i Mompera Chevrier ny hafatra, dia tsy maintsy mandinika tsara aho, sao dia sendra manokatra ny fisainako handray bebe kokoa ny halalinan’ny Evanjely izy.

 

Faharoa, raha raisiko ho mpitari-dalana ara-panahy marina tokoa i Mompera Chevrier, dia tsy maintsy miezaka aho hiara-kidodododo aminy eo amin’ny Evanjely, mba hahazoako fa izay lazainy dia notsoahiny avy amin’ny fahalalana an’i Jesoa. Tsy maintsy mifikitra amin’i Kristy toy ny nataony koa aho.

 

2° : Olona sahala amin’ny rehetra ao amin’ny Eglizy i Mompera Chevrier.

 

Marina loatra izany saingy, tahaka ny hafa koa, dia tsara ny mamantatra ny anjara asa nankinin’Andriamanitra taminy. Tsy mety ny manohitra ny fahefan’ny Fanahy Masina haniraka mpanorina, olona nandray fahasoavana manokana sy malaladalaka kokoa mba hitari-dalana ara-panahy ny fianakaviana navoakany.

 

Marina koa anefa, hoy i Mompera Chevrier, fa tsy afa-manana ny Fanahin’ Andriamanitra ny olona, raha tsy manatona ny Eglizy sy ny olomasina. Izany no ilazako hoe : be ny zavatra azontsika ianarana amin’i Mompera Chevrier, mpitari-dalana ara-panahy mifanaraka tsara amintsika. Ho an’ny Pretra dia ilaina tokoa ny fikarohana lalindalina mikasika izany. Ary zavatra mety hitranga koa anie ny hitarihan’ny mpitari-dalana ara-panahy hafa nofidintsika sy azoazontsika kokoa mankany amin’ny fahalalana an’i Mompera Chevrier e !

 

Ary afa-mampitaha amim-pitoniana isika amin’izay, ilaina izany satria mahasoa. Aza taitra koa, raha mandritra ny fiofanana manokana, irahina ho any amin’i Mompera Chevrier ianao : fitokisana ny fanahin’Andriamanitra izany ho an’ireo nantsoiny hiara-dàlana.

 

3° : Karohy izay tiantsika hatao sy holazaina amin’izao fotoana izao.

 

Marina loatra fa izany no tokony hatao, saingy misy fomba maro mety hanatanterahana azy :

 

Mety halaim-panahy hamoromporona fotsiny tsy mila fanampian’olon-kafa. Famitahan-tena izany satria eo amin’ny fandraisana andraikitra manokana, dia manamarika antsika hatrany ny toe-tsain’ny fiaraha-monina, ny lasantsika, ny fomba amam-pihetsika ataontsika manokana.

 

Pejy faha-041

 

Marika voa-janahary apetraky ny Fitondran’Andriamanitra ao amintsika ireny, saingy mila fantarina ka tsy hionona amin’izao fotsiny ao anatin’io faritra tery kely io, kanefa toa malalaka ho antsika noho ny fahazarana.

 

Raha toa kosa anefa ka azontsika antoka ny fananantsika olona manana traikefa ara-panahy sy apôstôlika manokana mba ho mpanolotsaina ny tarika iray manontolo manohy ny asany, dia ekeo amim-pahatsorana fa ny Herin’ny Fanahy Masina no mampiasa io traikefa voatokana io hampamokatra ny fiainantsika ankehitriny.

 

Tsy manantena ny risi-po ve io olona io ? Maninona raha lazaina koa hoe : vao mainka tsara izany satria mametraka azy amin’ny tena toerany.

 

Avy eo, inona no havalin’io olona io antsika ? Tsy hoe : « raha izaho ianao, izao no nataoko », fa hoe : « Izao no hahitanao izay tian’i Jesoa Kristy hotanterahina eo amin’ny toerana misy anao » ; na, metimety kokoa aza : « izay tian’i Jesoa hatao amin’ny alalanao sy miaraka aminao izao dia izao ».

 

Farany, io antso manentana hikatsaka ny tsy maintsy hataontsika ankehitriny io, dia tsy maintsy hamohafoha ao amintsika koa ity zavatra iray loha manan-danja be ity : ny fanampian’i Mompera Chevrier anie, raha ny tena marina, dia tsy maintsy miaraka amin’ny fanampian’ny fianakaviany miaina ankehitriny, satria afaka misaotra an’Andriamanitra isika noho isika tsy irery, fa mbola manana rahalahy sy anabavy afa-mandray izany fiainana manara-dia an’i Jesoa irintsika izany.

 

Aza atahorana ny mijery azy ireny, ary aza anavahana na dia iray monja aza. Manampy antsika hamantatra an’i Mompera Chevrier daholo izy ireny, ary manampy antsika indrindra koa hahalala an’i Jesoa Kristy, hanao tsaratsara kokoa, ao anatin’ny Fiangonana, miaraka amin’ny Fiangonana manontolo, ny asan’Andriamanitra, eo am-pitoriana ny Evanjely amin’ny mahantra.

 

Miaraka amin’ny sori-dalana nomen’ny Konsily Vatikana II, momba ny foto-pinoana, dia nihazatra nanome toerana ny olona amin’ny asa aman-draharaha manavanana azy ao anatin’ny Fiangonana, ary mihamazava aminay kokoa fa ireo fianakaviana ara-panahy ireo no misy dia ny mba hampahiratra ela araka izay tian’Andriamanitra, ny iraka manokana, ary ny fanomezana tsy manam-paharoa natobany tao amin’ny olona nekena fa mpanorina azy.

 

Tsy ny lafiny ara-panahy voatokana ihany anefa no tokony handraisantsika ny filazana hoe : mpanorina fikambanana. Manana ny dikany araka ny lalàna izy io amin’izao androntsika izao, hany ka toa ahiahiana ho mpanao am-pihimamba ireo milaza fa mitana ho azy irery ny lova soa napetrany. Mpialoha làlana, mpanavao, olona nahazo fanomezana manokana hanompoana ny Vahoakan’Andriamanitra no tsy maintsy handraisana ny Mpanorina Fikambanana ; io ilay antsointsika hoe : asa aman-draharaha manavanana ; vavolombelona voatokan’Andriamanitra ho an’ireo nomeny fahasoavana manokana ny Mpanorina Fikambanana. Koa ny fitodihana any aminy no ahazoana manaraka ny fahasoavana omena ny tsirairay sy iainana ilay maha fianakaviana ara-panahy. « Ny tena firaisam-po marina dia ao amin’ny firaisan-tsaina iray ihany, eritreritra iray ihany, fitiavana iray ihany dia i Jesoa Kristy Ilay ivon-toerana avy amin’ny Fanahy Masina »[92].

 

Pejy faha-042

 

Ireto misy zava-droa loha tena ilaina ampiharina amin’ny fianarana Ny Mpianatra Marina : fahalalana ny fiainan’i Mompera Chevrier sy famakiana ny taratasiny.

 

Voatsiahintsika matetitetika ny boky nosoratan’i J.F. Six : Pretra iray, Antoine Chevrier.

 

Boky vao natonta tsy ela, tsara vakina raha tsy hijanona fotsiny amin’ny filazalazana fohifohy momba ny fiainan’i Mompera Chevrier isika. Tsy vitan’ny tantaram-piainana fotsiny manko io boky io, fa mametraka indrindra an’i Mompera Chevrier eo anivon’ny tantara tamin’ny androny.

 

Mahaliana tokoa ireo taratasy nosoratan’i Mompera Chevrier ireo, noho ny antony manokana, dia ny fampiharany isan’andro mihiratra ireo sori-dalana voasoritra ao amin’Ny Mpianatra Marina. Fomba roa no enti-maneho azy ireo. Boky iray voatonta pirinty nanangonana ireo lahatsoratra voafantina. Tsara ilay fifantenana, indrisy anefa, mba hahamendrika kokoa ny boky, dia tsy maintsy natao ny fanitsiana nilaina[93].

 

Nadika ho maromaro araka ny nanoratan’ny tompony azy ireo taratasy tonga taty aminay ireo. Efa lany izany amin’izao fotoana izao.[94]

 

Toy izao ny lasitra mety hampiasaina raha tianao ny handroso miandalana tsara :

 

a) Raha vao hanomboka hifanerasera amin’Ny Mpianatra Marina ianao dia metimety kokoa aloha ny hamakianao ireto fizarana ireto, manaraka ny filaharany eto :

 

Firaiketana amin’i Jesoa Kristy, p. 109

 

Fandavana ny haren’ny tany p. 275

 

Fandavana ny sain’ny tena p. 205

 

Mitondra ny hazofijaliana p. 325

 

Manara-dia an’i Jesoa Kristy p. 335

 

b) Afa-miasa tsara tokoa ianao, raha ao anatin’ny taratasin’i Mompera Chevrier no hikarohanao ny voasoratra ao amin’Ny Mpianatra Marina, hita ao daholo ny toko rehetra, ohatra ny fianarana an’i Jesoa Kristy, ny fahantrana, ny hazofijaliana, katesizy sy ireo hafa rehetra.

 

d) Raha asa mitohy manaraka ny boky no atao, dia araho ireto filaharan-kevitra ireto :

 

1) Ny fitiavana

 

– Ny misterin’ny fahatongavana ho nofo, fisehon’ny fitiavan’Andriamanitra amin’izao tontolo izao.

 

– Ny fahalalana an’i Jesoa Kristy izay miteraka fitiavana.

 

– Ireo fandaozana maro samihafa maneho ny fitiavana, ka manafaka amin’ny sakana eny an-dalana mitondra any amin’i Jesoa Kristy.

 

– Ny Hazofijaliana, famantaram-pitiavana maneho manokana an’i Jesoa Kristy sy ny mpianany.

 

– Manara-dia an’i Jesoa Kristy, fiainana ao anatin’ny fitiavana, eo amin’ny tena manokana sy eo am-panatanterahana ny iraka.

 

Pejy faha-043

 

2) Ny iraka

 

– I Kristy, Teny tonga nofo, Irak’Andriamanitra.

 

– Ny fahalalana an’i Jesoa Kristy : fanokafana antsika handray manontolo ny Iraka nentin’i Jesoa Kristy ho antsika.

 

– Ny firaiketana amin’i Jesoa Kristy : fihainoana ny Antso fanirahana, Avia manaraka Ahy,

 

– Ireo fandaozana maro samihafa, indrindra ny mikasika ny fahantrana : fahafahana ho an’ny olona irahina.

 

– Ny Hazofijaliana : Tahaka ny nanirahan’ny Ray Ahy, no indro anirahako anareo koa. Iraka tokana tanterahina amin’ny toe-tsaina sy fomba mitovy amin’ny an’i Kristy.

 

3) Ny olombelona araka ny lahatr’Andriamanitra

 

– Fahalalana an’i Jesoa Kristy, Irak’Andriamanitra satria Zanak’Andriamanitra tonga olombelona.

 

– Firaiketana amin’i Jesoa Kristy : Avy amin’ny Zanany no iantsoan’Andriamanitra olon-kafa,

 

– Fandaozana : Hiasa ho an’Andriamanitra, olona iray ihany no irahin’Andriamanitra ho an’ny olona rehetra. Ny fanirahana manontolo sy ny hery enti-manatontosa azy, dia ao anatin’ny maha Iraka avokoa. Ny fahafahana manoloana ny zavatra rehetra.

 

– Ny Hazofijaliana : ny Apôstôly voasedra dia olona mahari-pery, avy amin’izany no ananany ny hery sy ny fahalalana ary ny haitao rehetra ilaina.

 

– Ny fanarahan-dia an’i Jesoa Kristy : ny asan’ny iraka eo amin’ny olona anirahana azy, asa ekena mandrakariva ho an’ny olona fa tsy asa fe asa.

 

4) Ny teny :

 

Lohahevitra mafonja indrindra ao amin’Ny Mpianatra Marina ity lohahevitra ity.

 

– Ao amin’Andriamanitra no misy ny Teny, Teny nahariana ny zavatra rehetra.

 

– Ary ny Teny tonga nofo, naka fotoana itenenana amintsika, monina hiresaka mandrakariva amin’ny olombelona.

 

– Tsy maintsy iraiketana io Mpampianatra io, ary raisina amim-pahatsoran’ny tena mpianatra marina ny Teniny.

 

– Manadio, manova, manavao ny fiainantsika ny Evanjelin’i Jesoa Kristy tenin’ Andriamanitra, entin’ny Fanahy Masina manentana ny asantsika ho an’Andriamanitra.

 

– Mankahery ny fanahintsika hitondra ny hazofijaliana an-kafaliana ny tenin’ Andriamanitra.

 

– Tsy maintsy manara-dia an’i Jesoa Kristy eo am-pitoriana ny Evanjely, manomboka izany tahaka ny nanombohany azy : fivavahana, fifadian-kanina, fisehoana eo anivon’ny olona an-kalemem-panahy, am-panetren-tena, an-kamoram-po.

 

– Fomba hentitra, marina, tsotra, tsy manavakavaka, amin’ny fotoan-drehetra sy amin’ny toeran-drehetra no tsy maintsy itoriana ny Evanjely.

 

– Tsy maintsy tontosaina hatramin’ny farany eo am-panekena izay mety ho vokatra raiki-tapisaka amin’ny fitoriana ny Evanjely izany iraka izany : ny fifandirana, ny fanenjehana.

 

– Ao anatin’ny fahafoizan-tena, toy ny nataon’i Jesoa Kristy mihitsy,…

 

Pejy faha-044

 

… no tsy maintsy anatanterahana ny asan’Andriamanitra : eo am-panatontosana ny asa nanirahana azy manko no hizoran’ny Irak’Andriamanitra mankany amin’ny Paka fidirana ao amin’ny Voninahitra.

 

e) Raha hianatra toko iray manokana, na fizarana iray ao amin’Ny Mpianatra Marina ianao, dia atao izay mety hahitanao ao amin’izay hovakinao ireto : Ny Soratra Masina sy ny traikefan’i Mompera Chevrier : ny hitany, ny henony, ny niainany.

 

Ohatra : ndao horaisintsika tsotra izao ny Fanokafana[95], manaraka eto :

 

« Miresaka matetika, momba ny Mpianany, ny Tompontsika, ao amin’ny Evanjely. » Andeha hoe hokarohintsika ao amin’ny Evanjely ao, dia homarihintsika raha toa ka azo atao, izay an-dian-teny ahitantsika ny teny hoe mpianatra sy ny toetra takiana aminy. Hahatsapa isika fa tena mampiteny ny moana tokoa ny vokatra azo.

 

« Ny mahalala an’i Jesoa Kristy aloha izany no vain-dohandraharaha amin’ny asantsika, mba hahatonga antsika ho Azy tanteraka ». Avy aiza ary no nanovozan’i Mompera Chevrier izany toky be izany ? Ny fampiharana manokana nataony teo amin’ny fiainana maha-apôstôly azy no nahitany mibaribary fa ny vokatra tsara maharitra dia miainga avy ao amin’ny fahalalana an’i Jesoa Kristy. Ankoatra izay, dia vokatra poaka aty fotsiny ihany.

 

Eo amin’ny fizarana sasantsasany indray, dia ny Soratra Masina no hita mivandravandra. Hita any ho any koa ny traikefa. Tsy miala maina anefa ianao raha mikaroka amin’izy rehetra. Ary amin’ireny fikarohana ireny no hahatsikaretanao ny tsy maintsy hiainanao azy sy hanoheranao ny zava-manahirana mety hisakana anao. Tsy ilaina intsony angamba ny hamerenana fa tsy « tantara noforonina ity boky ity », ka azo vakina maimaika fotsiny.

 

Tsy hitondra voka-tsoa ho anao izy, ary tsy hanambara aminao ny tsiambaratelony, raha tsy dinihinao, tsakotsakoinao ary atelinao.

 

Pejy faha-045

 

Fanokafana

 

I Jesoa Kristy Tompontsika, ao amin’ny Evanjely ao, miteny matetika momba ny mpianany.

 

Mifidy ny mpianany Izy ; miteny amin’ny mpianany Izy ; mampianatra azy ireo manokana Izy.

 

Manome lalàna manokana ho azy ireo Izy.

 

Raha fintinina, dia fifidianana manokan’olona voatokana ho Azy sy miaraka Aminy.

 

Amin’ny an-kapobeny, inona moa ny Mpianatra ?

 

Amin’ny an-kapobeny, ny antsoina hoe mpianatra, dia olona iray naka olona iray hafa ho mpampianatra azy, ka harahiny dia, hohenoiny teny sy hametrahany fitokisana, ary hoekeny foto-pampianarana izay hotanterahiny eo amin’ny fiainany.

 

Inona no atao hoe mpianatr’i Jesoa Kristy ?

 

Ny mpianatr’i Jesoa Kristy izany dia olona iray mandray an’i Jesoa Kristy ho Mpampianatra azy ka manaraka Azy, matoky Azy tanteraka, mihaino ny foto-pampianarany, sy manatanteraka izany eo amin’ny fiainany, ary tsy manana faniriana afa-tsy ny hanompo Azy, sy ho tia Azy ary hanao izay rehetra nampianariny.1

 

1. Ms XI 6 ; XI 39

 

Ny atao hoe mpianatra dia sakaiza iray manara-dia iray hafa, mandray olona iray ho mpampianatra azy ka mametraka aminy ny fitokisany, ny fony sy ny sitrapony. (Ms XI 6)

 

Ny antsoina hoe mpianatra dia olona iray manaraka iray hafa ; naka olona iray ho mpampianatra azy : ka mihaino azy, manaraka azy, manome azy ny fitokisany, ary vonona hahafoy tena ho azy. Ekeny ny foto-pampianarany ary tanterahiny. (Ms XI 39).

 

Pejy faha-046

 

Inona no hatao mba ho tonga Mpianatra Marin’i Jesoa Kristy ?

 

Mba ho tonga Mpianatra Marin’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy mahalala Azy aloha voalohany indrindra, mahafantatra Iza moa Izy.

 

Ny fahalalantsika Azy no manampy antsika hanolo-tena ho Azy, ary arakaraky ny hahalalantsika Azy misimisy kokoa no hiraiketantsika Aminy bebe kokoa, hitiavantsika bebe kokoa ny foto-pampianarany, ka haniriantsika hanara-dia Azy sy hanatanterahantsika izay hampianariny.

 

Ny vain-dohan-draharahantsika izany aloha dia ny mahalala an’i Jesoa Kristy mba hahatonga antsika ho Azy tanteraka sy manontolo.

 

Pejy faha-047

 

Fizarana voalohany
Fahalalana an’i Jesoa Kristy

 

1. Ny Trinite

 

Pejy faha-049

 

Taitra isika satria ny Trinite Masina no avy hatrany dia anombohan’i Mompera Chevrier ny teniny.

 

Fomba fampianarana ny Teolojia mahazatra any amin’ny tany tandrefana io ampiasainy io ; fampianarana miaiky fa misy itovizana amin’ny fiainana miafin’Andriamanitra ao amin’ny ati-panahintsika, araka an’i Md. Augustin sy i Md. Thomas d’Aquin. Ny Soratra Masina mihitsy no manoro io lalana io raha manambara izy fa i Jesoa Kristy no tenin’ Andriamanitra.

 

Toa tsy dia havanana loatra i Mompera Chevrier amin’ny fanehoana io teolojia io. Mety ho nitavozavoza toy izany koa angamba ny mpampianatra tao amin’ny Seminera.

 

Tsy izany anefa no zava-dehibe. Ny fiverimberenan’ny teny hoe : « ao amin’Aandriamanitra » no tsara homarihana, toy izany koa ny fehezan-teny amaranany azy : Afaka milaza ny momba an’i Jesoa Kristy isika izao. Nomarihin’i Mompera Chevrier tsara fa ny fahalalana an’i Jesoa Kristy Iraky ny Ray, dia tsy azo sarahina amin’ny fahalalana an’ilay hany Andriamanitra marina. (Jn 17, 3)

 

Pejy faha-051

 

Tsiahy mialoha momba ny fisian’ny olona telo ao amin’Andriamanitra

 

Tsy maintsy fantarina fa ao amin’Andriamanitra, sahala amin’ny ao amintsika koa, satria nohariana mitovy endrika amin’Andriamanitra isika, dia misy ny tena, ny hevitra, ny fitiavana ; zavatra telo tena ilaina mba hahatonga ny voaary iray ho matsilo saina sy feno.

 

Tahaka ny ao amin’Andriamanitra dia lavorary daholo ny misy rehetra satria raha sanatria ka misy tsy fahalavorariana ao amin’andriamanitra, dia tsy ho tsy manam-petra lavorary intsony Izy. Ny hevitra izay avy ao amin’Andriamanitra, nivoaka avy ao Aminy ho fiandohana dia lavorary ohatra an’Andriamanitra koa, ary nahatonga olona hafa noho ny fiandohana niteraka azy.

 

Tahaka ny ato amiko, dia tsapako fa avy ato amiko ny hevitro, nivoaka avy ato anatiko mihitsy izy, avy ato amiko no niaviany, zavatra ato amiko, kanefa hafa noho ilay zavatra namorona azy ato amiko, ary hafa noho ilay fitiavana manaraka azy.

 

Izany hevitra izany, ao amin’Andriamanitra, dia antsoina hoe : Teny, ary Teny ao anaty satria mbola tsy nivoaka eny ivelany, zavatra an’Andriamanitra, miainga avy amin’Andriamanitra, dia Andriamanitra mihevitra mihitsy, ka mahatonga olona lavorary ao amin’Andriamanitra, olona faharoa ao amin’Andriamanitra, miteraka ny heviny na ny tenin’ Andriamanitra.

 

Io olona faharoa ao amin’Andriamanitra io no hevitr’Andriamanitra mandrakizay, manana ny toetra maha-Andriamanitra, fanambarana anaty ny heviny mandrakizay sy tsy miova, mitovy fahefana amin’Andriamanitra satria mandrakizay ny fihevitr’Andriamanitra, ary tsy misy Izy raha tsy eo ny heviny maha-Andriamanitra Azy.

 

Ka noho izany, misy ao amin’Andriamanitra ao, Andriamanitra sy ny tenin’ Andriamanitra, izay tsy zavatra hafa fa ny heviny miendrika ho olona.

 

Io hevitra na olona io dia mifandray anaty amin’ilay niandohany ka namoaka azy ; raha tsy izay dia tsy misy izy.

 

Hitan’Andriamanitra ny hevitra naterany, avy aminy, nivoaka avy ao aminy, lavorary tahaka Azy, banjininy tahaka ny mibanjina ny tenany satria ao aminy ny fahazavany, ny fahazavan-tsainy, ny fahendreny :

 

Pejy faha-052

 

tsy misy tsaratsara kokoa, na lavorary kokoa noho izany hevitra tsy manam-petra, iray, lavorary ary tsy manam-petra ; tiany tokoa.

 

Eo amin’ny toerany indray ilay Teny na hevitr’Andriamanitra, dia mahita ilay niaviany sy niandohany amin’ny toetra lavorary, mahita ilay fiandohany miteraka azy ka midera ny fahalavorariany tsy misy fetrany,

 

dia, avy amin’ireo fisiana lavorary sy tsy manam-petra ireo, teraka ny olona fahatelo antsoina hoe : Fitiavana na Fanahy Masina, satria miainga avy ao amin’ny Fiandohana roa voalohany izy, ary avy ao amin’ny tsirairay amin’izy ireo. Koa satria àry avy amin’ny tsirairay amin’ireo olona roa ireo io fitiavana io, ary tsy nisy ireo olona roa voalohany ireo raha tsy mifankahalala sy mifankatia, ary noho ireo olona roa voalohany mandrakizay, samy ilaina amin’ny fisiany, dia ambara fa ilay olona fahatelo izay Fitiavana na Fanahy Masina, dia miara-misy amin’ireo olona roa ireo ;

 

ary noho io Fitiavana io avy amin’ny tsirairay amin’ireo fiandohana roa lavorary, tsy manam-petra, dia mandrakizay koa ny Fanahy Masina, tsy manam-petra Izy, sahala amin’ny Ray sy ny Zanaka, ary ny fitiavana tsy misy fetra ananan’ireo olona roa ireo, eo amin’izy samy izy, dia tsy afa-miteraka olona ambanimbany noho izy ireo ;

 

ary tsy mety hisy tsy lavorary ao amin’Andriamanitra ao, tsy mety hisy fetra, raha tsy izany dia tsy Andriamanitra izy.

 

Izay ny ao amin’Andriamanitra, tsy misy hafa noho izay, na dia eo anoloan’ny fisainana aza.

 

Ny ilàna ireo olona telo mba ho Andriamanitra lavorary.

 

Fisia-miarak’ireo olona telo tsy afa-misaraka.

 

Fitovian’ireo olona telo

 

Samy hafa ireo olona telo ireo.

 

Tsy azo sarahina ireo olona telo ireo.

 

Fampitahana ny fanahintsika amin’ny lelafo izay tsy maintsy hazavana sy hafanana.

 

Izany no misy ao amin’Andriamanitra, tsy hafa noho izany.

 

Pejy faha-053

 

Andriamanitra tokana ihany ireo olona telo ireo. Andriamanitra fiandohan’ny zavatra rehetra, mihevitra sy tia ; ny heviny tsy manam-petra ohatra azy Andriamanitra mihitsy, tonga olona tsy manam-petra sy mandrakizay sahala amin’ny fiandohany.

 

Ary ny fitiavany dia tonga olona tsy manam-petra sy mandrakizay sahala amin’ny fiandohana iaviany.

 

Ary ny tontolo ao amin’Andriamanitra dia lavorary sy tsy manam-petra.

 

Ary mandrakizay sahala amin’ny fiandohana iaviany koa ireo olona roa ireo, satria ny Ray na Fiandohan’ireo olona roa ireo dia tsy afa-misy raha tsy eo ny heviny sy ny fitiavany.

 

Mandray manontolo ny avy amin’ny Fiandohana voalohany ireo olona roa ao amin’Andriamanitra ireo noho ny fahaterahana tsy manam-petra manome ny misy rehetra ao aminy ho an’ireo olona roa kanefa tsy manapotika, tsy mampihena azy izany satria fiandohana tsy manam-petra izy, ary noho izy manana fiainana tsy manam-petra, dia omeny daholo ny misy ao aminy nefa tsy misy miala ao aminy koa.

 

Rehefa voaraintsika tsara àry ireo fampahatsiahivana ireo, dia afa-miresaka momba an’i Jesoa Kristy amin’izay isika.

 

Pejy faha-055

 

II. Iza moa i Jesoa Kristy ?

 

Pejy faha-057

 

Ireto takelaka manaraka ireto, dia azo ampitahaina amin’ireo teo aloha ihany. Raha noheverina fa mitavozavoza i Mompera Chevrier amin’ny teolojia vinaniana, dia tena mahomby kosa izy eo amin’ny fivoasana nivantana ny Soratra Masina ary tsy nisalasala mihitsy mampiasa raiki-pohy an-kasahiana (ohatra ao amin’ny takila 62, raha miresaka momba ny hetahetan’Andriamanitra te-hifandray izy).

 

Ao ambadik’ireo pejy ireo, singanina manokana ireo an-dalana mampientana mamarana azy, dia ahitana ny traikefa ara-panahy tamin’ny Noely 1856 izay mampiaina mandrakariva ny fanahy amin’ny alalan’ity fehezan-teny ao amin’ny Soratra Masina ity manao hoe : « Ary ny Teny tonga nofo, ary Izy niara-nonina tamintsika ».

 

Pejy faha-059

 

Mazava ny valin-teny omen’i Md. Joany an’io fanontaniana io, ao amin’ny toko voalohany amin’ny Evanjeliny manao hoe :

 

Tamin’ny voalohany ny Teny.

 

Izany hoe niaraka hatrany ny fisiana teo amin’Andriamanitra sy teo amin’ny Teny,

 

satria

 

tsy afa-nisy Andriamanitra raha tsy eo ny Heviny na ny Teniny ; ny zava-manan-tsaina dia tsy afa-misy raha tsy mihevitra ka Andriamanitra izay fahendrena, fahazavan-tsaina, dia tsy afa-misy raha tsy mihevitra, raha tsy eo ny heviny.

 

Tamin’ny voalohany, hoy izy, fa tsy hoe nohariana, fa efa nisy.

 

Misy maha samy hafa azy ny teny hoe voalohany ao amin’ny Evanjelin’i Md. Joany sy ny voalohany ao amin’ny Jenezy ilazan’i Moizy hoe : in principio Deus creavit (Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary).

 

Ary ny Teny dia tao amin’Andriamanitra

 

Izany hoe mbola tsy nivoaka tao amin’ Andriamanitra toy ny taty aoriana izy.

 

Tao amin’Andriamanitra izy, tahaka ny hevitro ato amiko, anisan’ny maha izaho ahy, reko izy, reko ny fisiany. Tao amin’Andriamanitra àry ny Teny, fa mbola Teny tsy miloaka, tao amin’Andriamanitra tahaka ny hevitro ato amiko izy, ary tahaka ny tsy nampisy ahy tsy amin’ny hevitro ; ananan’Andriamanitra hatramin’ny mandrakizay izany ny Teniny tsy miloaka, mbola tsy nampandrenesina an’izao tontolo izao.

 

Ary Andriamanitra io teny io

 

Io Teny nateraky ny Ray izay Andriamanitra io amin’ny maha hevitra lavorarin’Andriamanitra, heviny, fahalalany, fahaizany, fahendreny, io Teny nandray avy amin’ny Ray ny zavatra rehetra io, amin’ny maha-zanaka tsy manam-petra sy avy amin’Andriamanitra Azy, tsy misy nanalana mihitsy, dia tonga olona Andriamanitra, izay tena Andriamanitra, sahala amin’ny Fiandohana ipoirany, sahala amin’ny zaza nateraky ny rainy mitovy endrika amin’ny rainy, manjary olona sahala amin’ny rainy.

 

Pejy faha-060

 

Toy izany koa, ny Teny izay ateraky ny Ray amin’ny fomba tsy manam-petra dia mandray ny zavatra rehetra avy Aminy ka tonga mitovy Aminy, lavorary mitovy Aminy, Andriamanitra mitovy Aminy.

 

Tao amin’Andriamanitra tamin’ny voalohany izy.

 

Hatrany am-boalohany, talohan’ny zavatra rehetra Izy, iray aina Aminy, Andriamanitra mihitsy, fomba iray Aminy ihany koa. Tao amin’Andriamanitra Izy, tahaka ny hevitro ato amiko, ary izany dia hatrany am-boalohany, izany hoe, hatramin’ny mandrakizay ; hita araka izany ny maha iray fomba azy sy ny maha mandrakizay ny Zanak’Andriamanitra, na dia samy manana ny fisehony aza satria Izy dia tao, ary ny teny teo milaza fa Andriamanitra Izy.

 

Tamin’ny voalohany, izany hoe, talohan’ny nandrenesan’izao tontolo izao azy, sahala amin’ny nataony taty aoriana, dia efa nisy Izy, tao amin’Andriamanitra Izy.

 

Izy no nahariana ny zavatra rehetra ary raha tsy izy, tsy nisy ary ny zavatra rehetra.

 

Ny Teniny no naharian’Andriamanitra Ray ny zavatra rehetra. Tsy ny tenintsika moa no entintsika mandidy sy mampanao zavatra ?

 

Rahefa misy zavatra hatao na hampanjariana ivelan’ny tenantsika isika, dia milaza, miteny, dia noho ny tenintsika no ahavitantsika zavatra. Manome baiko ny mpitaritafika dia ekena.

 

Dia tahaka izany, Andriamanitra manao ny zavatra rehetra, amin’ny Teniny : ipse dixit et facta sunt [Fa niteny Izy, dia ary izao rehetra izao (Sa. 32, 9)]

 

Izay rehetra vita ka tsy tao amin’Andriamanitra, dia nataony tamin’ny Teniny mahefa sy tsy manam-petra : ny anjely, ny lanitra, ny tany, ny olombelona, dia vita noho ny Teny maha Andriamanitra azy izay fanehoan’Andriamanitra ny sitrapon’ny Ray, ka noho ny maha Teniny Azy, dia mitovy fahefana amin’ny Ray, ary tsy maniry na manao afa-tsy izay mifanaraka amin’ny maha-izy azy ao aminy sy miaraka aminy.

 

Tao aminy ny fiainana.

 

Ny fiainan’ny Ray, ny fiainan’ny olombelona.

 

Tsy ao anatin’ny hevitra moa no misy fiainana ?

 

Esory tao amin’ny zava-manan-tsaina ny hevitra, manjary inona izy ? Zavatra maty ; koa noho izy maka ny fiainana avy ao amin’ny Ray izay tena fiainana dia manome io fiainan’ny hevitra, fahazavan-tsaina io ny zavatra rehetra nampisiany, ary noho izy manome azy ny fisiana, dia omeny azy ny fiainana, ny fahazavan-tsaina, ary ny Fanahy Masina manome azy ny fitiavana.

 

Samy manome zavatra daholo izany ireo olona telo ireo :

 

Ny Ray manome ny fisiana noho ny Zanaka,

 

ny zanaka manome ny fiainana sy ny fahazavan-tsaina,

 

ary ny Fanahy Masina manome ny fitiavana.

 

Pejy faha-061

 

Ary ireo zava-tsoa telo ireo dia tena ilaintsika mba hahatonga antsika ho voaary soa sy afa-manasoa.

 

Ao aminy ny fiandohan’ny fiainana izay omeny antsika eo am-pahariana antsika, ny fahazavan-tsaina, ny hevitra, ny saina, ny finoana.

 

Fiainana voa-janahary

 

Fiainana ara-panahy

 

Tao aminy ny fiainana ary ny fiainana no fahazavan’ny olona

 

Ao anatin’io fiainana omen’ny Teny ny olombelona teo am-pahariana io no misy ny fahazavana, fahazavana tena marina, izay manilo ny olon-drehetra tonga eto amin’izao tontolo izao.

 

Tsy marina tokoa ve fa ao anatin’ny Teny izay hevitr’Andriamanitra no misy ny tena fahazavana marina izay ahafahantsika mahalala an’Andriamanitra sy ny zavatry ny lanitra ?

 

Tsy marina ve fa ao anatin’ny Teny no misy ny fahendren’ny Ray, ny fahaizana, ny fahalalana an’Andriamanitra ary ny fahaizan’Andriamanitra sy ny olombelona ?

 

Avy amin’io tenin’ Andriamanitra io no iavian’ny taratr’ilay masoandro avy amin’Andriamanitra izay mifafy eo amin’ny voaary manan-tsaina rehetra sy ny kristianina rehetra mba hitaiza sy hanilo ary hampahalala azy ireo ny zavatra ara-panahy sy momba an’Andriamanitra, zavatra tena ilain’ny olombelona mba hialany amin’ny fahabadoana sy ny haizimpiton’ny fisainany manokana.

 

Fahazavan’ny anjely sy ny olombelona ; fahazavan’i Adama sy Moizy ary ny Mpaminany sy ny olomasina.

 

Ary ny teny tonga nofo, ary izy niara-nonina tamintsika

 

Io Teny tsy miloaka satria hevitra mandrakizain’ Andriamanitra, ao amin’Andriamanitra hatramin’ ny mandrakizay, dia nitafy endrika ety ivelany mba hisehoany amin’ny olombelona.

 

Ny vontoatin’ny hevitra dia ao anaty ka mba hahatonga azy ety ivelany, mba hisehoany eny ivelany, dia mila mitafy endrika ivelany izy. Koa raha mbola tsy miteny isika, na mbola tsy manoratra, dia mijanona ao anaty ihany ny hevitsika, miafina ary tsy fantatr’olona fa mba hanehoana azy dia omena endrika ivelany izy

 

Dia toy izany ao amin’Andriamanitra, ny heviny na ny Teniny dia tavela miafina ao anaty ary tsy fantatra raha tsy naka endrika ety ivelany, ary mba hisehoany miharihary, dia naka endrika ivelany izy.

 

Tsara homarihana fa ny fanehoana ny hevitsika dia zavatra tena ilaina, ary tsy afa-miaina isika raha tsy maneho ny hevitsika. Filàna ao amintsika io, ka na ny moana aza dia mitady fomba hanehoany ny hevitra ao anatiny ao.

 

Tsy azo gadraina na fatorana ny hevitra, sady tsy mahasoa antsika na ny hafa izy raha izany.

 

Pejy faha-062

 

Io filantsika maneho ny hevintsika, ny fikasantsika, ny sitrapontsika, ny fientanam-pontsika amin’ny hafa io anefa, iza no manome azy ho antsika, tsy Andriamanitra ve ?

 

Raha Andriamanitra àry no manome antsika io filàna hita fa tsara io, dia manana io filàna hifandray amintsika voaary koa Izy, isika izay zava-boaary manan-tsaina, nataony mitovy tarehy sy endrika aminy. Maninona no nataony mitovy tarehy sy endrika aminy ka nomeny fiafarana soperinatoraly isika raha tsy manan-kolazaina sy hampianarina antsika izy ? Tsy nataon’Andriamanitra mitovy tarehy sy endrika aminy ka nomeny fahazavan-tsaina isika raha tsy manan-javatra ho lazaina amin’ny zava-boaary Izy mba hanomezana famantarana ny sitrapony eo aminy.

 

Mba inona ary no holazain’ny raim-pianakaviana iray izay niteraka maro kanefa namela ny zanany hipetra-potsiny fa tsy hanambara amin’izy ireo ny sitrapony sy ny adidin’izy ireo ? Tsy mendrika ny ho ray izany olona izany, aleo aza izy tsy nisy toy izay manao toy izany.

 

Tsy maintsy niteny tamin’ny olombelona Andriamanitra, ary dia tena niteny taminy marina tokoa.

 

Ny Teniny no nentiny niresahana tamin’ny olombelona satria ny Teniny dia heviny, fahendreny.

 

Dia toy ny ataontsika maneho ny hevitsika, manome endrika ivelany azy, amin’ny alalan’ny teny, soratra, taratasy, iraka mitondra ny sitrapontsika amin’ny hafa,

 

no nangalan’ny tenin’ Andriamanitra endrika ety ivelany mba hisehoany amin’ny anjely sy ny olombelona.

 

Niseho tamin’ny zava-boaary manan-tsaina rehetra Izy : tamin’ny anjely aloha, ka endrika ara-panahy no nalainy satria ny anjely dia fanahy fotsiny ihany, tsy nila naka endrika azo tsapain-tànana izy.

 

Niseho tamin’i Adama izy, ka endrika hita maso sy azo tsapain-tànana no nalainy. Toy inona ? Tsy voalazan’ny Soratra Masina, kanefa raha mamaky isika hoe : miteny amin’i Adama Andriamanitra, dia efa ny Teniny no manomboka mamita iraka eto an-tany ka miteny amin’ny olombelona ary maneho amin’izy ireo ny sitrapon’ny Rainy.

 

Tsy nisy nahita na oviana na oviana an’Andriamanitra, fa ny zanany Lahitokana no manambara azy. (Jn 1, 18)

 

Niteny tamin’i Abrahama izy, ka endrika Anjely no nentiny.

 

Niteny tamin’i Moizy izy,

 

tamin’ny mpaminany, endrika samihafa ren’ny vatana no nalainy.

 

Ary farany, rehefa nandalo ny taon-jato maro, ka feno ny fotoana voafaritry ny fitondran’Andriamanitra ho an’izany, dia niteny tamin’ny olon-drehetra izy, izy dia izy mihitsy, ka naka endrika olombelona.

 

I Md. Paoly mihitsy no manambara izany amintsika : multifariam-multisque

 

[Fahiny tamin’ny fotoana sy ny fomba samihafa dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra, tamin’ny vavan’ny mpaminany. (He1, 1)]

 

Ary ny Teny tonga nofo, ary izy niara-nonina tamintsika.

 

O ry mistery lehibe ! Andriamanitra eo amintsika !

 

Tonga hiteny amintsika Andriamanitra, tonga hiara-monina amintsika izy mba hiteny amintsika sy hampianatra antsika.

 

Pejy faha-063

 

Ireo nohariany fahiny izay voalaza fa toa vita maimaika fotsiny dia nataony tsara kosa amin’izao ankehitriny izao.

 

Naka fomban’olombelona mihitsy izy mba honenany miaraka amintsika sy ananany fotoana itenenana amintsika ary hanambarany amintsika izay rehetra sitraky ny Ray hampianariny antsika.

 

Tsy zava-boaary nilaozan’Andriamanitra isika.

 

Manana Andriamanitra tena Ray marina, tia ny zanany, ary maniry azy hampianarina sy hovonjena isika.

 

Pejy faha-065

 

III. Ny Maha Andriamanitra an’i Jesoa Kristy

 

Pejy faha-067

 

Izay hita ao aminy dia manaporofo amintsika fa izy no ilay Teny mandrakizay tonga eto ambonin’ny tany.

 

Manaraka an’io fankatoavana io, dia misy fanamarihana maro be mankamin’ny Evanjely. Misy fivoasana kely indraindray. Dia misy lohateny maneho ny faniriana hampirindra ny fitanisana nalaina tamin’ny Evanjely.

 

Amin’ny an-kapobeny, dia tsy fandresen-dahatra momba ny maha Andriamanitra an’i Jesoa Kristy na fanaovana teolojia araka ny baiboly momba an’i Kristy no ho hita ato. Eo am-panohizana ny fivoasana ny fanombohan’i Md. Joany ny Evanjely, dia asaina isika hanopy maso sy hibanjina ny Evanjely, mba hahitantsika marina tokoa Ilay zanak’Andriamanitra.

 

Amafisin’ny fanamarihana manan-danja mamarana ny famelabelarana izany (p. 82). Izany fifantohan-tsaina amin’ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy ambaran’ny Evanjely izany, dia manentana ny finoana ho velona sy ho afa-mitantana ny mpino amin’ny lafin’ny rehetra, ka ahafahana mitarika ny tsy mpino ho fanatanterahana ny asa maha apôstôly marina.

 

Tena mahasoa koa eto am-pamaranana ny manamarika ny fanambarana ny Eglizy ho famantarana ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy. Tamin’ny 1870, ny Konsily Vatikana voalohany no manambara am-pahibemaso hoe : « Ny Fiangonana …. Amin’ny maha-Fiangonana azy, dia famantarana lehibe sady mandrakizay azo antoka, ary vavolombelona tsy azo lavina noho ny iraka azony avy amin’Andriamanitra » [96].

 

Ankehitriny koa isika dia antsoina mazavazava kokoa hiroso lalindalina amin’ny fiheverana ny Fiangonana, mba tsy ho famantarana fotsiny ihany ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy ka hitodihantsika any amin’ny fiainany taloha toy ny ahitana izany ao amin’ny Evanjely. Ny fiangonana ankehitriny dia fisehoan’i Jesoa eo anivon’ny olona nofidiny ho azy, ary afa-mibanjina ny Fiangonana toy ny fibanjinana ny Evanjely isika, mba hahalalana an’i « Jesoa Kristy ao aminy, omaly sy anio ary mandrakizay » (Hb 13, 8). Mazava loatra fa tsy hiseho amintsika tsy amin’ny Evanjely eny antanany ny Fiangonana.

 

Pejy faha-069

 

Io teny tonga nofo io dia i Jesoa Kristy

 

Izay rehetra hita ao aminy dia manaporofo amintsika fa Izy no ilay Teny mandrakizay tonga eto ambonin’ny tany mba haneho amintsika ny hevitra sy ny sitrapon’Andriamanitra.

 

Ny hita rehetra ao aminy dia manambara amintsika fa avy any an-danitra izy, ary tsy misy avy amin’ny tany ao aminy afa-tsy ny vatana nalainy tao an-kibon’ny Virjiny, ka notafiany mba hahazoany miteny amintsika sy manondro antsika ny lalana mankany an-danitra.

 

Notononin’ny Anjely Gabriely anarana sy nampahafantariny tamin’ny andro nanorotoronana azy aloha fa izy dia izy tokoa io. (Lk 1 : 26)

 

Raha niarahaba an’i Maria Virjiny voafidin’Andriamanitra mba hanome fahaterahana ara-batana ny tenin’ Andriamanitra, dia nanao taminy hoe : Aza matahotra ry Maria, fa nosoavin’Andriamanitra ianao, indro fa hitoe-jaza ianao, ao am-bohokao ao, ary hiteraka zaza lahy, ka i Jesoa no hataonao anarany. Ho lehibe Izy, ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra, ary homen’ny Tompo azy ny fiandrianan’i Davida rainy. 

 

Natahotra noho ny maha-Virjiny azy i Maria, ka nanontany ny anjely izay mety hahatanterahan’izany, satria efa nanokan-tena ho an’Andriamanitra ho virjiny izy. Nampatoky azy ny anjely nanao hoe :

 

 Ny Fanahy Masina no ho tonga ao aminao, ary ny herin’ny Avo Indrindra hanarona anao amin’ny alony,

 

noho izany, izay haterakao dia masina ka antsoina hoe Zanak’Andriamanitra.

 

Tsy misy tsy azon’Andriamanitra atao. 

 

 Inty aho mpanompovavin’ny Tompo, aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao. 

 

Virjiny no reniny.

 

Notorotoronina noho ny herin’ny Fanahy Masina izy.

 

Pejy faha-070

 

Masina izy.

 

Nomena anarana hoe : Zanaky ny Avo Indrindra Izy.

 

Antsoina hoe Zanak’Andriamanitra Izy.

 

Ilay Teny mandrakizay izany no ho teraka, fiainana, ao an-kibon’ny Virjiny, ary tsy maintsy ho izany satria tsy mahateraka an’Andriamanitra ny olombelona.

 

Andriamanitra irery ihany no afa-miteraka ny Zanany.

 

Ilay tompon’ny hevitra irery ihany no manana ny zo sy ny fahafahana hiteraka ny heviny, haneho azy ety ivelany ; tsy afa-maneho ny hevitry ny hafa ny vahiny.

 

 

 

Ny Ray irery ihany no manana ny zo hiteraka azy amin’ny fotoany satria Izy irery ihany koa no niteraka azy hatramin’ny mandrakizay.

 

Tsy misy mihitsy olombelona afa-milaza hoe : nampahita andro an’Andriamanitra aho, niteraka Andriamanitra aho. 

 

Anjely no nilaza azy tamin’ny Md Josefa.

 

Sorena noho ny fahitany ny toetran’i Maria i Josefa vadiny, ka nandritra ny fotoana namisavisany ny fomba ho enti-mametraka azy, ka handehanany any lavitra, dia niseho taminy ny Anjely ary nilaza taminy hoe : Aza matahotra ny hitana an’i Maria vadinao ianao ry Josefa, satria izay teraka ao aminy dia avy amin’ny Fanahy Masina, hitera-dahy izy ary Jesoa no hataonao anarany satria Izy no hanavotra ny vahoaka amin’ny fahotany, izany no tonga mba hahatanteraka ny voalazan’ny Tompo tamin’ny vavan’ny Mpaminany hoe : Indro fa hitoe-jaza ny Virjiny ary hiteraka zazalahy, ary omen’izy ireo anarana hoe Emanoela Izy, izany hoe : Andriamanitra eo amintsika.

 

Dia notanan’i Josefa ho vadiny i Maria.

 

Nataon’ny anjely antso avo izy tamin’ny nahaterahany

 

Nidina avy any an-danitra ny Anjely tamin’ny nahaterahany, ka nanao antso avo ho an’izao tontolo izao tamin’ny fanambarana fa io zaza io dia mitondra fiadanana ho amin’izao tontolo izao ary tonga hikatsaka ny voninahitr’Andriamanitra rehetra.

 

Lasa nampandre ny mpiandry ondrin’i Betlehema izy ireo, ary nilaza taminy fa misy Mpamonjy teraka ho azy ireo, ary io zaza matory eo amin’ny fihinanam-bilona ao Betlehema io dia i Kristy Tompo.

 

Kintana iray no nampahafantatra ny mponina tany Antsinanana, ka nidodododo nanaraka io famantarana io ny Mpanjaka Majy, ary tonga nitsaoka Azy sy nandray Azy ho Mpanjaka sy Andriamaniny.

 

Andriamanitra Ray no nanambara azy fa zanany tamin’ny andron’ny Bateminy

 

Rahefa avy nandray ny Batemin’i Joany, ka sendra teo am-pivavahana i Jesoa, dia nisokatra ny lanitra, dia nidina teo Aminy ny Fanahy Masina izay naka endrika voromailala, ary nipetraka teo.

 

Ary nisy feo avy any an-danitra niantso nanao hoe : Ianao no Zanako malalako ilay ankasitrahako indrindra.

 

Pejy faha-071

 

Sy tamin’ny fiovan-tarehy

 

Rahefa niova tarehy teo ambonin’ny tendrombohitra Thabor i Jesoa, teo anatrehan’ireo mpianatra telo lahy, vavolombelon’ny zava-dehibe sy mahasondriana nitranga teo amin’i Jesoa sy Moizy ary Elia, dia nisy feo avy ao amin’ny rahona nandrakotra azy ireo nanao hoe :.

 

 Inty ny Zanako malala sy ankasitrahako indrindra, henoy Izy.

 

I Joany Batista no nanambara azy ho i Kristy, Ilay Zanak’Ondry Marin’Andriamanitra, ary manamarina fa Izy no Zanak’Andriamanitra. (Jn 1, 15).

 

I Md. Joany nanandra-peo nanoloana ny mpianany sy ny vahoaka hoe :

 

Izy no ilay nolazaiko hoe : Ilay tonga avy ao aoriako dia tonga talohako, ary avy amin’ny hafenoany no nahazoantsika fahasoavana,

 

satria ny finoana dia azontsika tamin’i Moizy, fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia avy amin’i Jesoa Kristy,

 

tsy nisy nahita na oviana na oviana an’Andriamanitra,

 

fa ny Zanany Lahitoana nateraky ny Ray, Izy ihany no nampahalala azy antsika.

 

(Jn 1, 19) : Rahefa nanontany an’i Joany ny farisiana, iza tokoa moa izy, dia namaly izy fa tsy i Kristy, tsy Elia, tsy Mpaminany, fa izy ilay feon’ilay miantso any an-taniefitra.

 

 Izaho manao Batemy amin’ny rano, fa misy iray eo afovoanareo, izay tsy fantatrareo, izay avy ao aoriako, tonga talohako. Izy io no manao Batemy amin’ny Fanahy Masina, ary tsy mendrika ny hamaha ny fehikirarony akory aho. 

 

(Jn 1, 29) : Raha nahita an’i Jesoa nanatona azy i Joany, dia nilaza tamin’ny mpianany hoe :

 

Inty Ilay Zanak’Ondrin’Andriamanitra.

 

Inty Ilay mitondra ny fahotan’izao tontolo izao.

 

Io ilay nolazaiko hoe :

 

avy ao aoriako dia misy lehilahy ho tonga, ka napetraka eo amboniko satria izy talohako,

 

ary mba hampahalala azy amin’Israely no anaovako batemy amin’ny rano.

 

Hitan’i Joany ny Fanahy Masina nidina toy ny voromailala avy any an-danitra, ary nipetraka teo aminy.

 

Ary ilay naniraka ahy hanao batemy amin’ny rano nilaza tamiko hoe : Izay olona hitanao fa hidinan’ny Fanahy Masina no manao batemy amin’ny Fanahy Masina.

 

Ary nahita aho ka manamarina fa izy no Zanak’Andriamanitra.

 

Masindahy Joany

 

(Jn 3, 28) : Any ho any izy milaza amin’ny Jody hoe :

 

Fantatrareo fa efa nolazaiko taminareo : Tsy i Kristy aho, fa nirahina hialoha làlana azy.

 

Izy tsy maintsy mitombo, izaho tsy maintsy mihena.

 

Pejy faha-072

 

Izay avy ambony dia ambonin’ny rehetra.

 

Izay avy amin’ny tany dia an’ny tany.

 

Izay avy any an-danitra dia ambonin’ny rehetra : manamarina izay hitany sy reny izy, tsy misy Mankato anefa ny filazany.

 

Izay nanaiky ny filazany dia nanambara fa marina Andriamanitra, satria ilay nirahin’Andriamanitra dia miteny ny fitenin’ Andriamanitra, satria tsy amin’ny fatra no anomezan’Andriamanitra azy ny Fanahiny. (Jo 3, 34)

 

Ny Ray tia ny Zanaka ary napetrany eo am-pelatanany ny zavatra rehetra.

 

Izay mino ny Zanaka manana ny fiainana mandrakizay.

 

Fa izay tsy mino ny Zanaka tsy hahita fiainana.

 

Fa mitoetra eo aminy ny fahatezeran’Andriamanitra.

 

Ny vahoaka manaraka azy no manambara ny maha-Andriamanitra Azy.

 

Ireo marary tsy hita isa midodododo avy any rehetra any mitady fahasitranana (Mk 1, 32)

 

Ny demony mihitsy aza dia tsy voasakana fa miantso Azy ho i Kristy, sy ilay Zanak’Andriamanitra (Mk 3, 11)

 

Ny voaary manontolo manaiky ny teniny ary miondrika eo anatrehany sahala amin’ny eo alohan’ny mpahary azy. (Mk 4, 31)

 

Ireo apôstôly mitory manambara Azy ho Kristy ary mitory Azy hatraiza hatraiza taorian’ny nahafatesany (Mt 16, 16)

 

Ny teniny sy ny asany indrindra no tena vavolombelona manambara Azy.

 

Niteny tahaka an’Andriamanitra izy, tahaka ny tenin’ Andriamanitra

 

Izy no tenin’ Andriamanitra, tena tenin’ Andriamanitra mihitsy, ka tena miteny sahala amin’Andriamanitra tokoa, na marimarina kokoa hoe miteny ohatry

 

Pejy faha-073

 

ny hevitr’Andriamanitra miseho ety ivelany naka endrika olombelona, tsaratsara kokoa :

 

tsy ny endrika no inona, fa ny hevitra, ny fahazavan-tsaina no tena tapitr’ohatra.

 

Ary satria Teny na hevitr’Andriamanitra mandrakizay izy, dia tena avy amin’Andriamanitra marina tokoa.

 

Andriamanitra no niteraka azy hatramin’ny mandrakizay doria, ary tonga hita maso izy, azo tsapain-tànana hatramin’ny nakany vatana isehoana amin’ny olombelona, ary tsy miova ny maha-tenin’ Andriamanitra azy, ny maha-hevitr’Andriamanitra azy, ka noho izany, tsy ny feony na ny tarehin-tsorany dinihiko, no zava-dehibe, fa ny heviny ambaran’ireo famantarana ireo.

 

Izay no tena zava-dehibe, izay no tena vontoatiny.

 

Ary io teny naseho ety ivelany amin’izao tontolo izao io anefa, dia mitoetra mandrakariva ho ilay Teny tsy miloaka ao amin’ny Ray ka antsoiny marina tokoa hoe Zanany, satria, ao amin’io endrik’olombelona ety ivelany nalainy io, no ahitana ny Teniny mandrakizay izay naterany hatramin’ny mandrakizay.

 

Na dia fotoana voafetra aza anefa no nakany endrika ivelany maha olombelona, dia i Jesoa Kristy mihitsy no milaza ny tenany ho zanak’Andriamanitra marina tokoa noho izy niteraka azy marina tokoa hatramin’ny mandrakizay.

 

Na dia niseho tety ivelany tamin’ny endrika ren’ny vatana aza izy, dia niantso mandrakariva an’Andriamanitra ho Rainy, ary tsy nanonona anaran-kafa iantsoana azy, satria tena avy ao Aminy marina tokoa izy, noho izy Teniny tsy miloaka.

 

Mitovy amin’ny hoe ny hevitro dia hevitro mandrakizay na dia miseho ety ivelany amin’ny famantarana hita maso aza.

 

Miantso an’Andriamanitra mandrakariva hoe : Rainy izy.

 

Ary Andriamanitra miantso azy hoe zanany.

 

Inty ilay zanako malala sy ankasitrahiko indrindra.

 

Miantso an’Andriamanitra hoe rainy araka ny hevi-dalina sy marin’io teny io izy

 

Tsy mba fampitoviana sahala amin’ny ataontsika no iantsoany an’ Andriamanitra hoe : Rainy, fa tena araka ny hevi-dalina sy marina ambaran’io teny hoe Ray io.

 

Dia tena zanaka avy amin’ny rainy e, nivoaka tao amin’ny rainy, mitovy fomba amin’ny rainy, mitovy fiainana, mitovy hery, mitovy aina, satria tena nateraky ny rainy.

 

Sahala amin’ny ivoahan’ny hevitro avy ato amiko koa no ivoahan’i Kristy avy ao amin’ny Rainy.

 

Izany no asehony amin’ny teny rehetra maha-Andriamanitra Azy.

 

Mivoaka avy amin’Andriamanitra Izy.

 

Talohan’ny handaozany an’izao tontolo izao, dia hoy izy tamin’ny apôstôliny : Nivoaka avy ao amin’Andriamanitra aho, ary tonga teto amin’izao tontolo izao.

 

Handao an’izao tontolo izao aho, ary hiverina any amin’ny Raiko.

 

Hoy izy tamin’ny Jody izay miantso an’Andriamanitra hoe Rain’izy ireo : Raha tena Rainareo tokoa Andriamanitra dia ho tia ahy ianareo,

 

satria avy ao amin’Andriamanitra aho no tonga eto.

 

Pejy faha-074

 

Satria tsy tongatonga fotsiny amin’izao aho,

 

fa Izy no naniraka ahy.

 

Ary toy izao no ilazan’i Md. Joany izany fahamarinana izany : Tsy misy nahita na oviana na oviana an’Andriamanitra.

 

Fa ny Zanany Lahitokana izay ao anatin’Andriamanitra ihany no nampahalala azy.

 

Mitovy fomba amin’ny Ray Izy.

 

Ary hoy ny Tompontsika tamin’ny Jody : Izaho sy ny Ray dia iray ihany, izany hoe zavatra tokana ary iray ihany.

 

Tsy mino moa ianareo fa ao amin’ny Raiko Aho, ary ny Raiko ato Amiko ? Minoa farafaharatsiny noho ny asa ataoko.

 

Inoy ny asako mba hahalalanareo sy hinoanareo fa ny Raiko ato amiko ary Izaho ao amin’ny Raiko.

 

Mitovy fiainana amin’ny ray Izy

 

Satria manana fiainana ao Aminy ny Ray, dia nomeny ny Zanaka koa ny hanana ny fiainana ao Aminy,

 

fiainana mandrakizay : talohan’ny nisian’i Abrahama dia efa Izaho Aho.

 

Ny fiandohana no anarana iantsoana Azy,

 

tao aminy ny fiainana ary ny fiainana no fahazavan’ny olona.

 

Tamin’ny voalohany dia tao amin’Andriamanitra Izy, tamin’ny voalohany ny Teny.

 

Mitovy tanteraka amin’ny ray Izy

 

Izay mahita Ahy, mahita ny Raiko.

 

Izay mahita Ahy, mahita Ilay naniraka Ahy.

 

Izaho ao amin’ny Raiko, ary ny Raiko ato Amiko.

 

Mitovy fahefana sy fahamboniana amin’ny ray Izy

 

Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany.

 

Miasa tsy tapaka ny Ray, ary Izaho miara-miasa Aminy.

 

Izay rehetra ataon’ny Ray dia ataon’ny zanaka avokoa.

 

Izy no nahariana ny zavatra rehetra, ary raha tsy Izy, tsy nisy ny zavatra rehetra.

 

Mitovy amin’ny harena Izy

 

Nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra.

 

Izay rehetra ananan’ny Raiko dia Ahy daholo.

 

Mendrika haja tahaka ny Ray Izy

 

Nomen’ny Ray ny Zanaka ny fitsarana rehetra mba hanajan’ny rehetra ny Zanaka mitovy amin’ny hanajana ny Ray.

 

Izay tsy manaja ny Zanaka, tsy manaja ny Ray naniraka Azy.

 

Pejy faha-075

 

Mendrika homena fitokisana mitovy amin’ny Ray Izy

 

Ny sitrapon’ny Raiko izay naniraka Ahy, dia ny ananan’izay mino ny Zanaka sy mino Azy ny fiainana mandrakizay

 

Izay mino Ahy, dia tsy mino Ahy fa mino Ilay naniraka Ahy.

 

Mino an’Andriamanitra ianareo, minoa Ahy koa.

 

Rariny mihitsy raha antsoina hoe Zanak’Andriamanitra Izy.

 

Tamim-pahefana no namaliany an’i Kaifa izay nanontany raha Izy no Zanak’Andriamanitra, dia hoy i Kristy, hoe : Voalazanao, Izaho no Izy.

 

Hoy Izy tamin’ny Jody : Lazainareo amiko izay nohamasinin’ny Ray sy nirahiny eto amin’izao tontolo izao : fa maniratsira Aho, noho Izaho manao hoe Zanak’Andriamanitra Aho.

 

 Raha tsy manao ny asan’ny Raiko Aho, aza mino Ahy. Fa raha manao ny asan’ny raiko aho nefa tsy inoanareo, minoa farafaharatsiny ny asako, mba hahalalanareo sy hinoanareo fa Izaho ao amin’ny Raiko ary ny Raiko ato Amiko. 

 

Tahaka an’Andriamanitra marina mihitsy Izy miteny

 

Iza tokoa moa no olona sahy hiteny ohatr’izany ?

 

Iza no olona afaka hilaza amim-pahamarinana hoe : Raiko marina tokoa Andriamanitra. Izaho dia avy ao amin’Andriamanitra. Izaho avy amin’Andriamanitra :

 

avy amin’Andriamanitra no iaviako.

 

Andriamanitra sy Izaho dia tokana ary zavatra iray ihany.

 

Andriamanitra ato Amiko ary Izaho ao amin’Andriamanitra.

 

Izaho no fiainana, fiandohan’ny zavatra rehetra, ka tahaka ny ananan’Andriamanitra ny fiainana ao Aminy no ananako ny fiainana ato Amiko koa, ary tsy misy na iza na iza afaka manala ny fiainako, raha tsy sitrako izany.

 

Izay mahita Ahy, mahita an’Andriamanitra ato Amiko tokoa. Satria Izaho ao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ato Amiko. Manana ny fahefan’Andriamanitra any an-danitra sy ety ambonin’ny tany Aho.

 

Izay ataon’Andriamanitra, iarahako manao Aminy tokoa.

 

Izay fananan’Andriamanitra, iombonako Aminy daholo.

 

Izay mino ahy, mino an’Andriamanitra, ary omeko ny fiainana mandrakizay izay mino Ahy, izany no sitrak’Andriamanitra.

 

Izaho no Zanak’Andriamanitra velona.

 

Izay mino Ahy tsy mba ho faty na oviana na oviana, ary izaho hanangana azy amin’ny andro farany ary hahazo ny fiainana mandrakizay izy.

 

Iza no olombelona sahy miteny toy izay ?

 

Ny tena mahagaga sy mahatalanjona dia ny asany no atsangany ho vavolombelon’ny teniny.

 

Izao manko, raha milaza ny lehilahy anankiray fa ; izaho dia ranona, izaho zanak’i ranona…, andriana, mpiasa tsotra, mpanjaitra, mpanorin-trano, raha tsy voaporofony amin’ny taratasy ananany na ny asa vitany ny teny lazainy,

 

Pejy faha-076

 

dia lasa-kovavany fotsiny hoatry ny haron-tabebaka, tsy misy azo raisina na ilaina, ary mpandainga izy ; fa raha porofoiny ny asany kosa ny teniny dia mendrika itokisana izy, voatery hino azy ny olona ary miaiky ny fanambarany, ny anaram-panajana entiny sy ny momba azy manokana.

 

Izany tokoa no nataon’i Jesoa raha nitondra ny asa vitany ho vavolombelona faharoan’ny maha-Andriamanitra Azy Izy, Izy ilay tenin’ Andriamanitra.

 

Tsy matahotra akory anie Izy milaza hoe : minoa ahay ny asako.

 

Raha tsy manao ny Asan’Andriamanitra Raiko Aho, aza misy mino Ahy, fa raha manao azy kosa Aho : Voatery hino Ahy ianareo.

 

Inoy ny asako dia hahalala sy hino ianareo fa ny Raiko ato Amiko ary Izaho ao amin’ny Raiko, ary Izahay dia tokana sy zavatra iray ihany.

 

Tsy vitan’ny hoe miteny tahaka an’Andriamanitra Izy fa miasa tahaka an’Andriamanitra koa

 

Notanterahiny an-tsakany sy an-davany ity teny nolazainy an’izao tontolo izao ity : efa nomena Ahy ny fahefana any an-danitra sy ety ambonin’ny tany.

 

Izay rehetra ataon’ny Ray, dia ataon’ny Zanaka miaraka Aminy avokoa. Miasa tsy an-kijanona ny Raiko, ary miasa miaraka Aminy Aho.

 

Nety ho nifanandrina tamin’i Jesoa ny Jody hanao hoe : miteniteny foana ianao nefa tsy hita izay vitanao.

 

Fa mba hamalian’i Jesoa an’izany rehetra izany dia izao no efa voalazany : Inoy ny asako fa tsy nisy niafina ireny asako ireny, ary nataoko teo imasom-bahoaka ; ny vahoaka, ny mponina, ary ianareo rehetra no vavolombelona nahita maso azy ireny isan’andro mihiratra.

 

Mandidy ny voaary Izy. Ary ny voaary manaiky azy toy ny anekena an’Andriamanitra Mpahary Azy nampitony ny rivo-mahery Izy.

 

Raha niaraka tamin’ny Apôstôly teny ambonin’ny ranomasina Izy, ka nitady handrendrika azy ireo ny rivomahery, dia nivarahontsana ny Apôstôly ka nilaza taminy hoe : Tompo ô, vonjeo fa maty izahay. Nifoha tamin’ny torimasony i Jesoa satria natory Izy, ary nilaza tamin’izy ireo hoe : Maninona no matahotra ianareo, ry lehilahy kely finoana ? Ary nitsangana Izy ka nandrahona ny rivotra ary niteny tamin’ny ranomasina hoe : mitonia ianao ; niaraka tamin’izay dia nitsahatra ny rivotra, ary nisy fahanginana lehibe. Sady gaga no raiki-tahotra izy rehetra ka nifampilaza hoe : Iza marina tokoa re ity ? Mandidy ny rivotra sy ny ranomasina Izy, dia manaiky Azy ny rivotra sy ny ranomasina.

 

Hay, Izy ilay Mpahary an’izao tontolo izao.

 

Ipse dixit et facta sunt. Omia per ipsum facta sunt et sine ipso factum est nihil.

 

[Niteny Izy, dia nisy ny rehetra (Salamo 32, 9) Izy no nahariana ny zavatra rehetra, ary raha tsy Izy, tsy àry ny zavatra rehetra (Jo 1, 2)]

 

Mandeha eny amboniny rano Izy dia nampandehaniny teny koa i Piera

 

Indray mandeha izay, namakivaky irery ny ranomasina ny Apôstôly, ary i Jesoa nijanona tery an-tsisin-drano niaraka tamin’ny vahoaka mba handefa azy hody taorian’ny fampitomboana ny mofo,

 

Pejy faha-077

 

ary nanoa rivotra izy ireo ka sahirana mafy tokoa nivoy.

 

Rahefa nivoy toy izany teo amin’ny 25 na 30 stady teo nandritra ny alina izy ireo, dia indro i Jesoa hitany mandeha eny ambonin’ny rano manatona ny sambokely ary nihoatra azy.

 

Nivarahontsana izy ireo satria noheveriny ho matoatoa no hitany ka nihoraka be izay ts’izy. Fa hoy i Jesoa taminy : Matokia, Izaho ihany ity, aza matahotra.

 

Nahare ny feon’ny Mpampianatra azy i Piera ka nilaza tamin’ny Tompo hoe : raha Ianao io, dia mandidia ka ho eny aminao eny ambonin’ny rano aho.

 

Dia hoy i Jesoa : Avia ary e !

 

Dia nidina tamin’ny sambokely i Piera, nandeha teny ambonin’ny rano ho eny amin’i Jesoa, saingy raiki-tahotra kely izy noho ny fifofofofon’ny rivotra ka nanomboka nilentika, dia niantso mafy hoe : Tompo ô vonjeo aho ; ary noraisin’i Jesoa tamin’ny tanany izy ary nilazany hoe : lehilahy kely finoana, nahoana no nisalasala ianao ?

 

Ary niondrana tao an-tsambo niaraka tamin’izy ireo Izy ; ary raha vantany vao niditra Izy dia nitsahatra ny rivotra, ary tody teny amoron-drano izy ireo. Ireo tao an-tsambokely anefa dia tonga nitsaoka Azy nanao hoe : Ianao marina tokoa no Ilay zanak’Andriamanitra sady vao mainka nitombo ny tahotr’izy ireo.

 

Satria tokoa manko, nanoloana ny Tompon’izao tontolo izao izy ireo, dia Ilay Teny mandrakizay mahay mandidy ny rivotra sy ny ranomasina, mahay manamafy ny ranomasina ao ambany tongony sy ny an’ny mpianany raha sitrany izany.

 

Iza tokoa moa no tsy ho raiki-tahotra, raha tafaraka amin’ny olona toy izany, dia Ilay zanak’Andriamanitra ?

 

Mandidy ny trondron-dranomasina ho ao anaty haraton’i Piera Izy.

 

Niondrana tao anaty sambokelin’i Piera i Jesoa mba hampianatra ny vahoaka tery an-tsisin-drano ; ary rahefa vita izany, dia nasainy niroso amin’ny lalindalina kokoa i Piera ka hanipy ny haratony mba hanjono.

 

Tompoko, hoy Piera, niasa nandritra ny alina izahay fa tsy nahazo ninoninona ; kanefa noho ny Teninao, dia halatsako ihany ny harato.

 

Ary nahazo trondro be dia be tokoa izy ireo ka saika rovitra ny harato, feno hipoka ny sambokely roa ary efa saika hilentika.

 

Nahita izany i Piera ka niankohoka teo an-tongotr’i Jesoa ary nilaza taminy hoe : mialà amiko Ianao, satria olona mpanota aho.

 

Raiki-tahotra tokoa mantsy izy ireo noho ny fanaratoana nahazoany trondro be dia be teo.

 

Nampitombo ny mofo Izy tany an-taniefitra

 

(Jo 6, 1)

 

Nanova ny rano ho divay Izy tany Kanà

 

(Jo 2, 1)

 

Pejy faha-078

 

Nanamaina ny aviavy tsy namoa Izy

 

(Mt 21, 18)

 

Tompon’ny fiainana sy ny fahafatesana Izy
Nandidy ny marary sy ny maty Izy Dia manaiky Azy ny marary sy ny maty

 

Io no fahatanterahan’ny teny voalazany hoe : Izaho no fananganan-ko velona sy fiainana.

 

Ary namafisiny tamin’ny asany io teny io

 

ka nomeny fahasalamana ny marary

 

naveriny amin’ny maty ny aina

 

ary dia mba naveriny ao Aminy koa.

 

Nanasitrana ny rafozam-bavin’i Md Piera Izy

 

(Mk 1, 29)

 

Nanasitrana ilay teraka jamba Izy.

 

(Jo 9, 1)

 

Nanasitrana ny jamba roa lahy Izy.

 

(Mt 9, 27)

 

Nanasitrana ilay boka Izy.

 

(Mk 1, 40)

 

Nanasitrana ilay moana sy marenina Izy.

 

(Mk 7, 31)

 

Nanasitrana ny marary rehetra tonga ao aminy Izy.

 

(Mt 15, 29)

 

Nanasitrana tana-maina Izy.

 

(Lk 6, 6)

 

Nanasitrana ilay malemy Izy.

 

(Mk 2, 1 ; Jo 5, 1)

 

Nanasitrana ilay vehivavy nitsi-dra Izy.

 

(Mk 5, 25)

 

Nanasitrana ireo rehetra mikasika ny rebareban’akanjony Izy.

 

(Lk 6, 19)

 

Pejy faha-079

 

Nanasitrana ilay mpanompon’ilay tompon-jato Izy.

 

(Mt 8, 5)

 

Nanasitrana ny zanak’ilay manamboninahitra Izy.

 

(Jo 4, 46)

 

Nanasitrana ireo boka folo lahy Izy.

 

(Lk 17, 12)

 

Nanasitrana ny zanaka vavin’ilay kananeana Izy.

 

(Mt 15, 21)

 

Famitinana ireo fahagagana maneho ny fahefana tsy misy fetra ananan’ilay manao azy
Andriamanitra irery ihany no afa-manao toa izany
Tompon’ny fiainana izy.

 

Tompon’ny fahafatesana koa Izy.

 

Nanangan-ko velona ny zanak’ilay vehivavy mananontena tao Naima Izy.

 

(Lk 7, 11)

 

Nanangan-ko velona ny zanaka vavin’i Jaira Izy.

 

(Mk 5, 21)

 

Nanangan-ko velona an’i Lazara Izy.

 

(Jo 11, 1)

 

Tsy vitan’ny hoe tompon’ny fiainan’ny sasany Izy
fa tompon’ny fiainany manokana koa.

 

Izy mihitsy no nilaza izany :

 

Tahaka ny ananan’ny Ray ny fiainana ao aminy manokana, no anomezany ny Zanaka fananana fiainana ao aminy manokana koa.

 

Afoiko ny aiko dia averiko Amiko indray ; tsy misy afa-manala azy amiko, fa izaho ihany no mahafoy azy.

 

Manana ny fahefana hahafoy azy aho, ary manana ny fahefana hamerina azy indray. (Jo 10, 18)

 

Nifady hanina Izy nandritra ny 40 andro sy 40 alina.

 

Tao Nazareta, raha noroahin’ny fahavalony tao amin’ny Sinagôga Izy, ka nentiny tery an-tampon-tendrombohitra mba hanosehana azy any an-tevana, dia nitodihany izy ireo nony tonga teny an-tendrombohitra ka namakivaky teo afovoan’izy ireo Izy, nefa tsy nisy sahy nikasika azy, ary lasa izy, ry zareo kosa gina tsy nahateny teo. Tompon’ireny sitra-po mpikomy sy fahavalo ireny Izy, ka tsy misy mahefa ninoninona amin’ny fiainany ireny satria mbola tsy tonga ny fotoany.

 

Pejy faha-080

 

Im-betsaka ny fahavalony no tonga hisambotra azy, fa tsy nisy sahy nikasika Azy satria nisy hery miafina nanakana azy ireo tsy hanatona Azy, mbola tsy tonga manko ny ora voatokany hanolorany ny tenany.

 

Rahefa tonga ny fotoana hisamborana Azy tao an-tanimbolin’Oliva, dia teny iray fotsiny no nolazainy tamin’ireo nanontaniany ka hisambotra Azy : Izaho no Izy, dia niakarapoka tamin’ny tany teo am-pandrenesana izany teny izany izy ireo.

 

Izany dia hampisehoana amin’izy ireo fa mahery noho izy rehetra mitambatra Izy, ary raha nanaiky ho samborina Izy, dia tena sitrapony marina tokoa.

 

Ary rahefa nanaiky ho samborina Izy, dia mba hampahafantarany azy ireo, fa tonga ny ora nomena azy ireo hanekeny ny herin’ny maizina.

 

Ary raha maty eo ambony hazofijaliana Izy, dia miantso amin’ny feo mahery vao miala aina, ka nampitolagaga ny miaramila izay niteny hoe : Marina tokoa, tena Zanak’Andriamanitra ity ; marina tokoa fa ity ilay Zanak’Andriamanitra. Fa ny fahagagana nanakoako indrindra tamin’izy rehetra dia ny namerenany indray tao Aminy ny fiainany taorian’ny nakan’ny olombelona azy. Nambarany mialoha be tamin’ny mpianany izany.

 

Fandinihana momba io fahefana ananany amin’ny tenany io[97]

 

Noho ny fahalalany tsy misy fetra dia mahalala ny zavatra rehetra Izy, ny ho avy, ary izay miafina indrindra ao anatin’ny fon’ny olombelona.

 

Fantany ny tao am-pon’ilay vehivavy samaritana.

 

(Jo 4, 17)

 

Fantany i Natanaely na dia mbola tsy hitany aza.

 

(Jo 1, 48)

 

Hainy ny manavaka ireo mino sy ireo tsy mino Azy.

 

(Jo 6, 64)

 

Fantany ny fimonomononana ao am-po tsy miloaka

 

Pejy faha-081

 

teo amin’ny mpianany momba ny Eokaristia

 

(Jo 6, 61)

 

Ambarany mialoha amin’i Piera fa handà Azy in-telo Izy.

 

(Mt 26, 34)

 

Ambarany an’i Piera ny fomba hahafatesany.

 

(Jo 21, 18)

 

Lazainy an’ny Apôstôliny ny fijaliany ary fomba ahoana no hahafatesany.

 

(Mk 10, 33)

 

Voalazany mialoha ny hamadihan’i Jodasy Azy.

 

(Mk 14, 18)

 

Mahalala ny madio fo sy ny tsy madio Izy.

 

(Jo 13, 10)

 

Tsy tompon’ny fotoana fotsiny ihany fa tompon’ny mandrakizay koa Izy :

 

Mamela ny fahotan’ilay malemy tongotra Izy

 

(Mk 2, 5)

 

Sy ilay vehivavy janga.

 

(Jo 8, 11)

 

Mampanantena ny famonjena an’ilay vehivavy nitsi-dra Izy.

 

(Mt 9, 22)

 

Ampanantenainy ny lanitra ireo boka nahay nankasitraka Azy.

 

(Lk 17, 19)

 

Omeny ny lanitra ilay jiolahy nivalo.

 

(Lk 23, 43)

 

Pejy faha-082

 

Mampanantena Izy fa hahazo ny lanitra izay mino Azy.

 

(Jo 11, 25)

 

Ampanantenainy ny lanitra ireo Apôstôliny nandao ny zavatra rehetra mba hanaraka Azy.

 

(Mt 19, 27)

 

Ny mahavariana koa dia ny nanomezany ny fahefany ho an’ny Apôstôly.

 

(Lk 9, 1)

 

Dia nahavita fahagagana mitovy amin’ny nataon’i Jesoa Kristy tokoa ny Apôstôly.

 

(Lk 10, 17 ; Asa 3)

 

Ny fahagagana goavana indrindra mbola misy sady fanamafisana ireo fahagagana nisy teo aloha dia ny fisian’ny Fiangonana.

 

Aza hadino ilay fanehoam-pinoana lehibe amin’i Jesoa Kristy, Teny sady Zanak’Andriamanitra.[98]

 

Pejy faha-083

 

IV. Anaram-Panajana An’i Jesoa – Kristy

 

Pejy faha-085

 

Fomba nahazatra hatramin’ny ela ity fomba fianarana an’i Kristy ity teo amin’ireo mpampianatry ny Fiangonana.[99]

 

Fa eto kosa, dia ny fifandraisana vokatry ny fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo amintsika no anton-dresaka. Omen’Andriamanitra antsika ny Teniny, feno tanteraka io ho antsika.[100]

 

Maneho ny asa maha-Mpamonjy Azy amintsika àry ireo anaram-panajana entin’i Jesoa Kristy ireo.

 

Tsy mety hodian-tsy fantatra io toe-javatra iankinan’ny fifandraisantsika amin’i Kristy io.

 

Tao amin’ny Soratra Masina no nakan’i Mompera Chevrier azy ireny. Tsy hita mivantana ao anefa ny sasany fa voalaza ny heviny, ohatra amin’ireny ny filazana an’i Kristy ho ivon-toerana.

 

Voafidy manokana ary nomena ny toerana tena sahaza azy ny fiantsoana an’i Jesoa ho Mpampianatra izay nodinihin’i Mompera Chevrier lalina tokoa raha ny sora-tanana navelany no jerena akaiky.

 

Ity ohatra nosoratsoratany tamin’ny taratasy kely dia nahantony tamin’ny rindrina ny sasany na napetany tamin’ny hazofisaka, araka ny fomba nahazatra azy. Fomba iray fampiasany matetika io mba hahitany mandrakariva eo ambany masony, ny zavatra alalininy, rehefa manam-potoana ialan-tsasatra kely izy, eny anivon’ny asa aman-draharaha itadiavan’ny olona azy tsy tapaka :

 

Filàna Mpampianatra

 

Filàna – mifono hevitra maro samihafa !

 

Ilaina ny mpampianatra – tsy mahavita tena irery ny olona – asa aman-draharaha – mpianatra asa – fahaizana amam-pahalalana – fianarana.

 

Ny saina, izao tontolo izao, ny olombelona, ny olon-kendry.

 

Miala amin’ireo mpampianatra tsy marina mba hiraiketana amin’i Jesoa Kristy, ny saina, ny olombelona, ny faminavinana, ny tena mihitsy, ilaina ny mpampianatra.

 

Miaina tsy misy mpampianatra, inona no atao ? Tsy misy na manaonao foana, mitady mpampianatra, faly rahefa mahita iray.

 

Tsapa ny tsy fahombiazan’ny tena, ny fahambanian’ny tena, kizintina, hadisoana[101].

 

Pejy faha-086

 

Hita amin’ny taratasy sasany nosoratany koa ny toy itony manaraka itony :

 

Irak’Andriamanitra na Mesia

 

Zanak’Andriamanitra

 

Zanak’olona

 

Jesoa – Mpamonjy

 

Mpanavotra

 

Pretra }

 

Mpanjaka } Kristy

 

Mpampianatra

 

Mpitsara[102]

 

Inona no antony tsy nandraisan’i Mompera Chevrier ireny anaram-panajana nomena an’i Jesoa ireny rahefa nanoratra Ny Mpianatra Marina izy ? Izao no antony :

 

Nataony ho an’ny katesizy ny sasany tamin’ireny. Tsy mbola manam-pinoana daholo mantsy ireo ankizy maro be tonga ao amin’ny Prado hanomana ny Kômonio Voalohany. Niezaka noho izany i Mompera Chevrier nikaroka tao amin’ny Evanjely izay fomba ho entina hampahafantatra miandalana an’i Jesoa Kristy azy ireo.

 

Endrey izany fahendrena sy fanetren-tena ary fahamalinana nentin’i Jesoa Kristy niseho tamin’izao tontolo izao : namindra moramora, malina, be fitiavana !

 

 Ilay Irak’Andriamanitra no anarako hoy Izy. Io no anaram-panajana Azy tsotra indrindra, mora takarina indrindra. Tsy mbola manambara ny tenany i Jesoa, tsy mba manjakazaka Izy fa nirahin’Andriamanitra ; tsy mandidy Izy, ary tsy milaza hoe : Izaho dia zanak’Andriamanitra, tsy maintsy inoana, fa manomana ny saina hino Azy miandalana mba hanaiky fa Andriamanitra no Rainy.

 

Toy izany no nataon’i Moizy sy ny mpaminany nilaza hoe : amin’ny anaran’Andriamanitra no itenenako aminareo, Andriamanitra no mandidy antsika : mitovy mandrakariva ny famindra, ny saina[103].

 

Tsy mahataitra àry raha toy io koa no nomena ny ankizy miomana ho Pretra. Sora-tànana maro no manaporofo izany.

 

Hita taratra ombieny ombieny ao amin’ ny Mpianatra Marina ny sasantsasany amin’ireny anaram-panajana an’i Jesoa Kristy ireny. Hita izany ohatra amin’ny fivoasana ny Toko voalohany amin’ny Evanjelin’i Md Joany izay manondro an’i Jesoa Kristy ho Ilay Iraky ny Ray ary ity toko fahefatra ity mivaofy ny maha-Mpamonjy an’i Jesoa Kristy. Eritrereto ny fiontanan’i Md. Paoly : « Voapetraka tsara teo ambany masonareo i Jesoa Kristy mifantsika »[104].

 

Averina indray àry fa ilay matsom-panahy tamin’ny Noely 1856 no mbola mitana ny toerany amin’ny fitanisan’i Mompera Chevrier ireo anaram-panajana an’i Jesoa Kristy ireo. Miavaka tsara mihitsy izany rahefa miresaka ny « hatsaran-tarehin’i Jesoa Kristy sy ny hazavany » izy.

 

Pejy faha-087

 

Koa mba hampiraisana antsika amin’izany matsom-panahy izany, dia asain’i Mompera Chevrier amin’ny fivavahana isika. Noforoniny ny fivavahana hoe : O ry Teny ! O ry Kristy.[105] Ny fampiasana ny finoana efa noresahantsika[106] mivelatra ho vavaka. Miaraka amin’izany koa ireo vavaka maro samihafa hatolotra ato[107].

 

Pejy faha-089

 

Nomen’Andriamanitra antsika Izy mba ho fahazavantsika sy fahendrentsika sy fahamarinantsika sy fanamasinana antsika ary fanavotana antsika. (I Kôr, 1, 30)

 

Tsy misy fanomezana ambonimbony na levenam-bola lehibebe kokoa azon’Andriamanitra omena antsika ankoatra ny nanomezany ho antsika ny Teniny, ny Zanany mendrika itsaohana, satria tena Fahataperana tokoa Izy ho antsika.

 

1° Fahendrentsika

 

Fahendrentsika Izy amin’ny fanaposahany ny fahazavana avy amin’Andriamanitra eo amin’ny manodidina antsika, ka manilo antsika, manoro antsika ny marina sy ny zava-tsoa misy eo amin’ny zavatra rehetra. Hatramin’ny fahotana, noho izy tsy notsilovin’Andriamanitra intsony, dia very fahendrena ny olombelona nentin’ny fahazavany manokana ka nivarina tao anatin’ny filan-dratsy, ny fahoriana sy ny heloka bevava.

 

Noho ny anomezany antsika ny fahazavana manilo ny diantsika amin’ny fiainana sy mampianatra antsika.

 

Nomena antsika i Jesoa Kristy mba hanonitra io fahoriana io ary tonga Fahendrena ho antsika Izy noho Izy manilo antsika amin’ny fahazavana avy amin’Andriamanitra, mba hahaizantsika manavaka ny marina amin’ny diso, ny tsara amin’ny ratsy ; ny rariny amin’ny tsy rariny, ka hitiavantsika ny zavatra rehetra araky ny fahazavany sy ny lanjany mba hametrahantsika amin’ny toerana tandrify azy ny momba ny tany, ny ara-panahy, ny fotoana, ny mandrakaizy.

 

Izy, noho izany, no tena Fahazavana manilo ny olombelona tsirairay eo amin’izao tontolo izao.

 

Izy Ilay Teny avy amin’Andriamanitra, ao Aminy ny fiainana ary ny fiainana no fahazavan’ny olombelona.

 

Avy any Ambony Izy, miaraka amin’ny hatsaran-tarehy, ny voninahitra, ny famirapiratan’ny lanitra.

 

Pejy faha-090

 

Izany no anomezana anarana Azy hoe :

 

Oriens ex alto [Fahazavana avy any Ambony (Lk 1, 78)]

 

Sol justitiae [Masoandron’ny fahamarinana (Ml. 3, 20)]

 

Candor lucis aeternae [Famirapiratan’ny fahazavana mandrakizay (Fahen. 7, 26)]

 

Splendor patris [Famirapiratan’ny Ray. (Hb 1)]

 

Tsy tara-pahazavana avy any ambony, tahaka ny an’ny olomasina sy ny Mpaminany fotsiny, fa tena fahazavana manontolo avy amin’Andriamanitra mihitsy no tonga manilo antsika noho ny famirapiratany.

 

Izany no ilazan’ny Soratra Masina hoe : Ny vahoaka izay nizotra tao anatin’ny haizim-pito, dia nahita fahazavana lehibe (Mt 4, 16)

 

Namiratra tao anatin’ny haizina ny fahazavana. (Jo 1, 5)

 

Nunc lux in Domino [Ankehitriny dia tonga fahazavana ao amin’Andriamanitra ianareo (Ef 5, 8)]

 

Mba handeha toy ny zanaky ny mazava isika, ka ho afaka hanavaka sy hahalala ny marina, ny rariny, ny tsara, ny mety.

 

In lumine tuo videbimus lumen [Noho ny fahazavanao no ahitanay ny fahazavana (Sal 36, 10)]

 

Mba ho zanaky ny mazava sy ny andro ianareo (1 Tes 5, 5).

 

Tsy misalasala ny Tompontsika manambara amintsika ny tenany fa Izy no fahazavan’izao tontolo izao : Ego sum lux mundi. [Izaho no fahazavan’izao tontolo izao]

 

Raha nahary izao tontolo izao Andriamanitra dia nomeny hanazava ny masom-batantsika ny masoandro.

 

Fa raha nahary ny fanahintsika kosa Izy, dia i Jesoa Kristy, Teniny no nomeny ho fanilon’ny fanahintsika sy ny fahazavan-tsaintsika,

 

satria Izy no Fiainana ary ny fiainana no fahazavan’ny olombelona.

 

Avy amin’i Jesoa Kristy no handraisantsika ny fiainana sy ny fahazavana, fahazavana marina, Lux verra, mba hanavahantsika io fahazavana avy any ambony io, amin’ny ireo fahazavana kely mitsilopilopin’ny olombelona miraikitra amin’ny tany izay matetika manakona ny fanahintsika efa ao anatin’ny haizina amin’ny fahazavana matroka tsy ahita-mitsinjo.

 

I Jesoa Kristy no fahazavan’ny fanahintsika, raha ny masoandro kosa no fahazavan’ny vatana. Tahaka ny masoandro manome hafaliana ny masontsika, manilo antsika mba hahitantsika ny zavatra manodidina antsika, mba hahafantarantsika sy hankamamiantsika ny voaary tsirairay, ary manilo ny làlana hombantsika, mampahafantatra antsika ny tena hatsarana, ny loko, ny fampiasana ny tsirairay amin’ireo zava-boaary rehetra ireo. Zava-tsoa sarobidy anie ny masoandro ho an’ny vatantsika e !

 

Dia tahaka izany koa i Kristy ho an’ny fanahintsika : Izy no Masoandron’ny fahazavan-tsaina sy ny fanahy.

 

Ny fahazavany no mampianatra antsika hahalala ny voaary tsirairay, hahalala ny soatoavina ara-panahy ao amin’ny zavatry ny tany, hahalala ny marina, hahalala ny marina sy ny diso, ny rariny sy ny tsy rariny, ny tsara sy ny ratsy.

 

Pejy faha-091

 

Misy elanelana ambony lavitra eo amin’ny fahalalana ara-panahy ny voaary manontolo raha miolotra amin’ny fahalalana ara-batana, omen’ny masoandro, ny zavatra hita maso sy nohariana !

 

Raha te hahalala, hankafy, hitsara, hanombam-bidy ny zavatra iray isika, dia tadiavo ny fahazavana, i Jesoa Kristy, dia hotsiloviny isika, ary hampahafantariny ny tena vidiny, ny fankafizana azy, ny heviny amin’io, ny fampiasany azy, dia ho azontsika ny tena fahazavana marina… ny tena fitsarana marina ny voaary manontolo.

 

Noho ny fahazavana marina ho antsika àry no nahatonga Azy koa ho Fahendrentsika, satria raha arak’io fahazavany io ny fihetsika entintsika miasa, dia tsy hosolafaka isika, tsy ho very làlana isika raha mandeha arak’io fahazavana io.

 

Ary raha arak’io fahazavana io no hankafizantsika ny zava-boaary, dia ho rariny tokoa ny fitsarantsika satria Izy no fahazavana marina nidina avy any an-danitra, ary ao amin’Andriamanitra mihitsy mba hanilo antsika.

 

Ny fahazavan’ny lanitra mantsy dia fahendren’Andriamanitra.

 

Ao Aminy no misy ny raki-miafin’ny fahalalana sy ny fahendrena. (Kôl 2, 3).

 

Nitombo taona sy fahendrena teo anatrehan’Andriamanitra sy ny olombelona Izy, ary tao Aminy ny fahasoavan’Andriamanitra.

 

Feno fahasoavana sy fahamarinana.1

 

1. Ms Xi 147 –

 

Izy no fahaizana amampahalalana sy fahamarinana,

 

Izy no mampahalala sy manavaka antsika ny marina sy ny diso, ny tena zava-tsoa marina, ny momba izao tontolo izao ; ny fahendren’izao tontolo izao dia fahadalana ho an’i Jesoa Kristy, ary ny fahendren’i Jesoa Kristy dia fahadalana ho an’izao tontolo izao.

 

Nanenika ny fiainany manontolo io fahendrena io, ny asany, ny teniny, dia tsipi-pahendrena sy fahazavana manilo antsika, manoro antsika ny fomba hoentintsika mitondra tena mba ho hendry avokoa.

 

Fitsipi-pitondran-tena ho antsika Izy, lasitra ho antsika, ka tsy maintsy banjinintsika mandrakariva io fahazavana io mba hahaizantsika mitondra ny tenantsika.

 

Nahitana sombintsombim-pahendrena kely indraindray teo amin’ny olo-malaza, taratra kelin’io fahazavana manilo antsika io ; fa i Jesoa Kristy no tena fahendrena feno. Tsy nisy olona nahazo tena feno, fa i Jesoa Kristy kosa, dia manana azy feno dia feno satria tsy amin’ny fatra no nandrasany ny Fanahy Masina.

 

Tsy ilaina ny mandeha lavitra mba hahitana ny fahendrena, ao anatin’i Jesoa Kristy no misy azy. Mianatra an’i Jesoa Kristy sy mahalala Azy dia ampy.

 

Misy ny mitady azy ao anatin’ny boky be, ao amin’ny filôzôfia, any amin’ny fivahinianana, ao amin’ny fianarana taratasy, nefa ao amin’i Jesoa Kristy no misy azy.

 

I Jesoa Kristy ihany no fantatro, hoy i Md. Paoly, dia i Jesoa Kristy nofantsihina tamin’ny hazofijaliana.

 

Tsy Hendry isika raha tsy noho i Jesoa Kristy

 

………………….

 

Tsy marina isika raha tsy noho i Jesoa Kristy

 

………………….

 

Tsy ho masina isika raha tsy noho i Jesoa Kristy.

 

………………….

 

Note manquante

 

Pejy faha-092

 

2° Fahamarinantsika

 

Izy no mahatonga antsika ho marina, nanao antsika ho marina.

 

Antsoina hoe : Masoandron’ny Fahamarinana Izy. Sol justitiae, ary hoy i Md. Paoly : Noho i Jesoa Kristy, dia mba ho fenon’ny vokatry ny fahamarinana anie ianareo ho fiderana sy ho voninahitr’Andriamanitra (Fil 1, 11)

 

Ny fanatanterahana ny didy nomeny antsika no manamarina antsika. Izy no nanome antsika ny lalàn’Andriamanitra izay tsy maintsy harahintsika ; ny didy sy ny torohevitra tsy maintsy hotandremantsika izay hahatonga antsika ho marina eo anatrehan’Andriamanitra, ka mampizotra antsika amin’ny làlana nosoritan’Andriamanitra ho antsika tamin’ny alalan’ny Zanany.

 

Noho ny fitiavany antsika, na dia tsy nahalala ny ota aza ny Zanany dia natao ohatry ny fahotana ratsy, ka maty nofantsihana tamin’ny hazofijaliana, mba hanamarina antsika amin’ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra. (2 Kôr 5, 21)

 

3° Fanamasinana antsika

 

Izy ihany koa no mahatonga antsika ho masina noho ny fanomezany antsika ny fahasoavana madio sy manamasina ny fanahy.

 

Avy amin’ny hafenoany no andraisantsika ny fahasoavana, hoy i Md. Joany.

 

ny fahasoavana sy ny fahamarinana dia avy ho antsika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. (Jo 1, 17)

 

Izy moa dia feno fahasoavana sy fahamarinana rahateo (Jo 1, 14)

 

Amasininy isika, ataony tonga masina, amin’ny alalan’ireo Sakramenta naoriny.

 

Hatramin’ny nidiran’ny fahotana teto amin’izao tontolo izao, dia nanjakan’ny fahotana isika. I Jesoa Kristy anefa nandroaka ny fahotana tamin’ny fahasoavany.

 

Tonga masina eo imason’Andriamanitra isika, noho i Jesoa Kristy. Tsy mpivavaka, ratsy fanahy isika taloha dia manjary masina noho i Jesoa Kristy ankehitriny.

 

Izy no Mpanamasina antsika.

 

4° Fanavotana antsika

 

Izy no nanafaka antsika tamin’ny nanolorany ny tenany ho antsika, tamin’ny nandoavany ny trosantsika tamin’ny Rainy, tamin’ny nanaovany ny asa fivalozana mendrika antsika noho ny fahotantsika, tamin’ny nahafatesany ho antsika teo ambony hazofijaliana, sahala amin’ny olo-meloka, tahaka ny jiolahy faran’izay meloka indrindra eto an-tany, satria tiany ny hivesatra ny otantsika.

 

Io Ilay zanak’Ondrin’Andriamanitra mitondra ny fahotan’ny olona. I Jesoa Kristy no nanafaka antsika amin’ny ozon’ny lalàna, noho Izy naka endriky ny ozona mihitsy ho antsika. (Gal 3, 12)

 

Pejy faha-093

 

Noho ny fitiavany antsika, na dia tsy nahalala ny fahotana aza ny Zanany, dia nataon’Andriamanitra sahala amin’ny fahotana mihitsy ka navelany ho faty tamin’ny hazofijaliana io Zanany io, mba hanamarina antsika amin’ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra. (2 Kôr 5, 21)

 

Natolotra ho faty i Jesoa mba ho onitry ny fahotantsika (Rm 6, 25).

 

Nofoanany ny didy fanamelohana antsika tamin’ny fihantonany tamin’ny hazofijaliana (Kôl 11, 14)

 

5° Mpanjakantsika Izy.

 

Kahie Jesoa Mpanjaka[108]

 

Hitondra antsika, handidy antsika no nahatongavany.

 

Mpanjaka tokantsika.

 

Andriamanitra, Mpanjaka lehibe sy tokan’izao tontolo izao no nanosotra Azy ho mpanjakan’ny olombeona araka ny voalazan’ny Salamo sy ny Mpaminany.

 

Homeko ho lovanao ny firenen-drehetra.

 

Hanjaka hatramin’ny ranomasina an’ila Izy ka hatramin’ny ranomasina an’ila.

 

Tamin’ny andro nanorotoronana Azy, dia voalazan’ny anjely ny ho fahamboniany sy ny hahampanjaka Azy.

 

Ho lehibe Izy ary hantsoina hoe : Zanak’Andriamanitra ary homen’ny Tompo Azy ny fiandrianan’i Davida Rainy, dia hanjaka ao an-tranon’i Jakoba Izy, ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany. (Lk 1, 32)

 

I Md. Joany Batista manomana ny fanjakany.

 

Tamin’ny nahaterahany, mpanjaka mihitsy no tonga hitsaoka Azy, ary nanontany an’i Jerosalema aiza no teraka ilay Mpanjakan’ny Jody.

 

Teo amin’ny fiainany, nihoby azy ho mpanjaka ny vahoaka ary nisaotra ny anarany sy ny fanjakany.

 

Ny sasany nankalaza Azy, ny sasany nandà Azy.

 

Tsy manana mpanjaka hafa afa-tsy i Sezara izahay.

 

Nolumus hunc regnare super nos [Tsy tianay hanjaka aminay io (Lk 19, 14)]

 

Rahefa nanontany Azy i Pilaty raha mpanjaka tokoa Izy, dia novaliany hoe : Eny, izany tokoa Aho. Raha teraka Aho, ka tonga eto amin’izao tontolo izao, dia mba ho vavolombelon’ny fahamarinana.

 

Na iza na iza avy amin’ny fahamarinana dia mihaino ny feoko. (Jo 18, 17)

 

Manazava ny momba ny fanjakany Izy, Izy no Mpanjakan’ny fahamarinana.

 

Tsy eto amin’izao tontolo izao ny fanjakako, fa raha eto amin’izao tontolo izao ny fanjakako dia hiady ho ahy ny vahoakako, fa tsy eto mihitsy ny fanjakako.

 

Tsy ny miaramila mihitsy no maha-Mpanjaka an’i Jesoa Kristy, tsy ny tilikambo fiarovana, tsy ny lapa miezinezina, tsy ny sisintany.

 

Fanjakana ara-panahy ny Azy,

 

Fanjakan’ny fahamarinana ny Azy.

 

Pejy faha-094

 

Izy no mpanjakan’ny fahamarinana. Ego sum veritas.

 

Tonga ho vavolombelon’ny fahamarinana Aho.

 

Tsy voafaritra io fanjakana io, tsy manam-paritra ny fahamarinana, tsy manan-tsisiny, fa manenika ny tontolo, io no zaran’ny fanahy. Izay tia ny fahamarinana dia mandray an’i Jesoa ho mpanjaka.

 

Tsy mba arovana amin’ny fiadiana, na trano fiarovana, na miaramila io fanjakana io.

 

Fanjakan’ny fanahy, manerana izao rehetra izao, miantso ny olon-drehetra ho ao aminy, afaka miditra ao daholo ny olon-drehetra.

 

Io no maha Mpanjaka tokana sy tena marina ; io no fanjakana tokana tena marina, fanjakan’ny tany ny hafa rehetra ary miady sombin-tany kely, tsy nitady hafa afa-tsy ny tany sy ny olombelona fotsiny.

 

Sady hafa noho ireny ny fanjakan’i Jesoa Kristy no ambony lavitra.

 

Ny Filohan’io Fanjakana io dia Mpanjaka hafa noho ny mpanjaka rehetra.

 

Manana lapa tsara sy mahafinaritra ny mpanjakan’ny tany, ny Azy kosa tranon’omby ary tsy mba nanana vato iray niondanan’ny lohany akory Izy.

 

Satro-boninahitra volamena no eny an-dohan’ny mpanjakan’ny tany, fa ny Azy kosa, fehiloha tsilo, ary ny seza fiandrianany ? Hazofijaliana.

 

Lamba rebareba volamena sy jaky no tafian’ny mpanjakan’ny tany, fa ny Azy kosa, voro-damba no narakotra Azy.

 

Tehina volamena no tanan’ny mpanjakan’ny tany, fa ny Azy kosa bararata no famantarana ny fanjakany tsy misy fetra.

 

Izao anefa, na dia teo aza io fomba fitafy sady mahantra no mahamenatra io, dia tsy nampisalasala an’i Pilaty akory ny nanolotra Azy tamin’ny vahoaka hoe : Indro ny Mpanjakanareo.

 

Hevi-dalina sy tena marina avoitran’ireo famantarana maha mpanjaka hafahafa ireo : marina sy rariny ho an’io mpanjakan’ny fahamarinana io.

 

Ahoana ny fisian’io fanjakana io eto amin’izao tontolo izao ?

 

Misy tokoa io fanjakan’ny fahamarinana io, ary efa misy 1870 taona izao no nanorenana azy, tsy nisy olona nahapotika azy, ary miasa sy mandroso hatrany izy.

 

Manana ny Filohany Izy, ny manam-boninahiny, ny miaramilany, ny vahoakany, ny fahavalony, ary mielipatrana manerana an’izao tontolo izao.

 

Tena fanjakana kanto tokoa ny fanjakan’i Jesoa Kristy !

 

Tena Mpanjaka lehibe tokoa i Jesoa Kristy ! Kely sy bitika anie ny mpanjaka rehetra amin’ny tany miolotra amin’i Jesoa Kristy, Mpanjaka tokana sy tena marin’ny voaary manontolo sy ny olombelona e !

 

Miondreha àry isika eo anatrehan’i Jesoa Kristy Mpanjakantsika, dia arahabaintsika Izy fa tena Mpanjakantsika marina sady tokana.

 

Rex regum, Dominus dominantium ; sedenti in throno et agno benedictio honor et gloria in saecula saeculorum.

 

[Ilay Mpanjakan’ny Mpanjaka sy tompon’ny Tompo rehetra (I Tim 6, 15) Ho an’Ilay mitoetra eo amin’ny seza fiandrianana sy ny Zanak’Ondry ny fiderana, ny haja, ny voninahitra ary ny fahefana amin’ny taona rehetra mifandimby. (Apok. 5, 13)]

 

Ary amin’ny faran’izao tontolo izao, eo Izy no tena hiseho amin’ny anaram-boninahitra maha-Mpanjaka Azy, ka hitsara ny olon-drehetra, hamaly soa ireo nanompo azy, ary hanafay ireo tsy nanaiky Azy.

 

Pejy faha-095

 

Homeny ny Paradisa ny tsara fanahy, ary helohiny ho any amin’ny afobe ny ratsy fanahy.

 

Hanomboka hatreo ny fanjakan’i Kristy mandrakizay any an-danitra.

 

Lehibe anie io fanjakana io e ! tsara tarehy sady mahafinaritra tokoa io fanjakana io ! Hitatra ho marobe io fanjakana io, hatreo amin’i Jesoa Kristy ka hatramin’ny faran’izao tontolo izao, ary talohany ireo nanantena ny fahatongavany !

 

Fanjakana masina, madio mangarahara,

 

tsy hahitana intsony ny alokin’ny fanjakan’i Satana,

 

fa hanjakan’ny rariny sy ny hitsiny ao anatin’ny fitiavana tapitr’ohatra.

 

Ao isika no hiondrika miaraka amin’ireo antidahy 24, ny virjiny, ny martiry, ny olomasina rehetra mba hihira… Endrey ity hakanton’ny fanjakan’i Jesoa Kristy !

 

6° Izy no mpampianatra antsika, Mpampianatra tokana antsika.1

 

Antsoina hoe mpampianatra ny olona ilay no manome fahalalana sy fahaizana antsika

 

I Jesoa Kristy ihany anefa no Mpampianatra tokana ho antsika.

 

Izy no ilay tenin’ Andriamanitra, ao aminy daholo ny tahiry miafin’ny fahalalana sy ny fahendrena.

 

Noho Izy Teny, dia Izy no hevitr’Andriamanitra, manana ny fahaizan’ Andriamanitra, ny fahalalan’ny Ray rehetra.

 

1. Ms XI 26

 

Ny ilàna ny mpampianatra : Tsy misy mahavita tena irery, lehibe loatra ny habadoantsika, ny saintsika manjavozavo, hany ka mora fitahina isika ; mora maka ny ratsy ho tsara, ny diso ho marina.

 

Toetry ny mpampianatra : Raha ilaintsika ny mpampianatra eo amin’ny zavatry ny tany toy ny fampianarana mamaky teny sy manoratra, fahaizana momba ny ilain’ny vatana, ny fianarana asa na fitondrana, …tsy vao mainka koa ve ilaintsika ny mpampianatra mitantana antsika ara-panahy[109]a. Tadiavina ao aminy ao ny fahamboniam-pahefana sy fahazavan-tsaina,… Irina ho hita ao aminy mazava ny fahamarinana, ny fahamasinan-toetra, ny fandalàna ny rariny sy ny hitsiny, ny foto-pampianarana azo antoka tsy misy fitaka ; ny enti-miaina mifanaraka amin’ny teny ; zavatra momba ny lanitra azo iankinana sy antenaina tsy amin-tahotra na ahiahy ; fototra mafy orina sy mahatoky, zavatra tsy mety diso ao aminy ka itokisantsika azy tsy an-kisalasalana. Zava-dehibe ho an’ny finoana sy ny fitondran-tena izany.

 

Aiza no hahitana izany mpampianatra izany ? – Tsy hohitantsika eo amin’ny samy olombelona io, na dia isika mihitsy aza. Mahatsapa aho fa mety ho diso, ary mety ho diso toy izany daholo ny olombelona tsirairay. Koa noho izany tsy ho hita eo amin’ny olombelona samy olombelona ny Mpampianatra toa izany. Tsy maintsy avy any amin’Andriamanitra, avy any an-danitra no hiaviany, na ny marimarina kokoa hoe : Andriamanitra mihitsy no tonga hampianatra antsika, raha tsy izany, tsy misy zava-marim-pototra, na azo antoka na tena izy azo raisina.

 

Azon’Andriamanitra lavina amintsika ve ny Mpampianatra toa izany ? Tsia, Andriamanitra izay nahary antsika mitovy tarehy sy endrika Aminy, miaraka amin’ny fahazavan-tsaina, manome antsika ny fahalalana ny tsara, ny kanto, ny marina, ny ratsy dia tsy avelany hiriorio foana eny isika, fa ampianariny, karakarainy. Mba hahatody antsika any amin’ny tanjona nokendreny teo am-pahariana antsika : Tsy maintsy nanome mpampianatra ho antsika Izy. Lalina ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao ka nomeny Azy ny zanany tokana, mba hahazo ny fiainana mandrakizay izay mino Azy, na iza izy na iza. Io ilay zanako malala ankasitrahako indrindra, henoy izy.

 

Iza àry io Mpampianatra io ? I Jesoa Kristy io. Izy irery ihany no mahafeno ireo fepetra rehetra takiantsika amin’ny tena mpampianatra, araka ny haniriantsika azy, ary zontsika ny mangataka izany aminy.

 

Pejy faha-096

 

Izy no tenin’ Andriamanitra, nitafy fomba ivelany mba ho afa-miteny amintsika, Izy ilay avy any an-danitra tonga hiteny amintsika, sy hampahalala antsika ny sitrapon’Andriamanitra Rainy.

 

Izy no taratasy velona nalefan’ny Ray hovakintsika sy ho tanterahintsika.

 

Andriamanitra mihitsy no mampandre antsika : Indro ny mpanompoko nofidiko, ilay malalako sy ankasitrahiko indrindra, apetrako eo amboniny ny Fanahiko, ary Izy hanambara ny fahamarinana amin’ny firenena rehetra (Iz 42, 1).

 

Ny Ray mihitsy no nanambara Azy tamin’ny fiovan-tarehy : Inty ilay Zanako malala sy ankasitrahiko indrindra, Henoy Izy. (Mt 17, 5)

 

Lalina ny fitiavan’Andriamanitra ny olombelona ka nomeny azy ny zanany tokana mba tsy hisy ho very izay mino Azy, ary mba hananany ny fiainana mandrakizay. (Jo 3, 16)

 

Hampianatra izao tontolo izao no asa lehibeny

 

Izao no azavainy amin’ny mponin’ny Nazareta raha namaky tamin’izy ireo ny voalazan’ny mpaminany Izaia Izy

 

Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo.

 

Fa nanosotra ahy solika masina Izy, ary naniraka Ahy hitory ny Evanjely amin’ny mahantra. (Lk 4, 18)

 

Tamin’ny Apôstôly indray, dia hoy Izy : Handeha isika hitory teny fa izany no nahatongavako.

 

Ad hoc veni. [izany no nahatongavako]

 

Tsy maintsy mitory ny fanjakan’Andriamanitra Aho, izany no nanirahana Ahy (Lk 4, 43).

 

Raha teraka sy tonga eto an-tany Aho, dia mba hanambara ny fahamarinana, ary hampianatra ao anatin’ny fahamarinana (Jo 18, 37).

 

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, raha mbola eto amin’izao tontolo izao Aho, dia Izaho no fahazavan’izao tontolo izao (Jo 9, 5).

 

Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana (Jo 14, 6).

 

Ms

 

(Voasoratra tanteraka tany pejy taloha faha-095)

 

Pejy faha-097

 

Io no anaram-panajana entiny

 

Ary hoy Izy, tamin’ny Apôstôliny : miantso Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo ianareo, marina ny voalazanareo, fa izany dia izany tokoa Aho. (Jo 13, 13)

 

Mpampianatra iray ihany no anareo, dia i Kristy. (Mt 23, 8)

 

Hoy ilay vehivavy Samaritana taminy : Raha tonga ny Mesia, dia hampianatra anay ny zavatra rehetra Izy. Dia novalian’i Jesoa hoe : Izaho izay miteny aminao no Izy. (Jo 4, 25)

 

Izay ampianariny dia araka ny Ray naniraka Azy.

 

Tsy Ahy irery ny foto-pampianarako fa an’Ilay naniraka Ahy (Jo 7, 16)

 

Marina Ilay naniraka Ahy, ary ambarako amin’izao tontolo izao izay reko taminy. (Jo 8, 28)

 

Ny teny rehetra voalazako taminareo, dia tsy avy amiko samirery, fa ny Raiko ato amiko no manao ny asa (Jo 14, 10)

 

Ny hitako ao amin’ny Raiko no lazaiko, izaho, olombelona, izay milaza ny marina reko tamin’ny Raiko aminareo. (Jo 8, 38)

 

Tsy avy amiko ny teny voalazako taminareo, fa avy amin’ny Raiko izay naniraka Ahy. (Jo 14, 24)

 

Tsy niteny ho Ahy manokana Aho, fa efa voasoratry ny Raiko avokoa izay nasainy holazaiko, sy resahiko, ary fantatro fa ny didiny dia ny fiainana mandrakizay ; koa noho izany, izay lazaiko dia izay nasain’ny Raiko ambarako ihany (Jo 12, 49).

 

Mahalala an’Andriamanitra Ray Izy.

 

Mahalala an’Andriamanitra Ray Izy, Izy no Teniny ka noho izany dia miaraka Aminy sy ao Aminy mandrakariva Izy. (Jo 8, 35)

 

Tsy misy nahita na oviana na oviana an’Andriamanitra, fa ny Zanany Lahitokana eo an-tratran’ny Ray, Izy no mampahalala Azy antsika. (Jo 1, 18)

 

Tsy misy niakatra any an-danitra afa-tsy ilay nidina avy any an-danitra dia ny Zanak’Andriamanitra izay any an-danitra. (Jo 3, 13).

 

Ilay naniraka Ahy, ato amiko, ary tsy avelany ho irery Aho, satria ataoko daholo izay sitraky ny fony. (Jo 8, 29)

 

Ianareo avy amin’ny tany, Izaho avy any an-danitra. Tsy avy amin’izao tontolo izao Aho. (Jo 8, 23).

 

Afaka milaza marina àry Aho : Mino an’Andriamanitra ianareo, minoa Ahy koa. (Jo 14, 1).

 

Izay mino Ahy dia tsy mino Ahy fotsiny ihany fa mino indrindra ilay naniraka Hay. (Jo 12, 44)

 

Lazaiko marina dia marina aminareo : Izay mihaino ny teniko sy mino ilay naniraka Ahy, dia manana ny fiainana mandrakizay, nialàny ny fahafatesana mba hahazoany ny fiainana. (Jo 5, 24).

 

Pejy faha-098

 

Izy tokoa àry no tena Mpampianatra marina antsika. Izy irery ihany no manan-jo hampianatra antsika ny fahamarinana rehetra mandrakizay. Nomen’Andriamanitra Azy ho asa lehibe sahaniny ny fampianarana ny olombelona ; izany no nanirahany Azy, Izy irery ihany no afaka mampianatra antsika satria Izy irery no tena mahalala an’Andriamanitra, ary nahazo baiko hanao izany Izy.

 

Koa raha mihaino Azy isika, dia mihaino an’Andriamanitra mihitsy, ary eo am-pinoana Azy no hahazoantsika ny fiainana mandrakizay.

 

Mpampianatra antsika tokoa Izy.

 

Mpampianatra no fiantsoan’ny Apôstôly Azy fa tsy hafa

 

Teny ambonin’ny ranomasina izy ireo no nitsoka mafy ny tafio-drivotra ka nitady handrendrika azy rehetra, dia niantsoantso mafy ny Apôstôly nanao taminy hoe : Ry Mpampianatra ô, vonjeo izahay fa maty ! (Lk 8, 24)

 

Raha nifanesika ny vahoaka nanodidina Azy, ka nanontany i Jesoa nanao hoe : Iza no nikasika Ahy, dia namaly Azy i Piera ka nanao taminy hoe : O ry Mpampianatra ô ! Vahoaka be io no manery anao sy mifanesika aminao, ka mbola manontany izay nikasika anao koa ve Ianao ! (Lk 8, 45).

 

Niantso ny Tompontsika i Joany nanao taminy hoe : Ry Mpampianatra ô, nahita olona nandroaka demony izahay, nefa izy tsy miaraka amintsika dia nosakananay ! (Lk 9, 49)

 

Rahefa nahita ilay teraka jamba ny apôstôly dia nanontany an’i Jesoa hoe : ry Mpampianatra ô, iza no nanota, izy sa ny ray aman-dreniny ka nahatonga azy ho jamba ? (Jo 9, 2).

 

Raha nilaza tamin’ny Apôstôly i Jesoa hoe : Andeha isika hiverina any Jodea, dia hoy izy ireo taminy : Ry Mpampianatra ô, mitady hiverina any Jodea Ianao nefa ny Jody efa manomana ny hitora-bato Anao ! (Jo 11, 8)

 

I Jakoba sy i Joany, mba te hahazo tombon-tsoa manokana avy amin’i Jesoa dia nanao taminy hoe : Ry Mpampianatra ô, mba ataovy aminay izay angatahinay Aminao. (Mk 10, 35)

 

Rahefa nandalo teo anoloan’ilay aviavy maina izy ireo, dia hoy i Piera tamin’i Jesoa : Ry Mpampianatra ô, maina tokoa ilay aviavy nozoninao. (Mk 11, 21)

 

Tsy azon’ny Apôstôly ny dikan’ny fanoharana nataon’i Jesoa, ka hoy izy ireo taminy : Ry Mpampianatra ô, hazavao aminay ny hevitr’io fanoharana io. (Mt 15, 15)

 

Raha nahita ny hatsaran’ny vato nanaovana ny tempoly ny Apôstôly, dia nilaza tamin’i Jesoa hoe : Ry Mpampianatra ô, jereo ange izany hatsaran’ny vato sy ny trano ê (Mk 13, 1)

 

Te hahalala ny farandro ny Apôstôly dia nanontany Azy hoe : Ry Mpampianatra ô, rahoviana no hahatongavan’izany ? (Lk 21, 7)

 

Ny tenan’i Jodasy mihitsy, raha tonga hamadika Azy, no nanao taminy hoe : Arahaba ry Mpampianatra (Mt 26, 49)

 

Ary farany, dia io anaram-panajana io ihany no niantsoany Azy, satria nahalala izy ireo, fa Irak’Andriamanitra Izy, ary ny zo ananany hampianatra amin’ny maha-Andriamanitra Azy no manaporofo ny maha-Mesia Mpamonjy Azy.

 

Ny sasany koa dia niantso Azy tamin’io anaram-panajana io, fa tsy tamin’ny anaran-kafa satria tena vonton’ny fahefany sy ny fampianarany ka niaiky Azy ho Ilay Irak’Andriamanitra hanavotra izao tontolo izao.

 

Pejy faha-099

 

Marta

 

Raha miantso an’i Maria rahavaviny i Marta mba hilaza aminy fa tonga ao i Jesoa, dia hoy izy : Maria ô, antsoin’ny Mpampianatra ianao (Jo 11, 28)

 

Madelena.

 

Taorian’ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty, raha vao nahalala Azy i Madelena dia tsy nanonona anaran-kafa, fa avy hatrany dia nanonona hoe : Rabboni, ry Mpampianatra ô ! (Jo 20, 16)

 

Ny mpanora-dalàna sy ny farisiana

 

Rahefa miresaka Azy ny mpanora-dalàna sy ny farisiana, dia io anaram-panajana io koa no nampiasainy.

 

Nisy mpanora-dalàna te ho mpianany nanao taminy hoe : Ry Mpampianatra ô, mba te hanaraka Anao aho na aiza na aiza alehanao. (Mt 8, 19)

 

Hoy ny farisiana tamin’ny Apôstôly : Nahoana ny Mpampianatrareo no miara-mihinana amin’ny mpanota ? (Mk 2, 16)

 

Hoy ny farisiana sy ny mpanora-dalàna tamin’i Jesoa : Ry Mpampianatra ô, mba omeo famantarana izahay (Mt 12, 38)

 

Taorian’ny fampitomboana ny mofo ; raha nahita an’i Jesoa niafina tao Kafarnaôma ny vahoaka dia nanontany Azy hoe : Ry Mpampianatra ô, ahoana no nahatongavanao aty ? (Jo 6, 26).

 

Ilay rain-jaza azon’ny demony moana dia nandohalika teo anatrehany sady nilaza hoe : Ry Mpampianatra ô, indro ny zanako fa entiko eto Aminao (Mk 9, 16).

 

Nanandra-peo ireo boka niantso Azy hoe : Ry Mpampianatra ô, mamindrà fo aminay (Lk 17, 13).

 

Tamin’ny nitondrany ilay vehivavy janga teo anatrehan’i Jesoa mba hanamelohany azy, dia hoy ny farisiana : Ry Mpampianatra ô, vao tra-tehaka teo ity vehivavy ity (Jo 7, 4)

 

Nisy tovolahy anankiray nanontany an’i Jesoa izay tokony hataony mba hahazoany ny lanitra, nanao taminy hoe : Ry Mpampianatra ô, inona no tokony hataoko mba hahazoako ny fiainana mandrakizay ? (Lk 18, 18).

 

Niantso ilay jamba tao Jerikao nanao hoe : Ry Mpampianatra ô, ataovy mahiratra aho. (Mk 10, 51).

 

Tezitra tamin’ny fihobiana an’i Jesoa ny farisiana ka niteny hoe : Ry Mpampianatra ô, ampangino ny mpianatrao (Lk 19, 39).

 

Nisy koa mpampiana-dalàna iray nanontany an’i Jesoa hoe : Ry Mpampianatra ô, inona no lehibe indrindra amin’ny lalàna ? (Mt 22, 35)

 

Dia toy izany àry ny fiantsoana an’i Jesoa an-davan’andro. Ary mba mety hiantsoantsika Azy koa ankehitriny. Ho antsika ny teniny dia tokony ho Tenin’ny Mpampianatra, teny marina, teny tsy azo lavina, tenin’ Andriamanitra.

 

Miteny ny Mpampianatra, dia ampy izay.

 

Ho any amin’iza moa izahay, Ianao no manana ny Tenin’ny fiainana mandrakizay ?

 

Verba mea spiritus et vita sunt. [Ny Teniko dia Fanahy sy fiainana (Jo 6, 64)]

 

Izay mino Ahy manana ny fiainana mandrakizay.

 

Pejy faha-100

 

7° Izy no Filohantsika

 

Izy no loha mitondra antsika. Izy no voalohany amintsika. Izy no Mpitondra antsika. Ary tsy maintsy manaraka Azy isika.

 

Ary ianao ry tanin’i Joda, tsy ianao no kely indrindra amin’ny vohitry Joda, fa avy aminao no hipoiran’ny Filoha hitondra ny vahoakako. (Mt 2, 6)

 

Ao aminy no itoeran’ny hafenoan’Andriamanitra, ary Izy no Loha (Kôl 2, 10)

 

Tamin’izao andro farany izao, dia tamin’ny zanany no nitenenan’Andriamanitra tamintsika, ary noho Izy famirapiratan’ny Ray, voninahiny, endrika lavorarin’ny fisiany, dia nasandrany ho eo ambonin’ny anjely rehetra Izy, satria tsara lavitra noho ny azy ireo ny anarany. (Heb 1, 2-4)

 

Talohan’ny rehetra Izy. (Kôl 1, 17)

 

Nasandratr’Andriamanitra eo ambonin’ny zavatra rehetra Izy, ary nomeny anarana ambonin’ny anarana rehetra. (Fil 1, 2)

 

Napetrak’Andriamanitra eo an-tongony ny zavatra rehetra (Heb 1, 22)

 

Ary nataony Filohan’ny Eglizy manontolo. (Ef 5, 23)

 

I Jesoa no Filohan’ny Eglizy izay vatany (Ef 5, 23).

 

Tiako ho fantatrareo, fa i Kristy no Filohan’ny olon-drehetra (1 Kôr 2, 3).

 

Mitombo amin’ny zavatra rehetra ao amin’i Jesoa Kristy isika, sahala amin’ny ao amin’ny Filohantsika (Ef 4, 15)

 

Izy no talohan’ny zavatra rehetra, lahimatoan’ny maty rehetra, mba hananany ny fahefan’ny Filoha amin’ny zavatra rehetra, satria sitraky ny Ray ny hitoeran’ny hafenoana rehetra ao Aminy (Kôl 1, 17)

 

Tiako ho fantatrareo, fa i Jesoa Kristy no Lohan’ny olona rehetra (1 Kôr 11, 3)

 

Izy no lohan’ny Eglizy (Ef 5, 23)

 

Ao amin’ny loha no itoeran’ny fahazavan-tsaina, ny maso ahitàna, ny sofina andrenesana, ny teny andidiana. Isika kosa rantsambatana.

 

Anjarany ny mitondra antsika.

 

Ego sum via. [Izaho no lalana (Jo 14, 6)]

 

Avia manaraka Ahy.

 

Izay manaraka Ahy, tsy mba mandeha amin’ny maizina.

 

Aoka isika tsy hanana filoha afa-tsy Izy.

 

8° Modely ho antsika Izy

 

Fahalavorariana tonga lafatra Izy.

 

Izy no endrik’Andriamanitra tsy hita maso (Kôl 1, 15)

 

Endrik’Andriamanitra (2 Kôr 4, 4)

 

Mariky ny tenany (Heb 1, 3)

 

Pejy faha-101

 

Splendor Patris [Famirapiratan’ny Ray]

 

Speculum [Fitaratra] Izay mahita Ahy, mahita ny Raiko.

 

Raha mahita Azy isika, dia mahita ilay Andriamanitra tsy hita maso amin’ny fahalavorariany tonga lafatra rehetra.

 

Raha maka tahaka azy isika, dia matoky fa miasa amim-pahendrena.

 

Io no tena Zanako malala ilay tena ankasitrahako indrindra (Mt 17, 5)

 

Naka ny fomba maha-olombelona teto an-tany izy, mba ho ohatra ho antsika.

 

Nomeko fianarana ianareo, mba hanaovanareo toy ny nataoko taminareo (Jo 13, 15)

 

Sicut et ipse ambulavit et nos debemus ambulare. [Tahaka ny nitondrany ny tenany no tsy maintsy itondrantsika koa ny tenantsika. (Jo 2, 6)]

 

Imitatores mei estote sicut et ego Christi [Aoka ho mpaka tahaka ahy tahaka ny nataoko tamin’i Kristy koa. (1 Kôr 4, 16)]

 

Izy mihitsy no fahalavorariana tanteraka.

 

Ego sum via [Izaho no lalana], lalana.1

 

1. Ms X 738 – Ms X 642 : Sacerdos alter Christus [Ny pretra dia Kristy hafa]

 

I Kristy Mpisorombe. Io no tarigetrantsika. I Jesoa no Mpisorombe lavorary indrindra. Izy no tena Mpisorombe marina. Izy no ilay malalan’ny Ray. Izy no modely ho antsika. Adidintsika ny maka tahaka Azy.

 

Fomba roa no ahatongavantsika ho Jesoa Kristy hafa : eo amin’ny fahefana sy eo amin’ny hatsaram-panahy.

 

Izay olona maka tahaka an’i Jesoa amin’ny fahefana fotsiny, dia azo lazaina hoe olona – lamasinina, tsy misy ilàna azy, tsy mamokatra, manondro làlana kanefa tsy mba mankany, mamonjy ny sasany kanefa manary tena.

 

Tsatoka mpanoro làlana maty soratra ; langoraona mikarantsana, fantsomby mitati-drano tsy mitana ho an’ny tenany.

 

Koa, noho izany, ny fanahafana an’i Jesoa Kristy amin’ny hatsaram-panahy no hahatonga antsika ho tena Jesoa Kristy hafa marina tokoa. Eo no tena ahitana ny fitoviazan’ny tena Preta sy i Jesoa Kristy.

 

Tena zava-dehibe mihitsy ho antsika àry ny fianarana ny fiainana sy ny hatsaram-panahin’i Jesoa Kristy, mba hanahafantsika ny fiainany, ny foto-pampianarany, ny teniny ary ny asany.

 

Izay rehetra nataon’i Jesoa Kristy teto an-tany dia tsy maintsy karohin’ny Pretra mba hatao koa, raha ny hatsaram-panahy no resahina, ary izay rehetra nambarany momba ny tenany, dia tsy maintsy katsahin’ny Pretra izay hilazana azy sy hampilazana azy ny hafa.

 

Manahaka an’i Jesoa Kristy izany no vaindohan-draharaha maharitra tsy maintsy ifantohan’ny saina sy faniriana marina avy ao am-pontsika (Ms X 738)

 

(Ms X 642)

 

Izay nolazain’i Jesoa Kristy momba ny Tenany, dia tsy maintsy ataon’ny Pretra izay ahazoana milaza azy momba ny tenany koa.

 

Ny firaisantsika aina amin’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy akaiky, hita, lavorary tokoa, ka hampiloa-bava ny olona mahita antsika hoe : i Jesoa Kristy hafa iny.

 

Tsy maintsy asehontsika ao anaty sy ety ivelany ireo hatsaram-panahin’i Jesoa Kristy, ny fahantrany, ny fijaliany, ny fivavahany, ny fitiavany. Tsy maintsy hita taratra eo amintsika i Jesoa Kristy, mahantra ao an-tranon’omby, i Jesoa Kristy mijaly mba hanavotra antsika, i Jesoa Kristy mety hohanina ao amin’ny Eokaristia Masina (Ms X 642).

 

Pejy faha-102

 

9° Izy no fiandohana sy Mpahary ny zavatra rehetra :

 

Raha nanontany ny momba Azy ny Jody nanao taminy hoe : iza moa Ianao ? Dia izao no navalin’i Jesoa azy ireo : Izaho izay miteny aminareo no Fiandohana (Jo 8, 25)

 

Tao Aminy no nahariana ny zavatra rehetra, eto an-tany sy any an-danitra, na ny hita maso na ny tsy hita, ny fiandrianana, ny fiamboniana, ny fanapahana, ny fahefana, dia nohariana tao Aminy sy ho Azy avokoa. (Kôl 1, 16)

 

Tamin’ny voalohany ny Teny, ary tao amin’Andriamanitra ny Teny. Tao Aminy no nahariana ny zavatra rehetra, ary raha tsy Izy dia tsy nisy àry ny zavatra àry rehetra (Jo 1, 1)

 

Izy no voalohany, dia ny voalohan-teraka satria ao Aminy no sitraky ny Ray hitoeran’ny hafenoana rehetra (Kôl 1, 18-19)

 

Iray ihany Andriamanitra dia ny Ray izay niavian’ny zavatra rehetra ho Azy, Iray ihany ny Tompo dia Jesoa Kristy Ilay nahariana ny zavatra rehetra sy nahariana antsika koa. (1 Kôr 8, 6)

 

10° Izy No Fototra Iorenan’ny Zavatra Rehetra :

 

Izany hoe miorina ao aminy ny zavatra rehetra.

 

Tsy misy mahazo manao fanorenana hafa afa-tsy izay efa naorina dia i Jesoa Kristy (1 Kôr 3, 11)

 

Omnia in ipso constant. (Col 1, 17)

 

Ao aminy no aharetan’ny zavatra rehetra.

 

Izy no iankinan’ny zavatra rehetra.

 

Tsy misy na inona na inona azo lazaina fa mafy orina raha tsy izay misy ao Aminy.

 

Ny Apôstôly no fanorenana nandrafetana anareo, ary i Jesoa Kristy indrindra no vato fehizoro, fa ao Aminy no isondrotan’ny rafitra rehetra mirindra tsara, mba hiforona ho tempoly masina ao amin’ny Tompo (Ef 2, 19)

 

Mizora amin’ny Làlan’i Jesoa Kristy Tompontsika ary miorena mafy sy mitoera ao aminy fa Izy no fototra iorenanareo (Kôl 2, 6)

 

Esory teto an-tany i Jesoa Kristy, inona àry no fototra mafy mety ho tavela ? Tsy misy.

 

Ny olombelona no sisa ; ny olombelona anefa tsy azo ianteherana ho fototra raha tsy miankina amin’Andriamanitra koa.

 

Nisi Dominus aedificaverit Domum in vanum laboraverunt qui aidificant eam.

 

Nisi Dominus custodierit civtatem frustra vigilat qui custodit eam.

 

[Raha tsy ny Tompo no manorina ny trano, zary miasa foana izay manorina azy ireny.

 

Raha tsy ny Tompo no miandry ny tanàna, zary miasa foana ny mpiambina mitily. (Sal 126, 1)]

 

Pejy faha-103

 

Diso hevitra sy manorina faharavana ireo izay manorin-trano na manangana na inona na inona ka tsy miaraka amin’i Jesoa Kristy.

 

Izy no ilay vato fehizoro tonga lohan’ny zoro itsanganan’ny fanorenan’Andriamanitra, any an-danitra sy ety an-tany.

 

Izay mianjera eo ambonin’io vato io, dia ho potika tanteraka, ary izay ianjerany kosa ho montsamontsana (Mt 21, 44)

 

Fanoharana nataon’i Jesoa Kristy mamarana ny toriteny tany an-tendrombohitra :

 

Izay mandre ny Teniko ka manatanteraka azy, dia sahala amin’ny lehilahy izay nanorina ny tranony teo ambony vatolampy, tsy misy afa-mandrava io trano io.

 

Fa izay mandre azy kosa nefa tsy manao ninoninona, dia manorina eo ambony fasika : hirodana ny tranony.

 

Miorena ao amin’i Jesoa Kristy àry ianareo, ao amin’ny Teniny ary tanteraho izay lazainy, mba hiorina eo ambony vatolampy ny tranontsika.1

 

1. Ms X 21 – X 635.

 

I Jesoa Kristy fototra iorenana ara-panahya

 

[a. Andininy fototra ao amin’ilay vinavinam-pikambanana nanomanana ny Mpianatra Marina]

 

Sasa-poana isika raha mitady hanorina zavatra raha tsy miaraka amintsika Andriamanitra, raha tsy Izy no mpandrindra, mitondra ny asa, manome ny tetik’asa, mifidy ny mpiasa, ary mibaiko mihitsy aza. Vato ratsy iray na ratsy fipetraka fotsiny manko dia mety handrodana ny trano manontolo.

 

Omnia per ipsum et cum ipso et in ipso [Amin’ny alalany sy miaraka ary ao aminy ny zavatra rehetra]

 

I Jesoa Kristy izany no tsy maintsy tadiavina, tsy maintsy miara-monina Aminy, ary ho Azy no anorenana ; ny fanahiny no tsy maintsy tadiavina, Izy no tsy maintsy tadiavina sy anorenana izay hatao rehetra.

 

Ny fahalalana an’i Jesoa Kristy, ny fianarana Azy, ny fibanjinana Azy, no matoan’asa atao mba hahatongavana ho vato anorenana ilay trano ara-panahin’Andriamanitra.

 

Izay naorina eo ambonin’i Jesoa Kristy ihany no maharitra, fa an-koatr’izay dia zava-mandalo daholo ka tsy azo ianteherana ho mafy orina. Koa noho izany, izay hatao rehetra ety ivelany ka azo itarafana ny fanekena, ny fanetren-tena, ny fifankatiavana, ny fampijalian-tena dia tsy misy fotony avokoa raha tsy miainga avy ao amin’ny fahalalana an’i Jesoa Kristy, ny fitiavan’i Jesoa Kristy, ary raha tsy i Jesoa Kristy no niandohany. Tonga ho azy ireny famantarana ivelany ireny raha i Jesoa no ao aminy ; raha tsy izany kosa, dia zava-manodoka, atao an-keriny, na fiatsarambelatsihy fotsiny izy ireny raha tsy i Kristy no iandohany…

 

Izy noho izany, no manao ny zavatra rehetra, mifidy, miantso, manorina, manala na mamerina izay ankasitrahany

 

Ny mety ho anjarantsika amin’izany dia ny manoro ny làlana, ny mampahalala ny efa nambaran’ny Tompontsika tamintsika, ny làlana efa nombany, ka ny isam-batan’olona indray avy eo no misafidy raha te-hanaraka an’i Jesoa Kristy ao an-tranon’ny Ray izy.

 

Tsy ampy ny manomboka miaraka amin’Andriamanitra ; tsy maintsy miezaka mba hiara-miasa sy mamita izany miaraka Aminy koa.

 

Izay hitako ataon’ny Raiko, dia iarahako manao Aminy daholo.

 

Midira ho anisan’izany fanorenana izany àry ianareo, mba ho toy ny vato velona mamorona ilay trano ara-panahy, tarafin’ilay fikambanan’ny pretra masina, mba hanolotra ho an’Andriamanitra sorona ara-panahy ankasitrahiny (1 P 2, 5).

 

I Jesoa Kristy mihitsy no tsy maintsy mifidy ny vato hanaovany ny tranony. (X 21)

 

Vato ratsy iray sy ratsy fipetraka fotsiny dia ampy hampirodana sy hampihontsona ny trano manontolo. Iza moa no sahy hitsabaka amin’ny fanorenan-trano ? Iza no sahy hiditra ho mpandrindra sy ho mpanatanteraka ? Mpandrindra an’Andriamanitra na ho Andriamanitra mihitsy ? Avelao hiasa Izy. (X 635)

 

Pejy faha-104

 

11° Izy no fototra azahoantsika ny rano mahavelona ilaintsika :

 

Ao anatin’ny hazo dia ny fakany izay tsy hita maso no mitana ny anjara asa tsy azo idifirana indrindra mba hiveloman’ilay zava-maniry. Izy no mamelona io hazo io. Izy no mandefa sy mizara ny rano mahavelona amin’ny ravina tsirairay ka mahavelona azy.

 

Tahaka izany koa ny Tompontsika.

 

Ho antsika dia Izy no faka, Izy no rano mahavelona, mitondra ao amintsika ilay fiainam-panahy ao amin’Andriamanitra.

 

Izaho no fotoboaloboka, ianareo no sampany. Izay mitoetra ao Amiko sy itoerako no mamokatra be, satria raha tsy misy Ahy ianareo tsy hahavita ninoninona. (Jn. 15, 5)

 

Izaho no mofo velona nidina avy any an-danitra. Izay mihinana izany mofo izany dia ho velona mandrakizay. (Jn. 6, 51)

 

Hahavelona amiko izay mihinana Ahy. (Jo 6, 57)

 

Tao aminy ny fiainana, ary ny fiainana no fahazavan’izao tontolo izao. (Jn. 1, 4)

 

Ny mofon’ny fiainana dia ilay nidina avy any an-danitra ka manome aina izao tontolo izao. Izaho mihitsy no mofon’ny fiainana. Izay manatona Ahy tsy ho noana intsony. Izay mino Ahy tsy hangetaheta na oviana na oviana. (Jn. 6, 35)

 

Tahaka ny trano miorina eo ambonin’ny fototra, dia mandehana ary mizora amin’ny làlan’i Jesoa Kristy, ka miorena mafy ao Aminy. (Kôl 2, 6)

 

Eo am-panarahana ny marina amin’ny asa fitiava-namana, dia aoka hitombo hatrany hatrany ao amin’i Jesoa Kristy Loha isika. Izy no iankinan’ny tena manontolo ka mahatonga ny rantsambatana rehetra hilamina fatratra, hitambatra mafy, hifanampy hatrany, samy miasa araka ny anjarany tsirairay avy, ka mitombo sy toa mandrafitra tena amin’ny fitiavana. (Ef 4, 15)

 

12° Izy no ivon-toerana Ifamotoanan’ny rehetra

 

Ao amin’ny faribolana iray dia eo amin’ny ivo no iandohan’ny tana rehetra ary eo ihany koa no iantefany. Eo no iaingana sy iafarany.

 

Izy koa dia ivon-toerana tsy maintsy ivorian’ny rehetra sy iaingany.

 

Tsy maintsy mandalo amin’io Ivo io vao tonga any an-danitra.

 

Moa ny tranon’omby, ny Kalvery, ny taberinakla, tsy ivon-toerana tsy maintsy ifamotoanan’ny olombelona rehetra mba hahazoana ny fiainana, ny fiadanana ka hizorana mankany amin’Andriamanitra ?

 

Hoy indrindra i Md. Paoly manazava izany : Izy no ahazoantsika ny fanavotana amin’ny rany sy ny famelana ny fahotantsika, araka ny haben’ny fahasoavany, izay nomen’Andriamanitra be dia be ho antsika tamin’ny fahendrena amam-pahalalana rehetra, mba hampahafantariny antsika ny misterin’ny sitra-pony, izay nofidin’ny hatsaram-pony ho tanterahiny, rahefa feno ny andro,

 

Pejy faha-105

 

dia ny hamondronany ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Jesoa Kristy, na ny any an-danitra, na ny ety an-tany. Ary ao Aminy no niantsoana antsika (Ef 1, 1)

 

Izy no fiadanantsika, vahoaka roa fahiny natambany ho iray ankehitriny tamin’ny nanapahany tao amin’ny nofony ny rindrim-pisarahana manangam-pahavalo mba ho olona tokana ao Aminy ny mponina rehetra, hampanjakany eo anivon’izy ireo ny fandriampahalemana, hampihavanany azy ireo amin’Andriamanitra noho ny hazofijaliany, ka tonga vatana iray ao aminy izy roa tonta.

 

Noho izy no ahazoantsika manatona ny Ray isambatan’olona, nefa entanin’ny fanahy iray ihany.

 

Tsy vahiny tsy olo-manjeny intsony ianareo, fa miombon-dova amin’ny olomasina ny fianakavian’Andriamanitra (Ef 2, 19)

 

Tsy misy grika na mpiavy na olon-dia intsony. (Kôl 3, 11)

 

Olona iray ihany isika ao amin’i Kristy.

 

In ipso. Per ipsum et cum ipso. [Amin’ny alalany sy miaraka aminy ary ao aminy, Fehin-kevitra ny Vavaka Fisaoran’ny Missel Rômanina]

 

Omnia vestra sunt. Vos autem Christi.

 

Christus autem Dei. [Anareo ny zavatra rehetra… fa ianareo kosa an’i Kristy, ary i Kristy an’Andriamanitra (1 Kôr 3, 22-23)]

 

Tsy misy Jody na jentily, na andevo na olona afaka, na lahy na vavy intsony fa tokana ihany ao amin’i Jesoa Kristy ianareo rehetra. (Gal 3, 28)

 

Endrey ity fampiraisana mahasondriana mampitambatra antsika ao amin’i Jesoa Kristy, Ivo tokana anovàna antsika manontolo ho tokana ao Aminy !

 

13° Izy no Fihafarana iantefan’ny zavatra rehetra.

 

Izy no fiafarantsika, ao aminy no tsy maintsy iafaran’ny hevitsika, ny faniriantsika, ny asantsika, ary ny fiainantsika, ka ao aminy mihitsy no kendrentsika hahatongavan’ny fanahintsika amin’ny herintsika manontolo.

 

Ao amin’i Jesoa Kristy no tanteraka ny fahamarinan’ny fampanantenan’Andriamanitra, ary noho Izy dia tontosa avokoa izy rehetra ho voninahitr’Andriamanitra sy laza ho antsika (2 Kôr 1, 20)

 

Eo anoloany no tsy maintsy hisehoantsika indray andro any, ka hitaterantsika ny asantsika ; amin’izay dia Izy koa no ho valisoa ho antsika raha tia sy manompo Azy isika.

 

Izay mino Ahy manana ny fiainana mandrakizay.

 

Ny fahitana an’i Jesoa Kristy, ny fananana an’i Jesoa Kristy no fahasambarana mandrakizay ho antsika.

 

Na velona isika na maty dia i Jesoa Kristy ihany no Tompontsika (Rôm 14, 8)

 

Izay tsy mankany amin’i Jesoa Kristy, dia mizotra ho any amin’ny fahafatesana.

 

Koa noho izany dia ataontsika izay fara herintsika mba ho Azy manontolo ka hiafara ao Aminy ny asantsika, ny ataontsika, ny fiainantsika satria Azy manontolo isika noho ireo anaram-panajana entiny ireo.

 

Pejy faha-106

 

14° Izy No Fananganan-ko Velona sy Fiainana.

 

Mampita antsika avy ao amin’ny fahafatesan’ny fahotana mankany amin’ny fiainan’ny fahasoavana aloha voalohany indrindra ny fananganan-ko velona eto amin’izao tontolo izao.

 

Manala antsika avy ao am-pasana ny fitsanganan-ko velona mba hahazoantsika ny fiainana mandrakizay.

 

Fitsanganan’ny fanahy, fitsanganan’ny vatana, fiainam-panahy fiainana mandrakizay.

 

Izaho no fananganan-ko velona sy fiainana.

 

Izay mino Ahy na maty aza mbola ho velona ary na iza na iza velona ka mino Ahy, dia tsy ho faty na oviana na oviana. (Jo 11, 25)

 

Lazaiko marina dia marina aminareo fa na iza na iza mihaino ny teniko ka mino Ilay naniraka Ahy, dia velona mandrakizay tsy ho tsaraina, fa niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy. (Jo 5, 24)

 

Fohazin’ny Ray ny maty dia omeny aina, tahaka izany koa ny Zanaka manome aina izay tiany homena azy. (Jo 5, 21)

 

Sahala amin’ny ananan’ny Ray ny fiainana ao Aminy koa no ananan’ny Zanaka ny fiainana ao Aminy.

 

Tonga ny ora handrenesan’ny maty rehetra ny feon’ny Zanak’Andriamanitra, ka izay maheno azy dia ho velona (Jo 5, 25)

 

Sahala amin’ny nahafatesantsika tao amin’i Adama no hivelomantsika indray ao amin’i Jesoa Kristy (1 Kôr 15, 22 ; Ef 2, 1)

 

Hanangan-ko velona azy Aho amin’ny farandro. (Jo 6, 40)

 

Izaho no fiainana.

 

Izaho no mofo velona nidina avy any an-danitra. Izay mihinana izany mofo izany dia manana ny fiainana mandrakizay, ary hatsangako ho velona izy amin’ny farandro.

 

Famintinana ireo anaram-panajana sy fiambonian’i Jesoa Kristy Tompontsika

 

I Jesoa Kristy no Teny mandrakizay.

 

Io tenin’ Andriamanitra efa tao aminy tamin’ny voalohany io, ary nateraky ny Ray, dia mandrakizay sy Andriamanitra mitovy Aminy koa.

 

Izy no nahariana ny zavatra rehetra, ary raha tsy Izy dia tsy nisy ny zavatra rehetra. Ao Aminy ny fiainana ary ny fiainana no fahazavan’ny olombelona.

 

Tonga teto an-tany Izy, ary hanazava izao tontolo izao no nahatongavany, Izy no fahazavana marina avy amin’Andriamanitra.

 

Ary satria Izy tokoa no masoandro avy any Ambony, manjopiaka sy manjelatra mandrakizay,

 

famirapiratan’ny Ray,

 

endriky ny fisiany tsy manam-petra,

 

endrik’Ilay Andriamanitra tsy hita maso,

 

Pejy faha-107

 

fahendrena mandrakizay,

 

hatsaran’ny lanitra hita maso ety an-tany.

 

Fitaratra ibanjinan’Andriamanitra ny tenany sy ahitany ny endriny.

 

Ilay fahazavana avy amin’Andriamanitra manokatra ny masontsika amin’ny fahazavana tena marina mba hahalalantsika an’Andriamanitra ka hitiavantsika Azy.

 

Nomena antsika Izy mba ho :

 

fahendrentsika

 

fahamarinantsika

 

fanamasinana antsika

 

fanavotana antsika

 

Izy no làlana sy fahamarinana ary fiainana.

 

Izy no mpanjakantsika, mpampianatra antsika, filohantsika ary modely ho antsika.

 

Izy no Fiandohan’ny zavatra rehetra, Izy no fototra iorenan’ny rehetra faka mitondra ny rano mahavelona, ivo ivantanan’ny rehetra, fiafarana iantefan’ny zavatra rehetra.

 

Ary farany, dia Izy no fananganan-ko velona sy fiainana.

 

Izay i Jesoa Kristy !

 

Pejy faha-108

 

O ry Teny ! O ry Kristy !

 

Tsara tokoa Ianao ! Lehibe tokoa ianao !

 

Iza no hahay hahalala Anao ? Iza no ho afaka hahafantatra Anao ?

 

Kristy ô, ataovy mahalala Anao aho ary ataovy tia anao !

 

Satria Ianao no fahazavana,

 

avelao ho tonga ny taratry io fahazavan’Andriamanitra io

 

amin’ity fanahiko mahantra ity,

 

mba ahazoako mahita sy mahafantatra Anao.

 

Omeo finoana lehibe anao aho,

 

Amin’izay ny teninao rehetra

 

ho fahazavana hanilo ahy ary manintona ahy Aminao

 

sy hanaraka anao amin’ny lalana rehetra ny fahitsiana sy ny fahamarinana

 

O ry Kristy ! O ry Teny !

 

Ianao no Tompoko sy Ianao no hany Mpampianatro tokana

 

Mitenena, te-hihaino Anao aho ary hanatanteraka ny teninao

 

Te-hihaino ny teninao Andriamanitra aho

 

satria fantatro fa avy any an-danitra izany

 

Te-hihaino azy aho, handinika azy, ary hanatanteraka azy

 

Satria ao anatin’ny teninao

 

misy ny fiainana, ny fifaliana, ny fiadanana, ary ny fahasambarana

 

Mitenena Tompo ô ! Ianao no Tompoko sy Mpampianatro

 

Ary tsy te-hihaino afa-tsy Ianao aho.1

 

____________________

 

1. Ms XI 162

 

O ry Teny ô ! O ry Kristy ô !

 

Lehibe tokoa anie Ianao ! Mahafinaritra ery !

 

Iza tokoa moa no mety hahalala Anao ? Iza no hahazo izay lazainao ?

 

Ataovy mahalala Anao àry aho ry Kristy ô, ataovy izay hitiavako Anao.

 

Avelao aho hanopy maso kely fotsiny hibanjina ny hatsaran-tarehinao tsy misy fetra !

 

Mba alefaho kely ny fahazavanao

 

fa jemby ny masoko dia ho afaka hankafy

 

sy hahita ny fahalavorarian’Andriamanitra ao Aminao aho !

 

Sokafy ny sofiko handre ny tenin’ Andriamanitra lazainao,

 

dia handre ny feonao

 

sy handinika ny fampianaran’Andriamanitra ataonao aho !

 

Sokafy ny saiko sy ny fahazavan-tsaiko,

 

mba ho tafiditra hatrany am-poko lalina ny Teninao,

 

mba hanandramako azy sy hahazoako mandray azy !

 

O ry Teny ô, O ry Mpampianatra ô ! O ry Tompo ô ! O ry Mpanjakako ô !

 

Mitenena fa te-hihaino izany tenin’ Andriamanitra izany aho

 

satria fantatro fa avy any an-danitra izy,

 

ka tiako ny mihaino, mandinika ary mampihatra azy

 

noho izy mitondra aina, hafaliana sy fahasambarana.

 

Mitenena, Tompoko, mihaino Anao aho.

 

Mitenena, Tompo, fa mpampianatro Ianao,

 

ary tsy te hanana mpampianatra afa-tsy Ianao aho.

 

Pejy faha-109

 

V- Firaiketana amin’i Jesoa Kristy

 

Pejy faha-111

 

Ity fizarana fahadimy ity dia mamelabelatra ny vokatry ny fahalalana an’i Jesoa Kristy. Ho an’ny olona izay manolo-tena amin’izany, ity fahalalana ity dia mamokatra fitiavana (p. 115).

 

Ireo pejy voalohandohany dia azo oharina amin’ny ambaratongam-pitiavana ao amin’i Md. Jean de la Croix[110] na ny ambaratongam-panetren-tena ao amin’i Md. Ignace de Loyola. [111] (p. 113-117)

 

Ity toko iray ity anefa no tena manery antsika indrindra hanome hasina ny ara-panahy amin’ity boky ity. Izany hoe : ny fitakiana araka ny evanjely hovelabelarina manaraka eto dia tsy ho takatra mihitsy raha tsy raisina ho vokatra ara-pahasoavana hita maso, ateraky ny fahasoavana tsy hita maso. Koa tsy fitiavana fe fitiavana fotsiny no ho tenenina eto, fa tena fahasoavana tonga hampamokatra fahasoavana. (p. 118-120)

 

Ny vokatra hatrany am-boalohany tsy maintsy iantefan’ny fahalalana an’i Jesoa Kristy, dia ny toetra feno fahatsorana. Io fahatsorana araka ny Evanjely io dia fahavononana ilaina dia ilaina mba hanatanterahana ara-panahy ny asa maha-Pretra. (p. 120-127)

 

Soritin’i Mompera Chevrier io fahazoana ara-panahy toa nimatimatesany sy azo lazaina hoe manavanana azy io, ka hazavain’ny toetra mifanohitra eo amin’ny Pretra tsara, ny ratsy sy ny lavorary. Natao any amin’ny fanamarihana ny lahatsoratra tranainy nanazavany ny làlana roa dia ny didy etsy an-daniny ary ny torohevitra etsy an-kilany.

 

Eto koa dia mbola hita ilay fanazavana ara-teolojia vokatry ny fandinihana ara-tsaiana izay toa tsy dia manavanana azy loatra. Nandramany nohalavirina ireo fanoherana efa henony ka mety ho tsikaritra ombieny ombieny : raha hijanona ho Pretra tsotra ianao, dia manaova toy ny ataon’ny rehetra, raha tsy izany dia manaova fangatahana any amin’ny fikambanan-drelijiozy. (P. 270, fanamarihana 1) Indraindray izy toa sendaotra kely manoloana ny fanoherana miantefa aminy ka toa manambara zavatra tsy dia marina loatra mahakasika ny Relijiozy…

 

Pejy faha-112

 

…izay tsy ankasitrahan’izy ireo (jereo p. 136). Ny Konsily Vatikana faharoa dia nanome sori-dàlana vaovao momba izany. (L.G. 44 et 46)

 

Aza mijanona amin’izay tsy fifankazahoana na fanilihana mety ho hita anefa fa raiso tsara tokoa ny tena haiky manentana azy ka tiany hozaraina : ny toeran’ny Pretra natao hiara-monina amin’ny olona dia fanasana ho amin’ny fahalavorariana ambaran’ny Evanjely.

 

Pejy faha-113

 

Mahalala an’i Jesoa Kristy dia izay

 

Mitambatra ao amin’ny fahalalana an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy Tompontsika daholo ny zavatra rehetra.

 

Haec est vita aeterna ut cognoscant te solum deum verum et quem misisti Jesum Christum.

 

[Izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahalala Anao hany Andriamanitra marina sy i Jesoa Kristy Izay nirahinao. (Jo 17, 3)]

 

I Jesoa Kristy dia ny Teny mandrakizay.

 

Teny velon’ny Ray eto ambonin’ny tany.

 

Fahalalany sy Fahendrena rehetra.

 

Ao Aminy avokoa ny tahirin-drakitry ny fahalalana sy ny fahendrena.

 

Izany no mahatonga an’i Md. Paoly tsy haniry zavatra hafa ho an’ny mpino afa-tsy ny fahalalana an’i Jesoa Kristy.

 

Izaho mandohalika eo anoloan’ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay loharano nipoiran’ny zavatra rehetra any an-danitra sy ety an-tany. Mba hanomezany anareo ny harena ao amin’ny voninahiny, ianareo izay nankahereziny ara-panahy noho ny Fanahy Masina, mba honenan’i Jesoa Kristy ao am-ponareo noho ny finoana, ary noho ianareo niorim-paka sy miray fototra ao anatin’ny fitiavana, dia mba hahazoanareo mandray, miaraka amin’ny olomasina an-tsakany sy an-davany, ny haavo sy ny halalinan’ny zava-miafina ao amin’ny fahalalana an’i Jesoa Kristy sy ny fitiavany anareo, izay mihoatra ny fahalalana rehetra, mba ho fenon’ny fanomezan’Andriamanitra amin’ny hafenoany rehetra ianareo. Ary ho an’Andriamanitra izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay angatahintsika na heverintsika aza, araka ny heriny miasa ato amintsika amin’ny taona rehetra mifandimby. (Ef 3, 14)

 

Tsy nisy fianarana na fahalalana tokony homena toerana ambonimbonin’io.

 

Io no tena ilaina, tena ahitan-tsoa, tena manan-danja, indrindra ho an’izay te-ho Pretra, mpianany, satria io fahalalana io irery no hahatongavana ho Pretra. Fanampiny tsy ilaina loatra ny fahalalana hafa rehetra.

 

Pejy faha-114

 

Izay nahita an’i Jesoa dia nahita ny tahirin-drakitra lehibe indrindra.

 

Tsinontsinona ny sisa rehetra.

 

Ny tany sy ny lanitra dia ho levona fa ny Teniko tsy mba ho levona na oviana na oviana.

 

Hitany avokoa ny ilainy rehetra : ny fahendrena, ny fahazavana, ny fiainana, ny fiadanana, ny hafaliana, ny hasambarana eto an-tany sy any an-danitra, ny fototra mafy orina hahazoany manorina izay tiany hatsangana : ny famelan-keloka, ny fahasoavana.

 

Super aurum et topazion [Mihoatra ny volamena sy vatosoa sarobidy. Sal 118]

 

(Qui me invenerit, inveniet vitam) [Izay manana ahy manana ny fiainana. Fah 8, 35]

 

Izay mino Ahy manana ny fiainana mandrakizay.

 

Tsy ho noana na hangetaheta na oviana na oviana intsony izy.

 

Tsy ho faty na oviana na oviana izy, ary na maty aza, mbola ho velona indray.

 

Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana.

 

Avia aty amiko ianareo trotraky ny havizanana fa halako alahelo !

 

Tsy tianareo moa ny ho aty Amiko mba hahazo ny fiainana ? Hoy Izy tamin’ny Jody.

 

Ut vitam habeant et abundantium habeant

[Tonga Aho mba hahazoan’ny ondriko fiainana ary hahazoany azy be dia be. Jo 10, 10].

 

Tsy misy ankasitrahany ambonimbonin’i Jesoa Kristy.

 

Satria i Jesoa Kristy dia mahafeno izay tadiaviny rehetra.

 

Henoy ange ny filazan’i Md. Paoly azy : Ireny toa tombony ho ahy ireny anefa, talohan’ny nibebahako, dia nataoko ho faty antoka noho ny amin’i Kristy. Eny, mbola ataoko ho faty antoka tokoa izany rehetra izany raha oharina amin’ny fahambonian’ny fahalalana an’i Kristy Jesoa Tompoko, fa ny fitiavako Azy no nahazoako ny zavatra rehetra, ary mba hahazoako an’i Kristy, dia ataoko ho fako, fako foana ny zavatra rehetra, mba ho hita ao Aminy aho, tsy amin’ny fahamarinan’ny tenako na ilay avy amin’ny lalàna fa amin’ilay avy amin’ny finoana an’i Kristy fahamarinana avy amin’Andriamanitra noho ny finoana : mba hahalala Azy aho, dia Izy sy ny herin’ny fitsanganany amin’ny maty ary ny fiombonana amin’ny fijaliany ka ho tonga toa Azy amin’ny fahafatesany. (Fil 3, 7)

 

Tsy te hahalala zavatra hafa noho i Jesoa Kristy aho, dia i Jesoa Kristy voafantsika. (1 Kôr 2, 2)

 

Nialany ny zavatra rehetra mba hahazoany an’i Jesoa Kristy

 

Satria i Jesoa Kristy dia hafenoana safononoka ho azy, ary tsy misy atakalony an’i Jesoa Kristy.

 

Ny fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny vatan-drakitra nafenina tao an-tsaha ; izay nahita azy dia nanafina azy indray, ka noho ny hafaliany dia lasa izy nivarotra ny fananany rehetra ary nividy ilay saha mba hananany azy. (Mt 13, 44)

 

Ny fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny mpivarotra iray mitady voahangy tsara,

 

Pejy faha-115

 

koa rahefa nahita anankiray be vidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy. (Mt 13, 45)

 

Izany tokoa no nataon’ny Apôstôly rehefa nahita an’i Jesoa Kristy izy ireo : nilaozany ny haratony sy ny Ray aman-dreniny ka nanaraka Azy izy ireo (Mk 1, 28). Ary rehefa nandao ny zavatra rehetra izy ireo dia lasa nanaraka Azy. (Lk 5, 11)

 

Hoy ny Apôstôly tamin’i Jesoa : Indro fa efa nandao ny zavatra rehetra noho ianao izahay. (Lk 18, 28)

 

Izay hahafa-po an’i Jesoa Kristy ihany no katsahiny

 

Satria Izy no hafaliany sy fahasambarany, Mpampianany ary Andriamaniny.

 

Ilaiko ve ankehitriny ny hahafa-po ny olombelona sa hahafa-po an’Andriamanitra ? hoy i Md. Paoly.

 

Ny hahafa-po ve no tadiaviko ? Raha te hahafa-po ny olombelona fotsiny aho, dia tsy ho mpanompon’i Jesoa Kristy (Gal 1, 10)

 

Manokatra fitiavana mandrakariva ny fahalalana an’i Jesoa Kristy, koa arakaraka ny fitomboan’ny fahalalantsika an’i Jesoa Kristy, ny hatsarany, ny fiamboniany, ny hareny no hitomboan’ny fitiavantsika Azy ka hitadiavantsika izay mahafa-po azy ary hanilihantsika lavitra antsika izay tsy mitondra antsika mankany amin’i Jesoa Kristy.

 

Io no nampiteny an’i Md. Paoly hoe : Izay tsy tia an’i Jesoa Kristy, dia aoka ho voaozona. (1 Kôr 16, 22). Ary nataony sahala amin’ny fako sy fotaka izay namilivily azy tsy ho any amin’i Jesoa Kristy.

 

Mampivily lalana antsika amin’izay sakatsakana tsy mitondra antsika any Aminy ny fitiavana an’i Jesoa Kristy ; amin’izay manakana antsika tsy ho tonga any Aminy ; eny fa na dia ny Ray aman-dreny, ny havana aman-tsakaiza aza : tsy zakan’ny eritrerintsika mihitsy ny hoe sakanana tsy hanome voninahitra an’Andriamanitra sy ho tia an’i Jesoa Kristy ka ilazantsika sahala amin’i Jesoa Kristy tamin’i Piera izay nanana hevitra tsy araka an’Andriamanitra hoe : Mialà amiko ianao ry Satana fa manafintohina ahy !

 

Tsy matahotra ny hampahasosotra ny olombelona sy izao tontolo izao mba hahafa-po an’i Jesoa Kristy.

 

Izany no nataon’ny olomasina tahaka an’i Md. François d’Assise.

 

Tsy atahorany ny atao hoe adala noho ny fitiavana an’i Jesoa Kristy

 

Aza misy mamita-tena, hoy i Md. Paoly ho amin’ny Gentily. [traduction édition papier ne suit pas l’original français]

 

Raha misy milaza ho manam-pahendrena araka izao tontolo izao eo aminareo aoka izy ho adala mba hanam-pahendrena.

 

Ny fahendren’izao tontolo izao mantsy dia hadalana eo anatrehan’Andriamanitra araka ny voasoratra hoe : ny hafetsen’ny hendry no hamandrihako azy ; ary koa hoe : Fantatr’Andriamanitra ny hevitry ny hendry, ary hitany fa tsinontsinona. Aoka tsy hisy na dia iray aza aminareo hiantehitra amin’ny voninahitra avy amin’olombelona. (1 Kôr 3, 18)

 

Adala noho ny amin’i Jesoa Kristy isika !

Fa hendry kosa ao amin’i Jesoa Kristy !

 

Osa izahay fa ianareo kosa mahery, omem-boninahitra ianareo fa aratsiana izahay. (1 Kôr 4, 10)

Avahan’i Md. Paoly eto ireo karazan’olona roa na pretra izay

 

Pejy faha-116

 

an’i Jesoa Kristy : ireo izay manao toy ny fanaon’izao tontolo izao sy ireo izay manao ny fihetsik’i Jesoa Kristy manontolo.

 

Tsy afaka mandray an’i Jesoa Kristy sy ny Fanahiny izao tontolo izao (Jo 8, 23).

 

Raha ny amiko, dia sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazo fijalian’i Jesoa Kristy Tompontsika, fa taminy no voafantsika tamin’ny hazofijaliana izao tontolo izao ho ahy, ary izaho ho an’izao tontolo izao. (Gal 6, 14)

 

Izay an’i Jesoa Kristy àry dia tsy maintsy manalavitra mihitsy an’izao tontolo izao sy ny voninahiny. Avelao izao tontolo izao hihevitra izay tiany heverina, tsy mampaninona izany : ataony adala aho raha izany no tiany, tsy mampaninona ahy izany, satria izaho efa an’i Jesoa Kristy. Manaraka ny diany aho, qui pie volunt viverei n Christo persecutionem patientur. [Tsy maintsy hoenjehina izay manara-dia an’i Jesoa Kristy – 2 Tim 3, 12]

 

Tsy misy mahasaraka azy amin’i Jesoa Kristy

 

Rahefa avy niresaka momba ny nataon’i Jesoa Kristy tamin’ny olom-pinidiny i Md. Paoly dia niloabava hoe : koa iza àry no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy ? Fahoriana va sa fahaterena, sa fanenjehana, sa hanoanana, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra ? Araka ny voasoratra hoe : ianao no amonoana anay isan’andro, mova tsy ny ondry famono no fihevitry ny olona anay. Amin’izany rehetra izany anefa, dia mihoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’ilay tia antsika.

 

Satria matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny na zavatra ho avy, na ireo fahefana, na ny any ambony na ny any ambany, na zava-boaary hafa, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Jesoa Kristy Tompontsika. (Rm 8, 35)

 

Ny fanarahana an’i Jesoa Kristy no fahasambarany.

 

Henony ary azony ny Tenin’ny mpampianatra manao hoe : Avia manaraka Ahy.

 

Azony ny hevitr’ity teny ity : Tsy manana Mpampianatra hafa afa-tsy i Jesoa Kristy mihitsy ianareo. Ego magister (Izaho no Mpampianatra anareo), hoy ny Mpampianatra.

 

Izay tia Ahy mitandrina ny didiko, ary ny Raiko ho tia azy, dia hankao aminy izahay, ka hitoetra mandrakariva ao aminy.

 

Azony koa ny hevitr’ireto teny hafa ireto : exemplum dedi Vobis ut quemadmodum ego feci ita et vos faciatis.

 

[Nomeko fianarana ianareo mba hanaovanareo toy ny nataoko taminareo. Jo 13, 15]

 

Te-hitovy tanteraka amin’ny endrik’i Jesoa Kristy Mpampianatra azy sy modeliny izy. (Rm 8, 29)

 

Izany no antony ilazany amim-pahatsorana sy amim-pandavan-tena hoe : Hanaraka Anao aho na aiza na aiza halehanao !

 

Pejy faha-117

 

Tompo ô, vonona tanteraka aho hanome ny aiko ho Anao !

 

Andao isika hiara-maty Aminy.

 

Raha tena tia marina olona iray ianao, dia ho finaritra ery miaraka aminy, manaraka ny diany. Tiana ny hahita azy, hihaino ny teniny, dia alain-tahaka daholo izay ataony rehetra.

 

I Jesoa Kristy irery ihany sisa no antom-pivelomany

 

Fa noteren’ny fitiavan’i Kristy izahay, satria fantatRay marina fa maty ho an’ny olon-drehetra ny olona iray, ka dia maty koa izy rehetra, ary maty ho an’ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’izay maty sy nitsangana ho azy ireo (2 Kôr 5, 14).

 

Tsy tompon’ny tenanareo intsony ianareo fa an’i Jesoa Kristy izay nividy anareo lafo tamin’ny Rany (I Kôr 6, 19).

 

Tsy misy velona ho an’ny tenany isika rehetra, ary tsy misy maty ho an’ny tenany koa fa na velona isika na maty, dia ho an’ny Tompo no hahafatesantsika. Araka izany àry, na velona isika na maty dia an’i Kristy Tompo !

 

Izany no antony nahafatesan’i Jesoa Kristy sy nitsanganany ho velona, dia mba hananganany fanjakana tsy refesi-mandidy amin’ny velona sy ny maty rehetra (Rm 14, 7).

 

I Jesoa Kristy No Fiainany.

 

Mihi vivere Christus est. [Raha ny amiko, dia i Kristy no fiainana – Fil 1, 21]

 

Tsy izaho intsony no miaina fa i Kristy no miaina ato amiko (Gal 2, 20).

 

I Jesoa Kristy no tsy maintsy ho fiainantsika, izany hoe : Izy no tsy maintsy hevitsinka an-davan’andro sy maharitra, andro aman’alina dia tsy maintsy mifantoka Aminy avokoa ny faniriantsika sy ny fitiavantsika.

 

Miaina ho an’ny zanany ny reny,

Ny vavy ho an’ny lahy,

Ny lahy ho an’ny vavy,

ny sakaiza ho an’ny sakaizany

ny kahihitra ho an’ny volany,

ao anatin’ny fanambadiana marina sy mari-pototra, ny tia tena ho an’ny tenany ihany,

ny mpivarotra ho an’ny varotra ataony.

 

Izany no fiainan’ny tsirairay amin’ny voaary ; ao amin’ny tadiaviny no ametrahany ny fiainany, ao amin’izay tiany, hany ka raha tafasaraka amin’io zavatra io izy dia mitomany, mitaraina, manjonitra, mandra-piraisany indray amin’ilay zavatra notiaviny.

 

Ho antsika, dia i Jesoa Kristy no fiainana.

 

Ao anatin’ny famantaranandro, dia misy vy miaina iray mampihetsika ny kodiarana rehetra ary manome ny ora.

 

I Jesoa Kristy io vy miaina tsy hita maso sy miafina io ho antsika, ka mampiseho ny tenany mandrakariva ao amintsika ao.

 

Izay misy ny harentsika manko no misy ny fontsika. Koa raha i Jesoa Kristy no raki-tsarobidy ho antsika,

 

Pejy faha-118

 

dia miaraka Aminy mandrakariva ny hevitra sy ny fontsika manontolo.

 

Mihi vivere Christus est.

[Raha ny amiko, dia i Kristy no fiainana ; Ph 1, 21] [traduction livre incorrecte]

 

Cupio dissolvi et esse cum Christo

[Te-handeha hiaraka amin’i Kristy mandrakariva aho – Ph 1, 23]

 

Tsy nanana hevitra hafa na anton-draharaha hafa afa-tsy i Jesoa Kristy izy, ary i Jesoa Kristy nitana manontolo ny heviny rehetra.

 

Mahafinaritra daholo izany rehetra izany fa azon’ny olona rehetra koa va ?

 

Non omnes capiunt verbum illud sed quibus datum est

[Tsy ny olona rehetra no mahazo izany teny izany fa izay nomena fahasoavana ihany – Mt 19, 11]

 

Qui potest capere capiat. [Aoka handray izay mahay mandray ! Mt 19, 12]

 

Izay manan-tsofina aoka hihaino (Mk 4, 23).

 

Verbum velatum [Miafina io teny io ho izy ireo – Lk 18, 34]. Rahefa niresaka tamin’ny Apôstôly momba ny tsy maintsy hijaliany i Jesoa Kristy, dia teny miafina ho azy ireo ny voalazany ! Verbum velatum.

 

Na dia i Masina Maria sy Md. Josefa aza tsy nahazo mivantana izay nolazain’i Jesoa Kristy azy ireo tamin’ny fahazazany : saingy tsy azon’izy ireo ny teny nolazainy taminy (et ipsi non intellexerunt verbum quod locutus est ad eos). (Lk 2, 50).

 

Fahasoavana manokana avy amin’ Andriamanitra ny fahazoana izany

 

Tsy misy olona afaka manatona Ahy akory raha tsy taomin’ny Raiko. (Jo 6, 44).

 

Tsy maintsy Andriamanitra mihitsy no mampahazo antsika izay lazainy amin’ny teniny. Tsy misy olona mahalala izay ao amin’Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’Andriamanitra ihany. Ny olombelona, nofo aman-dra, tsy mety mahazo ny zava-miafina ao amin’ny Fanahin’Andriamanitra satria hadalana izany ho azy, ka tsy ho voarainy mihitsy raha tsy noho ny fahazavana avy any ambony. (1 Kôr 2, 11).

 

Tsy ny tenantsika akory no ampy hahahevitra zavatsoa toy ny avy amin’ny tenantsika ; Andriamanitra irery ihany no iavian’ny fahampiana. (2 Kôr 3, 5).

 

Ny Fanahy Masina irery ihany no afa-manome antsika ny hevitry ny zavatra ara-panahy avy amin’Andriamanitra, ary mampiseho an’i Jesoa Kristy amintsika ; Izy no manome antsika maso ahitana sy sofina andrenesana ary indrindra indrindra fo hanentanana sy hitaomana antsika ho any Aminy.

 

Ary rehefa mandre sy mahazo zavatra isika, dia mba tsarovy fa ny fientanam-po tsara, fisainam-pinoana sy fitiavana azo antoka dia avy amin’Andriamanitra irery ihany ka mahaiza misaotra Azy.

 

Nampahafantarin’i Jesoa Kristy an’i Piera izany tamin’izy naneho ny finoany hoe : Mino aho fa Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona.

 

Dia hoy i Jesoa Kristy hoe : Sambatra ianao ry Piera, satria tsy ny nofo aman-drà

 

Pejy faha-119

 

no nanambara izany taminao, fa ny Raiko izay any an-danitra. (Mat. 16, 17).

 

Ego plantavi, nilaza hoe Paulo, Appollo rigavit sed Deus incrementum dat. Neque qui plantat est aliquide, neque qui rigar, des qui incrementum dat Deus.

 

[Izaho moa namboly i Apolo kosa nanondraka, fa Andriamanitra ihany no nampitsiry. Samy tsinotsinona na izay mamboly na izay manondraka, fa Andriamanitra izay mampitsiry ihany no izy. 1 Kôr 3, 6]

 

Koa noho izany àry, na inona na inona ataontsika sy lazaintsika, raha tsy ampamokarin’ Andriamanitra izy ireny, dia asa very maina fotsiny. Kanefa kosa, tsy noho ny zava-nambolena iray maty no hahavery ny sisa rehetra, tsy izany, fa mba manantena koa ny mpamboly fa hahazo vokatra kely. Dia toy izany koa isika, aoka hanantena fa tsy ho kivy.

 

Tsy maintsy miezaka isika, mivavaka, mangataka, manao asa fivalozana.

 

Torina ny Fanjakan’Andriamanitra, ary miezaka mafy ny tsirairay mba ho tafiditra ao. (Lk 16, 16).

 

Azo ankeriny ny Fanjakan’ny Lanitra, ka izay manao ankeriny no mahazo azy. (Mt 11, 12).

 

Mba tsapanao teraka ao aminao ve izany fahasoavana izany ?

 

Izany hoe : mba misy faniriana manosika anao ho ao amin’i Jesoa Kristy ve ao anatinao ao ?

 

Fientanam-po mangina sy talanjona amin’i Jesoa Kristy sy ny hatsaran-tarehiny ny fiamboniany, ny hamoram-pony tsy misy fetra, izay manesika Azy ho avy ao amintsika. Fientanam-po mahatohina antsika sy manosika antsika hanolo-tena ho Azy.

 

Fofon’aina kely avy amin’Andriamanitra manosika antsika, avy any ambony any, fahazavana kely avy any ambony manilo antsika ka mampahita an’i Jesoa Kristy sy ny hatsarany tsy manam-paharoa sady tsy manam-petra.

 

Raha rentsika ao anatintsika ao io fitsofan’Andriamanitra io, raha mba mahatsikaritra fahazavana kely ao koa isika, raha mba mahatsapa isika fa mba voataona hanatona an’i Jesoa Kristy indraindray, dia kolokoloy io fitaomana io, ampitomboy amin’ny fivavahana, fibanjinana, fianarana mba hihabe sy hitondra vokatra ho antsika.

 

Avy eo, mihirà miaraka amin’ilay vady tiana ao amin’ny Tononkiran dia Tononkira hoe : trahe me post te, curremus in odorem unguentorum tuorum [ankafizina kokoa noho ny ilomanitrao mamerovero Ton 1, 3].1

 

____________________

 

1. Ms XI 2.

 

Tianao ve ny ho an’i Kristy ?

 

Manana hetaheta mba ho an’i Jesoa Kristy ve ianao ?

 

Raha tsy an’i Jesoa Kristy ianao, an’iza àry ?

 

Henoy ny antson’i Jesoa Kristy.

 

Henoy ny fampanantenany anao.

 

Pejy faha-120

 

Raha nahazo io fahasoavana io isika dia tsy maintsy mandre ny antson’i Jesoa Kristy ao amintsika ao.

 

Avia. Manaraka Ahy.

 

Izaho no Fahendrena. Izaho no Mpampianatra anao, Ego magister.

 

Ego Magister. [Izaho dia ny Mpampianatra]

 

Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana.

 

Avia manaraka Ahy. Izaho no fahazavan’izao tontolo izao. Izay manaraka Ahy tsy mba mandeha amin’ny haizina.

 

Tonga hitondra afo eto ambonin’ny tany aho, ary tsy manam-panirina afa-tsy izay hirehetany.

 

Ho voninahitry ny Raiko raha tonga Mpianatro ianareo ka hahavokatra be dia be.

 

Ny mpianatra tsy lehibe noho ny Mpampianatra azy ; ampy ho azy ny mitovy aminy.

 

Nanome ohatra ho anareo Aho, mba hanaovanareo sahala amin’ny nataoko taminareo koa.

 

Nolite timere, ego sum. [Aza matahotra fa Izaho ihany ity. Mt 14, 27]

 

Venite ad me omnes, jugum meum suave est et onus meum leve.

 

[Avia aty amiko daholo ianareo, maivana ny jiogako, tsy mavesatra ny entako. (Mt 11, 28-29]

 

Haninona moa no niantsoany antsika ?

 

Mba ho lavorary.

 

Misy karazana kristianina telo eto ambonin’ny tany : ny tsara, ny ratsy, ny lavorary.

 

Misy karazany telo koa ny Pretra ato amin’ny fiangonana : ny tsara, ny ratsy, ny lavorary.

 

Ireo tsara manatanteraka ny asa maha-Pretra azy, manaraka ny lalàn’ny Eglizy, manao lamesa, mitory teny amin’ny fotoana tsy maintsy itoriana teny, manalavitra ny fahotana mahafaty, ny fanafitohinana, manao soa arak’izay mifanojo aminy ; raha fintinina dia tsara fitondran-tena ka mahafa-po sy mahatarika.

 

Ireo ratsy kosa dia miaina ao anatin’ny fahotana, tsy miraharaha ny asa maha-Pretra azy, manao tsirambina ny asa masina nanirahana azy, ary matetika dia matetika mitondra fanafitohinana ao amin’ny Fiangonana. Misy ny mpanafitohina ratsy mahamenatra ny fiangonana. Misy koa ireo ratsy dia ratsy fa mahay miafina, milona ao anatin’ny fahotana nefa tsy misy mahalala, kanefa mitondra haratsiana ho an’ny fanahy maro noho ny tsy fitandremany sy ny fanadinoany ny fivavahana sy ny fiainam-panahy rehetra.

 

Ireo lavorary na ny marimarina kokoa : miezaka ho lavorary, ka mikaroka mandrakariva hanaraka akaiky an’i Jesoa Kristy Tompontsika, maniry hanitatra ny voninahitr’i Jesoa Kristy, mandre ao anatiny ny fitiavany sy te-hanahaka Azy noho ny fahantrany, ny halemem-panahiny, ny fitiavany ny namana, ny zotom-pony hamonjy fanahy maro, ny fijaliany, ny hazofijaliany.

 

Misy elanelana be ao amin’ireo atao hoe pretra tsara sy ireo miezaka mandrakariva ho lavorary. Ireo tsara ireo, dia mitana fotsiny ihany ny maha-pretra azy ireo, fa tsy miezaka akory hanaraka ny Tompontsika akaikikaiky kokoa, hanahaka azy amin-kitsim-po ; ahiliny mihitsy aza izany fahantrana,

 

Pejy faha-121

 

fahafoizan-tena sy famoizan-tena izany ; mba manaja tena ihany anefa izy ireo na dia tsy sahy manohitra loatra ny fiainan’izao tontolo izao sy ny fisainany ary ny fahafinaretan’ireo rahalahiny aza, fa ireo mikatsaka ny fahalavorariana kosa, tsy mahita afa-tsy i Jesoa Kristy, ary manome toerana an’i Jesoa Kristy alohan’ny sisa rehetra. Tiany sy tahafiny araka izay mety ho tratrany mihitsy ilay tiany.

 

Ho amin’izany fahalavorariana izany no iantsoan’i Jesoa Kristy antsika, fa tsy ho amin’ny toetra na toerana tsara fotsiny izay natao ho an’ny besinimaro.

 

Ho an’ny vitsy ny fahalavorariana. Vitsy dia vitsy no maharaka izany.

 

Tsarovy anefa fa ny Pretra masim-pitondran-tena iray dia mahavita soa bebe kokoa noho ny pretra zato tsara fotsiny ihany.

 

Ny Pretra masina manome voninahitra an’Andriamanitra bebe kokoa noho ny zato hafa, ary mampibebaka fanahy bebe kokoa noho ny zato tsara fotsiny ihany.1

 

Ho amin’ny fahalavorariana àry no iantsoan’i Jesoa Kristy antsika, ho tonga tena Mpianatra Marina.

 

Manaporofo mazava izany ireo fahasoavana manokana miantefa amintsika ireo. Fahasoavana manokana voafantina. Fiantsoana manokana. Fitsimbinan’ny fitondran’Andriamanitra manokana, ara-panahy, ara-batana, izay manentana antsika manontolo hanaraka an’i Jesoa Kristy amin’ny fiainany lavorary.

 

____________________

 

1. Ms X 739-740.

 

Na ho an’ny pretra na ho an’ny kristianina amin’ny ankapobeny dia misy soridalana roa hahatongavany any an-danitra, any amin’ Andriamanitra sy hanatontosany ny iraka miantefa aminy dia ireto avy : ny lalan’ny didy sy ny an’ny toro-hevitra.

 

Raha mahatandrina ny voalohany dia efa ampy hahazoana ny lanitra izay. Io no lalana izoran’ny an-kamaroan’ny olona satria io no tena tsy maintsy ombana ary ampy hahavonjy.

 

Fa ny olona nomen’ Andriamanitra ny fahazavana sy ny fahasoavana manokana kosa dia tsy maintsy manaraka ilay faharoa koa.

 

Ny lalan’ny torohevitra, dia lalan’ny fitiavana tena fitiavana, manome voninahitra an’ Andriamanitra bebe kokoa izy eto an-tany, mampandray anjara amin’ny famonjena fanahy maro izy, ary mitarika fahasoavana maro be eto an-tany sy ao amin’ny Fiangonana sady mapahazo antoka antsika ny famonjena.

 

Manakaiky an’i Jesoa Kristy tokoa izay manaraka ny soridalan’ny torohevitra, satria efa miaina ohatr’Azy, miaina ny fiainany, mikaroka mafy ny haneho eo amin’ny fiainany ny fiainan’i Jesoa Kristy, tsy mitady fahafinaretana hafa noho ny fanahafana Azy lavorary kokoa

 

……………………………………………………

 

Mitandrina io soridalan’ny torohevitry ny Evanjely ion y relijiozy, koa maninona kosa ny Pretra tsotra no tsy mba mitandrina izany ? Tsy mba natao ho azy ireo koa angaha ny fahalavorariana fa ho an’ny sasany ihany ?

 

Moa ve tsy mba voaantso ho eo akaikin’i Jesoa Kristy tahaka ny sasany ny pretra tsotra eo am-panatanterahana ny iraka nomena azy ? Tsy vao mainka aza izy miaina eo anivon’ny olona mitondra ny hanitr’i Jesoa Kristy sy fahazavana velona mamirapiratra ho an’ny olombelona, no tsy maintsy mitandrina izany ?

 

Mazàna ny relijiozy dia mihiboka ao amin’ny fitokana-monina, fa ny pretra kosa natao ho eo am-povoan’ny olombelona, mifanerasera amin’izy ireo isan’andro, isan’ora, koa tsy vao mainka mamporisika azy ho masina bebe kokoa noho ny hafa, noho izy voaantso hamafy ny soa rehetra ilain’ny kristianina manodidina azy ? Ary raha tomorina dia tsy maintsy mihoatra ny relijiozy aza ny pretra noho io fahazavana manodidina ny lohany ka maneho ny voninahitra voatokana ho azy amin’ny fahamasinana feno famirapiratana tsinjo eo amin’ny pretra am-perin’asa.

 

Tsy mahazo manaratsy ireo hafa voaantso hanaraka ny lalan’ny didy ihany anefa ireo izay nomen’i Jesoa Kristy izany fahasoavana manokana hanaraka ny lalan’ny torohevitry ny Evanjely izany.

 

Samy hanontanian’ Andriamanitra ny momba ny fampiasany ny fahasoavana nomena azy ny tsirairay. Tsy misy mahazo mirehareha na amin’inona na amin’inona ka handika ny fitiavanamana amin’ny teny atao. Aza misy mitsara olona fa izay hampamokatra ny fahasoavana nomen’ Andriamanitra anao no katsaho andro aman’ alina.

 

Pejy faha-122

 

Tanjona ho antsika anie io ê, ary angatahiko fatratra ny hanoinantsika io antson’ Andriamanitra miantefa amintsika io.

 

Raha mandre ny antsony ianao,

 

Aza manamafy ny fonareo ary aza manetsin-tadiny amin’ny feony.

 

Mamalia azy an-kafaliana.

 

Ecce adsum [Inty aho – 1 Sm 3, 4]

 

Ego tuus sum [Fanananao aho – Ps 118, 94]

 

Ecce ego [Izaho ihany ity – Jo 6, 20]

 

Mitenena Tompo ô fa mihaino ny mpanomponao.

 

Handeha any amin’iza indray moa aho ? Ianao no manana ny Tenin’ny fiainana mandrakizay.

 

Ianao no fahazavako, Ianao no làlako, fiainako, fahendreko, fitiavako.

 

Hanaraka Anao aho Tompoko na aiza na aiza halehanao.

 

Vonona aho hiara-maty Aminao, homeko Anao ny fiainako manontolo, ho any an-tranomaizina aho, ho faty noho Ianao irery ihany.

 

Ianao no Mpanjakako, Filohako sy Mpampianatro.

 

Tompo ô, raha mila olo-mahantra Ianao, inty aho !

 

Raha mila olona adala Ianao, inty aho !

 

Jesoa ô, inty aho hanao ny sitraponao : Anao aho ! Ego tuus sum [Fanananao aho – Ps 118, 94]

 

Henoy àry ny fampitandremana voalohany omen’i Jesoa Kristy antsika mba hihainoana ny teniny sy mba ho tonga tena mpianany marina tokoa.

 

Lazaiko marina aminareo fa raha tsy tonga sahala amin’ny zazakely ianareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra akory. (Mt 18, 3).

 

Na iza na iza tsy handray ny fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zazakely dia tsy hiditra any mihitsy. (Mk 10, 15).

 

Misaotra anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nanafina izany zavatra izany tamin’ny hendry sy ny be saina ka naneho azy tamin’ny madinika sy torotoro fo. (Mt 11, 25).

 

Avelao hanatona Ahy ny zaza fa azy ireo ny fanjakan’ny lanitra (Mk 10, 14).

 

Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ireo ny fanjakan’ny lanitra (Mt 5, 3).

 

Na iza na iza manetritena ka tonga madinika ohatra ny zaza kely, dia izy no ho lehibe indrindra any amin’ny fanjakan’ny lanitra. (Mt 18, 3).

 

Fanazavana ireo teny eo ambony ireo.

 

Tsy maintsy mandray ny tenin’ Andriamanitra izany hoe ny Tenin’i Jesoa Kristy mampitatra ny fanjakan’Andriamanitra ao amintsika, mitovy amin’ny fandraisan’ny zaza ny tenin’ny mpampianatra azy amim-pitandremana sy fanekena ary fanajana sy fitiavana.

 

Fitandremana mba hahazoana ny hevitr’izay lazainy amintsika, mba hahazo azy sy handray azy.

 

Pejy faha-123

 

Fanekena azy manontolo tsy misy adihevitra. Tsy misy azontsika iadian-kevitra izay lazain’ny mpampianatsika, izy mpampianatra, isika kosa mihaino sy mankatoa.

 

Io faneken’ny zaza io indrindra no antitranterin’ny Tompontsika amin’ny fihainoana ny Teniny.

 

Inona tokoa moa no adihevitra azontsika atao amin’i Jesoa Kristy Mpampianatra antsika avy amin’Andriamanitra ? Izay iray tianareo, na te ho lavorary na tsia. Raha tsy tia ianao, milazà tsotra izao : tsy tiako ny hanaraka io làlana io, fa avelao aho hizotra amin’ilay ambanimbany dia vita eo.

 

Fa raha te ho lavorary kosa ianao, ankatoavy ny Teniny masina, sahala amin’ny anomezany azy, ary katsaho ny hampihatra azy miaraka amin’ny fahasoavan’Andriamanitra, dia aza manao tahaka ilay tovolahy mpanakarena ao amin’ny Evanjely izay nilazan’i Jesoa Kristy hoe : raha te ho lavorary ianao, mandehana, amidio ny fanananao rehetra, omeo ny mahantra ny vidiny ; saingy mafy loatra ny adihevitra tao anatiny tao, ka tsy nankatoaviny io teny io.

 

Tena ilaina dia ilaina mihitsy io fanekena ara-panahy ny tenin’i Jesoa Kristy io mba hidirana any amin’ny fanjakan’ny lanitra izay natao hidiran’ny fanahy voatokan’ny Mpampianatra tsara.1

 

Mihaino toy ny zaza.

 

Mankany an-tsekoly ny zaza mba hianatra fa tsy hiady hevitra. Mikatsaka ny hahazo izay lazaina aminy izy ; tsy tonga mba haneho ny heviny izy any fa handray sy hankato.

 

Raha tsy azony ny lazaina aminy dia tsy miady hevitra izy fa manontany mba hahay sy hankato.

 

Ahoana moa no hilazana ny zaza na ny bado iray miady hevitra amin’ny mpikaroka momba ny tany sy ny habakabaka ka ilazany hoe : izany no izy ê ?

 

Dia toy izany koa isika eo anatrehan’i Jesoa Kristy, tsy afa-miady hevitra Aminy isika, momba izay ampianarina antsika.

 

Mandray sy Mankatò ny tenin’ny mpampianatra azy ny zaza, dia miditra tsara ao am-pony sahala amin’ny rantsan-tanana ao anaty savoka miempo ny teny omena azy.

 

Fa ireo tsy zaza intsony kosa, tia adihevitra, tia manjohy hevitra dia mandre ny teny fa tsy mandray azy. Tahaka ny vato atoraka ilay teny aminy, tonga dia miverina amin’ny toerana niaingany.2

 

Misy saina sarotiny, tery, mihetraketraka, tia tsingoloka, mahita

 

____________________

 

1. Ms XI 42 ; 81-82.

 

Ny tenin’ Andriamanitra no miresaka amintsika.

 

Tsy maintsy ankatoavina amim-pahatsorana, eo am-pahalalana ny fahefan’ Andriamanitra nanome azy ny Teniny, ary ialao any ireny fimenonenomana maha olombelona fotsiny ireny fa matetika mitondra amin’ny fiavonavonana sy ny toetra ratsy tsy voafehy ka manakana antsika amin’ny fandraisana ny foto-pampianarana madio avy any an-danitra.

 

Aza mba tonga hianatra miaraka amin’ny eritreritra hiady hevitra sy himoimoy raha te-hihaino an’ Andriamanitra, fa ataovy : Izany hoy Andriamanitra ka tsy maintsy tanterahina (81-82).

 

2. Ms XI 172.

 

Tsy maintsy mandray tahaka ny fandraisan’ny zaza ny tenin’ny mpampianatra azy ny tenin’ Andriamanitra. Arye o am-pahalalana fa mahay bebe kokoa noho izy ny mpampianatra azy ka maina ny voalazany ary tsy maintsy ekena araka izany.

 

Ny zaza tsy mahazo fanazavana dia manontany mba hahaizany tsara ny hevitry ny zavatra ampianarina azy ; manontany izy ireo fa tsy miady hevitra.

 

Mila hajaina ny fahefan’ny teny, ny fahefan’ny mpampianatra.

 

Pejy faha-124

 

zava-manahirana any rehetra any ka mila mandresy lahatra lava izao, tsy manaiky afa-tsy izay efa masaka ao an-tsainy na azoazony sy mifanaraka aminy.1

 

Tsy misy mifanohitra amin’ny Fanahin’Andriamanitra sy amin’ilay toetran’ny zaza angatahin’ny Tompontsika hananana mba hidirana any amin’ny Fanjakany mihoatra io toe-tsaina io.

 

Izay avy amin’Andriamanitra mihaino ny Teniny. Raha tsy te hihaino ny teniko ianareo, dia tsy avy amin’Andriamanitra hoy i Jesoa Kristy tamin’ny Jody.

 

Izy ireo mantsy tsy vitan’ny tsy mihaino na tsy nandray ary tsy nanaiky ny tenin’ Andriamanitra fotsiny, fa mbola niady hevitra, nandresy lahatra namandrika mihitsy aza mba hiampangana an’i Jesoa Kristy ka hanamelohana Azy.

 

Ny zaza anefa mbola manana izany fanoherana ny tenin’ Andriamanitra izany, satria mbola tsy ao aminy ny sain-dratsy. Ny azy dia ny mihaino, mandray, miaiky tsotra izao, tsy misy fanoherana.

 

Ireny fitongilanana madinika ireny indrindra no mifanohitra lalina tokoa amin’io fiekem-panahy io.2

 

Avo dia avo, madio dia madio, avy any an-danitra tokoa manko ny tenin’ Andriamanitra ary tsy takatry ny saintsika, hany ka raha maheno azy isika, dia mikorontana mikomy hanohitra azy ireo fitongilanan-dratsy tsy hita isa ao anatintsika ao satria mifanandrina aminy mivantana ilay teny manameloka sy mandrava azy.

 

Manandram-peo ny fo amam-panahintsika.

 

Ny fahakamoantsika, ny fahihirantsika, ny fanaovantsika ankambo, ny fitiavam-batana sy ny fanaranam-po, ny fiavonavonana, ny fitiavan-tena sy ny fahafinaretan’ny nofo, ireo rehetra ireo dia miara-mientana daholo manohitra ilay Teny avy amin’Andriamanitra ka milaza fa tafahoatra loatra hono, tsy azo tanterahina, hadalàna ny Evanjely, ary tsy misy afa-mampihatra azy eo amin’ny fiainany.

 

Dia lazaina amin’izay fa tsy te-hiavaka loatra amin’ny sasany, hono, mba mila fahamalinana, hono, amin’izay atao ; ny Evanjely, hono, tsy natao ho an’ny sarambaben’olona fa ho an’ny vitsy an’isa ihany, ho an’ny olomasina ihany, ary sarotra loatra ny miaina azy.3

 

Dia io àry fa resy lahatra ho azy eo, dia apetrapetraka any an-jorombala ny Evanjely fa ny fitongilanan-dratsy no henoina sy omen-toerana moramora.

 

Hita izany isan’andro, raha tsy hiteny afa-tsy ny fiainana ny fahantrana, ny asa fivalozana, ny fandavan-tena, ny zotom-po, sy ireo hatsaram-panahy atoron’ny Evanjely fotsiny aza isika.

 

1. Ms XI 81.

 

Kilema madinika kely, lalitra, tranon-kala, pentina kely no mameno azy manontolo ao ; ialany ny kanto, ny ambony, ny tena ilaina, mba handinihana sy hiheverana hadisoana kely, manary andro sy mamotika ny vokatry ny fampianarana azo sy ny oha-pitondran-tena tsara.

 

2. Ms XI 82.

 

Endrey ! Tena tsara ny hampanginana ireny fitongilanan(dratsy ireny mba hahazoana ny lazain’i Jesoa Kristy ! Ho kanto tokoa manko Izy, ambony dia ambony, madio dia madio, hany ka tsy afa-miditra ao am-po voaloton’ny fitongilanan-dratsy ny Teniny.

 

3. Ms XI 173.

 

Tsy misy tsy hain’ Andriamanitra atao eny fa na dia izay tsy vitan’ny olombelona aza.

 

Famantaran’ny varavarana

 

Mampahatsiaro anefa ny Fanahy Masina, any ho any, fa mandondona ao am-baravarana ao mandrakariva Izy ; manosika ny varavarana hidirany Izy ka manao hoe : ecce sto ad ostium et pulso.

 

Pejy faha-125

 

Sahala amin’ny varavarana àry izany ny fontsika. Ao no mandondona ny Mpampianatra, mba hahafahany miditra.

 

Fomba fipetraka maro anefa no mety ahitana ilay varavarana. Ary raha misy mandondona te hiditra aminy ka ho sokafana

 

dia mety hihidy tanteraka izy ka tsy hahafahana miditra mihitsy,

 

mety hivoha kely fotsiny izy ka mihamahama ao ivelany ao izay te-hiditra,

 

mety hibanabana mihitsy izy ka mampandroso izay mandondona.

 

Dia toa izany no ataontsika amin’i Jesoa Kristy rahefa te hiditra ao am-pontsika, oharina amin’ny varavarana Izy.

 

Izay manakatona tanteraka ny varavarana dia ireo tsy mamela mihitsy ny Mpampianatra hiditra ao ka mandà an-kitsirano ny fanarahana Azy, fa aleony manao ny saim-pantany, ny fitongilanan-dratsiny, ka manaraka izao tontolo izao.

 

Ilay varavarana misokasoka fotsiny, dia ilay fo mandre ny Mpampianatra fa tsy mamela Azy hiditra tanteraka ao anatiny ; izy no mihambo ho tompon’ny tranony, tsy te handray olona, tompon-trano, tompon’ny fony.

 

Fantenany sy tsikerainy ny Teny ka izay mifanaraka amin’ny toetrany no raisiny dia ariany any ivelany ny tena ventiny.

 

Raisiny am-piahiahiana sy am-pahamalinana ny Mpampianatra, ka iadiany hevitra sy reseny lahatra aloha, dia ampitoviany amin’ny fitongilanan-dratsy sy ny fahafinaretam-batana ny lazainy ; safidiany amin’izay ho tompoiny ny fitongilanan-dratsy fa ailiny ny Mpampianatra Marina te hiditra. Tsy matoky mihitsy izy, mailo, vohany kely fotsiny ny fony !

 

Tsy afa-miditra àry ny Mpampianatra mba hitondra azy araka izay tokony ho izy.1

 

Ilay varavarana mibanabana kosa, mandray sy mampandroso ny Mpampianatra mandondona ao aminy mba hanjaka ao.

 

Faly sy sambatra ery izy mandray Azy sy manome Azy ny toeram-boninahitra sahaza Azy ; dia manongilan-tsofina ery mihaino izay ambarany rehetra, ao anatin’ny hafaliana sy ny fahatsorana mitondra fahasambarana.

 

Ny faniriany manko dia ny hahazo Azy tanteraka tsy misy very na mitobaka ka itehirizany Azy eo amin’ny fiainana andavan’andro.

 

Tsy mitsikera Izy fa mikatsaka ny fampiharana izay rehetra henony teo, tahaka an’i Maria teo an-tongotry ny Mpampianatra, dia mifantoka manontolo amin’ny fampianarany ny sainy ka tsy mizarazara amin’ny fitongilanan-dratsy sy ny fandresen-dahatra mikomy mba hamonoana Azy. Miteny ny Mpampianatra, tsy manan-kevitra hafa, tsy manam-paniriana hafa izy, fa izay hahalalana ny henony sy ny hampiharana azy manontolo ka zary ho sakafo mahavelona ny fanahiny no katsahiny mandrakariva.

 

Ny fitiavana irery no mitari-dàlana azy fa tsy zavatra hafa !

 

Ny hiditra ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra ihany no masaka ao am-pony, hany faniriana mameno azy.

 

Hitsakitsahiny am-paladia izay mety ho toe-tsaina entin’ny filan-dratsy rehetra.

 

I Jesoa Kristy irery ihany no voafantiny ho Mpampianatra azy sy tiany harahina, dia izay.

 

____________________

 

Ms XI 173

 

Tsy manao tafahoatra izany isika.

 

Inona no ahatahoranao ? Matahotra ho noana ve ? Matahotra sao dia ho henjehina ve ? Zava-poana ireny !

 

Izay tia an’i Jesoa Kristy moa manan-javatra atahorana ?

 

Pejy faha-126

 

Ny Fanahy matoky sy mahafoy tanteraka tsy mataho-java-manahirana na manahy sao tsy ho vita, na mailo sao manohi-pahamalinana, na manohintohina fomba amam-panao ; tsy misy an’izany mihitsy ? Na ho vy na ho vato, miteny ny Mpampianatra ; izay no voalazan’ny Mpampianatra ; tsy misy hafa fa izay dia izay !

 

Oha-pahatsorana.

 

I Zake mihani-kazo mba hahita an’i Jesoa Kristy Mpampianatra azy ; lehilahy mpanefoefo anefa i Zake fa tsy mpitrongy vao homana ; azo natao ny niteny anakam-kapo hoe : inona re ity ataoko ê ? Manao sain-jaza aho izany ; mihanika hazo mba hahita mpandalo ; izaho lehilahy lehibe manan-kaja ity ! Tsy nisy nandalo tao an-tsainy mihitsy izany. Nifantoka tamin’ny fitiavany hahita an’i Jesoa Kristy Mpampianatra manontolo ny sainy aman’ eritreriny, hany ka tsy nisy nanelingelina azy mihitsy izay mety ho fihevitry ny olombelona !

 

Ireo mpiandry ondry nandeha namangy ny tranon’omby raha vao nandre ny feon’ anjely.

 

Ireo Majy nandao ny fireneny ka nivahiny lavitra an-tany tsy fantatra mba hahita zaza vao teraka !

 

I Mb. Madelena nankao amin’i Jesoa niara-nisakafo tamin’i Simona farisiana mba hangataka Aminy ny famelana ny fahotany rehetra !

 

I Md. Antoanina, tsy nihambahamba akory raha vao naheno tao am-piangonana ity tenin’ny Evanjely ity : raha te ho lavorary ianao, mandehana, amidio ny fanananao rehetra, omeo ny mahantra ny vidiny fa hanana tahirin-drakitra tapitr’ohatra any an-danitra ianao. Dia lasa izy, namidiny daholo ny fananany rehetra, nomeny ny mahantra tokoa ny vidiny, dia lasa izy nitoka-monina !

 

I Md. François d’Assise koa naheno ity feon’i Jesoa Kristy ity tao am-piangonana : Aza mivatsy volamena na volafotsy na kiraro na akanjo roa. Noraisiny ho azy manokana io teny io ka nilaozany ny harem-beny mba ho tena mahantra marina noho i Jesoa Kristy irery ihany izy, eo imason’izao tontolo izao.

 

Izany no fahatsoran-jazakely angatahin’ny Tompontsika amin’ny tena Mpianatra Marina.

 

Fandresen-dahatra manao ahoana re no azon’ireo olomasina rehetra nanaraka ny torolàlan’ny Evanjely ireo natao mba hisakanana ny fidirana amin’io làlana avo dia avo, lavorary indrindra, tena sarotra dia sarotra ho an’ny natiora io ; ary raha sanatria ka voan’ny velam-pandrika tao izy ireo dia tsy nanana olomasina mihitsy isika na dia iray monja aza !

 

Marina tokoa ny Tenin’ny Tompontsika hoe : Raha tsy tonga tahaka ireny zazakely ireny ianareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra akory.

 

Ny tiany holazaina dia izao : raha ny toe-tsain’ny olombelona fotsiny no hitondranareo tena, raha ny fifandresen-dahatrareo sy izao tontolo izao fotsiny no mameno anareo, na hevitrareo manokana, ny fitongilanan-dratsinareo, dia tsy haheno ny Teniko na oviana na oviana ianareo ; tsy ho afa-mampihatra sy manatanteraka ary mitandrina Azy, satria ny Teniko dia avy any Ambony fa ny fandresen-dahatrareo kosa avy aty ambany.

 

Izaho avy any Ambony fa ianareo kosa avy aty ambany, hoy Izy.

 

Raha avy any Ambony tokoa ary Izy, dia avelao hitantanany anareo am-pahatsorana fa aza miady hitovy soroka Aminy satria ambony lavitra noho isika Izy, ary fadio dia fadio ny manambany ny foto-pampianarany noho isika be tohika amin’ny hamafisam-pontsika.

 

Mamono ny Evanjely ny toe-tsaina be tohika, manaketraka ny fanahy amin’ny vahana efa nalainy hanarahana an’i Jesoa Kristy sy hanahafana Azy amin’ny hakanton’ny Evanjely.

 

Tsy nieritreritra be loatra ny olomasina.

 

Pejy faha-127

 

Fa noho ny fahamaroan’ny be tohika no mahavitsy kely ny olomasina.

 

Aoka tsy hatahotra isika, nolite timere [aza matahotra], Izaho ihany ity.

 

Ary raha te hitety ranomasina tahaka an’i Piera ihany ve tsy aleo mankeny amin’i Jesoa Kristy raha mba antsoiny isika tahaka an’i Piera hoe : AVIA àry ê !

 

Mitoera mandrakariva eo an-tongotr’i Jesoa Kristy àry !

 

tahaka ny zazakely eo an-tongotry ny mpampianatra azy !

 

eo am-pananana ny fanirina mahatoky fa hihaino ny teniny,

 

ka hitandrina azy.

 

Mila ezaka sy zotom-po : goavam-be izany

 

Regnum Dei vim patitur et violent rapiunt illud. [Manao an-keriny no mahazo azy ka ny mpanao an-keriny no mahazo azy (Mt 11, 12)]

 

Tsy ilaina ny olo-malemy sy malezolezo.

 

Pejy faha-129

 

Fizarana faharoa :
Ireo fepetra dimy tsy maintsy fenoina
mba ho tonga Mpianatra Marin’i Jesoa

 

Pejy faha-131

 

Hita tao amin’ny Savaranonando an-kapobeny ny fomba nentin’i Mompera Chevrier nandamina ny asany. (V.D. p. 30-32).

 

Manamafy izany ezaka be izany ity omena antsika manaraka eto ity. Tena sori-dàlana apôstôlika tokoa satria ny fanatanterahana ny iraka maha-apôstôly no ventin-dresaka, amin’ny fanomezana ireo famantarana ilaina amin’ny fitoriana ny Evanjely. (V.D. p. 135)

 

Voatsiahy ato koa àry ny hevitry ny « Tableau de St-Fons ». Tsy misalovana fa tena mameno ny tanjona tian-ko tratrarina. Manamafy ny efa voalazantsika (V.D. p. 30, cf. Annexe V, p. 33).

 

Pejy faha-133

 

Nahita ny vahoaka marobe nanaraka Azy i Jesoa ka nanararaotra mba hahaizan’izy ireo manara-dia Azy marina tokoa amin’ny saina sy fo tanteraka.

Hitan’i Jesoa ny vahoaka be nankeo aminy, ka nanatrika azy ireo Izy ka nanao taminy hoe :

 

 Raha misy te hanaraka Ahy, ka tonga eto Amiko, nefa tsy mandao ny rainy, ny reniny, ny vadiny, ny zanany, ny rahalahiny, ny anabaviny,

 

eny fa na dia ny ainy mihitsy aza,

 

dia tsy ho mpianatro akory.

 

Ary izay tsy te hitondra ny hazofijaliany ka manaraka Ahy, dia tsy ho mpianatro mihitsy.

Fa alohan’ny hanarahana azy mandiniha tsara sao dia tsy mahavita,

Iza aminareo moa no te-hanorina tilikambo no tsy mipetraka aloha maminavina ny ho lany sy enti- manana hahavitana azy ?

Fanorenana tilikambo avo be ny fahalavorariana.

Sao manko vita ny fototra nefa tsy tody hatramin’ ny farany, ka hiteny sy haneso azy ny mpandalo hanao hoe : nanorin-tsy nahavita rangahy ity.

Fiadiana amin’ny fahavalo hahery sy hatanjaka :

Ary mba hahafahana manorina izany tilikambo izany sy handresena izany fahavalo mahery izany, dia ilaina ny fandaozana ny fianakaviana, ny sitrapon’ny tena, sy ny haren’ny tany

Sa iza no mpanjaka te-hanafika fahavalo no tsy hipetraka aloha mba handinika na ho afa manohitra miaramila roa alina ny azy iray alina ?

Pejy faha-134

 

Ilaina ny vola amin’ny fananganana trano ; toy izany koa ny ilan’ny mpanjaka tafika ho enti-miady.

Raha tsy izany dia handefa iraka izy hifampiraharaha aminy ara-pihavanana, raha mbola lavitra izy !

Koa ny olona handeha hiady, na hanangana trano raha tsy manana ny ilaina amin’izany, dia mitovy amin’ny mpanorin-trano tsy amim-bola na mpana-poaka ady tsy amin-tafika.

 

 

Koa noho izany, na iza na iza aminareo tsy mandà ny fananany rehetra dia tsy ho mpianatro akory.

 

Tsara ny sira

 

fa raha matsatso izy, inona indray no hanomezana tsiro azy ?

 

Tsy misy ilàna azy na ho an’ny tany na ho an’ny zezika fa dia ariam-potsiny izao any ivelany.

 

Izay manan-tsofina aoka hihaino. (Lk 14, 25).

 

Any ho any indray koa ny Tompontsika manao hoe : Raha misy te hanaraka ahy, aoka izy handà ny tenany ka hanaraka ahy. (Mt 16, 24).

Ireo fepetra dimy takin’i Jesoa Kristy Tompontsika mba ho tena mpianany marina

Miaraka io tenin’ny Mpampianatra momba Andriamanitra io, Hitantsika mazava tsara fa raha hanjary ho tena mpianatra dia tsy maintsy ho izao aloha :

Vérifier ma traduction de ces paragraphes non traduits dans le Mpianatra Marina version papier

mandà ny fianakaviana sy izao tontolo izao,

 

mandà ny tena,

 

mandà ny zavatra rehetra eto an-tany

 

Ary rahefa vita ireo, dia mandray ny hazofijaliany ary manaraka azy amin’ny fampiharana ny hatsaram-panahy atoron’ny Evanjely.1

____________________

1. Ms XI 84 – XI 583

Raha misy tsy mahafeno ireo fepetra ireo, dia tsy misy ilàna azy.

Izay mahay manjohy hevitra ka manaraka ny lalàna voajanahary, dia hahatsapa fa ny fanatanterahana ireo voalaza ireo dia tena fepetra tsy azo ivalozana mba ho tonga Mpianatra Marin’i Jesoa Kristy.

Mazava loatra fa izay variana amin’ny fitandremana ny zavatry ny tany, toy ny varotra, ny fandraharahana tsy ara-drariny, dia tsy ho afaka mihitsy hisahana ny momba an’ Andriamanitra. Na izay miraiki-po sy voazarazara eo amin’ Andriamanitra sy ny zavatry ny tany, izay miraiki-po amin’ny vady aman-janany na ny zavaboary hafa, dia tsy ho afaka mihitsy hilaza fa an’ Andriamanitra tanteraka sy manontolo.

Mazava loatra koa fa izay tia ny tenany loatra, tsy mahay afa-tsy ny tenany, tsy mahatsiaro mihitsy ny handà tena, dia ho tavela eo ; voatery izy hikarakara ny rainy sy ny reniny,… ny zanany mitomany… hany ka alohan’ny hanarahany marina an’i Jesoa Kristy, dia tsy maintsy ilaozany ireo, raha tsy izany, tsy misy hevitra !

Marina tokoa anie ny tenin’i Jesoa Kristy ê ! (Ms XI 84)

Fandaozana feno ny zavatra rehetra ananana. Tiany ny hadaozantsika ireny rehetra ireny mba ho Azy manontolo isika. Tsy tia olon-tapany Izy, fa tia olona iray manontolo. (Ms XI 583)

Pejy faha-135

 

Tena ilaina ny fahalalana ireo fepetra dimy ireo mba ho mpianatra marin’i Jesoa Kristy :

Fepetra tsy maintsy tanterahina nomen’ny Mpampianatra avy amin’Andriamanitra ireo, ho an’izay te ho Mpianany.

Manao soa tapany ianao raha manatanteraka fotsiny ny fepetra izay tsy mahafeno azy na tsy manao ninoninona akory eo amin’ny asa aman-draharaha apôstôlika ankinina aminy hoe :

 

Siran’ny tany

Vérifier cette traduction qui diffère du Mpianatra Marina papier

Fahazavan’izao tontolo izao. (Mt 5, 13)..

 

Zary Sira matsatso, jiro maty, fanary any ivelany sisa, araka ny voalazan’ Andriamanitra Mpampianatra.

 

Ny tsara ho fantatra izao dia hoe : atao ahoana ny mampihatra izany rehetra izany,

 

ny fandaozana ny zava-boaary sy izao tontolo izao,

 

ity fandavan-tena ity,

 

ity fandavana ny haren’ny tany ity.

 

Inona marina moa ity hazofijaliana tsy maintsy hiantsorohana ity ?

 

Inona tokoa moa ity làlana tsy maintsy haleha hanarahana marina tokoa an’i Jesoa Kristy ity mba ho tonga Mpianany ?

 

I Jesoa Kristy mihitsy no mamaly ny fanontaniantsika amin’ny fampianarana omeny ao amin’ny Evanjely ka ho dinihintsika amin’izao manaraka izao.

Pejy faha-136

 

Fanazavana ny teny hoe :
ianareo no fanasin’ny tany

Siran’ny fanahy.

Ny sira dia sady mitahiry ny sakafo no miaro amin’ny fahalovana, ary manome tsiro. Ny sira dia sady mitahiry ny sakafo no miaro amin’ny fahalovana, ary manome tsiro.

Le texte du Père Chevrier est trahi dans cette première phrase :

Suggestion personnelle : « Izany no tsy maintsy ho tonga isika ho an’ny fanahy kristianina :

Amin’izany no maha-Kristianina antsika. Miaro azy ireo amin’ny fahalovan’ny fahotana, mitahiry ao amin’ny fahasoavan’Andriamanitra, ary manome ny tsiro ara-panahy amin’ny fanomezana ny finoana sy ny fitiavana an’Andriamanitra.

 

Ianareo no fanasin’ny tany, koa raha very hery ny sira, inona no azo anomezana tsiro azy indray ? Tsy misy ilàna azy intsony fa aleo izy ariana any ivelany mba hitsakitsahin’ny olona !

Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao.

Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao.

 

Tsy takona afenina ny tanàna naorina eny an-tampon-tendrom-bohitra. Tsy afenina ao ambany latabatra ny jiro narehitra fa atao amin’ny toerana hahazoany manazava ny olona rehetra ao an-trano. Toy izany koa, aoka ny fahazavanareo hamiratra eo imason’ny olona, mba hahitany ny asa soa ataonareo mba hanomezany voninahitra ny Rainareo any an-danitra ! (Mt 5, 13)

 

Tsy maintsy mamiratra eo amin’izao tontolo izao izany isika noho ny fahazavantsika, izany hoe : amin’ny alalan’ny oha-pitondran-tena tsara sy ny hatsaram-panahy omentsika.

 

Tsy maintsy iainantsika ireo hatsaram-panahy rehetra manohitra ny toe-dratsin’izao tontolo izao, ka arakaraky ny maha lo an’izao tontolo izao sy ny maha simba azy, no tsy maintsy hamirapiratantsika amin’ireo hatsaram-panahy manohitra ny fomban’izao tontolo izao ka hisintonana azy, mba higagany sy hisarika azy ny tenintsika ary indrindra indrindra ny oha-pitondran-tena tsara asehontsika.

 

Arakaraky ny fitiavan’izao tontolo izao ny rendrarendra sy ny zava-tsaro-bidy sy ny harena no tsy maintsy ankamamiantsika sy ivelomantsika ny fahantrana.

Pejy faha-137

 

 

Arakaraky ny fitomboan’ny fitiavan’izao tontolo izao ny fahafinaretan’ny nofo sy ny fahalemena, no tsy maintsy hiakaran’ny fitiavantsika hamirapiratra amin’ny famolahan-tena sy ny fivalozana ;

 

ny fitiava-namana, ny fahafoizan-tena, ny fandavan-tena : tsy maintsy hitan’izao tontolo izao ny asantsika.

 

Misy maha samy hafa azy ny fiainan’ireo relijiozy mihiboka sy ny pretra : ireo relijiozy dia tsy mifanerasera isan’andro amin’ny vahoaka, fa ny pretra kosa eo anivon’izao tontolo izao : miaina ho an’ny sasany ary manolo-tena ho azy ireo noho ny fahafohizan-tena ny fandavan-tena sy ny oha-pitondran-tena tsara.

 

Maro karazana tokoa manko ny zava-miteraka hazavana : ao ny masoandro, ny volana, ny entona, ny jiro, ary ny jiro mitsilopilopy amin’ny alina, dia ao ireo fanilo maty, tsy aman-tsolika, tsy aman-dahiny.

 

Raha tsy hino ny Teniko ianareo, dia mihainoa fara-faharatsiny ny asako, hoy ny Tompontsika tamin’ny Jody.

 

 

Enga anie isika ho afa-milaza toa izany koa, ka hampiseho eo imason’ny olombelona rehetra ny asantsika mba hitarihana azy ireo hino sy hibebaka.

 

Jereo ny fahantrako !

 

Jereo fa tena voafantsika amin’ny hazofijaliana aho,

 

Jereo fa manaiky hohaninareo tsotra izao aho mba hanasoa anareo.1

____________________

1. Ms XI 565

Fampanantenan’i Jesoa Kristy Tompontsika : raha mahazo ny hevitr’izany rehetra izany ianareo, ka mitandrina azy, dia ho sambatra. (Jo 13, 17)

Ho an’i Jesoa Kristy Tompontsika irery anie ny fitiavana.

Pejy faha-139

 

Fepetra voalohany.
Tsy maintsy mandao ny fianakaviany
sy izao tontolo izao

 

Pejy faha-141

 

Taorian’ny Noely 1856, dia nokasain’i Antoine Chevrier hampiharina avy hatrany ilay lalam-piainan’ny pretra novisavisainy. Fanoherana roa no nosedrainy tamin’io : iray avy amin’ny reniny, ny iray avy amin’ireo pretra rahalahiny. Efa nisedra fanoherana iray avy amin’ny reniny izy fony mbola seminarista ka nikasa hiditra ao anatin’ny fikambana masina ny « Missions étrangères ».

 

Tsy sakana velively anefa ireo karazam-panoherana roa ireo, fa fitsapana, maharary ihany indraindray fa arakaraky ny fitadiavana ny fahafahana ara-panahy manoloana ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina eny fa na dia ny samy pretra eo anivon’ny Fiangonana aza, no mahamaivana azy. Izao tokoa mantsy no niseho : rehefa niombon-kevitra tamin’ny fiaraha-monina ireo pretra rahalahiny, dia niseho teo anivon’izy ireo tsy satry ny fanandevozan’ny toe-tsaina mpanabotry ny hafa nisy teo amin’ny fiaraha-monina : tafiditra ao amin’ny fiaraha-monin’ny pretra rahalahy izao tontolo izao.[112]

 

NON TRADUIT

[113]

 

Tsara anefa ny hahafantarana fa rahefa nodimandry ny rainy, dia nalain’i Mompera Chevrier notezaina tao amin’ny Prado ny reniny, ka noho ny fahafantarany azy tsara, dia naka fepetra izy mba tsy ho voaelingelina ny fampandehanana ny trano, amin’ny fitsabatsabahan-dreniny ao ; nilamina anefa izany na dia nahatsapa ihany aza ramatoa be fa misy asa mety ho vitany.

 

Zavatra roa loha lehibe no nahatonga an’i Mompera Chevrier haka izany fepetra izany : ny fanomezana ny toerana voalohany ny fianakaviany ara-panahy sy ny fikatsaham-pahafahana. Fahafahana hitory ny Evanjely sy hiaina eo anivon’ny mahantra.

 

Izany no mahatonga ny fandavàna an’izao tontolo izao ho tsy fanekena hiankina amin’ny saranga iray izay mametraka ny fahefana ara-piaraha-monina eo aminy eo, amin’ireo mpitondra fivavahana nisy tamin’izany andro izany.

 

Io saranga io dia miovaova arakaraka ny zava-misy, sarangan’ny mihaja, sarangan’ny manan-kaja sy manan-karena, sarangan’ny manam-pahaizana sy manam-pahalalana, ambony saranga sns.

 

Pejy faha-142

 

Sao tokoa mantsy hataon’ny sasany fitaovana hiakarana ara-piaraha-monina ny fiainana maha-pretra. Diniho anefa, hoy i Mompera Chevrier, fa tsy nanandratra ny fianakaviany ara-nofo i Jesoa[114].

 

Izany fandaozana izao tontolo izao izany koa, ho an’i Mompera Chevrier dia fitakiam-pahafahana manoloana ny fitondram-panjakana sy ny politika[115]. Fantany loatra ny sakana aterak’io fiandaniana amin’ny politika na fiamboniana ara-piaraha-monina io teo amin’ny asan’ny pretra sasany. Tsy izy mihitsy anefa no azo anontaniana ny fifandraisan’ny Fiangonana sy ny Fitondram-bahoaka araka an’i Vatikana II. Tsy manana ny heviny manokana amin’io izy.

 

Noheveriny tokoa ny hanaovana fanadihadiana mba hamehezana ny dikan’ny teny « izao tontolo izao » io, fa tsy tonga tany mihitsy izy[116]. Anjaran’ny Evanjely tokoa moa no manome izany. Ao amin’i Md. Joany dia ny zava-boaary manontolo, na ny olombelona, na ireo mandà an’i Kristy. Ato amin’ny « Mpianatra Marina », ny zava-misy iainan’ny olona ka manembatsembana ny fandraisana ny Evanjely amin’ny tena maha-tenin’ Andriamanitra azy. Tsy azo leferina mihitsy mantsy ny fanelingelenana toy izany, rahefa nifanojo tamin’i Kristy sahala amin-dry Md. Joany sy Md. Paoly.

 

Tsy voafaritra mazava toy io koa ny hoe : zavatry ny tany sy ny zavatry ny lanitra[117]. I Md. Paoly no angalana hevitra raha tiana ho takatra tsara ny omen’i Mompera Chevrier[118]. Izy no mampifanohitra ireo fomba filazan-javatra ireo, toy ny hoe : olon’ny tany, olon’ny lanitra. Ity farany dia milaza ilay olom-baovao, nateraka indray tao amin’i Kristy noho ny fahasoavana ka nofantsihina, nentanin’ny Fanahy Masina, kanefa miaina eto an-tany. Ny voalohany kosa, dia ilay olona miraikitra amin’ny harena sy ny fahotana, olona taloha, naterak’i Adama mpanota.

 

Na mazava toy inona aza anefa ny fampiasan’i Mompera Chevrier ireo teny ireo, dia tsy azo lavina kosa fa nanana ny anjara toerany tao aminy ny fombam-pandinihana tamin’ny fotoana niainany[119].

 

Tsy maintsy valiana anefa ity fanontaniany ity satria mavesatra dia mavesatra : tena olona afaka ara-panahy tokoa ve isika manoloana izao tontolo izao indrindra ny fianakaviantsika ?

 

Pejy faha-143

 

Ity no fandaozana voalohany angatahin’i Jesoa Kristy Tompontsika amin’izay te-hanara-dia Azy.

 

Tsy afaka sady ho an’Andriamanitra no an’izao tontolo izao ny olona iray, fa tsy maintsy mandao an’iry mba hiraiketana amin’ny itsy.

 

Tsy misy afa-manompo tompo roa, hoy i Jesoa Kristy.

 

Na ho tiana sy iraiketana ny voalohany dia hilaozana sy hatao tsinontsinona ny faharoa.

 

Tsy afaka sady miraikitra amin’Andriamanitra ianao no miraikitra amin’izao tontolo izao koa, satria mifanohitra ireo. Koa raha voalaza ao amin’ny Soratra Masina àry fa : handao ny rainy sy ny reniny ny tovovavy mba hiraiketany amin’ny vadiny, tsy mbola ilaina bebe kokoa noho izay ve ny handaozana ny zava-boaary mba hiraiketana amin’Andriamanitra.

 

Zavatra voalohany nangatahin’Andriamanitra tamin’i Abrahama io raha niantso azy Izy.

 

Pejy faha-145

 

Foto-pampianaran’i Jesoa Kristy Tompontsika momba ny fandaozana ny fianakaviana sy izao tontolo izao.

 

Heverinareo angaha fa tonga hitondra fiadanana eto an-tany Aho ? Tsia, hoy Aho aminareo, fa fisarahana.

 

Satria lazaiko marina aminareo, fa amin’ny olona dimy ao amin’ny ankohonana iray dia hozaraina, ka ny roa hifanohitra amin’ny telo, ny telo hifanohitra amin’ny roa.

 

Hozaraina izy ireo.

 

ny Ray hifanohitra amin’ny zanaka lahy,

 

ny reny hifanohitra amin’ny zanaka vavy,

 

ny zanaka vavy hifanohitra amin’ny reny,

 

ny rafozam-bavy hifanohitra amin’ny vinanto vavy

 

ny vinanto vavy hifanohitra amin’ny rafozam-bavy (Lk 12, 51)

 

Aza inoana fa tonga hitondra fiadanana eto an-tany Aho,

 

Tsy tonga hitondra fiadanana Aho fa sabatra.

 

Tonga hampisaraka Aho :

 

ny lahy amin’ny rainy

 

ny zanaka lahy amin’ny reniny

 

ny vinanto vavy amin’ny rafozam-bavy.

 

ka ny fahavalon’ny olona amin’izany

 

dia ny ao amin’ny ankohonany, ny ao an-tokantranony.

 

(Mt 10, 34)

 

Izay tia ny rainy na ny reniny mihoatra ny fitiavany Ahy, dia tsy mendrika Ahy akory ; ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra Ahy, dia tsy mendrika Ahy akory. (Mt 10, 37)

 

Raha misy te-hanaraka Ahy, nefa tsy mandao ny rainy sy ny reniny,

 

ny vady aman-janany,

 

ny rahalahy sy anabavy,

 

eny fa na dia ny ainy aza,

 

dia tsy mendrika ho mpianatro. (Lk 14, 26)

 

Mandao izao tontolo izao.

 

Loza ho an’izao tontolo izao noho ny fanafintohinana ! (Mt 18, 7)

 

Pejy faha-146

 

Aza miraiki-pitia amin’izao tontolo izao na izay eo amin’izao tontolo izao.

 

Raha misy olona miraiki-pitia amin’izao tontolo izao, dia tsy ao aminy akory ny fitiavana an’Andriamanitra (1 Jo 2, 15)

 

Fifandrafesana amin’Andriamanitra ny fitiavana izao tontolo izao. Koa na iza na iza te hisakaiza amin’izao tontolo izao, dia maka an’Andriamanitra ho fahavalony. (Jak 4, 4)

 

Aza mifototra amin’izao andro izao ianareo. (Rôm 12, 2)

 

Tsy an’izao tontolo izao ianareo, hoy i Jesoa Kristy tamin’ny apôstôliny.

 

Tsy misy afa-manompo tompo roa.

 

Maninona no tsy maintsy mandao ny fianakaviana sy izao tontolo izao.

 

Iarahantsika mahalala fa izao tontolo izao dia anjakan’ny fanahy fetsy (1 Jo 5, 19)

 

Tsy afa-mandray ny Fanahy Masina satria sady tsy fantany no tsy hitany izao tontolo izao. (Jo 14, 17)

 

Raha misy tia an’izao tontolo izao, tsy ao aminy ny fitiavan’Andriamanitra.

 

Satria izay eo amin’izao tontolo izao dia na filandratsin’ny nofo, na filandratsin’ny maso, na avonavon’ny fiainana.

 

Izay tsy avy amin’Andriamanitra fa avy amin’izao tontolo izao… ary izao tontolo izao sy ny filan-dratsiny dia mandalo sy ho levona avokoa.

 

Fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra kosa, dia mitoetra mandrakizay (1 Jo 2, 15)

 

Misy karazam-pahendrena avy any ambany, fahendren’ny tany, biby, demony.

 

Izay toerana ahitana fialonana sy fifandirana dia tsy maintsy misy fisavorovoroana sy ny karazan-dratsy rehetra.

 

Fa ilay fahendrena avy any ambony dia madio aloha voalohany indrindra, avy eo, sakaizan’ny fiadanana, tony, marina, moraina, azo antenaina amin’ny tsara, be indrafo, mamokatra asa soa ; tsy mitsara izy, tsy mihatsaravelatsihy, tsy miafina. (Jak 3, 15)

 

Tsy afa-mandray ny zavatra avy amin’ny fanahin’Andriamanitra ny olon-ko azy, satria hadalana ireny aminy, ary tsy ho azony na oviana na oviana noho izy ireny mila fahazavana sopernatoraly. (1 Kôr 2, 14)

 

Fahadalàna eo anatrehan’Andriamanitra ny fahendren’izao tontolo izao, satria voasoratra hoe : tampohiko ao amin’ny hafetseny ny Hendry.

 

Fantatry ny Tompo ny hevitry ny hendry, ary fantany fa zava-poana izany. (1 Kôr 3, 19-20)

 

Avy any ambony Aho,

 

ianareo kosa avy any ambany.

 

avy amin’ izao tontolo izao ianareo

 

fa izaho kosa tsy avy amin’izao tontolo izao. (Jo 8, 24)

 

Miteny arak’ izao tontolo izao izy ireo, satria avy amin’izao tontolo izao.

 

Isika kosa, dia avy amin’Andriamanitra, ka izay mahalala an’Andriamanitra no mihaino antsika,

 

fa tsy hihaino antsika mihitsy ireo tsy avy any amin’Andriamanitra, avy amin’izany

 

Pejy faha-147

 

no hamantarantsika izay entanin’ny fanahin’Andriamanitra Fahamarinana sy ireo entanin’ny famitahana. (1 Jo 4, 5)

 

Amin’ny zavatra manara-batana sy ivelany no ametrahan’izao tontolo izao ny fahafinaretany.

 

I Jesoa kosa ao anaty, amin’ny fanahy no ametrahany azy.

 

Nifidy ny anjara tsara indrindra i Maria.

 

Manamafy ny fisian’ny fifanoherana eo amin’i Jesoa Kristy sy izao tontolo izao ireto ohatra ireto :

 

Raha nahare ny zavatra miseho amin’i Jesoa ny havany, dia tonga haka azy, ary nilaza hoe : lasa adala Izy (Mk 3, 21).

 

Tsy nino azy ny rahalahiny. (Jo 7, 5)

 

Tsy nisy mpaminany masina an-taniny. Tsy nisy mpaminany tsy voatsiratsira mihoatra ny tao an-tranony, teo an-tanindrazany, teo amin’ny fianakaviany. (Mk 6, 4)

 

(Ny hambara eto dia ireo mpaminany marina, ireo pretra marina, mpanompo marin’Andriamanitra izay tsy miaina arak’izao tontolo izao ary tsy manaraka ny fiheveran’ izao tontolo izao sy ny fianakaviany)

 

Hoy ireo rahalahin’i Jesoa taminy : Mialà teto ianao, mandehana any Jodea, mba hahitan’ny mpianatrao ny asa soa ataonao, satria tsy misy olona niasa niafina tsy hahitana ny asany fa samy te hampiseho ny maha-izy azy daholo ny olona. Koa misehoa ho hitan’ny olona ianao mba hahitany ny asanao. (Jo 7, 3)

 

Tao Nazareta tanàna nonenany sy nahabe Azy no nandroahana an’i Jesoa tao amin’ny Sinagoga, ka nentina teny an-tampon-kavoana mba havarina any ambany hantsana. Saingy nitodika tampoka i Jesoa ary namakivaky teo am-povoan’izy ireo dia lasa. (Lk 4, 30)

 

Arakaraka ny fitomboan’ny firaisantsika amin’Andriamanitra no itomboan’ny fanoheran’ny saina sy ny hadalan’ izao tontolo izao antsika, ka sady ankahalainy isika no enjehiny.

 

Nanatona an’i Jesoa ny renin-janak’i Zebede ka nitalaho taminy ho an’ireo zanany roalahy mba hapetraka eo an-kavanany sy eo an-kaviany any amin’ny fanjakany ; dia mbola naverin’izy roa lahy koa ilay fangatahana ka hoy i Jesoa tamin’izy ireo : tsy fantatrareo izay angatahinareo, ho vitanareo ve ny hisotro ny kalisy hosotroiko sy hatao batemy amin’izay hanaovana batemy ahy ? (Mk 10, 38)

 

Nahazo ny anjarany tamin’ny fibedesan’i Jesoa Kristy koa i Piera, talohan’ny nanazavan’ny Fanahin’Andriamanitra azy.

 

Niresaka momba ny hijaliany sy nanambara mialoha ny zavatra hitranga aminy tamin’izy ireo mantsy i Jesoa.

 

Dia nalain’i Piera nanokana izy dia nobedesiny hoe : sanatria, tsy ho tonga aminao mihitsy izany, Tompoko !

 

Dia nitodika azy i Jesoa ka nibedy azy koa hoe : Mialà amiko ry Satana, fanafintohinana ho ahy ianao ; tsy miteny araka an’Andriamanitra, fa miteniteny foana amin’ny maha-olon-ko azy anao ! (Mk 8, 33)

 

Fomba ahoana no nampiharan’i Jesoa Kristy tamin’ny tenany io fandaozana ny fianakaviana io.

 

Raha vao feno roa ambin’ny folo taona i Jesoa Kely, dia nijanona tao an-tempoly mba hanomboka ny fanatanterahana ny Iraka nomen’ny Rainy Azy eto amin’ izao tontolo izao.

 

Pejy faha-148

 

Tsy fantatry ny Ray aman-dReniny fa nijanona tao an-tempoly izy.

 

Ary rehefa niseho taminy i Masina Maria ka nanontany azy ny antony nanaovany izany tamin’izy ireo izay sahirana nikaroka azy nandritra ny hateloana, nalahelo sy nitebiteby, dia novaliany hoe : Nahoana no mitady ahy ianareo ? Tsy fantatrareo angaha fa tsy maintsy manao ny asan’ny Raiko aho ? (Lk 2, 49)

 

Fampakaram-bady tao Kana.

 

Lany ny divay, sahirana ny tompon’ny fanasana, nanatona an’i Jesoa i Maria Reniny ka nanao taminy hoe : Tsy manana divay intsony izy ireo ; dia novaliany hoe : Ravehivavy, mifampaninona moa isika ? Mbola tsy tonga ny fotoako. (Jo 2, 4)

 

I Jesoa teo ambony lakroa.

 

Teo ambony Lakroa, raha nahita ny Reny malalany teo an-tongony i Jesoa, dia nilaza taminy hoe : Ravehivavy, io ny zanakao. (Jo 19, 26)

 

Ramatoa iray niantso an’i Maria hoe : Sambatra.

 

Tao anatin’ny vahoaka tao, nisy ramatoa iray nanandram-peo nanao hoe : Sambatra ny nono ninonoanao sy ny kibo nitondra anao !

 

Dia novalian’i Jesoa hoe : Fa vao mainka sambatra bebe kokoa aza izay mihaino ny tenin’ Andriamanitra ka mitandrina azy. (Lk 11, 27)

 

Nisy olona tonga nanao tamin’i Jesoa hoe : Ao ivelany ao ny reninao sy ny rahalahinao mitady anao sy te-hihaona aminao. Namaly azy i Jesoa hoe : Iza moa no reniko sy rahalahiko ?

 

Koa rahefa nijery ny olona manodidina azy izy dia nanohy sady nanondro ny mpianany hoe :

 

Ny Reniko sy ny rahalahiko dia ireo mihaino sy mitandrina ny tenin’ Andriamanitra.

 

Fa na iza na iza manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra no rahalahiko, anabaviko, reniko ! (Mk 3, 35)

 

Manoloana ny fianakaviany dia izao no takian’i Jesoa Kristy Tompontsika amin’ireo te hanaraka azy.

 

Izay te hanaraka ahy nefa tsy mandao ny rainy, ny reniny, ny vady aman-janany, ny rahalahiny sy ny anabaviny, dia tsy mendrika ho mpianatro akory. (Lk 14, 26)

 

Izay tia ny rainy na ny reniny mihoatra noho izaho, dia tsy mendrika ahy. (Mt 10, 37)

 

Hoy koa i Jesoa tamin’ilay tovolahy iray : Manaraha ahy. Saingy hoy ilay io taminy : andraso kely aloha aho handevina ny raiko.

 

Dia hoy i Jesoa : Manaraha Ahy, avelao ny maty handevina ny maty ; fa ianao kosa, mandehana mitory ny fanjakan’Andriamanitra. (Lk 9, 60)

 

Pejy faha-149

 

Nisy tovolahy iray hafa nanao taminy hoe : hanaraka anao aho Tompo, fa avelao kely aho aloha hanao veloma ny ao an-trano.

 

Ka hoy i Jesoa taminy : Izay efa nanao ny tànany amin’ny angadin’omby nefa nitodika any aoriana dia tsy mendrika ny Fanjakan’Andriamanitra mihitsy. (Lk 9, 61-62)

 

Fitsipika arahina manoloana ny fianakaviana sy izao tontolo izao.

 

Araka ireo teny sy ohatra nomen’i Jesoa Kristy Tompontsika ireo àry dia hitantsika fa ny mpianatra marin’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy :

 

Mandao ny rainy sy ny reniny.

 

Mandao ny rainy sy ny reniny tahaka ilay nataon’i Jesoa kely tamin’ny faha-roa ambin’ny folon’ny taonany, ka hanokan-tena amin’ny fanompoana an’Andriamanitra na dia tsy misy tsodranon’izy ireo aza.

 

Tsy maintsy toavina Andriamanitra rahefa miantso.

 

Izy no Raisintsika voalohany indrindra.

 

 Izay tia ny rainy na ny reniny mihoatra noho izaho dia tsy mendrika Ahy. (Mt 10, 37)

 

Ary rahefa tonga mitady antsika i dada sy neny, dia mba ilazao tahakan’i Jesoa kely hoe : Tsy fantatrareo angaha fa tsy maintsy manao ny asan’ny Raiko aho, no tadiavinareo ?

 

Adidy voalohany ho antsika ny fanaovana ny asa iantsoan’Andriamanitra antsika satria Raintsika voalohany indrindra Izy.

 

Manana Ray any an-danitra isika, ambony lavitra noho ny Ray rehetra eto an-tany, ka izy no tsy maintsy hoekena voalohany koa.

 

Ao amboninareo ao io Ray io.

 

Rainareo izy, Raiko koa.

 

Tonga aho hampisaraka ny zanaka lahy amin’ny rainy.

 

Tsy misy mamatotra amin’ny fianakaviana afa-tsy ny fihavanana sy ny tsy azo anoharana.[120]

 

Rahefa natao ary io fisarahana io, ka nanokan-tena hanompo an’Andriamanitra sy hanao ny asa nanirahany dia tsy manana ninoninona ikambanana amin’ny fianakaviana intsony.

 

Io no ampianarin’i Jesoa Kristy Tompontsika antsika tamin’ny namaliany an’i Maria reniny tany Kanà hoe : Mifaninona moa izaho sy ianao ? Ravehivavy, mbola tsy tonga ny fotoako.

 

Tsara hodinihina tsirairay ny teny fa samy misy lesona tsoahina daholo.

 

Pejy faha-150

 

Fandinihana ny tenin’ny Tompontsika : mifaninona moa izaho sy ianao ravehivavy ? Mbola tsy tonga ny fotoako.

 

Inona moa no ifandraisako aminao ?

 

Tsy manan-javatra iombonana aminao intsony aho.

 

Hatramin’ny fotoana nialako tao aminareo, mba hanokanako tena tanteraka eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny namana.

 

Nilaozako ny ankohonana ara-nofo, mba hifantoka amin’ny ankohonana ara-panahy aho. Notapahiko io fatorana ara-nofo io, mba handraisako ilay sopernatoraly.

 

Andriamanitra no Raiko,

 

Ny Fiangonana no reniko.

 

Ireo zanak’Andriamanitra ireo no rahalahy sy anabaviko.

 

Io no fianakaviako.

 

Tsy misy ifamatorantsika intsony : tsy anananareo zo intsony aho, ary tsy manana adidy amiko intsony ianareo.

 

Ny asa ifamatorako aminareo anefa, dia ny fihavanana, fifankatiavana sy fankasitrahana ny vitanareo tamiko satria lova soa tsy azo vonoina ireo.

 

Tsotra izany satria miala amin’ny làlana voajanahary isika, dia miditra amin’ilay làlana ambony ao amin’Andriamanitra mihitsy.

 

Ravehivavy

 

Amin’io teny io no tian’ny Tompontsika hahatsapantsika fa, raha vao nandray an-tànana ny asa nanirahan’ny Rainy Azy eto an-tany Izy, dia tapitra niaraka tamin’izay koa ny zo ara-nofo ananan’i Maria aminy, ka tsy afa-mandidy azy amin’ny maha Irak’Andriamanitra sy ny fanambaràna ny fanjakan’Andriamanitra intsony izy.

 

Andriamanitra irery ihany no fantany fa lehibeny, Mpampianatra azy, Rainy. Ny reniny dia nody amin’ny maha-vehivavy azy ihany.

 

Mbola tsy tonga ny fotoako.

 

Fantatro izay tokony hataoko sy ny fotoana tsy maintsy anaovako azy.

 

Manan-dRay tsy maintsy toavina aho, Izy no mametra ny fotoana iasako sy ny fomba entiko manatanetraka izay tiany ataoko.

 

Koa tsy anjaranao intsony ny milaza amiko izay tsy maintsy ataoko na mametra ny fotoana tsy maintsy anatanterahako azy.

 

Tsy misy didy horaisiko avy aminao intsony mikasika ny iraka tsy maintsy tanterahiko avy amin’Andriamanitra.

 

Andriamanitra izay tsy maintsy ekeko, ankatoaviko, Izy irery no afa-mametra ny fotoana anaovako ny asako.

 

Ary rahefa miasa aho, dia tsy ny nofo, tsy ny rà, tsy ny fientanam-po voajanahary intsony no manentana ahy, fa izay hitako fa sitrapon’ny Raiko any an-danitra ihany, izay dia izay, tsy misy fanampiny.

 

Lehibe sy makadiry izany fampianaran’ny Tompontsika izany, mba hampisokafany ny saina amam-panahintsika. Teny naloaky ny vavany ireo, teny nataony ho ren’ny sofim-batantsika, teo amin’ny fotoana iray tena voatokana, teny toa manta be, toa maniratsira, toa manambany, tena mafy ê ! raha jerena ety ivelany, fa saingy maneho amin’ny fontsika ny fahamarinana tsy azo idifirana, dia ny fandaozana tsy maintsy atao eo amin’ny pretra sy ny fianakaviany.

 

Pejy faha-151

 

Tsy maintsy manorina fianakaviana ara-panahy marina ho antsika isika

 

Ny olona iray tonga nilaza tamin’i Jesoa hoe : Ao ivelany ao ny reninao sy ny rahalahinao mitady anao sy te hihaona aminao.

 

Ny navalin’i Jesoa azy dia izao :

 

Iza moa no reniko, iza no rahalahiko ?

 

Ary rahefa nijery ny vahoaka manodidina azy Izy, dia nanondro ny mpianany nanao hoe :

 

Ireo ny reniko sy rahalahiko ary anabaviko, dia izay mihaino ny tenin’ Andriamanitra ka mitandrina azy.

 

Satria, na iza na iza manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra, dia rahalahiko sy anabaviko ary reniko (Mk 3, 35)

 

Manjavona eo anoloan’ny fianakaviana ara-panahy ny fianakaviana ara-nofo. Izany no tian’ny Tompontsika ho azontsika amin’ireo teny ireo. Tsy ny fifamatorana amin’ny nofo aman-drà intsony no ampanjakaina fa ny fifamatorana misy eo amintsika sy Andriamanitra, amin’ny Teniny sy ny fampiharana izany Teniny izany noho ny fitandremana azy.

 

Io no fatoram-panahy lehibe indrindra.

 

Misy fatoram-pihavanana anaty sy mahery kokoa ny fifandraisana eo amin’ny fianakaviana ara-panahy toy izay ny fifamatorana amin’ny fianakaviana ara-nofo izay mandalo noho izy avy amin’ny tany sy ny nofo[121].

 

Raha fanahy roa samy entanin’ny Fanahy Masina no miara-mihaino ny tenin’ Andriamanitra, sy mahazo azy tsara, dia miorina ao amin’izy ireo ilay fatoram-pihavanana ao anaty ka Andriamanitra no sady fiandohany no vona mamehy azy.

 

Io no fatoram-pinoana marina, fifamatoran’ny fanahy tena azo antoka, fifandraisan’ny fo tsy mizarazara.

 

Voalohany indrindra dia miteraka fitiavana an’Andriamanitra sy fitiavana izay miray hevitra amintsika araka an’Andriamanitra io fahalalana an’Andriamanitra io, ary io fifamatorana ara-panahy miorina amin’Andriamanitra io, dia sady ao am-po tsy miloaka no mafy fototra bebe kokoa noho ny fifamatorana natoraly.

 

Ary rahefa miaraka ny fifamatorana ara-panahy sy ny fitandremana ny tenin’ Andriamanitra, dia tena mari-pototra ny fiainam-pianakaviana ara-panahy, fiaraha-miaina kristianina ka Andriamanitra no fototra, ny Teniny masina no fatorana ary ny fampiharana azy no tanjona.

 

Tsy misy fianakaviana ara-panahy, na firaisan-kina kristianina afa-mijoro, raha tsy eo io toe-tsaina miorina amin’ny fahalalana an’i Jesoa Kristy, fahalalana ny Teniny avy amin’Andriamanitra, ary ny fampiharana izany amin’ny asa nomeny io.

 

Ny fitiavana an’i Jesoa Kristy, ny faniriana ny hitandrina ny Teniny no fototra iorenan’ny fianakaviana kristianina, ary tsy ho afaka hinamana ara-panahy isika raha tsy tafiorina eo am-povoantsika io fototra sarobidy io.

 

Raha izay no tanteraka dia mitombina ny tenin’i Jesoa Kristy hoe : Ireto no rahalahiko dia izay mahaino ny tenin’ Andriamanitra ka mitandrina azy.

 

Pejy faha-152

 

Tonga rahalahiny isika satria ampiraisin’ny finoana sy ny saina iray ary ny rany mikoriana ao amintsika ao.

 

Tonga reniny isika amin’ny alalan’ny fahatongavany eo ambony ôtely sy ny fanomezana fahaterahana ara-panahy zanaka vaovao noho ny fampianarana ny finoana sy ny Sakramenta.

 

Fianakaviana sambatra ! Fifamatorana mahasambatra, manambatra ny ratsambatana izany fianakaviana izany, ao anatin’ny fifankatiavana tokana sy faniriana tokana dia ny hampahalala an’i Jesoa Kristy

 

Ary raha tafajoro marina araka izany io fianakaviana io, dia tsy maintsy hita hiainany ireo hatsaram-panahy maha fianakaviana marina ny fianakaviana ireto : ny fitiavana, ny firaisan-kina, ny fifandeferana, ny fifankatiavana, ny fifampitsimbinana ara-panahy sy ara-batana ilain’ny isambatan’olona, ka tsy ilaina akory ny hitady any ivelany na ny ilain’ny fanahy na ny ilain’ny vatana ; raha tsy izany dia sady tsy tomombana no tsy marina io fianakaviana io.

 

Izany anie no ifampiantsoantsika hoe : frera, masera, mompera ê. Tsy anarana mandehandeha ho azy fotsiny ireny, fa maneho ny tena ao am-po ifampitondrantsika. Raha tsy izay, dia aoka hijanona eo fa sady fanesoana no fitaka bevava, lainga amin’ny tena sy fiatsaram-belatsihy.

 

Hitantsika mazava, arak’ireo tenin’ny tompontsika ireo, fa ny mpianatra marin’i Jesoa Kristy, dia tsy maintsy mandao ny rainy sy ny reniny ka hahafoy tena ho amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, tsy manana fatorana iraisana amin’izy ireo intsony, ka miditra ao anatin’ilay fianakaviana ara-panahin’ny zanak’Andriamanitra, ary tsy mahalala Ray na reny afa-tsy Andriamanitra sy ny lehibe mifehy azy ; na rahalahy sy anabavy an-koatra ireo olon’i Jesoa Kristy.

 

Hevi-dison’ny Ray aman-dreny manan-janaka pretra.

 

Misy Ray aman-dreny mino fa mbola ananany ny zo rehetra amin’ny zanany rehefa lasa pretra izy.

 

Ary satria tsy mihiboka izy ireo, fa Pretra miaina eo anivon’izao tontolo izao, dia heveriny fa tsy maintsy manolo-tsaina azy izy, mitantana azy, manana azy eo anivony, manoso-kevitra azy, fa saingy noho ny sosokevitra omeny, mazana mirefarefa amin’ny tany, ka matetika hoe : aza mandrera-tena loatra, karakarainay ianao mba tsy hijaly loatra, aza mampijaly tena loatra, sy ny sisa toa izany, dia azo fa manimba ny fanahy maha-pretra ny pretra zanany ireny, satria lazaina mandrisika azy hanao tsirambina ny adidiny.

 

Tsy tonga ao an-tsainy ny soa ho an’ny fanahy maro[122], fa ny tombontsoan’ny zanaka naterany ihany.

 

Ary amin’izany no tsy maintsy hahatonga saina antsika, sy hananantsika mandrakariva eo am-bava ireto tenin’i Jesoa Kristy Mpampianatra antsika ireto mifaninona moa izaho sy ianao ?

 

Pejy faha-153

 

Tokony hankahalaina sy hambanintsika ireo izay rehetra an’ny tany, ary tsy hikatsaka afa-tsy ny hitia izay an’ny lanitra ka hanahaka ny Tompontsika tamin’ny fitondrantenany nanoloana an’i Md Piera, izay tena tiany indrindra, kanefa dia tsy natahotra akory Izy niantso azy : satana, raha naneho ny heviny izy izay tsy mitovy sy tena mifanohitra tanteraka amin’ny hevitry ny Tompo : Mialà amiko ry satana fa fanafintohinana ho ahy ianao, satria tsy azonao ny avy amin’Andriamanitra fa ny avy amin’ny maha-olombelona ihany.

 

Loza ho an’izay mety hanaraka ireny torohevitra mamoan-tsapona sy mampidi-doza ireny ! Tsy miaina afa-tsy ny fiainana voajanahary izy, ka tsy hanompo an’Andriamanitra intsony, fa hanompo tena ary hanompo ny Ray aman-dreniny.

 

Ahoana ny fandraisana ny hoe mandao (na mankahala) ny Ray sy reny.

 

Izay manatona Ahy, nefa tsy mandao (mankahala) ny rainy, reniny, vady aman-janany… (Mt 10, 37)

 

Ireo teny ireo dia tsy midika mihitsy fa tsy maintsy aratsiana ny Ray aman-dreny, na hozonina izy ireo, na hatao ratsy, tsy tsinjovina mihitsy, tsy jerena, tsy vangiana, tsy hanaovan-tsoa. Tsy any mihitsy ny foto-pampianarana fa izao : noho ny Ray sy ny reny niteraka antsika, manaraka ny làlana naha-voaary azy, eto an-tany sy miankina amin’ny tany, ary isika kosa manaraka ilay làlana ara-panahy avy any an-danitra, dia mety tsy hitovy ny hevitra, ny fiainana, ny hetahetam-po, ny fihetseham-po ; ka tokony ho ambonimbony kokoa noho ny azy ny antsika, tahaka ny elanelan’ny lanitra sy ny tany.

 

Matetika dia mirefarefa amin’ny eto an-tany ny fiheverana sy ny fihetsem-pon’ny Ray aman-drenintsika ; fa ny hevitsika, ny faniriantsika, ny hetahetam-pontsika kosa dia tsy maintsy taratry ny avy any an-danitra mandrakariva.

 

Nostra conversation in caelis est. (Fil 3, 20)

 

[Fa isika kosa, dia any an-danitra no fanjakantsika, ary avy any ny fanantenantsika]

 

Any an-danitra no tsy maintsy anovozantsika ny hevitra sy ny fisainana fa tsy avy amin’ny tany sy ny zava-boaary.

 

Tsy maintsy afointsika tokoa anie ny zavatry ny tany sy ny fisainany, raha azontsika tsara ny fihetsik’i Jesoa Kristy Tompontsika nanoloana an’i Piera, izay olona tiany sy nitokisany ary fantany tsara, kanefa tsy nampaninona azy ny niantso azy hoe satana satria tsy nihevitra araky ny lanitra izy fa nanara-batana amin’ny maha-voaary azy fotsiny, hany ka mifanohitra ny heviny sy ny tian’ny Mpampianatra ho tanterahina.

 

Mialà amiko ry Satana ! fa fanafintohinana ho ahy ianao.

 

Izany koa no tsara havalintsika izay te hanodinkodina antsika amin’ny adidy aman’andraikitra sy ny làlana marina tiantsika hizorana.

 

Tsy maintsy afointsika ny rainintsika sy renintsika, izany hoe : tsy tokony hatahorantsika mihitsy ny hampisy alahelo azy ireo, raha ohatra ka ny zava-kendrena ara-panahy no voatohitohina, noho ny hevitra na ny fisainana ary ny hetaheta tsy mitovy tantana no jerena, ka hanoherantsika azy mivantana sy anambarantsika ny tena hevitr’Andriamanitra amin’izany, mba hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy ho famonjena ny fanahy maro.

 

Ny mampisalasala antsika matetika dia ny fieritreretana fa hampijaly sy hampahory azy ireo isika, raha misaraka aminy tokoa : inona no fiheverany ahy raha tsy manaraka ny lazainy aho ? Tsy hihevitra ve izy ireo fa tsy tia azy intsony aho ? Tsy rarahiny intsony ? Tsy karakarainy ? Niambohoany tanteraka ? Tsy mahay mankasitraka ?

 

Eo indrindra anefa no anararaotana ny fiainana ny Tenin’ny Mpampianatra, ka hitondrana ny tena toy ny olona tsy mahalala azy ireo, na nandao azy tsy mahatsiaro mihitsy, na dia fantatra mazava dia mazava aza, any am-po tsy miloaka any fa tsy maty na oviana na oviana ny fitiavana azy ireo marina.

 

Izay tia ny rainy na ny reniny mihoatra noho izaho, dia tsy mendrika ahy.

 

Amin’ireny zava-mitranga ireny indrindra no tsy maintsy isehoana ho mpampijaly olona sy iadiana amin’ny fientanam-po natoraly ka hiainana ny tenin’ny Mpampianatra hoe : Ialao ny rainao, ialao ny reninao.

 

Pejy faha-154

 

Tsy maintsy manana fahafahana miasa malalaka dia malalaka mihitsy isika eo am-pamitana ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny famonjena ny fanahin’ny olona.

 

Tsy maintsy mitia sy mankamamy mihoatra ireo rahalahy ara-panahy noho ny rahalahy ara-nofo.

 

Izany no tian’i Jesoa Kristy ho rentsika raha namaly ilay ramatoa nanandram-peo tao afovoan’ny vahoaka izy : Sambatra ny kibo nitondra Anao sy ny nono ninonoanao.

 

Teny natao hiderana an’i Maria ireo kanefa novalian’i Jesoa hoe : Fa sambatra kokoa izay mihaino ny tenin’ Andriamanitra ka mitandrina azy. (Lk 11, 27)

 

Manjavona koa izany eto ny anaram-panajana maha reny ara-nofo ka manome toerana ny maha mpanompon’Andriamanitra. Aleon’i Jesoa mpanompo marin’Andriamanitra toy izay ny Ray na reny tsinontsinona akory.

 

Mitovy amin’izay koa ny fampianarana tiany horaisintsika raha namaly ilay olona nanatona azy izy, ka nilaza taminy fa tonga mitady sy te hihaona aminy ny reniny sy ny rahalahiny. Natsotrany nanondro ny mpianany ny tanany dia hoy izy : ny reniko sy ny rahalahiko dia ireo mihaino ny tenin’ Andriamanitra ka mitandrina azy.

 

Ny tena fianakaviana, ny tena rahalahy marina mendrika hotiavintsika amin’ny fo sy omentsika ny toerana voalohany, dia ireo tia an’Andriamanitra sy mitandrina ny teniny.

 

Mikasika ny asa maha-pretra antsika, tsy manan-torohevitra angatahina amin’ny Ray man-dreny na ny olon’izao tontolo izao isika.

 

Mbola ireo andininy teo aloha teo ihany no mitondra ity fanamarihana ity. Tsy mitovy mihitsy ny hevitry ny Ray aman-drenintsika, ny olon’izao tontolo izao, sy ny hevintsika. Ny azy ireo mirefarefa amin’ny tany ihany, fa ny antsika manakatra ny lanitra.

 

Tsy azontsika atao àry ny mitaraina any ivelany any, mitantara any ny fiainantsika ato anatiny ato, ny ahiahim-pontsika, ny sorisorintsika.

 

Raha tsy olona manana fahalalana lalina momba ny fiainantsika, vontom-pinoana ka ambonimbony noho izao tontolo izao dia feno ny fisainany, tsy afa-manome torohevitra antsika.

 

Diniho i Jodasy : nitaraina tany ivelany tamin’ny Jody, tamin’ny farisiana, kanefa tsy nahazo afa-tsy fahakiviana dia nanary toky, nanary ny fiantsoan’Andriamanitra azy, nivarotra ny Mpampianany, farany nananton-tena.

 

Nandray torohevi-tsy izy tetsy sy teroa, mifanohitra amin’ny fanahin’Andriamanitra, dia very.

 

Ny fifandraisantsika amin’ny olon’izao tontolo izao dia fero amin’izay tena ilaina sy mahasoa ny fanahiny.

 

Tsy an’izao tontolo izao intsony ianareo. Nofidiko ary nesoriko teo amin’izao tontolo izao ianareo, hoy ny Tompontsika tamin’ny apôstôliny (Jo 15, 19). Koa satria àry tsy an’izao tontolo izao intsony isika fa voafidy…

 

Pejy faha-155

 

ary nesorin’i Jesoa Kristy tamin’izao tontolo izao, dia tsy maintsy maka fepetra mba tsy hitiavana an’izao tontolo izao, na hanarahana an’izao tontolo izao, na hanaovana toy izao tontolo izao.

 

Koa manàna àry rikoriko, tohitra, fankahalana ny zava-tsinotsinona, zava-poana, resaka mandany jiro, lanonana, filerana, fahafinaretana, fifaliana, eo amin’izao tontolo izao sao dia hialan’ny fitiavana an’Andriamanitra isika, araka ny lazain’i Md. Joany hoe : Fa izay tia an’izao tontolo izao dia tsy manana ny fitiavan’Andriamanitra ao aminy. (1 Jo 2, 15)

 

Hoy koa i Md. Jakoba : ny fitiavana an’izao tontolo izao dia fankahalana an’Andriamanitra. (Jak 4, 4)

 

Mitondra fankamamiana ny fomba sy ny hevitr’izao tontolo izao ny fifaneraserana be loatra aminy.

 

Noho ny fitongilanantsika amin’izao tontolo izao, amin’ny zavatry ny tany, dia sahirana mafy tokoa isika mitahiry ny antson’Andriamanitra, koa mainka ve mbola hampiantsika fikasokasohana amin’izao tontolo izao izany.

 

Manjary mpankafy izao tontolo izao izy mifampikasoka be loatra aminy.

 

Lazao ahy, iza no iarahanao, dia lazaiko anao ny toetranao.

 

Fandaniam-potoana tsy misy toa azy koa anie ny fifaneraserana be loatra amin’izao tontolo izao ê ; sady tsy mahasoa no mitera-boka-dratsy : resaka tsizarizary, tsy misy dikany ! Mahonena mihitsy ireny pretra mandany takarivan-danonana, miresaka ny andro tsara na ratsy, politika sy ny hafa tsy tanisaina, lany fotoana amin’ny tsinotsinona nefa ny fanahy mila vonjena betsaka ![123]

 

Tsy tokony ho ny pretra mihitsy no handany andro hipetra-potsiny hiresaka zavatra tsy ilaina ohatr’izany.

 

Manary haingana ny fahefana maha-pretra eo amin’ny olona entiny ireny, indrindra fa pretra tanora.

 

Malaky dia malaky hitan’izao tontolo izao ny kilemantsika pretra, ny zava-mampahory antsika.

 

Dinihiny ireny, dia isika no ataony foto-dresaka, tsikerainy, helohiny, tsy inoany teny intsony dia eo isika manjary fanafintohinana ho azy, fa tsy ho fitaratra ijerena ny soa avy amin’Andriamanitra intsony.

 

Sarotra ny mitana io fahambonian’ny maha-pretra io, ka hitehirizana ny hery tsy ho ketraka indraindray. Aleo aza ny olona no manatona toy izay isika no mankany aminy.

 

Misy marina ny olona manasa antsika hamangy azy any an-tokantranony, ary mandangolango sy midoka antsika fatratra mba hahatongavana amin’izay tadiaviny. Mba mailo anefa, aza malaky mino azy loatra ; lanjalanjao tsara sy maharitra. Aleo aza ohariny amin’ny olon-dia, toy izay tonga any kanefa viravirainy toy ny vorodamba maloto.

 

Raha izaho, dia eo am-pitorian-teny, ao amin’ny fampikonfesena, eo amin’ny ôtely, miaraka amin’ny mahantra sy ny marary no tsy maintsy toerana ahitana ny Pretra.

 

Ankoatra izay, dia mitono-tena amin’ny fitsikerana sy fandrabirabian’izao tontolo izao ny Pretra ka lasa mpankafy ny hevitra sy ny fomban’izao tontolo izao koa.

 

Pejy faha-156

 

Heverina ho metimety kokoa aza ny handosiran’ny pretra ireny toerana natokana ho an’izao tontolo izao ireny sy angalany fahafinaretana sy ilalaovana.

 

Tsy maintsy handosiran’ny pretra ireny toerana ireny, kanefa noho izy mba mila fialam-boly sy fialan-tsasatra, dia mba toeran-kafa voatokana ho azy no alehany.

 

Ilaina manko ny fahamalinana sy ny fahatoniana amin’ny fifaneraserana amin’izao tontolo izao, fa indrindra amin’ny olon’izao tontolo izao.

 

Rahefa manasa ny Apôstôliny i Jesoa Kristy Tompontsika hiala sasatra dia nentiny tany an-taniefitra fa tsy tany amin’ny toerana aman-danonan’izao tontolo izao : venit seorsum in desertum locum requiescite pusillum. [Avia mba hiala sasatra kely any an-taniefitra ianareo, mba hihataka kely. (Mk 6, 31)]

 

Vokatra avy amin’io, ho an’izao tontolo izao : hadalana mihoa-pampana.

 

Inona moa no antsoina hoe : izao tontolo izao.

 

Tsy mankany ivelany raha tsy misy antony manokana, ary raha mankany, dia tsarovy fa fanasin’ny tany sy fahazavan’izao tontolo izao isika.

 

Isika no fanasin’ny tany.

 

Isika no fahazavan’izao tontolo izao, araka ny tenin’i Jesoa Kristy Koa

 

Raha sendra misy antondiantsika àry, any ivelany any, dia tsy hanao ny fanaon’izao tontolo izao, tsy hiteny ny fitenin’izao tontolo izao, tahaka ny hita matetika ; indrisy, ka ankatoavana azy hoe : Amena, fa mba ho oha-pitondran-tena ho azy. Aoka ny Pretra mba ho fahazavana feno famirapiratana eo anivon’izao tontolo izao.

 

Tsy maintsy asehontsika fa tsy an’izao tontolo izao isika, fa tompon’izao tontolo izao, tsy mpanompony.

 

Alao tahaka i Jesoa Kristy Tompontsika fa izy no Tompon’ny zavatra rehetra amin’ny toerana rehetra : na teo amin’ny farisiana, niarahany nisakafo, na tao amin’ny Sinagoga, niteny Izy, nampianatra, nanitsy, nanome lesona ny olon-drehetra, na tompon-trano izany, na mpampiana-dalàna, na mpanora-dalàna, dia Tompo Izy sady Mpampianatra.

 

Noho ny ohatra nomeny, dia aoka tsy hanary na oviana na oviana ny fahefana maha-pretra antsika isika, fa hampanaja azy na aiza na aiza.

 

Fantatro fa tsy mora izany, ary mila fitandremana be tokoa mba tsy handratra ny olona, mila fahendrena mba tsy hanafintohina, satria mety ho be kokoa ny voka-dratsy noho ny tsara entintsika raha tsy eo ireo toetra roa ireo. Aza manaonao foana, aza mitavozavoza : mbà malina ary mitandrema fatratra.

 

Raha tsy izany, dia aleo mipetraka ao an-tranon’ny tena toy izay hivahiny any amin’ny hafa hanome lesona azy, kanefa hita be izao fa tsy hahomby. Manàna àry fahefana, fahamalinana ary fahendrena lehibe tokoa.

 

Pejy faha-157

 

Ho valin’ny fandaozantsika azy, dia ekeo fa rariny raha mankahala sy manaratsy antsika izao tontolo izao.

 

Mazava ho azy àry, fa mitarika fankahalana, fanaratsiana, fandrabiana avy amin’izao tontolo izao ireo fihetsika manohitra azy, asehontsika na amin’ny Ray aman-dreny, na amin’ny havana aman-tsakaiza ireo.

 

Tsarovy anefa fa io no tena voninahitra sy hasambarana ho antsika, ary manamafy ny toky ananantsika fa an’i Jesoa Kristy marina tokoa isika.

 

I Jesoa Kristy mihitsy no nilaza fa : Ho halan’izao tontolo izao ianareo, kanefa tsarovy fa Izaho no nankahalainy voalohany talohanareo.

 

Raha an’izao tontolo izao ianareo dia notiaviny, fa noho ianareo tsy azy, satria nofidiko sy noraisiko taminy, dia halany ianareo.

 

Aza hadino ity teniko taminareo ity : Ny mpanompo tsy ambony noho ny Tompo. (Jo 15, 20)

 

Nomeko azy ireo ny Teninao ka halan’izao tontolo izao izy ireo, satria tsy azy, tahaka ny tsy maha an’izao tontolo izao ahy. (Jo 17, 14)

 

Voafantsika ho an’izao tontolo izao aho, ary nofantsihina tao amiko izao tontolo izao. (Gal 6, 14)

 

Halany maimaim-poana aho.

 

Halan’izao tontolo izao aho satria manambara ny asa ratsiny. (Jo 7, 7)

 

Manque traduction

 

Inona no amantarana ny firaiketana amin’izao tontolo izao ?

 

Mahazo fahafinaretana rehefa any ivelany any ; tiana bebe kokoa ny fiarahana any ivelany noho ny ao an-trano iarahana amin’ireo rahalahy ara-panahy.

 

Raha mahatsiaro mangirifiry satria tsy maintsy lavina ny fanasana any ivelany any.

 

Raha tsy manana anton-dresaka ankamamiana afa-tsy ny mikasika ny fianakaviana ara-nofo, ka iventesana mandrakariva ny fiamboniany, ny voninahiny, ny hasambarany, ny hareny, ny volany, ny fomba fiainany.

 

Manque traduction

 

Ho an’izay mandao ny fianakaviany sy izao tontolo izao, dia ity ny fampanantenan’i Jesoa Kristy.

 

Na iza na iza manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra, dia rahalahiko, anabaviko, reniko. (Mt 12, 50)

 

Fa tsy misy olona mahafoy trano na rahalahy, na anabavy na Ray, na reny, na zanaka na tany noho ny fitiavana Ahy sy ny Evanjely, ka tsy hahazo zato heny ankehitriny amin’ity fiainana ity, dia trano, rahalahy, anabavy, reny, zanaka, tany, na dia ao anatin’ny fanenjehana aza.

 

Ary ny fiainana mandrakizay any amin’ny ho avy. (Mk 10, 30)

 

Pejy faha-158

 

Famaranana enti-miaina io toko momba ny fandaozana ny fianakaviana sy izao tontolo izao io.

 

Ialao ny rainao, ialao ny reninao ka avia manokan-tena hanompo an’Andriamanitra.

 

Ialana araka ny fisainana kristianina ny Ray aman-dreny.

 

Tsy manan-javatra iombonana amin’ny fianakaviana ankoatry ny adidy mavesatra ateraky ny fitiava-namana tsy azo idifirana.

 

Tsy mamangy fianakaviana raha tsy misy antony lehibe sy marina iantefan’ny fitiava-namana, fa tsy ho fahafinaretana analana sorisory na hanina maha-olombelona fotsiny ihany.

 

Manangana fianakaviam-panahy mari-pototra amintsika samy pretra.

 

Tiavina sy ankamamiana bebe kokoa ny rahalahy ara-panahy noho ny ara-nofo.

 

Tsy mangataka torohevitra amin’ny olon’izao tontolo izao1 na mitaraina, na mitantara.

 

Tsy manana fifaneraserana amin’ny olon’izao tontolo izao, afa-tsy ny tena ilaina amin’ny famonjena fanahy… fitantanana ara-panahy, fahamalinana.

 

Tsy mankany ivelany tsy nahazo làlana avy amin’ny lehibe, ary raha sendra mankany, dia tsaroana mandrakariva ny maha fanasin’ny tany sy fahazavan’izao tontolo izao ny tena.

 

Manaiky ny fankahalana sy ny fanaratsian’izao tontolo izao sy ny fianakaviana noho ny fandaozana azy, ka ilazany ara-drariny fa adala ny tena.

 

Mialoka mandrakariva amin’ny tenin’i Tompontsika izay mampanantena ny zato heny an’ireo izay handao ny zavatra rehetra ho azy.

 

Fialan-tsasatra

 

(Azontsika atao ny mandeha mamonjy fialan-tsasatra any amin’ny Ray aman-drenintsika hatreo amin’ny kilasy filôsôfia na première satria ny fahalalana an’i Jesoa Kristy dia mbola tsy tena lehibe loatra ao amin’ireo tanora fanahy ireo mba hamoizany tanteraka ny fianakaviana ; fa manomboka ao amin’ny kilasy de première, na filôsôfia, dia tokony manomboka hahafantatra ny foto-kevitra izay ekena ho marina ny amin’ny Jesoa Kristy, ary hampihatra izany, amin’izay dia tsy ny fitiavana intsony no tokony hitarika ny fanahy, fa ny andraikitra sy i Jesoa Kristy izay hanomboka ho tonga mpampianatra an’ireo fanahy ireo. Na raha tsy afaka ny hanaraka ireo fomba fisainana ireo izy, dia tsy afaka ny hiroso lalindalina).[124]

 

____________________

 

1.        Ms XI 192 : Mikasika ny andraikitry ny Pretra.

            Ms XI 590 : Mikasika ny fanjakan’Andriamanitra.

 

Pejy faha-159

 

Fepetra faharoa :
Tsy maintsy mandà tena

 

Pejy faha-161

 

Efa betsaka ny famelabelarana natao mikasika ny fandaozana tamin’ny fizarana teo aloha iny.

 

Koa raha hiresaka momba ny fandavan-tena isika, dia vao mainka koa hihamafy ny fahalalantsika fa izany fandaozana izany, dia tsy sanatria akory fanaovana an’izao tontolo izao toy ny tsy misy, fa fakana fahafahana sy safidim-po tanteraka sy malalaka hanaraka an’i Jesoa Kristy, Mpamonjy an’izao tontolo izao. Ny fandavan-tena tsy sanatria famonoan-tena tsy akory, fa famantarana ny fahalalana marina fa ny fanarahana ilay Mpampianatra avy amin’Andriamanitra, dia mitaky fahafahana sy safidim-po tena malalaka dia malalaka, tsy voaterin’iza na iza, eny fa na dia ny tenantsika koa aza[125].

 

Asa na misy teny hafa ahazoana milaza mazavazava kokoa an’io fandaozana na fandavana io, fa ny mety amiko dia ny hoe : fihoarana ?

 

I Mompera Chevrier izay naka ny dikan’io teny io tao amin’i Mastaï-Ferretti ka nametraka azy ao amin’ny Mpianatra Marina : Raha misy te hanaraka ahy dia aoka izy handà ny tenany [126]. Tsapany anefa fa tsy mora ny milaza izay tian’i Jesoa hambara amin’io teny io, ka dia namorona teny hafa izy hoe : fanadinoana[127] mba hanazavana azy misimisy kokoa.

 

Tsy mahasahana ny tena tian’i Mompera Chevrier ho tratrarina anefa ireo dikan-teny ireo, ary ny mpampianatra ara-panahy rehetra naka ny tena heviny araka ny Evanjely, dia samy niaiky daholo fa tsy fihoarana, na fanadinoana, na fandaozana no tena ilaina rehefa amin’ny tena fa fandavana mihitsy, mba hanehoana ilay tadiavin’i Jesoa Kristy : tsy ny sitrapon’ny tena no atao fa ny sitrapon’ny Ray.

 

Izay fandavana tsy miainga avy amin’ny fahalalana an’i Jesoa Kristy, dia tsinotsinona[128], satria mitera-pitiavana ny fahalalana an’i Jesoa Kristy, tsy ho tonga amin’izany anefa isika raha tsy mampihatra azy tokoa ao am-pontsika ao. Ary mampalahelo raha fandavan-tena tsy misy fampiharana satria naman’ny finoana tsy arahin’asa ka maty.

 

Pejy faha-162

 

Raha izany no miseho, dia tsy ho tratra mihitsy ny zavatra nokendren’i Mompera Chevrier amin’ilay teniny mamy, toy ny fandavan-tena, ny tsy fisiana, ny fahafatesana, satria raha tsy misy zavatra lavina dia tsy misy koa ny fandavana, ary rehefa mandà na mandao, dia manontolo fa tsy tapany.

 

Tsy mety lavina ny fampianaran’i Mompera Chevrier amin’io lafiny iray io.

 

Misy adihevitra azo aroso kosa eo amin’io antony handavana na handaozana. Ny lova katolika dia mandroso hevitra roa : ny iray mitsikera lafy ratsiny, ny iray kosa midoka ny lafy tsarany. Samy miaiky aloha na ny an-daniny na ny an-kilany fa misy ny fahalovan’ny olona nohon’ny otan’i Adama, fa saingy lalin-dalina kokoa ny vokatra aterak’izany ho an’ny an-daniny noho ny an’ny an-kilany. Samy miaiky koa izy ireo fa mbola misy zava-tsoa nitoetra tao amin’ny olombelona voaloto, ary nohavaozin’ny fahasoavan’i Kristy izany toetran’ny olombelona izany ka nihatsaratsara lavitra noho ny taloha vokatry ny fanavotana teo ambony lakroa.

 

Manome ireo fanazavana fohy ireo izahay mba hahazoantsika tsara ny tian’i Mompera Chevrier hatongavana, re manko indraindray fa toa voamariky ny jansenisma izy. Tena tsy any mihitsy ny resaka.

 

Ny jansenisma tena izy, dia tsy fanitarana mihoa-papana ny fahalovan’ny olombelona, ka tsy ahitana afa-tsy ny vatsy, fa fandraisana hety loatra ny mametra ny fahefan’ny fanavotana avy amin’Andriamanitra. Mifanao atsimo sy avaratra amin’io foto-pampianarana io ny an’i Mompera Chevrier.

 

Ny fanontaniana tokony hatao dia hoe : sao dia mba tafiditra anisan’ny olona manana fomba fijery « pesimista » ary i mompera Chevrier ? (izany hoe anisan’ireo olona mora mahita ny lafy ratsy toy izay ny tsara).

 

Raha boky namelabelarana teolojia ny Mpianatra Marina, dia azo novaliana hoe : eny. « Izay rehetra azontsika avy amin’ny fahaterahan’i Adama dia simba tanteraka, lo », hoy i Mompera Chevrier[129]. Fa eto indray dia averinay fa tamin’ny fotoan’andro nivelomany sy nanabeazana azy, dia tena nanjaka io hevitra « pesimista » io, hany ohatry ny nanisy marika ngeza be tao aminy. Indraindray aza, hohitantsika fa tena henjana mihitsy ny teniny. (Sady manampy antsika tsy hitsara azy ho mpanely hevi-diso na heretika, satria tena misy fetrany marina ny voalazany).

 

Tsy famelabelarana teolojia àry ny Mpianatra Marina, hoy isika. Averintsika indray fa ny traikefa ara-panahy nananany no nentiny niasa, ka manjary mampisalasala ny hilaza fa mety hisy pentimpetina kely vokatry ny fiavonavonana sy ny fitiavan-tena misisika any amin’ny asantsika. Fanantenana fotsiny ihany izany hahavonjy antsika izany [130]. Tsy midika velively io fa tsy misy afa-tsy fahalovana ao amin’ny olombelona, tsy manamelo-tena ho lo eto, fa manamafy fotsiny noho ny zava-misy efa fantatra, fa amin’ny fotoan-drehetra, ny vokatr’io fahalovana io, dia misy, ary ny olombelona manam-panahy tsilovin’ny hazavan’i Kristy dia mahatsikaritra, fa amin’izay rehetra ataony dia misy fifangaroan’ny tsara sy ny ratsy ihany, ka io fifangaroana io no tsy mety eo anatrehan’Andriamanitra[131].

 

Manamafy izany fisian’ny tsara sy ny ratsy

 

Pejy faha-163

 

eo amin’ny asantsika izany koa ny zava-niainan’ny Fiangonana, eny fa na dia ny apôstôly aza tsy hisy afa-mandà ny fahamarinan’ireto voalaza ireto araka ny zava-misy :

 

Tena sarotra dia sarotra ny mitana tanteraka ny fahadiovam-po[132].

 

Raha ny tena marina, dia sarotra dia sarotra ny mandao tanteraka ny sainy, ny fahaizany, ny aina voa-janahary, ny kileman-tsainy, ka ho fenoin’ny fanahin’ Andriamanitra ary tsy hiasa afa-tsy araka an’Andriamanitra irery ihany[133].

 

Sarotra tanterahina izany famoizana lavorary ny sitrapon’ny tena izany[134].

 

Mitebiteby lava, miahiahy mandrakariva, tsy mitombin-tsaina izay tsy mahay mandà ny tenany[135].

 

Resy lahatra vetivety foana izay mahay mandinika izany, fa misy indray kosa ireo tsy manary ny fitokisany ny tenin’ Andriamanitra na eo aza ny fahosàny sy ny fahalavoany matetika ; ary eo koa ireo malaky manamora zavatra milaza hoe : Andriamanitra ve dia hitaky izany rehetra izany.

 

Koa mampanontany tena indray hoe : tena mpitsikera ratsy tokoa ve i Mompera Chevrier ity e ! – Asa !

 

Eo amin’ny toerana nijoroany, maha-apostolin’i Jesoa Kristy azy, ndeha hanontaniantsika mivantana azy ny fananany fieken-tsara tsy mivena ao amin’ny asa nataon’i Kristy, dia hahazo izao valiny izao isika.

 

Arakaraky ny ahafatesana no ahazoana ny aina sy anomezana aina[136].

 

Akon’i Md. Paoly io : Manao ny asany eo aminay ny fahafatesana, ary ao aminareo kosa ny fiainana[137]

 

Angatahintsika izy mba hahafahantsika miaina ny zava-misy marina. Ataon’ny olona inona moa ny mody salama ao anatin’ny aretina ? Izao anefa, aleon’izay tsy mbola mahalala mpitsabo, miafy amin’ny aretiny toy izay ho kivy. Izay no manamarina ny hoe : ny fahalalana marina ny fahotana raiki-tampisaka amintsika ka tsy maintsy lavina miaraka amin’ny tena, dia miainga avy amin’ny fahalalana an’i Jesoa Kristy.

 

Avy amin’ny fahazavany no ahalalantsika ny zavatra tsirairay, ny tena marina, ny soatoavina ara-panahy ao amin’ny zavatry ny tany, mba hahaizantsika manavaka ny marina amin’ny diso, ny rariny amin’ny tsy rariny, ny tsara amin’ny ratsy[138].

 

Efa nanoritra sahady ireo fizarana efatra amin’ity toko ity i Mompera Chevrier eto, ka handinihana fa isika dia vatana, fo, fanahy ary sitra-pò. Tao amin’ny katesizy no tsy maintsy nahalalany fa ny olombelona dia vatana sy fanahy. Nofakafakaina taminy izany taty aoriana tao amin’ny filôzôfia. Fa eto kosa, tsy any mihitsy ny resaka, fa famaritana ho antoko efatra ireo lahan’asa ataon’ny olombelona, ka mitana azy manontolo, fanahy amam-batana.

 

Ny vatana no misahana ny asa aman-draharaha amelomana antsika ara-nofo.

 

Pejy faha-164

 

Tahaka ny hanin-ko hanina, ny fanomanana azy mba hahavelona. y fo misahana ny fahavelomana ara-pitiavana ; ny fanahy manentana ny asa rehetra iankinan’ny hevitra, ary ny sitrapo kosa no mpanatanteraka ireo asa rehetra ireo.

 

Eo am-pampianarana azy dia hita ihany fa toa antoniny ilay fizarazarana. Sady tsotra no feno fahendrena. Hany ka manendrika an’i Mompera Chevrier ery.

 

Nataony ahoana àry no namorona azy ? Ny fanomezana manokana efa tao aminy, ka nampiany ny fahaiza-mandalina ny zava-misy niainany dia ampy. Hita koa amin’ny sora-tanany fa nisy fikarohana lehibe sy fisalasalana kely, teo amin’ny isan’ny fizarazarana apetraka, ohatra hita amin’ny iray ny fo fa tsy ao amin’ny hafa ; dia teo koa ny fandaharana ny fizarana : inona no aloha, ny vatana sa ny fanahy…

 

Tsy mety hahagaga koa anefa raha nindramin’i Mompera Chevrier tamin’olona io fizarazarana sy fandaharana io. Maro tokoa mantsy ny boky ahitana azy. Fa tsy fantatsika izay nakany azy.

 

Pejy faha-165

 

Tsy maintsy mandà tena.

 

Io no zavatra faharoa angatahin’i Jesoa Kristy Tompontsika amin’ireo te hanara-dia azy.

 

Aorian’ny fandaozana ny fianakaviana sy izao tontolo izao, dia tsy maintsy lavina ny tenantsika, mba hanara-dia an’i Jesoa Kristy.

 

Moramora ihany aloha ny fahazoana ny fandaozana ny fianakaviana sy ny tsy firaiketana amin’izao tontolo izao, mba tsy ho voaelingelina ny fiarahan-dia atao miaraka amin’i Jesoa Kristy.

 

Dia toy izany koa ilay faharoa, tsy mety mihitsy raha sahiranin’ny tenantsika eny am-pandehanana isika fa sao dia very andro am-pijanonan-dava.1

 

Foto-pampianaran’i Jesoa Kristy tompontsika momba ny fandavan-tena.

 

Izay te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, ka handray ny hazo fijaliany, ary manaraka Ahy ! (Mt 16, 24)

 

Tenin’ny Tompontsika io !

 

Abneget semetipsum. [Mandà tena]

 

Ny mandà ny tenany dia ny mandray azy toy ny tsinotsinona.

 

Tsy maintsy manana izany fomba fijery izany : toy ny tsinotsinona izay rehetra an’ny tena sy ny tena mihitsy ; izay mahakasika ny tenantsika ; ny maha-isika ny tenantsika, ny maha-olona antsika mihitsy e.

 

Inona moa no mba antsika ?

 

Azontsika heverina fa tenantsika, manome ny maha-olona antsika, ny tena maha antsika antsika,

 

ny vatantsika,

 

ny fanahintsika,

 

____________________

 

1. Ms XI 91 – XI 624.

 

Atao inona ny fandavan-tena ? Mba hiainana an’i Jesoa Kristy (Ms XI 91)

 

Arakaraky ny ahafatesan’ny tena, ny fanahy, no ahazoana ny ain’i Jesoa Kristy (Ms XI 624)

 

Pejy faha-166

 

ny fontsika,

 

ny sitrapontsika.

 

Ireo no azo lazaina fa manorina ny tenantsika, ny maha-olona antsika.

 

Eny ary ko ! Tian’i Jesoa Kristy holavintsika ireo mba hanarahantsika Azy.

 

Fa maninona ary no takian’i Jesoa Kristy handà tena isika ?

 

Satria, hoy izy, izay ateraky ny nofo dia nofo, ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy. (Jo 3, 6)

 

Izany hoe : izay azontsika avy amin’ny fahaterahan’i Adama, dia simba, lo, ka tsy maintsy hateraka indray mba hahazo fiainam-baovao.

 

Raha tsy hateraka indray ny olona dia tsy hiditra amin’ny Fanjakan’ny Lanitra. (Jo 3, 3)

 

Notorotoronina tao amin’ny fahalotoana isika ary teraka tao anatin’ny fahotana, hany ka tsy misy azo raisina ho tsara tao amintsika tao.

 

Tsy manome rano madio mangarahara ny loharano voaloto.

 

Avy amin’ny tany ka tany ny lehilahy voalohany, ka an’ny tany ny taranany. (1 Kôr 15, 47)

 

Hatramin’ny nanotan’i Adama, dia namidin’ny filan-dratsin’ny nofo tamin’ny fahotana isika, ka nampivarahontsana an’i Md. Paoly izay niteny hoe :

 

Olon’ny nofo aman-drà aho, namidy mba ho andevozin’ny fahotana.

 

Tsy sitrako tokoa ny ataoko, satria tsy vitako ny tsara tiako atao, fa ny ratsy halako indray no vitako. (Rôm 7, 15)

 

Fehezin’ny didin’Andriamanitra aho noho ny fanahy, fehezin’ny fahotana noho ny nofo. (Rôm 7, 25)

 

Dia hoy i Jesoa Kristy : raha tsy maty ny voambary nafafy tamin’ny tany dia mijanona ho irery izy, fa raha maty kosa izy, dia hahavokatra be. (Jo 12, 24)

 

Tandindontsika io. Raha tsy vonointsika tao amintsika tao ity voaary ara-nofo, mamoafady ity, dia tsy hamokatra mihitsy isika, na dia voany iray aza, fa raha maty io, hamokatra aok’izany isika. [139]

 

Tsy ny hazo rehetra akory no manome voa tsara. Sady handatra no dia matetika ny voankazo avy any an’ala. Inona àry no ataon’ny mpamboly ? Tapahiny ny lohan’ilay hazo dia silahiny, dia apetany ao amin’io silaka io ny rantsana tsara.

 

Mitombo io rantsana tsara io, mihamatanjaka, ka manome voany tsara, dia lazaina hoe : tsara ilay hazo, fa raha misy rantsana hafa mitsiry ivelan’io, tsy tsara intsony, tsy misy ilàna azy.

 

Mbola tandindontsika ihany izany. Ity sampana tsara ity, i Kristy io.

 

Ireo sampana mila tapahina, isika ireo : ny asa natoraly ataontsika ireo, tsy misy ilàna azy.

 

Pejy faha-167

 

Omeo toerana eo anivontsika i Jesoa Kristy mba ho tsara isika. Voankazo dia no vokarintsika raha tsy miaraka aminy ka tsy ilain’ny lanitra. Ialao, sy alaviro izay rehetra avy amin’ilay natiora voalohany, izay rehetra nolovantsika tamin’ilay fahaterahana taloha fa sady lo no voaloto.

 

Tsy maintsy mandà tena isika.

 

Mandà tena.

 

Inona no atao hoe mandà tena ?

 

Mandà tena,

 

Mandà izay manorina ny maha-tena ny olona, izany hoe, mandà :

 

ny vatany,

 

ny fanahiny,

 

ny fony,

 

ny sitrapony.

 

Pejy faha-169

 

Mandà ny tenany dia,
1° Mandà ny vatany.

 

Pejy faha-171

 

Sarotra atolotra ity toko iray ity. Manafintohina ny olona amin’izao fotoana iainantsika izao ny voasoratr’i Mompera Chevrier ato. Mety tsy ho toy izany anefa tamin’ny fotoan’androny. Tena izany tokoa satria nisy fomba fiteny tamin’izany fotoana izany, nety dia nety noho ny fomba amam-panao mbola tao anatin’ny nofinofy, hany ka teny mivantambatana no tsara taminy. Tsy izy rehetra anefa no azo nankasitrahana. Raha miresaka fahatendan-kanina sy fidonanam-poana izy, dia tena niveloman’ny pretra sasany tamin’izany fotoana izany ny voalazany. Koa raha sanatria àry, mahakasika antsika amin’izao fotoana izao ny zavatra sasany tsikerainy ao dia ahoana ?

 

Mba hahatakarana tsara ny heviny anefa, dia ilaina tokoa ny mamerina ny voasoratra amin’ny fotoana nanoratana azy.

 

Samy hafa be mihitsy ny fomba fiainana. Tsy mba nanana toeram-pandroana na filomanosana ny mahantra, ary tsy niharatra afa-tsy indray mandeha isan-kerinandro ny sarambaben’olona.

 

Samy hafa ny fomba fisainana, indrindra teo amin’ny fifampitondran’ny lahy sy ny vavy. Tsy azon’eritrerira mihitsy tamin’izany ny hoe dokotera vavy, vehivavy mpisolovava, solombavam-bahoaka, tsy nahitana tovovavy mihitsy ny anjerimanontolo eny fa na dia tany amin’ny ambaratonga faharoa aza.[140]

 

Ary farany ny momba ny fanahy, dia hita tena ara-penitra mihitsy ny fandinihan-tena amin’ny an-tsipirihany mikasika ny kilema maro samihafa. Tsy nanimba ny sehon-kafalian’ny olona anefa izany satria maro no nihaino azy an-tsofina havia dia navoakany amin’ny sofina havanana. Tsy nasiany antony akory fa nihomezany.

 

Omena toerana ao amin’ny fiainan’i Mompera Chevrier koa ity toko ity.

 

Mahafinaritra ny olona ny niara-niaina taminy. Tsy mba mpiahiahy olona foana izy, ka manambolo ny ratsy any rehetra any, na sarotiny na malo-dava tahaka ny tsiny velona mitatao.

 

Voakarakarany tokoa ny ilain’ny isam-batan’olona, afa-nihinana voky tsara ny tsirairay, ary amin’ny fetin’ny Kômonio voalohany dia tena hanim-pitoloha tahaka ny fampakaram-bady any ambanivohitra mihitsy no niaraha-nihinana tao amin’ny Prado. Tsy nataony ambanin-javatra mihitsy ny fialan-tsasatra ilain’ireo mpiara-miasa taminy.

 

Pejy faha-172

 

Nanana fomba fifandraisana tena tsotra sady tsy fahita loatra tamin’izany fotoana izany izy, tamin’ireo masera sy vehivavy nanodidina azy.

 

Inona izany sisa azo lazaina mikasika ny fandavana ny vatana ? Mbola azo lazaina aloha ny momba ilay famelana ny Fanahy Masina hanjaka miandalana amin’ny vatantsika. Kisary mahavariana io ! anambarany fa ao amintsika ao dia tsy tokony hisy na kely sy bitika aza, latsaka ivelan’ny fitantanan’ny Fanahin’Andriamanitra, ary tsy maintsy maneho ny maha vavolombelon’i Kristy ny fihetsika hita amintsika rantsambatany.

 

Mbola azo lazaina ary tsy maintsy lazaina ny niainan’i Antoine Chevrier izany fanokanan-tena entin’ny pretra manatanteraka ny iraka azony, amin’ny vatany manontolo.

 

Teo amin’ny lafiny fahadiovam-po aloha, dia tena niainany marina ny fanekena tsy hanambady, tsy nikasikasika ireny tambiny madinidinika miafara amin’ny zava-doza ireny izy. Hita izany ary tsy maintsy lazaina. Raha milaza isika fa malala-tsaina kokoa amin’izao andro izao raha ampitoviana amin’ny fotoana niainan’i Mompera Antoine Chevrier, dia manambara tsy fahamatorana izany indraindray, ka tsy fandrosoana no azo fa fihemorana.

 

Tsara tiavina sy ankamamiana ny fahadiovam-po[141], tsaratsara kokoa noho izay ny fahalalana marina hoe : inona moa izy io. Fa raha eto amin’ny lafiny asa sy sakafo indray dia teny indray am-bava ihany dia ampy : « olona matin’ny hanoanana » i Mompera Antoine Chevrier[142], teo amin’ny faha-53 taonany, nefa nahavita asa tsy roa aman-tany nanatanterahany ny nosoratany :

 

« Aleo lavitra miasa mafy ho an’Andriamanitra dia mihena folo taona ny hivelomana, toy izay mitombo folo taona ny ivelomana nefa tsy misy zava-bita ».[143]

 

Eto am-pamaranana àry, eo am-piheverana ny tsy fitoviana intsony amin’ny fomba enti-miaina, aza atao ambany maso tsy hita, na hanetsenan-tadiny ireo voasoratra ireo ka amaliana ny antson’i Kristy handà tena : Raiso ho anao ireto Tenin’ny Tompo ireto : « Nihinam-be ilay mpanakarena nefa noana i Lazara[144] mahantra kely ». « Kamolahy tsy nahavita ny asany ara-potoana ilay mpanompo ka bedin’ny tompony »[145] ; « tia jerijery vehivavy ilay rangahy, kay latsaka tao anatin’ny fitsiriritana »[146].

 

Pejy faha-173

 

Eo am-pandinihana ny foto-pampianaran’ny Tompontsika sy Md. Paoly Apôstôliny dia hitantsika fa ny fandavana ny vatana dia voalohany indrindra :

 

tsy mamela ny vatana handidy antsika : tsy mpanara-batana isika,

 

tsy manary fotoana amin’ny fikolokoloam-batana,

 

mandà ny fahotan’ny vatana,

 

atao fitaovana fivalozana ny vatana,

 

ampanjariana ho fanatitra velona hampanjakana ny rariny sy ny hatsaram-panahy ny vatana,

 

ahitsy ireo kilema ivelany manimba ny vatana,

 

ekena an-tsitrapo tanteraka ny fijaliana sy ny fahafatesan’ny vatana.

 

1° Tsy havela ny vatana hanjaka ny tenantsika

 

Hoy Andriamanitra tamin’i Kaina : Tsy maintsy manapaka ny filan-dratsinao ianao. (Jen 4, 3)

 

Manàna fitondran-tena araka ny fanahy, fa aza tanterahina ny fanirian’ny nofo. (Gal 5, 1)

 

Aza mamalifaly ny nofo amin’ny fanaovana ny faniriany. (Rôm 13, 14)

 

Any ho any indray : Tsy fantatrareo ve fa raha manolo-tena mba ho mpanompo hanaiky tompo anankiray ianareo, dia manjary mpanompon’io tompo io : na ny fahotana izay mampirona amin’ny fahafatesana izany, na ny fanekena an’Andriamanitra izay mampirona hanao ny marina. (Rôm 6, 16)

 

Voalazan’ireo Soratra Masina ireo, fa tsy ny vatantsika no manapaka ao amintsika ao, manaiky no anjarany fa tsy ekena daholo ny fahafinaretana takiany : tsy azo atao ny mamalifaly lava ny nofo na mankatò ny fihantahantany, mba tsy hanandevozany antsika.

 

Tsy manapaka ny vatana fa manaiky.

 

Hevero ho mpanompo mandrakariva ny vatana fa tsy tompo.

 

Tsy maintsy milefitra eo anoloan’ny fanahy ny vatana ; fitaovana enti-manompo anatanterahana ny asa anomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy anasoavana ny namana izy io. Mpanompo tsy maintsy manaiky.

 

Pejy faha-174

 

Tsy maintsy entina sy fehezina sahala amin’ny biby izy, sahala amin’ny fitondrana mpanompo.

 

Raha homena fahafahana be loatra manko ny mpanompo, manararaotra dia tsy hita intsony izay hanitsiana azy, ka manao izay tsy tokony hataony, tena mampijaly mihitsy.

 

Soritra enti-miaina.

 

Jereo tahaka ny mpanompo ny vatana ampanekeo izy ary ampanompoy ny fanahy, fa tsy avela hanapaka toy ny tompo izay tsy maintsy hotoavintsika.

 

Fehezo amim-pahefana sy amim-pahamatorana hentitra ny vatana.

 

2° Lavina ny fanompoana ny vatana :

 

Izao no hafatr’i Md. Paoly momba izany : mitondrà fitafiana mendrika, miravaka am-pahamaotonana sy fahendrena, tsy randram-bolo, na volamena, na vato soa, na fitafiana saro-bidy no atao, fa asa soa araka ny mety amin’ny mpivavaka. (1 Tim 2, 9)

 

Ary toy izao no anafaran’i Md. Piera : Aoka ny firavahanareo tsy ho zava-tsoa ety ivelany fotsiny, toy ny randram-bolo kanto, na ny firava-bolamena sy volafotsy aman-didy akanjo ara-pomba, fa ny olona ao anaty tsy miseho no ravaho : halemem-panahy tsy miovaova sy fiadanana, izany no tena zavatra saro-bidy eo imason’Andriamanitra. (1 P 3, 3)

 

Tsy maintsy hesorintsika amin’ny fisehoantsika ety ivelany àry ny firavaka maninto-maso fotsiny, tsy dia ilaina, fa ilay olona ao anatin’ny fo, feno fahadiovana ary tsy hasiana fahalovana, nefa tsy mba hita maso, no ravahana tsara sy omem-bika. Ity faharoa ity no ezaho atao anton’asa fa tsy irý voalohany mandalo irý.

 

Esory any ny firavaka ety ivelany toy ny peratra, voninkazo, kavina, rojo volamena sy volafotsy, famantaranandro volamena, vatosoa, fehim-bolo, eny fa na dia fanomezam-pianakaviana aza izy ireny.

 

Tsy tokony hanan-dravaka ivelany hafa noho i Kristy mifantsika isika.

 

Esory amin’ny fitafiantsika izay miendrika fananan-karena na filan-dera, fitadiavam-boninahitra, famaivanana, fanasoasoana, fahalemena, fanamboaran-tena, fahadiovana tafahoatra tsy kasihin-dalitra, toy ny lamba manify sady malefaka, voapasoka, ny fehitenda, ny bokotra volamena amin’ny lohatanan’akanjo, kiraro mamiratra, ny amboradara, ny vakana… sns. Izany hoe : izay mety hamalifaly fotsiny ny vatana satria sady mahafinaritra azy no manintona ny maso.

 

Alaviro ny fikarakarana loatra ny vatana, ny kiraro, ny tarehy, ny tànana, ny hoho, ny hoditra. Aza mampiasa ireny menaka atao hoe : pomady ireny mihitsy, na ranomanitra, na savony manitra, na fitaratra lehibe. Fitaratra kely iray dia ampy hangalana volom-bava, na anasana tarehy sy hihogoana volo indray mandeha. Aza mankafy mijery tena, na mibanjin-tena, na mikaroka mba hahafatifaty, hanaovan’angola na langomalefaka…sns.

 

Aza mba mampiasa ireny zava-tsarobidy mahafatifaty an’izao tontolo izao ireny, fa manjary manompo sampy eo am-pandravahana ny vatanao eo ianao.

 

Mifanohitra mafy amin’ny Evanjely izany fanompoam-batana izany.

 

Sady very fotoana ianao, no variana amin’ny tenanao ka manadino an’Andriamanitra sy ny adidy aman’andraikitrao. Arakaraka ny maha be ny fiheveranao ny vatanao no anadinoanao an’Andriamanitra sy ny namanao.

 

Pejy faha-175

 

Ny tena ravaka marin’ny vatana dia ny fahamaotonana sy ny hadiovam-po.

 

Any amin’izao tontolo izao no katsahina lalina ny fikoloam-batana.

 

Fa tsy ny olomasina no manao toy izany : Md. Benoit, Md. Hilarion, Md. François, Md. Benoit Labre.

 

Rahefa Andriamanitra sy ny namana no tena tadiavina, dia tsy manam-potoana hikoloan-tena intsony ianao.

 

Fampiharana.

 

Azontsika hanampiana izay voalaza izay ireto manaraka ireto :

 

Volo fohy entina,

 

akanjo rebareba tsotra,

 

kiraro tsotra sy ny hafa rehetra sahaza ny olona mahantra.

 

In-droa isan-kerinandro miharatra.

 

Tsy mandro raha tsy tena ilaina tokoa izany.

 

Ary rahefa mamelona ny sola kely ao an-tampon-doha na « tonsure », dia mandohalika mba ho mariky ny fahatsiarovana ny fandaozana ny vatana sy ny fiandrianan’ny fanahy eo amin’izao tontolo izao sy ny zava-poany rehetra.

 

3° Fandavana ny fahotan’ny vatana ny fandavana ny vatana.

 

Hoy koa i Md. Paoly amin’izany Koa aoka ny fahotana tsy hanjaka amin’ny tenanareo mety maty amin’ny filan-dratsiny, ary aoka ny ratsambatanareo tsy hatolotra ho an’ny fahotana hataony fiasana fanaovan-dratsy. (Rôm 6, 12)

 

Aoka ary hanaiky hotarihin’ny Fanahy ianareo dia tsy hahatanteraka izay kasain’ny nofo, satria mifanohitra ny fanirian’ny nofo sy ny an’ny fanahy, ary ny fanirian’ny fanahy mifanohitra be amin’ny an’ny nofo. Mifanao atsimo sy avaratra izy roa.

 

Ny asan’ny nofo manko dia izao : fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, fanompan-tsampy, fanaovana ody mahery, fifankahalana, fifandirana, fialonana, fahatezerana, ady lahy, fifampiandaniana, fitokoana, fitsiriritana, famonoana olona, fimamoana, filerana, sy ny heloka maro hafa toy izany, ka lazaiko anao indray toy ny efa nataoko fahiny, fa izay manao izany dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra mihitsy. (Gal 5, 19)

 

Miharihary amin’ireo kabary mafonja dia mafonja ireo àry fa tsy maintsy mandà ny fahotana ao amintsika isika ary tsy hanaiky na oviana na oviana ny fanirian’ny nofo, ary hamola-batana tsy hatao fitaovana ho an’ny fahotana.

 

Hitantsika koa fa ny tena fahotan-dehibe, fototry ny hafa dia ireto : ny fahalotoana, ny fahatendan-kanina, ny fahakamoana, ka noho izany tsy maintsy miady mafy isika mba handositra ireo karazam-pahotana telo ireo.

 

Tsy maintsy andosirana ny fahalotoana.

 

Koa ataovy maty àry ny rantsam-batanareo hoy i Md. Paoly, dia ny an’ny ety an-tany, izany hoe : ny fijangajangana, ny fahalotoana, ny fahavetavetana, ny fanirian-dratsy, ary ny filan-dratsin’ny nofo izay fanompoan-tsampy, fa izany rehetra izany no mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra. (Kôl 3, 5)

 

Tsy natao ho an’ny fahalotoana ny vatana fa ho an’Andriamanitra,

 

Pejy faha-176

 

ary Andriamanitra ho an’ny vatana. (1 Kôr 6, 13)

 

Ny fanamasinanareo ny tenanareo no sitrapon’Andriamanitra, dia ny hifadianareo ny fijangajangana, sy ny fahaizanareo tsirairay avy manana ny fanaky ny tenanareo amin’ny fahamasinana sy fananan-kaja, fa tsy amin’ny filandratsin’ny nofo araka ny fanaon’ny jentily izay tsy mahalala an’Andriamanitra, satria nantsoin’Andriamanitra ho masina ianareo. (1 Tes 4, 3)

 

Adidintsika izany, arak’ireo teny ireo ny mandà izay rehetra mahatarika amin’ny fahalotoana, ny filan-dratsy, ny faniriana tsy mendrika, mba hitahirizana ny fanaky ny vatantsika am-pahamasinana sy ara-drariny.

 

Misy fitongilanana any amin’ny fahalotoana ny vatana noho ny maha-nofo aman-drà azy, dia toy izany koa ny amin’ny filan-dratsy sy ny vetaveta isan-karazany.

 

Sahala amin’ny fota-mandrevo iandronan’ny loto ny vatantsika.

 

Ety ivelany toa mba rano mangarahara sy madio, fa ao ambany ao tena fota-masiso mahatsiravina.

 

Raha vao ilatsahan-javatra kely fotsiny ety amboniny dia mivoapotaka sy fofona maharikoriko avy ao ambany ao : tsio-drivotra ihany dia efa mampamofona ny fofona ratsy avy ao anatiny, ka ilay natao hoe rano madio ; mangarahara iny kay fota-mandry masiso.

 

Mahonena hoy aho ity vatantsika ity fa toy izany izy, satria raha tsy misy manetsika na manakorontana azy, dia mamitsaka mody madio ery izy.

 

Fa raha vao misy zavatra avy eny ivelany tafatsofoka ao aminy ao, na tsio-kevitra kely manetsi-pitia azy, dia mirehitra sy misahotaka izy.

 

Mitranga daholo ny maloto rehetra ao aminy, teraka ny filan-dratsy, ny fahalotoana vokatry ny faniriana mahamenatra vokatra avy amin’ny taharon’ny avy ivelany sy ny niotrika tao anaty, ka mandrendrika ny fanahy sy ny fo na ny tenantsika manontolo.

 

Mifanohitra amin’ny fahadiovam-po izany satria ny fahadiovam-po tsy manaiky hifangaro na hifampikasokasoka amin’ny loto ; tsy misy zavatra azo leferina hiditra ao anatintsika afa-tsy Andriamanitra irery ihany, satria fahadiovana Izy. Azy ny Vatana, Izy no Tompony, Izy irery ihany no manan-jo hampiasa azy, araka izay tiany. 1 a

 

Ireny fifangaroana sy fifampikasohana ireny àry no tsy maintsy lavina mba hitahirizana manontolo ny fahadiovam-po ka hahaizana mampiasa ny fanaky ny tenantsika am-pahamasinana sy ara-drariny hoy i Md. Paoly.

 

Ampitahain’i Md. Paoly amin’ny fanaka fasian-drano manko ny tenantsika ka sahala amin’ny fitondrana tavoahangy feno toaka sarobidy mora vaky, ka tandremana fatratra, sao dia mitongilana ka raraka, na mitanila havia na havanana ka mety ho very, ka entina am-pahamalinana no tsy maintsy itondrana azy, mba ho voatahiry mandrakariva ny fahadiovany sy ny tsy fananany tsiny.

 

____________________

 

Ms XI 648. Izany hoe : an’Andriamanitra isika, ary tsy misy afa-tsy Izy irery ihany no mahazo miditra ao amintsika ao, satria Izy irery ihany no tsy mandoto ; tahaka ny tana-masoandro mitsofoka ao anaty rano ka manadio azy amin’ny loto, no ataon’ny tompontsika. Fa raha zavatra hafa noho izany kosa no miditra ao, dia manankorotana sy manamaizina azy. Dia toy izany no ataon’ny zavatra avy eny ivelany ao amin’ny fontsika raha tafiditra ao izy.

 

==========

 

a Pp. 22 et 163-164.

 

Pejy faha-177

 

Fitsipi-pahadiovam-po.

 

Lavina izay fomba fanao rehetra mifanohitra amin’ny fahadiovam-po.

 

Mba hitanana ny fahadiovana, dia tsy maintsy lavina ny fahafinaretana voarara rehetra momba ny vatana, ny fangitakitahana, ny fihetseham-po manakorontana ny nofo ka mandrisika azy amin’ny fientanana taova ao amin’ny vatana,

 

ny asa meloka na manome fahafinaretana toy ny safosafo, fikasihana tsy ilaina mety hanaitra ny nofo sy mitondra fahafinaretana ho azy.

 

Tsy izay mikasika ny tenantsika ihany no tsy maintsy lavina, raha mijery ny tenantsika isika, fa izay rehetra mety ho avy amin’ny zava-boaary rehetra ihany koa ka tsy hamelantsika na dia zava-boahary iray aza, ivelan’Andriamanitra, hiditra ao am-pontsika ao.[147]

 

Alavirina izay rehetra mety handavo antsika amin’ny fahotana.

 

Hentitra be ny tenin’ny Tompontsika, momba izany tamin’ny nilazany hoe : Raha ny masonao iray no manafintohina anao, dia esory, raha ny tananao… (Mt 5, 29) Ny fanalavirana izay rehetra mety handavo antsika amin’ny fahotana no tiany antitranterina tamin’io.

 

Lavina ny fitiavana natoraly loatra.

 

Tsy maintsy mandà ny fitiavana mirona loatra amin’ny zava-boaary isika na iza na iza izany. Ny ahafantarana io fironam- pitiavana io, dia ny fahatsiarovan-dava olona iray, ka tiana ny mahatsiaro azy, dia mampangoraka ny fo io fahatsiarovana io, sady mamoha ny taova sasany, dia tadiavina ny fiaraha-monina amin’ireny olona ireny.

 

Zava-mitranga aza indraindray ny faniriana hanao soa ara-panahy ireny karazan’olona ireny dia famitahan-tena fotsiny, fa zavatra hafa no kotrehina ao am-badika ao, dia mody takonana io ratsy amin’ny tenantsika io.

 

Maontina amin’ny fijery.

 

Alaviro ny fijerena feno fitia na maharitra, na iza na iza, fa indrindra raha eo amin’ny lahy sy ny vavy no tenenina.

 

Avy amin’ny fijerena mantsy no idiran’ny fitiavana ao am-po, ka am-piotanany ny tena manontolo.

 

Aza mibanjina olona avy eo anoloana mihitsy, aza mijery azy ao anaty maso, fa an-koatra ny tsy fahalalam-pomba sy ny tsy rariny dia fitarihana manohitra ny fahadiovam-po izany, ary tsy mifanaraka mihitsy amin’ny fahamaontinana kristianina.

 

Misy olona za-dratsy mibanjina ny olona iresahany ; mitory mandrakariva fitongilanam-pitia sy faniriana ho tiavina io fihetsika io.

 

Pejy faha-178

 

Lavo tamin’ny fahotana i Davida satria nanomboka nijery.

 

Nijery ilay voankazo voarara tsy hohanina i Eva, ka ny fijereny azy loatra no nandrehitra ny filandratsy tao aminy dia lavo tamin’ny ratsy izy.

 

Nifanaiky tamin’ny masony i Joba.

 

Na iza na iza mijery vehivavy iray mba haniriana azy, dia efa nijangajanga sahady tao am-pony.

 

Raha ny masonao ilany no manafintohina anao ; esory izy…

 

Alaviro ny fifaneraserana tsy ilaina amin’ny vehivavy.

 

Hitantsika ao amin’ny Evanjely ny hatairan’ny Apôstôly nahita an’i Jesoa niresaka irery tamin’ilay vehivavy samaritana, izany aza anefa teo an-dalana, toeram-pifaneraseran’ny olona.

 

Manambara amintsika ny fomba rehetra nitondran’i Jesoa Kristy Tompontsika ny tenany nanoloana ny vehivavy io fahatairana teo amin’ny Apôstôly io, ny fifehezan-tena nentiny niresaka taminy, ny oha-pahamalinana omeny antsika amin’izany.

 

Io ohatra nomen’i Jesoa Kristy Tompontsika io dia manentana antsika :

 

tsy handray vehivavy irery mihitsy any amin’ny efitranontsika any, fa raha tsy maintsy mandray vehivavy manokana isika, dia ao amin’ny efitra firesahana hitan’olona voatokana ho an’izany no hanaovana azy,

 

ary misy fitaratra ny varavaran’io efitra firesahana io,

 

raha miaraka amin’ny vadiny na ny zanany anefa ny vehivavy dia azontsika raisina ao an-taniefitranontsika, fa tsy izy irery na oviana na oviana, ary raha tsy tena zavatra manokana tena ilaina dia ilaina tsy ahafaha-manoatra.

 

Tsy mamangy vehivavy raha tsy tena ilaina.

 

Tsy maintsy ialantsika ireny famangiana tsy ilaina sy matetika any amin’ny vehivavy, ny olona tia vavaka, mba hanalana andro na hamalifalian-tena na amin’ny alalan’ny fitsimoham-pitiavana kely.

 

Ireny famangiana ireny mantsy no mamporisika ny fitiavana natoraly, noho izy sady tsy ilaina no maivana ka mampiditra fakam-panahy, be fanontaniana, te-hahalala, te-hanadihady ny zava-misy ao amin’ny tokantranon’ny pretra ao manko ny vehivavy, sokirina daholo na ny ao an-trano na ny asa atao ; dia velona ny fifosàna ny fanambarana tsiambaratelo, tonga ny tsy fahamalinana mampidi-doza any aoriana.

 

Ny vehivavy tia vavaka indrindra no manasa ny pretra matetika ; mba hamangy azy any an-trano, indrindra ireo tsy manan-katao. Manafintohina ny sasany izay tia mitsingoloka mijery ny ratsy fa tsy ny tsara mandrakariva ireny famangiana ireny, hany ka isika manao azy no ataon’ny olona anton-dresaka na any amin’ny kartie na any amin’ny paroasy.

 

Mafonja dia mafoja ny lazain’ity andininy iray ity eo amin’ny fiainantsika, ary iarahantsika mahalala fa ny tsy fitandremana ireny famangiana tsy ilaina ireny dia nahavery pretra marobe tokoa.

 

Pejy faha-179

 

Fahamalinana sy fitandremana eo amin’ny fihetsika rahefa mifanojo amin’ny vehivavy eny am-pitsangatsanganana, eny am-pivahinianana.

 

Noho ny fahamalinana dia alavirina ny resaka lavabe amin’ny vehivavy eny an-dalana, raha mifanena amin’ny olom-pantatra ka misy zavatra sady lehibe no ilaina tsy maintsy lazaina aminy, dia atao resaka fohy sy tsy mitaretra loatra. Ary izany dia atao amim-pahalalam-pomba sy amim-pitandremana ny rariny ; rahefa mamaran-dresaka ka hisaraka aminy dia mba mahaiza tsara miera ara-pomba, satria maika ka tsy afa-mijanona ela loatra.

 

Tsy mety koa ny mivezivezy miaraka amin’ny vehivavy eny amin’ny arabe.

 

Alaviro ny fitsangatsanganana miaraka amin’ny vehivavy, na an-tongotra, na amin’ny fiara, fa tena tsy mety mihitsy.

 

Tsy ho ampy fahamalinana na oviana na oviana isika amin’io, indrindra amin’izao fotoan-dratsy sy lo iainantsika izao.

 

Aza omena vahana hanaratsiana antsika mihitsy ny sasany, tsy manao ratsy aza isika haratsiany ka mainka ve fa manome vahana azy.

 

Tsara mihitsy ny hahaizana ny fitsipi-pahamalinana sy fahendrena alohan’ny hanapahan-kevitra hivahiny miaraka amin’ny vehivavy, satria sady manahirana ny tena mandrakariva ireny no manafintohina ny sasany indrindra raha mandry amin’ny tranom-bahiny.

 

Izay voalazantsika izay dia mahakasika ny vehivavy rehetra na lahika na relijiozy, noho ny fitsikerana ataon’ny hafa.

 

Alavirina ny fahazarana loatra amin’ny vehivavy mifandray amin’ny tena

 

Fahazaran-doatra ety ivelany manambara fifandraisana fitia tsy dia manaja ny tena no alavirina indrindra rahefa misy fifandraisana na fifaneraserana amin’ny vehivavy, toy ny oroka, fifamihinana, fifandraisan-tanana sy ny sisa toy izany ; eny fa na dia tsy fahotana mahafaty aza izy ireny, dia tsy ilaozan’izay fahotana madinika mitarika amin’ny fitia natoraly tsy voafehy, mamoha ny filan-dratsin’ny nofo ary manafintohina ny namana izay mahita izany.

 

 Noli me tangere [ Aza mikasika Ahy ], hoy ny Tompontsika tamin’i Madeleine taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. Tian’i Jesoa ho fantantsika tamin’izany fa raha navelany hanoroka ny tongony izy fahiny, mbola mpanota, dia mba hanekeny ny ranomasom-pivalozana sy ny fanenenany, fa ankehitriny kosa, tsy ilainy intsony ny famantaram-pitiavana ety ivelany, nety taloha, mba hitiavana azy, fa amin’izao, dia ilay fiainam-panahy marina no katsahina sy ivelomana.

 

Misy olona te hanoroka ny tananao, (fomba fanao any amin’ny firenena maro ny manoroka ny tanan’ny pretra) mety havela hanao izany tsy misy tsininy ny lehilahy.

 

Fa ny vehivavy kosa, dia aoka izay manao izany ho fanajana ny pretra ihany no avela manoroka, fa tsy izay rehetra mila fahafinaretana tsy akory, dia omena tànana horohana daholo, na izay hita manam-pitia natoraly hafahafa ; esory haingana ny tànanao raha vao mahatsikaritra ireto farany ireto ianao.

 

Pejy faha-180

 

Raha vao voahasina ho pretra ianao, na vao mitondra akanjo rebareba fotsiny mihitsy aza, dia efa tsy tokony hanoroka imasom-bahoaka intsony na ny anabavinao, na ny havanao, na ny Ray aman-dreninao ; tsy tokony hifanao ialahy aminy intsony indrindra fa ireo mbola tanora.

 

Ho an’ireo zokiolona indray, toy ny reny, nenitoa, vavy antitra, dia mba tandrovina tsara ho amin’ny fotoana tena ilàna azy no mifanoroka aminy, toy ny andro lehibe. Ohatra : fety, fiverenana avy any lavitra.

 

Tsy mety kosa anefa ny mandà ny orok’ireto farany ireto, raha tena amim-pahatsorana no anomezany azy.

 

Fa ny tena alaviro, dia ny anaovana izany eny imasom-bahoaka rehetra eny, satria misy ny maso ratsy mahay mitatibolana ka mampitombo resaka, mampisy ny tsy misy.

 

fifanorohana amim-pitiavana amin’ny lahy samy lahy.

 

Mifampisarika ny lahy sy ny vavy.

 

Nataon’Andriamanitra hifampisarika ny lahy sy ny vavy satria natao hifanatona izy ireo eo amin’ny natiora, ka tsy afa-mifamoy na misaraka, na miaina samy irery raha tsy fahasoavana manokana avy any ambony no manohana azy.

 

Noho ny fisian’izany, dia mila ny fahasoavan’Andriamanitra manokana mba hahafoizana ny fahafinaretana natoraly hiaina miaraka sy hifanasoa arak’izay nandaharan’Andriamanitra ny fiarahan’ny lahy sy ny vavy.

 

Tsy maintsy mailo àry isika, amin’ny fifandraisana amin’ny vehivavy, satria na dia nahafoy tena tsy hanorina tokan-trano aza isika, ka tsy hanana vehivavy ho vady, dia tsy maty ao amintsika tsy akory ny fientanam-po voa-janahary manintona antsika aminy, hany ka raha vao tsikaritsika izany fanintonana mankany amin’ny vehivavy izany, dia tapaho haingana ; etsy an-daniny indray raha tsikaritsika fa misy vehivavy mitia antsika, alaviro haingana koa izy mba tsy hitomboan’izany fitia izany ao aminy.

 

Tena sarotra ho an’ny lehilahy tokoa anie ny manilika ny fakam-panahy eo amin’ny fiarahana amin’ny vehivavy ê ; dia toy izany koa, sahirana dia sahirana tokoa ny vehivavy miara-monina amin’ny lehilahy sy manompo azy nefa tsy hanam-pitia azy na halaim-panahy aminy akory, raha tsy eo ilay fahasoavana manokana tovoziny amin’ny fivavahana sy ny kominio ary ny fitsipi-pahamalinana sy fahamailoana ngeza dia ngeza eo amin’ny an-daniny sy ny an-kilany.

 

Mba ho mora amintsika ny fahadiovam-po, manoloana izany fifaneraserana izany, mba hampiharantsika ny famolahan-tena sy ny asa fivalozana notahafina tamin’i Md. Paoly, dia aoka isika tsy haka vehivavy hiasa manokana ho antsika, fa lehilahy na tovolahy iray na roa, vonon-kiasa ho an’ny fiangonana sy ny trano ipetrahantsika no alaina.

 

Raha marary isika ka tsy mahita lehilahy afa-miandry antsika any, dia relijiozy vavy na anti-bavy no iangavio hanao izany.

 

Pejy faha-181

 

Aza mandray fanomezana avy amin’ny vehivavy.

 

Mampirehi-pitia sy fifandraisana natoraly ny fanomezana atolotra na raisina.

 

Tsy mahazo mandray fanomezana ho an’ny tena irery, fa mety ny mandray fanomezana ho an’ny Fiangonana, ho an’ny Mpiara-miaina, ho an’ny mahantra, ary zava-mahasoa ny be sy ny maro.

 

Aza mankany amin’ny relijiozy vavy raha tsy misy antony ilana izany.

 

Tsy mba afa-bela amin’ny tsikera ny relijiozy vavy, vao mainka koa aza mirongatra ireny fitsikerana ireny amin’ny maha olom-boatokana azy ; ka raha mifanosihosy be loatra na vangian’ny pretra matetika loatra izy ireo, dia ho voaenjika mafy.

 

Mba tena antony lehibe no handehanan’ny pretra any amin’izy ireo, ary raha misy dia any, aza mipetraka, raha tsy hoe hanao katesizy na hitarika fivoriana na hanao ny adidy maha-pretra ; fa aza mijanona ela any mba hiresaka na hanala hamohamo, na handany fotoana.

 

Aza manafosafo zaza mihitsy.

 

Mitongilana mafy loatra amin’ny ratsy isika, hany ka na dia amin’ny ankizy tsy manan-tsiny aza indraindray ahitantsika hirika handrehetana ny filan-dratsin’ny nofo, indrindra raha manan-talenta na hatsarana ivelany voanjanahary mahasarika izy ireo. Ireny hatsarana ireny no matetika miteraka ny fitia ka mitarika orokoroka sy safosafo manorisory ary mamoha ny filan’ny vatana dia mandrendrika amin’ny fahotana.

 

Tandremo àry ireny fifaneraserana ireny, na dia amin’ny ankizy aza, tsy hoe ahiliho any izay mba mety ho fanambatambazana na fanehoam-pankasitrahana, satria ny Tompontsika mihitsy no nanoroka ny zazakely, fa ataony amim-pahamarinana sy ara-drariny izany mba hisintonana azy ho an’Andriamanitra fa tsy hahazoantsika fahafinaretana tsy akory.

 

Aza miteny ratsy, alaviro ny resaka tsy loa-body na tsy marina. (Ef 4, 29)

 

Sarotra ny mitana ny fahadiovam-po tanteraka.

 

Fitaovana enti-mitana ny fahadiovam-po.

 

Ny fitandremana.

 

Ny fivavahana.

 

Ny asa.

 

Ny asa fivalozana.

 

Ny Fankamamiana ny fahadiovam-po.

 

Ny fanavaozana matetitetika ny voadin’ny fahadiovana.

 

Pejy faha-182

 

Famintinana sy fampiharana.

 

Mandà izay hetsika rehetra manohitra ny fahadiovana.

 

Mandà izay fitia rehetra natoraly loatra.

 

Mitana ny fahamaontinana eo amin’ny maso.

 

Manalavitra ny fifandraisana tsy ilaina amin’ny vehivavy.

 

Tsy mandray vehivavy irery ao an-taniefitranon’ny tena.

 

Tsy mamangy vehivavy any an-tranony raha tsy misy antony lehibe.

 

Fahamalinana sy fitandremana no ilaina amin’ny fihaonana na fivahinianana.

 

Alavirina ny fahazarana tsy misy fanajana loatra aminy eny fa na dia amin’ny fianakaviana aza.

 

Tsy mandray vehivavy hiasa manokana ho an’ny tena.

 

Tsy mandray fanomezana avy amin’ny vehivavy ho an’ny tena.

 

Tsy mandeha any an-tranon-drelijiozy vavy tsy misy antony manokana.

 

Tandremana ny fifanosihosena amin’ny ankizy.

 

Alavirina ny teny ratsy, ny resaka tsy loa-body na tsy marina.

 

Mitandrema, mivavaha, miasà mba hitandrovana ny fahadiovana.

 

Mankamamia ny fahadiovam-po,

 

Havaozy matetitetika ny voadin’ny fahadiovana.

 

Fahotam-batana faharoa ny fahatendan-kanina ka tsy maintsy lavina.

 

(Misy zavatra maro mbola ho tafiditra any amin’ny toko miresaka fahantrana ato)

 

Fahotana faharoan’ny vatana tsy maintsy lavina ny fahatendan-kanina.

 

Ny resahina eto dia tsy ireny hadalan-kanina tafahoatra loatra ireny, satria ho zava-manohehitra ny fahitana fanahy voatokana, nantsoin’Andriamanitra ho amina asa manokana, sady masina dia masina, maha-pretra manao voky an-tenda, manala baraka ny akanjony sy ny rahalahiny, amin’ny fanaovana andriamanitra ny kibony hoy Md. Paoly.

 

Ny resahina eto dia ireo mety mandratra ny fahamaontinana, ny famolahan-tena, ny fahantrana, ary ny fahaizana ny tokony ho fomba fihinanan’ny tena mpianatra marin’i Jesoa Kristy.

 

Mitady sakafo tokoa ny vatana ; Andriamanitra no manome azy izany mba hahavelona azy, fa raha tsy hay ny mametra io asany io, raha baranahany io hafanana manentana azy hihinana io, raha tsy fehezin’ny finoana izany asa ilaina hahavelona izany, dia habibiana sisa, filerana sy tsy fahalalana onona ; andramana daholo izay eo, tadiavina ny matsirotsiro kokoa, dia miletra mihoatra ny ilaina, dia ankamamiana ery izany dia milentika hatramin’ny vatan’orona na mifandrombaka toa maty mosary, dia migoka ohatry ny siny loaka, ka tsy mihinana mba ho velona intsony fa miletra mba hahazo fahafinaretana, tsy mahay mifaly amin’izay misy aza, vao mainka miha sarotiny koa : ity mafana loatra, ity mangatsiaka loatra, ity be sira loatra, io ratsy loatra, matsatso loatra io ro mazava io ; marihitra loatra ilay saosy etsy.

 

Teny sy ohatra nomen’ny tompontsika momba izany.

 

Azontsika tsoahina amin’ny Teny nomen’i Tompontsika Jesoa Kristy sy ny ohatra nampianariny momba an’io toe-javatra io,

 

Pejy faha-183

 

ka hakantsika lesona ifehezan-tena ireto manaraka ireto.

 

Tany an-taniefitra, nony nalain’ny demony fanahy hanao fahagagana hanova ny vato ho mofo mba hanalana ny hanoanany, dia izao no navalin’i Jesoa :

 

Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra koa.

 

Tamin’ny fotoana iray, nangetaheta i Jesoa, dia nipetraka teo amoron’ny fantsakan’i Jakoba, niandry izay olona hanovo rano mba hosotroiny, dia tonga ilay vehivavy Samaritana hantsaka rano ; nangataka rano hosotroina Izy, ary nahita hirika hampianarana azy ny fanomezana ny rano mahavelona ho an’ny finoana.

 

Tonga ny Apôstôliny ka niangavy azy hoe : Ry Mpampianatra ô, avia àry misakafo ; fa novaliany teny mahasondriana izy ireo hoe :

 

Manan-kanina tsy fantatrareo Aho ; ny sakafoko dia ny manatanteraka ny sitrapon’ny Raiko.

 

Any ho any indray, dia lazainy fa Izy mihitsy no sakafontsika.

 

Izaho no mofo velona nidina avy any an-danitra, ka izay mihinana amin’izany mofo izany dia ho velona mandrakizay.

 

Ny razanareo tany an-taniefitra dia voky mana nefa maty ihany, fa izay mihinana ny mofo homeko kosa tsy ho faty na oviana na oviana.

 

Asehon’i Jesoa Kristy antsika amin’ireo teny ireo fa ny sakafontsika voalohany dia ny tenin’ Andriamanitra ; fa tokony hanana hafanam-po bebe kokoa isika hamahana ny fanahy toy izay ny vatana ; fa ny tena sakafontsika marina dia i Jesoa Kristy mihitsy, satria Izy no mofon’aina mahavelona.

 

Fa ny mofon’ny tany kosa, dia mofo tsy mahavelona mandrakizay :

 

Nihinana ny mana ny razanareo tany an-taniefitra nefa mbola maty ihany.

 

Fa izay mihinana amin’ity mofo ity tsy ho faty na oviana na oviana.

 

Tokony hanana hafanam-pò amin’ny asan’Andriamanitra sy ny Teniny masina isika, farafaharatsiny mitovy amin’ny olon’izao tontolo izao miezaka hitady sakafo ho an’ny vatany.

 

Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’ny Raiko.

 

Tahaka ny niandrasan’i Jesoa Kristy tamim-paharetana, na dia nangetaheta mafy aza Izy, ka nipetraka teo amorom-pantsakana, izay olona hanovo rano, no tsy maintsy hakantsika fampianarana fa tsy omen-danja na omena toerana ambonimbony kokoa noho ny an’ny fanahy ny sakafom-batana, na tamin’izy noana ka nikosoka vary tamin’ny tanany niaraka tamin’ny Apôstôliny, na tamin’izy noana ka nitady aviavy tamin’ilay Aviavy tao Jerosalema, na tamin’ny nandavany tsy hanao ilay fahagagana nangatahin’ny demony mba ho voky.

 

Avy amin’ireo tenin’ny Mpampianatra avy amin’Andriamanitra ireo no hamehezantsika ny fitondran-tena tsy maintsy hanarahan’ny mpianatra ny ohatry ny mpampianatra azy, ka rahefa misakafo isika dia manàna finoana sy fanetren-tena, mahaiza mankasitraka, ary mba mahalalà onona.

 

Misakafo am-pinoana

 

Rahefa misakafo ara-batana isika, dia aoka hahatsiaro mandrakariva ilay sakafom-panahy avy amin’Andriamanitra, sady tokana no marina, satria io irery ihany no mampahazo ny fiainana mandrakizay, fa ny sakafom-batana fotsiny kosa tsy mahasakana…

 

Pejy faha-184

 

ny fahafatesana ; fa ny tena sakafo marina ho antsika dia i Jesoa Kristy, ny Teniny Masina, ny nofony masina, ny rany itsaohana ;

 

ary indray andro any dia asaina handray anjara amin’izany hanim-be tsy manam-pahataperana mandrakizay izany isika, ka hanim-py ho antsika amin’izany dia ny fahazavany mandrakizay izay mamelona antsika.

 

Amim-panetren-tena.

 

Io sakafom-batana io, dia mampitovy laharana antsika amin’ny bibi : tahaka ny biby rehetra dia mihinana ny ahitry ny saha isika, mihinana ny voan’ny hazo, mihinana ny bibin’ny tany ; ary tsy homana raha tsy azontsika amim-pahamendrehana izany, noho ny asa natao satria taorian’ny fahotana dia voalaza fa : ny hatsembohan’ny handrintsika no hinanantsika hanina.

 

Tsy mendrika ho velona izay manisy ratsy an’Andriamanitra noho izy maniratsira azy mandritra ny fiainany manontolo, ary izay tsy manompo ny Tompony dia tsy mendrika ny ho velona.

 

Amim-pankasitrahana.

 

Satria avy amin’Andriamanitra ny zavatra rehetra ary Izy no manome antsika isan’andro izay ilaintsika toy ny sakafo ivelomantsika.

 

Ilay mandrakotra ny tany mandavan-taona, voninkazo sy voankazo mba hamelomana ny olombelona, ary nanolotra ho fihinantsika ny bibin’ny tany sy ny ranomasina, mbamin’ny rivotra iainantsika, ary mbola mamelona antsika manokana amin’ny fomba miavaka amin’ny hafa, noho ny fandaharam-pitiavany ho antsika, ka tsy ahafahantsika manadino ny vavaka mialoha na mamarana ny sakafo ataontsika, araka ny ohatra nomen’ny Mpampianatra avy amin’Andriamanitra, izay tsy nitsahatra nisaotra ny Rainy tamin’ireny fotoana ireny.

 

Ireto ny vavaka atao :

 

Alohan’ny sakafo maraina :         Andriamanitra tsofy rano…

 

                                                           tsotra toy izany koa ny fisaorana

 

Alohan’ny sakafo antoandro, dia afohezina ny ao amin’ny breviera ka

 

Na Kyrie eleison (Tompo ô, mamindrà fo aminay)

 

           Christe eleison (Kristy ô, mamindrà fo aminay)

 

           Kyrie eleison (Tompo ô, mamindrà fo aminay)

 

           Pater (Rainay)

 

           Benedicite, Dominus ; nos et ea quae sumus sumpturi

 

           [Andriamanitra ô, tsofy rano izahay sy ny hanina

           Hohaninay]

 

           benedicat dextera Christi.

 

           Ary ny tanan-kavanan’i Jesoa Kristy anie

           hitsodrano anay sy izay hohaninay]

 

Aorian’ny sakafo :          Agimus tibi gratias [Andriamanitra misaotra Anao

                                      izahay…]

 

           Pater [Rainay…]

 

           Benedicamus Domino [Misaotra Anao izahay Tompo…]

 

           Fidelium animae [Enga anie handry am-piadanana…]

 

Dia toa io koa amin’ny sakafo hariva.

 

Pejy faha-185

 

Amim-pahalalana onony.

 

Mihinana isika mba hitanana ny fiainan’ny vatantsika ka mifalia amin’izay tena ilaina fa aza manoatra.

 

Ny mihoatra mazana manimba fa tsy mahasoa na amin’inona na amin’inona.

 

Manamarika izany matetika i Md. Paoly ao amin’ny taratasiny.

 

Sobrius esto [Mahalalà onony (2 Tim 4, 5)]

 

Ny fahalalana onony no mpiambina ny fahadiovam-po. Sarotra ho an’ireo mihinana sy misotro mihoatra ny ilaina ny mitana ny fahadiovam-po.

 

Vinum res luxuriosa [Mpamazivazy ny divay, mpitabataba ny toaka, koa izay mimamo amin’ireny tsy mba hendry. (Oh 20, 1)]

 

Manafaka ny vatana mandrakariva ny fahalalana onony ; fa ny tsy fahalalana onony kosa, na dia lazaina fa hoe kely fotsiny aza, dia manala ny hafanam-po hiasa, mandetika na manabataba antsika ka mitondra antsika hanatanteraka fahadisoana maro ara-panahy sy ara-batana, ao anaty sy ivelany.

 

I Md. Joany Batista tany an-taniefitra, vinum et siceram non bibet. [tsy hikasika divay na zava-mahamamo. (Lk 1, 15)].

 

Ny olomasina rehetra dia samy nanana an’io fahalalana onony io daholo teo amin’ny sakafo.

 

Aza maka mihoatra ny ilaina e,

 

aza tendàna ; aza mihengetsana ; aza misesika, aza mihinam-be loatra.

 

Fahalalana onony sy famolahan-tena.

 

Misy ny fahalalana onony amin’ny hanina sy ny zava-pisotro.

 

Fa eo koa ny fahalalana onony sy ny famolahan-tena ivelan’ny sakafo.

 

Mifanohitra amin’ny famolahan-tena ny fihinana isaky ny mihetsika, ny fitehirizana tsikanokanonkanina any an-taniefitrano, na any am-paosy, ka hitsakotsakoana izany isaky ny mahatsiaro kanefa tsy ilaina akory.

 

Na mandeha any an-dakozia, dia mihinana voankazo na sakafo hita ao tsy noho ny hanoanana fa mba ho fahafinaretana fa mihinana. Izany no mangala-pihinana. Na mankany an-jaridaina, dia mioty voankazo, voaloboka, paoma, na zavatra hafa, dia mihinana nefa tsy dia misy antony akory loatra fa dia noho ny fahafinaretana hihinana fotsiny.

 

Fambara ireny fahazarana ireny fa lehilahy sady tsy mahafehy tena no tsy mahafola-tena no mpanao ny danin’ny kibony ka manara-batana amin’ny fahafinaretan’ny nofo ilay olona, hany ka tsy manan-kery hanohitra izany.

 

Mba manaova àry ezaka kely, fa olona mahafehy tena sy tony ianao.

 

Mitaona antsika hangalatra anie ny fahatendan-kanina ê, eny fa na dia tsy tsapantsika aza izany, satria halatra madinika kely ataontsika amin’ny namana izy ireny. Hala-pihinana io.

 

Ary ny fanafintohinana aterany amin’ny namana, indrindra ho an’ny ankizy izay zatra mandrairay, dia ny fahatsapany fa kilema azo leferina sy tsy misy vokany amin’ny tena izany fomba fanao izany.

 

Siramamy, labiera, sirô, zava-mahamamo, voankazo, toaka indraim-bava [148], dite, vatomamy, …

 

Famolahan-tena amin’ny hanina sy ny zava-pisotro, aza mba anaovana tsirambina mihitsy ny famolahan-tena sy ny fahalalana onony amin’ny tena,

 

Pejy faha-186

 

ary aza omena oha-dratsy hanao tsirambina izany koa ny sasany, na tarihina hisotro kely, na hihinana kely, fa sady mifanohitra amin’ny fahalalam-pomba sy ny famolahan-tena ireny no fomba tsy mety atao.

 

Mba ho araka ny fandaharan’Andriamanitra azy ny sakafo, dia fepetra maromaro no tsy maintsy fenoiny,

 

ka toy izao avy ireo fepetra sy toetra ireo : fahadiovana, fatra na erana, fahatsorana.

 

Fahadiovana.

 

Fepetra sy toetra voalohany indrindra ny fahadiovana satria tena ilaina tokoa eo amin’ny fiainana ; ary ny fahalotoana kosa dia manimba ny vatana sy ny fahasalamana, midika izany fa ny mpahandro hanina dia sady kamo no mpanao mosalahy sy mpandinika ny fitiava-namana.

 

Adidy masina ho an’ny mpahandro àry ny manomana sakafo am-pahadiovana, ka manasa sy mamaofy ny anana sy ny hanina rehetra ka mampirina azy tsara mba tsy ho azon-doto.

 

Ny aretina sy ny rofy mahazo antsika matetika dia noho ny sakafo tsy madio tsara noho ny tsirambina natao teo am-panomanana azy.

 

Tsy maintsy atao am-pitiavana io asa io, ary raha tsy vitanao irery dia mangataha fanampiana.

 

Fahamarinam-potoana.

 

Ho an’ny olona maro miara-miaina, ny sakafo dia tsy maintsy vonona ara-potoana, amin’ny ora voatondro ao amin’ny fifampifehezana fa raha tsy izany dia mampikorontana ny fiaraha-miaina.

 

Ary ny mpiara-miaina kosa indray dia tsy maintsy tonga miara-misakafo amin’io ora voatondro io raha tsy misy antony mazava sy lehibe tsy azo anoharana, manakana antsika tsy ho tonga.

 

Sady mampilamina ny fifampitondrana no manamarika fifampitsimbinana ny fanatanterahana ity andininy ity.

 

Fa raha samy maka ho azy, ka tonga amin’ny fotoana tiany hihinanana ny tsirairay, dia sady gaboraraka no manome fahasahiranana ireo rahalahy na anabavy manomana sakafo izany ka sady tsy mety no mampandika ny fitiava-namana satria hasarotina bebe kokoa indray ny asany efa hita fa tena sarotra.

 

Fatra.

 

Hitanana ny aim-batana no kendrena amin’ny sakafo, ka noho izany dia tsy maintsy homena azy izay fatra ilainy.

 

Miova arakaraka ny taona sy ny toetr’andro ary ny fahasalamana ny fatra ilain’ny vatana amin’ny sakafo.

 

Misy olona sasany mila sakafo be vao ampy azy, misy kosa kely ihany.

 

Aza mba mandinika ny hanin-ko hanin’ny sasany mihitsy.

 

Adidintsika ny manome am-pitiavana izay ampy sy ilain’ny tsirairay, fa tsy ny mandinika ny be na kely hohaniny, na manosika azy hitsangan-tsy voky. Anjaran’ny feon’ny fieritreretan’ny tsirairay ny mametra izay laniny fa tsy tsarainao amin’izay ataony ao an-kibony izy. Indraindray mantsy izay mahalany be mamola-tena bebe kokoa noho izay mahalany kely.

 

Ody am-bavafo :             Lasopy iray sy tsindrintsakafo roa.

 

Sakafo antoandro :          Lasopy, karazan-kanina roa

 

                                      na telo, tsindrin-tsakafo roa.

 

Sakafo hariva :                lasopy, karazan-kanina iray, tsindrin-tsakafo roa.

 

Pejy faha-187

 

Ny fahatsarana.

 

Mikasika indrindra ny marary sy ireo mila fikarakarana manokana ity fepetra ity.

 

Mandidy antsika hanana fitsimbinana manokana ny marary sy ny zokiolona ary ny osa, ny fitiava-namana, ka noho izany dia fahadisoana mihoam-pampana na fahotana lehibe ny tsy fikarakarana azy ireo araka izay ilainy, araka izay mety ho vita.

 

Ny fahatsorana.

 

Ny fahatsorana ambara eto, dia ny fanalana amin’ny sakafo izay rehetra hita fa haingitraingitra, zava-poana, filan-dera, fahafinaretan’ny nofo na fahatendan-kanina.

 

Tsy ny karazan-kanina voaomana tsara, matsiro, manitra, voahaingo, voaloko tsara, akory no mahasalama.

 

Ny mifanohitra amin’izay no marina, satria manimba ny taova ao amin’ny vatana, mampiontana sy manindrona azy loatra ka mandratra ny fitsiroana ao aminy, dia mampiova ny tosidrà ka mahatonga ny olona na ho soso-dava tsy ho tompon’ny tenany intsony, dia tonga manaraka izany ny karazana aretina tsy tokony ho tonga nefa misy. Hoy mantsy ny Fanahy Masina : maromaro kokoa ny olona maty noho ny tsy fahalalana onony noho ny maty noho ny sabatra. Manafohy ny fiainana bebe kokoa ny sakafo namboarina sy be fangarony.

 

Fa ny sakafo tsotra sy maivana kosa anefa, an-koatra ny mahatahiry hery azy, dia manome tosika ny fahatanjahany ka miaro ny vatana amin’ny aretina maro samihafa.1

 

Mihinana haingana tsy be filatrony.

 

Heveriko fa asa iray mandalo fa tsy atao mahazatra ny sakafo be filatrony, ary tsy tokony hasiana antony loatra ohatra ny fanao matetika ireny.

 

Tsy mba eritreretinao ve fa toa omena vahana be loatra io asam-biby io ?

 

Fanomanan-databatra, efitrano, sotro aman-dovia, lamba, karazam-bera efa tsy hita intsony, ary amin’izay tena fampiderana ny kanto sy ny lafo vidy, dia mbola ampiana ny karazan-tsakafo tsy fahita sy ny divay avo lenta.

 

Aiza ho aiza amin’izany ny fahatsorana sy ny famolahan-tena ; toa dia mifanohitra be mihitsy, raha lazaina fa mahantra isika ka tsy miaina ny fahantrana. Tsy omen’ny mahantra vahana toa izany ny fanomanana sakafo.

 

Ny hita matetika aza, ny mahantra dia ny lohaliny no ataony latabatra, akalana na vato no ataony seza, tavimbilany na lovia hazo no ihinanany, ary rindrina no iankinany rehefa trotraky ny asa izy !

 

Ary inona no mba hanin-ko haniny ?

 

Ovy be rano, ronono mandry kely, anana, tsindraindray foana no mba misy hena.

 

Raha izay mantsy isika no mba manao tahaka azy ireny, ka mihinana toy ny mahantra !

 

____________________

 

Ms XI 707 – Arakaraky ny fanakaikezantsika ny fahatsorana no anakaikezantsika ny marina, na eo amin’ny hanin-ko hanina izany na eo amin’ny lamaody : arakaraky ny hanalavirana ny fahatsorana amin’ny fitafiana no mampitombo ny fanesoan’ny olona antsika ; arakaraky ny analavirana ny fahatsorana eo amin’ny hanin-ko hanina no animbana ny fahasalamana. Akaikezo araka izay azo atao àry ny fahatsorana mba hahazoana ny fahasalamana tsara sy maharitra. Fa arakaraky ny ihinanana ny sakafo araka ny nanaovan’Andriamanitra azy, no mahatsara azy ; fa inoy ity : arakaraky ny ampiasan’ny olombelona ny fahaizany amin’ny hanin-ko hanina no animbany ny sakafo, ka anampoizinany ny tenany !

 

Pejy faha-188

 

Ny Tompontsika moa tsy nihinana mandrakariva na matetika dia matetika toy ny mahantra ? Teo amoron’ilay fatsakan’i Jakoba ohatra, raha niangavy azy hihinana ny Apôstôliny ?

 

Tsy nihinana toy ny mahantra ve Izy, raha niara-nikosoka varimbazaha tamin’ny tanany niaraka tamin’ireo Apôstôliny ?

 

Tsy nihinana toy ny mahantra ve Izy tamin’ilay fotoana nitadiavany aviavy masaka hohanina satria trotraky ny hanohanana ?

 

Ho Azy manko ny sakafom-batana tsy dia manahoana loatra, satria hanina hafa no tena mahavoky Azy : manan-kanina tsy fantatrareo aho.

 

Ka andeha àry avelantsika ho an’ny olon’izao tontolo izao, ho an’ireo be fananana, ny fanomezana hasina ny latabatra, ny vahana, ny asa, ny fanehoana ivelany manetriketrika, ny filatron’ny sakafom-batany mahonena.

 

Fa ho antsika kosa, mahaiza mifaly amin’izay kely misy amintsika, alaviro ireny fitaovana tsy ilaina ireny, ireny sakafo be filatrony ireny, ny mpanankarena manefoefo no mila ireny fa isika ndeha hihinana tsotra toy ny mahantra sy mpivahiny.1

 

Tsotra sady mitory fahantrana ery izao ny manao hoatry ny miaramila. Miaraka arotsaka ao am-bilany iray daholo ny hena sy ny anana dia bataina eo ambony latabatra ilay vilany be, na loarana amin’ny lovia be iray ny masaka, dia samy mandoatra izay ampy sy ilainy ny tsirairay, ka mihinana, na mahitsy na mipetraka ambony akalana, na mitsangana miankin-drindrina, sahala amin’ny mahantra na ny mpivahiny e.

 

Toa tsotra, sady mifanaraka amin’ny fahantrana ery izany famolahan-tena izany.

 

Tsy izany moa no fanaon’ny miaramila ? kanefa toa vao mainka matanjaka sy tomady, tsy marary tsy marikoditra ry zalahy.

 

Ary isika koa angaha moa tsy miaramilan’Andriamanitra ?

 

Izany no ilazana fa ny tsy fiankinana be loatra amin’ny sakafon’ny tany mora levona io no hahafahantsika manantena sy efa miaina sahady ilay sakafo tsy fantatry ny olona lazain’i Jesoa : manan-kanina tsy fantatrareo aho ! ny haniko dia ny manatanteraka ny sitrapon’ny Raiko.

 

Ary raha manao izany tokoa isika, dia tena ohatra velona ho an’ireo mpino sy ny ankizy entintsika ny fiainantsika !

 

Mifantoka amintsika mandrakariva anie ny mason’ny ankizy sy ny Kristianina ê ! fa indrindra amin’ny hanin-ko hanintsika !

 

Mitsiriritra mafy izy ireo mahita ny hanintsika matsiro, tsara, voaomana, ka mitera-pialonana izany satria mihevitra izy ary miteny fa hay moa isika ity manana ny ampy bebe kokoa noho izy ireo !

 

Raha tiantsika ny ho to teny aminy, dia miveloma toa azy : mahantra sy madinika.

 

Aza misaraka amin’ny mahantra, na dia amin’ny sakafo aza, ary miezaha mba tsy hampitsiry ao aminy ny hevitra hoe : hay moa manan-davitra noho isika izy.

 

Inona no ilàna ny mody mahantra nefa tsy miaina sahala amin’ny mahantra ?

 

____________________

 

Ms XI 672 – Ilaina ny fahadiovana amin’ny hanin-ko hanina, toy izany koa ny fahatsarany sy ny fahatsorany ! zava-poana ny sisa rehetra. Zava-mitranga mandrakariva manko izao : voky kokoa ianao miara-komana amin’ny mahantra noho ianao milaha-komana eo amin’ny latabatry ny mpanana. Azo hohanina ka mahavoky moa ny filàtro sy ny lovia aman-tsotro voaravaka ?

 

Pejy faha-189

 

Zava-dehibe io voalaza io satria avy amin’ny vava no iavian’ny fanafintohinana na ny fitarihana amin’ny tsara.

 

Tsy mahamenatra antsika ve ny heverin’ny olona fa manan-katao kokoa noho izy ireo ? na mihinan-ko voky bebe kokoa raha miolotra amin’ny sarambaben’ny olona ? ka mitolona ny didin-kanim-be eo ambony latabatra ? mitsentsitra sy mankafy ny menafify, ny voahendy, ny voaravaka sy tsara taharo ? kanefa ny madinika etsy zara raha manan-katelina ?

 

Tsy misy anjaran’ny mahantra azontsika omena azy ve amin’izay rehetra asesitsika ? Tsy natao hizara amin’ny zanany moa ny ray ?

 

Ny olomasina rehetra dia samy nandefitra mafy daholo momba ny sakafo, ary samy niaiky fa io no asa ambany indrindra amin’ny asa rehetra.

 

Hevero ange ny hatsaran’i Curé d’Ars mitondra an-tànana ny bakolin-dasopiny mamakivaky ny kianja be, ka sady mihinana izany eny an-dalam-pamangiana marary ! Maha te ho tia ô ?

 

Tsy mba nanam-potoana ihinanana akory izy, tahaka ireo Apôstôly ao amin’ny Evanjely : sady miasa no mihinana ; eny am-pandehanana no mihinana ; tahaka ny ataon’ny mahantra rehetra ! Ary nampibebaka mpanota maromaro kokoa izy amin’izany noho ireo mipetraka mitelina sy mankafy eo ambony latabatra, satria manaitra sy mahatarika kokoa io oha-pitondran-tena io noho ny hafa, ary any amin’ny iray iry no itongilanan’izao tontolo izao.

 

Mahandro ovy iray vilany i Curé d’Ars, ary io ovy korany io no haniny miaraka amin’ny mofo kely mandra-pahalaniny, izay izy vao mahandro indray. Indray mandeha aza izy nanandrana nirao-bilona teny an-tsaha.

 

Mofo ho an’ny mahantra no vidiny hohanina, ary mitety trano izy mangata-panomezana satria zarainy ho an’ny mahantra daholo ny anjara rakiny, mba hananany ilay fahafinaretana mihinana toy ny mahantra.

 

Eto no ahitantsika fa ireo olomasina ireo dia tena namolaka ny tenany mafy tokoa !

 

Toa izany koa ny fitiavany ny fahantrana sy ny fahatsorana ary ny fanariana ny rendrarendra sy ny fahafinaretana be filatrony itadiavan-dera sy laza eo ambony latabatra !

 

Teny fohy momba ny paraky.

 

Voarara mihitsy ny mifoka paraky. Ny manisy an’orona anefa dia azo atao raha misy antony lehibe.

 

Famintinana sy fampiharana.

 

Lavina ny fahatendan-kanina,

 

satria manala antsika amin’ny tsy fahalalana onony amin’ny hanina sy ny fisotro.

 

ny fandavana ny fahatendan-kanina koa dia fandavana izay tsy ilaina fa mandoka fotsiny ny fitsiroana, ny lanilany, tahaka ny sakafo be taharo, divay voafantina, zava-mahamamo, kafe, zava-mamy, zava-tsy fahita matetika sy tena tadiavin-tsy hita satria lafo vidy ;

 

tsy azo ampiasaina ireny zavatra ireny raha tsy misy antony lehibe dia lehibe tokoa, kanefa ampitandremana mafy tokoa no ampiasana azy ; tsy azo tehirizina manokana ireny raha tsy efa nahazoan-dàlana ;

 

aza misy mitono tena amin’ny fakam-panahy ka mitahiry zava-mahamamo, divay voafantina, na ny hafa toa izany any an-taniefitranony any, fa tehirizina manokana ireny fanampin-tsakafo ireny mba ho amin’ny andro iray tena ilàna azy vao havoaka,

 

fandavana izay rehetra mamofopofona rendrarendra, filan-dera, fahafinretan’ny vatana, fizahozahoana, filatro, eo amin’ny sakafo ;

 

Pejy faha-190

 

eo amin’ny mofo sy ny hena ary ny anana sy ny voankazo, dia mahaiza miafy amin’izay tsotra indrindra, raha tsy hoe marary ka mila fitsimbinana manokana, zavatra hafa iny satria izay marary andriana ;

 

aza mihinankinana ivelan’ny fotoam-pisakafoanana ;

 

raha hisakafo any ivelany, aza atao fahazarana fa raha fahatendan-kanina no tadiavina any dia manome vahana ny fahafinaretan’ny vatana fotsiny izany ;

 

tsy mandeha any an-tranon’olona mba hisotro kafe, na hitsako hanina kely,

 

satria an-koatra ireny famangiana tsy mari-pototra loatra ireny dia manosika antsika eo amin’ny fahatendan-kanina, dia mampitombo ny fandaniana tsy ilaina eo amin’ny olona vangiana ireny ka tena tsy mety, noho izy sady miteraka fanafintohinana no mitarika fandaniam-poana tsy ara-drariny.

 

Aza mandany fotoana eo am-pihinanana, fa mihinàna haingana ary tsy misy filatrony fa izany no mahasoa.

 

Tsy maintsy mandava ny fahakamoana.

 

Io fahakamoana io no fahotana fototra fahatelon’ny vatana.

 

Matetika dia matetika no itenenan’ny Tompontsika, Jesoa Kristy, io kilema ratsy io, ao amin’ny Evanjely.

 

Ao ilay resaka mikasika ny aviavy tsy namoa ka tsy maintsy tapahina sy hariana any anaty afo satria tsy namokatra.

 

Ao ilay fanoharana momba ilay mpitantana nomena talenta iray ka nogadraina satria tsy nampamokatra ny talenta nomena azy.

 

Ao ireo mpanompo natory fotsiny ka namela ny ahi-dratsy haniry eo an-tanimbarin’ny raim-pianakaviana.

 

Ireo ohatra sy fanoharana ireo dia manambara amintsika ny tena vontoatin’ny tsy itiavan’Andriamanitra ny fahakamoana, ka hosaziany mafy dia mafy tokoa, eto an-tany, ary indrindra indrindra any an-koatra.

 

Fahalemena lehibe mitarika antsika amin’ny fanaovanaovam-poana sy amin’ny tsy fandraharahana tanteraka ny adidy maha-kristianina sy maha-olombelona ny fahakamoana.

 

Manosika antsika hidonanam-poana, handry sy matory, ary amin’ny fahalemena, ireo no vokatra ateraky ny fahakamoana.

 

Ny fidonanam-poana.

 

Ny atao hoe fidonanam-poana dia toetra iray mipetra-potsiny tsy manao ninoninona. Midanàka foana.

Nohelohina hiasa isika, araka ny tenin’ Andriamanitra, teraka hiasa isika.

Ny hatsembohanao no hahazoanao hanin-kohanina.

Niasa toy ny mahantra i Jesoa Kristy nandritra ny telopolo taona.

I Md. Paoly, niasa andro aman’alina tamin’ny tanany mba hivelomany mba tsy ho vesatra ho an’ny olona mandray azy ka niloa-bava hoe : Aoka tsy hihinana izay tsy miasa.

Karazany maro moa ny asa ataon’ny olombelona, misy ny asa tanana, misy koa ny asa saina.

Koa samy mandray adidy hanatanteraka izay asa niantsoana azy sy tandrify azy am-pahazotoana sy amim-panetren-tena ary amim-pitiavana ny tsirairay.

Pejy faha-191

Heloka sarotra ivalozana ny fanariam-potoana satria tsy fanekena an’Andriamanitra, tsy rariny atao amin’ny namana, mampahory sy mampijaly tena amin’ny tsinontsinona. Ny fidonanam-poana manko no reniben’ny faharatsiam-panahy rehetra. Ny olona be donàka na midonanam-poana dia mitolo tena amin’ny fakam-panahy ratsy rehetra misy. Fa ny olona miasa kosa, dia voaaro, amin’ny hevi-dratsy rehetra, rahefa mifantoka amin’ny asa manko ny saina, dia tsy misy toerana ho an’ny hevi-dratsy intsony ao aminy.

Raha misy olona azo lazaina fa tsy maintsy miasa eto ambonin’ny tany, dia ny pretra no loha laharana amin’izany satria sady ambony no avo lenta ka tsy voasolon’iza na iza ny asany, ho azy sy ho an’ny hafa.

Avy amin’Andriamanitra manko ny iraka azony, avy amin’ny asany no iankinan’ny Voninahitr’Andriamanitra, ny famonjena ny fanahy, ny fahasambarana na ny fijalian’ny olombelona, amin’izao andro izao sy amin’ny mandrakizay ; koa manoloana io iraka azony io, tsy azon’ny pretra atao ny mipetra-potsiny tsy miasa, satria raha vao mipetra-potsiny izy, dia fanahy maro dia maro no mety ho very, ka adidy sy andraikitra iantsorohany izany, ary hitsarana azy amin’ny andro farany.

Ry pretra ô, lehibe anie ny andraikitrao ê ! Diniho ny tsy maintsy handanianao mondron-kery hiasa ho an’ny voninahitr’Andriamanitra sy ny famonjena fanahy !

Indrisy anefa, raha mbola misy koa olona eto an-tany heverin’olona fa mitoe-poana tsy manan-katao, dia ny pretra izay !

Ekena, tsy azo lavina satria marina loatra, fa asa ara-panahy no ataony, ary tsy hita maso ny vokany ; fa marina tsy azo lavina ary hita mibaribary koa fa mipetra-potsiny manary andro ny pretra ![149]

Tena marina mihitsy anie izay, hany ka raha mba misy dianao tena ilaina mihitsy any ivelany any, dia adroadroin’ny olona ery ianao ataony hoe : Manahoana Mompera, handeha hitsangatsangana izany ? na avy nitsangatsangana angaha ? Tahaka ny tsy manan-katao afa-tsy ny fitsangatsanganana tontolo andro ny tena. Dia izany no lazantsika eny amin’izao tontolo izao : mpitsangatsangana, mpandany andro. Mampalahelo kanefa mba laza, hono ! Indrisy ! raha mba mahalankalana kokoa mantsy ny fahitana antsika eny anaty arabe, na eny an-kalamanjana, na misakafo be any aman’olona ivelany any, na mamangy olona tsy misy antony akory, ka afaka mikarakara misimisy kokoa ny mahantra, ny marary, ny asa soa, na mitoriteny matetitetika, ka hahasintona olona maromaro noho ny finoana sy ny fitiavantsika namana, dia tsy hisy hanontany antsika intsony na handeha hitsangatsangana isika, na avy nitsangatsangana.

Mihoatra noho ny olon-drehetra, dia tokony ho hita eo am-perin’asa ny pretra tontolo andro. Na ny masao na ny mpandrafitra, na ny mpamboly na ny mpanjaitra, na ny mpanao fanaka anie ka miasa tontolo andro ê ! Miasa tontolo andro izy ireo, ary matetika aza andro aman’alina, mba hamelomany ny tenany sy ny vady aman-janany ka ny pretra izany dia manana anjara moramora kokoa satria izy manana asa ambony lavitra noho ny hafa.

Angaha moa tsy noho ny pretra tsy manao tsara ny asany no mahafoana ny sahan’ny Raim-pianakaviana izao ? no mahatonga ny mpiasa ho bado, ka mikomy amintsika ankehitriny ?

Pejy faha-192

Tsy voaenjika sahala amin’izao isika raha niasa tsara ka vita tsara koa ny asantsika ; tsy ho olona mahonena toa izao mihitsy isika. Ary matoa tsy voavoly ilay saha, ka tsy mamokatra afa-tsy ahidratsy, dia satria isika sady tsy namafy no tsy nihava.

Milofosa mafy mitory teny sy mampianatra katesizy, andro aman’alina. Io no asantsika ! Aza avela ahita pretra be danaka mihitsy ny kristianina, na haminany akory aza fa i mompera tsy manan-katao ! Io no fanafintohinana lehibe indrindra mety ho vitantsika aminy satria, avy amin’io fidonanam-poana ataontsika io koa no hamehezany zavatra hafa.

Aza atao hitany akory fa mody mandehandeha, na mody tsy miasa ianao.

Raha mba te hiala sasatra na haka rivotra kely, dia miezaha mba manao izany amin’ny toerana mangingina tsy talaky mason’ny olona loatra.

Miresaka an-dàlana, mijanona an-dàlana, hirediredy zava-tsy ilaina…

Mba jereo ny nataon’ny Tompontsika tamin’ny Apôstôliny rehefa hitany fa trotraky ny asa mafy izy ireo. Tsy mandeha amin’izao tontolo izao izy ireo, mba hiala sasatra amin’ny fetin’izao tontolo izao. Nentiny izy ireo amin’ny tany mangingina seorsum in desertum lovum requiescite pusillumr, [Avia mihataka kely any an-taniefitra ianareo, mba hiala sasatra. (Mk 6, 31)]

Fakan-drivotra,

Fitsangatsanganana

fialam-boly

toera-pilasiana

Alamino arakaraka izay ilàna azy ny fotoana.

Raha tsy voalamina mantsy ny asa dia tsy hita izay atao, na miasa ihany fa tsy tomombana satria tsy mitohy.

Misy aza rehefa hariva ny andro, lany ny herinandro, lany taona, tapitra ny andro iainany, tsy hita izay asa vitany satria sady tsy misy filaminana no tsy misy fitohizany. Nanomboka zavatra maro ny sasany fa tsy nisy na iray aza vita hatramin’ny farany, sehatr’asa be dia be mihantona fa tsy tanteraka : asa tsy namokatra.

Tsy maintsy voarindra, tozoina amim-paharetana, ara-dàlana tsara ny asa isan’andro, isan-kerinandro ; amin’izay dia mba hita izay vita tanteraka.

Raha tsy izany, aleo tsy manao. Be dia be indrisy no azon’ny kileman’ny tsy faharetana, tsy fitombenana amin’ny asany ; raha jerenao izy toa mba miasa ery, mihetsiketsika mafy, mankatsy, mankaroa, mandroso, miverina miresaka mitabataba ery, fa saingy mikofokofoka fotsiny kay fa tsy manao ary tsy mahavita inoninona. Loza izany, tena loza be mihitsy.

Lazain’i Curé d’Ars fa ireny olona ireny, sahala amin’ny tenany mba hanetreny tena :

be asa fa tsy mahavita firy.

Mahaiza mametra ny fotoana fiasana, ary rahefa natomboka ny iray dia vitaina tanteraka aloha, izay vao mandray hafa indray.

Pejy faha-193

Aza manary fotoana amin’ny fifamangianareo samy pretra mpirahalahy avy koa.

Mizara manafohy resaka. Ny hita mazàna dia lany amin’ny resaka lavabe ny fotoana any an-taniefitrano any ; mipetraka, dia mandahatra, dia mirediredy, dia lany eo any fotoana. Lazao amin’ny teny fohy izay ilaina, dia vita, ary rehefa vita, dia mandehana mody any an-tranonao fa ianao manary fotoananao anie ka manary ny fotoanan’ny sasany.

Izany no ataon’ny olona eny an-dalana hoe : mitaredretra, mpitaredretra fotsiny tsy manao ninoninona, fa lany andro mivazavaza eny, na mitsitsitra eny, na midoredretra eny, mivezivezy eny, mba handaniana ny andro.

Toa mety nahavoa antsika koa io.

Mba miasà ary manaova asa hentitra tsara, mba manana risi-po mahitsy hahatanteraka azy : afantohy ao daholo ny saina aman’eritreritra, aza miakahan-kevitra loatra sao dia ho tsy vita hatramin’ny farany izany asa izany.

Amin’izay tsy hivezivezy koa ny fanahy ka mitombina tsara.

Famintinana.

Olon’ny asa avo lenta ny pretra, ka miezaka ho toy izany.

Miezaha mba tsy ho hitan’ny olona midonanam-poana na tsy an’asa na oviana na oviana ianareo !

Ataovy izay hirindran’ny asanareo sy hahalalana anareo fa tena miasa tokoa ianareo.

Asa ilaina sady mari-pototra anefa no hifantohana sy tanterahina fa tsy asa mandany andro sy tsy ilaina fotsiny.

Aza mandany andro amin’ny resaka mandany jiro na famangiana tsy ahitam-bokatra aminareo samy ianareo, ary aza mety ho anisan’irony antsoina hoe : mpitaredretra na mpinkarenjy irony fa maharatsy tarehy anareo ireny.

Miasà mandrakariva mba tsy hilazan’ny kristianina fa kamolahy tsy manao ninoninona ianareo

Ny torimaso.

Fialan-tsasatra nomen’Andriamanitra, hanoloana ny hery lanin’ny vatantsika nandritry ny andro ny torimaso.

Aza matoritory foana fa izay fialan-tsasatra tena torimaso ilain’ny vatana hamerenana ny heriny no alaovy mba hahazoany miasa indray. Fahakamoana ny mijanona ao am-pandriana tsy misy antony.

Ary fijanonana ao am-pandriana tsy matory tsy marary dia mampiditra fahotana sy fakam-panahy manahirana.

Tsarovy mandrakariva fa nandritry ny torimason’ny mpiasa no nidiran’ny fahavalo namafy ahí-dratsy teny an-tanimbolin’ny raim-pianakaviana

Tadidio koa ity fananarana nataon’i Jesoa Kristy tamin’i Piera ity : Hono hoy aho ry Piera, matory ve ianao ? Tsy tantinao akory ve ny niari-tory adiny iray niaraka amiko ?

Mandria takariva, ary mifohaza vao maraina be.

Fantaro fa mandrakariva ny asa alina dia mandreraka ny vatana, sy manimba ny fahasalamana, ary hadisoana bevava ny mametraka asa tokony ho vita antoandro ho an’ny alina, eny fa na dia breviera sy ny vavaka aza. Manjary atao alasafay fotsiny izy fa tsy raisina ho toy ny adidy ka tsy ahitam-bokatsoa.

Pejy faha-194

Ny fifohaza-maraina. Mahatomombana ny atao rehetra mandritra ny andro manontolo, vita amin’ny fotoana voatondro anaovana azy ny fivavahana rehetra, ny fandinihana masina tsy mampiriorio saina, ny asa rehetra atao maharavoravo daholo, toa mendrika sy voaentana daholo ny atao rehetra ê, tsy mahatsiaro tena lasa aoriana mihitsy ianao.

Fa raha ratsy fanombohana ny andro, dia ho ratsy koa ny fiafarany, tsy marisika mihitsy fa madisadisa foana.

Fampiharana.

Ny fotoana laniana amin’ny torimaso isan’andro, raha salama tsara ianao dia adiny fito sy sasany, fialan-tsasatra tena ilaina io ho an’ny vatana.

Ny fitsipika ifampifehezana ato an-trano, dia matory amin’ny sivy na amin’ny sivy sy sasany, ary mifoha amin’ny efatra sy sasany maraina. Ka noho izany, raha misy manakana anao tsy hanaraka an’io, sanatria dia mahaiza mangataka alalana mialoha. Matetika moa, dia simba ny fahasalamana satria tsy nomena ny vatana ny fialan-tsasatra sahaza azy, noho ny torimaso diso aoriana loatra satria miari-tory. Aza manary fotoana àry amin’ny antoandro mba hahavitana izay tsy maintsy atao, dia tsy miari-tory tsy misy antony amin’ny alina. Alaharo tsara ny fotoana iasana dia hilamina sy ho araka mora foana ny fifohazana sy ny fatoriana. Zava-droa loha tsy azo idifirana mba hirindran’ny asa manontolo mihitsy ny ora fifohazana sy ny ora fatoriana.

Zavatra tsy azo atao mihitsy ny matory antoandro, ary raha sanatria ka voatery ianao natory antoandro, mahaiza miampanga tena fa tsy mety izany.

Ny fahaborerana

Ny antsoina hoe borera dia toetr’olona tsy rototra, tsy marisika, tsy mifantoka amin’izay ataony, ka mitory fitararetrana miankina amin’ny fahakamoana.

Toetra tsy maintsy ialàna àry ny fahaborerana.

Olona matanjaka voa-janahary nefa mitady fiadanana, fahafinaretana, tsy te-hampijaly tena, tsy te hiezaka hiaritra ny mafy, ka manjary very hery tsy satry, tsy manam-pahavitrihana, tsy mahari-pery, eny fa na dia izay fahasorenana kely indrindra aza, ny borera.

Be dia be mihitsy ny sehatra mety hitsarana ny olona iray fa borera na mitsipozipozy.

Hita eo am-pandriana, na eo am-pipetrahana amin’ny seza, na ao an-taniefitranony, eo amin’ny fomba fipetrahany, na ao am-piangonana, am-pandohalihana na am-pitsanganana na am-pipetrahana ny olona borera, ka ialao haingana fa toetra tsy mendrika.

Tsy mitsanga-mahitsy raha mitsangana, na mipetraka miankin-dava amin’ny sandry na amin’ny lamosina : ialao fa toetra tsy izy.

Aza atao ny manatsotra tànana na tongotra, ny manoaka, aza manamba-tongotra raha mipetra, indrindra eo imasom-bahoaka, fa tsy fahalalam-pomba izany fa fahaborerana.

Eny fa na dia irery aza ianao.

Aza mitsitsitra eo ambony seza, na eo ambony seza lava ; aza mitsilailay foana na amin’ny fotoana inona na aiza na aiza fa tsy mety.

Aza mifidifidy toerana mahafa-po, na any am-piangonana na any an-toeran-kafa, aleo aza tsy mampiasa ny fanaka fandohalihana ao am-piangonana, fa mitoera eo amin’izay toerana sendra anao voalohany indrindra, ka avelao ho an’ny sasany ny toerana mampiadana. Ny Kristianina, indrindra fa ny pretra na ny relijiozy dia tsy maintsy manana mandrakariva ilay toetra mandefitra, marina, tsara, ary kristianina.

Omeo voninahitra amin’ny vatanao Andriamanitra.

Mitarika antsika amin’ny ota mandrakariva ny vatana ary mirefarefa amin’ny tany…

Pejy faha-195

sy ny filàna ny fitongilanany, hany ka mitady mandrakariva izay hitarihana antsika amin’ny fahakamoana sy ny fahatendan-kanina ary ny fahalotoana.

Anjarantsika ary ny miady amin’ity vatantsika mahonena ity, lazon’ady no atao ka sady mila faharetana no miaritra havizanana.

Izany no mampiteny an’i Md. Paoly hoe :

Olo-mahonena aho ity, ary iza angaha no hanafaka ahy amin’ity vatana mety maty ity ? (Rôm 7, 24)

4° Ny fandavana ny vatana dia ny fampiasana azy ho fitaovam-pahamarinana sy fivalozana

Rehefa avy nandà ny fahotan’ny vatana isika, dia tsy maintsy manao asa fivalozana koa mba handraisana ny Tenin’ny Tompontsika izay manafatrafatra mafy izany ao amin’ny Evanjely.

Mivaloza, hoy i Jesoa Kristy. Fa raha tsy manao asa fivalozana ianareo dia ho very daholo. (Lk 13, 3)

Manaova asa fivalozana mitera-boka-tsoa, hoy i Md. Joany Batista, tamin’ireny nanatona azy tany an-taniefitra,

ary aza milaza hoe : taranak’i Abrahama izahay fa lazaiko marina aminareo, fa vitan’Andriamanitra ny manangana taranaka ho an’i Abrahama amin’ireto vato ireto. (Lk 3, 8)

Mbola izany koa no notorin’ny Apôstôly raha nirahin’ny Tompontsika hanambara ny Vaovao mahafaly izy ireo : Mibebaha ianareo, fa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra (Mt 3, 2)

Tsy nitsahatra nanafatrafatra toy izany koa i Md. Paoly ao amin’ny taratasiny.

Aza atao fitaovam-pahotana ny vatanareo, ka atolotra ho an’ny fahalotoana, fa omeo an’Andriamanitra ho fanatitra velona, fa maty ianareo taloha, ka ataovy fitaovana ho an’ny fahamarinana ny vatanareo. (Rôm 6, 13)

Fitaovam-pahamarinana hamaizana anareo.[150]

Mbola izy ihany no manafatra fa izay an’i Kristy dia namantsika ny nofony miaraka amin’ny fitongilanan-dratsy sy ny fanirin-dratsiny. (Gal 5, 24)

Folaho ny ratsambatanareo eto an-tany. (Kôl 3, 5)

Mikasika ny tenany manokana, dia hoy izy : Kapohiko mafy ity vatako ity ary ampiasaiko fatratra sao dia izaho mitory ny Evanjely indray no ho very mandrakizay. (1 Kôr 9, 27)

Mazava ho azy arak’ireo tenin’ny Tompontsika sy i Md. Paoly ireo ary fa voaporofo ny maha adidy tsy maintsy tanterahina ny asa fivalozana.

Tsy maintsy mibebaka isika ;

tsy maintsy manao asa fivalozana mitera-boka-tsoa ;

tsy maintsy atao fitaovana ampiasaina amin’ny fahamarinana ny vatantsika, raha fitaovam-pahotana izy teo taloha.

Pejy faha-196

Tsy maintsy ampijaliana, kapohina ny vatana ;

Tsy maintsy fantsihana ny nofo.

Famantsihana ny nofo ny fandavana izay angatahiny.

Famantsihana ny tongotra ny fandàvana aminy izay tiany haleha ka helohina hiala sasatra izy.

Famantsihana ny tànana ny tsy hamelana azy hanao ny ratsy, fa hanaparana azy toy ny eo ambony hazofijaliana.

Kapohina amin’ny karavasy ny vatana, ampanaovina akanjo malailay, ravahana famantaram-pibebahana sy ny fijalian’i Jesoa Kristy ohatra ny nataon’i Md. Paoly izay nitondra tamin’ny tenany ny fahamantarana an’i Jesoa Kristy (Gal 6, 17), na amin’ny fanaparana azy eo ambony lakroa, eo ambony hazo.

Andevozina mihitsy aza ny vatana mba tsy izy no hanapaka fa hanaiky ny saina amam-panahy sy ny finoana sahala amin’ny aneken’ny andevo ny tompony. Mety hitraotra izy rahefa mandre maharary sy mijaly ka te-hanapaka indray. Manonitra ny ota natao ny fivalozana ary miaro amin’ny fahadisoana ho avy, manome hery ny fanahy hitandrina ny hatsarany izy, ary manakana azy tsy ho lavo amin’ny fahamaritraretana sy ny haborerana ; mampahamendrika antsika handray fahasoavana maro hamonjena antsika sy ny namantsika.

Mampanahaka antsika an’i Kristy ny fivalozana ary mampahazo antsika ny fahamendrehany.

Vitaiko amin’ny tenako izay tsy ampy amin’ny fijalian’i Kristy, hoy i Md. Paoly.

Manahaka ny Mpamonjy amin’ny fijaliana mba hananana anjara amin’ny fitsanganany.

Nanao asa fivalozana daholo ny olomasina rehetra ; tsy misy na iray aza tantaram-piainan’olomasina tsy mampitolagaga antsika amin’ny asa fivalozana nataony.

Fampiharana.

Mikapo-tena indray mandeha isan-kerinandro farafaharatsiny,

mitondra akanjo malailay na fitaovana toy izany indraindray raha nahazo alalana avy amin’ny lehibe.

Matory ambony hazofisaka miaraka amin’ny faneken’ny ray aman-dreny.

Mifoha alina indraindray mba hivavaka, ka manao ny Rainay any an-danitra, ny tanana mihinjitra.

Mahalefitra ny onjam-piainana tsy mimenomenona isan’andro.

Manao ny adidin’ny tena isan’andro na dia manahirana aza ny toetry ny tany.

Hatramin’ny maraina ka mandra-paharivan’ny andro, raha mahatandrina sy miezaka ianao,

dia mahita fomba hanaovana asa fivalozana mandrakariva, ka mahaiza manararaotra.

Misy asa fivalozana avy amin’Andriamanitra tsapa eo amin’ny asa tsy maintsy tanterahina, eo amin’ny fijaliana ary ny fahafatesana.

Misy kosa ny avy amin’ny namana ka mahatonga ny tena handefitra sy tsy hitaraina ary tsy hilaza aminy fa mampijaly ny tena izy.

Ary misy ny avy amin’ny tenantsika mihitsy amin’ny alalan’ny fampijalian-tena atao an-tsitra-po.

Pejy faha-197

5° Ny fandavan-tena dia fanaovana ny vatana ho sorona velona amin’ny alalan’ny fanaovana ny marina sy ny fiainana ny herim-panahy.

An’Andriamanitra ny vatanareo hoy i Md. Paoly (1 Kôr 6, 15).

Koa raha an’Andriamanitra ary ny vatantsika dia tsy maintsy ampiasaina amin’izay ilàn’ny Tompo azy, fa tsy ampanaovina ny saim-patantsika, ary tsy maintsy miezaka isika hahavita izay tsara indrindra amin’ny fanompoana azy amin’ny tenantsika.

Manampy ny efa voalazany teo momba izany i Md. Paoly, ka hoy izy :

Omeo voninahitra amin’ny vatanareo mety maty Andriamanitra. (1 Kôr 6, 20)

Amin’ny vatako no amirapiratan’ny voninahitr’i Kristy. (Fil 1, 20)

Ary mbola amafisiny koa indray izany ka hoy izy : Rantsambatan’i Kristy ny tenantsika. (1 Kôr 6, 15)

Ary feheziny arak’izao manaraka izao izany rehetra izany :

Koa mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, samia re manolotra ny tenanareo amin’Izy Tompo, ho sorona velona, masina, ankasitrahany, fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy. (Rôm 12, 1)

Manambara mazava ny tsy maintsy hanomezantsika voninahitra an’i Jesoa Kristy amin’ny tenantsika ireo teny rehetra ireo.

Miezaha mafy àry mba ho mendrika ny maha rantsambatan’i Kristy azy ny vatanareo.

Miezaha miaina amin’ny maha olon’Andriamanitra anareo, arak’izay voasoratr’i Md. Paoly ho an’ny Kôrentianina.[151]

Avy amin’ny tany ny olona voalohany, ka tany ; fa avy amin’ny lanitra kosa ny olona faharoa, ka lanitra. Manahaka ny tany izay rehetra tany ary manahaka ny lanitra izay rehetra lanitra. Ary toy ny nitondrantsika ny endriky ny tany no itondrantsika ny endriky ny lanitra koa. (1 Kôr 15, 47)

Koa vonoy àry no olon’ny tany ao amintsika, mba hiainan’ny olon’ny lanitra ; ary ataovy izay hampanjavona azy tanteraka. Ataovy sorona velona ny tenantsika mba hitondrany ny fahafatesan’i Jesoa Kristy, sy hanehoany ny fiainan’i Jesoa Kristy.

Mba ho tonga sorona velona isika, dia avelao ho levona ao amin’Andriamanitra ny tenantsika, toy ny sorona vonoina isan’andro ho azy, toy ny savoka dorana ka mirehitra sy miempo ary lany tanteraka ho azy, toy ny emboka dorana ka sady manjary setroka noho ny afo, no mandraraka fofona manitra aok’izany eo anatrehan’Andriamanitra.

Izay rehetra ao amintsika dia tokony hanapariaka io fofona manitr’i Jesoa Kristy io ary tokony hifoka avy ety ivelany io fiainana any an-danitra io, ilay fiainana ambony sy tsara indrindra ka tokony hananantsika ao anaty.

Tsy maintsy manolo-tena ho soron’Andriamanitra isika, ary tsy maintsy mampiseho an’i Jesoa Kristy ny fiainantsika.

Ratsambatan’i Jesoa Kristy isika.

Tsy maintsy ahitana an’i Jesoa Kristy avokoa izany ny rantsambatantsika ety ivelany ary foanantsika tanteraka izay rehetra

Pejy faha-198

manala baraka ny anarana maha-rantsambatan’i Jesoa Kristy antsika.

Tsy maintsy maneho an’i Jesoa Kristy, ny fiainantsika ety ivelany, ny fomba fitafiantsika, ny fihetsintsika, ny tenintsika, ny asantsika, ny tanantsika, ny tongontsika, ny masontsika, ny lohantsika, ny maha-olona manontolo antsika, satria azy daholo ireo ka tsy maintsy anehoana azy, ary mandraraka ny fofona manitry ny hatsaram-panahiny. Ny tenantsika eto ivelany no maneho ny atim-panahintsika. Avy aminy no ahitan’ny olona ny tsara ao amintsika ; ary mbola avy aminy koa no anafintohinantsika ny olona. Tsy hitan’ny Kristianina ny fanahy fa ny vatana no mibaribary aminy.

Koa avy amin’ny vatana izany no anomezantsika ny ohatra tsara sy anahafantsika an’i Jesoa Kristy ao amintsika.

Tsy izaho intsony no miaina fa i Jesoa Kristy no miaina ao amiko.

Esory eo amin’ny fiainantsika ety ivelany ary izay miendrika haratsiana, nofo, tany, izay rehetra mamofompofona nofo, haborerana, fanaranam-batana, hakamoana, ka manjaria olon’ny lanitra, tsy maka amin’ny tany afa-tsy izay ilain’ny vatana hahavelona azy sy hahatonga azy ho taovan’i Jesoa Kristy.

Tahaka ny tavoahangin-dranomanitra isika amin’izay, raha vao sokafana dia mamerovero aok’izany ny hanitra midofaka avy ao anatiny ; dia toy izany koa isika, amin’ny teny aloaky ny vava, amin’ny atao sy ny fihetsika, no andrarahantsika ny hanitr’i Jesoa Kristy, izany hoe : ny finoana, ny fitiavana, ny halemem-panahy, ny fanetren-tena, ny fitiava-namana.

6° Tsy maintsy ialana sy ahitsy ny kilema rehetra ety ivelan’ny vatana fa sakana tsy ahitana ny voninahitr’i Jesoa Kristy ao amintsika sady tsy mahasoa ny namana.

Samy manana ny kilema keliny ety ivelany avy isika, eny fa na dia tsy fahotana aza izy ireny dia manaloka ny famirapiratan’i Jesoa Kristy avy eo amintsika ka mampanalavitra ny namana satria manosika azy hitsikera sy haneso antsika. Izany no antony lehibe tsy maintsy handinihantsika tena mba hahalalantsika ireny kilema ao amintsika ireny, ka hialantsika aminy na hanitsiantsika azy ho voninahitr’Andriamanitra sy ho famonjena ny fanahin’ny namana.

Raha mbola misy olona tsy maintsy miala amin’ireny kilema ivelany ireny, dia lohalaharana ny pretra, ny relijiozy lahy sy vavy, izay voaantso manokana hanome voninahitra sy hitondra an’i Jesoa Kristy amin’ny fihetsiny rehetra ety ivelany.

Raha olon’izao tontolo izao no miseho ho tsy mahalala fomba, badolahy, be fiangarana, tia tena, mivantambatana, tsy dia manintona ny sasany akory, fa raha pretra na relijiozy no manana ireo kilema ireo dia manimba tanteraka ny tenany, ny finoany, ny Andriamanitra ivavahany ary ny rahalahiny iray finoana aminy izy.

Koa ataovy vaindohan-draharaha àry ny fialàna amin’ireny kilema ety ivelany ireny.

Ho fanampin’izay, olom-pinidiny sy sakaiza tian’Andriamanitra anie ny pretra sy ny relijiozy ô, zanaka nomeny tombon-tsoa mihoatra ny hafa, zanaka voafantina, tandapa manotrona ny fanjakany eto an-tany, solontenany eo anatrehan’ny olombelona, tsy maintsy amantaran’ny olombelona izany hoe Andriamanitra izany, satria olona nofantenany mihitsy hiara-dia aminy.

Pejy faha-199

Koa tsy manala baraka an’Andriamanitra ve isika raha feno kilema hita maso ; tsy manoso-potaka azy eo imason’izao tontolo izao ve isika raha maneho azy ao anaty kilema, fahoriana ; tsy hoesoiny sy akorainy ve isika dia tsiratsirainy koa Andriamanitra solointsika tena tsy am-pahamendrehana.

Fehezintsika àry izay voalaza izay, ka iezahantsika ny miala lavitra ireny kilema ety ivelany ireny.

Sady maharatsy tarehy antsika mantsy izy ireny no itarafana ny haratsiam-panahintsika koa, ka io no tena loza ; miasà mafy hiala amin’ireny àry, fa sady mahasoa antsika no mahasoa ny namana.

Kilema ivelany samihafa eo amin’ny tena :

Mety misy kilema ny fomba isehoan’ny endrika ety ivelany :

ny fomba fitafinao

ny fomba fihetsikao

Pas traduit

ny fomba amam-panaonao

ny fomba fiteninao

ny fomba fandehanao

ny teny aloakan’ny vavanao, ny feonao,

ny fomba fijerinao,

ny ataonao,

ny fomba fipetrakao na fitsangananao

ny fitondranao ny tenanao

ny fitambaran’ny tenanao manontolo

ety ivelany.

Pejy faha-200

Vérifier correspondance du tableau

Kilema ivelan’ny tena[152]

Endrika

mirehareha
miavonavona
manambany

soso-dava
tezitra
vinitra

berehaka
sahisahy
tsy mahalala mentara

maivan-doha
bekotaba
tsy mitandrina

mpiasabe
saron-kenatra
badolahy (vavy)
be kizitina

malahelo
gaigy na dia
be dongy
sahiran-tsaina

tsy misahirana
miahakahan-kevitra

faly
fahafaham-pon’ny tena
fahafinaretan’ny tena

Fihetsika

mikaviavia
amboamboarina
mikofokofoka
tsy mahafehy tena

Fipetraka

mosalahy
tsy maontina
manodoka

Fitafy

maloto
misaritaka
tsy voakarakara

tsy kasihin-dalitra
tsy mandray ravin-dena
be rehareha
ara-damaody

Fomba amam- panao

Amboamboarina
manara-damaody
tia tena
tafahoatra
mandrajako
te-ho deraina

jadona
tsy mahalala fomba
mamohehitra

Mitavozavoza

Feo

avo
mivantambatana
berehaka
maneho fahefana
vinitra
eno hasosorana
fetsifetsy

Mamohehitra
manambitamby
 

be ranomaso
be taraina
tsalotsalo

be trerona
mitoreho[153]

ny feo raitra
feo tsara
feo mivalana

Famindra

Tampoka
mikitaontaona
mitrevatreva
maika lava

Mitaredretra
mavesatra
misari-tongotra

Teny

Marikivy
malefaka, mamy
be doka
manindrona
manaikitra
maneso
mibadabada
manompa

Pejy faha-201

Fijery

miatsaravelatsihy
miafina ambany
fetsy
ratsy

maha-te-ho tia
tsy mihetsika
be fitia

maminany
tia jerijery
be fialonana
mpitsiriritra

Fitsanganana

Mahitsy
henjana, mijaridina
vokoka
manjoko
mitanila
mivembena

Fomba fiasa

miadana
tampotampoka
maika lava

Fihetsehana

mamizana
tafahoatra
tsy voafehy

Toetra ivelany

moraina
mahafinaritra
mahalala fomba
ara-drariny
malemy
mamitaka

mahery
masiaka
henjana
mampilefa

mihaingo
tsy kasihin-dalitra
maninto-maso

Pejy faha-202

Ireo no azo lazaina fa kileman’ny tenantsika, koa raha mahatsikaritra ianao fa misy mahazo anao amin’ireo dia ahitsio, na esory tanteraka, satria adidy izany, ka apetraho eo amin’ny toerany ny hatsarana mifanohitra aminy.

Omeo voninahitra amin’ny tenantsika i Jesoa Kristy.

Ento ao amintsika Izy, ka esory ireo kilema ivelany ireo.

Ny fahamaontinana no lehibe indrindra amin’ireo hatsaram-panahy hita ety ivelany ireo, ka anafaran’i Md. Paoly antsika satria manentana ny fanahy manontolo izy. Mbà maontina amin’ny zavatra rehetra. (Fil 4, 5)

Famintinana sy fehiny :

Manàna àry : endrika hentitra sy tony

toetra mendri-kaja

fitafiana madio sy mihaja

fomba tsara sy ara-drariny

feo feno halemem-panahy sy fitiavana

famindra milanto sy mangina

fijery feno fanetren-tena sy maontina

teny voalanjalanja sy malina.

Ny fihetsintsika manontolo ety ivelany dia tsy maintsy mahasarika ny namana ka mahatonga azy hino fa mitondra an’Andriamanitra ho azy marina isika ao amintsika ao, ary endrik’Andriamanitra marina manoloana izao tontolo izao.

7° Ny mandà ny tenany dia manaiky ny fijaliana sy ny fahafatesan’ny vatana.

Mifaly sy maty, ireo no fepetra ho an’ny vatantsika eto an-tany.

Tsarovinao ry olombelona fa vovoka ianao ka hody vovoka indray.

Voadidy ho faty indray mandeha ny olombelona tsirairay.

Manambara mialoha ny fahafatesana ny fijaliana na fahoriana, isan’andro, ary mampitandrina antsika fa mety maty isika, satria manam-piafarana ny vatantsika.

Izany no nilazan’i Md. Paoly hoe : Maty isan’andro aho. Quotidie morior.

Mijaly sy ho faty no anjarantsika.

Ny teny feno fanekena tanteraka naloaky ny vavan’ny Tompontsika tao an-tanimbolin’oliva, no mampianatra antsika ny tsy maintsy hanekentsika ny fahafatesana, rahefa sitrak’Andriamanitra ny handefa azy amintsika :

Ny sitraponao anie no aoka ho tanteraka fa tsy ny ahy !

Tsy maintsy hatao batemy amin’ny batemy hafa aho, ka tsy andriko ny hahatanterahany amiko.

Aza matahotra izay mamono ny vatana, fa matahora izay mamono ny fanahy.

Izay nandà marina ny tenany dia tsy maintsy manana izay toe-panahy izay manoloana ny fahafatesana.

Manaiky hizaka ny fahorian’ny vatana isan’andro, am-panetren-tena sy am-panekena ny sitrapon’Andriamanitra.

Pejy faha-203

Alaviriny ny fitarainan-dava amin’ireny areti-madinika mpahazo ireny.

Alaviriny ireny kenokenona itadiavana fikarakarana manokana ny tena ireny, fa indrindra ny fikarakarana tafahoatra ny vatana sy ny fahasalamana.

Fikarakarana tafahoatra.

Tsy mba hananany ny fahatahorana ny aloky ny fahafatesana miantraika amin’ireo tia vatana loatra.

Tsy mba mikarakara ny vatany izy, raha tsy tena ilaina mihitsy izany, na hoe efa tsy afa-mihetsika izy.

Mihalasa isan’andro tsikelikely manko ny vatana.

Maty isan’andro aho. Quotidie morior.

Mahaiza miatrika ny fahafoanan’ny vatanao isan’andro mihiratra, ka atolory ho sorona izy isaky ny ora mandalo.

Isan’andro, dia tsarovy fa misy singam-batanao miala aminy : volo ; nify, amin’ny fotoana tsy ampoizina, maty ny rantsambatanao iray, dia amin’ny andro hafa, ny iray koa tsy mihetsika intsony.

Fambara ireny rehetra ireny fa tsy maintsy mivonona hiatrika ny fahafatesana ianao, fa manakaiky izy, ary tsy ho velona mandrakariva eto an-tany ianao.

Tempus resolutionis meae instat. [Tonga ny fotoana tsy maintsy handehanako. (2 Tim 4, 6)]

Sambatra izay mahatsinjo mialoha ka efa mihomana fa tsy maintsy ho tonga aminy izany fotoana izany, ka tsy ho voafitaka izy.

Ny fitiava-namana anefa mandidy antsika hikarakara ireo mijaly.

Ny fandavan-tena kosa eo an-daniny mitaky ny fanadinoantsika ny tenantsika, ka tsy hampifantoka antsika loatra amin’ny vatana.

Ka ny antsoina hoe : fikarakarana tafahoatra, dia izao :

fifantohana loatra amin’ny aretina

ka anaovana fandaniana mihoam-pampana mba hahasitranana, hitsaboana, handehanana any ivelany na hanafarana mpitsabo avy any ivelany.

Fikarakarana mihoa-pampana ny vatana.

Misy fikarakarana madinidinika nefa tsy mifanaraka mihitsy amin’ny fanahy sy ny olona voatokana.

Ny olona mandà ny tenany dia mahita fa be loatra mandrakariva ny fahasahiranan’ny olona mikarakara azy.

Sorena izy fa voakarakara loatra ; te-handà izy fa tsy manaiky tsy akory, ary raha manaiky aza, dia am-pankasitrahana sy fanetren-tena lehibe mandrakariva.

Fa izay tia ny vatany kosa, dia tsy ampy azy mihitsy ny fikarakarana atao aminy, mangata-dava fikarakarana manokana izy, tsy afa-po mihitsy, ary mitaky lalan-dava, mila voatsihary ; mila mpanompo zavon-tany hanompo azy irery, ny olon-drehetra dia tiany hanotrona azy daholo ;

Pejy faha-204

hikaroka izao zava-tsy hita rehetra izao etsy sy eroa ; ondana, kalipetra, seza, ondan-dava ; tsy misy tsy itarainany [..][154]

Tsy misy hitako manohitra ny fanetren-tena, sy ny fahaizana mankasitraka, ny fahantrana mihoatra io toetra mila voatsihary io ; sady manafintohina ny olona eny ivelany no mahakely fitia ny ao anatiny.

Fampiharana.

Mba hiainantsika ny tenin’i Kristy hoe : dia hiezaka isika hiala amin’ireny fitarainan-dava sy fitakiana fikarakarana manokana ny vatana ireny raha misy aretina na fahasorenana mahazo antsika. Ndeha mba hiainana ny fanekena sy ny fanetren-tena mampiavaka antsika manoloana ny fahafatesana.

Aoka ny sitraponao no hotanteraka fa tsy ny hay !

Indray mandeha isam-bolana, dia hanao laretirety isika hiomanantsika amin’ny fahafatesana, ka hifantohantsika amin’ny fitiavam-bavaka sy ny fandavan-tena : azontsika atao izany ohatra amin’ny alalan’ny fandehanana mangataka, kanefa aoka tsy ho sampona amin’ny adidy sy ny andraikitra tsy maintsy sahanina izany.

Inona no tokony hatao raha marary ny rahalahintsika.
Atao ahoana ny manotrona ny miady aina.
Sakramenta, fiadian’aina, fandevenana.

Pejy faha-205

Mba handavana ny tena, dia
2° Tsy maintsy lavina ihany koa ny sain’ny tena.

Pejy faha-207

Inona marina moa no tiana hambara, raha miresaka saina na fanahy isika ?

Hevitra roa no fonosin’io. Ny voalohany dia mikasika ny fahalalana, ny fandanjalanjana, ny fahazavan-tsaina. Amin’izay lafiny izay dia tsy mahakasika azy ny fandavana takiana amintsika satria tsy misy dikany. Ny faharoa indray dia mikasika ny fombantsika entintsika mihevitra, mitsara, azo lazaina koa hoe toe-tsaintsika manokana. Mitombina tsara eto ny fandavana takiana.

Ny fandavana ny sain’ny tena àry tsy midika mihitsy hoe : foanana ny fahazavan-tsaina ; tsy azo adika koa hoe : tsy mahazo manakatra ny dikan’izay lazaina amiko aho, na mandanjalanja izay ampanaovina ahy. Tsy misy olona afa-manatanteraka izany raha mbola olombelona ihany, mandainga na mamita-tena izay milaza fa tonga amin’izany. Ny fandavana ny sain’ny tena, dia fialana amin’ny toe-tsaina manokana ananana sy tonga ho azy mba handraisana hafahafa kokoa hita fa mety ary marina.

Koa noho izany, ny fandavana ny sain’ny tena dia hoe : ity aho mihevitra, mandanjalanja, araka izay azo atao, am-pahazavan-tsaina tanteraka, ka hialako izay hevitro manokana tsy mahomby, mba handraisako izay hevitr’ireo mahalala bebe kokoa noho izaho. Amin’izay fotoana izay, ny fandavana ny sain’ny tena dia tena fampiharana ny fahazavan-tsaina, amin’ny lafiny voa-janahary fotsiny, dia ilay antsoina hoe : fahendrena. Indrisy anefa, ny zava-misy dia izao, izay tsy mitovy hevitra amintsika dia heverintsika ho adala daholo. Hevi-diso izany, mifanohitra amin’ny tena fahendrena. Ny tena fahendrena dia ny fahaizana manontany tena hoe : iza no tena manana ny marina amin’ny anton-javatra toy izao na toy ity ?

Matetika mitranga manko ny tsy fahaizana mankatò ny fitakiana ara-panahy tsy maintsy misy eo amin’ny fandavana ny saina noho ny tsy fahampin’io fahendrena natoraly io.[155] Araka ny fiheveran’i Mompera Chevrier azy, dia tena ilaina aloha ny fandavana ilay toe-tsaina ara-nofo, izay vao ho afaka mandà ilay ara-pinoana na ara-panahy ; izany hoe : ampandeferina lalina dia lalina ny toe-tsain’ny tena manokana mba handraisana ilay toe-tsaina atolotr’i Jesoa Kristy na, mazavazava kokoa hoe : alefitra ny fahazavan-tsaina voa-janahary nomeny ny olombelona, mba handraisana sy ampiasana ilay iray vaovao omen’ny Fanahy Masina sy entaniny.

Matoa ny lehibe indrindra amin’ny andininy rehetra manentana ny finoana io, hoy i Mompera Chevrier, ary mba hanaporofoana izany, dia atolony ho fantatra ireo kilemam-panahy

Pejy faha-208

na kileman-tsaina manakana ny olona tsy handray io fahazavan-tsaina avy amin’ny Fanahy Masina io. Tsy azo lavina ny fisian’ireo kilema ireo, ary maro noho izay voatanisa aza ny asany. Marina fa mety tsy hanana azy rehetra mitambatra ny tsirairay amin’ny olona, fa tsy ampy saina kosa izay milaza fa tsy manana na dia iray aza. Samia mijery ny manodidina azy, haingana ; amin’izany no ahitana fa Ranona dia namana mahafatra-po saingy tsy manam-paharetana ; i Kala kely ity indray tsara sitra-pò fa saingy tsy mahay mampihatra ny voalazany ; Rangahy io indray tena tia asa marina fa saingy te hanjakazaka loatra, sns…

Zava-dehibe mihitsy ny fahatongavana amin’izany fahiratan-tsaina izany mba hahalalana ny tsy ampy ao amin’ny tena ao. Tsy ampy anefa raha ny fahiratan-tsaintsika fotsiny, tsy maintsy ihoarana io. Tsy mijanona fotsiny teo amin’ny famahavahana ny toe-tsaina voa-janahary i Mompera Chevrier. Resaka ara-panahy mandalina ny finoana no ataony. Fantany manko, fa mba ho afa-misokatra tanteraka handray ny fanentanan’ny Fanahin’Andriamanitra ny saintsika, dia tsy maintsy miombona ao anatin’ny haizin’ny finoana sy ny fitsaran’Andriamanitra ny toe-tsaintsika aloha. Izay te-hijanom-potsiny amin’ny fahiratan-tsaina maha-voaary azy, dia ho tavela ho nofo ihany ary tsy ho afa-manatanteraka afa-tsy ny asan’ny nofo, araka ny voalazan’i Md. Paoly.[156]

Matoa sady lehibe indrindra amin’ny andininy rehetra satria mamela hitsidika ny tena heverin’i Mompera Chevrier momba ny toetra maha-pretra sy ny niainany izany toetra ambony izany.

Ireto tsoahina ireto izany heviny izany :

I Jesoa Kristy dia Iraky ny Ray.

Ny pretra dia irak’i Jesoa Kristy.

Izay lazain’i Jesoa Kristy momba ny tenany, dia tsy maintsy hain’ny Pretra koa ny mampihatra azy amin’ny tenany.

Mitafy ireo toetra maha-irak’i Jesoa Kristy ireo izy ka tsy maintsy miaina izay takiana aminy[157].

Teny fohy sy tsotra anazavana ny Tenin’i Jesoa Kristy tamin’ny Apôstôly izao, ka tsy miambo ho feno : « Tahaka ny nanirahan’ny Ray ahy no anirahako anareo koa ».[158]

Nirahina tahaka ny nanirahana an’i Jesoa Kristy ny Pretra, koa raha araka ny hevitr’i Mompera Chevrier dia hoe :

Mahalala ny Rainy i Jesoa Kristy. Teniny no lazainy ; asany no ataony ary izay rehetra lazainy sy ataony, dia lazainy sy ataony miaraka amin’ny Rainy avokoa

Koa noho izany, dia tsy maintsy miteny sy miasa araka an’i Jesoa Kristy ny Pretra, sy miombona, miray, miaraka aminy ; amin’izay dia miombona miray ary miaraka amin’ny Ray izy ary manao ny zavatra rehetra araka an’Andriamanitra koa.[159]

Ahoana àry no hahatanterahana izany ? dia io ilay antsoin’i Mompera Chevrier hoe : amin’ny fandavana ny saintsika manokana.

Tena matoan’ny andininy rehetra io satria miainga avy ao aminy ny sisa. Mandà ny toe-tsainy manokana mba handraisana ny Fanahin’ Andriamanitra, Fanahin’i Jesoa Kristy. Arakaraky ny andraisantsika sy ananantsika ny Fanahin’Andriamanitra

Pejy faha-209

manko no hahatakarantsika ny momba an’Andriamanitra, hahatonga antsika ho olona ara-panahy sy hanatanterahantsika izay ampianarin’ny Fanahy Masina antsika.[160]

Mbola fivoasany ny Evanjely koa no omeny antsika eto : « Tahaka ny nanirahan’ny Ray ahy, no anirahako anareo koa. Ary rahefa avy nilaza izany Izy, dia nitsoka azy ireo, ka nanao hoe : Raiso ny Fanahy Masina ».[161]

Mbola manamafy ny mampafonja io andininy io ihany ny vokatra mihatra avy hatrany tsoahin’i Mompera Chevrier. Anisan’ny vokatra lehibe indrindra amin’ireny ny fanofanana pretra. Toa ohatry ny mifanohitra ihany amin’ny fandavana ny toe-tsaina manokana anefa izany raha tsy halalinina tsara.

Io ny fahoriantsika, notorotoronina tao anatin’ny ota isika, nofo aman-drà fotsiny ka ratsy, tsy afa-manana hevi-madio akory. [162]

Raha izay no iaingana dia toa ho alaim-panahy haka fanapahan-kevitra henjam-be hanerena ny olona hanaraka izay tiantsika isika sao dia hanara-batana izy ka ho very. Tsy izany mihitsy no izy fa ny mifanohitra amin’izany.

Tsy ety amin’ny lalàna ivelany na fitsipi-pifehezana ny Fanahin’Andriamanitra. Raha heverinareo fa voalaminareo arak’izay nitiavanareo azy sy nanamboaranareo azy, ara-penitra tekinika hoy ianareo, ny olonareo, ka inoanareo fa ao tokoa ny fanahin’Andriamanitra, dia maneke fa tena diso làlana ianareo. Mety tsy ho ao mihitsy aza ny Fanahin’Andriamanitra. [163]

Mampianatra antsika lalam-panofanana iray sady mitory fileferana sy fahafahana i Mompera Chevrier. Marina tokoa manko fa Andriamanitra irery no mampamokatra ao amintsika ny fandavan-tsaina tena marina, tena asan’ny fahazavan-tsaina ara-panahy. Fahasoavana manokana avy amin’ny Fanahin’ny Fahendrena sy fahazavan-tsaina izany, ary tsy asan’ny olombelona fa asan’i Jesoa Kristy. [164]

Lalam-piofanana malalaka fa mitaky toetra henjana be eo amin’ny mpampiofana, izay tsy maintsy mahafoy tena tanteraka.

Ny fitsipi-pifehezana tena izy tsy maintsy ampiharina amin’ny hafa dia ity : Araho aho, manaova toa ahy.[165]

Fahalalahana sy fitakiana mbola hiverenana rahefa miresaka momba ny fiainanan’ny fikambana apôstôlika isika[166]. Mihamafy kokoa eto ny fampiharan’i Mompera Chevrier ny traikefa apôstôlikany. Miverimberina matetika mihitsy ny teny hoe : Fanahin’Andriamanitra ao aoriana ao. Aza mijanona amin’ny an-tsipirian-javatra anefa, fa na dia « f » kely na « F » no anoratan’i Mompera Chevrier azy dia raiso ho toy ny fanahin’Andriamanitra daholo.

satria sarotra ny manavaka

Pejy faha-210

azy eny fa na dia ao amin’ny Baiboly aza.

Raha voalaza manko fa hoe : afa-mividy na mahazo ny fanahin’Andriamanitra dia ilay toe-tsaina no tian-kambara ; toe-tsaina tiana hovan’ny fanilovan’ny Fanahin’Andriamanitra[167]. Tsy azo, ary tsy ho voavidy na oviana na oviana ny Fanahy Masina, satria nomena antsika maimaim-poana Izy, ao anatin’ny fahafahana tanteraka,[168] na dia izy aza no manentana ny asantsika rehetra mba hahitam-bokatra eo amin’ny fanavaozana ara-panahy. [169]

Pejy faha-211

Rahefa avy niresaka ny fandavantsika ny vatantsika, ilay vaingan-javatra ety ivelany amin’ny olona, dia ndeha indray handà ilay tena maha-olona ny olona, ilay tena maha-antsika antsika, dia ny saina, satria io no manazava, io no mitondra, io no mihevitra sy manentana ny maha-olona.

Azo lazaina marina fa io no matoan’ny andininy rehetra sy ambony indrindra amin’izy rehetra, satria ny saina no mampihevitra antsika, ny saina no mitondra sy manapaka ao amintsika, ka raha tsara ny saina dia ho tsara daholo ny sisa, fa raha ratsy ny saina dia ho ratsy daholo ny sisa rehetra.

Ny maso no fanilon’ny vatana, raha tsotra ny maso, dia hazava daholo ny vatana manontolo, fa raha ratsy ny maso, dia hihitsoka ao anaty haizim-pito ny vatana manontolo. (Mt 6, 22 ; Lk 11, 34)1

Fotom-pampianaran’i Jesoa Kristy Tompontsika momba ny fandavana ny sain’ny tena.

Raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, handray ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy. (Mt 16, 24)

Inona moa no ambonimbonin’ny saina ao amin’ny tenantsika ao satria izy no maha-antsika antsika sy maha toy izao antsika ?

Hoy i Jesoa tamin’i Nikodema : Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy hateraka indray ny olona, dia tsy hahazo ny Fanjakan’ny lanitra akory.

Tsy azon’i Nikodema mihitsy izay tian’i Jesoa hambara aminy, ka nohazavain’ny Jesoa toy izao : Raha tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy ny olona dia tsy hahazo ny Fanjakan’ny lanitra. (Jo 3, 5)

Inona koa àry no dikan’izany ateraky ny rano sy ny Fanahy Masina izany, raha tsy ny hoe : hovana ny saina, ka ialàna ilay taloha mba handraisana ilay vaovao avy amin’Andriamanitra.

____________________

1. Ms XI 224 – Ms XII 37.

Io angamba no tena matoan’ny andininy rehetra satria avy ao aminy no miainga ny sisa. Lavina ny sain’ny tena mba handraisana ny Fanahin’Andriamanitra. Arakaraky ny handavantsika ny toe-tsaintsika manko, no hahafahantsika mandray ny Fanahin’ Andriamanitra sy mahalala ny momba an’Andriamanitra ary hahatonga antsika ho olona ara-panahy afa-manatanteraka izay ampianarin’ny Fanahin’Andriamanitra antsika. (Ms X 224)

Samy hafa ny Fanahin’Andriamanitra sy ny sain’olombelona. Ny fanahin’ Andriamanitra dia fahendrena, fa ny sain’olombelona dia hadalàna. (Ms XII 37)

Pejy faha-212

Any ho any indray i Jesoa milaza amintsika hoe : Raha tsy tonga tahaka ny zazakely ianareo, dia tsy hiditra amin’ny Fanjakan’ny lanitra mihitsy. (Mt 18, 3)

Raha tsy mandray ny Fanjakan’Andraiamanitra tahaka ny zazakely ianareo, dia tsy hiditra any mihitsy. (Mt 10, 15)

Fanazavana sy fanamafisana io foto-pampianarana io

Tsy misy teny mazavazava an-koatra io nambaran’ ny Tompontsika io mba hilazana amintsika fa tena ilaina ny fandavana ny sain’ny tena, satria tiany ny hahaterahantsika indray, amin’ny saina vaovao dia ny Fanahy Masina ; ny hahatonga antsika ho zazakely. Tsy noho ny vatana fa noho ny saina, ny fanahy no hahatonga antsika ho bitika, hahaterahantsika indray.

Fa maninona no tsy maintsy lavina ny saintsika ?

Mbola ny Tompontsika ihany no milaza azy raha nanazava an’i Nikôdema io fahaterahana io indray io Izy :

Izay ateraky ny nofo dia nofo,

izay ateraky ny fanahy dia fanahy. (Jo 3, 6)

Na dia tsy nateraky ny nofo aza ny saintsika, dia mandray anjara amin’ny kileman’ny nofo, ary raha vao tonga ao amintsika izy dia very ny hatsarany, ny fahamarinany, ny toetra tsara nomen’Andriamanitra azy tany am-piandohana, mandray anjara amin’ny fahoriantsika izy… amin’ny haratsian-toetra nolovantsika tamin’i Adama teo am-pahaterahana, amin’ny kilema isan-karazan’ny nofontsika.

Notorotoronina tao anatin’ny ota isika.

Fantatr’Andriamanitra ny hevitra ao am-pon’ny olona, hoy i Md. Paoly ary hainy fa zava-poana izy. (1 Kôr 3, 20)

Tsy afa-manana hevitra tsara noho isika manokana isika. (2 Kôr 3, 5)

Io no fahoriantsika, notorotoronina tao anatin’ny ota isika, nofo aman-drà fotsiny isika ka feno haratsiana, tsy afa-manan-kevitra madio akory, saingy manana hevi-dratsy be dia be, raha tsy ampian’ny fahasoavan’Andriamanitra.[170]

Inona izany mandà ny sainy izany ?

Fahatsiarovan-tena aloha fa tsinontsinona ny tena, ka sady zohim-pahoriana no feno kilema, hany ka tsy mahavita ninoninona raha ny tenantsika manokana, ka tsy maintsy miezaka mafy mba hiala amin’io saintsika io, amin’ny fontsika manontolo hanova azy araka ny fanahin’Andriamanitra.

Miala tanteraka amin’ny kileman-tsaintsika.

Tsy mahalala ny tenantsika isika, feno kilema, fa ny tena loza dia lazaintsika indraindray fa hatsarana ireny kilema ireny.

Pejy faha-213

Inona avy ireo kileman-tsaintsika ?

Raha niteny tamin’ny Jody mba hampahalala azy ireo ny toetra ratsiny ny Tompontsika, mba hialany amin’izany sain-dratsy izany, dia hoy Izy :

Avy ao anatin’ny fon’ny olona no ivoahan’ny : hevi-dratsy, ny fijangajangana, ny fahavetavetana, ny vonoan’olona, ny halatra, ny fahirana, ny havinirana, ny fiangarana, ny fahalotoana, ny maso ratsy, ny fiampangana tsy marina, ny faniratsirana, ny fiavonavonana, ny hadalana.

Avy ao anatin’ny olona no iavian’ireo ratsy rehetra ireo, ary ireo no mandoto ny olona. (Mt 15, 19 ; Mk 7, 21)

Tanisain’i Md. Paoly indray ireo vokatry ny nofo tsy avy amin’Andriamanitra, fa avy amintsika, avy ao anatintsika, avy ao an-tsaintsika, miloatra avy ao anatintsika ao, ka hoy izy :

Ny vokatry ny nofo dia ireto : ny fahavetavetana, ny fahalotoana, fanompoan-tsampy, ny fanaovana ody mahery, ny fiandaniana, ny fizarazarana, ny fialonana, ny habibiana, ny adilahy, ny fankahalana, ny hadisoan-kevitra, ny fitsiriritana sy ny kilema maro be tsy hita isa, fa izay hita ataon’ny olona ihany no ampitandremako anareo satria izay minia manao ireny dia tsy mba handova ny lanitra. (Gal 5, 19)

Tsara ihany anefa ny hitanisana ny sasantsasany amin’ireny kilema ireny mba hamantarana azy amin’ny tena sy hialana aminy haingana.

Pejy faha-214

Ny kileman-tsaina[171] (Vérifier les traductions de chaque mot)

saina

miavonavona
mirehareha
mahaleo tena
manambony tena
manambany olona
manjakazaka

miady lahatra
madi-doha
tsy manaiky

mora tohina
kizintin-dava[172]

maivana
lasan-kivelany
manonofinofy
mivezivezy
mihahaka
lasan-ko vavany
afomololo

be fangorona
tia tena
mpamaly ratsy
mpanaratsy

mpiatsaravelatsihy
mpandainga
mpamazivazy
fetsiratsy
mpamitaka
mpanodoka

Saina (2ème colonne du tableau)

mpitsikera
mpanadroadro
mpisompatra

mpanohitra
matavin’ady
mpampisaraka
mpikomy
mpizarazara

Mihetraketraka
be sangisangy
tezi-dava

mamaky akotry
tery saina
be ahiahy
miatsaravelatsihy
mpiantsika ady
henjana
kizintina
migoragora

mpamazivazy
misangisangy
tia hehy
sain-jaza

mandoatra
diso
diso làlana

te-hijery
basivava
mpifosafosa

saina (3ème colonne du tableau)

mahay
mihambo
mpahalala
matoky
manao teny tsy valiana
mahatapaka

marary
manonofy lava
be tebiteby
feno hevi-diso
manidina
adala

mampihomehy
mamoapoaka
hatsikana

lasan-drivotra
miangolangola
maivan-doha
miovaova
tsy manahy

malahelo
haolohaolo
be ahiahy
mikombon-dava

be resaka
tia volana
mirefarefa
mikisina
kamo

te hoderaina
be rehaka
mpanodoka

Pejy faha-215

Io fitanisan-kilema io no mampibaribary ny maha matoa ity andininy ity.

Tsy hita isa noho izany ny kileman-tsaintsika, kanefa dia avy amin’izy ireo no itondrantsika tena, itsarantsika zavatra, sy itondrantsika olona.

Izany no mahatonga antsika ho diso famindra, ho latsaka matetika anaty hantsana,

ka nahatonga ny Tompontsika nilaza hoe :

Fanilon’ny vatana ny maso, ka raha ny maso no ratsy, dia miaina ao anaty haizim-pito ny vatanao manontolo.

Raha jamba saina isika, hataontsika ahoana no hitondra tena sy hitondra ny hafa ?

Tsy misy jamba mitantana jamba, raha tsy izany dia hivarina any an-davaka izy roa.

Sahala amin’ny rahona na voaly ny kilema eo anoloantsika, sady manakona antsika izy no manakan-dàlana.

Ilaina dia ilaina tokoa ary ny miala amin’ny kileman-tsaina, mba hambolena saina tsara sy vaovao, izay tsy azo tsy angatahina.

Mikaroha hahazo saina tsara, zava-dehibe izany ; ary izay ihany angatahina.

Misy fanilo telo manazava antsika ao amintsika ao :

Ny saina,

ny demony,

ary Andriamanitra.

Sarotra ny mamantatra izay tena manilo antsika amin’izy ireo, raha tsy tsilovin’ny hazavana avy any ambony ny fanilo kely feno haizim-pito ananantsika.

Inona àry no tsy maintsy atao mba handavana ny sain’ny tena ?
Tsy maintsy iadiana aloha ny kilemam-panahy

Tsy maintsy fantatsika mazava tsara fa izay ateraky ny nofo dia nofo, ary tsy maintsy miady amin’ny nofo isika, dia ilay avy amin’ ny natiora ratsy sy lo, hoy i Md. Paoly :

Mitondrà tena araka ny fanahin’Andriamanitra, dia tsy hovoatarika hanao ny asan’ny nofo ianareo, satria ny nofo, minfandany amin’ny fanahy, ary ny fanahy manohitra ny nofo. Mifanohitra izy roa. (Gal 5, 16)

Ary hoy izy ao amin’ny taratasiny : Izao àry no lazaiko sy ambarako anareo ao amin’ny Tompo. Aza manao fitondran-tenan’ny jentily izay mizotra araka ny hevi-poana fa mihamaizin-tsaina izy ireny ka manalavitra ny fiainan’Andriamanitra, noho ny tsy fahalalana amam-pahajambam-pony. (Ef 4, 17)

Izaho kosa dia ara-nofo, namidy ho andevon’ny fahotana, satria, tsy izay tiako atao no ataoko, fa ny halako no ataoko. (Rôm 7, 14)

Pejy faha-216

Ny tenantsika àry aloha no tsy maintsy toherina voalohany. Io no ady lehibe indrindra amin’ny ady rehetra satria sady mampihorohoro no tsy an-kiato, ary tsy vitantsika irery fa mila ny fanampianan’ny fahasoavan’Andriamanitra.

Koa raha tsikaritsika indray mandeha fa misy kileman-tsaina iray amin’ireo ao amintsika ao, dia iadio izy ary aza amelana mihitsy raha tsy resy ka maty tanteraka, noho ny fahasoavan’Andriamanitra.

Endahina ilay olona taloha.

Ny ady mafy sy maharitra atao amin’ny kileman-tsaina ihany no ahafahana manary ilay olombelona taloha.

Tsy maintsy ariana izy io.

Hoy anie i Md. Paoly manafatra : Ario any ilay olombelona taloha sy ny asany, ary tafio ilay olom-baovao, izay havaozina noho ny fahalalana lavorary araka ny endrik’ilay nahary azy. (Kôl 3, 9)

Ary miteny antsika koa hoe :

Esory re ny lalivay tranainy, mba ho madio kokoa ianareo, sady efa mofo tsy misy lalivay rahateo ianareo satria efa voavono i Kristy, zanak’ondrin’ny Paka ho antsika. Koa aoka àry isika hankalaza ny fety, tsy amin’ny lalivay tranainy, na amin’ny lalivaim-paharatsiana aman-dolom-po, fa amin’ny fahadiovam-po amam-pahamarinana. (1 Kôr 5, 7)

Mihavao amin’ny atim-panahy.

Ny mihavao dia ny mamotika ny tranainy, tonta, ka manolo azy vaovao tsy mbola nampiasaina.

I Md. Paoly ihany no manafatra ny Efezianina hoe : Nampianarina araka ny fahamarinana tao amin’i Jesoa ianareo, hiala amin’ny fitondran-tenanareo taloha, ka hamela ny olon-tranainareo efa simban’ny fitaky ny filan-dratsy, mba hohavaozina ao amin’ny saina amam-panahinareo, ka hitafy ny olom-baovao izay nohariana araka an’Andriamanitra amin’ny fahamarinana amam-pahamasinana tena izy tokoa. (Ef 4, 22)

Ka hanjary olom-baovao ateraka indray noho ny Fanahy Masina.

Tsy maintsy mitafy ilay olom-baovao nohariana araka an’Andriamanitra amin’ny fahamarinana amam-pahamasinana tena izy tokoa. (Ef 4, 22)

Nova creatura. [Fahariana vaovao]

Tsy maintsy tonga olom-baovao, amin’ny fietrena ho zazakely, amin’ny famelana miandalana izay rehetra azo tamin’ilay fahaterahana ratsy taloha, ary mandray tsikelikely amin’izay ny tsara rehetra ao amin’ilay olom-baovao atolotra antsika. Raha tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy Masina indray ny olona, dia tsy hiditra any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra mihitsy.

Raha tsy tonga tahaka ny zazakely ianareo, dia tsy ho tafiditra any amin’ny Fanjakan’ny lanitra mihitsy.

Tena tsy azo idifirana mihitsy izany io fahateraham-baovao io raha tiana ny hiditra ao amin’ny fanjakan’ny zanak’Andriamanitra mivondrona ho fanjakan’Andriamanitra.

Izany hoe : ireo mahay miara-monina tsara eto an-tany no manomboka io fanjakan’ny lanitra io.

Pejy faha-217

Ny famenoana ny tena ny saina tsara avy amin’ny Fanahy Masina no ahazoana io fahateraham-baovao io

Aoka ho feno ny Fanahy Masina ianareo. (Ef 5, 18)

Io Fanahin’Andriamanitra io no manome antsika tsikelikely ny tena maha-olom-baovao.

Tahaka ny nanovan’ny Fanahy Masina ny Apôstôly, tamin’ny nandraisan’izy ireo azy.

Ho antsika ankehitriny, dia ny asa andavan’andro, no manova antsika noho ny fahasoavan’ Andriamanitra, ny fianarana, ny fivavahana.

Aiza moa no ahitana io Fanahy tsara io ?
Tsy any amin’izao tontolo izao izy.

Tsy afa-mandray ny Fanahin’Andriamanitra izao tontolo izao, tsy mahalala azy izy ary tsy mahita azy.

Mifanohitra loatra amin’Andriamanitra izao tontolo izao ka tsy ahitana an’Andriamanitra any aminy.

Ny fahendren’izao tontolo izao dia hadalana eo imason’Andriamanitra, hoy i Md. Paoly, araka ny voasoratra hoe : Ho tampohiko eo amin’ny harato napetrany ny hendry. (1 Kôr 3, 19)

Ny olona natoraly dia tsy mahazo ny ao anatin’ny fanahin’Andriamanitra, fahadalana ho azy ireny ka tsy fantany satria tsy maintsy lanjalanjaina ao anatin’ny fanomezam-pahasoavana. (1 Kôr 2, 4)1

Tsy ao amin’ny fahaizana amam-pahalalan’ny olombelona ny fanahy tsara.

Mampibontsina ny fahalalana, hoy i Md. Paoly, fa tsy manome ny Fanahy Masina mandrakariva.

Ny Fanahy Masina no manome ny tena fahaizana amam-pahalalana, kanefa ny fahaizana amam-pahalalana tsy avy amin’ny Fanahy Masina tsy mitondra ny Fanahin’Andriamanitra.

Maro tsy tambo isaina anie indrisy ny olo-mahay tsy manana ny fanahin’Andriamanitra ê !

Tsy ao anatin’ny tapi-pahaizana na ny adihevitra izy, satria zava-poana ny hevitry ny olombelona, ary tsy mahavita ninoninona isika raha isika ihany, tsy afa-mamoron-kevitra tsara akory na dia iray aza.

Mety ho lalim-pahaizana ny olona iray, mpandrindra teny igagana, mpikajy tapitr’ohatra, mpandinika mampiloa-bava, tapi-pahaizana amin’ny zavatra rehetra, kanefa tsy manana ny Fanahy Masina.

I Md. Paoly mihitsy anie no mampianatra antsika an’izany ê : Na dia miteny ny fitenin’ny olona samihafa aza aho, na dia miteny ny fitenin’ny anjely aza aho, nefa tsy manam-pitiavana, dia kipantsona mikarantsana fotsiny, langoraona midaondaom-poana.

Raha manana ny fanomezan’ny mpaminany aza aho, ka mahalala ny zava-miafina

____________________

1. Ms XI 545 – Raha olon’izao tontolo izao isika, ka mihevitra araka izao tontolo izao, miaraka amin’ny hevitr’izao tontolo izao, dia tsy afa-mandray ny fanahin’ Andriamanitra. Tsy maintsy avela ny maha-antsika antsika mba hahazoana mandray sy mahalala azy.

Pejy faha-218

sy manana ny fahalalana sy ny fahaizana amam-pinoana rehetra, nefa tsy manam-pitiavana, dia tsinontsinona akory aho. (1 Kôr 13, 1)

Mety ho manam-pahaizana amam-pahalalana tapitr’ohatra sy olo-malaza ianao, nefa tsy manana ny fanahin’Andriamanitra.

Indrisy ! misy toy izany avokoa ny toeran-drehetra, eny fa na dia ao amin’ny [Eglizy][173] aza. Tsy fahita matetika moa ny olo-malaza sy ikoizana manao tsingolobatita ka mivarina amin’ny hadisoana sy ny ratsy ? Nanam-pahalalana amam-pahaizana izy ireo, fa tsy tao aminy ny fanahin’Andriamanitra, satria nariany tsy ho ao aminy intsony.

Manaporofo io voalaza io ny fomba nifidianan’i Jesoa Kristy ny Apôstôliny. Tsy manam-pahaizana amam-pahalalana no nofidiny fa ny mahantra sy ny madinika mba hanatanteraka ny Asabeny.

Infirma mundi elegit Deus ut confundat fortia. [Izay ataon’izao tontolo izao ho malemy no nofidin’ Andriamanitra hampahamenatra ny mahery. (1 Kôl 1, 27)]

Ny Tompontsika anie ka nisaotra manokana ny Rainy tamin’ny nanomezany ny madinika sy ny mahantra izay nafeniny ny olo-mahay sy manan-daza ê.

Ny tian-ko lazaina dia hoe : na manam-pahaizana amam-pahalalana toy inona aza ianao, na malaza sy mampitolagaga toy iza, dia matetika tsy mendrika na tsy afa-mandray akory ny fanahin’Andriamanitra.[174]

Tsy fantatsika akory ny lalana’ omban’ny Fanahy Masina, hoy ny Tompontsika ; tsy fantantsika ny niaviany ary tsy azontsika takarina ny halehany ; raha avy amin’ny fahaizana amam-pahalalana izy, dia ho azontsika ny lalany. Ny hita matetika dia mifanohitra amin’ny hamoram-po sy ny fitiavam-bavaka ny fahaizana, ka mandrisika ny fankahalana sy ny tsy finoana an’Andriamanitra.[175]

Azo lazaina aza, fa indraindray tsy ao amin’ny filôzôfy na ny teôlôjiana akory Izy, na dia avy amin’ny Fanahy Masina aza ireo fahalalana ireo ; mety hanana ilay fahalalana ianao, fa tsy manana ny toe-tsaina takian’ny fahalalana, dia ilay fanahin’Andriamanitra manentana azy ; misy anie teôlôjiana malaza be nefa lavo amin’ny hadisoan-kevitra ka nanary ny fahamarinana ê ? Mamotika sy manimba ny fahamarinan’Andriamanitra indraindray ny fahalalana amam-pahaiza-mandahatra, satria tsy avy amin’ny Fanahy Masina mivantana, izay Fanahy Andriamanitra.

Misy fanahy mahalala ny marina avy hatrany ary manaiky ny fisiany, an-kafaliana sy an-kasambarana, raha vao mahita azy ; ireny olona ireny dia manana ny fanahin’Andriamanitra ambonimbony kokoa noho ny teôlôjiana ambony fahaizana tsy mahatakatra ny fahamarinana raha tsy avy nandahatra sy namehy ny fandaharany tsy misy farany.

Nomen’Andriamanitra saina manam-panahy sy fampiharana ahalalana ny marina sy ny fanomezan’Andriamanitra bebe kokoa ireny olon-tsotra ireny, noho ireo loha feno fahaizana sasantsasany. Vavolombelon’izany ireo tantsaha tsara sasany, mpiasa amin’ny orin’asa tsotra lahy sy vavy, izay mahazo avy hatrany ny zavatra avy amin’Andriamanitra ary afaka manazava azy alohalohan’ny hafa.

Pejy faha-219

Tsy any amin’ny zavatra any ivelany izy.

Tsy any amin’ny trano fonenana izy, tsy any amin’ny lamba fitafy, tsy any amin’ny harena, tsy any amin’ny anaram-boninahitra, tsy any amin’ny toerana ambony na ambany.

Tsy any amin’ny fitiavam-bavaka ivelany akory aza, satria nifady hanina sy nivavaka ary nanao asa fiantrana ny farisiana, kanefa nohelohin’ny Tompontsika ny fahamarinany na dia lehibe sy hentitra toy inona aza izy ireny eo imason’ny olombelona.

I Md. Paoly mihitsy no milaza hoe : Na dia zaraiko amin’ny mahantra aza ny fananako rehetra, ka atolotro hodorana ny tenako, nefa tsy manam-pitiavana aho, dia zava-poana ireny rehetra ireny.

Tsy ao amin’ny anaram-boninahitra na amin’ny toeram-boninahitra na ny laharam-boninahitra, na ny laharam-pahefana izy ; fambara manjavozavo ny fanahin’Andriamanitra ny ety ivelany fa tsy manome azy akory ; mety ho pretra na sanoanina, eveka, lehibe, relijiozy ianao nefa tsy manana ny fanahin’Andriamanitra satria tsy miraikitra amin’ireny anaram-panajana ety ivelany ireny ny fanahin’Andriamanitra, tsy amin’ny laharam-piamboniana, na laharam-boninahitra izy ; fambara ireny fa tsy manome azy akory.[176]

Fahadisoana mihoam-pampana mihitsy anie no ataon’ireo mihevitra fa noho izy miakanjo ny fitafiana fanaon’ny pretra toy ny akanjo rebareba, na mba manana ny laharam-boninahitra toy izao na toy izao dia manana ny fanahin’Andriamanitra ka afa-mandidy manapaka araka izay tiany sy mandalo ao anatin’ny lohany, na mampanao ny olona izay saim-pantany satria mihevitra ho hendry sy masin-toetra, ka ny laharam-boninahiny sy ny anaram-panajany no arangarangany. Tahakan’ny hoe ireny ery no mahatonga azy ho hendrihendry sy ho zazàtra kokoa amin’ny asany na matsilotsilo ka tsy hahadiso azy amin’ny ataony. Misy manko amin-dry zalahy pretra tanora no manaonao foana satria mitompo teny fantatra ka manao didy jadona tsy am-pandinihana na amam-pahamalinana akory, noho ny finoany fa tsy mety ho diso izy ka afa-mitaky sy mampiondrika ny olon-drehetra eo anatrehany, hizaka ny fitondrany sy ny fahefany.

Sady fahadisoana izany no hadalana ! tsy azon-dry zalahy ireny veroka akory fa sady halan’ny olona izy no manaratsy tena ka manala baraka ny akanjo masina tafiany.

Mila fahamalinana sy fifehezan-tena, tahotra sy fahangovitana mihitsy ny asantsika, indrindra raha mbola tanora tsy manana traikefa firy ka mety hanao hadisoana bevava maro be noho ny fizahozahoana sy ny finoana fa ny akanjo rebareba dia manome antsika ny fahendrena sy ny hatsaram-panahy.

Andriamanitra irery no manome ny fanahiny, ary tsy azo tsy vidina izy io, ary tena vidina lafo dia lafo amin’ny tena.[177]

Tsy maintsy heverina am-pitiavana toy ny manana ny fanahin’Andriamanitra ireo mitondra akanjo masina, manam-boninahitra sy haja, na asa toerana na asa ambony ; fa ireo manana ny akanjo masina sy ny laharam-boninahitra koa dia tsy maintsy mahatsiaro tena fa tsy manana azy, ka tsy maintsy maka ny fepetra rehetra mba hangatahana azy amin’Andriamanitra isan’andro isan’andro ka hanana azy bebe kokoa hatrany.

Tsy ao anatin’ny fitsipi-pitondrana na fitsipi-pifehezana ety ivelany koa ny fanahin’ Andriamanitra, na dia deraina fatratra aza izany ankehitriny, tsy ao amin’ny fitsipi-pampianarana manefy

Pejy faha-220

olona ho lamasinina fotsiny ka ahodina sy alefa araka ny famantarana fotsiny koa izy.

Raha voalaminareo arak’ireny fandaharana ety ivelany ireny ny olonareo ka mihodin-ko azy na mandeha tsy voizina toa lakan-jejo, ka inoanareo fa ao ny fanahin’Andriamanitra dia matokia fa tena diso hevitra ianareo mety tsy ho ao mihitsy aza izy, satria tsy ety ivelany ny fanahin’Andriamanitra fa ao anaty. Regnum dei intro vos est. [Indro ao anatinareo ny Fanjakan’ Andriamanitra (Lk 17, 21)] Tsy any amin’ny lakazerina moa no tena misy ny filaminana sy ny fitsipi-pifehezana ary ny fahamarinam-potoana sy ny fanarahan-dalàna ? tsy any am-ponja, any an-tsekolin’ny kaominina moa no misy izany indrindra ? kanefa, aiza no tsy ahitana ny fanahin’Andriamanitra indrindra, moa va tsy any ?[178]

Fambara fotsiny, ny ety ivelany fa tsy manome ny fanahin’Andriamanitra.1 Ity misy ohatra mety hanampy anareo hahatakatra izany hevitra izany :

Indreto misy hazo anankiroa, ny iray hazo voajanahary ary ny iray voatr’olombelona. Mitovy tsisy valaka anefa izy roa.

Ny iray dia asa tanan'olombelona no nanao azy : ny fotony, ny rantsany, ny raviny, ny voniny, ny. voany dia tena mahafinaritra ery, tsara loko tsara bika, mifanahaka tsara amin'ilay faharoa voa-janahary, milanto tsara voavoatra aoka izany, na ny bika na ny loko na ny fanahafana ; saingy ilay vitan'ny tanan'olombelona kosa, tsy manana faka, tsy manana ranoka. Mihevitra azy ho manana ny fanahin'Andriamnaitra ny ety ivelany, nefa tsy manome izany.

Asa tanan'olombelona samy irery io, fa tsy misy anjaran'Andriamanitra ao aminy.

Tsara bika ety ivelany, fa tsy misy aina ao anaty ka tsy mamokatra marina. Tsy fihinana ny voany, ary tsy mba mipetraka eo amboniny hitady sakafo ny voromanidina.

Ao amin'ilay voa-janahary indray dia kely fotsiny ny anjaran'ny olombelona, namboly, nandrantsana, nanondraka, fa Andriamanitra no mampitombo sy mamelona.

Misy ranoka anaty mahagaga tsy hitan’ny maso nefa avy amin’Andriamanitra manome aina ao aminy ; io ranoka anaty mahagaga io no mampisy ny fototra, ny taho, ny vony, ny voa, ny ravina, ary tena fihinana sy mahavelona ny voa.

Ao amin'io, dia misy aina anaty avy amin'Andriamanitra tsy ananan'
ilay voalohany. Na manahoana hatsaran'ny bikan'ilay hazo vita tanan'olombelona, dia mijanona ho hazo maty tsy miaina izy ; fa ilay voa-janahary kosa hazo mamelona satria velona.

Dia sahala amin’izany daholo ny asa voakaly ety ivelany rehetra, indrindra amin’izao androntsika izao, ka omen-danja be tokoa ao an-trano, any amin’ny sekoly tsy miankina amin’ny finoana, indraindray aza, any amin’ny sekoly kristianina : toa omen-danja bebe kokoa ny ety ivelany noho ny ao anatiny ? ilay ranoka mahavelona ao anaty tsy omena, fa toa hazo vita tanan’olombelona no atao, hazo tsy manan’aina, hazo maty.

____________________

Ms XII 16 – Inona moa no hita matetika ? Raha vao miala amin’io fiainana ivelany io ianao, amin’io fanarahan-dàlana mahazatra fotsiny io, dia toa tsy ianao intsony, tsy mandeha ho azy intsony ny lamasinina, ka na dia ny fivavahana sy ny fianarana aza ilaozana im-pito mandifitr’ olona.

Pejy faha-221

Moramora kokoa manko ny manao hazo sary toy izay hazo velona.

Tsy mitaky afa-tsy fikaliana kely, asa maivana, fahamatorana bitika, firindrana sy refy marina ny hazo sary.

Fa mba hanaovana hazo velona kosa, dia tsy maintsy tadiavina ilay ranoka mahavelona ao anaty, tsy maintsy omena ny fanahy beazina io ranoka mahavelona io, ka mba hahafahana manome azy, dia tsy maintsy ananana izy aloha, tsy maintsy omena ny fahasoavana, ny fiainana, ny finoana, ny fitiavana mahavelona, kanefa tsy afa-manome ny tsy anananao ianao, ary raha te-hanana azy, dia tsy maintsy miaritra fijaliana sy miaraka amin’Andriamanitra.

Asa ara-panahy sarotra lavitra noho ny asa sary.

Ao amintsika dia Fanahy Masina no tsy maintsy manome izay haingo ety ivelany rehetra.

Ny Fanahin’Andriamanitra no katsahina ho azo eo am-panombohana ka rahefa ao izy, dia miasa mangina tahaka ilay ranoka anaty ao amin’ny hazo, dia maneho eny ivelany ny ao anatintsika.1

Katsaho mandrakariva aloha ny fiainana anaty, izay vao ny ety ivelany ; fa raha ny ety ivelany fotsiny no omenareo, dia aleo tsy manao na inona na inona.

Misy angamba hilaza fa ny ety ivelany maneho ny ao anaty ; tsy marina mandrakariva izany, misy manko olona mahay mifehy tena kokoa ety ivelany noho ny sasany kanefa tsy ankasitrahan’Andriamanitra noho ireny hafa izay tsy tia sehoseho loatra fa manana atim-panahy tsaratsara kokoa, tsara sitra-pò kokoa ary miezaka misimisy kokoa.

Aza mitsara ny ety ivelany sy ny bika aman-tarehy, hoy ny Tompontsika.

Ny ivelany mirentirenty tsy misy ny fanahin’Andriamanitra dia sahala amin’ny vatana tsy am-panahy.

Raha manomboka ety ivelany dia sahala amin’ny manorin-trano ambony rivotra, tsy amam-pototra, manao lamasinina, famantaran-drivotra.

Tsy maintsy asiana finoana, fitiavana an’Andriamanitra, ranoka anaty mahavelona aloha.

Spiritus est qui vivificat caro non prodest quidquam. [Ny Fanahy no mahavelona fa ny nofo kosa tsy mahasoa ohatr’inona akory. (Jo 6, 63)]

Tahaka ny ankanjo fitafy ny ety ivelany, mety ho marevaka izy, tsara zaitra, manaraka aina sy bika, mahafatifaty, mihaja, fa tsy izy no manome ny fahasalamana ; raha te hahalala ny fahasalamanao ny dokotera, tsy ny ankanjonao no jereny, fa ny fitempon’ny fonao, ny lelanao, henoiny tsara ny tosidranao na ara-dalàna na tsia ; any no misy ny fahasalamana, ny hery, ny fiainana.

Tsy misy fotony akory ny ety ivelany ka tsy ahalalana mihitsy ny fiainana sy ny fahasalamana.2

Tsy midika velively anefa izany fa hoe : tsy asiana antony na atao baranahiny ny ety ivelany ka tsy misy takiana momba izany. Tsia, tsy izany mihitsy. Mahaiza mandamina, ary mahaiza manara-dalàna.

____________________

Ms XII 15 …raha tsy misy ny fanahin’Andriamanitra dia hazo sary fotsiny.

Ms XI 120 – Ny fitsipika, ny fanarahan-dalàna, dia tahaka ny akanjo tsara mandrakotra antsika, fa ao anaty, ao ambany, misy fery, misy dridra, misy aretina ; mandrakotra sy manakona ny fery sy ny dridra ny akanjo fa tsy manasitrana azy ; ny fanahy kosa manasitrana ny fery, ary vao mainka aza mandravaka sy mampitafy fahasoavana sy fitiava-namana.

Pejy faha-222

Fa na izany aza, dia ny fototra mafy orina ao anaty no tsy maintsy apetraka ho vaindohan-draharaha, ilay ranoka ara-panahy, tsy maintsy manome aina ny ety ivelany, raha tsy izay dia tsy manorin-java-maharitra sy mateza isika.

Haec oportuit facere et illa non omittere [Tsy maintsy atao izany, nefa tsy azo ajanona ny hafa. (Lk 11, 42)], hoy ny Tompontsika tamin’ny farisiana, raha niteny momba ny asa ety ivelany sy ny ao anaty Izy.

Tsy izany tokoa ve moa no hitantsika ataon’i Jesoa Kristy eo anatrehan’ny Apôstôly ? Nofidiny aloha izy ireo.

(Sady nampianatra azy ireo ny foto-kevitry ny fiainana lavorary araky ny Evanjely Izy no nampianatra azy ireo koa hampihatra azy eo amin’ny fiainany.

Tsy nisy fitsipi-piainana hafa nomeny azy ireo an-koatry ny hoe :

Avia manaraka ahy, Izaho no fitsipika arahinareo, fiainanareo, toetra ivelany alainareo tahaka. Misy manomboka amin’ny fitsipika ety ivelany, manao lalàna be dia be ; zava-poana ireny. Ny tena fitsipi-piainana tsy maintsy takiana amin’ny olona dia ity : Avia, araho Aho, manaova toa Ahy ; tsy mangata-javatra sarotra aminareo Aho, fa izay ataoko no ataovy. Avia manaraka Ahy, io no fitsipika lehibe indrindra.)

Nandritra ny telo taona niarahany tamin’izy ireo, ka nanofanany azy tamin’ny Evanjely sy ny asa anirahana azy, dia tsy hitantsika mihitsy i Jesoa Kristy nanafatra ny mpianany mba hanana fomba na fihetsika ety ivelany fotsiny na fitsipika ety ivelany, fa ny nanafarany azy fatratra dia ny iainany ao anaty ny zava-misy sy ny zava-mitranga araka ny isehoany.

Ny tena nimasoany dia ny fanovana ny ati-panahin’ireo Apôstôly. Nampianatra azy tsy tapaka Izy, nananatra azy ireo isak’izay ilàna izany koa ; nampanao azy ny asa rehetra ary nanofana azy ireo amin’ny zavatra rehetra.

Mampianatra, mananatra, maniraka hiasa mampanao ny asa anirahana, ireo no tena fomba fiasa anofanana ny olona, ka ananany ny fiainana anaty mitoetra maharitra.

Mampianatra, mananatra, miasa miaraka, maniraka hiasa io no tena fiainana, ranon-kazo mamelombelona ny fanahy ary fomba entina manome sy manambara azy ; fa raha manery ny olona ao anatin’ny lavaka na fitoerana iray fiompiana zava-manan’aina, ny mamolavola azy hanana bika iray, dia fanerena ny daholo be, fanosehana ny kilema tsy hiseho, fa tsy fanitsiana azy akory ka tsy mahagaga raha laviny an-kitsirano.

(Teo am-pamoronana ny Fiangonana, asa goavana indrindra nataon’Ilay Mahefa ny zavatra rehetra, asa soa indrindra teto an-tany, ny Tompontsika tsy nampiasa zavatra teny ivelany, fa olona no nalaina, nofenoiny ny Fanahiny sy ny Fiainany, nifidy ny Apôstôly roa ambin’ny folo Izy ary nanofana azy ireo hitory ny Vaovao Mahafaly ; tsy tamin’ny fanidiana azy ireo tao anatin’ny toby anefa, na tamin’ny fampanarahana azy ireo dingana mitovy, tsy nively aponga izy, na nanorin-trano goavana, tsy nitsoka mozika na nively langoraona, tsy nanomana lanonam-pifaliana hamoriana olona, na fampisehoana tantara ; fa tena mifanohitra amin’izany ny fanofanany azy ireo : noraràny mihitsy ny fampiasana zavatra ety ivelany manaitra sy mahasarika : vola, fitafiana mirenty : Maniraka anareo toy ny zanak’ondry eo ampovoan’ny amboadia aho, ite, docete [Mandehana, mampianara (Mt 28, 19)] ; mitoria, mananara, manasitrana ; virtus de illo exibat [Nisy hery nivoaka avy ao Aminy, (Lk 6, 19)] ; tsy mankaiza na mitondra lavitra akory ny fomba ety ivelany fa ny Lakroa, ny fiaretana ny fijaliana, ny fahasoavana, ny faharetana no mahatonga antsika lavitra dia lavitra.)

Avelao hitranga ny kilema mba hahazoana mitsara azy haingana. Fa raha terena hisitrika izy dia tsy ho voaova ho tsara na oviana na oviana satria tsy ho fantatra mihitsy, ka noho izany avelao izy ho fantatra dia ovana amin’izay.

Pejy faha-223

Mpianatro ianareo raha mifankatia.

Io no fiandohan’ny asantsika : ny fifankatiavana, ny fitiavana, ny fiainan’Andriamanitra ;

ao amin’ny fifankatiavana ny fanahin’i Jesoa Kristy, io no fiandohan’ny fiainana avy amin’ny Fanahy Masina izay fitiavana tapitr’ohatra.

Avelao izao tontolo izao hibanjina ny tena monina ao antranon’omby miaina eo ambony lakroa, ary manaiky hohanin’ny olona isan’andro sahala amin’ny nataon’i Jesoa dia hibebaka izao tontolo izao.

(Nirohitra nankany amin’i Jesoa ny olona mba hihaino Azy, mba hositraniny sy hohafahany amin’ny demony, avelao hanatona antsika koa ny olona mba hihaino antsika, hositranintsika, hesorintsika amin’ny fanahy ratsy ; izany no fisarihana an’izao tontolo izao ; izany no tsy maintsy ataontsika mba hisintonana azy any amintsika fa tsy zavatra mandalo foana eny ivelany hampiasaina ; any aoriana any angamba vao mila izany isika ; maro kokoa anie ny kristianina mafy finoana tao anaty katakômby noho ny ao anaty fiangonana miezinezina ê. Misy manko ny sasany tena mitaraina mahonena ery mikaroka fomba ety ivelany hisintonana ny olona mba hampibebahana azy. Diso hevitra mihitsy izy ary manohitra ny Evanjely ! Hevero tsara àry izany amin’ny asa ataontsika ara-panahy)

Ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana no loharano tsy maintsy ipoiran’ny ranoka mahavelona sy mitondra azy ao amintsika : ary raha manana izany ny fanahy dia tsy mila zavatra hafa intsony fa ampy azy izay.

Aleo lavitra fifankatiavana ao anaty na dia tsisy ivelany aza toa izay fomba ivelany tsy misy fifankatiavana.

Aleo lavitra misaringitra ao anaty fitiavana, toa izay milanto ao anaty fankahalàna.

Aleoko ihany ny sarita-tantelinay fahiny, hoy i Curé d’Ars, teo am-pahitana ny fomba fitondrana ny ankizy kely tao amin’ny Providence. Noterena hanaraka fitsipi-pifehezana sady tsy mifanaraka aminy no tsy azony akory manko ireo zazavavy kely tao, hany ka tena fadiranovana mihitsy i Cathérine kely izay tsy zatra izany fomba fitondrana izany. Rahefa nisy nilaza taminy àry fa tsy mahomby izy ka aleo hosoloina mba hahazoam-bokatra tsaratsara kokoa, sady mifanaraka amin’ny fanao ankehitriny, dia izao no navaliny azy :

Niaina malalaka araka ny fitiavana tao am-pony manko ny ankizy tamin’ny androny, tahaka ny fanaon’ny renin-tantely, fa tsy mba noterena hanao fiaina-miaramila ; hany ka tonga nanantona azy tamim-pitiavana, hiaina anaty fianakaviana anjakan’ny fitiavana.

Ireto àry ny tenin’ny Soratra Masina iankinan’ireo voalaza ireo :

Regnum Dei intra vos est. [Ao aminareo ny Fanjakan’ny Lanitra. (Lk 17, 21)]

Caro non prodest quidquam, spiritus est qui vivificat. [Zava-poana ny nofo, fa ny Fanahy no mahavelona. (Jo 6, 63)]

Martha, Martha, sollicita es et turbaris ergs plurima, porro unum est necessarium. Maria optimam partem elegit quae non auferetur. [Marta, Marta, be ahiahy sy maro ierehana foana ianao, kanefa zavatra kely foana no ilaina, iray monja aza : i Maria no nifidy ny anjara soa indrindra ary tsy hoesorina aminy izany. (Lk 10, 41)]

Exercitatio corporalis ad modicum utilis est, pietas auteur ad omnia utilis est. [Ny asa ara-batana dia mahasoa kely foana fa ny fivavahana no mahasoa amin’ny zavatra rehetra. (1 Tim 4, 8)]

Quinimo beati qui audiunt verbum Dei et custodiunt illud. [Sambatra kokoa izay mandray ny tenin’ Andriamanitra ka mitandrina azy. (Lk 11, 28)]

Pejy faha-224

Aza miraiki-po amin’ny hodi-kazo ; betsaka no tsy mihevitra afa-tsy ny ety ivelany ihany, ary ny hodi-kazo no itsarany ny zavatra rehetra ; eny e, ilaina ny hodi-kazo satria izy no mitondra ny ranoka mamelona ny hazo, fa atao inona hodi-kazo tsy misy ranoka ? tsy hazo maty ? Arovy ny hodi-kazo, kanefa aza adino ny manondraka, manisy zezika ny hazo hahazoany ranoka sady mahery no be tsiron’aina mba hahatonga ilay hazo ho tsara, matanjaka, mamokatra.

Ny tiako ho lazaina, dia ny fakany tsy hita maso no karakaraina fatratra.

Ao amin’i Jesoa Kristy, ny Fanahy tsara, Fanahin’Andriamanitra.

Tonga tao Nazareta i Jesoa dia niditra tao amin’ny Sinagoga araka ny fanaony, dia nitsangana mba hamaky teny.

Ny bokin’Izaia Mpaminany no natolotra azy, ka rahefa novelariny ny boky dia hitany izao voasoratra izao :

Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo fa nanosotra ahy Izy ka naniraka Ahy hitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny mahantra, hanasitrana ireo torotoro fo, hanambara ny fahafahana amin’ny voagadra sy ny mpifatotra, hampahiratra ny jamba, hitondra ny fahafahana amin’ny andevo, hanao antso avo ny taom-pahasoavan’Andriamanitra amin’ny olon-drehetrar Ary rahefa nakombony ny boky, dia natolony ny mpitandrina dia lasa izy nipetra ; nifantoka tao aminy anefa ny mason’ny rehetra.

Ary niloa-bava Izy nanao hoe : Androany, dia tanteraka ao an-tsofinareo izany teny izany. (Lk 4, 16)

I Md. Joany raha nitantara fa nahita ny Fanahy Masina nidina teo amin'i Jesoa Kristy taorian'ny bateminy, nony nivavaka izy, dia nilaza hoe :

Nisokatra nylanitra, arytamin'izay dia hitanynyFanahin'Andriamanitra, nidina teo aminy tahaka ny voromailala, ka nonina tao, ary nisy feo avy any an-danitra nanao hoe : Inty ny Zanako malalako sy ankasitrahiko indrindra. (Jo 1, 32 ; Mt 3, 16, sy ny mifanaraka aminy)

Any ho any indray, dia hoy i Md. Joany : Hitako ny Fanahy nidina avy any an-danitra tahaka ny voromailala, ka nipetraka teo aminy, ary izaho, Joany dia tsy nahalala azy, fa ilay naniraka ahy hanao batemy amin'ny rano no nanambara tamiko hoe : Ilay hitanao hidinan'ny Fanahy hitoetra ao aminy, no hanao batemy amin'ny Fanahy Masina : (Jo 1, 32)

Ary any ho any indray, dia hoy i Md. Joany : Ilay alefan'Andriamanitra, miteny ny fitenin’ Andriamanitra satria tsy voafetra ny fanomezan'ny Fanahin'Andriamanitra ao Aminy. (Jo 3, 34)

Tonga marina ary monina ao aminy mandrakariva satria noraisiny tsy misy fetrany ka mitoetra ao Aminy manontolo ny Fanahy Masina.

Ireo ny fanambarana ambaran'i Md. Joany sy i Jesoa Kristy.

Tsy milaza na inona na inona momba azy izy, satria ny Fanahy Masina ao Aminy no manambara izany sy manao ny asan'Andriamanitra rehetra ao aminy sy amin'ny alalany ary miaraka aminy, hany ka izay rehetra ataony dia mifanaraka tanteraka amin'ny sitrapon'ny Ray, satria ny Fanahy Masina mampiray azy ireo no manambara azy aminy.

Ary izany no ahasahiany milaza hoe : Tsy avy amiko ny Fampianarako fa avy amin'Ilay naniraka Ahy' : (Jn. 7, 16)

Marina Ilay naniraka Ahy, ary izay henoko taminy, dia lazaiko amin'izao tontolo izao : (Jo 8, 26)

Pejy faha-225

Ny teny rehetra voalazako taminareo, dia tsy avy amiko, fa avy amin'ny Ray izay naniraka Ahy, fa Izy ato amiko mihitsy no manao ny asa rehetra. (Jo 14, 10)

Izay hitako ao amin'ny Ray no lazaiko aminareo, izaho olombelona no milaza aminareo ny marina rehetra reko avy amin'ny Raiko. (Jn. 8, 38)

Izany teny henonareo tamiko izany, dia tsy avy amiko fa avy amin'ny Raiko izay naniraka Hay : (Jn. 14, 24)

Tsy niteny aminareo momba ahy mihitsy aho na dia kely aza, fa momba ny Raiko ihany, satria Izy izay naniraka ahy no nametra izay tsy maintsy hambarako aminareo, ary fantatro fa ny teniny dia fiainana mandrakizay.

Ka noho izany, izay voalazako rehetra dia izay nandidiany ahy ho lazaina aminareo : (Jo 12, 49)

Sahala amin'ny andrenesako azy no itsarako ary marina ny fitsarako satria tsy mikatsaka ny sitrapoko aho fa manatontosa ny sitrapon'Ilay naniraka Ahy dia ny Raiko : (Jo 5, 30)

Tsy mahavita na inona na inona amin'ny heriko samirery Aho (Jo 5, 30). Tsy mahavita na inona na inona ny Zanaka raha tsy izay nanirahan'ny Ray azy sy hitany ao amin'ny Ray, satria izay ataon'ny Ray dia iarahany amin'ny Zanaka' : (Jn. 5, 19)

Izany no ahafahantsika manambara fa Fanahy iray ihany no manambatra ny Ray sy ny Zanaka, fomba iray ihany no ao aminy, fisainana iray sy asa iray ; fanahy iray ihany no mihevitra sy mitsara ary io fanahy io ihany no miasa sy manambatra ny Ray sy ny Zanaka.

Koa raha mandre an'i Jesoa Kristy isika dia mandre ny Ray, satria miteny ny fitenin’ Andriamanitra Izy, hoy i Md. Joany.

Raha mahita an'i Jesoa miasa isika, dia mahita ny Ray miasa ao aminy satria ny Zanaka tsy manao afa-tsy izay ataon'ny Ray, izay manatontosa ny asa rehetra.

Mirindra dia mirindra anie rey olona izany firaisana izany ê ! Rindrandamina mahavariana ao amin'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina hitantsika ao amin'i Jesoa Kristy.

Koa inona àry no hataontsika ?

Mianatra an'i Jesoa Tompontsika,

Mihaino ny teniny,

Mandinika ny asany,

Mba ho tahaka Azy feno ny Fanahy Masina.

Satria izay rehetra nolazain'i Jesoa Kristy, izay rehetra nataony, dia ny Fanahy Masina no nanatanteraka sy nandidy azy. Ka noho izany dia hianarantsika lalina ny teniny, ny asany, ary ampifanarahantsika amin'izany ny fiainantsika ny tenintsika, dia ho hita taratra fa miteny ary miasa araka ny Fanahy Masina isika.

Fitsipika sady mazava no azo antoka mba hamenoan'ny Fanahy Masina antsika sy hiasantsika ary hiheverantsika araka izay lazainy izany.

Ao amin'ny Evanjely no ahitantsika ny asa rehetra nataon'i Jesoa Kristy sy ny teny nolazainy.[179]

Voatondraky ny Fanahy Masina ny Fiainany manontolo, ny asany rehetra.

Ny Teniny sy ny Asany dia fahazavana mamirapiratra omen'ny Fanahy Masina antsika, hatrany an-tranon'omby ka hatrany amin'ny kalvery.

Isaky ny Teny nambaran'i Jesoa, isaky ny ohatra nomeny dia tahaka ny tara-pahazavana avy any an-danitra omena hanazava antsika sy hanomezana fiainana antsika.

Pejy faha-226

Izay te ho fenoin'ny Fanahin'Andriamanitra dia tsy maintsy mianatra ny Tompontsika isan'andro : ny teniny, ny ohatra nomeny, ny fiainany ; ao no loharano hahitantsika ny fiainana, ny fanahin'Andriamanitra.

Horesahintsika manokana ao amin'ny boky kely fandinihana masina ity fianarana ny Tompontsika ity mba hahazoantsika sy hananantsika ny fanahiny.1

Ao amin'ny Fiangonana ny fanahin'Andriamanitra.
Ao amin'ny Papa Ray Masina ny fanahin'Andriamanitra.
Ao amin'ny olomasina rehetra ny fanahin'Andriamanitra.2
Ao amin'ny fitsipi-piainana tsara notsoahina avy amin'ny Evanjely ary nankatoavin'ny Eglizy ny fanahin'Andriamanitra.
Ao amin'ireo lehibentsika ny fanahin'Andriamanitra.[180]
Tena ilaina tokoa ny hananan'ny lehibentsika ny fanahin'Andriamanitra.
Izay tena manana ny fanahin'Andriamanitra no ilaina hofidina ho mpitondra.

Aza mijery ny fahaizany, ny fahakingany, ny talentany, ny hareny amin'izany, fa jereo ny fananany ny fitiavana mafy fototra, madio. Moa ve tia ahy ianao ? hoy i Jesoa Kristy, tamin'i Md. Piera, talohan'ny nanendreny azy ho filohan'ny Eglizy.[181]

Araka ny reko no itsarako, ary marina ny fitsarako satria tsy ny sitrapoko no ataoko, fa ny sitrapon'ilay naniraka hay. (Jo 5, 30)

____________________

1. Ms XI 118 – Ms XI 545.

Any amin'ny antsipiriham-piainan'ny Tompontsika, ny teniny, ny asany no tena ahitantsika ny Fanahin' Andriamanitra. Ao ny fiainana ara-panahy, ny hevitr' Andriamanitra no voatahiry. (Ms XI 118)

Ao amin'ny Evanjely Masina, tenin’ Andriamanitra ny Fanahin' Andriamanitra izay fahamarinana miharihary.

Ny olomasina dia olombelona feno ny Fanahin'Andriamanitra. (Ms XI 239)

Pejy faha-227

Atao ahoana ny fahazoana ny Fanahin'Andriamanitra.a

Mivavaka mafy sy mianatra ny Evanjely Masina.

Vakio im-betsaka mihitsy ny Evanjely masina ampidiro ao am-po, ianaro tsianjery, diniho isan-teny, isan'asa mba hahazoana ny heviny, dia heverina sy dinihina mandrakariva eny am- piasana, eny am-pandehanana.b

Mandrakariva dia eo am- panaovana ny fandinihana masina isan'andro no anaovana io fianarana ny fiainan'i Jesoa Kristy io mba haninteraka ny fiainana manontolo.

Manaova rozery, lalan'ny hazofijaliana, henoy ny fampianaran'ny Tompontsika, fa ao no ahitantsika ny fanilovan'ny Fanahy Masina isan'andro ary ahafahantsika miaina tsikelikely ny fiainan'i Jesoa Kristy.

Mahareta mivavaka.

Miantsoa ny Fanahy Masina matetika mba hitiavana azy ; aorian'ny sakafo ataovy ny Avia ry Fanahy Mpahary, dia tohizo amin'ny Arahaba ry Maria fito hahatsiarovana ny fanomezana fiton'ny Fanahy Masina sy ny fitiavam-bavaka ;

dia averimbereno ombieny ombieny ny hoe : Andriamanitra ô, fenoy ny Fanahinao aho ! Amin'izay, izay rehetra ataontsika dia iombonantsika amin'ny Fanahin'i Jesoa Kristy Mpampianatra sy Fahazavana ho antsika.1

Iza avy no manana ny Fanahin'Andriamanitra ?

Ireo izay maharitra mivavaka ary mangataka azy tsy tapaka.

Ireo izay mianatra tsy tapaka ny Evanjely Masina, ny teny sy ny asan'ny Tompontsika.

Ireo izay nahita ny fomba nataon'ny olomasina naka tahaka ny fiainan'i Jesoa Kristy.

Ireo izay niady ela tamin'ny kilemany mba hiainany ny fiainan'ny Tompontsikan.2

Ny olona manana ny Fanahin'Andriamanitra dia tsy mba milaza na inona na inona momba ny tenany ary tsy mba manao na inona na inona.

____________________

1. Ms XI 546 – Tsy maintsy angatahina izy io, ary angatahina amim-pitokisana fa ho azo, ampiarahina amin'ny finiavana miezaka hahazo azy, mandà tena mba handrombaka sy handray azy, fa raha tsy izany dia manaonao foana ka very maina eo satria tsy manome ny tsy ilaina Andriamanitra.

Ms XI 121 – Ny teniny matetika no ahafantarana fa manana ny fanahin'Andriamanitra ny olona iray, satria ny teny aloaky ny vava dia vokatry ny fo. Hoy anie i Jesoa Kristy tamin'i Piera : Tsy ny nofo aman-drà no nampahalala anao izany zavatra izany, fa ny Raiko any an-danitra ; manana ny Fanahin'Andriamanitra izy tamin'io fotoana io, fa tamin'ity manaraka ity kosa, tsia. Nalainy nihataka kely ny Mpampianatra azy, Jesoa Kristy, ka noteneniny mafy noho izy niresaka momba ny fijaliana miandry azy, ary nolazainy fa tsy ho tonga aminy izany. Tsy nanana ny Fanahin'Andriamanitra koa ny Apôstôly nangataka handatsaka varatra tamin'ireo olona nanakan-dalana an'i Jesoa Kristy tao Samaria. Hoy i Jesoa tamin'izy ireo : Tsy fantatrareo izay fanahy anananareo.d

==========

Naoty a : Jereo Fampidirana, p. 210.

Naoty b : Jereo Tovana II p. 514.

Naoty d : NON TRADUIT

Pejy faha-228

Noho ny tenany, fa izay rehetra lazainy, izay rehetra ataony dia miankina amin'ny teny sy ny asan'i Jesoa Kristy izay nalainy ho fototra iorenan'ny fiainany avokoa ; i Jesoa Kristy no fiainany, fiandohany, fiafarany.

Tsy izaho intsony no miaina fa i Jesoa Kristy no miaina ato amiko.

Tsy ny fahaizana amam-pahalalahana na ny fahaizana mandahan-kevitra intsony no mitondra azy fa ny finoana sy ny Fanahy Masina no miasa ao aminy.

Tsy azon'ny olona mihitsy izany matetika, satria tsy fantatry ny olombelona ny làlan'ny Fanahy Masina, mitsoka amin'izay tiany aleha, tsy fantatra ny iaviany na izay alehany, fa avy any ambony izy.

Hany ka misy zava-mahatalanjona tsy takatry ny sain'ny olombelona ataon'ny olomasina matetika noho izy ireo tsilovin'ny Fanahin'Andriamanitra ka manjary anton-dresaka fanaratsian'ny olona, voaompa satria olona ara-nofo tsy mahalala ny avy amin'Andriamanitra fa mila fahazavana manokana avy amin'Andriamanitra mba hanilo azy.

Notsoahiny avy amin'ny fitiavana tapitr'ohatr'Andriamanitra ny nataony rehetra, ny heviny rehetra.

Deus caritas est [Andriamanitra dia fitiavana (Jo 4, 16)], tao an-tranon'omby, teo an-kalvery, ary ao amin'ny tabernakia. Fanilo be anankitelo tsy maintsy manazava ny lalan'ny Mpianatra Marina.b

Tokana ny Fanahin'Andriamanitra.

Mahalana ny Fanahin'Andriamanitra, eny hoy aho, mahalana tsy fahita firy ny Fanahin'Andriamanitra, satria sarotra ny miala tanteraka amin'ny fisainan'ny tena, ny fahalalana amam-pahaizana, ny fiainana natoraly, ny kileman-tsaina, mba handraisana ny Fanahin'Andriamanitra sy hamelana azy hanjaka sy hiasa tanteraka ao.1

Sarotra ny tena miray tanteraka amin'Andriamanitra mba ho tonga tokana âo aminy, ka tsy hanaovana na hiheverana afa-tsy noho izy.

Malefaka be tokoa manko ny heviny, manify dia manify tsy voatsapan'ny vatana hany ka sarotra samborina, tsy azo takarina, tsy mora ekena.

Ny fandrosoana sy ny fahaizan'izao tontolo izao koa moa mikotaba mafy manodidina antsika, eo ny fahazarana eo amin'ny fiainana, manentsina ny sofina tsy handre ka hanaraka tanteraka izay ambarany.

Tsy